Esory ny ahiahy, matokia ny filoha Ravalomanana !

PRM

Taorian’ny filazan’ny filoha Ravalomanana ny heviny, sy ny baiko nomeny ireo mpomba azy omaly, momba ny tsy fidirana amin’ilay fampiharana ny  tondrozotra,  dia be no velom-panahiana ny amin’ny mety ho fahazoan’ny « foza » fankatoavana iraisam-pirenena, indrindra moa taorian’ny fanambaran’ny SADC hita tao amin’ny gazety iray mpiseho isan’andro eto an-toerana.

Minoa fotsiny ihany !

Tsy tokony hanana ahiahy ny vahoaka mpanara-dia ny filoha Ravalomanana, « minoa fotsiny ihany » hoy izy.Azo antoka fa matoa izy nandray iny fanapahan-kevitra iny dia efa fantany mazava tsara ny lalan-kombana.Tsy vahiny amin’ny resaka fifandraisana amin’ny any ivelany ny filoha, kapoaka io koa azo inoana fa misy hevitra « tsar » tiany hahatongavana amin’izao fanam-pahankevitra izao.

Tetezamita tsy iaraha-mitantana !

Araka ny angom-baovao dia mbola be dia be ireo sehatra iraisam-pirenena tsy mahatoky io fitondrana io,  tetezamita tsy iaraha-mitantana no misy eto koa mbola fitaka sy sandoka no hita, koa aza sodoka amin’ny endrika ivelany.

Tsy tafa io

Ny vondrona Eoropeana no mpamatsy vola be indrindra an’i Madagasikara, raha tsy miditra ao anefa  ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ho « tafa »  sy hahazo fankatoavana  izany mihitsy ny FAT, mbola mandeha ila hatrany io .Tsy azo lavina manko fa manana ny heriny tokoa ny filoha Ravalomanana, tsy sanatria akory faly noho ny fihidin’ny « robinet » fa kosa marika fampisehoan-kery lehibe hoan’ny rehetra fa ny ankolafy Ravalomanana no « tompon’ady » sy tsy azo ailika.

Mifanampia sy mifandraisa tanana ry mpiara-mitolona

Be loatra ny lainga afafy sy fanangolena ny vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana, manana adidy noho izany ny « zanak’i Dada » hanamafy bebe kokoa ny tolona,  tsy ny mpomba an-dRajoelina, na  ny mpomba an-dRy Mémé sy Vakitampona, na ny mpomba ny « satroka penjy » no hampiakatra ny moralin’ny mpiara-mitolona. Ireo rehetra mahazo « seza » manko dia ny hitazona sy hanamafy hatrany io sezany io no mahamaika azy, koa hoan’ireo rehetra manohana ny filoha Ravalomanana dia fotoana izao handraisanao andraikitra araka ny izay tandrify sy zakan’ny tsirairay. Mifanampia sy mifandraisa tanana ry mpiara-mitolona rehetra.

 

50 pensées sur “Esory ny ahiahy, matokia ny filoha Ravalomanana !”

  1. Marina zany! fotoanany zao hanamafisantsika hatrany ny firaisan-kina @ fanohanana ary ny fampsehoana fa Ny filoha Ravalomanana ihany no vahaolana eto… izy ihany no andrasan’ny malagasy koa aleo asiana fandaminana tsara isam-paritra ho an’ny mpitarika hanatanterahana ny baiko nomen’ny filohantsika… ity fanapahan-kevitry ny filoha ity amiko no làlana tsara indrindra!

  2. Toa mikasa hanao nofonkena mitampihavanana hono ry zalahy tgv mianakavy eto Antananarivo, ary miisa eo aminy 8000 tafo ary omby 200 isa no ho vonoina atao sorina .Inona indray ny tetika tadiaviny ry tgv mianakavy aminizany.Ny teniko aminintsika rehetra dia samia tonga saina, satria mantsy mihevitra angamba i tgv sy ny tariny fa tambatambazana aminy hena ny vahoaka dia aminizay ho tia anazy daholo. Sanatriavina tsy alika akory ny olona ka tambatambazana an’ izao hena maloto rehetra izao.Avy aiza marina moa ireo omby 200 ireo satria mantsy betsaka ny omby very eto Madagasikara hangalariny ny dahalo ary anisanizany i pety izay tena manana hakingana ny aminy fangalarana omby ary mety omby avy aminy pety daholo zany ireo omby atao nofonkena mitampihavanana ireo, midika izany fa omby hananan’olona alahelo ary mety hakarary kibo ho anizay olona mitady hihinana anio hena io.Ka teny hatsipy ho antsika rehetra izay mety rebirebeny ireto tgv tsy misy ilaina anazy ireto.misy teny kely apetrako ity: mitandrema re fa fitaka be vava io nofokena mitampihavana io, mihevitra moa hianareo fa tena nofokena mitampihavanana marina io.Ny valina tsia, satria nahoana, satria sopesialiten’ny ry zalahy io manao zavatra mora tsy maharitra io, santionany izany ireto manaraka ireto:sokafo tsara ny sofina:vary maro, hena mora, praiministra mora, sokafo mora, mangahazo mora, loha mora, tenda mora, solonify mora, lela mora, tanana mora, maso mora, volo mora, tanana mora, kiraro mora, pataloha mora, silipy mora, gabone mora, affaire mora, halatra mora, rano mora, taoka mora, labiera mora, fijerevana fiboridanana mora, manga eto mora, antanimora… mora mora daholo, ary ny tena mampalahelo dia lasa moramorainy i tgv sy ny namany daholo ny fiainana eto Madagasikara, any ka lasa mora hatraminy Madagasikara dia ny vahoaka koa dia tadiaviny ry zalahy hamidy aminy nofokena mitampihavanana mora.Aminy ry tgv izany dia mora mora mora ny teny filamatra nefa mora any aminy fahaverezana ny mora hampisaina ary tsy mahagaga raha lasa hoe: fahafahana mora tanindrazana mora fahamarinana mora ny ambilemantsika raha mbola eo ry tgv mora ary ny ekipany mora.Enga anie ka tsy ho rebirebe’ny i tgv mora aminy zavtra mora ny saintsika rehetra manantsaina ary jerevo fa tsy ho ela ireo dia handositra moramora any lafrantsa, ary any ry zareo no tena ahita zavtra tena mora ary tena mora araka ny fieritreretany mora dia mora.

  3. The Petition
    Châtaigner: MODY !

    Izahay;
    Malagasy sy Naman’i Madagasikara, VAHOAKA manana ny Fiandrianany, Afaka sy Mahaleotena, dia MITAKY:
    – Ny fialan’Ingahy J M Châtaiger tsy misy hatak’andro eto @ Tanindrazanay
    – Ny fanalana an’i Lafrantsa sy ny Frantsay tsy hiditra intsony amin’ny famahana ny Krizy eto Madagasikara

    Châtaigner: MODY !
    = = = = = = = =
    Châtaigner: LEAVE !

    We;
    Malagasy and Friend(s) of Madagasikara, Sovereign People, Free and Independent, DEMAND:
    – The immediate departure of Mr. J M Châtaiger of our territory
    – The setting aside of France and the French people in the Madagasikara Crisis Process Resolution.

    Châtaigner: LEAVE !
    = = = = = = = =
    Châtaigner : D E G A G E !

    Nous;
    Malagasy et Ami(es) de Madagasikara, Peuple Souverain, Libre et Indépendant, EXIGEONS:
    – Le départ immédiat de Monsieur J M Châtaigner de notre territoire
    – La mise à l’écart de la France et des Français du Processus de Résolution de crise de Madagascar.

    Châtaigner : D E G A G E !

  4. Manohy ny teninao aho Rasamy.Mora daholo: fanahy mora (mivarotra tanindrazana) saina mora (bac-5 no mibaiko ny bac+5) vatana mora (efa misy izao ny fakana taova an-keriny ny ankizy, ny mpiasa amin’ny zone franche taloha raha tsy mahahofa trano dia miray amin’ny tompon-trano, ny minety dia azon’ny be antitra vazaha amin’ny glace kely;Tsy manohitra ny mariages mixtes aho au contraire fa 70 taona ve hiaraka amin’ny 25 taona?)
    Noho izany dia sahy mijoro izahay manohitra an’io bitro mora io ary manainga ny masoivoho an’i reny malala hiala sy hisitaka an’i mada.

  5. 8000 tafo angaha hono ny tafo misy ao Madagasikara?
    8000 tafo angaha ny isan’ny malagasy tsy faly?
    8000 tafo izany no mila lamboina? pff, asaivo avoakany aloha ny gadra politika dia averiny ny dadanay dia mifampiresaka isika avy eo.

    OUSTE MIALA ny FOZA.

  6. Aza matahotra ny amin’itony ê: « hoan’ireo rehetra manohana ny filoha Ravalomanana dia fotoana izao handraisanao andraikitra araka ny izay tandrify sy zakan’ny tsirairay. Mifanampia sy mifandraisa tanana ry mpiara-mitolona rehetra. »
    .
    fa tsy ny elan’elan-tany velively no hamono ny afon’ny fitiavan-tanindrazana iombonantsika.
    .
    fantatray
    ny nametrahanay
    ny fihatokisanay

  7. Mlay mintsy ny fahavonona’ny tsirairay hanohana hatrany ny filoha Ravalomanana satria be ny ady Atrehana tsy izay radomelina Dj foza mpamafy lainga sy fitaka @ Malagasy tsy manam-pidiny akory no olana fa ny Frantsay manohana azy… ady @ fanandevozana mintsy no misy eto satria niverina siècle indray isika fa Andrianampoinimerina t@ androny aza nahalala fa tsy omem-potsiny ny Malagasy fa omena angady hiasàna ny zava-misy @ zao kanefa dia tambazana vary..mora hena mora sns ny olona dia ho sanatria ho tampina ve ny maso kanefa ny toe-karena potika ny orin’asa nanome asa nikatona … mino aho fa fantatsika tsara ny nahatonga izany dia io DJ saribakoly Frantay io nanomga-panjakana io koa manaiga antssika é… marina fa mamono ireo miaramilam-poza ireo ary izay no tena mampahatahotra antsika kanefa dia hiandry maty noana eto ve dia hiverina ho andevo ve?

  8. @GTT Philippines !

    Raha te hiova pseudo ianao dia tsotra :

    Ovay fotsiny ny pseudo-nao ary mamorona adresse , ohatra yahoo.com, na izay tianao.

    Dia andramo fa mety foana ! 🙂

  9. Rasamy ! tsy vao vao2 io sorona io ary efa fantatra ny antony fa ho FANAKANANA ny
    fahatongavan’i dada.Zara aza fa omby no hangatahin’i SAMPINY fa tsy olona toy ilay t@
    7 fev.Dia ombin’izy indray no ho HANGALARINA hanaovana io ??? izay no tokony fanontaniana HIPETRAKA?
    Dia i chataigner MODY MORAMORA ( toy ilay vary mora……) TSY MISY FEPETRA!!!
    Dia ny farany voalazanao fa tsy misy hilana ny frantsay intsony HIDITRA @ RAHARAHA POLITIKA MALAGASY,
    Ho sorohana koa angamba ireo vao hiala,fa ry zareo mihintsy anie no MISISIKA e!!dia ireny niaraha-nahita ireny
    moa ny fihetsiny.

  10. Fa Web inona izany resahinao izany ry HoAiza â ?
    Izao ê ! Ahazo vaovao tsy ampoizina ianareo rahampitso, ka dia enga anie ka hiova amin’izay ny fandehan-javatra !

  11. Ahoana raha asiana RODOBE NASIONALY any Mada dia asiana koa aty Eropa manatitra taratasy milaza ny tranga ara-politika any Dago sy ny tsy fanantanterahana ny tondro zotra hatramin’izao ka manao hetsika isika eo anoloan’ny siège ONU ao Paris.

  12. Aza be resaka re fa Ravalo tsy nahavita na tafo iray aza tao @ heriny sy ny volany a! inona no mba projet na logement social mba natsangan-dRavalo? na ny hotel de ville aza t@ naha maire tana azy sy na pd azy tsy vitany! ny olona favy raha politika! tena marina e!

  13. @ rabe !

    Ny teninao voalohany ary miverimberina dia hoe aza be fankahalàna ary aza mba mitsara tsy ho tsaraina.
    Ny mahaga anefa, isaky ny mamaky ny zavatra lazainao, dia ny FANKAHALANA sy FITSARATSARANA an’ny President Marc RAVALOMANANA no ambetin-dresakao ! Ary mba misy mitombona ve ny zavatra arosonao ?!!!Toa Fanaratsiana ranoray fotsiny ?

    Ny fanakiananao ny Politika nataony aza toaz zavatra maivana dia maivana miohatra amin’ny zava-miseho efa telo lasa izao.

    Mba inona marina moa ny zavtra tsara vitan’ireo HAT ireo ? Ary raha nahavita izy, firy ny zavatra tsara vitany? ary Firy raha jerena ny zavatra rasty vitany ?!

    Mbola averiko, fa firifiry akory amin’izao fotoana ny malagasy matimaty ho azy noho ny fahantràna ?
    – Firy ny isan’ny ankizy MITOMBO tsy mianatra satria tsy afa-mianatra intsony raha tsy mandoa ecolage ?
    – Manao ahoana ny fitomboan’ny ankizivavy mivarotena ?
    – Manao ahoana ny fitomboan’ny Mpivarotra eny an-dalam-be, mitory ny fahanàna noho ny tsy fisian’ny asa ?
    – Manao ahoana ny fitombon’ny isan’ny trano vaky ? Ny trano voaroba ? Ny
    – Ny famonoaoana sy fanagadràna tsy amin’antony ny olona ?
    – Ny fangalàna an-keriny ny fananan’ny Firenena ? Volamena – bois de rose – Petrole – vatosoa – gaz – Fiara-panjakàna sy ny fiaran’olona……..?
    – Ny tany malagasy ajakan’ny Vozongo ?
    – Ny mpiasan’ny vozongo andevozina , tsy araka ny maha -olombelona azy ?

    Sa mbola Ravalomanana ihany no nahatonga izany ?
    Ary rehefa manoratra ny anaran’ny Prezida Ravalomanana ianao , azafady mba soraty manontolo toa ny anoratanao ny anaran’i TGV, fa aza afohezina hoe Ra8 :

    Ny teninao ihany anie no mamatotra anoe ! Aoka hifanja fa samy malagasy e, sy ny sisa.

    Rabe a !
    Samy Tompon’ny teniny isika, fa samy ANDEVOZIN’NY teniny raha vao lasa ny teny atao.

    Ka mahaiza mifanaja ary ajanony amin’izay ny fankahalàna ny Prezida Ravalomanana, raha mbola nagalatra sy namono ny havanao izy ! Raha ny mikasika ny olona hafa, izay TSY FANTATRAO, aza tantaraina fa…..fanaratsiana tsy fantatrao marina na nisy na tsia !
    Tiako ny milaza aminao, fa ireo voalazanao ireo anie ( Hotel de ville, logement sosial, Hopital hitsangana ery amin’ny Digue…..), ka asa efa natomboka tamin’ny andron’i Prezida Ravalomanana daholo e (izay antsonao amin’ny fankahalàna hoe : Dadanareo) !
    Porofo izany, fa toa ianao no tena tara !

    Ary mba mametraka hafatra aminao aho :
    Raha hanao toro-teny mamy ianao dia mandehàna ao amin’ny Madagate, dia anaro toy ny ezaka ataonao eto ny Mpanohana an’ny HAT ! 🙂
    Tadidinao moa ilay teny hoe : dis moi avec qui tues, je te dirais qui tu es ?
    Adaboy any ry Massoud sy Tanora, dia hino aho fa hiova ianao .Fa raha amin’izao fotoana, sarotra ho anay ny hino, fa TGV dia olon’ny fahamarinana, ary tsy mivarotra ny Tanindrazany, ary tsy namono olona tamin’ny Fevrier 2009, ary midongy toerana tsy atonona azy.

  14. Niteny ny Filoha RAVALOMANANA MARC .Nanazava ny antony tsy tsy andraisan’ny mouvance Ravalomanana Marc izy !
    Tsotra ny antony : tsy manaja ny andininy faha-5 ny fanendrena ny praimisitra ary tsy nanantanteraka ny andininy faha -20 io praministra voatendry io.

    Koa hoy ny Filoha hoe :
    « Rehefa tanteraka ny fepetra ao anatiny ny andininy faha – 20 dia miverina ao anatin’ny tondro zotra izahay ! »

    Raha tsy tanteraka izany ;hoy Isika , dia rava ny primature satri tsy hisy fankasitrhana avy amin’ ny Communauté internationale ary tsy hisy fanampiana koa avy amin’ireo bailleurs de fonds sy ny Vondrona europeanina , ny USA , izay tsy manaiky rahateo ny fitondrana entin’ny mpanongam-panjakana..

    May volotratra ireo mpanohana an-rajoelina dia i Zafy sy ny namany ka mikoropaka manao fihetsi-jaza : manmitamby : naneny Tsiafahy , nankeny amin’ny ati-tany momba ialy fandrarana ny fivoriana..
    Tsy any anie ny problème é..!
    Ny gadra paolitika mivoaka izao dia izao no tadiavinay
    NY FAHALAHAN ‘ NY RADIO SY NY TV NO TADIAVINAY IZAO DIA IZAO
    NY FANAFOANANA NY NOTAM NO TADIAVINAY IZAO DIA IZAO.
    COUP DE TELEPHONE NA SONIAN ‘ I BERIZIKY DIA AMPY HANEFANA IREO RAHA KA TENA PRAIMINISTRA ITY BERIZIKY ITY ARY RAHA TOA , ARAKA NY TENINY , FA NY TONDRO- ZOTRA NO LEHIBE MIBAIKO AZY !

    VAO NITENY NY FOLOHA RAVALOMANANA MARC DIA TSY VITANY NIOKOTROKOTRA IRETO NAMAN ‘ I ZAFY FA INDEO LASA AVO FEO MITABATABA FA NY MAIKA DIA NY FIVERENAN ‘ NY
    FILOHA RAVALOMANANA MARC ETO AN-TANINDEAZANA..!
    OADRAY FA IZA MOA NO TSY MAIKA MOMBA IZANY…§FA ANGAHA NY FITATATANA ATAON ‘ IZY IREO NO HANAFAINGANA IZANY ,MORA TOKOA NY MIVOLANA..!
    DIA INY ZAFY MPIKAJY AMIN’ NY PAOLITIKA , MPANAO FANORONA IKOHIZANA , MARANITRA , TSY BADO ARAK ‘IREO MPANDRABY AZY..HIDITRA AN-TSEHATRA ARY MAMPANDREA FA :
    –IZY DIA MPITONDRA NY ANKOLAFY TELO ETO M.KARA /fa angaha moa nisy nanankina an ‘ izany titre izany ?
    –HO AVY ENY MAGRO IZY ..

    DINIHO TSARA IO FIDIRAN ‘ I ZAFY ENY MAGRO BEHORIRIKA IO .MISY ANTONY MARO :
    —MIANTSY ILAY FANDRARANA NY FIVOTIANA IZY..HITENY IZY FA TSY MISY DIKANY IZANY FANDRARANA IZANY !
    —EFA TAFAVOHAKA VE IREO GADRA PAOLITIKA ALOHAN’NY FIDIRAN ‘ I ZAFY ENY MAGRO ?
    —EFA VOLAMINA VE NY FAHAFAHANA MAMPIASA NY RADIO SY NY TV HO ANY REHETRA ,
    —EFA AN-DALANA VE NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ,

    IZANY HOE NANARAKA NY BTENIN ‘ NY FILOHA RAVALOMANANA MARC I ZAFY KA NETY HO NANOSIKA ITY PRAIMINISTRA HANANTANTERAKA NY FEPETRA REHETRA AO ANATIN’ NY ANDININY FAHA-20 IZAY TAKIAN ‘ NY VAHOAKA KOA !

    TSY HITAKO NY ANTONY HAHATONGAVAN ‘I ZAFY ENY BEHORIRIKA..

    L ‘ APPLICATION IMMEDIATE DES DISPOSITIONS PRESCRITES DANS L’ARTICLE 20 DE LA FEUILLE DE ROUIE CONSTITUE LA SEULE ISSUE A CETTE CRISE PROVOQUEE PAR LA PRESENTATION DE LA CANDIDATURE DE BERIZIKY OMER AU POSTE DEE PREMIER MINISTRE !
    Y-T-IL EU CONNIVENCE ENTRE ZAFY ? LES FRANCAIS ET RAJOELINA ,
    QUE ZAFY NOUS EXPLIQUE POURQUOI CETTE CANDIDATURE AUX DEPENS DES HOMMES TELS QUE LE dR RAKOTOVAHINY EMMANUEL PAR EXEMPLE ?

    IZA NO MPITENY HOE ; MAMPIADY KARY KA NY ANTITRA ANTITRA IHANY ? ITY NO POROFO FA MISY ANTITRA BABAKOTO…, JAMBAN ‘ NY INONA ?

    L’INTRANSIGEANCE FERME , TRANQUILLE DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SES OUAILLES RESPECTE LES PERSONNES MAIS CONDAMNE LES TRANACTIONS ILLICITES QUI N ‘ OBSERVENT PAS LE DROIT ET LA TRANSPARENCE BLIGATOIRE EN DE TELLE CIRCONSTANCE !
    CETTE INTRANSIGEANCE FERME ET RANQUILLE DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SES OUAILLES CONTITUE LEUR FORCE , SILIDIE ET RENFORCE LEUR COHESION MALGRE LES TENTATIVES DE CLIVAGE DU TIM PAR LAHINIRIKO , ZOARIMIHAJA , RAJEMISDON , SYLLA ET AUTRES JIOLAHY..!
    NOTRE COHESION CONSTITUE LE SOCLE DE NOTRE COHERENCE ET DE NOTRE CREDIBILITE ET DE NOTRE VOLONTE POUR LE DEVELOPPEMENT DE TOUS LES MALGACHES A PARTIR DES FOKOTANY
    ( DEVELOPPEMENT DE PROXIMITE INTEGRE DANS LE DEVELOPPEMENT NATIONAL GRACE AUX MOYENS DE COMMUNICATIONS ROUTIERES ? AERIENNES , INJORMAIQUES…ET SURTOUT AU BRASSAGE DES HOMMES ET DES FEMMES DE CE PAYS..QUE LE COLONIALISME A TENTE DEPUIS PLUS DE 100 ANS A OPPOSER , A DIVISER ALORS QUE RIEN NE LES DIFFERE SAUF LES REVENUS DE LEUR TRAVAIL..!
    NOTRE DEVELOPPEMENT SOCIO_ECONOMIQUE BIEN AMORCE PAR LES DEUX MANDATS DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC , UNE FOIS REPRIS ASSURE CE DEVELOPPEMENT ET CORRIGERA -TSY HO ELA / RAPIDEMENT – CETTE INJUSTICE SOCIALE !

    fanompana sy teny ratsy an !

  15. Tsorina ny marina fa tambazana izao rehatra izao ny malagasy fa indridra ireo sahirana ohatra: tsena mora rehafa maty ilay tsena mora ka somary mamaivay ny resaka politika dia nataony haingana ilay zoma fanampina nefa aiza daholo izany amin’izao ? sady tsy miely eran’ny Madagascar no maty antoerana, Mampalahelo isika!!!!!!!!!!!!!!!!Mifohaza marina ry gasy ary tokony hitolona ho an’ny fahafahana indray isika.

  16. @ km: ilay web misy ny pétisaonina mangataka ny « go back to where you come from » an’i chant-tay’iny-é r’isé an!

  17. Tena tsy mbola niova ra8 ary toa tsy hiova mandrakizay, Tia tena loatra noho fitiavambola sy fitiavan-tseza, Menatra aho raha ny dadako no manao fihetsika manaratsy ny firenena ary faly amin’ny fanasaziana ny fireneny satria naloan’ny vahoaka tao izy.
    Tsy mbola tonga saina foana am toetra ratsiny ra8 ve ireto zanany ireto e.

  18. MOMBAN’NY SENATERA NAIKA ELIANE.
    Raha nitodidoha sy namonjy ( mety daholo izay fomba andraisana ny vaombolana ) ny Tanindrazana ny Senatera NAIKA Eliane, dia tsara angamba izy manao fanambaràna rehefa tonga any an-toerana, fanambaràna mazava fa ny fahatongavany dia TSY MIDIKA VELIVELY HOE EFA TANTERAKA NY ANDININY FAHA-20 AN’ILAY TONDROZOTRA !!

  19. Fa misy inona ry Kintana sy Hoaiza a!!Inona ilay vao2 tsy ampoizina lazain’i Kintana??
    aza dia mampitaintaina re ray olona a!Mba lazao e!!ho avy angaha……… ????

    Radoko !izaho avy no mangitakitaka @ ilay fitantaranao azy,tsy te ho eo @’ny toeran’i akolafy Zafy aho @ izao
    fandehanjavatra izao,nefa mino aho fa ny HISAVORIVORIAN-KILATOANA.Tsy mora ny manao zavatra fa kosa
    aza dia manome siny be fahantany an’i Dadabe Zafy re tompoko o!mba jereo ny zavatra vitany sy ny FITIAVANY
    tanindrazana, manasa anao hijery ilay FANAZAVANA momba an’i dadabe Zafy T@ TV plus t@ zoma asa raha mba
    hanampy anao.Izaho kosa aloha dia sarotiny @ dadabe Zafy e! tena nanao izy ary nahavita, anisany nahatafita koa
    izao tolona izao izy, ary NILATSAKA antsehatra mihintsy na dia saika hanambaka ny ainy aza.Mba hifonana re Radoko a!

  20. Ianao anie ranavalona tsy afaka hitsen’azy ê ! Mikasika ny senatera Naika ny zavatra nolazaiko !
    Ianao mantsy toa any amin-dry zareo mpihinana kartaofelina sy vorosta, no misy anao !
    Momban’i Zafy indray dia izao ! Rehefa miaro ny ara-dalàna, dia miaro an’izany atramin’ny farany !

    Ny hoavin’ny Firenena sy taranaka ary fara aman-dimby no tsinjovina !
    TSY HISY IZANY « RECONCILIATION » IZANY RAHATOA KA TSY MITOVY NY TARIGETRA !!! TSY HITONDRA SOA HOA AN’NY FIRENENA VELIVELY IZAO ATAON’I ZAFY MIARAKA AMIN’I BERIZIKY IZAO !!
    Tsy ny androany sy ny rahampitso ihany no jerena, fa TOKONY banjinina ny 20, 30 na 50 taona ho avy !
    Izy efa ZOKY OLONA ihany (TSY MANIRY LOZA FA FIRY TAONA SISA), ka tokony ASEHONY IZANY MAHA RAY AMAN-DRENY AZY IZANY !!
    Mbola tsy tara, ary mbola afaka miteny izy hoe diso lalana, satria nisy nanoro vohona !!
    Omer Beriziky tompoko, dia tsy PM de consensus velively !!

  21. Misaotra ê !

    (Aza homena tsiny…)

    ps: vakio ny gazety Midi Mkara androany, indraindray mampiantso ny anaran’Atra ny dégradation @ lafiny rehetra misy sy iainana eto…

  22. Indrisy mantsy !
    Izao fotsiny ê, mbola ho avy ary tsy ho ela, ny « fotoana » hiaonan’ny rehetra !

  23. – Ranavalpna !

    Hoy ny fiteny : »Tsy misy mamy sy tiana toa ny zanaka , fa raha manaikitra ny nonon-dreniny izy dia akifika ! »
    Ary koa ny hoe : » Tsy maintsy hoaina sy hajaina ny fiaraha-monina , koa izay kary mitady animba izany , na iza na iza ,dia kary ary ny kary dia dia kary ka tsy iaraha-monina ! »
    Enin-tana rha nipoaka ny 47 tao an-tranon’ ITOMPOKOLAHY RABENJA MPAKA SARY, tery ANTAN?AMONY (Fianarantsoa )..Tsy misy fantatro tamin’izany ! Ny itako dia olona maro , vehivavy indrindra nitomany..Niova be ny fifandraisana ny olon-dehibe fa ohatra mifampiaeahaba tsy sadroka izy ireny , ohata ny olona mifina na manafin-javata noho ireo mpitsikilo (taty ao aoriana efa tonga tao ANTANANARIVO aho nampahafantarina ny seho sy ny tranga tamin’ny 47..
    Dia iny aho no nihaino resaka , nanon-gilan-tsofina , namaky ny takilan-gazety teny amin’ny kioska ary namaky boky ,indrindra ny boky nosoratan ‘ i Maître STIBBE mititra hoe : » JUSTICE POUR LES MALGACHES ! » Nihaino ny fanazavana mikasika ny colonialisme nataon’ny Pasteur ANDRIAMANJATO R. ,RAKOTOVAO RAZAKABOANA ary dia maro ireo namana tao amin’ny Tily Eto Madagasikara no serina sy tena nahay ny Tantaran ‘ny Fanjanahatany tao M.kara..
    Afoheziko :Na teo aza ny hetsika nataon ‘i Général RAMANANTSOA GABRIEL , izay nandray ny Fahefana feno tamin’ i Président TSIRANANA ,dia nanao réferendum izy raha ankasitrahan ‘ny Vahoaka io fahefana feno nomena azy io , ary nanome toky ny VAOHAKA izy fa haveriny amin’ny sivilina ny fahefana rehefa voalamlina ny Tany sy ny Fanjakana..!
    Izay no no antony nanosehana azy niala : tsy takatr’i tsima,drava izany kafin ‘ny frantsay izany…
    Dia iny ny Filoha RAVALOMANANA MARC , izay any mpitondra Malagasy , tsy fonctionnaire , tsy nanaraka ny zotran ‘ny fampianarana frantsay , fa izy irey kosa no
    Filoha-pirenena Malagasy any nanao ,nanantanteraka ny TENY , NY TOKY NOMENY !
    NOTANTERAHANY IZAY NO LAZAINY TAMIN ‘NY MALAGASY..TSY NIOVA IZY NA INONA NA INONA NISEHO..
    IZANY NO ATAO HOE  » COHERENCE POLITIQUE , HONNETETE INTELLECTUELLE , FIDELITE AVEC SA PROFONDE CONVICTION ET SON GRAN AMOUR DES MALGACHES ET DE SON PAYS ! »

    IZANY FISAINAN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA MARC IZANY NO ANTONY NANOHANAKO , ANOHANOKA SY HANOAKO AZY..KOA NA IZA NA IZA MITADY HAMINGANA AZY DIA EO AHO MIARAKA AMPN ‘ IREO MALAGASY AN -TAPITRISANA MIOMBONA , MIZARA AMIKO IZANY FISAINANA LEHIBE IZANY..!

    n
    NIADY , NITOLONA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC HAMONJY SY HIARO NY FIRENENA SY NY MALAGASY ARY NY FIANDRIANANA SY NY FAHAFAHAN ‘ NY MALAGASY ( SOUVERAINETE ET LIBERTE ).VOAFEHIN ‘IZANY DIA INY NY ACCORDS DE MAPUTO IZAY LASA FEUILLE DE ROUTE DE SAINDTON : IO NO MANDA MIARO ANTSIKA AMIN ‘NY FANJANAHANA IZAY IEZAHAN ‘ NY FRANTSAY..NATAON ‘NY FRANTSAY IZAY FOMBA REHETRA AHAZOANA ANAMPOTIKA IO
    ACCORDS DE MAPUTO / FEUILLE DE ROYE SAINDTON IO…!

    GAGA SY ZENDANA AHO RAHA TSY MAFANTATRA IZANY I ZAFY..!

    IZAHO , RANAVALONA , TSY MITADY LOKA NA DOKA AHO NA SEZA..FA MIKATSAKA IZAY HAHASOA NY FIAINAN ‘NY MALAGASY IZAY NIAINAKO ( Raha atambatra dia erin-taona sy tapany aho no 853niditra an-trano -tsekoly atramin ‘ny 47 ka atramin ‘ny fidirana vacances de Pâques aho..Niditra CE2 tamin’izay…
    Fitondran ‘ANDRIAMANITRA NO NATOA AHY TOA IZAO..

    Koa ,miala tsiny aho , fa tsy manainky mihintsy aho ny fihetsik’ i Zafy aho , izay efa fanindroan ‘izao no tsy MANAJA NY LALAM-PANORENANA IZY ; tamin’ny voaloha dia NOROHAHINA HIALA TSY HO FILOHA-PIRENENA IZY ( IMPEACHMENT ) ARY IO INDRAY FA MAMERINA IZANY IZY TAMIN’NY TSY FANAJANA NY FEPETRA AO AMIN ‘NY ANDININY FAHA-5 AO AMIN ‘ NY FEUILLE ROUTE IZAY MISOLO TOERANA NY LALAM-PANORENANA..
    CE COMPORTEMENT RELEVE , EN TERME DE DROIT , DU DELIT D’HABITUDE ET DANS LE NON RESPECT DES CONVENTIONS MALGACHES « DITRA  » NA BODONGERONA « …!

    NY FIJALIAN ‘ IREO MALAGASY AO ANATY RANO SY AO ANATY FOTAKA AMIN ‘IZAO FAHAVARATRA IZAO DIA MILA FIJERY MATSILO, FANAPAHAN-KEVITRA KINGA SY HENTITRA FA TSY MILA REHAKA SY LANGO MANAFOSAFO NY SOFINA..
    TSY BADO I ZAFY FA BE FIKA , BE KAJY TSY MITOMBONA…!
    NY LOHA VE NO MISAINA AMIN ‘IZAO FOTOAN-TSAROTRA IZAO ?
    KOA RAHA TSY MAHEFA , TSY MAHAFEHY DIA NY MANGINA NO FAHENDRENA FA TSY MANAO KITOATOA..!

    IZAY RANAVALONA NY SEMBANA AZO NIDIOVIRANA , AZO NIALANA..
    JE NE CHERCHE PAS A AVOIR RAISON A TOUT PRIX MAIS JE VEUX ETRE HUSTE DANS MON OBSERVATION ET MES ANALYSES ET AVOIR LE MOINDRE TORT !

  24. Miala tsiny aho Dokotera fa toa namoha fitamandry ary tohina tokoa , azafady dokotera!!
    Eo @ resaka dada dia samy mahatsapa fa izy no hilaina ary izy irery ihany no azo antoka
    fa ahay hitondra io TANY MASINA IO .Ny momba an’i dadabe Zafy indray dia ny ahy ny andrasako dia FANAZAVANA avy
    aminy manokana, ny zavatra fantatro fotsiny dia MISY ANTONY AO ary io antony io no tiako ho FANTATRA.

    Kintana! Dray !miandry SIKA tokana dia MIVOAKA! eny Ivato no fotoana e!tsy misy miala eo!!!Tsy hadino ny RANO sy lamba
    kely raha raikitra ny SAKOROKA! Dia mivatsy mofo kely ho tohan’aina hoy Bebenay izay.

    misy hadinoko kely dokotera fa tsy maintsy tohanana ny hevitra tsara toy itony anao itony fa tsy midika mihintsy izany hoe: filana
    19 ohatra,fa kosa ny ahy toy izany koa raha vao misy tsy dia mifanahaka @ tokony ho izy ohatra dia avy koa aho,efa leo sady tsy
    tiako ny HIADY sy HIFAMALY lava eto, hevitra no hampiadiana eto fa sy ny olona ( hoy ilay ranamana foza iraizay).

  25. Fanehoan-kevitra ilay izy, fa fandinihana sy famakafakàna ny zava-misy, ry ranavalona â !
    Voafafan’ilay fihetsika farany nataony, ny « tolona » nataon’i Zafy, any ka maha lasa eritreritra !
    Nataony tohatra hiakarana indray ve ny vahoaka, sa mody nitolona mba hanafenana ny tetika ratsy, sa…dia trondro mora jonoina ilay Rangaha, kanefa tena hoe mpanao pôlitika avo lenta ary nianteherana ?
    Tadidio fa nisy fotoana, dia nanome toky azy teo ampahibemason’ny vahoaka ny Filoha Ravalomanana, mba hisolotena azy ary hitarika ny fanoherana an’ireo zavatra tsy mety ataon’ny mpanongam-panjakàna.
    Dikan’izany tokony hisy foana ny fifanakalozan-kevitra amin’izy telo mirahalahy mianaka !
    Ny tohiny dia fantatrao ! Tsy ho tafavaoka amin’izao krizy izao ny malagasy rahatoa ka fitafitaka, tetika avy amin’ny mpanjanan-tany lava izao no entina na hieverana hanavotana ny Firenena !
    Tsy maintsy mandresy ny RARINY !!

  26. tena tsy takatry ny sain’i rabe sy lay milaza fa Tanora fa tena nopotehin’ity DJ Bontolo saribakolin’ny Frantay ity ny Gasy???Maro ireo projet nataon-Dra8 no nopotehin’ireo fotsiny ary zay ihany no mission’ny foza ka mahagaga oe olona mahay manoratra eto @ forum kanefa dia tsy ampy ati-doha!

  27. Mety hietsika aminizay koa angamba ny kongona satria efa tsy lasa ny ataony parasy.

    7 Novembre 2011 – 14h14 : Résolutions de l’association de kung fu ANAWI après son assemblée générale hier : -participation active de l’association dans l’éducation citoyenne; -un message lancé à l’endroit des politiques pour la tenue du sommet à 4 à Madagascar, ; -la transparence dans la gestion des affaires nationales et la participation active dans les prochaines élections

  28. Kay ! kay!kay!! ela no niandrasako ireo??fa taiza foana ireo e!
    Hietsika sa tsy hietsika e!! ! Hivavaka mafy aho mba tsy hisy FAMONOANA afo intsony.
    Toa voalaza mantsy fa hoe: efa voavidy koa ny Kung fu anie e!

  29. Marina izany ry Kintana a! efa nahazoazo taona ihany ny tena fa aza homena tsiny e!
    Izany hoe mihombo-kevitra @ ilay FAMAKAFAKAN-dRadoko izany no tiako ho lazaina e!Mety ve??
    Io indray koa i Kintana fa hanampy trotraka !mba andraso aloha ho hita izay lazainy e! mety ho voafitaka koa anie izy e!
    i Dadabe Zafy io!!ohatry ny tsy mampino ahy mihintsy ilay tantara ray olona a! tena malahelo aho raha sanatria…………
    aza misy anie izany!!!

    F’ inona koa ity vao2 hoentin’i Rasamy??? tena mba vao2 tsara sady mahavelom- panantenana, efa ho avy tsy ho ela ny an’
    ireo kay koh!!ela nitoratorahana la frantsa ka ahavoa voamason’angatra, avelao hanao ihany.
    Fa dia tena tsy nampoiziko ho toy izao no niafaran’ity Khadafi ray olona , ilay nanao ts’inonts’inona olona …….iny.

  30. Entina mba handinihina an’ilay fihetsika ilay resaka ranavalona â ! Tsy misy hoe manampy trotrak’izany !
    Tsiahy : Tamin’ny avril 2009, dia hoy ilay ngahy sola izay : » Izaho dia tena nanampy ( vola sy tetika ? )an’ilay kely io, kanefa tsy dia mankasitraka laotra ny fomba nentiny na ny zavatra nataony, mba hahatongavana amin’ny tanjona » !
    Izao ingahy sola, lasa ministra miara miasa amin’ilay kely (ati-doha io ), ary mamerina ao am-paosy ny vola laniny « angamba » !!
    Mino ve ianao ry ranavalona, fa hoe tsy fantatr’ingahy Zafy io Beriziky Beriziky io ?
    Praofesora izany anie, fara faha ratsiny mba mahay mamaky teny rahatoa ka tsy maharaka ny hafetsen’ny sasany ê !
    I Beriziky, tsy movansa Ravalomanana, na Zafy ary koa tsy Ratsiraka, koa maninona no natolotra ho PM rehefa fantatra fa Lidera fanilo ?
    Tsy mba maha lasa eritreritra anao ve izany ?
    Raharahampirenena ilay izy, ka tokony tsy manao kitoatoa ! Avy nanitsaka vao manao aza fady !

  31. Kintana raha nanaraka tsara ny tantara ianao dia tokony tsy ho nanolotra olona i dadabe Zafy,
    tampoka teo anefa iny fa nipotra Rangahy io, satria tonga tao aminy mihintsy ny masoivoho
    Soudaf ( raha tsy diso aho) koa mety izy ho tsy nanana fotoana nandinihina satria isika samy tsy nisy nahita izay zavatra
    nifampiresahana tany na koa FANAHINIANA koropahana foana rehefa miaraka manao ZAVATRA @ foza mba tsy hanananao
    fotoana dia iny HAROSONY mora2 ny zavatra sy tetika efa NOMANINDRY zareo.Koa eto no mbola hanamafisako fa ANGAMBA
    VOAFITAKA izy????vinavina ny ahy an!Mino aho fa fantatry Zafy Beriziky fa nanana fijery hafa mihintsy izy ary nanantena fa io
    no izy fa kosa tsy anjarany ny sisa raha tsy nahatanteraka izay mba niandrasany @ Berizika i ZAFY,fijeriko manokana io an!
    Tsy i Zafy mihintsy no tompon’antoka raha tsy afaka nanatanteraka ilay FR Beriziky,i dada koa nampanao SONIA an’i Mamy R
    fa domelina no ho filoha ,nefa domelina tsy nanatanteraka izany maha FILOHA azy izany dia iza ary no TOMPONANDRAIKITRA
    eto???asa raha azonareo ny tiako ho lazaina eto???nanaiky Zafy fa io , mahavita azy io, mety ho vahaolana io, fa kosa Ilay PM
    no tsy nanaraka na voasakana tsy hanatanteraka ilay TONDROZOTRA???T@ fijerin’i Zafy io an!!mety tsy nana-potoana izy ny
    nandiniany ny sisa fa toa foza ohatra i Beriziky, fohy ilay fotoana nandinihiny fa domelina efa dodona be satria izy no MIBAIKO.

  32. Dia mbola miverina ny fanontaniana.
    Efa ho TELO TAONA izao ny krizy, ka INONA NO NAHAMAIKA ? Tsy tokony nodinihina NIARAKA VE NY FANENDRENA NA FANOLORANA AN’IZAY HO PRAIMINISTRA ?
    Efa MAZAVA fa tsy tokony olona mitovy firehana (potsista na nanampy potsista) amin’ilay kely, io PM TADIAVINA IO !!!
    Raha atao kitoatoa ny fanamboaran-trano, orana kely fa tsy sikilaonina akory dia mahazer’azy !

  33. Iny indray mbola ilay  » izay tiako « ! ataoko fa tsy nisy dinika mihintsy kosa ny t@’io ho fanendrena PM io.
    ary mbola nanamafy domelina fa  » FANAPAHA -KEVINY irery io ». aza mba donto ihany !!sady nideaka ery
    ny anao lahy namato-tena hi! hi! hi! dia izao RAISI-POTSINY.
    Omeko hevitra hafa indray ary ianao ??raha nanolotra iny Zafy ? tsy voatery ho iny no laniana fa toa (Zarako aza
    naratra ) zaran’i frantsay aza nisy an’i Berizika mba handavany an’i ankolafy Dada,sa izy rahateo efa namoaka vava,
    dia hitanao tsara fa tsy tompon’ andraikitra mihintsy dadabe Zafy? ny fahotana nataony fotsiny dia ny nanolorany an’i
    Beriziky ( satria izy nanana ny fijeriny MANOKANA ny @ Beriziky) kinanjo Beriziky koa aza mba kenda !tsy afa Mikofoka
    na dia voalazany aza fa hanaraka ilay tondrozotra izy???Nivangongo ao aminy daholo ireto foza hitady SEZA.
    Tokony tsy any @ ilay PM intsony ny adihevitra eto fa @ ilay FANATANTERAHANA ilay tondrozotra.

  34. Tsara ianao ranavalona raha mba mamaky kely ny post-‘i menja ao amin’ny forum TIM !
    « Samy te hivaoka ny krizy daholo anie » no lohan-teny !!
    Mitovy hevitra amiko izy !
    Fiverenana any amin’izany hoe ETAT DE DROIT SY ORDRE CONSTITUTIONNEL NO TANJONA, fa tsy hoe Fiverenana any amin’ny kaomberaka sy ny fanjakan’ny baroa !!!
    Firifiry izay Fifanarahana TSY NAMPIARINA IZAY ? Lalam-panorenana aza voahitsakitsaka hoy angamba ianao !!
    Ary ialy hoe PM tsy maintsy EKEN’IDOMELINA, dia PURE CONNERIE !!! TSY TOKONY EKENA AKORY IZANY !!!
    Mba nanontaniana ny heviny ve ny vahoaka malagasy momban’io DOMELIN-JAVATRA IO ????

    FEHINY : A croire que le malgache a perdu à jamais, le sens du mot RESPECT !!
    La solution attendue, n’est-elle pas une solution malgacho-malgache, laquelle doit être assortie d’un principe incontournable : FANAJANA TANTERAKA NY TENY NIERANA !!!!
    Nulle organisation, même pas la SADC n’a le droit d’imposer qui ou quoique ce soit ; la SADC par contre se doit de vérifier si la Feuille de route est bien appliquée A LA LETTRE PRES !

  35. werbeck a. Dia tena gaga anareo fanatik n’io rangahy mpanao jadona sy namono olona io koa ange izaho e. raha nanana projet tsara izy asany izany, ary tokony izany projet izany no tohananareo fa tsy izy sy ny toetra ratsiny.

  36. Ny mampalahelo anie ry Kintana dia : io ilay TANJONA! miara-manaiky ny rehetra fa kosa ny
    ahatongavan-tsika @ io tanjona io no mbola ezaka be. Ito aza ity PM mbola HIFANDRORITANA
    be ihany, tsy hoe tsy manohana ny hevitrareo aho( marina daholo ny voalazanareo sy dokotera)
    fa kosa mba malahelo an’i dadabe Zafy aho, diso ve aho @ izay??? ny tena antony anefa mbola tsy MAZAVA tsara,
    avelao aloha izy hiteny e!Efa io aloha no narosony , Berizika no masaka dia tsy namokatra Lery fa atao ahoana ???
    mitohy ihany ny tolona ! Dia mifandrirotra2 eto indray aloha! ny tena tanjoko dia ny tsy hisian’ilay DISADISA eo @
    mpiara mitolona aloha fa mbola tsy tafavoaka ny ala isika.Ny ahy mba fanazavana fotsiny fa tsy midika ho fanoherana,
    ianareo mbola mahita LAVITRA kokoa sy akaiky noho izaho, ny anareo fijery politika avy hatrany .

  37. Tsy misy disadisa, fa ilay tanjona no resahana eto ranavalona â !
    Rehefa nanaiky ny rehetra hoe toy izao no FDR tokony arahana, dia mba izay no tanterahana !!!
    Rehefa 20 ny points tsy maintsy ampiarina na tratrarina dia 20, fa tsy 14 na 16, dia hoe mandeha io ê !
    Tsy azo atao intsony amin’izao 21e siècle, efa andro mazàva izao no mbola manao « VITA GASY » LAVA IZAO !!
    TANINDRAZANAO IO, koa na inona na inona antony hanoananao an’i Zafy, ny hoavin-janakao jerena aloha ! Madagasikara tahaky ny ahoana no mba tianao hiainany rahatr’izay ??
    Voafidim-bahoaka i Ravalomanana !! Tsy tokony atao tsinontsinona ny safidim-bahoaka !!
    Ry gamara no tsy mahatakatra an’izany !!
    Izay indray aloha ny androany, fa mbola be no hierehana !!

  38. 9 novembre 2011 à 2 h 48 min

    Le grand professeur Zafy , l’infaillible meneur des jeux polifika àM.car , projette de venir à Behoririka dans l’enceinte de MAGRO pour jouer le pompier pyromane : il va avec sa langue ( sa grande lance à eaux)essyer de mouiller les deux chefs de file en arguant que toutes les décisions ont été et sont toujours et encore prises à trois !

    FAUX! FAUX ! ET MENSONGES CAR LES DEUX AUTRES CHEFS DE FILE -LE PDT RATSIRAKA ET LE PDT RAVALOMANANA MARC -ONT TELEPHONE A PLUSIEURS REPRISES A AU PDT ZAFY QUI N’A PAS REPONDU, CECI APRES LA NOMINATION AU POSTE DE PREMIER MINISTRE BERIZIKY QUI FAIT PARTI DE LEADER FANILO PROCHE DE RAJOELINA..FAUT-IL DIRE QUE BERIZIKY APPARTIENT AUX DEUX MOUVANCES OU LES DEUX MOUVANCES N’EN FONT QU’UNE
    LA-DESSUS NOUS ATTENDONS LE PDT ZAFY , PAR OU AVEC SA DIALECTIQUE ,EXPLIQUER LES RAISONS DE SON CHOIX EN FAVEUR DE BERIZIKY ET AUX DEPENDS DE L’ESPOIRDES MALGACHES ENCORE UNE FOIS BERNES PAR ZAFY L ‘ENCHANTEUR !

    QUE ZAFY NE SE TROMPE PAS ENCORE UNE ENIEME FOIS..QU’IL NE PRENNE PAS LA PEINE D’EXPLIQUER OU DE SE JUSTIFIER ,CAR QUI S’EXCUSE S’ACCUSE ET QUE NOUS NE SOMMES NES DE LA DERNIERE PLUIE !
    QU’IL NE VIENNE PAS RECLAMER L’APPLICATION DE L’ARTICLE 20 DE LA FEUILLE DE ROUTE CAR LE PDT RAVALOMANANA MARC EN FAIT UN CASUS BELLI EN POSANT LE DILEMNE SUIVANT
    – »SOIT CET ARTICLE 2 EST APPLIQUE DANS SON ENTIERETE ICI ET MAINTENANT
    –SOIT NOUS MOUVANCE RAVALOMANANA MARC QUITTONS LE PROCESSUS.. »

    LE POMPIER-PYROMANE QU’EST ZAFY DISPOSE-T-IL DE MOYENS POUR PROFITER DE L’OCCASION ET PRENDRE AU MOT LE PDT RAVALOMANANA MARC POUR L’EXCLURE DU PROCESSUS …EN TERGIVERSANT POUR APPLIQUER ICI ET MAINTENANT L’ARTICLE 20…C’est_A_DIRE EN…TRAINANT , EN ZIGZAGANT..!
    A-T-IL LES MOYENS D’AGIR AINSI ET DE FAIRE FACE AUX MALGACHES QUI RECLAMENT LE RETOUR DU PDT RAVALOMANANA MARC , SANS IL N’ Y AURA NI RECONNAISSANCE INTERNATIONALE DE L’ETAT MALGACHE NI LES AIDESINTERNATIONAUX DES BAILLEURS DE FOHDS(BM, FHI,UNION EUROPEENNE) ET BILATERALES ( USA, NORVEGE, ALLEMAGNE..).

    AU TOTAL , LA VENUE DE ZAFY AU MAGRO N’EST QU’UNE PROMENADE DE SANTE PRESCRITE CERTAINEMENT PAR LES DEUX AUTRES CHEFS DE FILE DES DEUX AUTRES MOUVANCES…CAR ZAFY , LA PEUR AU VENTRE NE SERAIOT PAS VENU SANS CETTE INJONCTION DES DEUX AUTRES QUI SAUVENT L’APPARENCE DE COHESION DES TROIS MOUVANCES AU MOINS CAR LA COHERENCE A ETE POIGNARDEE PAR L’INITIATIVE IRREFLECHIE DE AFY EN PROPOSANT LA CANDIDATURE DE BERIZIKY , QUE RAJOELINA VA NOMMER PREMIER MINISTRE AVEC LA BENEDICTION DU GRAND PROFESSEUR ET EMINENT MENEUR DES JEUX POLIFIKA A M.CAR..!

    CHERS COMPATRIOTES , PRENEZ VOS MAUX EN PATIENCE CAR ZAFY L’ENCHANTEUR AVEC UN COUP
    DE BAGUETTE MAGIQUE FAIT DU BERIZIKY ET DU RAJOELINA..!QUELLE REUSSITE !AVANT LUI , PERSONNE N’ Y A PENSE !
    BRAVO …MERDE ALORS !

  39. Ianareo kosa e! tena MASIKA ratsy mihintsy !
    Hitanareo? ( izaho aloha tsy mpanao politika e!)izaho rehefa mijery olona dia
    ny lafitsarany foana aloha no jereko,ka na misy aza fivadiany aty aoriana dia tazoniko foana iny tsara vitany iny.
    Dia aminareo izany ve dia tsy MANOHINA anareo akory ireny ezaka be nataony ireny??eny e! mety hoe diso izy,
    na nivadika na tsy haiko koa……. tsy laviko fa kosa mba olombelona izy dia ho hariana ve nefa ray aman-dreny be,
    Tsy teo @ Magro irery anie izy no nampiseho izany e! fa na t@ fifandraisana t@ tany ivelany ny DINIKA samihafa,
    ny fandavany raha tsy eo IZY MIRAHALAHY MIANAKA sns ary ny tena NANOHINA ahy ary tsy HADINOKO dia ity
    izy TONGA TENY Ivato t@ ireny FITSENANA an’i DADA ireny.Tena malahelo kosa aho e!
    Ilay tsy fandraisany telephone indray io no midika fa misy ny antony koa raha mbola tsy misy mahalala ny marina dia
    tokony tsy mbola avy dia omena tsiny azy,amiko aloha e!tokony mba jerena ihany koa ny TAONANY nefa izy mbola
    mijoro NANDRAY ANDRAIKITRA t@ TOLONA ary tena nanao izy fa tsy NITSIDI-PAHITRA TOY NY SASANY.

  40. Tsy misy masiaka izany eto ry ranavalona â ! Aza malahelo be fahatany fa fotoanan’ny atao hoe OBJECTIVITE izao !
    Redrinka ny Firenena ary Fahadiranovana ny Vahoaka !! Tsy azo atao kilalao ny Tanindrazana !!
    Ianao ve partenerako miara-manao belaoty, dia raha tsy manana « atout » ianao, dia karatra eny an-tanan’ny adversera ( izay tsy « fantatrao » akory ) no alaina sy apetrakao eo ambony latabatra ???
    1) Voalohany, tsy azo atao ny maka ny an’ny adversera satria tsy ao anaty fitsipika izany !
    2) Faharoa, tsy fantatrao akory izay « mety ho vokany » ! Na fantatrao aza ‘ty karatra alainao ity, dia mbola diso ihany ianao SATRIA NANDIKA FITSIPIKA !!

    Rehefa tsy manana atout dia mipasy, SATRIA NY NAMANA METY MANANA ATOUT MILAY BE. Ohatra adaladala ny ahy !

    Nitolona hoy ianao i Zafy ! Azo lazaina hoe « tsy azo lavina » izany !

    FA MBA INONA NO TENA TANJON’ILAY TOLONA NATAONY, NA MBOLA HO ATAONY ?

    That’s the question, hoy rangilisy izay !

  41. Ny olana anie ranavalona, lasa SADASADA ilay BE VITANY ê !
    Marihiko aminao fa tsy izy irery, tamin’ireo rehetra nitonon-tena ho mpitolona, no NANAO FAOLAITRA !! Jereo ry Yves-Aimé, ry Raharinaivo sns..!
    Mitonon-tena toy ny lolo fotsy noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra !! Mbola misidisidina izao, fa ho kila atsy ho atsy !!
    Raharinaivo mahavita izany milaza hoe, ny hamaly faty no masaka ao an-tsain’ny Prezidà Ravalomanana ! Entin’ny fahamenarana sy ny tahotra, dia mirediredy !
    Raha mbola eo foana ny tsy fanarahan-dalàna sy izay dina sy fanampahin-kevitra niarahana natao, dia tsy ho tafavaoka eo isika malagasy !
    Tsy mifamaly ary tsy tezitra an !

  42. NItolona hoy ianareo fa ny nahadiso kely anareo dia i zafy sy ratsiraka dia nanohana ny tolom-bahoaka tam 2009 hanalana hatram fotony an ra8 sy ny hadalany fa tsy navelany vahoaka hitarika. refa vita ny tolona dia te hitarika daholo izy roalahy ka naka fahavalo an’ny boay kely. tsis vahoaka te hanaraka azy anefa dia tsy maintsy niaraka am mouvance ra8 indray. ka ho sasatra eo ianareo raha i Zafy sy Deba no andrasanareo hiaro an’i ra8mpanjaka.

  43. Kintana
    Foza aza tsy edivako koa ianao indray ve ry akama a! SANATRIA!
    Aza tonga kosa dia hampitovianao @ vakitampona sy solavatony sns izy e!
    Raha resaka vola koa tsy dia azoko hinoana loatra,fa ny antony koa tena mba hiadivako eto dia noho izy tsy
    olon’i frantsay,io dia io ! ary manova zavatra betsaka io indrindra @’ izao tolona HIMATIMATESANTSIKA izao
    satria ireo no rangory fototry ny afo @ izao FAHAVOAZANTSIKA izao.

  44. Tsy any amin’ny hoe olon’ny frantsay sa tsia no izy ranavalona â !
    Hitondra vaha-olana ve ny ataony sa tsia ? Aroso ny resaka satria tsy ianao irery ihany no mamaky ny soratro !
    Fantampantatro tsara daholo ny olona REHETRA nanome vola an’i Zafy tamin’ny fifidianana izay nifanandranan’izy sy Ratsiraka ! Notantarain’ilay « mpanangom-bola ôfisialy » hoe iza avy !
    Tsy vazaha ary gasy ihany ! Araho ny masoko !
    Zavatra efa lasa izany, ka ny ankehitriny no tokony himasohana ! Misy resaka ataon’i Rabelehilahy any momban’i Zafy sy Ratsiraka ! Mihevitr’izy fa tsy fantatry ny vahoaka izany ! Diso be !
    Fa raha mbola tian’i Zafy ny hiverenan’izany hoe Fanjakàna tan-dalàna izany, misy zavatra tsy tokony atao INTSONY !
    Mpanohana ny ara-dalàna ny tenako, ary tsy ao anatin’ny TIM koa ! Be tantara ny sasany satria tsy manan-javatra anankianina ny Prezidà Ravalomanana ; tsy ahoako izay sipakeliny any, I E. FAURE aza maty teo am…bony fandriana niaraka tamin’ny akamany !
    Marina koa sa tsia ? Tsy any ny olana !
    Nitondra soa ho an’ny vahoaka malagasy ve ny zavatra vita sy nataon’i Ravalomanana ?
    Rehefa eny ny valinteny, dia izy no tohanako fa tsy ry domelina MPANONGAM-PANJAKANA velively !!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *