Dada mody ihany no anay !

My beautiful picture

Be no velona ahiahy ny amin’ny nidiran’ny minisitra avy amin’ny  ankolafy Ravalomanana tao anatin’ny filan-kevitry ny governemanta io maraina io.Araka ny nambaran’ireo minisitra ireo dia tsy nisy nitsipaka izany ny ambaratonga rehetra ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, hatramin’ny lehiben’ny ankolafy , ny mpitari-tolona rehetra sy ireo sampana rehetra ao anatin’ny ankolafy. »Ho fanohanana ny praiminisitra Beriziky » no nidiranay tao hoy Ravatomanga.

Ny tanjona araka ny nambarany ihany dia ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, hamoahana haingana ireo gadra politika  ary ny fampodiana ny sesitany politika any ivelany ka isan’izany ny filoha Ravalomanana.

22 pensées sur “Dada mody ihany no anay !”

  1. Jodasy!Jodasy!Jodasy eeeeeeeeeeeeee!!!!!!!
    Mpisolelaka ! tsy azo hatokisana !!MPAMADIKA!!!!
    RODOBE zalahy a!!!!MIALA manaraka ny foza any daholo izay tsy tamana e!!!!
    MIJOROA ianareo LEHIBE MITSANGANA @ HEVITRAREO, hatr@ VOALOHANY ary vao t@ ALAROBIA TEO.
    AZA LALAOVINA ny VAHOAKA fa tsy METY e!!!!MBA MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA TOMPOKO ISANY O!!
    HO AMIDY AMBONGADINY @ LA FRANTSA VE ITY TANINDRAZANA E!!!MAMPALAHELO RAHA IANAREO
    IZAO NO AHAVITA IZANY!SAO DIA TSY RARINY RE TOMPOKO O!!!!

  2. Mbola tsy madio tsara ve ny FITOMBENAN’i ZANAKISOA IZAY HANAGADRA AN’i DADA KA LELAFINA
    TSARA DAHOLO E!!!MAHEREZA TOMPOKO ISANY FA AVELAO NY VAHOAKA HITROSONA @ TANY.
    TSIVALAHARA raha izao no hatao ny vahoaka niaritra ny mafy nandritra ny 3 taona handavana io domelina
    MPANOMPOSAMPY sy MPAMONO,MPANDROBA, MPANGALATRA io.
    AZA MISY MANAIKY RY VAHOAKA FA SAKOROKA a!!!!Fafao miaraka @ domelina any ireo MPAMADIKA ireo.
    TSY RARINY e!VONJEO IZAHAY ANDRIAMANITRA o!!nahoana izahay no avelanao ho viravirain’ny ambohodia
    toy izao ????

  3. Moa koa ve MĖMĖ sy ny foronginy tsy nilaza fa hampody an’i DADA no nidirany tao????
    Moa koa ve i MEME tsy niteny teo @ MAGRO fa  » raha hiditra tao izahay dia efa taloha »?
    Koa inona no MAHASAMIHAFA AN’iREO @ NATAONDRY MEME sy ny TARINY???na koa ho hampodiana ihany i dada
    fa ho samborina toy ny PARASY SATRIA MBOLA I ZANAKISOA VOAROIROY T@ AFERANA BDR sns NO Mbola eo, lelafina
    sy TOMPOINA????sao dia mba tsy rariny e!!!dada AMIDIN’IREO ANIE IANAO E!!!!MANDRAISA FEPETRA HAINGANA!!!!
    TETIKA EFA HANILIANA ANAO IZAO RY DADA FA MBA MAILO A!!!!!

  4. Ranavalona a !
    Aza taitra fa mety misy fikabe ny vaovao mandeha hanakorontanana ny saim-bahoaka. Efa fanaon’ny Foza hatry ny ela io. Nazava ny tenin’i DADA nivantana teo @ Aagro, teo koa ny kabarin’i Pr Zafy ka aoka tsy hihaino ny Foza isika !

  5. Marina ve???mbola tsy henoko izany vao2 izany? anio ve dada sy Zafy no niteny izany??
    Tena tsy mampino ahy ilay izy!

  6. I Ratsiraka sy Zafy ary i Ravalomanana, dia tena manana finiavana, hamerina ny fandriam-pahalemana, araky ny vava navaokan-dry zareo tsirairay avy ! Teo ny tetika fa izao efa tonga saina ny roa tamin’ireo ; hay va re ho tahak’izao ny fandehan’ny tantara !!
    Tsy kilalao ny internet !!
    Bainga mivadika ihany ny antsika no vavolombelon’ny asa vita ! Tianay ho hita izany fahazotoana izany !
    Izay ihany ny anay ry zareo â !!

  7. Avelao aloha hangingina ny resaka fa toa mifangaroaro be izy izany. La nuit porte conseil ouzy ry mena sofina ary ho hitantsika eo ny tohiny rahampintso, na ho avy marina DADA na mpamafy lainga masiso fotsiny ireto mpikabary. Raha mpamadika ireo dia tsy ho afa-maina fa aoka isika tsy ho kivikivy foana.

  8. Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany – izaho dia mino fa rahamijery lavitra isika dia fanaporetana ny TGV hanaraka antsakany sy andavany izay voasoratra aoanatin’ilay feuille de route no tanjona – tsy maintsy miditra ao anaty governement aloa vao afaka manapotsitra izay zavatra tiantsika atao – aa manatebaka be loatra fa ho hitanareo eo anie -tsy maintsy tafaverina eto i dada – nygadra politika rehetra tafavoaka – tsy izany no irina ? Ka raha tsy ao anatiny dia tsy hahavita na inona na inona – izany no atao hoe : politika – nefa koa tsy maintsy manaporitra andrizareo tsy hanaonao foana.

  9. Voalohany: misaotra an’i BabyF mandamina ny sain’i Ra..valo

    Faharoa: azavao tsara km, indraindray somary saturé ny sainay
    donc nécessité de nous aider à être à la hauteur de la course qui présage bien d’autres kilomètres en vue (ou je me trompe?)

    Sariteny résume bien les choses.

  10. hihi saturé v ny saina e ! fanafodiny : aza mivaky loha laotra rehefa tsy ianareo no tena tompon’ny décisions rehetra. Instance de decisions.
    MPitazana isika fa ny politka dia avelao ho an’ izay mahay azy, « avo lenta » io, hoy ny fiteny ao amin magro.

    Miazakazaka ny fandehan’javatra ka marary andoha izay tsy maharaka

  11. Saryteny !
    Tokony mba hisy laojikany izay zavatra rehetra atao, fa tsy tandrametaka lava izao ! Na ny olona « mpitazana sy tompon’andraikitra (ex:SADC) » aza mety ho gaga hoe, fa inona izany ataon’ireto gasy izany ?
    Tsy nisy deux jours ve PRESIDENTS ROA nametraka plainte, dia avy eo ny sasany mihara-misakafo ( na matory ) amin’ireo olona notoriana ?
    Dia iza no vasoka voalohany amin’izany ? Mibitaka mihintsy ny frantsay amin’izao fotoana izao, satria tsy misy « démenti » tokony ataony intsony raha nimpigampinga ry zareo, nilaza fa efa tafatsangana ny Tetezamita !
    Azo natao koa no nitory ny frantsay, nanao « diffusion de fausses nouvelles » !
    HoAiza, pour résumer. Efa tonga saina hoy aho ireo Zoky-olona, ka vonona ny hamerina ny ara-dalàna. Amiko, dia tokony maka karavasy ry zareo, dia velesina ireto « zaza maditra » tsy mety milahatra tsara ireto, rahatoa ka ilaina izany.
    Dia ampiarina de A à Z ny FDR, izay vao hatsangana ny Gvt.
    Toetra ratsin’ny malagasy mihintsy angamba io tsy mahay manaraka discipline io, noho ny antony samihafa ! Aiza moa tsy hanongam-panjakàna ny sasany !

    Tsy hisy ny fandriam-pahalemana, fandrosoana sy tany tan-dalàna, raha mbola zavatra toy izao foana no atao, kitoatoa lava izao !! Averimberiko foana izany, tsy maninona !
    Manome ohatra ratsy ho an’ny rehetra, mpiasam-panjakàna, miaramila, ankizy kely, mpianatra, ets…ny vahoaka ê, ireto miseho azy ho mpanao pôlitika ireto.

  12. Ny tena ahiahiko dia tsy izay FODIAN’i DADA na tsia fa ireto Jiolahim-bavy sy Jiolahim-boto
    izay mbola mahazo vahana eo @ fitondrana,efa fantany tsara fa tsy azony tohanana intsony
    ny fahatongavan’i dada dia MAZAVA FA ny AINY TOKANA sisa fanafodiny dia bahanany ny toerana manandanja rehetra
    ahafahany manapa-pahefana BEBE KOKOA hatrany ilay  » IZAY TIAKO  » dia hataoko fa FANTATRAREO ny tohiny.
    Hataokoahoana no mbola hametraka FITOKISANA @ olona efa handevozin’i DEVOLY ireo????dia ny tena no ho FATIFATY
    foana ohatry ny valala samborim-boka eo, na ho gadraina aza i domelina ,efa misy firy ny jiolahy MITSIRIRITRA io toerany io??
    raha ho avy izany andro izany SANATRIA.Koa amiko aloha avelao aloha i Dada ho any fa mbola tsy azo ANTOKA MIHINTSY
    ny FIAROVANA ny ainy .

  13. Izaho aloha manao hoe:rehefa tsy araky ny SADC ny fampiharana ny tondro zotra sy ny fampodiana ann’ Dada dia aleo mihintsy ny UE-USA no hitantana ny raharaha dia hantsangana ny Conseil National de Transition sans TGV.Dia ny bureau UE ao Tana no atao bureau de liaison ny CI.Ireo tsy sahin’ny HAT harceler-na.Sa ahoana hoy ianareo?

  14. Dada tsy hiamboho adidy izany ranavalona â ! Ary ny vahoaka malagasy TSY HANAIKY AN’IZANY HOE TSY AFA-MODY IZANY KOA IZY, NA HISY MATY SY VELONA AZA EO !
    Ny fiverenany koa, no hisian’ny fankatoavana na tsia, fa ireo izay miheritreritra zavatra hafa, dia naman’ny mpanongana !
    Mino aho fa tena fahatahorana momban’ny sécurité-ny no nahatonga anao nilaza an’io.
    Noho izany, somary diso kely ianao raha miteny hoe aoka aloha izy hijanona any. Io no anisan’ny fitakiana MANAN-DANJA INDRINDRA ao anatin’ilay FDR, ARY TSY MAINTSY TANTERAHINA, izay vao maneho ny fankatoavany ny CI !
    NY VONDRONA ERAOPEANA ( ANKAOTRY NY FRANTSAY ) TSY HANAIKY VELIVELY AN’IZANY HOE TSY MIVERINA IZANY INGAHY RAVALOMANANA.
    REHEFA NANAO FANAMBARANA NY PARLEMANTA ERAOPEANA, TSY HIVADI-DELA TOY IREO PÔLITISIANA GASY IREO !! MILA MIJERY NY TAVINY AMIN’NY FITARATRA DAHOLO IZY IREO !!

  15. Niandry vaovao izaho fa toa tsy misy ! Ny résumé zany dia ny kabarin’i DADA sy Pr ZAFY ihany no mitombona. Aoka isika tsy hanaiky ho viravirain’ireo mpilelaka V… n’ny vozongo sy TGV ireo. Minoa fotsiny iany fa raha nandresy ireo dia efa nahazo RECONNAISSANCE izy hatrizay !!!
    Affaire à suivre donko !

  16. Aoka ataon-tsika hoe les trois mousketères ry Baby â !!

    Misy zavatra nivaoka tao amin’ny site-n’ny GTT ity, dia hialako tsiny MyDago fa tsy haritro ny miresaka momban’ilay izy !
    Raha nandray fitenenana tao amin’ny Magro Ingahy Randrianjatovo, depiote, dia toa hoe nilaza an’izao zavatra izao, ka somary gaga ihany ny tena.
    Hoy izy hono : « Efa maro ny fifampiresahana natao teo amin’ny samy malagasy, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary dia NAHAZO BAIKO HIDITRA ISIKA  » ; dia notohizany tamin’ny hoe :  » Raha tsy mahafapo kosa anefa ny fametrahana ny fitoniana, dia tsy sarotra ny misitaka ».

    Maha lasa saina ihany izany resaka izany, ka raha sendra mandalo ato amin’ny MyDago Ingahy Randrianjatovo na misy olona mahafantatr’azy, dia mba misy fanontaniana kely ity !
    Mba iza r’Ingahy depiote io olona nanome baiko io, satria tsy dia mazava tsara ny resaka, na ny fandehan-javatra. Ny Prezidà Ravalomanana ve no nanome baiko anareo sa Ingahy Mamy Rakotoarivelo, sa olon-kafa ?
    Sahinareo mantsy ny nanamafy an’izany teo anatrehan’ireo vahoaka mpitolona ao amin’ny Magro, dia lasa ihany ny saina !

    Fanontaniana farany. Dia ahoana koa izany fandehan’izany fivoriana tao Bel Air izany ?
    Mandeha be ny resaka mantsy fa toa hoe, misy zanaky ny lahy sy zanaky ny vavy ? Sao dia mba misy tsy mety ry zareo an !
    Baiko avy any amin’ny Prezidà Ravalomanana koa ve izy io ?

  17. Tsy voasoratra, fa dia tohin’ny etsy ambony.
    Izy ity indray dia ho an’Ingahy Mamy Rakotoarivelo.
    Hoy ny fitenenana hoe, mpamosavy mandeha alina aza misy mahita. Nisy nilaza koa fa toa hoe hitan’ny olona nandeha tao amin’ny ambasadin’ny Afrika atsimo ianao « vao tsy ela ». Mino izahay ary manantena mafy fa nataonareo resaka tao, ny momban’ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana, ary koa momban’ny fizotran’ny fanantanterahana ny FDR.
    Liana mafy izahay r’Ingahy Rakotoarivelo, hihaino ny fanambaràna na déclaration ho ataonao momban’ireo ato ato. Enga anie tsy ho surprise lava izao no miandry ny vahoaka, na ho tsara izy io na handiso fanantenana ?
    Dia misaotra anao mialoha ê !

  18. Misaotra @ fankaherezana daholo fa izaho izao vao avy NIGOGOGOGO irery na dia
    tsy misy mpihaino aza. Mba hampitao vao2 mahafapo re raha misy fa tena KETRAKA e!
    Tsy nahazo aina aho androany tontolo fa malahelo ny tanindrazako mafy dia mafy, toa misy zavatra BANGA BE izany @
    fiainako . Toa mitady hamoifo .
    Ary toa efa nalaza fa ho tonga i dada dia ahoana ny tohiny ??izaho koa aza Gaga fa toa TEMAKA be loatra ilay hoe:
    RAHAMPITSO mantsy ny anio io!

  19. « TSY HANAIKY AN’IZANY HOE TSY AFA-MODY IZANY KOA IZY, NA HISY MATY SY VELONA AZA EO ! »

    Marina, ilay raika lahy tao anaty taxi-bé izay aza tsy voatàna be resaka (nana-pi kely koa anga)
    nidradradradra mafy nony efa hoe: « HO AVY I DADA OA » – (dia kôpy dahol ny olon)

    Izaho mino fa « lohabary andasy, santatra ambavarano » izao rehetra izao, TSY AZO SAKANANA na koa tsinontsiniavina ny hetahetan’ny maro an’isa, anisan’ny ara-dalàna i dada raha te-hiverina @ légalité

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *