Hampiaro amin-dRajoelina ny artikla 43 ny tondrozotra

Magro, 19 nov 11 (34)

Vory vahoaka indray i Magro Behoririka androany.Nafana ny lahanteny isan-karazany.

Imanoela,dia nanamafy ny fitakiany hatrany :” tsy miala eto isika raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana”  hoy izy.Nangataka tamin’ny praiminisitra Beriziky ihany koa ny tenany ny hamoahana tsy misy hatakandro ny gadra politika rehetra, ny hanokafana ihany koa ny haino aman-jery nakatona.Nandefa hafatra hoan-dRajoelina ihany koa teto I Manoela :”Tsy an’ialahy irery Madagasikara koa zarao mitovy ny isan’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta hoy izy.

Ny minisitra teo aloha, Henri Randrianjatovo ihany koa dia nangataka tamin’ny Troikan’ny SADC mba hampiharana ny andininy faha 43 ao amin’ny tondrozotra, hanasaziana an-dRajoelina izay vato misakana amin’ny fampiharana izany.

I Rostant, mpanolontsaim-paritry Ihorombe indray kosa dia nanamafy fa manana ny tanjony ny ankolafy telo, noho ny tsy fidiran’ny mpanohitra ao anatin’ny sarintsarina governemanta tsy mahomby dia mampikatso an-dRajoelina.Rehefa tsy mahomny nandritra ny telo taona izay ianareo hoy depioté Mamitiana Ravelonanosy dia ny tsara aminareo ny mila haingana eo “hainay ny mitondra eo” hoy izy.

4 pensées sur “Hampiaro amin-dRajoelina ny artikla 43 ny tondrozotra”

  1. Aiza ary Thierra Bruno ?!!!
    « Ka tianao va ? Ka Tianao va ?!
    Ka tianao va, ny hiaraka amin’ahy ?! »

    http://mydago.com/wp-content/uploads/2011/11/Magro-19-nov-11-26.jpg

    Ireto ve sisa no TIM ??? Toa roa na telo izy izany , sady rovitra pataloha ?
    Tandremo ilay « TIM – Vaky tapona » sy « Mémé » fa mandadilady sady efa tsy mitarogna intsony !

    Mahereza ry malagasy, ny anio, ny ampitso :Dada ihany no ady eo, fa ireo no handroaka ny Mpanjanaka sy ny « zanany ». TIM-Dada ihany no antsika e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *