Ampiharo haingana ny andininy faharoapolo hoy Tsianihy !

My beautiful picture

Nanao  fanambarana fa tokony ampiharina  haingana ny tondrozotra izay nosoniavina sy nekena ,indrindra fa ny andininy faharoapolo, hoy ny  fikambanan’ny   avy any atsimo notarihin’i Salazalahy Tsianihy.Tsy maintsy miverina tsy misy fepetra eto ireo sesitany any ivelany,  indrindra fa  Ravalomanana .Mila havoaka tsy misy hataka andro ny  gadra politika rehetra na sivily na miaramila ;.ary mila vahana ny haino aman-jery rehetra izay nakatona noho ny antony politika.

Tsy vahaolana ny fifidianana atao anatin’ ny fitiavan-tseza sy fitiavan-tena izay neritreretin’ny fahavalom-pirenena,  hoy  i Tsianihy.  Tsy ahitana fitoniana sy tsy ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena izany , hoy izy.

Tokana ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana  any Atsimo Andrefana ,hoy ireto solon-tenan’ny faritra Atsimo ireto.Ny  Tiako i Madagasikara sy ny Ankolafy dia tsy mandray baiko afa-tsy  avy amin’ny filoha Ravalomanana , satria ny fiverenany eto no antenainay  hampivaha faingana izao krizy izao, indrindra fa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana .

Tamin’ny taona 2009 niandohan’ny krizy teto dia nisy ireo tetik’asa napetraka sy nomanin’ny  filoha Ravalomanana tany Atsimo,.  Anisan’izany ny lalana mampitohy an’Ihosy sy Faradofay,  mandalo eo Ambovombe. Maro hafa  ny tetezana mapitohy an’i  Saint Augistin sy  Soalala , samy ao anatin’ i Toliary II , izay nahafanran’ny maro an’i Dada.

Misy ireo olona misandoka  ho  Tiako i Madagasikara  any amin’ny faritany . Ambaranay fa tokana ihany izany antoko  izany ;  tsy misy mahalala izany olona   hafa izany akory  amin’ny vahoakan’i Toliara.Tokony hijoro amin’ny anarany manokana any  izy fa tsy hampiasa  ny anaran’ny ankolafy sy antokon’ny filoha Marc Ravalomanana,  hoy i Tsianihy raha namely fantsy an-dRy Mémé sy ny tariny.

3 pensées sur “Ampiharo haingana ny andininy faharoapolo hoy Tsianihy !”

  1. Henoy izany ry hazondamosiko! izay tiako ihany!hatao inona izany fitoniana izany??
    tsy mila izany fankatoavana izany koa izy fa ny volany aza tsy lany fa hafafin’ i mialy
    @ fatimborodamban’i Paris fotsiny izay tsy FAHITANY, mba hitany taiza izay magazay chic teto ambonin’i tany
    raha sy nandroba ny fitondrana domelina ??dia hafafy fa vola azo mora2 dia hafafy mora2 ihany koa. aza mba
    TAPOANY IHANY oah!!vonjivonjena fa tsinaikena efa kely sisa hanana azy,dia TAROZOANA lavabe mba hinanana
    ihany e! soa fa tsy ho TOY IZAO FOANA akory ny GASY,tsy ho maloka foana na hanorana na ho maizina foana akory
    ny rahonay GASY ,efa hisava tsy ho ela ny andro e! kely sisa !

  2. Molia mbetoa rehe Tsianihy, manenty ty zava-misy. fa tsy midoboky Antananarivo ao avao.
    Mbola hitan’ny ra8 taiza ny lalan-dratsy taty. tsy Tadidinao ve ravalo tam janv 2009 voatora-bato ny vahoaka taty, saika hikabary dia tonga dia nitsoaka tam avion special.
    Ary tsy tadidinao ny fandraisan’ny Androy an’i Mialy Kely taty Nikoly izay nahavita nitety ireo lalan-dratsy rehetra sy niresaka tamin »ireo Vahoaka. mipetraha soa rehe fa tsy maty ho ndaty aty avao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *