Miantsy ady amin’ny Magro ny FAT !

My beautiful picture

Araka ny naoty navoakan’ny ministeran’ny atitany, dia tsy azo atao intsony hono ny famoriam-bahoaka eto amin’ny tany sy ny firenena, isan’izany ny hetsika etsy amin’ny Magro.

Miantsy ady

Fiantsiana ady tsotra izao no ataon’ity minisitra efa lany « daty » ity.Vonona hitondra any amin’ny filaminana marina ve ny FAT? Mampandeha ny raharaha amin’ny ankapobeny sisa no andraikiny fa tsy manakorontana saim-bahoaka toy izao.

Hiverina indray ny Sakoroka?

Fomba efa fanaon’ny fitondrana FAT ny mandrara ny hetsika etsy amin’ny Magro, atahorana mafy ny eo fa mahapotsipotsitra ny tsy mety atao, mamoaka ny halatra hataon’ny mpitondra.Fa ny amin’ity indray mitoraka ity dia mitady « sakoroka » ny FAT?Tsy azo eritreretina manko fa Praiminisitra nivoaka tao amin’io kianjan’ny Magro io (PM ankolafy Zafy io) no hanome baiko hitifitra ny mpiara-mitolona aminy.

Zatra Sedra

Azo inoana fa vanja handrehitra ny afo ny fampidirana mpitandron’ny filaminana ao anatin’ny kianjan’ny finoana , ny fisamborana izay « zaza maditra » heverin’ny FAT ho mitarika « fikomiana »(?) ao.Efa zatra sedra ny amin’izany i Magro, efa an-jatony ny naratra noho io tolona io, an-jatony ireo efa nigadra , am-polony ny efa namoy ny ainy koa tsy izay « hevitra taitaitra »-n’ i Florent Rakotoarisoa no hampivaha ny krizy.

16 pensées sur “Miantsy ady amin’ny Magro ny FAT !”

  1. oio!ndeha hianatra izahay;vita ny rekretiô!avy aiza ndray io paikanady io?iza no manodidina ny pm vaovao ao?ny akama taloha ihany e!matanjaka ry lisabeta aloha fa tena fanina ny zanaky ny sasany fa tsy mahay plitika!roa sy zero sahady ny lalao!mitarika ny ekipan,dry manoro sy bera fa mbola variana miresaka ivelan,ny kianja any ivelany ry kotovelo sy ny namany!inona ndray ny manaraka fa nifindra ekipa tonton mbroise sy litera!

  2. Fa angaha tsy efa foana sy levona ny ministry ny ati-tany toa ny fitondrana fat araka ny andininy faha 30 ao amin’ny feuille de route..?
    Aiza i Zafy sy Beriziky amin’izany fihetsiky ny matoato -fat izany ?
    Sa i rajoelina no mitady hanenjana ny tadi-pitondrana , izay tsy voafehiny ka dia ny mivovo aloha no atao ..mandra – piêtraky ny hazo – damosin ‘ nyTetezamita vaovao !

    Mazava tsara a manandrakana i rajoelina ary mijery izy raha manaraka ny antsony ity
    praiministra…tsy hafa tavony ity !

    Zafy o! Tena mahay mitsabo ny fahorian ‘ny Malagasy ianao ! Tena fantatrao tsara ny olona hahavaha ny olana sy hampiena ny ngeja mamatotra ny Malagasy sy kinga hanafaka ny Malagasy..sy hampitombo ny vola miditra isam-pianakaviana ka hahazoany miviy sakafo mahavelona..!
    Tena dadany ianao raha fikafika , raha fampandriana adrisa , hainao ny mody tsy mahalala ny zava sy ny trana misy eo amin’ny Vahoaka !
    Nataonay fa ny antony nanoranao an ‘i beriziky dia ny hanova eo ny eo avy hatrany ny fiainan’ny Malagasy : famoahana ny gadra paolitika , famahana ny faotra mianjady amin’ny fahafahana mivory , miteny ao amin’ny radio sy tv…, ny famerenana aingana eto an-tanindrazana ny Filoha RAVALOMANANA MARC , nataonay fa izany rehetra izany no nanosika anao tsy nanaja ny fepetra mifehy ny fanendrena izay ho praiministra ao amin’ny andininy faha – 5 ao amin’ny feuille de route!

    Ay va maika tay be no naterak’ity fahasahianao nandika ity fepetra..!

    O r ‘i Zafy a ! Sao tonga ny fotoana tsy azo tohaina ka izay ataonao dia tsy manjary fa mitera-doza ho an ‘ny Malagasy…!
    OUI VOUS AVEZ ATTEINT VOTRE NIVEAU D’INCOMPETENCE DEPUIS L’IMEACHMENT , MAIS VOULANT NOUS DEMONTRER LE CONTRAIRE , VOUS VOUS EMPEREZ DANS L’IMBECILITE.., CE QUI N’EST PAS SURPRENANT CAR LE SIGNE PRECURSEUR ET MAJEUR DE LA SENILITE..!
    MAIS LES MALGACHES NE DOIVENT SUBIR LES CONSEQUENCES NEFASTES DE VOTRE SENILITE..!

  3. Ary nitsangana t@ maty ngà i rafilômene? hatsikana ranoray mintsy zany zao ny ao @ ranomaimbomagrô??
    I koutity nampitondra faisana ny tim tany diego t@ 2002, lasa naman-dry zareo ndray hono! hahahahaha!!!!!!!!!!!!!!
    Merci rafilômene a! tohizo ny hatsikana fa kely sisa hanana azy, efa hikatonaz ny ridô.

  4. O ry zafy an!Fa maninona hianao io no tsy sahy mipoitra ao aminy MAGRO haotran’ny taloha sa matahotra ny zavatra natao.Mitandrema hianao io fa zavatra kely ange dia mety hampirehitra ny afo indrindra fa ny olona efa manomboka tonga saina.Rebirebenao aminy resaka « KATSAKA sy VOANJOBORY » ny olona, hay hianao ity manao resaka ambadika.Zay ange no lazaiko hoe:Mila fanamboarana kely ny vavanao mitovy amliny GIDRO io, tsy hoe sanatria manambany na manaratsy anao fa ny GIDRO no manao toetra mitovy aminao io,ary marina fa ny tarehinao aza dia mitovy aminireny GIDRO AN’ANALA ireny.Ny hay mantsy rehefa mamadika anay dia tsara ho anazy no tapahana ny lohany.Be resaka fotsiny hianareo fa miaraka aminy TGV daholo, ary ireny resaka nataonao farany ireny dia resaka efa nifanarahanao sy TGV, ka lozanizay mpamadika.

  5. Dia ndao zato izy ary asaivo mandrava indray ny Rasil biby tsy mahalala tompo dia ho hitantsika eo @ zay… tairo ary!!!

  6. Mba hajanony kely ity fanenjehana an’i Dadabe zafy ity fa MAHARIKORIKO ry zareo a!
    amiko dia fiantsiana adi-poko izao hataonareo izao,fa nitampina inona ny VOAMASONAREO
    ny ezaha vitan’io olom-BE io??ary raha mbola tsy fantatrareo ny marina dia mba MATSINTSIANA kely tompoko o!!!
    mbola eo ampadiniana tsara aloha izay tokony hatao izao fa tsy avy dia VAVA TSY AMBINA toy izao no tokony hatao.
    NAHAVITA IZY ARY TENA NANAO ny ainy tsy ho zavatra mihintsy fa ianao ianreo BE VAVA IREO VE NAHAVITA ny
    nataon’iny olona iny aloha???? azafady???Mba fepero ihany ny vava sao vidiana lafo e!!! dada aza nankasitraka ny nataony
    dia mba harao tsara ny tantara fa sao dia MANANA OLANA HAFA IANAREO IREO ny @ I Dadabe Zafy???Mpanavakavaka!!!!

  7. Prof. ZAFY o! Ampisehoy ny maha-lehilahy anao fa aza miafina dia nyvadinao sy ny namanao sasany fotsiny re no mahita sy mahatsikaritra azy e!

  8. o ry ireto a. iny fanendrena PM iny no mba tena hitako zavatra tsara mba nataon’ny zafy amin’ny maha ray amandreny azy ary maha tia tanindrazana azy,dia tokony mba hampiseho ny maha ray amandreny azy koa ra8, fa tsy dia hampifandritaka anareo zana-baratrany fotsiny, sy hiantsy ady amin’izay olona reetra tsy mitovy hevitra anareo. mba teneno dadanareo fa tsy miraraha anareo mihintsy anie izy fa dia ataony sorona fotsiny eo nareo e, mba hanadiovany fahotana mahafaty vitany.

  9. tapaka ny tady e!efa vita matavy ;mafibe zafialibera e!tonga dia « gosy » ndremandeha dia « k.o » ny sasany!tsy tafarina tsony!nitsabo tena any afrika aloha

  10. TSY norarahian’ny JACOB zuma i ra8 saika hitory an’ny berziky, fa fivorian’ny G20 no mahamaika fa tsy olona bekoretaka.
    izany no vokan’ny extremiste loatra, ny FO no entina miasa fa TSY ny saina,izao tsy mba malala mipitrapitra magataka strapotin am PM Mba hamelonana ity Tim efa mitsipozy ity.
    Nandavaka ny lavaka ilevenana noho ny fanambaniana ny vahoaka gasy (foza hono na Bac-5).

  11. Sady manalabaraka no lany henatra! fa mitapina inona daholo ny sofin’ireo
    sa tsy mahita ny maso fa TAPIN’NY VOLA???RAVA ! RAVA! ny fanjaka-POZA!!
    Sandoka no mba nahatonganareo teo dia mahaiza MIALA REHEFA VOKY HALATRA RY FOZA A!
    Izahay tsy mangiana ary tsy miala i Magro raha tsy tafitanay ny TOLONA NIAREANAY nandritra izay
    ela izay.
    Aza misy taitra fa vao maika manome VAHANA ny TOLONTSIKA daholo izao e!efa MISOROKA ny LALANA
    HANDEHANANY HANARAKA ny namany 2 izy dia i BEN LADEN sy KADHAFI.
    TOHIZO NY VAVAKA AM-PAHANGINANA FA A-tra NO HIASA HO ANTSIKA!!!

  12. Ho an’ilay mana-GINDRO2 olona mba avoahay eo kely hoe ho hita ity HATSARANAO???
    Aza dia maniratsira olon-dehibe toy izao fa tsy mety e!! fa mba iza ianao io???raha ny
    zavatra vitan’iny tsy vitanao t@ izao TOLONA IZAO fa mba asio FANAJANA kely azafady!!! mbola eo apandaminana
    izao fa aza dia manararao-paty toy izao,toa zaranao aza nisy izao hanaratsiana ilay olona??rha misy fankahalanao azy
    manokana dia avy dia tsory fa mampalahelo ilay TOETSAINA!!!
    Ziry! manaraka akaiky ary ao @’io tolona io ianao ary efa voalaza fa « isika tsy mankahala na miady @ iza na olona
    fa kosa noho ilay PM tsy mahafehy ilay TONDROZOTRA nosiniavina fotsiny no hasiana fandinihina aloha ».F ‘inona ary
    ity ??aoka mba ao anatin’ny filaminana no hitondrana ilay tolona mba tsy hisian’ny FISARATSARAHANA, sa sanatria koa??

  13. ka anareo manao ady malefaka ao @ Magro ao dia voatsindry hatrany satria izay ilay fat izay, foza kely aina ilay fat dia finaritra mihinana ny toto tsy mihetsika.
    Tokony hanandrana hitraotra mahery vaika kely hoa fa tonga ireo dia misitrika anaty vovo haingana.

  14. Dia izao aza efa tsy tantin’ny sasany, koa malefaka hoy ianao ry Elas??
    io aza efa gidragidra lava satria manembatsembana ilay FANKATOAVAN’
    ny sasany koh!!!Dia ny tena mapme dia efa mahana sahady ny foza fa tsy ahazo ilay fankatoavana satria dada
    tsy hanaiky dia ny AZY NO NATAONY TONGA ALOHA fa » tsy azo hatao intsony ny MAMORY OLONA  » hi!hi!hi!
    Tampina ny daomy e! foza maimbo MIALA! miala !miala! hay ny UE mihintsy no niantso an’i dada fa tsy i dada no
    nilitika tany,izay rehefa METY NY HATAO DIA saobakaka aza mapidi-drano-ketsa,tsy mila nitatitra akory dada fa tonga
    dia ry zareo no nanontany »FA INONA INDRAY ITY? ».Efa lany enatra e! manalabaraka tena sisa, soa fa olona tsy misy
    HASINY koa tsy dia maninona loatra fa efa RATSY LAZA,efa fanta- poko fata- pirenena ny HARATSIANY,soa fa eo dada
    manome lanja ny GASY fa raha ireto foza dia ny tena no menatra!!

  15. ranval a. Ben laden sy Kadafi izany no tena mitovy am ra8,izay no nanalan’ny vahoaka azy teo.
    Fa inona marina moa izany no hitolomanareo fa toa mahagaga sy mampihomehy be ihany. Tolombahoka toa efa vita tam 2009 dia efa voaongana ilay mpanao jadona. dia ravalo nitsoaka fa toa tsisy nandroaka.

  16. ry tanora koa ts leo tenenina mits, ny hivarenan’dadany no ifampitolomany ao @ magro ao,haveriana hono ny dadany de asaina mitondra in-1, de tsy refesi-mandidy sy mangorona tanin’olona ary ts misy mahazo manafatra PPN (menaka,vary, lafarina,yaghourt, sy ny sisa e). mivovo eo foana reo alika reo raha tsy tonga ny tompony avy any sudaff.
    ts lany PM mants ry manadafy de ts manaiky hono ry zareo de zao toa hampiditra minisitra ihany de hitomany ny ministeran’ny vola sy ny fitsarana HiHiHiHiHi

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *