Io indray ny fampihorohoroana ataon’ny Jeneraly « Baomba »

My beautiful picture

Tahotra no betsaka !

Nahoraka eran’ny tanana io hariva io fa matahotra « mercenaire » ny Jeneraly Baomba.Matoa tafiditra teto an-tanindrazana anefa ireo vahiny tonga eto ireny dia nahazo alalana avy amin’ny fitondrana.Porofon’izany, nambaran’ny Kaomisera Brunel, tompon’andraikitry ny seranana, fa efa fantara 48 ora mialoha ny anaran’ny mpandeha anaty fiara-manidina.Avy aiza ary ny fahadisoana? Maninona raha tonga dia nosamborina teny Ivato izy?

Tsy vonona hilamina ny mpomba an-dRajoelina !

Fahatahorana an’i Dada daholo ny dikan’izao tranga izao.Nolazaina hatrany fa miaro ny vahoaka sy ny fananay ny mpitandro filaminana, tandroka aron’ny vozona kanefa dia fitaovana politika hampihorohoroana ny vahoka.Fa naninona no tsy teny Ivato ny mpitandro filaminana (Emmoreg) ny Alahady teo?Voaporofo tamin’iny fotoana iny fa avy amin’ny mpomba an-dRajoelina ny mpanakorontana, kanefa tsy handraisana fepetra.

Io tranga hariva io ihany koa dia midika fa tsy vonona hamitram-pihavanana ny FAT.Manoloana izany dia mipetraka ny ahiahy, inona marina no andraikitry Beriziky? Toa ny Jeneraly baomba no manao ny lalàna?

Video Conference ?

Fantatra ihany koa fa tamin’ny fihaonan’i Beriziky, Zafy, Ratsiraka  dia efa midinika ny hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony izy ireo .Nodinihin’izy ireo ny fomba mety hanatanterahana izany ka ny filoha Ravalomanana no hatao « video conference » any Afrika Atsimo, hono.Mikaon-doha mafy hatrany ireo matahotra an’i Dada manao ny paik’ady politika tsy hiverenan’ny filoha mamimbahoaka ity.

Tsy maintsy hipoaka ihany ny sarom-bilany raha izao antsojay lava izao no mitohy, rahoviana anefa?

20 pensées sur “Io indray ny fampihorohoroana ataon’ny Jeneraly « Baomba »”

  1. Marina ny anao ra-Solo: efa fantatra 48h dieny mialoha ny anaran’ireo higadona eto na avy aiza na avy aiza. Porofo tsotra: raha tsy izany tsy nisy tamingan’olona tonga teny Ivato

    I couillonnel richard Baomba anie ra-Solo, raha ny novakiana tanaty gazety natolotra tary ihany koa, mbola vao capitaine dia efa nahazo andraikitra goavana teo @ fitondràna talohan’ny fahatongavan’ny an-dravalo izany hoe avant 2002 ê

    Henonao ve raha nalain’ny mpanao gazety ambavany i Guy rivo omaly, dia nanambara fa anisan’ny anton-dian-dry zareo ny mikasika ny AMNISTIE IZAY ANISANY TOKONY HO TANTERAHAN’NY FATin’alika anisan’ny laharam-pahamehana voalaza ao anaty FDR, izay tokony ho tanteraina tsy misy atakandro mba hisy ny apaisement

  2. Hita mibaribary izao fa ry Risara bombina no tena mpanakorontana: Abus de pouvoir,tsy mitady velively izay apaisement, tena diakona mi-déconne tanteraka ianao ty ra-Risara fa mihevera a!!!
    Volamena eny am-boron-kisoa araky ny fitenenana!!!

    Mba ampy izay nisarina gaigy izay e!

    Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy misy farany ny zavatra rehetra!!

    Ary hoy ny ntaolo: Ny atao hono toy ny salaka, « tsara atao mihodidina, ratsy atao mihodidina ». (Amin’ialay olona ihany)

  3. Vola ! vola ! vola e!!rehefa vola dia mety daholo!ny anio ihany!!
    Mba jereo ireny fiarovany ilay sinoa namono Gasy???dia mba hanontanio ireo Gadra
    raha misy sinoa niditra izany any??tsy mino aho! nefa ny zanak’i dada hatao hazalambo sahady, MERSENERA ANGAHA???
    olona iray dia hatahorana ???nefa ny an’i domelina aza 2000 lahy miambina azy irery, fa manao ratsy sao hifoterany.I bomba
    ohatry ny efa robo sisa.Raha tsy izany ve izy mibaiko ireo babakoto ireo dia hatao @ teny frantsay sao tsy henon’i chataigner.

  4. Manaja anao Neninoro, Marina ny anao fa ny Atao Ihany no Miverina, Koa tsy mahagaga raha ifoteran’ny ratsy nataony tam vahoaka ry dada. Na hitondra mercenaire aman’alina eto iny, dia ho fatin’ny vahoaka eto ihany noho ratra mbola tsy sitrana, ny fisaonana ny 7 fev mbola tsy vita.
    Ny fianakaviany tsy nanao ratsy avela hiditra ary harovan’ny Vahoaka. fa dada8 kosa…. faritra maromaro no notsidiako teo, Fa ho ratsy fiafarana iny olona iny raha Tsy mahalala mifona am Vahoaka, mitono-tena am fitsarana.

  5. tanora//farito tsara ny vahoaka tianao holazaina eto:ny AV7 ve?ary tany amin’ny faritra inona ny ratsy nataon’i dada tany?tantarao eto iaraha-mahita.fa raha namono olona ra8 na nampamono,iza no nanatanteraka izany?nahoana no tsy any no anontanianao ny fatin’ny havanao na zay nanjavona?moa tsy ireo miaramila mbola am-perin’asa ireo ihany no efa teo tamin’ny andron-dra8?aza fohy fisainana ka mandrora olo-tsy maimbo,inona no soa mba vitanao tamin’ny tanindrazanao mihoatra noho ny vitan-dra8?sa rehefa tsy manome vola sy manana noho ianao de mpangalatra sy mpangoron-karena?manàna hambo fa samy nosoran-dreniny menaka,ary aza miteny misolo tena ny vahoaka fa ianao tsy hahazaka vahoaka mihoatra noho i dada.

  6. Fanalita a. Ianao ve efa mba nijery ny film 7 fevrier. Hadalan’ny te ho eny e, Tsy ravalo no nanao an’ireny fa Rajoel.Ravalo olo-masina: Izany ve Fanalita ny zavatra tian’ny saina lavabe ho henoina.
    Av7 tsy Vahoaka fa Foza, Eny am magro no tena Vahoaka. foza Kely ireny Tam 2009 ireny fa tsy Vahoaka, Fa ao am magro no tena tolom-bahoaka: Izany ve Fanalita ny zavatra tian’ny saina lavabe ho henoina.
    TSy ravalo no nangoron-karena fa ezaka azy manokana ireny ary ny malagasy no te Nanome azy ireny satria Mpanjaka ny Malagasy izy.
    Tsy Mbola nanagadra olona ravalo, tsy nanakatona radio, tsy namela olona tsy hiatrika fifidianana sy hiditra eto dago, tsy nanarama mercenaire namono gasy,
    Izay olona tsy mitovy hevitra aminy (vahoaka=foza) dia nifankatia aminy daholo indrindra fa ny miaramila: izany ve no tian’ny Fanalita ho Haino.
    Olon’Andrimanitra iny ry Fanalita a. izany angamba no namonoany ny gasy satria tsy tian »Andriamanitra ny Foza.
    olon Tena manan-tsaina ianareo ry Fanalita a. Fa ny Foza tsisy Saina tsy hanaiky mpamono olona sy mpagoron-karena.

  7. [Mihozongozona ny sezan’elahy
    Tsisy fotony fa fozam-bazaha
    N’inon’inona ho vavan-drangahy
    DADANAY DE MIVERINA OA]

  8. Tanora >>> asa na firy taona marina ianao ???? tena sain-jaza marina na tanora variana mifoka moly ka tsy mahalala ny atsimo sy avaratra. Sa kosa olona karamian’ny fouzaorana mba hanoratroratra eto amin’ny forum ???? IZA IZAO NO TENA MANGORON-KARENA AMIN’IZAO ISIKA MITENY IZAO ???? Fa izao aloha e ! izaho manoratra ity koa dia tanora latsaky ny 25 ans ary nahita ny fandrosoana nataon’i R8 tao anaty n’y 7 taona ary nahazo bourse d’étude aty ivelany satria an’isany nahazo noty tsara fa tsy otran’ilay bandy kely ataon’ny olona saribakly dia faly ery. Kanefa ilay fireneny ataon’ny olona fangerezana fotsiny.

  9. Clap clap clap ry Youngman !!
    Maromaroa ny toa anao mba tsy ho very io Tanindrazan-tsika io !
    Anisan’ny zavatra tsy zakan’ny loham-poza io hoe : IZAY NIANATRA TSARA IHANY NO MENDRIKA MAHAZO FANAMPIANA, HANOHY NY FIANARANY ANY IVELANY !!!!
    Teo koa moa ilay hoe, 3e cycle vao mahazo visa !!
    1990-2000 ! Firy ny zatovo malagasy naverim-potsiny, satria dia tsy tao mihintsy ilay niveau ! Nahamenatr’olona !!!

    Raha ry Alliot-Marie na ry Morin no tany Dago angamba efa maty efa ela !! Civils ve no hibaiko miaramila ???
    Satria hoe manana basy ireo, dia ireo no hanjaka mandrak’izay ao ? Mbola ho avy ilay fotoana ê !

    TSORINA AMINAREO, FA IREO MIARAMILA IREO NO TSY MAMPIVAHA NY KRIZY AMIN’IZAO FOTOANA !! VOKISAN’IRETSY VOLA LAOTRA DIA TSY MAHAFANTATRA IZAY TOKONY ATAONY INTSONY.
    NA NY VOADY NATAO AZA, TSY TSAROINA TOY NY NOFY NATAO TAMIN’NY FAHAZAZÀNA !!

    Tsy mieritreritra fa i Ravalomanana foana no omena tsiny !!!

  10. O ry Tanora tsy misy hitovizana velively na dia toy ny silaka hoho amin’ny cas -n’i PRM R8 izay nolazaiko!
    Toy mahazatra dia amboamboarina amin’izay maha metimety azy aminareo hatrany ny resaka mba hanakonana ny diky ao tsaina sy an-tsalakanareo!!
    Asa? niakatra be angamba lay izy ka sarona tanteraka na ny masonareo, rendrika ao koa hatramin’ny saina.
    Mijanòna ao amin’ny fahajambànareo raha izay tinareo fa aza erendrika ny firenena e!!!
    Samy tompon’i Madagasikara!
    MANDINIHY IHANY!!! (Amin’ny saina!!)

  11. Ry tanora itony no tena fositra ho an’i Madagasikara, io haratsian-tsainao io ihany no tena nampiasain’ireo vozongo nanapotehina an’iMadagasikara toa izao

  12. izany eo ihany, fa nisy zavatra mba nahagaga ahy ihany koa tao amin’ny Tananews !
    Hita fa henjehan’ireto foza amin’ny tsy antony ny zanaky ny Prezidà, satria naninona no tsy nosakanana teny Ivato rahatoa ka tena olon-meloka ?
    Dia ry tananews indray no toa « miana-kendry », ka manoro lalana an-dry risara baomba hoe, any Sambaina izy no mipetraka ! Zara tsy nomena koa ny lot-n-trano !
    Tsy azoko laotra ! Scoop sa fanorona vohana, sa fitadiavana kill ?
    Rehefa tahak’ireny, avela izy hipenopenona hitady any !!

  13. Fanindroa izao ianao ry KM no mametra-panontaniana mikasika an’i Tananews !

    Fankianana toy izao ataonao izao no hisakanan-dr’izareo aho tsy hiditra ao intsony, ary nahatonga azy hilaza fa Fozaorana aho .
    Tsy olana velively amiko izany, satria ny Admin ao mihitsy no toa olana satria izay lazainy ihany no marina sy tsy maintsy arahina. Sorena aho lazainy fa foza, fa faly aho tsy mankao intsony.
    Kely sisa dia ho voatendry ho foza koa ianao !!!:)

  14. Raha ny « fiarovanan’ny zanaky ny Prezidà » no maha foza, inona moa no olana ?
    Vazivazy ny ahy ve ? Zavatra toy izany no tsy mampiety ny fiainana ao amin-tsika !
    Inona moa no dia tsy maintsy androatana ho hitan’ny vahoaka hoe, any Sambaina izy no mipetraka ? Fa nanao inona ny zanaky ny Prezidà ? Mahazo prime ve izay manampy an’i R. baomba ?
    Cela frise la délation !! Moa ve tsy tahak’ireny baiko nomen’i domelina an’ireto foza ireto hoe, asio marika na lakroa maintimainty ny tranon’izay mpanohana ny Prezidà Ravalomanana ! Fomba ratsy nataon-dry Hitler raha nanenjika ny jiosy izany ( Nuit de crystal sns…) !
    Mino aho fa zavatra natao tsy ampiheverana ilay izy !
    Ce qui est fait, est fait ! Passons à autre chose !

  15. youngman a, Nomena Bourse ianao dia mianara tsara ho avin’ny firenena Malagasy reetra satria volam-bahoaka no miantoka anao any, ary mivavaka anao ho tafita izahay, fa tsy hoe ra8 no nandefa anao tany dia handoalika aminy ianao na minia mikipy amin’ny Fahotana mahafaty izay hataony. Aza manambany mpiray tanin-ndrazana fa izany no nahatonga ny tolom-bahoaka tam 2009.
    ny any Andafy tsy hitako ry zandry fa Atsimo, Avaratra, Atsinana, Andrefana, Dia fantako tsara ny fijalian’ny vahoaka, mpapianatra,mpitsabo, mpandraharaha: reefa tsy Tim dia voadaka na migadra.

  16. RABETANORA,
    Où est le mal si Yougnman défend le Président élu et qui, de plus, lui avait permis d’obtenir une bourse ?
    « Quand on mange un fruit, faut avoir une pensée pour celui qui a planté l’arbre » !

  17. Mandehana ianao ry Generaly makany ambanivohitra dia ho hitanao ny tsy fandriampahalemana any fa idrindr ny faritra melaky, bongolava ary iny ankazobe iny

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *