Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

34 Comments

  • Bemafohy dit :

    Mazava ny tenin’i Dada ary mahatoky azy aho.Fa manainga ny mpiasa teratany malagasy ao amin’ny masoivoho reny malala (toa misy)mba hamoaka izay mety ho porofo tsy azo lavina na raharaha maizina kotroniny ingahy saka be loha io miaraka amin’i TGV mba ho hitan’izao tontolo izao satria mifampiantso amin’ny portable ireo na mifandefa mailaka ary misy vola mivezivezy mety voasoratra amin’ny taratasy any ho any.Marina fa misy koa ny cable fa mety misy mahita sy mihaino daholo izany rehetra izany.Tadidio fa gasy aloha ianareo voalohany ary mety misy tsotsoka koa ao tsy mahazoazo an’io.Tsy voatery mitovy daholo ry zareo satria misy ny te-hanatsara ny fifandraisan’ny firenena roa.Resaka fialonana an’i Dada daholo io ataon’ny menasofina io satria tsara ny vokatra tiko ary tsy tafiditra mihintsy ny vokatry reny malala.Raha tsy misy ny zanatany frantsay mividy ny entan’i reny malala dia tsy tonga ohatran’izao ry zareo.Mampandeha ny harin-karenan’i Maman chérie ange isika ka asakasak’izay manaiky ho fetsena ihany.Marina mihintsy ny tenin’i Solo Razafy fa misy dondrona sy bado amintsika.Mampalahelo.

  • ranavalona dit :

    Io ary fa mazava tsara ny tenin’i dada ireo mpitondra teny ireo no nanao petapeta-toko taty
    fa nilaza fa izy no mahita izay mety hatao aty an-toerana dia ireny nanaonao foana ireny ,na
    fanaovana SONIA izany na ireo olona notondroana ho KIMINISITRA ireo aza zara raha TAFIDITRA tao i MANANDAFY
    nefa olona toa andry TEZA ireny tokony tsy ho HADINO, ireo mbola migadra tokony handray toerana tsara ao mihintsy
    raha ny marina. Tsy MAZAVA e! JODASY! tadidiko koa t@’iny fanaovana sonia iny fa nilaza koa i dada fa  » ry zareo taty
    no nilaza fa  » efa tokony ho soniavina ity »,satria i dada nametraka fahatokisana t@ ‘ ireo olony ireo izay efa hita fa efa
    MISABABAKA be ihany.Soa fa tsy nisy nijabaka tany kosa aloha omaly e! fa mbola ho hita eo ny tohiny.Mailo!mailo!mailo
    hatrany fa mandady ny trambo!

  • ranavalona dit :

    Maninona koa izao raha tsy misongona eo ry Bemafohy ?izaho no tonga aloha
    teto dia izaho indray no lasa faharoa! alazako @ dada io izao!!!!avelao bedy any!!
    ndana @’ izay matory fa alina ny andro.Efa hivoaka ny Mpams.

  • TsimilaTGV dit :

    Ny ALIKA efa nivovoa hatry ny ela : Président izaho e, premier ministra i Ndefo e, patati izaho e, patata ny clique ko e ! Atao daolo izao sy izao nefa efa ho 3 taona izay, mbola tsy tafavoaka iany.
    Antony : Any amin’i DADA ny la clé.

  • Bemafohy dit :

    Azafady Ranavalona!te hahita ny sarinao lava sy vaventy izany aho.Mpanao basket izany ianao sa mpilomano?Aza tezitra an!

  • ranavalona dit :

    Mpilomano ary efa niara-nilomano t@ Dofin be dia be sy sokatra na trozona ireny
    hatr@ Reuquin fa tsy tiany dia tsy narapany,natahotra ny vavako angamba izy Hi!hi!hi!
    lomano @ ranomasina izany fa raha ranokely ireny tsy ampy ahy intsonyiizaho mahay mitondra sambo ( kely an!)
    fa tsy mahay mitondra fiara. Ny ranomasina mena sisa tsy nilomanosako. Zana-drano.Rehefa sport @ rano hataoko
    daholo fa ny ety an-tanety na bisikileta aza tsy haiko mitondra ‘ ngaha tsy lalina e!!aoka izay fa tsy misy henoina ny
    feon’i dada fa miteny izy. angamba tokony ho zazavavindrano aho fa tsy tokony ety ambonin’ny tany no hiainako.

  • Bemafohy dit :

    Tafandrimandry e!

  • ranavalona dit :

    Tandremo sao manofy ratsy eo ary!!! dia mandra-pitafa indray e!
    « Maraina koa mifoha » hoy ny betsileo.

  • Ziry Onésime dit :

    Mahatoky tanteraka anao ny tenanay Atoa Filoha, ary matoa ianao milaza fa itokisanao ireo SADC iro dia mahatoky azy koa izahay!
    mananetana anefa izahay Tompoko fa hisy valiny faran’izay aingana izany fahatokisana izany, satria aha ny tsapanay aloha hatramin’izao (zava-misy) dia toy ny atao totohatra fiakarana fotsiny ny mpomba anao, fa tsy misy zavatra mivaingana izay azo tsapahin-tànana mihitsy!
    MINO ANAO IZAHAY ANDRIAMATOA FILOHA!

  • ranavalona dit :

    Indrindra!enga anie ka tsy toy ny FAHATOKISANA NAPETRAKAO t@ ireto solotenanao
    aty @ tanana ireto ny fahatokisana hapetrakao @ SADEC fa dia tena tsy mety, ary tokony
    tsy ahatoky afa tsy ny TENANAO ianao ry DADA!!!! ny ratsy tsy kely lalana. Tsarovy foana ry dada fa tsy maintsy ao
    foana ilay FITIAVA-TENA sy TIAKELY, io tsy afaka @ olom-belona, ny fankampanahy koa MAHERY ary dia tena
    MIRAVIRAVY mihintsy izany @’ izao. Mazava koa fa ny TROIKA sy SADEC no mikarakara ny fahatongavanao fa aiza?
    toa tsy nisy TOHINY INTSONY IRETO MIARAMILA SADC sa VOKY DIA NATORY????Kotrokotroy ny BE KINTANA fa
    efa tsy izy intsony ity ry dada a!!ahoana i Deba tsy misy manisy SIRA ny fahatongavany fa ny anao tsy maintsy mbola
    MIANDRY???TSY METY !!!!!tokony ho Dada aloha vao DEBA!!!nefa matoky ny zanahary isika fa izy no mandahatra .

  • Njara dit :

    Na matoky aza ny SADC, araka ny hevitro dia
    Ny herin’ny vahoaka amin’ny RODOBE ihany no fiadiana matoky VOALOHANY !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy dia tsara ny mahatoky laotra sakabeloha, indrindra fa raha trondro ny laoka !!
    Izao dia lazain’i Tananews fa hiditra ao anatin’ny governemantany hono ny ankolafin’ i Zafy Albert, hoy i Beriziky !
    Ry Ratsiraka mody tsy nanao sonia, fa ny akamany rehetra efa ao an-dapa !
    I Roindefo mody milaza fa tsy manaiky, fa atoato mety ahazo toerana tsara dia tsara, ohatra Filohan’ny CT na CST, na izay mety ho anaran’ireo vaovao !
    Possible daholo izany rehetra izany !!!!
    Aiza no tena fiarovana ny ARA-DALANA amin’izany ?

    Raha ny hevitro manokana, dia efa hatry ny ela aho no nilaza fa ny fampiarana ny « Charte africaine de la démocratie, des élections et dela Gouvernance » ihany no hafahantsika miverina any amin’izany Firenena tan-dalàna sy Demôkrasia, ary Fandriam-pahalemana izany ! ireo no hitondra antsika any amin’izany hoe TENA FAHALEOVANTENA IZANY !!
    Chap VIII
    Des sanctionsen cas de changement anticonstitutionnel de gouvernement.
    Alinéa 4.
    « les auteurs de changement anticonstitutionnel de gouvernement ( autrement dit Coup d’Etat ) ne doivent ni participer aux élections organisées pour la restitution de l’ordre démocratique, ni OCCUPER DES POSTES DE RESPONSABILITES DANS LES INSTITUTIONS POLITIQUES DE LEUR ETAT ».

    Tsy hahaleo-tena izany mihintsy isika raha mbola ny olona avy any ivelany, indrindra fa frantsay no hibaiko antsika, amin’izay zavatra rehetra tokony ho atao !!
    Fanitsakitsahana ny ZON’NY MALAGASY IZANY !

    Raharaha notadiavina ny antsika amin’ity bisou-bisou lava ity ! Hoy ilay mpampianatra filôzôfia izay : « Notre marimaritra hiraisana est la pire des choses » !

    Respectons à la lettre les Chartes et Conventions signées !!! Appliquons les Lois qui régissent la vie de notre pays !!

  • rabe dit :

    Aza de arrogant loatra re Ra8 a! efa nitodidoha @nareo ny CI e! lasa izao e! tsy nangataka postes ministériels ianareo fa nanery ny PM hahazo ze tadiavinareo! izay tsy mifanaraka @ FDR. De aza manantena an-Dratsiraka izany fa ianao ihany no namely an-dRatsiraka, tsy zaza kely azonao tambazana bonbom akory ka mangina sy mitambitamby @nao refa avy nofelahanao! ny azy zay hahazoany pouvoir ihany no mahamaika azy, toy zay mahamaika anao! mba mandiniha oa fa lehilahy lehibe nitondra firenena, efa samy nasaotin’ny vahoaka nareo telolahy ireo, aza ny sakatsakana sy ny saindratsy hamingan’olona lava izao no atao a! jereo ny famalin’i Pierrot Botozaza: » j’accepte car il est prévu que la mouvance Ra8 adhère dans ce GVT » izany no tia tanindrazana, mampandefitra ny ambopony manoloana ny fahasahahiranam-bahoaka, de lehilahy lehibe io ianao, no nilaza ho tsy mankasitra ny PM voatendry avy @nareo opposition, de avy eo ndray manaiky, de avy eo ndray miala, de inona indray radem, de lasa kilalaon-jaza sisa, de atao otage ny gasy 20 millions, aza be vava fa tonga de raiso ny avion de modia raha lehilahy, fa akoho tsy naneno telo taona izay, aleo mitazana refa tsy hanatody de aza mba dondrona ohatra ny zanany sy ny rainy ihany oa fa andihizan’i Zandry kely fa dadany, de RavaloMANGANA eo fotsiny! mba araho ihany ny torohevitry Rabe Ra8 fa fay ianao raha io totonombibory sy je suis lava io fona no no enti-miady! ary toa tsy sahy niteny toy ny mahazatra hoe: aty @ko ny lakile ny reconnaissance e! toa vao maika milentika foana e! henjana oa Zandry! tsy laitranao sy sôsy be nao a!

  • Bemafohy dit :

    Tsy manda ny teninao KM fa ahoana no hametrahana sy hampiharana ny » charte de l’union africaine » amin’izao tranga eto amintsika izao? Ho vitantsika samirery ve izany sa mila ny ONU,UE,USA bref ny CI isika?Mbola tsikaritra fa ny tafika dia mbola miaraka amin’ny mpanao tsindry hazo lena dia mety mbola mila ny CPS isika satria tsy milamina ny ao amin’ny tafika.Ahoana ny hevitrareo amin’izay?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Bemafohy,
    Efa fantatry ny UE fa ny frantsay hatry ny voalohany no ao ambadik’io zavatra io ! Ny frantsay no nanome an’ilay hevitra hoe, avelao ny SADC ( MORA PEPOANA )no hitondra ny baolina, satria betsaka ny firenena eraopeana mahafantatra ny zava-misy, tsy anaraka lava ny frantsay ary miaro ny vahoaka malagasy !
    Rehefa tena tsy mety intsony ny fifanarahana, dia ny UA fa ny UE sy ny USA sisa no azo hianteherana ! Ry zareo koa efa hatry ny ela no niandry ny hetsika ataon’ny vahoaka fa ny Prezidà no tsy tia korontana, ary ao koa hoy aho, ireo izay nifehy ny vahoaka TSY HIALA AVY AO AMIN’NY MAGRO !
    PETITIONS SY FILAHARAM-BE SISA NO TOKONY ATAON’NY VAHOAKA !
    Anjaran’ny mpanao pôlitika no manoratra mivantana any amin’ireo tompon’andraikitra tsirairay avy §

  • KintanaMananDrambo dit :

    Correction : Tsy ny UA, fa ny UE sy…

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mbola any aminy ny lakile satria izy no mbola miaro ny rariny sy ny hintsiny !!!
    Fantatry ny UE sy ny CI izany !
    Fanaovan-tsonia : Rehefa naniky nanao sonia an’ilay FDR dia ampiarina aloha izay zavatra tapaka rehetra, izay vao mitsangana izay governemanta ! Ny mouvance tsy nandà ny hiditra SATRIA OLON-DEHIBE DAHOLO SY NILAZA HO TIA TANINDRAZANA NO NANAO SONIA !!
    Kinanjo, mbola toy ny fanonganam-panjakàna natao ihany no tohizana !
    Lavina ny « sonia natao » ! Tsy arahina izay zavatra nekena sy nifanarahana !!! Raha olona tahak’izany no lazaina fa olo-marina sy tia tanindrazana sy vahoaka, dia tsy mitovy marina ny tontolo hiainan-tsika !!!

  • Njara dit :

    Tena adaladala mihitsy izany Requin tsy tia an’i Ranavalona izany an ! Ny anay aza mbola tsy hita dia efa mitomany sary :) ;)

  • Bemafohy dit :

    - KM!Tsara foana izany ny ataon’i Naika Eliana mifandray amin’ny UE.

    -Hiangaviana koa i Ranjeva hiresaka amin’ny CPI mba hampandroso ny fitsarana ny raharaha fevrier 2009 mba hiampangana an’ity TGV ity.Asa misy afaka miresaka aminy ve amintsika?
    -Ilay pétition momban’i Chataigner toa efa hoe:mandeha eran’izao tontolo izao;Dia tokony alefa any amin’ny UE via EELV any strasbourg satria ry Cohn-Bendit ireny sahy manôgany ny ankavanana ump eo amin’ny UE.
    - Ary tsy tokony hanao filaharam-be ve ny legalista aty eropa:ONU(paris na genève)-UE strasbourg satria misy koa ny parlemantaUE-ACP

  • KintanaMananDrambo dit :

    Raha mbola eo amin’ny toerany i Sarkozy, tsy azo hianteherana ny CPI ! Tsy misy afatsy ny depiote eraopeana no azo hianteherana !
    Teny antsipy kely any amin’i Madame NAIKA ! Rehefa vita izay rehetra tokony « nojerena maika », dia mba miverena fa aty ianao no tena mbola ilaina !
    Ny filaharam-be any an-toerana ? Tsy ny Prezidà mihintsy no HANOME BAIKO, fa anjaran’ny vahoaka no mieritreritra ! Hisy foana ny mpanankorontana !
    Legalista Europe ? Tsy nijaly nandritry ny telo taona toy izao ny vahoaka malagasy raha mba nieritreritra ireo malagasy izay mihaina ao anatin’izany hoe démocratie izany ( na dia tsy tonga lafatra aza )! Nitolona irery ny TENA GTT !!! Fantatrao ireo GTT lasa nanao bisou-bisou miaraka amin’ny mpanongana !
    Ho tonga saina ve ireto malagasy, sa dia SANS PAPS daholo dia tsy sahy mivaoka ny lava-tranony ? RNS sy mitsinjaka, mahavita kilaometatra maro !
    Samy manana ny fomba fijeriny amin’ity fiainana ity !

  • Bemafohy dit :

    Izaho efa 15 taona no tsy namonjy RNS ary na Mahaleo aza efa ohatran’izay koa no tsy nahitako azy.Mety misy fahamarinana io teninao io fa tsy ny rehetra no ohatran’izay satria ianao ihany eo dia milaza koa fa na ao amin’ny GTT aza dia misy manao bisou-bisou amin’ny mpanongana.Fa tsy maintsy miray hina isika no sady mailo fa betsaka no mivadika palitao.Aza kivy fotsiny.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy misy kivy izany ry Bemafohy â ! Resaka entina mba hampieritreritra ny rehetra no ataon-tsika eto ! Ankaotr’izay tsy misy dikany !
    Jereo fotsiny ny Printemps arabe any Egypte ! Nesorina i Mubarak, fa inona izao no mitranga any ? Zarazarao hanjakàna ( vahiny io sa miaramila )!
    Resaka hafa indray !

    Eo ny « mallettes », any amin-tsika « valises sa malles » vao mahazaka an’izay tokony ho entina ?

    http://www.liberation.fr/monde/01012373068-les-mallettes-de-bongo-a-sarkozy-l-interview-qui-accuse

    TSY MISY TOKONY HAHAMENATRA NY FIAROVANA NY ARA-DALANA !!!!!!!!!

  • Bemafohy dit :

    Ny antsika angamba « conteneurs » mihintsy.Ireny no efa atao hoe:voazona.
    Tsy menatra ny miaro ny ara-dalana mihintsy ny aty.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny « conteneurs » feno BDR sns, aloha eo ihany ; fa jereo ireny hoe « biens saisis » nomena an’ny zandary ireny ê !
    Ny dikan’ireny ve tsy hoe : « Io letsy ry risara, alaivo izay alainy ialahy, fa tsy tompon’antoka intsony izahay ! Izahay efa samy nahazo ny anjaranay daholo » ?

  • KintanaMananDrambo dit :

    HO AN’NY MALAGASY REHETRA ILAY HOE « TSY TOKONY HO MENATRA » !

  • zavamisy dit :

    Izahay mahatoky ny fahendren’ny Filoha Ravalomanana. Tsy mbola nisy !filoha ohatra an’iny teto, sady mahavita no manampahendrena

  • rabe dit :

    Manam-pahendrena ve ry Zavamisy saika hangorona ny haren’i Mada iray manontolo a! saika TIKOLAND Mada, saingy Andriamanitra mahay mandahatra e! n’inon’inona zavamitranga eto an-tany, de Izy avokoa no mandahatra! De ity ny fanontaniana apetrako @minao ry Kintana, fa naninona Botozaza Pierrot no nanaiky ho vice PM sy ireo olona natolotrareo, satria nahatsapa izy ireo, fa tsy kilalaon’ankizy toy zao ataonareo zao, ny fiainam-bahoaka, koa naleviny ny hambom-pony sy ny saina maloton’ny dadanareo, tsy misy afa-tsy ny hamingan’olona kanefa ny fiziriziriny no nampihitsoka an’i Mada toy zao! defa hitan’ny havany zao e!

  • ranavalona dit :

    Mba misy soso-kevitra ve ry Zavamisy ny @ ‘izay? mba harosoy ? isika mahatoky an’i dada fa i
    dada ihany koa dia diso MAHATOKY olona loatra ka hararaotin’ny olona @ farany dia isika no
    mibaby ny taolam-be tsy mitapaka.Hatokisany daholo ity olona efa tsy HAMOKATRA REHETRA ity,tokony mba hovainy
    mihintsy ny fomba fiasan’i dada aman’olona fa tsy izay mahay mandahatra rehetra dia HAMETRAHANA FAHATOKISANA
    daholo nefa ny RANO EFA ALOHALIKA.

    Kintana tsy mino kosa aho fa FAHAMENARANA ilay izy fa , ianao ihany no mamaly azy fa ao ny tsy manana taratasy sns
    ka tahotra ilay izy kosa angamba e! na izaho koa aza nahatsikaritra fa NIHENA be ilay GTT taty aoriana tao Paris. Ny mivadika
    tsy ferana.

  • ranavalona dit :

    Bemafohy
    Ny @ Ranjeva dia tsy hita HANTENAINA moa sady tsy AZO HAFOY koa.
    Tsy haiko misy inona marina fa mbola ho haveriko henoina angaha ilay resany
    t@ invitė de zoma fa toa ohatry ny efa nilazalaza ny momba io izy ny ANTONY 2 tsy hietsehany angamba izay???

  • Bemafohy dit :

    Raha ohatra tsy mbola afa -mihetsika Ranjeva amin’io raharaha fevrier 2009 io dia mba manontany an’i Ranjeva mirahalahy izay mahafantatra an-dRatsiraka mba hanao izay mety amin’ireo miaramila be galona tsy tonga saina ireo mba hiaro ny vahoaka fa tsy ny HAT.

  • KintanaMananDrambo dit :

    ranavalona,
    Tsy manome tsiny an’ireo izay « sahirana amin’ny taratasy » ny tenako, fa ireo izay afaka maneho ny heviny, sy mba afaka mihetsika no resahiko ! Na inona na inona toerana misy, na manam-bady vazaha ianao na tsia, mbola tanin-drazanao Madagasikara, ary misy ny fianakavianao rehetra !
    Mba jereo ny ataon’ny afrikana sy ny sisa ê ! Ho telo taona tsy misy resaka momban’i M/car ao amin’ny haino aman-jery, tsy misy GAGA NA MBA TOHANA !
    Firifiry ireny frantsay hoe nisy namono ireny aza TSY SAHIN-DRY ZAREO RESAHINA, kanefa touriste nisy namono na hoe natao otage, anaovana litania be !
    Tsy mionona fotsiny hoe, efa tsy ahy intsony izany olana ANY IZANY !! Misy vazaha tena tohina, fa ianao gasy aza tsy mihetsika, koa inona no ataony eo ?
    Raha mahatadidy ianao, nisy vazaha nilahatra tamin’ny mai 2009 !
    Ho an’i rabe,
    Izaho tsy nanolotra iza na iza ! Tsy TIM koa, fa manohana sy manao an’izay azoko atao mba HIVERENAN’NY ARA-DALANA ! Mbola tsy tonga tao amin’ny fianakavianao ny herisedra, halatra sy vono olona !
    Tany sy firenena aiza no hoe tsy mahazo manao firavaka raha mandeha eny an-dalana satria misy na feno ny mpanendaka ! Tamin’ny andron’i deba, fanjakan’ny madinika sa « mpangalatra » no nisy an’izany taloha !!
    Izao dia atrany ambanivohitra, voa daholo !
    Botozaza izany TSY FANTATRO NA TSY TE HALALA AHO NO MARIMARINA KOKOA, ary i Ravalomanana efa nanome fehipetra tamin’ireo miaraka aminy !!
    Hoy i Pierrot  » La reconnaissance internationale sera difficile » ! IMPOSSIBLE NO IZY !
    TIKOLAND ? Je préfère à KBARALYLAND ou à FREZLAND !!! Sa ho DIATLAND bientôt ??
    Fahatokisana : Marina fa nisy ny fahatokisana diso toerana.
    Setrin’izany ? Mila mandeha mody izy, ary MITANDRINA AMIN’IZAY !! Betsaka laotra IREO MPAMINGANA REHEFA TSY MAHAZO BONBON !!
    Moa ve tsy ilay zaza maditra nanaborotsaka ny zipon-dreniny ?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny fanomezam-baovao koa ry zareo mba ataovy mirindra kely azafady â !
    Ao amin’ny Tananews milaza à 19h51 fa hoe nanao passation de pouvoir i Hajo Andrianainarivelo sy Ruffine Tsiranana, tao amin’ny Décentralisation. Efa fantatra izany, kanefa efa nilaza teny amin’ny Magro koa ramatoa io après-midi io, fa hametraka démission.
    Info tahak’izany dia tokony mba tohizana hoe… FA HAMETRAKA DEMISSION.

    Misaotra an’i Madame Naika « namaly » ny antso. MDR !!! Mila dia mila azy ny aty !

  • Neninoro dit :

    Soa fa ny an’i Kintana no tonga aloha, fa tena koditra be aho namaky ny hoe: « passation entre Hajo et Ruffine Tsiranana » tao amin’ny Tnns,commentaire-n’i Admin: mais elle était au Magro l’après-midi…

    Hay ve ka nilaza izy fa hi-démissionne! Tsy ampy fahamatorana ihany ka!! hany ka misababaka!?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Botozaza koa hono toa hoe, hijanona indray !!
    Io ilay hoe mihiditra sy mivaoka mandreraka ê !
    Raha misy hoy aho no tokony miala voalohany, dia i Beriziky ! Re fa tsy Hanana pouvoir ( finiavana mety misy kely ihany, na atao hoe be aza ) hampiatra ny FDR izy !

    Ho an’ilay rabe ihany !
    Amin’ny zava-drehetra, alohan’ny hanantanterahan’azy dia indraindray misy ny hoe Accord de principe. Na tsy misy sonia vita aza dia mazàna manaraka an’izay toky nomeny ny olona madio saina ! Ny an’ny sasany efa vita na sonia aza, dia mivadika indray.

    Izay ny androany fa efa handeha ny lamasinina ! Mitohy ny tolona !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*