Antson’ny filoha Ravalomanana : mialà ao anatin’io governemanta io

dada

Vaovao marina

Misaotra an’Andriamanitra afaka mifampiresaka amin’ny telefona ity, ianareo eto amin’ny Magro ihany koa mihaino ahy, ary tsy ianareo ihany fa ny Malagasy rehetra liana te hahazo vaovao sy zava-misy marina eto Madagasikara.

Amin’izao fahasahiranana manjoa ny firenentsika izao, dia ilana hampahafantarina ny vaovao marina ny vahoaka Malagasy, koa izay indrindra no iresahako aminareo izao.Samia mihaino tsara :

Tadiavinin’ny FAT  ho vonoina  ny zanako

Ny fahatongavan’ny zanako, Tojo izay tonga tany Antananrivo  tamin’ny Alahady teo ;  misaotra anareo aho tonga nitsena azy, nijery sy nanara-maso tsara.Ny zava-nitranga omaly dia tadiavin’ny sasany hanaovana hetraketraka na koa ampitahorina na » intimidation » na koa tadiaviny ho vonoina  ny zanako.Zavatra  tena nanaitra ahy izay satria ny fanantenana dia fampiharana an-tsoratra ny feuille de route tarihan’ingahy Beriziky.Isika samy mahalala avokoa fa misy ny movansy Ravalomanana izay miresaka amin’izy ireo.Na dia efa nilaza tamin’ny fomba ofisialy aza aho fa nanaiky ny fidirana ao anatin’io gouvernemanta io kanefa manamafy aminareo aho androany fa rehefa tsy hanatanteraka ny voalaza ny ao anatin’ny tondrozotra dia tsy hitako mihitsy izay tokony hijanonana ao anatin’io governemanta io.Ny antony dia tsotra ihany, rehefa metimety amin-dry zareo dia ataony izay hoe tongava  inareo hiasa miaraka isika, fa rehefa ny momba ny antsika dia ataony izay hetraketraka sy fandrahonana sy fisamborana.

Miafiana any amin’ny Masoivoho i Tojo

Amintsika miresaka izao dia any amin’ny tranon’ny masoivoho eto Antananarivo no hipetrahan’ny zanako, vao niantso ahy teo izy, ary tena tsy azoko ekena mihitsy izany satria izaho nanantena sy nino  fa mbolamampihatra ilay tondrozotra.Tsy hitako izay tokony hijanonana ao amin’io governemanta io na koa hidirana ao amin’ny CST sy ny CT raha izao no zavatra misy.Koa ianareo eto amin’ny Magro, isika eto amin’ny Magro tsy mijanona mihitsy isika raha tsy izaho no milaza , miaritra isika ary tsy amelantsika raha tsy miverina  aty Madagasikara ny fandriam-pahalemana, ny fampandrosoana sy ny filaminana, satria ny vahoaka dia hitaintaina lava izao koa dia tsy manaiky izany mihitsy aho , ary tena zavatra mamoafady izany hoe : Malagasy mipetra any anatin’ny tranon’ny vahiny eto Madagasikara satria matahotra ny mpiray tanindrazana aminy satria samborin’ireo tsy matahotody izay milaza fa manaja ny tonjozotra kanefa tsy izay no izy .

Ataovy mazava mihitsy aloha ny fitsipi-dalao 

Koa dia miantso anareo rehetra aho ao anatin’ny governemanta , ianareo izay mieritreritra hiditra ho CT sy CST : ataovy mazava mihitsy aloha ny fitsipi-dalao fa ny mifamitapitaka tsy tsara , ny misababaka tsy mety , rehefa eny dia eny, rehefa tsia dia tsia.Koa dia isika vahoaka ihany no mahalala ny zava-misy marina  koa minoa ianareo ahy fa tsy ho ela aho dia hoavy .

 Mody adala no manjaka eto

Tsy maintsy atao izay hisian’ny filaminana , fandriam-pahalemana, ary ny fampihavanana .Fotoana tsy hitanisana ny zavatra ratsy izao fa fotoana hijerevana ny ankehitriny sy ny fibanjinana ny hoavy.Hamoaka ny vahoaka Malagasy amin’ny fahasahiranany no tanjona, mijaly loatra ny vahoaka Malagasy amin’ny zavatra manjo azy sy ny tsy fisian’ny vola koa dia manantena aho fa samy ahalala izay tandrify azy avy .Isika ihany koa tsy manaiky lembenana fa dia izay no teniko ary hamafisiko hatrany .Manana ny fiandriananay ny vahoaka Malagasy ary manana ny maha izy azy koa tokony tandrovana mandrakariva izany fa tsy atao faty ankaranany sy tsy misy taranaka fa ny mody adala no manjaka eto, entina ampitahorana sy entina hisamborana fa dia samia mailo isika rehetra .Mampahafantatra izany zavatra misy izany aho  .

Baiko !

Averiko indray, milaza mivantana aminareo anaty governemanta aho , rehefa tsy mazava ny fitsipi-dalao aleo miala .Mametraka ny  veloma aminareo aho, samy ho tahian’Andriamanitr a!

89 pensées sur “Antson’ny filoha Ravalomanana : mialà ao anatin’io governemanta io”

  1. Misaotra anao Andriamatoa Filoha, nitondra ny fanazavàna, mba ho ren’ny tany aman-danitra ny antsonao !
    Fiantsina ady tsotra izao no ataon’ny Fat hatr’izay, ary tsy vonona ny hitantana ny tetezamita miaraka amin’ny ankolafy rehetra izany ry zareo, fa ny unilatéralisme no mitohy foana !
    Izao dia tsy menatra akory, fa dia miantsy ady amin’ny vahoaka malagasy, amin’ireny zavatra ataon-dry zareo amin’ny zanakao ireny !
    Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrinay foana ê !
    Filoha hendry tsy andrin’ny hafa, andrinay foana ê !
    Ny vahoaka, zava-hiainana na zava-misy sy ny tantara, no hitsara !!
    Mahereza Tompokolahy, fa manohana anao lalan-dava ny vahoaka malagasy !
    Miangavy anao fotsiny mba tsy hisorona, hiteny sy hanitsy an’ireo mpiara-dia aminao, raha sendra diso lalana ry zareo !
    Miandry anao ny vahoaka malagasy Andriamatoa Prezidà, ary adidy masina mbola miezinezina koa, no mbola tsy maintsy sahaninao !
    Samy ho tahian’Andriamanitra daholo isika mianakavy !

  2. Mazava ny resaka ry zareo mitady hiazakazaka hoe ho CT sy CST ! Ho anareo hoe ministra ministra koa !
    Tandremo fotsiny ry zareo, fa ny rindrina rehetra anie ka misy « sofina » ê ! !

  3. Tsy hitady va olana na fankatoavana ireo jiolamboto ireo izao no atao hoe fanjakan’ny baroa samy manao izay sain-pantany ny tombotsoa manokana ny kaboraraka ny hanankarena aingana izay ihany no tanjona
    Mibaribary @ izao tontolo izao iza no fositra? iza ny firenena manohana azy mampiasa ny tetika maizina rehetra handrobana ny hamerenana ny fanjanahan-tany
    Ny coi indray no miditra an-tsehetra milaza fa hanampy @ fazahoana fankatoavana sy ny fanantaterahina ny fifidianana tsy dia domela sahalan’io sarimbakoliny io ny malagasy ka tsy hafantatra fa ny mpanjana-tany ihany no miafina @ io coi
    Mazava ny tenin’ny filoha tsy handefitra manan-ny rariny foana ny vahoaka misy farany daholo ny zava-drehetra na ny asan-jiolahy aza
    Miandry anao ny malagasy tia-tanindrazana andriamatoa filoha ary vonona ny hiaro anao

  4. Mba misy fanambaràna ve ataon’ny Mouvance ZAFY sy Ratsiraka amin’izao toe-javatra izao ???!
    Raha mba misy ùmaheno na mahita dia mba atolory eto azafady indrindra !


    Andriamatoa Filoha !
    Ny ahy moa dia efa zatra ny tsinaim-balala ka izao ihany ny ahy :

    Aza mety mifandom-bera na amin’iza na amin’iza ivelan’ny tokatranonao, noho ny Mpanapoizina, miasa ho an’n’ny FAT !
    !Tsarovy Atoa Rajaonarivony Narisoa sy René Modeste, dia mazava aminao !

    Ho ela velona Tompoko, ary ho tahian’Atra anie ianao sy ny ankohonanao !

  5. Bemafohy !

    Asa raha mba tafita any amin’ny Filoha Marc Ravalomanana iny resaka Conseil National de Transition iny na tsia !!!

    Miasa mafy ny vazaha, mba hanakana an’i Dada tsy hiverina, fa betsaka ny marivo salosana sy mbola voazanaka ara-tsaina, ka mora azeran’ny vola mianjera avy any aminy.

    Ny hanaovana ny fifidianana tsy misy an’i Dada mihitsy no fenitra kendren’ireo tsy vanona ireo.
    Domelina moa dia tsy manak’ambara fa dia miandry fotsiny ny baiko avy amin’ny Mpanjanaka, ka ny manosika an’i Risara Baomba no mety aminy, dia lasa tokoa ilay tsy misaina. Azo atao hoe miray tsikombakomba amin’ity fivarota-Tanindrazana ity mihitsy Ra-Baomba.

    Aiza ihany ny hetsikareo any ivelan’i Mkara ry malagasy a ???!!!
    Hanao sa tsy hanao, fa izao no fotoanany !!!???

  6. Hafa dia hafa indray lay fanontaniana ! Raha eto ihany ve tsy fandanian’andro fotsiny izany ? Sa ahoana hoy ianao ?

    Betsaka ny olona, liana ary te ahafantatra izay tena miseho marina ao an-tanàna ! Tsy ny RFI no hianteherana !

  7. Zora sy Kintana!mba manapa-tsinay koa ianareo ireto marina hi!hi!hi!!!eto ihany fa alefa aiza e!!!
    Tena latsaka mihintsy aho marina!!!Kintana izany koa tena tsy azo kitiana mihintsy ny sofiny!!!!!

  8. Asa izay hevitr’i Zora, fa ny handika azy amin’ny teny anglisy aloha dia mety ho tsy vitako tsara, fa ny amin’ny Tenin-dr’i vozongo angaha dia mety ho eoeo ihany e !

    Aleo angamba ho ataon’i Bemafohy na i HoAiza ???
    Ilay resaka Madame Rahaga no mavesatra amin’ny saiko. Tena mila olona convaincu sy mitolona no mitondra fa tsy olona manara-drenirano fotsiny. Tsara ny manana Diplaoma, fa tsara ihany koa ny olona miatrika sy MIROTSAKA, fa tsy miandry mahazo fotsiny.
    Eo angamba no mety ho olana ao amin’ny GTT ao .

  9. Hataoko fa MAZAVA be io tenin’i dada io!!nahoana no tonga ny zanak’i Deba tsy nisy sira??
    fa tonga ny zanak’i dada no hatao HATSOJAY???manaintaina be fa tsy msy hatao e!!!
    Mahatsiaro VOATSINDRY mafy ireto donto be isany ka MIAKAPOKAPOKA MAFY!! BE TSINDRY BE KOSA ILAY
    ZANAK’I DADA ary tsy nahita ho kianina intsony ny foza,TANKINA DAHOLO!!!dia ny MIFOFO NY AINY SISA NO
    FANAFODINY. Izay ve sisa no mba ho entina @’ity tany ity e!!!tsy misy ho aiza eto e!tandremo sao mamono biby
    tsy mahafaty.
    MIALA! MIALA ! mialá daholo ao @’ io fitondra-poza io fa izay mijanona ao dia NAMANY, hataoko fa mazava izao
    ny fandehan’i raharaha fa hatao fitaovana hazahoana ilay FANKATOAVANA fotsiny ny ankolafy Ravalomanana.
    Dia avereno izay nandraindray vola tany fa bedin’i dada a!!

  10. Ary dia milalao afo anie ity zanakisoa ity e!! sao heveriny fa i dada aza i Deba ka azony
    hanaparana ny adalany???mbola adala lavitra noho izy ary mbola DAHALO lavitra noho
    izy no mba tsabatsabahana nefa ny tena efa nametrahan’ny olona FITORIANA sady niray petsapetsa t@ fandrobana
    rehetra tao @ tanana. Dia efa MITONANTONANA izany raha vehivavy fa saka matory no alam-bolom-bava!!!!!!!!!
    Tsy maintsy ho raikitra ihany ity GIDRAGIDRA raha izao no fandehan’ny tantara!!!aleo hifankahita eto e!!!

  11. Mitselika fotsiny, fa mianatra « pôlitika », manaraka ny tantaran’i louis XVI !
    Mahavariana !
    Aza miomehy ihanao ry ranavalona fa izaho aza mba gaga ( hoy radaoro ) tamin’ilay fanontaniana, ary saika hoe MDr ihany, fa lasa eritreritra tamin’ilay izy !
    Avoaka aiza sa alefa aiza, sa omena an’iza ? Tsy dia nazava tamiko laotra ny tian’i zora lazaina, fa dia novaliako amin’izay maha metimety ny eritreritro aloha !! MDR !

  12. Fa misy inona ao @ gtt fa tsy azoko ry zareo???tsy lavina fa tsy maintsy efa misy jodasy ao!
    fa izaho kosa aloha tsy manome tsiny ireo olona izay mbola tsy tena ara-dalana ny hipetrahany ao,
    fa ny sisa ???

  13. Tsy ratsy kosa ilay sujet tonga direct. Mba tsy milamitady ilay site intsony fa tonga dia mahita vaovao tsara. Merci.

  14. Zavatra maro loha no nitondrana ary nangatahana amin’ny governemanta BERIZIKY ny Filoha RAVALOMANANA MARC fanazavana..:
    –Nitondra fanazavana momba ny fandraisan’ny mouvance RAVALOMANANA MARC ANJARA
    ao amin’ny governemanta izy , izay nandrara ny mpikambana amin’ny mouvance TSY HIDITRA AMIN’IO GOVERNEMANTA RAVALOMANANA MARC…

    Fanazavana nomen’ny Filoha :

    Ny fananganana io governemanta io dia tsy mifanaraka amin’ny fitsika sy ny fepetra ao anatin’ny tondro zotra..
    Rehefa avy nifandinika tamin’i Beriziky ny Filoha dia nanaiky nandray anjara FA KOSA
    ny fandraisanay anjara , hoy izy , dia tsy mijanona izahay raha toa ka tsy tanterahana ny andiny faha -20 : mody ny sesitany any ivelany , mivaoka ny gadra politiques , misokatra ny antennes -n’ny radio sy ny tv…!

    « Raha tsy tanteraha ireo DIA MIALA IZAHAY! »

    Raha tsy niditra ao amin’io governemanta io
    ny minisitry ny Mouvance RAVALOMANANA MARC dia hafaka nanery io govenemanta io hanantateraka io andininy faha-20 io !

    —Fangatahana fanazavana momba ny fanenjehana an’i RAVALOMANANA TOJO, ZANANY , izay nohenjehan’ireo mpitandro filaminana ,ka nozihin’izy ireo teny FARAVOHITRA , ary nampiantsoina ny zandary ho tonga eny BETONGOLO..?

    Fanontanian’ny Filoha :
    Nahoana teratany Malagasy eto nANTANNDRZANY NO VOATERY HITETRAKA ANY AN-TRAHNON’OLONA ETO AMINY ?Any an-tranon’ny Imasoivoho namana no mipetraka i TOJO..
    Nahoana no hampihorohoro , henjehana izy ?

    Hoy ny Filoha : » TOKONY HAZAVA NY FEPETRAN’NY LALAO ARY TSY TOKONY HIOVAOVA ARAKA NY SITRAPON-DROZO IZANY FEPETRA IZANY! »

    Ny zavatra mitranga mikasika an ‘i RAVALOMANANA TOJO
    dia mitory fampitandrena ny filoha RAVALOMANANA MARC AVY ANY AMIN’ IRE NANONGANANA NY FITONDRANY..:NY ZANANY , IZAY TSY NIFANDANY NA MIFANDANY EO AMIN’NY SAHA POLITIQUE AZA DIA HAMPIHOROHOROAN ‘IZY IREO , KOA NY FILOHA IZANY DIA TSY HANANAN ‘IZY IREO
    FITSIMBINANA NA FATAHORANA..!

    Marina ve fa nilaza fa tsy nahafantatra io fanenjehana an’iRAVALOMANANA TOJO io rajoelina ary nanome toky tamin’ny mouvance RAVALOMANANA MARC fa azony hatao ny mampinto io fanenjena io..
    Ny mouvance Zafy sy Ratsiraka ty mba niteny..
    Ny TROIKA dia nanao fanambarana fa izy no miantoko ny fiarovana ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA MARC..

    MILAZA KOA IZANY NY SADEC NO HIANTOKA NY FIAROVANA NY FILOHA RAVALMANANA MARC MIANAKAVYny fiambenana ny tranony , ny fiarovana ny diany…!
    i GUY RIVO DIA NANANMBARA FA ATOA FERRY JONES DIA MPANDRAHARAHA FA TSY BODYGUARD !

    AMIKO DIA MAZAVA TSARA NY LALAO !

    IREO NIFANDRINA TAMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA SY NY MALAGASY NIFIDY AZY DIA MITANGORONA AO ANTANANARIVO ARY SAMY MISIKINA NY FIADIANY ARY DIDIN’IREO
    MPOMBA AZY..!
    ARY NY REHETRA IZAY NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FA FANONGANAM-
    PANJAKANA DIA MANDINIKA IZAY HO FIHETSIKY NY FILOHA RAVALOMANA MARC IZAY TONY DIA TONY, NA DIA HITA FA TENA TEZITRA SY MALAHELO IZY AMIN’NY FOMBA ASEHO MIKASIKA NY ZANANY..!
    MINO NY FANAMPIAN’NY SADC NY FILOHA ARY MAHATOKY NY SADC
    AMIN’NY FANANTANTERAHANA NY TONDRO ZOTRA AMIN’NY ALALAN ‘NY  » OPTIONS « !
    NY MALAGASY DIA MINO SY MAHATOKY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC , IZAY TOAVINY SY HAJAINY

  15. Izao vanim-potoana izao dia miavaka tamin’izay
    telo taona latsaka nampiova ny fiainan’ny Firenena sy Antsika Malagasy !
    Hoy ny Filoha RAVALOMANANA MARC tamin’ny resaka farany teo -29 novembre 2011- fa tsy fotoana ampitsahivana intsony ny loza amin’atambo niantra tamintsika izao , fa tokony hijery NY HO AVY ISIKA..!
    Marina tokoa izany fa sarotra anie Atoa Filoha ny manadino sy ny mamela heloka na aza ny fampianarana maro samy hafa nomena Antsika handresena izany !
    Marina tokoa fa angamba ny fandihina sy ny fitandroana ny
    vinavina izay hampilamina , hampitombo ny fandriampahalemana hahatsara ny fiaraha-monintsika Malagasy mba hampandry ny saina amam-panahy hahazoantsika mifantoka amin’ny fampandroana ny Firenana mba hanjary Isika ka hamokatra voa tsara sy betsaka mba hahavoky ny kibo kepaka ho telo taona izao !

    Dia mba ho tanterahantsika am-pilaminana , amin’ny fahafahana sy fifanajana ary amin’ny fanajana ny Lalam-panorenana -izay ny tondro zotra no misolo izany–ny fananterahana , hoy aho , NY FIFIDIANANA IZAY OLONA MENDRIKA SY HAHAY HISANA NY ASAN ‘NY FILOHA-PIRENENA …!

    IO NO FOTOANA HANDRANDRAINA SY HANDRASANA MBA HAHAZOAN’NY VAHOKA MITENY SY MANOME NY HEVINY ARY MILAZA NY SAFIDINY..!
    IZANY FEON ‘NY VAHOAKA IZANY NO HAMPANGINA SY HAMATOTRA IREO NAKA NY FITONDRANA AN -KERY !

    MINO AHO FA HO MARO ISIKA NO HIFANDIMBY ETO NA AMIN ‘NY TRANOKALA HAFA HIRESAKA MOMBA IZAO ZOTRANTSIKA MANKANY AMIN ‘IZANY FIFIDIANANA IZANY !
    MBOLA TOLONA IZANY KA MIJOROA !

  16. « minoa ianareo ahy fa tsy ho ela aho dia hoavy »

    I RAZANA Christine toa baikon’ny fianakaviana Ramarosahona hisambotra an’i dadabe ratsIRAKA

    I BERIZIKY no manakana azy (RAZANA Christine) satria manana statut d’ancien président de mada i ratsIRAKA (samby baka Diégo, matin’i Zafy enao Beriziky an)

    I BERIZIKY anefa rehefa voizina ny mikasika ny éxilé ihany koa président élu Marc Ravalomanana sy ny fiarovana azy ireo (ny tenany, ny fianakiviany ary koa ny fananany) dia manasa tanana tsotr’izao.
    Fa atsipinao any amin’iza ny andraikitra, dia inona izany fa ny sécurité ny olom-pirenena gasy fa indrindra filoham-pirenena r’ilay dondron’ity tsy vitanao ny maka andraikitra ny fiarovana azy.
    De ho aiza izahay, aina aloha no voalohany vao vola r’ilay tsisy saina ireto an!
    Mafanafana foana ny anareo aho, kou zahay vahoaka aby no antsoina hiara-handihy valse eo ambany fifehezan’i France lav’izao

    Efa mipoaka ny tako-bilany, ny andro eto dago mafana rahateo,
    ny fifidianana rehetra teo efa misafotofoto na enao aza toa tsy consensuel moa ity gvt tarihina tsy inclusif

    TANTERAHO NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA
    HAVOTSORY NY GADRA POLITIKA REHETRA
    HAVELA HALALAKA NY AINO AMAN-JERY

    Reconnaissance iry ê, financement atsy ê! Grrrrrrrrr

  17. I Zora kosa alou efa teto hatry ny ela, saingy izao vao mipoitra indray an

    Avoaka printy alefa ho fatatry ny daholobe alou io tenin’ny filoha etsy ambony io (izay efa @ teny gasy io ka)

    Mila HAHELY haingana ihany koa ny @ dikan-teny FrancTay sy Anglisy ho fantatr’izao tontolo izao – betsaka ny voie an

    Ataovy mazava ny resantsika eto an, ny misafelika tsy dia voako loatra (sa ahoana Ranavalona?)
    Ny entan-jarai(na)-mora zaka hoy ny fomba fiteny malagasy,
    pour servir et valoir ce que de droit

  18. Aza matahotra enao Ra8 fa tsisy hikitika ny zanakao raha mipetraka tsara izy, satria tsy meloka, ary tsy tokony hataotra hanantona ny zandary izany sa mahana amin’ny inona ??
    Fa ilay mercenaire investisseur kosa asaivo manantona zandary sao tsy mazava e. fa na ianareo zanak’i dada ireo ve dia manaiky mercenaire tsy mazava tonga eto dago?

  19. Marina mihintsy ny anao ry Hoaiza!aoka mba tsy hisy hisafelika intsony ny resaka.
    Maty lolo domelina fa manampahaizana be ilay zanakao ry dada ka tsy faly ny devoliny
    dia asainy vonoina indray toy ireo vahoaka nataony SORONA teny Ambohitsiroatra.Mafy rehefa DONTO kah!!
    0 BORIBORY kosa lery eo anatrehan’i Tojo aloha e!!!tsy maintsy MAILO ihany domelina,tsy mahatanty TSINDRY lery
    no tena marina ,koa jereo ireny nataony an’i Ranjeva???hita mihintsy ny maha MPANOMPOSAMPY azy ,tsy tia TSARA.
    Dia jereo etsy andaniny iza no mba namany sy lelafiny??ireo DEVOLY LATSAKA an-tany rehetra, Kadhafi,Ben Laden,Bernard
    Tapie,Ilay rahalahin’i George B ,Chataiger,Karana,Ramaroson MAFIA………sns izany hoe ny TSARA AJEDAKA fa ny ratsy kosa
    LELAFINA.POV DOMELINA !!!efa fantatra ny hiafaran’i olona toy ireny nadia minia tsy MIAIKY aza izy.

  20. BOGOSY be ilay MERSENERA ka MATAHOTRA IZAHAY SAO HAOLAN’ITY DOMELINAREO
    sy MIALY any ry TANORA a!sao tambaran’izy mivady any,olona SADIKA IRENY!(jereo foza mafana e!)
    Mpiambina azy iny fa aza mody havadika ny resaka rehefa tsy MISY HAPOAKA,Deba efa mangozoozo iny aza dia mbola
    MAMPIFEZAKA!!!koa maika fa ity zanak’i DADA??? manampahaizana! mampadihy vody no mba NIANARANA koa AIZA???
    aiza no tsy harovanay ny BOGOSINAY??Mba avoay raha misy BOGOSY ohatra an’iny ireo GINDRO MPIKOPAKA LALITRA
    ny FITOMBENAN’I domelina, JILAKA ERY MAHITA ILAY ZANAK’OLONA MILAY BE!!!dia hoe: SAMBORY!!sambory dadanareo
    dia alefaso HIPEKA AN’i domelina fa efa elaela izy tsy tany PARIS @ ilay toerana SAHAZA azy any .MAZAVA VE ry FOZA Isany???

  21. Fa aona iany ty governemanta mbola mangozohozo ty eh? Inona marina no tena mbola vato misakana ao! Ze tsy agnano @nazy io esory any fa manakorontana fotsiny!!

  22. Dada zavatra olona MARANITRA !!te handodona an’i SADEC izy dia nataony izao,
    satria tsy maintsy efa vOAFAHANA lalitra indray ireo SADEC sy TROIKA ireo nandritra
    ireny fihaonana t@ domelina taty ireny, JONO io fa mbola aiza ny hanaovan’i dada azy e!!avy dia NANAIKITRA ny
    FINTANA ! nalefany aloha i TOJO dia avy dia NIRONGATRA ny BODO SY ADALA REHETRA Dia izao raisi-potsiny.
    Mihetsika @’izay izao ny SADEC fa inona moa???MAILO ny @ FIAROVANA ny ain’i DADA. AZA MBA DOMA IHANY
    OAH RAY OLONA A!!!!!!!izany no alehany rehefa ny DEVOLY no MIBAIKO!!!haletiny tsara any anaty HANTSANA.

  23. Miombon-kevitra @ Ranavalona zaho. Tena DOMA sy baikon’ny DEVOLY marina ireto TGVendrana.
    Ampianaro my zaza ajalahy hanana diplôma fa sao lasa DJ mandromotra sezam-panjakàna sy mitomany titre-na Président de la République. Mampanahelo !

  24. Efa ato daholo izy izany ! Na i baby aza toa tonga maraina ?
    Ny fampiarana an’ilay FDR tsy mandroso, ny vaovao marina sy tsy marina tsy fantatra intsony !!!
    Aiza ihany izy ity ê ?
    Izao indray hoy i R.baomba Fiaty Panda : » Nous n’avons rien contre Tojo Ravalomanana ! »
    Fa jamba daholo izany ny olona, tsy nahita an’ireny vaovao nivaoka rehetra ireny ? Fa maninona no novonoina ny mpiambina ny tranon’ny Prezidà ? Inona no antony ?
    Izao indray hono i lay Beriziky nilaza fa tsy tafiditra ao anatin’ny art.20 an’ilay FDR ny resaka momban’ny Prezidà !
    Tsy mahay mamaky teny atrany amin’ilay beriziky !
    Entina handrebirebena ny saim-bahoaka, dia naverina indray ilay fomba ratsy nifanaovana niaraka tamin’i salo mao tamin’ny septambra ! Mandroso tsara ny fampiarana an’ilay tondrozotra ê !
    Milamina ny tany, ary ny Gadra mbola tsy navaoka, ny haino aman-jery mbola voafehy, ary indrindra ny PREZIDA TSY AVELA MIHIDITRA AN-TANINDRAZANA !!

    Iza aloha ilay tara amin’i eric manana ê ? Efa nivaoka any ny kalandrie, hanaovan’izy sy razistà fampiseoana ! sity malagasyorkestra !

  25. Ha!ha!ha!!!!!ry Kintana e!

    Sao dia efa mivadik’ondana i Beriziky??fa raha ny andininy hafa no asiany kiana dia manaiky aho fa tsy ity
    andinin’ny faha 20????eeeee! tratran’ny koa izany!!elao hilany @’ izay fa tsy izy intsony .Dia ilay famoahana ny Gadra
    sy ny radio TV izany koa tsy voalaza tao koh??izany no mbola tsy hanatanterahana azy hatr@’ izao??fa ilay SONIA DIA
    FANKATOAVANA AN’ILAY MPANGALATRA SY MPANOMPOSAMPY SARINDIKY iny izany??MIHAMAZAVA dia mazava
    ny raharaha fa NATAO FITAOVANA ny ANKOLAFY mba HAZAHOAN’i domelina FANKATOAVANA dia TSIPAHANY @’ izay
    IZAY SONIA VITA ARAKA NY EFA MAHAZATRA!!!asa raha mbola notehirizin’i Mamy R. ao ilay stylo nanaovany sonia fa
    ilay sonia ity toa vao maika NANAMAFY NY SEZAN’NY MPANJANAKA. Ny aza mba voan’ny raikiraiky ihany oah!!!

  26. Njara!

    Momba ny Conseil National de Transition narosonao dia ataoko fa tonga any amin’ny filoha Ravalomanana satria olona misokatra ny ao amin’ny GTT ka mandray izay hevitra mety ho tsara atolotra azy.Tsy maintsy mifanakalo hevitra isika hanalana an’io Domelina io ary hiverenan’i Dada.

  27. Efa nandefa ny antson’Ny filoha Ravalomanan tany amin’ny EELV sy ny SADC aho, nampiako koa fa mila havaozina ny rafitry ny miaramila eto amintsika ka minagavy ny CPS hanao izany.

  28. Misaotra Bemafohy a !

    Fifaliana lehibe ho ahy ny mahalala fa olona azo hifampiresahana tsara izany ny ao amin’ny GTT; R
    Raha tonga any amin’ny Filoha M.Ravalomanana io resaka Conseil National de Transition io, dia tena zavatra tsara raha ny hevitro. Izay fanapahan-kevitra momba izany dia azy sy ny mpanolon-tsiana manakaiky azy no mahita izay atao.
    Toa efa misy hevitra mandeha momba io resaka io ihany, fa toa mbola misavorivory no fahalalako azy.
    Ny tsara soritana angaha dia Conseil mandritry ny transition io ary mahavoafehy ny calendrier- ny Election presidentielle.


    Mihetsiketsika mafy mihitsy ny vozongo, hanakorontana sy handresy lahatra ny PM mba ho ny FAT sy ny mpanjanaka ihany no hanao ny Calendrier -ny Election presidentielle, ka :
    Raha misy mitavozavoza eo, na misy mora resy lahatra (car les vozongo feront tout ce qu’ils on en leur pouvoir, pour arriver à leur fin : leurs interets), dia ho rava daholo ny tolona ary hiverina indray amin’ny lisitra atolotry ny PHAT+Mpanjanaka.


    Tsy mbola nisy resaka mikasika an’i Pr RANJEVA hatramin’izao, kanefa tsara ihany angamba, raha mba misy demarche ankehitriny mankany amin’ny CPI. Izay no nahatonga ahy hanao proposition hoe :
    Mba miaraka manao izany – Madame NAIKA Eliane
    – Mr RAKOTOAMBOA J L
    – ary ny Pr RANJEVA
    Ny fitambarana no hery, ka iriana ny fiarahan’ireo manatanteraka izany.


    Ny vozongo ihany no tena fahavalo voalohany indrindra. Mbola be ny mpisolelaka sy tia vola e !

  29. Bemafohy a, Ny fitorianareo any am Afrikanina aloha dia logique satria tsy misy vahoaka azonareo hianteherana intsony.
    Fa ny hoe Ny vahiny ve no hitsabaka am ati-vilan’ny gasy.Aza manofy Atoandro e.Olona efa voazanaka ara-tsaina toa anareo no Hanaiky izany.

  30. Misy Récré kely ity ho an’izay mety mila azy : Ho an,i Ranavalona rehefa mifampiantso isika ;), tandremo ny portable 🙂

    AHOANA NO ATAO AMIN’NY MPANGALATRA TELEPHONE PORTABLE ???
    http://www.capital.fr/art-de-vivre/conso/vols-de-portable-la-check-list-pour-limiter-les-risques-646927

    1°- Gardez sous la main votre « numéro Imei »
    Chaque mobile est identifié par ce code de 15 à 17 chiffres. En cas de vol, l’opérateur et la -police le réclameront pour fermer l’accès de l’appareil au réseau, même si sa carte SIM a été changée. Il est inscrit sous la batterie (ce qui vous fait une belle jambe), surl’emballage d’origine (vous l’avez justement jeté la semaine dernière) ou sur la facture («Chérie ! Où sont les papiers du portable ?»). Bref, dès l’achat, commencez par taper *#06# sur le clavier d’appel. Le numéro Imei s’affiche. Recopiez-le dans un endroit sûr et accessible.

    2°- Téléchargez une appli contre le vol des données
    Scarlett Johansson ne se serait pas retrouvée nue sur le Web si elle avait téléchargé une application antivol. Et elle n’a aucune excuse, car ces logiciels gratuits pullulent sur iTunes, BlackBerry ou Android Market. Le principe est toujours le même : en cas de vol, via le site Web associé à l’appli, on efface à distance le contenu de l’appareil – contacts, notes confidentielles et photos très privées. Mais n’attendez pas de miracle des applis qui suivent votre joujou par GPS : la localisation est trop imprécise pour faire bouger la police, qui déconseille de se faire justice soi-même. Le logiciel Localiser mon iPhone, lui, permet de verrouiller l’appareil à distance et de le faire sonner à fond pendant deux minutes. Maigre vengeance, mais ça défoule…

    3°- Sauvegardez vos données régulièrement
    On se promet toujours de le faire, puis on oublie, jusqu’à ce que contacts et photos de vacances s’envolent avec le portable volé… En synchronisant régulièrement l’appareil avec votre PC, via Bluetooth ou iTunes, vous les récupérerez facilement. SFR et Orange proposent même de sauvegarder les contacts stockés sur votre carte SIM sur leur site : il suffit d’entrer son numéro, on reçoit un SMS qu’on valide, et ils deviennent accessibles depuis n’importe quel ordinateur. Faites-le, c’est gratuit et ça vaut le coup.
    Y a tellement de gens qui s’occupent de ce qui ne les regardent pas, comme çui dessus !!;) Il est vrai que l’on s’occupe tellement de virer le Disco J.

  31. Tena miasa be daholo izany akamako ato izany an! misaotra e!!
    Faly be koa aho @’ ilay vao2 avy @ Dadabe Zafy sy Ratsiraka ry Njara!

    Maty domelina marina!!!hatambaro ny hery ! hatambaro ny hery!!!fotoanany izao zahah!!!Pattes jaune sisa mihazona oah!!

  32. Mazava ny teninao ry Rana a! tetika sy diversion daholo reny Tojo ireny, sao mba misy vanja kely hipoaka, sao mba hiazakazaka ny vahoaka hiaro an’i Tojo e! efa naloam-bahoaka oa nareo, mba miaiky fa wawawa no betsaka eto! hay ve an’i Tojo le bois de rose tratra nolazain’ny tompotranony tetsy Andoharanofotsy ireny e! ny olona foana oa no maty enjika, fa ny famille Ravalo blanche neige.Gazety androany io.
    Kanosa kay lay bandy bôgosy boribory loha be sady, be mangy ohatran’i Lalao reniny iny e! defa tsisy bôgosy tsony ny gasy raha ireny no atao oe bôgosy! mapme be oa!
    Ravalo ô! tsisy hamono ny zanakao eo, fa aza manao ranomasomboay oa! ary ianao tsy handefa ny zanakao hovonoina izany, zanaka tsy tiana izany, fa azonao antoka tsara araka ny FDR, fa tsisy sahy hikitikitika ny zanakao eo! ny olona akory tsy adala ka zavatra efa mandeha io,ho simbana @ zavatra tsisy fotony, @ Zandry, Tojo zany simple citoyen, azo antsoin’ny manam-pahefana, raha misy zavatra tsy mazava, de naninona raha investisseur, nanazava @ fomba tsotra izay ho projet nao, eny fa na de garde de corps, manamboatra ny taratasy ara-dalana raha vao tonga, ary olo-mahitsy, namaly ny fiantsoana, fa voalohany aloha de RAINITETAKA OHATRAN-DRAINY, refa lavitra vao be vava, ankoho fataka, tsy mahasahy fa ny mandositra no solution! de mody miafina, mba hanairana ny opinion international, de hoy Hanta oe tsy misy hifandraisany @ zany olona izany Tojo. Fa inona no marina? misy raha maizimaizina ao, toa oe tirreur d’élite hono le vazaha, mbola aiza ny anaovan’ny manam-pahefana anareo, izany foana oa refa manao ny miaramilanay malagasy ho bado, MITSAPA NY RANO VE RAINIVOANJO, KA MAHITA NY HALALINY, DE NY MENAKY NY AINA NO ATAO SORONA A! aza mba tsy nandia fianarana ohatran-dRAVALO ihany’ ka noheverina ohatran’ny mitantana TIKO Madagasikara.
    Na ireo minisitrareo reo, efa maharaka ny saindratsinareo, hampikatso lava hampahantra ny gasy, kanefa enao no milaza eto tsy misy ny vola, kanefa ianao no namporisika ny mpamatsy vola hiala any Mada noho ny alahelo seza!
    Manomboka zao, de mailo hatrany Zandry, ary manara-maso akaiky anareo, mikotroka korontana sy faty olona ireo. Midira oa raha sahy fa aza Rainitetaka, de ty fikan’antitra tsy mamango lava ty no averimberina, Ravalo io ane no tena miseho azy ho VAZAHABE @ireto fanakaramana VAZAHA ho enti-mampiorohoro ireto e! de mbola io foana, nefa io no naha RavaloMANGANA azy.
    Jereo ary io ny fiatsarambelatsihin’i DEBA ANAREO, tsy miraharaha zanaky Ra8 izany izy, le Rainy no ilainy ho tonga haingana hisan’ny korontana, handraisany ny fitondrana. Mba misaina oa, hataony tohatra hiakarana fotsiny. Ary olona ridicule ohatran’ireny teny Ivato sy mangozohozo ireny, tsy mampatahotra an’i Zandrikely na oviana na oviana, matoa navelany hiditra, fa asaivio miditra oa RAINIVOANJO, raha favy fa aza manao ranomaso manetsik’eloka mody miantra gasy kanefa ianao no tena nampihinana ny gasy! de ho hita eo ary raha lehilahy raha tonga eo raha sahy hifanatrika @ireny famille ny victimes ireny eo @ fitsarana! Aza mba sesitany @ ratsy natao ihany fa mangirifiry a! ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, de ahoana le hiran’ny Deba: IO VOLABENAO IO TSY HITONDRA ANAO @ SEZA BE! hi!hi!hi(650 millions de dollars) vola avy taiza e! VOLAM-BAHOAKA de omen’ny Deba azy ny hafatra e! tsy hamaly anao direct izy, fa amboariny faran’izay zokiny indirect! de mr le président a! mr le président a! avoty dadanay e! aiza ianao no tsy miteny e! aza mba bado sy rainitetaka ohatranareo e! tena vraiment, tsisy afitsoka e!

  33. Marina izany rabe a. Tsy mahasahy mamaky i TsimilaTGV fa sao diso fanantenana eo. « il n’y a que la verite qui blesse »

  34. VIDEO G A G
    VE ITONY ALEFA HO JERENAY ATY DAGO ITONY
    MIKASIKA NY FOMBA FANKALAZANDRY ZALAHY NY FETI-MPIRENENA Ê!

    Quelle vérité horerrrrrrrrrra (merci km)

    tongo-bakivaky : sady maharary no mahamenatra (merci km)

    __

    Comparaison entre les deux vidéos ci-dessus, du premier au second:
    exposé sur Madagascar … en 2 couleurs ORANGE et BLEUE

  35. Fanambarana farny HO AVY DADA @ SABOTSY!!!!
    mbola ho hamarinina io an!!!tsy milamina akory ny tany nefa
    i dada mahasahy mandeha irery sa??????ary toa sy misy taitra akory?.hietsika sa tsy hietsika a!!
    Lasa izao!!!ho vita indray ry Maria sy ry Maraina marina !!!ho tonga soa anie i Dada!!

  36. Tsy vidéo Gag ireny ry HoAiza â !
    Mba entina milaza fa hoe nakotroka ny fety, dia nantsoina na ny « mpandalo », nentina koa ny « ankizy kely rehetra, na zaza mena vava aza » !
    Hafa ihany izany tamin’ny andron’i dada ê izany ! Feno mifanitsa-kitro ireo efitra ambany ireo, hatrany antokotany ny olona ( sady lehibe no MANAN-KAJA DAHOLO NA VAZAHA NA MALAGASY ) ! Mba jereo ireto izy !! Hi hi hi !
    Ny paolisy teo ivelany no betsaka ! MDR !!

  37. Rehefa i dada ihany no miteny, dia IZAY IHANY NO FANTATRAY Ê ! TSY MAINTSY MIOMANA FOTSINY ( sainam-pirenena, banderaola, amponga, sodina, ets… )

  38. Salut Baby ! Rehefa mahita ny pseudo-nao aho, dia mahatsiaro ny fahiny ! Sasak’alina vao matory rehefa vacances ! Anisan’ny mba tiako io ! Ny an-dry zalahy izao efa izany pilaystansiô izany !!
    Nataonao aiza i saro sa sorajavona sy ny patrô-ny ê ?

  39. Mbola ho HAMARININA oah!!!fa izay mahare mba lazao eto!!
    efa tafidotra ao anaty vao2 maika aloha ilay izy ka tsy haiko,izy MIANAKAVY no voalaza.

  40. Eny oà ry Kintana, naositaligika be kou ny aty, mahatsiaro ny tanindrazana mba nandroso ta@ andron’i DADA. Mba afa-menatra nefa izao lasa fanjakàan’ny KISOA sy ny OMBY, ny ahitra sy ny zaoridira mandifotra ny tanàna. Mampalahelo !
    Na i Sorajavona na i Verohanitra tsy hita intsony. I GBD koa mahalam-piavy, na i DRAKY x 2 aza laom-pofona !

  41. Coucou kintana sy baby sny namana rehetra..
    manaraka tananews indrindra,

    ary tany Madagasiara ao ka nahita maso ny hahoriany mpiraitanindrazana ,….
    Ary koa nibanjina iretoinvestissement farany izay mendrika nataony ny Marc Ravalomanana , investissement matory fontsiny !

    ary niverina taty andafy feno alahelo.

    Kanefa amin’izao fotaona izao dia mba manantena hiany ny fiverenany ny PRM …

    Tena faly mahita ny zanany miverina.

    Enga anie miverina ny faroboroboiny TIKO , VITA MALAGASY

    TIKO izay namorona 5.0000 asa !!!
    fa tsy vita ny nihinana tahak’i Ratsiraka : WA WA no betsaka

    Akotry ny karana dia ireto RAMAROSAONA IRETO no tena loha na « mafia » be fihalonana

  42. Ahoana hoe ry km an:
    – ary irony solomaso contre-soleil anaty trano. Raha izany no lamaody, dia tsy harakay indray fa tantsaha moa zahay tanavolo tsy dia mahay lamaody parisy
    INDRISY MAMPAHATSIARO AHY AN-DRATOMPOKOVAVY N. Ramarosahona ….

    – ary ilay feon’ny mpihira (tsy mahavoa lavitra ve i ranavalona ê – sa ahoana?)

    Ny orchestre + sono no hitako fa tsy azo kianina: AO TSARA!!

    Samy légaligisitra tsy ilaozan’izay mamarary: à chacun son point de vue, ses impressions, etc…

  43. Ry Namana Malagasy isany !

    Na inona na inona, tsy ny SADEC na ny Troika no afaka hiaro an’i Dada, fa,
    Isika- ianareo Legalista rehetra :
    Aoka ho mailo daholo fa hoy ilay avy any Belazao :

    « Ny fatiny no andrasanay raha vao migadona eto Dago iny ! »

    Roahy alavitra daholo izay vozongo manatona ny filaharana eny, na mody miseho maka sary, raha ilaina aza raiso ho fifaliana ny milaza aminy, fa tsy ilaina eto Madagasikara ny zanak’i Général Bigeart.
    Mba fanatarareo moa fa nisy vazaha nilaza tamin’ny Mpiasan’i Air Mad voasazy fa nilaza hoe « andevon’ny vazaha mandeha Raopilanina ny gasy miasa any anaty raopilanina ?
    Izany no fandraisan’ny vozongo ny Gasy, ka dia antsika ny mandamina ny eto raha vao mipoitra i Dada !

  44. mazava izany ny resaka ary heriko fa ny fandikana io dia tena famadihana ny Dada mihintsy , ary raha ny momban’i Beriziky dia tena efa mazava ohatra ny tafika andrefan-tanàna fa dia tsy misy antènaina intsony.


  45. Manainga antsika LEGALISTES REHETRA mba :


    Hametraka ny sainam-pirenena rahampitso Asabotsy eny amin’ny Fiarantsika e !
    Mba ho mariky ny filazana fa MBOLA IZAY TAVELA e !

    Marionia ny anao ry Mister Ymar : mbola nanome vola 800.000 euros indray ny adala tompo entina handemena ny sain’ny maivan-doha isany !

    Fa mba mikasika ny fiainan’ny madinika mivantana moa ireny ? sa fisehosehoana any ivelany hoe jereo fa manohana sy manampy ny Gasy petaka izahay ka mbola mihaotra ianao CI hanohana anay ve ?

  46. Hiomehezanao indray i besolomaso ry HoAiza an ! MDR !!!
    Orkestra, mbola misy tsara noho ireny ê !
    Hisy vaovao rahariva, fa dia samy miandry ê ! Aza maika manontany ianareo, fa avy any Afrika ilay izy !
    Mahareta ranavalona, ary aza tonga dia mandatsaka ranomaso !
    Izay indray ary fa rahariva izany !
    Mimile izay lasa CT miaraka amin-dry AV7 (nitondra ireo natao sorona, saika handroba lapam-panjakàna, ary efa nigadra ihany koa ), dia tsy tao amin’ny GTT inter ! Fanomezana sopapa ho an’i Njara !

  47. Kintana a! izahay aza indraindray ilay vao tonga iny ??herinandro angamba ,
    efa maneno ny akoho vao taitra daholo hoe: » andao @’ izay mba hatory fa efa
    maneno ny akoho »(sento kely!) dia ny anay efa fantatry ry masera fa Tonga indray ny vahiny dia tsy misy
    mianatra ny mpianatra @’ iny andro iny an!!olona 4 no haterina ,40 olona no manatitra,izany aza mbola
    tsy omby tomabilina ny sasany. dia taloha tany koa isaky ny tonga eo @’io aeroport io dia mandrevirevy be hoe » mba
    rahoviana no mba izaho no ho tsenaina eo??? »

  48. Io indray ilay Vao2 Kintana ! TSARA sa RATSY????aza mahasosotra rangahy a!!
    Hitomany eo indray aho an! ary lasa be ranomaso aho izany tato ho ato fa tena
    efa miala any mihintsy angamba i Dada kah!!!marina e!!!toa tandindonin-javatra hafahafa izany aho.

  49. Tsy latsa-dranomaso angaha iahanao raha nandre, fa lasa olom-pirenena ny jiolahy ?
    Indrisy !
    Mafana dia mafana ve ny andro, no toa mitsonika sa mihempo daholo ny atidohan-dRamalagasy ê ?

  50. HoAiza kou mampmé @ ilay linety kontra Solay anaty trano. Ny aty koa lavitra an’i Paris ka tsy mahalala zay Lamaody any hi hi hih hi !
    Aoka angaha hatao hoe « C’est nouveau, ça vient de sortir » !

    Coucou GBD

  51. K’inona intsony izany ???lasa vazaha nisolo vazaha!!!avelao dadaho tonga
    hanala ny FAKO ary.Tratry ny azamanody daholo e!!tratry ny raikiraiky daholo!!
    dia inona no mbola hisisiana ao raha izany sa hiara hitakosona @ JIOLAHY???
    fa vao2 tsara oah sa ratsy aloha ilay rahariva ry Kintana a!

  52. Misaotra antsika rehetra mpiaramaneho hevitra fa zahay manko dia olon’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ka mahita tsara ny fijalian’ireo gasy ankehitriny, ny kely ananany lasany dahalo ,ny voavoly lasany tontakely, ny ankizy tsy afaka mianatra intsony, satria tsy misy intsony ilay fitaovana zaraina fa aty andrenivohitra no ifanotofana ny zavatra mora rehetra !!!!! dia ho aiza ilay mahantra e???
    Izaho tsy mandiso fa indrindra ianao ry RABE ! ino,na ny olana kay raha mivaha haingana izao fahoriana izao sa matahotra sao ho very seza na fihinanana ianareo????

  53. Miarahaba ny rehetra e !

    Tsy tafandry mandry loatra ;)!
    Any aminao Ranabavy ny eritreritra voalohany ! Aza dia mitaintaina loatra e ! Matoky ny any ambony isika, satria TSY HO FATY NA OVIANA NA OVIANA ny afon’ny Fitiavan-tanindrazana.

    Mirary soa tanteraka ho an’ny President Ravalomanana isika : Enga anie izy tsy ho azon-tampona, hieren-doza, ary ho tonga amuin’ny avo indrindra handamina ny Tany sy ny Fanjakàna.

    Ny andro androany koa dia ho Fahatsiarovana an’i Tklahy RATSIMANDRAVA : Hanazava ny saim-bahoaka anie izy, satria nanomboka taminy ny herin’ny fivoarana sy ny fitiava-tanindrazana vaovao.
    Hitsilo ny sain’ireo tafaverina an-Tanindrazana, hiara-mitolona ho amin’ny Fahafahana.

    Aza adino ry namana isany, ny managana ny sainam-pirenena any anaty Fiara, ho mariky ny fiarahantsika amin’i Dada.

  54. Nazeran’ny fandriana vao maraina tao angaha ny havako izany!!
    Salut Njara!Fa misy inona e?Ho Koto sa ho iKala ?? avy angaha hono??
    Ho tonga VE DADA E!! io anie no tsy mampandry mandry ahy e!!dia misaotra mahatsiaro ranadahy.
    Homba antsika mandrakariva Andriamanitra!!!

  55. Ka raha ny fandriana moa no nanjera maninona ? 🙂
    Samy mifoha maraina izao, ny kawa tsy azo avela !

    Ary ianao ka ? Natory tsara ve ??? Mba tsy aiko indray ilay hoe : daka mandrivotra tsy hita maso !!!! 🙂 🙂 🙂 Mahay mawashi be angaha ? Tokony nandeha tany Ivato kooo !

    Tsy mitaintaina kosa an ! Manana lehilahy sy vehivavy matanjaka be isika aty Dago ka ! Tsy ampitahorina amin’ny akoholahy fataka.
    Ao ny Senatera ny depiote, ny kung fu, ny …….miaramila manampy antsika 😉 yeahhhh!!! ao koa Ratsimandrava sy ny Avo e !

    Fa rahoviana aloha ilay any Ramena e ?!. Mba manao kaontra solay hoy i Babyfoot izay !

    Namaky gazety teto tsara omaly ? Toa hitako ery ianao miteny hoe : aoka izay fa mahatsiravina e ! resaka be manadala ! hi hi hi

  56. Jereo anie e!!efa tonga ve dada oah! mampijaly ahy mihintsy ianareo sy i Kintana an!

    Ramena??raha misy toerana tiako indrindra eto ambonin’ity tany ity dia RAMENA.Tsy hadinoko mandrakizay.
    Misaotra anao aho Njara fa nandrotsirotsy ahy nitondra ahy any RAMENA @’izao tolona mahavaivay hatreantsika
    izao,mila vakansy tokoa aho. Jereo fa ho hitanao isak’izay toerana diavin’ny tongotrao ao ny DIATONGOTRA.
    Ary olona ao Ramena ao ary mbola ao no nanome ahy io anarana Ranavalona io.Ahy irery iny plage iny @ hariva
    sy maraina vao mifoha sns tsy voatanisa.
    Izay no hilazako fa isika efa tsy lavitra e!!izaho niboaka Tana an!!!fa zana-drano.Mety efa niova izy izao fa tsy maninona
    fa tiako foana !foana!!!!!,

  57. Neinnnnnnnnn!!!hitanareo @’izao ny hatsarany???anahy io!!!
    sambatra be aho mahita ilay sary fa misaotra Kintana a!!ho ela velona e!

    Raha azoko izany dia mbola tsy misy mipitika ny fahatongavany fa i dada ihany no MILAZA MIVANTANA???


  58. Iza ary io amin’ny sisiny ankavanana io o ?!!!
    dia ahoana ? adino izany izahay avy aty Ambilobe ? ary avy aty Belazao ???

  59. Toa mampineinnein an-drananvalona indray izato izy ? Mazana laotra ny halahelo sa ny hafaliana ?
    Kein Dank, das freut mich ê !

  60. Neiiiin !!! Tsy mahay teny…. sinoa… ny aty !!! Mitomany indray Ranavalona !!! Mifona ary e !
    Efa mitein-ein miandry vaovao avy amin’i Dada mbola be mpandrangitra koa !Mahereza daholo e ! Aleo koa tsy tonga i Dada, toy izay tsenain’ny mpangery an-joro isany !

  61. Eny e! mifangaro ao daholo na halahelo na heritreritra angamba no tena marina e!!
    lasalasa ny fisainana e! fa na izany aza tena sambatra be aho mahita ilay sary ry zareo a!
    Inona fa tsy voalaza tsara mihintsy ny lazan’io toerana io ary tsy vazivazy fa tena mahafinaritra be,sa ahoana ry zareo??
    Tsara kosa izany fiandrasana an’i dada izany , tena milay be!afa-po kosa aloha aho t@’io toerana io e! fa ny mahasoa
    aloha vao mahafinaritra,raha ny sitrapo dia ny nijanona teo mandrakizay fa saingy ny fitadiavana mahazaka maniraka.
    Mankasitra e! ireo olona miara maka sary aminareo ireo aza fantatro ry Njara!raha niroso aloha kely ireo mpanjono dia
    fantatro ihany koa somary lavitra ilay sary.

  62. Baby, Kintana, GBD sns…
    Miarahaba anareo rehetra. Nitselika kely aho dia nahita fa mbola misy mahatsiaro. Tsy adinoko Baby sy GBD ary Kintana ny fifankatiavantsika fahiny.
    Misaotra fa mandalo ato ihany aho mamaky ny adi-hevitrareo. Mahafinaritra be tokoa. Ary Baby tsy niova fa mbola map’me ihany. Izaho dia tena tsy te hiomehy intsony mihitsy fa rera-tsaina.
    Tsy milamina izahay aty Madagasikara fa miferinaina. Aiza ve ka 525 be izao no isan’ny parlementera. Mba kajio kely hoe 5.000.000 A/isam-bolana/isan’olona miampy ny lasantsy sy ny kojakoja isa-karazany. Nahazo toerana daholo izay nitady rehetra. Ny hiverenan’i Dada dia toa tsy tao an-tsaina fa nahazo seza aloha dia nangina.
    Aiza no hahitan’ity fitondrana FAT volabe ho an’izany olona 525 izany ? Ny boâ de rôzy efa ho ritra. Ohatrinona angaha izao no hesorina amin’ny karamanay madinika tapaka any am-potony handoavana ny karaman’ireto fokontany iray manontolo ireto?.
    Nanantena ny hiavian’i Dada androany kanjo dia sahala amin’ny voan’ny maritoa amin’ny fara-hatoka. Efa nivonona daholo ny handeha hitsena kanjo indrisy voan’ny fahadisoam-panantenana.
    Fa hono ho aho ry Dada. Mialà amin’io governementa io hoy ianao. Tena tsara ilay hevitra fa rehefa tsy hanaja ny tondrozotra ry zareo dia fantiatoka fotsiny fa ataony hahazoana fakatoavana iraisam-pirenena fotsiny isika. Ny movansa Zafy tsy nanolotra olona hanao CT na CST. Ny zanakao tadiaviny hovonoina nefa teratany Malagasy.
    Hanohy mankany amin’ny Magro izahay hoy ianao. Tsy maninona ! Telo taona aza haritra ihany. Fa ahoana no hoavintsika sy ny hiverenanao ? May tokoa izahay amin’ny hahatongavanao kanefa raha mbola tsy azo hatao izany dia mbola vonona ny handefitra foana izahay. Angamba nefa ry Dada raha eto an-toerana ianao, ho vita vetivety ity tolona hila hanala aina ity. Hevero fa ny vary iray kilao no vidiana 1.500 Ar. Mitombo isa ny mahantra. Reraka ny aina. Ny hoenti-miady andilana. Izahay mba miasa aloha tsy dia maninona fa ireto mivenjivenjy tsy mana-katao no tena mampalahelo.
    Ny jiro tapaka, ny rano tsy misy. Ny jiolahy manao ny ataony manararaotra ny haizina.
    Dada ô ! Miandry anao hitondra fampandrosoana mba ho afaka amin’izao fahantrana lalina dia lalina izao. Tsy misy afa-tsy ny mahantra sy mpanankarena sisa. Ny eo ampovoany dia efa manomboka midina.
    Mazotoa daholo ry mpitolona namana rehetra !

  63. Ô ry VeroMAnitra ( ilay anarana tsy tian’i gamara), faly dia faly mahita anao mandalo aloha ê !
    Fa angaha fifankatiavana fahiny ity izy ? Ary amin’izao fotoana ? Izahay anie mbola eto ihany ê ! Mahita ny soratrao ao amin’ny TNN foana koa ! Azo lazaina hoe samy « fidèles au poste » hoy ry lerony, fa dia samy miezaka an’izay vitany, amin’ity tolona tsy azo avela ity !
    Ny hoavin’ny Tanindrazana, taranaka sy fara aman-dimby no tsinjovina atrany atrany !
    Raha ny karaman’ireo CT sy CST ireo no maha lasa saina anao, dia izao : Ny frantsay no hanome ny karaman’ireo, ary 800 000 E efa natao « avances » ! Fomba ankolaka hividianana an’ireo « TSY METY VOKY » ireo io vola io. Mbola hisy ny manaraka, fa tsy mahazo tonga dia atao indray mitosaka, sao dia….vola very maina !
    Vahaoka mampalahelo hoy ianao. Marin’izany fa tsy voalohany no nisy krizy tao Madagasikara ary enga anie ka ity no farany, fa dia mbola tsy nisy toy ity !
    Aiza ve ka jiro sy rano avy dia tsy misy intsony ! Lazaina fa Andriamanitra indray no tsy mampilatsaka ny orana, ary Izy ihany koa no manetsina ny ROBINETS REHETRA ( anisan’izany ny AGOA, Fanampiana UE, BM, FMI, ets…)
    Ao anaty haizina ny vahoaka malagasy ! Tsy hazàva ny andro hiainany raha tsy mbola misokatra ihany koa ny…..RADIO FAHAZAVANA !!! MDR !!
    Tsy te hiomehy mihintsy noho ny zava-misy, kanefa anisan’ny maha lav’andro hono ny fiomehezana hoy ny dokotera, ka aza omena tsiny ny namanao raha somary manao somonga indraindray ! Mbola te-hijery sy hahita an’izany Madagasikara, firenena mandroso izany !!!
    Ny tolona tsy Hitsahatra na aiza na aiza misy ny TIA TANINDRAZANA !
    Mba mandalova matetika ê ! Izahay eto ihany !

  64. Tohin’ny resaka !
    Tonga maro be ireo tiorka tato ato ! Hay va re premônisiô ny nahatongavan’izy ireo !
    Raha tsy misy rano firy intsony, na tsy misy mihintsy ê, dia ahoana izany ny fampiasàna ny sasidô ? Matsaka dia fenoina rano ny rezervoara, izay vao… sa ????
    Mampiasa IOI daholo indray izany, na i mialy na i satenie aza ; Antananarivo moa efa 101 ihany !!!!
    Cabane au fond du jardin !! Briques et cailloux !!!

  65. Ho anareo mpitondrozotra sy mpanao politika ary indrindra ianao Geberaly Ravalomanana, mijaly loatra izahay vahoaka ianareo no miadana amin’ny bisna ataonareo any ka aza maka sarotra fa aleo tsarainy rariny izay tonga eo fa aza misakana ny ho ,aviny Malagasy ianao sao dia tsy hahita ny lalana izorana rahatrizay ka hifanome tsiny eto isika? MBA MIVAVAHA DIA MAMELA HELOKY NY HAFA FA TSY FANTATRAO NY MARINA

  66. Verohanitra ry ‘tony e !

    Faly mahita an’i ndroky aloha na dia mitselika fotsiny aza. Ny aty tsy miova fa ny omaly hatrany na dia rera-tsaina daoly aza isika rehetra noho ny ataon’ireto tsivalahary ireto. Vavaka iany no ady eo fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy misy farany ny zava-drehetra ary hifika ny ranomasony daoly ireo mpikosoka ny sôsiran’ny menasofina ireo, mpivarotr’anabavy, Reny sy tanindrazana ireo. Ny vola azony animoa ho lasa any « antrano fisainana » fa tsy ho entiny any andanitra e ! Ny maha DOMBO ny serivôny no tsy ahafahany misaina lavidavitra fa dia ny eo ambanin’ny orony iany no masahany. Mampahonena iany ny mieritreritra fa hivaly in-jato amby arivo @ zanaka aman-jafiny ny ratsy ataony.

    Mbola any ve aky ilay pitarika pousy ?

    Mandalova matetika iany na dia sahirana aza i ndroky e !

  67. Kintana, Baby
    Faly dia faly mahita fa tsy adinonareo ny lasa sy ny fifankatiavana. Misaotra betsaka amin’ny fankaherezana. Misaotra amin’ny fampitsikiana. Zava-tsarobidy tokoa izany amin’izao andron’ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola izao.
    Kintana, nanoratra aho raha vao nahita ny valinteninao. Saingy noho ny delestazy dia lany batterie ny ordi-ko. Tsy afaka nalefa ilay izy. Inona no zava-mahafinaritra mba azo resahina ? Tonga ny orana na dia lazain-dry zareo ary fa izy no nampisy azy. Ny adinony dia ny nilaza fa izy koa no nahamanga ny lanitra sy nampitsiry ny hazo. Midingina be ny rambony fa horaisin’i Sarkozy hono ka hanainga rahampitso. Efa tonga ny fankatoavana iraisam-pirenena e !
    Bab’s ! Ilay mpitondra posy angamba nampitsingidina olo-kafa indray ka voatery nivadika mpanosika sarety. Ary nankaiza akia i Kisy de grenoy ?

  68. Coucou Véro,

    Manga be ve ouno ny lanitra noho i mpandefa lamasinina ?
    Tonga ny orana nalatsany T@ hidraviô,
    Maniry ny kininina fa notondrahany sy nasiany zezika isa-maraina ?
    Et bé, mampanahelo ry les mpitomany seza.
    I Kisy dé grenoy aza leo ny hagegen’ity NANDRAlahy ity ka laompofona, tsy hita intsony izay nanjavonany.
    Tongava matetitetika aky nfroky fa tena tarabe daoly ny akama !

  69. Efa ela aho no mba naniry ny hanoratra fa sarotra ny mahazo ity MyDago ity, koa dia any @ Madagoravox aho no nanoratra foana. Mnao antso avo amin’ny Filoha RAVALOMANANA ny tenako mba hafainganina ny fodiany. Henoka mantsy izao fa lasa any Frantsa any A. R. ho raisin’i Sarkozy. Hitako t@ gazety koa fa toa ho raisn’ny ANC io A. R. io. Inona no tena marina ? Nahoana no mitarozaka be ity raharaha ity ? I Lafrantsa ve no tena tompon-teny farany amin’izy ity ? Ny marina mitavozavoza hono tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra ! Inona marina no tena toeran’ny Union Européenne sy Etats-Unis fa toa i Lafrantsa no ohatry tena miseho ho tompon’antoka amin’ity raharaha ity ? Inoako fa misy lesona be dia be notsoahinao avy amin’ity raharaha maloto ity. Inona no zavatra haingana hataonao fa mijaly ny malagasy, lasan’ny frantsay sy ny karana daholo ny raharaha rehetra, be loatra ny lainga hafafy amin’ny haino aman-jery ary ireo mpitondra fanjakana mialokaloka amin’ny PHAT dia mana-karena be tampoka tsy hita noanoa !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *