Kandida minisitra natolotry ny ankolafy Ravalomanana !

PRM

Niteraka savorovoro eo amin’ny vahoaka mpiara-mitolona ny fiparitahan’ny vaovao fa tsy nahazo alalana avy amin’ny filoha Ravalomanana ny fanendrena ireo lisitry ny ankolafy Ravalomanana ho minisitra ao anatin’ny governemanta Beriziky.

Raha nitafa fohy tamin’ny senatera Naika Eliane izahay dia nilaza izy fa tsy mahalala izay tena vaovao marina momba ireo lisitra ireo, niezaka niantso an’i Guy Rivo Randrianarisoa ihany koa dia toa misy fisalasalana be ihany ny valin-teniny.Ny senatera Ravatomanga, Benja Andriamihanta, Ranaivoson Henri dia samy nilaza fa rehefa nifandresy lahatra tamin’ny filoha Ravalomanana izy ireo dia nanaiky ity farany.Na izany aza miandry ny filoha Ravalomanana hanome ny heviny ny mpiara-mitolona mba hisindan’ny ahiahy.

Tsy atao tompontrano mihono ianareo mpamaky fa ireto ny mombamomba ireo lisitry ny ankolafy Ravalomanana.

Ho ministry ny fitsarana, ny mpitsara Désiré Randrianarivelo. Ho ministry ny fambolena ny senatera Rolland Ravatomanga. Ho ministry ny toekarena Manandafy Rakotonirina. Ho ministry ny fifandraisana, Seva Mboiny Simon. Ho ministry ny varotra, Olga Ramalason na Ihanta Randriamandranto. Ho ministry ny fitaterana, Jean Bruno Ramahefarivo, izay efa sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitaterana tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Ireo lisitra ireo dia miaraka ho iray tsy azo sarahana no ieritreretan’ny ankolafy azy, izany hoe raha misy latsaka dia mety tsy hanaiky izay ny avy amin’ny ankolafin’ny filoha mpanorina ny Tim. Miisa 16 arak’izany no anarana ho ministra natolotry ny ankolafy avy amin’ny mpanohitra, 7 avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, 7 avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, 2 avy amin’ny tariky ny Praiministra teo aloha Monja Roindefo.

Ny ministeran’ny raharaham-bahiny dia samy manana olona hatolotra amin’io toerana io ny ankolafy Ravalomanana sy ny avy amin’i Monja Roindefo. Efa any am-pelatanan’ny Praiministra Omer Beriziky  ireo lisitra avy amin’ny mpanohitra ny FAT ireo, any aminy izany ny baolina, ho hita eo raha ho teraka alohan’ny 17 novambra ihany ity governemanatan’ny fampiraisam-pirenena, isian’ny marimaritra iraisana ity. Hatreto, mahabe fanantenana ny hahazoana ny tena fankatoavana iraisam-pirenena ka hisokafan’ny “robinet”-m-pamatsiam-bola amin’izay. Ny tena fanirian’ny mpitolona nitaky ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fanarahana ny fenitra manaraka ny lalam-panorenana koa dia ny hahafahan’ireto ho mpikambana amin’ny governemanta ireto hamerina an-tanindrazana ny sesitany politika, anisan’izany ny Filoha Marc Ravalomanana.

11 pensées sur “Kandida minisitra natolotry ny ankolafy Ravalomanana !”

  1. Azavao tsara fa io sary avoakanareo eto io dia misy montage ka sao mahatonga mauvaise interprétation.
    Misaotra tompoko.

  2. @ Images inédites: the wrong man at the wrong place!
    Remarquons que tous les regards sont rivés vers ce diplomate français qui prend la peine d’emprunter les elan-kelan-trano en sus s’aventure sur une allée kisilasila pas comme tout le monde…
    Tsapao ny heriko ve kou hozy?

  3. Ny angatahiny vahoaka mpitolona ao amin Magro efa ho 3 taona izao dia mangataka ny mpitarika mba hiray saina, mitovy ny teny farany avoaka, fa mampisavorivory, sy miteraka fahakamona andeha hitolona.Ny faharerahana efa mitaky ihany koa.

    Aiza i DAda no tsy miteny kely na dia hanome courage ny olona fotsiny aza.

  4. Marina ny anao ry Ampitao! toa manaraka ambokony fotsiny isika izany, ny tena
    marina dia TERENA fotsiny hanaiky nefa efa hita fa MIFANIPAKA be ny fandehan’ilay
    raharaha,repotra @ diany ve dada ??raha tsy mbola milamina anefa ny aty @ tanana ho sarotrarotra ihany ny zavatra
    hitranga. I Naika miady irery @ fanoherana @ tsy fanarahana ilay tondrozotra fa ny sisa toa MISISIKA ihany,ny Gadra tsy
    mbola mivoaka ny haino aman-jery mbola foza no mahazo vahana sns…..Sanatria ve mbola faniliana na fanaovana ts’inonts’inona
    ny vehivavy ihany izao???nefa ny vehivavy no tena mandray anjara mavitrika t@ izao tolona izao ( ny eo @ Magro io lazaiko io an!)
    Sanatria ve misy mpamadika ao @ ireo ankolafy 2 ireo?? Deba mantsy mbola tsy nanome olona! ka ho tofoka eo ireto vahoaka ka
    andeha hiala hanaraka an’i Deba fa toa mitady HISOLELA @ domelina ny ankolafy ZAFY SY DADA,domelina mantsy no fahavalom-
    bahoaka eto ka izay MANDAHA an’i domelina sy mahailika azy izao no TADIAVINA sy endrasanay VAHOAKA fa tsy vao maika
    FISOLELAHANA sy FITAKOSENANA toy izao.

  5. Rasamy !fa ho aiza Levendrana io? aryho aiza? inona no tsabahany @ io toerana io??
    sa lalana makany aminy iny lalana handalovany io???sady toa miseho ho mandeha irery ??
    hanjakazakany ny tanana fa efa voavidiny t@ ran’ireo GASY NATAONY SORONA tery AMBOHITSIROATRA koa hatao
    ahoana e!Raha ny tokony ho izy dia tsy misy toerana ho an’ny olona toy io TSIVALAHARA (chataignier ) io intsony @ tanana
    ao fa saingy indrisy……..! efa anazy ambongadiny ny tanana e! tsy mifanome tsiny fa izao no halehany.

  6. Aoka ry zareo ny vaovao tena marina foana no avaoka â ! Rehefa tsy tokony avaoka dia tokony mba tazomina ho tsiambaratelo ! Ny ataon’ny foza aza efa mandreraka !
    Ka na VAOVAO na SARY, dia tokony ny marina ihany ! Tsy fomban-tsika ny désinformation, satria ny TENA MARINA TSY MAINTSY MIVAOKA FOANA INDRAY ANDRO ANY !!!

  7. Solo Razafy: Tsy Hanao commentaire aho, fa mamita-tena ianareo izay vao mahavoafitaka ny mpiara-mitolona aminareo raha mampiseho vavao tsy marina.


  8. Nous avons de tres grandes personnalités : Mr Rakotoamboa et Madame Naika !

    Si tous les 2 faisaient le pas l’un vers l’autre pour discuter de ce qu’il aurait à faire, ça serait une bonne chose !

    TEZA et TIM, cela ne veut plus rien dire,…… si l’on pense au devenir du Pays.

    Les foza sont en train de se demettre du Ministere de l’Economie, pour se défiler des crimes economiques qu’ils ont perpetré. Mefiance à ce poste donc !
    D’ailleurs l’Economie et le Social ne peuvent se separer car le crime perpetré est un crime Socio-Economique !
    Vivement l’Association : TEZA – TIM : un melange qui pourrait etre détonnant !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *