Hanao fanambarana lehibe etsy amin’ny Magro ny Pr Zafy Albert anio

Pr-Zafy-Albert2

Nanomomboka tamin’ny dimy ora sy sasany hariva ka hatramin’ny valo ora sy sasany alina, omaly no nifampidinika tetsy amin’ny Villa La Franchise ny ankolafy Zafy Albert sy ny Praiminisitra Omer Beriziky.Hita teny an-toerana ireo minisitra vao notendrena toa ny Dr Joseph, Marcel Bernard, Tabera, tao ihany koa Dr Rakotovahiny, Victor Hong, Pr Ramiandrisoa, Mektoub, Pst Edouard, sns…

Raha ny hita teny an-toerana dia niafina ny fahatongavan’ny Beriziky tao an-toerana, ary tamin’ny ora nivoahany tao dia noroahina ny mpanao gazety teny an-toerana.Inona no anton’izany? nandresy lahatra ny ankolafy Zafy ve izy hiditra ao anatin’ity governemanta ity?

Ho setrin’izay dia ho tonga etsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny Pr Zafy Albert anio tolakandro, hanao fanambarana goavana.

Ity Video ity no azonay omaly tetsy amin’ny Villa La Franchise , nanahirana ny naka sary azy noho ny fandrahonana nahazo ny mpaka sary :

24 pensées sur “Hanao fanambarana lehibe etsy amin’ny Magro ny Pr Zafy Albert anio”

  1. Mampalahelo mihitsy hoy aho ianareo fa dia lalaovin’i Zafy fotsiny ,mbola ho aiza anefa ny hampihesoniny anareo rehetra…ampamoaka angaha ..izy no tokony atao ampamoaka eny @ kianjan’ny Magro noho ny famadihana ataony…..Dia mino ihany izay teneniny fa dia adinoy any Afrika Atsimo ny dadanareo.

  2. Nanaraka tsara ny tondrozotra ve io governemantan’i beriziky io r’Ingahy Praofesora â ?
    – Navaoka daholo ve ireo nogadragadraina tamin’ny tsy antony ?
    – Efa malalaka ve izao ny haino aman-jery ?
    – Ary efa tafody daholo ve ireo rehetra tsy avela mody any an-tanindrazana araky ny voalaza ao amin’ilay tondrozotra ?
    – Ary ny fitsinjaràna ny ministera ve dia manaraka an’izay TOKONY HO IZY ?

    Fanontaniana daholo izany satria araky ny vaovao azo farany dia toa hoe hihiditra ao anatin’io Governemanta goavy manta io ianareo, kanefa vao tsy ela toa NIDRADRADRADRA hoe tsy mety sy tsy manaraka ny fehipetra izay noraisina izy io ?
    Inona marina no nifanarahanao tamin’i Beriziky, izay raha anisan’ny nanongana raha manao jery todika kely ?
    Toa misy maha marina azy ihany ity lazain’ilay Dondrona ity !

  3. Le RODOBE prend plus que jamais un sens primordial !


    Vu l’ingerence française qui prend de l’ampleur en lisant les declarations du Representant du Ministere des Affaires Etrangeres françaises,

    Vus les noms des nouveaux ministres du Gvt Beriziky

    Vue l’attente palpable de la population quant à son desir de voir Rajoelina deguerpir de la Gestion du Pays

    Vue l’insecurité grandissante

    Vue la puvreté grandissante

    ……..
    Le RODOBE est le seul moyen de se defaire de Rajoelina et de l’ingerence française :

    Si nous avons perdu dans l’elaboration de cette liste injuste et inacceptable,
    nous avons tout de même la possibilité d’EXIGER le depart de certains nouvellement nommés : Zanamahasoa – RaJaonarivelo….et consort …..

    Le RODOBE doit par consequent prendre un sens particulier :

    Exiger leur départ de ce nouveau Gvt,
    Tout en conservant tout ce qui a été revendiquer depuis fort longtemps.

    En regardant de près toutes les photos où la foule s’amasse, l’on peut se peut dire sans equivoque, que la population n’attend qu’un signal de ralliement et de manifestation.
    – L’on remarque egalement, une moindre presence d’arme
    – L’on remarque que la population est surtout constituée de jeunes qui savent que leur avenir est sombre et completement bouché (ils le savent pertinemment, et c’est ce qui explique leur presence partout dans les photos)
    – Cette peur de Beriziky à se montrer à la foule, est un signe flagrant d’une peur de l’explosion sociale.

    Par consequent :
    LE RODOBE EST TOUJOURS DE MISE ,
    et c’est la seule voie qui pourrait nous liberer de l’emprise colonialiste française, et de la HAT-Rajoelina.
    – Exigeons le depart de certains ministres pro-Rajoelina nouvellement nommés,
    – Exigeons la participation du President M.Ravalomanana à l’election presidentielle
    – Exigeons la liberation des prisonniers politiques et des militaires

    P A R L E R O D O B E. Mais il faudrait que ce RODOBE se fasse sentir dans toute l’ile, et en même temps, par le discours du Pr ZAFY
    – Inutile de rappeler que les Senateurs , les Deputés et le GTT, et les autres partis Legalistes doivent y prendre part ….ENERGIQUEMENT !

    Voilà ce à quoi le RODOBE doit prendre son sens . Faute de quoi, nous n’aurons que les yeux pour pleurer.

  4. O ray olona mba miangavy re e!!! lelafina ny faladianareo e!!!
    Ny sonia no talohan’ny fanendrena an’i Beriziky aoka hazava
    tsara fa raha tsy vita iny sonia nanaikena iny fa ho FILOHA HITANTANA eo i domelina dia hataoko
    FA TSY TONGA TAMIN’IZAO ISIKA.Fa mino ve ianareo fa raha tsy nisy an’i BERIZIKY ary dia ho
    nifidy an’i ankolafy dada ve i domelina ???henonareo tsara angamba ny vavan’i Chataigner fa « SANATRIA!!! »
    Koa hoa aho hoe: izay tsy nanonta no aoka hitora-bato tompoko o!!!avelao aloha izy hanazava,hataoko fa tsy
    nijanona fotsiny izy fa MITADY IHANY KOA ny ANTONY.
    Kintana ! hataoko fa nanaraka tsara ilay » invitė du Zoma » i Serge Razafihova ianao na ny sasany eto, ary nazava
    tsara ny resany ny momba an’i Zafy sy ny antony METY ho nanendreny an’i BERIZIKY, fa kosa raha tsy araka ny
    tokony ho @ niheverana azy no fandehan’ny raharaha dia efa fantatra ny antony fa la frantsa sy domelina koa asa
    raha mba tsy dia HANOME TSINY BE FAHANTANY ,efa misy io fanazavana io aloha koa dia HO HITA EO!!!!!

  5. Ny teninay vahoaka madinika dia tsotra fotsiny, tapero ny kirizy tsy ho tanty intsony izy ity ka milaza aminareo mpanao politika tsy ankanavaka izahay fa tsy raharahampianakaviana i Madagasikara fa any vahoaka, sao lahy tratrany fitsarambahoaka eo ka zay vao hitady lalana etsy sy eroa
    « ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO »

  6. Njara izao no hevitra havoakanao ato koa ahoana no hilazan’ny sasany anao fa foza ??
    ilay fahantrana eto sady fahantrana ARANOFO no fahantrana ARA-PANAHY.
    Tsy mahantra tsy mpanana fa mandry andriran’antsy daholo.Potehina mihintsy fa tsy potika e!!!

  7. Satria mbola matanjaka ny fampandriana adrisa Ranavalona a !

    Raha ny hevitro dia tsy misy hilàna azy ny kabarin’i Pr ZAFY, raha tsy manentana amin’io RODOBE io izy !

    Io no andrasan’ireo vahoaka mitangorona etsy sy eroa io. Mba jzereo hoy aho ny sary tsirairay dia ho tsapanao avy hatrany fa miandry fotsiny ny vahoaka !

    Ankoatra ireo dia jereo ny mpangalatra mamelona ireo mpanao politika fa miasa hatrany tsy ankijanona :

    http://www.lexpressmada.com/trafic-madagascar/29405-17-lingots-d-or-interceptes-a-ivato.html
    Tsy ahagaga raha olona ao amin’ny tarik’i Rajoelina no mampitondra ny harena mivoaka .

  8. ranavalona,
    Tsy dia fanakianana an’izay nataon’Ingahy Zafy izany, fa ireo ao amin’ny ankolafy Ravalomanana koa aza, nisy na misy tsy dia mazava satria voalambolambo ny sasany !
    Matoa Ravalomanana tsy avela mihiditra ao an-toerana, dia fantatr’i retsy fa HANARA-MASO AKAIKY izay zava-misy ary tsy hanaiky lembenana, satria hahita AKAIKY.
    Ny Prezidà Ravalomanana tsy tia korontana, ary mikatsaka lalan-dava ny hiverenan’ny ara-dalàna ao anatin’ny FILAMINANA, ary izay Fifanarahana na Teny hieràna, any ka misy manararaotra !
    Hevitra tsara dia tsara sy mendrim-pideràna ny azy, kanefa jiolahimboto sy dahalo tsy mahafantatra izay Lalàna no hiarahana mifampidinika !
    RODOBE !
    Efa ela no nangataka ny hivaoka avy ao amin’ny Magro ny olona, hanao RODOBE (FILAHARANA) eny ivelany, fa nisy nanova ho FIHAONAMBE ao amin’ny Magro ihany izany vaombolana RODOBE dradraina isaky ny hetsika izany. Ankaotr’ireo mpanongana sy ny milisiny, dia nisy nanao izay tsy hivoahan’ny olona noho ny antony tsy mazava laotra.
    Eo koa moa ireto tsy maty manota, niandry kendry tohana mba hanasoketàna ny Mpiaro ny ara-dalàna, izay lasa nantsoina hoe MPANOHITRA satria, na ny tsy mpiaro ny ara-dalàna aza tafiditra ao anatin’izany hoe Mpanohitra izany ! Efa tamin’ny andron’i deba koa no nisy ny « briseurs de grèves » sy ny TTS !
    Ny TENA MPIARO NY ARA-DALANA DIA MAHAFANTATRA TSARA KOA HOE, AVY AIZA NO NIPOIRAN’IZAO BAORIDELINA BE IZAO !!
    Fialonana sy fitiavan-tena no entina hanapotehana ny fiainan’olona 20 millions !
    Izao ny mpiaro ny ara-dalàna, dia lasa tompony mangatak’atiny hoy aho !!!

  9. Kintana! misaotra anao aho manamafy fa ny ao @ dada koa!!ary tena misy io fa tsy
    vazivazy ka io aza no tokony tena HARAHAMASO AKAIKY fa ao no tena ain-dehibe.
    Njara a! tsy hikabary izy fa hanazava izay efa hataoko fa izay no HANDRASAN’I MARO hatra@ nisian’izao fanondroana
    ho PM an’i Bereziky izao, moa nisy izay vao2 alina izay dia aleo ho henoina aloha e!!ianareo kosa ry zareo a!!hifonana re e!

  10. Sarotra ny hahatoky olona miova hevitra isaky ny mandeha toy i ngay zafy.Dia ho vitany ve ny mamitaka ny vahoaka ka hiara-dia @ ireo olona tsy miheritreritra hafa tsy ny hangalatra sy hivarotra ny firenena @ frantsay. Betsaka ireo minisitra izay niverina kanefa efa tsy nanao hafa tsy nanapotika firenena, ingahy zafy no mba nantenaina hoe tena hijoro h@ farany kanefa aiza sahady izao no misy azy.

  11. Fanambarana lehibe kely fotsiny io e!

    Ny lainga efa nafafy dia be dia be. Ny ampamoaka natao toa tsy nipoaka nanaitra an’iza an’iza…

  12. Efa mazava ny lalana izao e! ny mouvanse ra8 sisa no ho tavela eo. Hiditra ao anaty gvrnmt ny mouvanse zafy.

    I dédé efa ho tonga rahampitso. Vita ny planina e! dada 8 sisa tavela any ary tsy ho avelan-dry zalahy hody intsony!

    Ny fifidianana ho ataon-dry zalahy ary tsy hisy dada 8 izany eo! i dj koa ahita ny anganony rehefa ho avy io fifidianana io: ataon’i zafy sy ratsiraka angaredona ao io fa aza taitra isika . Na io manaiky resy mora na io maty atao haza lambo ao. Izay koa angamba no mety aminy.

    Ho lasan’izay olona ho tohanan’i dédé sy zafy io e! mety ho pierrot izay na i roland.

    Ny @ dada8 dia ho tavela any izy ary ho mpitazana izay miseho eto sisa! Manantena ny troika sy ny sadc izy sisa fa ireo koa efa leo sady tsy mahavita mamaha ny planina efa vitan-dry zalahy aty.

    Hanaiky tsy fidiny io gvrnmt io ny troika rehefa miditra ao ny mouvanse zafy sady mody manao hendry mangina ny mouvance ratsiraka mandra pà.

    Veloma dada 8!

  13. mba tsy hiteniteny foana dia aleo aloha miandry ny kabary ataony ZAFY eny aminy MAGRO tsy nisy nanfantatra izay resaka nifanaovany tao ka aleo miandry

  14. Ny hitsikitsika anie hono tsy mandiadia faona fa ao raha ry rabekoto ê !

    D’après Tabera ( orange.mg de ce jour ), les membres de la mouvance Zafy « démissionneront si Beriziky ne fait pas preuve de dynamisme quant à l’application de la Feuille de route » !

    Apparemment, le Tabera et ses potes prennent les enfants du bon Dieu pour des canards sauvages !!! Mais quel degré de dynamisme et surtout quelle Feuille de route ??
    L’honnêteté, le bon sens et surtout le patriotisme auraient dû les pousser à agir autrement !

  15. Ho an’i mpandinika !
    Misy marina ! Tsy dia vaovao laotra ho an’ny TENA MPIARO NY ARA-DALANA NY TETIK’ADY TANTARAINAO !
    Efa atramin’ny 2005 !
    Aza mandihy tsy hafa-tavony fotsiny !! Fahorian’ny vahoaka malagasy no toa handihizanao amin’ny farany !

  16. Devant les militants « légalistes », le Pr Zafy Albert vient de désavouer O. Beriziky, dont acte !!! Il n’y aura pas de ministres de la mouvance Zafy Albert au sein du pseudo nouveau gouvernement, contrairement à ce qui avait été annoncé par Mr Beriziky !
    Iza no mbola mandainga sy mampiesona ? Ingahy Zafy Albert sa i O. Beriziky ?
    Mino sy manantena aho fa i Beriziky no tsy azo antoka ( clin d’oeil à ranavalona, et autant pour nous ), fa ny indro kely.
    PM mpandainga toy izany ve dia mbola afaka hitantana ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny hoe « vonona ny hamerina an’izany Fanjakàna tan-dalàna » izany ?
    Ianao r’Ingahy Zafy Albert no nanolotra an’io olona io , maninona raha nesorinao taminy, teo anatrehan’ny vahoaka ny Fahatokisanao azy ?
    Dien’ny mbola tsy lasa lavitra ny raharaha, mba mila zavatra tena mazava ny vahoaka sy ny VONDRONA IRAISAM-PIRENENA, NA NY SADC ARY NY UE ê !

    Hisaorana ihany na dia nampisavorivory saina aza, ireo hoe nihiditra dia nametraka « démission » !!!
    Tsy kilalao ny fihainam-pirenena, koa mila maneho ny antony amin’ny fomba ôfisialy ianareo, satria ny frantsay dia efa mitatatata etsy sy eroa fa hoe, efa nitsangana ny governemanta manara-penitra an’ilay tondrozotra !

  17. Tsy hoe tsy azo antoka i Beriziky fa VOASAKANA ,VOATERITERY,VOAGEJA izany
    daholo ka avelao ary ho henoina izay fanambarana eo e!!!’nareo koa ity mba lalina koh!!!
    Avelao hitatatata any izay frantsay tsy mahagaga ny an’ireo sady tsy vao voalohany ! tsy msy aza foroniny moa maika
    fa ranomasina?? ranom-potaka aza manonja???

  18. Ô ry zareo a! URGENT! Jereo fil info TNNS: Officiel le 23-11-11 de 18h07 Zafy Albert,mouvance Ravalomanana , Monja Roindefo ne participeront pas au gouvernement de Omer Beriziky!!

    Aoka angamba mba ampiharina ihany ny teny hoe: au bébéfice du doute e!
    Mila mailo tsara fotsony isika amin’ny zavatra rehetra!! ny diviser pour mieux règner miasa dia miasa mafy!!!

    Izany tsy midika velively hoe mandeha hanjambany isika!!

  19. Nanao fanambaràna mihintsy izy ! Fa maninona i Beriziky izay HOE NATOLONY no mbola EO AMIN’NY TOERANY EO IHANY ? SA TSY IZY INDRAY NO NANOLOTRA AN’IO ?
    Tsy io ve no tokony esorina voalohany ?
    Ratsiraka tsy nanolotra an’io, ary tsy ny Prezidà Ravalomanana koa, ary TSY I DOMELINA ( sa….?)!
    Rehefa tsy d’accord sy tsy hiditra, dia esorina DAHOLO izay avy any amin’ny mouvances NA TSY MIHIDITRA NO TENA TSARA !

  20. Kintana a!!!dodona be loatra ianao???efa mazava aloha ny fandehanjavatra mba tsy ahatompotrano
    mihono ny rehetra, ny ahiahy tsy hiavanana ,dia hanaraka indray @ dingana hafa. Ny fitsenana an’i
    Deba aloha! hay moa izy efa tonga kah!!!vao omaly anie ilay fanambarana e! izao ary e! mety hitondra fanovana inona hoy
    ianao ny FIALAN’i Beriziky izao dia izao???ataoko fa sy dia any loatra ny olana ??Mbola te hanoy ny asany angamba izy fa
    tsy maintsy mbola mitady Lalana hafa fa efa izay aloha no ZAVAMISY tsy ahatanterahany ilay TONDROZOTRA izay takian
    ny rehetra aminy,sa izy mihintsy no tena olana aminao ry Kintana ??i domelina no tokony hiala IZAO DIA IZAO!!!io no olana
    izy sy chataigner.

  21. Raha miala i Beriziky, dia ho hitan’ny frantsay izay mi-télécommander sy mibaiko, fa efa leo an-dry zareo ny vahoaka malagasy !
    Izay no tena atao hoe fitadiavana vahaolana malgacho-malgache, tadiaviny ! I Beriziky rahateo moa Lidera fanilo fa tsy ankolafy Zafy !
    Ny FDR mihintsy anie no tsy voahaja hatrany amboalohany ê !
    Ny tadiaviko izany : Rava io governemanta tsy manjary, goavy manta, tsy alehany, ets….
    Ary ho hoainina be ny frantsay ato ato !!
    Tsy te hiresaka zavatra betsaka eto aho, fa tsy lasa io ê ! Tsy misy zavatra azo antenaina amin’io !
    Désolé, ranavalona !

  22. Iza no sahy miteny amin’izao fotoana, fa nampiharina antsakany sy andavany ilay tondrozotra ?
    Iza ilay nilokaloka fa tsy manana patrô ankaotry ny tondrozotra ?
    Mba aiza ho aiza isika mianakavy amin’izao fotoana ?

    Hoy i Alidera A.R.
    « Fanambaràna lehibe kely fotsiny io e ! …. Ny ampamoaka natao toa tsy nipoaka nanaitra an’iza an’iza »

    Novokisan’ny sasany tamin’ny fanambaràna ny vahoaka nandritr’izay ela be izay !

    Mbola mitohy ny famahanan-dalitra, na dia efa betsaka aza ny valala !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *