Manjakazaka ny Sinoa sy Karana eto Madagasikara

Trangam-piarahamonina iray nanaitra ny mpanara-baovao no nitranga tetsy Behoririka androany.Sinoa tompona fivarotana lehibe iray namono ny mpiasa Malagasy no niantombohan’ny tantara.Vono sy daroka no nataon’ny mpampiasa azy.Voatery naiditra hopitaly mihitsy moa ity tovolahy niaran’ny herisetran-tsinoa ity.

Toina ny Gasy

Vokatr’izay dia « toina » ny vahoaka Malagasy ka dia nirohitra saika hanao valifaty ity teratany Sinoa  ity.Nolazain’ny Richard « Baomba » teny an-toerana moa fa efa eny amin’ny borigadin’ny zandary ireo Sinoa ireto.Raha ny angom-baovao voarainay anefa dia efa any amin’ny Masoivoho  Sinoa no mialokaloka ireto terantany Sinoa namono Gasy ireto.

Explosion sociale

Tsy kisendrasendra na koa fihetsika tsy voahevitra ity tranga ity, fa vokatry ny krizy lalim-paka manjo ny teran-tany Malagasy izay anaovan’ny teran-tany vahiny tsinontsinona sy tsindry aloka mihitsy.Rehefa tsy manaja ny lalana velona ireo mieritreritra ho avara-patana, rehefa ny mpitondra no tsy manaja ny vahoakany dia izao no vokany.

Tao anatin’izao fitondran-dRajoelina izao manko dia nihanitombo ny elanelana misy eo amin’ireo teran-tany vahiny izay toa lasa mpanan-karena tampoka, sy ny Gasy izay tompon-tany miha-mahantra andro aman’alina.Araka ny efa nivoaka teto moa dia isan’ireo nanohana an-dRajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana ireto Sinoa sy Karana ireto, koa mety izay no vanja andrehitra ny afom-pitiavan-tanindrazan’ny Gasy? ny ampitso no hamaly izany.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

14 Comments

  • traffe dit :

    Efa nampoizina mihitsy fa tsy maintsy hisy handika hevitra arapolitika indray iny korontana omaly iny

  • KintanaMananDrambo dit :

    Inona no mahagaga an’izany ? Vokatry ny fanonganam-panjakàna daholo izany, satria ireo izay miseo ho mpitondra dia mandika lalàna isan’andro vaky izao !
    Firenena tsy tan-dalàna i Madagasikara, ka atrany amin’ny toeram-piasàna avy no tongavan’ny INSECURITE, tsy misy fandriampahalemana !
    Misy Lalàna anie mifehy ny fifandraisan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, izay antsoina hoe DROIT DU TRAVAIL SY LEGISLATIONS SOCIALES, na dia ao anatin’ireny tranom-barotra ireny ê !
    Manjakazaka ny vahiny hoy ny Prezidà, tsy matahotra manao toetra tsy zaka !!

  • Njara dit :

    Jereo tsirairay ny sary rehetra, fa,
    -
    Miandry ny sioka tokana fotsiny ny vahoaka hanao RODOBE, saingy tsy mahita hitodiana !
    -
    Tongava soa ny Kabarinao Pr ZAFY. Ataovy malaza eran’ny Mkara fa miaraka daholo manao RODOBE :
    -
    Hanala ireo Ministra halam-bahoaka
    Hanakana ny fitsabahan’ny frantsay amin’ny rahaham-pirenena
    Hamoaka ireo migadra politika rehetra
    ary Hitaky ny fodiana sy fandraisan’i Dada amin’ny Fifidianana Prezida.

  • Bemafohy dit :

    Miandry sioka tokana tokoa ny vahoaka ary marina daholo ireo voalaza eo ambony.Ka mila mpitarika, tsy Zafy irery fa ry tonton Ambroise, Ranjeva, Naika Eliane ary Rakotoamboa.
    Tsy tokony ho adino ny SIT-IN eo amin’ny masoivoho reny malala ary ampahafantarina an’ny saka be loha fa tsy mety aminy ny eto Mada.
    Dia ahoana raha asiana koa fangataham-pihaonana amin’ny ONU ao paris na ao génève rehefa tsy araka ilay hetsika noeritreretina tamin’ny voalohany?

  • batoto dit :

    Mbola ny sinoa aza fa mbola ho aiza no hanjo anareo mpambotry Firenena sy mpangoronkarena amin’ny alalan’ny fanararaotana ny fahatran’ny vahoaka izay NAMPAHANTRAINA , aleo izahay hangina fa an’Andriamanitra ny teny farany !!!!!!!!!

  • Njara dit :

    Salut Bemafohy !
    Iza moa no afaka hangataka fihaonana ao amin’ny ONU ao Paris na Strasbourg an-koatrin’ny GTT ???! Toy ny manenjika ny GTT aho anefa io ihany no afaka hanao izany, fa tsy olon-tsotra fotsiny !
    Na tsy fihaonana aza anie dia efa mety e ! Filaharana sy manifestation dia efa izy, ampian’ny mafana fo rehetra manatrika izany !
    Tsy mbola nahita article milaza aho hoe tokony ho atao izany hatramin’izao !
    -
    Izay tsy manao manifestation dia efa naman’ny manaiky izay miseho eto an-Tanindrazana e ! Izany no fahitako azy , na himenomenona toa inona aza !

  • ranavalona dit :

    Izahay koa minadry sioka tokana dia mivoaka!!antsoina andro dia andro
    antsoina alina dia alina.Aina ity koa tokony tsy hisy hatoritory intsony .
    Tsy vitan’izay mitsabaka la frantsa fa hanjakazakany mihintsy ny tanana, ( jereo gtt. org)
    ary asa iny sipa sakambininy anaty Taxi-be iny???iny izany ilay hangalana ilay taratasy Gasy?

  • ranavalona dit :

    Raha nijery ireo sary aho dia tena velom-bolo fa toa LEHILAHY sady tanora daholo!!
    ary dia mahasahy miatrika ireo MIARAMILA .hitakosenany mihintsy ireto miaramila,mety
    ao koa ngamba ireo izay mitetika ny handroba fa efa mahavelo-panantenana ilay izy.Mba misy fanontaniana kely azafady hoe:
    noho ilay vono niantra t@ ilay mpiasana Sinoa io ve no nahatonga ireo olona ireo teo sa efa teo ireo talohan’ilay fitrangan-javatra??
    fa tena be dia be mantsy ilay izy, tomefy mihintsy ilay lalana ,fa toa nisy hetsika koa mantsy teo Analakely raha tsy diso aho t@’io
    fotoana io???

  • Bemafohy dit :

    Salut Njara sy Ranavalona!
    Miandry ny sioka tokana daholo izany n’aiza n’aiza.Masina ny tanindrazana

  • Njara dit :

    @Ranavalona
    Raha ny fahalalako azy, toa tsy misy fifandraisana ireo zavatra roa ireo, fa ireto olona mitangorona sy MIANDRY SIOKA TOKANA ireto dia olona manara-maso sao misy rombo mitranga, ary raha vao misy rombo, RAHA NY FIJERIKO AZY, dia efa lasa ny tolona, fa tsy hatahotra miaramila intsony ireo !

    -
    Mme NAIKA- Mr RAKOTOAMBOA – Pr ZAFY :
    -
    - Miandry anareo izahay – aza avela ho diso fanantenana ireo tanora « tsy manana ho avy ireo » – Efa mitolona ianareo ka dia ataovy hatramin’ny farany, izany hoe tsy misy fihambahambàna intsony, fa
    - Toy ireny kabary ataonareo ireny dia aza avela hanjakazaka eto Mkara ny Mpanjanaka
    - TAKIO ny fialàn’ireo Minisitra halam-bahoaka ireo, raha ho sarotra ihany ny hialàn’i Beriziky amin’ny toerany.
    - Atambaro ny herin’ny Senateur sy Deputé hitarika ny RODOBE manerana ny Nosy re Tompoko o! Io ihany no hery TOKANA hahafahantsika manohy ny tolona fa,
    -
    RESAKA BE FOTSINY ny an-koatra izay !

  • ranavalona dit :

    Faly indray izao Bemafohy fa naharesy indray ny lehilahy teto hi!hi!hi!!
    Samy miaro ny azy io an!!samy miaro ny zoany avy.Ny anay mbola mahery
    eo @ Magro e!!mbola ny vehivavy no manjaka eo @ Magro.tsy miady an!
    Tena mahafinaritra ilay firaisakina raha izany ry Njara.Misaotra anao namaly .

  • cdt massoud dit :

    Ny mouvansy rainivoanjo oà dia efa otran’ireny KK entin-driaka ireny, dia raha vao mahita coin kely dia eo indray aloha no mitady hirika hanakorotanana.

    Resaka sinoa mamono ny mpiasany no nisy teo behoririka, izany fihetsika izany dia hita maneran-tany ary tsy vao izao no nisian’izany teto an-tanàna.
    tsy hitako ze hidiran’ny resaka fodian’i rainivoanjo sy masoivoho frantsay sy ny ONU sns… @zany.

    I rainivoanjo dia efa voatondro ao @ article 20 fa mahazo mody eto an-tanàna, koa inona no andrasany??? sa miandry andefasana tapakila ahafahany mandray fiaramanidina vao hody???

    Jereo zao ry deba ho avy rahampitso satria efa mazava ny voasoratra ao @ article 20 @ fahafahany mody, eny fa na dia tsy nanao sonia aza izy!
    9 taona lasa izay no nahalasa sesitany azy nohon’ny nafitsok’i rainivoanjo azy.

    Jereo tsara anie, fa rahampitso zao mety hisy fiara ahavoahitsaka alika, dia iny fa ho lanjain’ireto taranak’i rainivoanjo ireto ilay alika dia hanaovana kabary miezinezina ao @ cabinet magrôranomaimbo, hoe tsy rariny zao katsaka tsaramaso vonjobory…

    Ireo fihetsika ataon’dry rainivoanjo ireo noma anaporofo fa resy i rainivoanjo.

  • Bemafohy dit :

    Marina aloha ny anao, ny vehivavy no betsaka ao amin’ny magro (mety ho renm-pianakaviana koa ireo ary mety miasa ny lehilahy) fa mankasitraka amin’ny fandraisan’ny ambavilanitra anjara amin’ny tolona aho ary isika malagasy dia efa ela no nandala io fitovianan’ny lahy sy vavy io satria isika dia nanana mpanjaka vavy teo amin’ny andro’ny faha-mpanjaka (vitsy ny tany nanao izany tamin’izany andro)ary toa hoe mbola misy any amin’ny toerana sasany izay tsy dia fantam-bahoaka.Ny tiako marihina aminao dia ireo vehivavy mpanjaka faramparany izay hoentinao moa ny anarany dia vehivavy andriana izay nikatsaka tokoa ny fitoviana ara-karazana.Izay no mahatonga ny andriana vavy( araky ny fomba ary mbola nisy niteny ahy izany vao haingana) tsy hangatahina fa tonga dia any am-piangonana no fotoana.Misy ny andriana mbola mitazona an’io fomba io ary misy ny tsy manaraka.

  • ranavalona dit :

    Bemafohy!Taraiky be indray ianao fa Ranavalona dia tsy Andriana fa Hova
    fa ny Andriana, marina ny anao fa tsy mangata-bady fa avy dia any apiangonana na Mody e!
    Ny nofidianako ny anaran-Ranavalona (3)dia mitovy ny masonay sy ny fisainanay sady razambenay koa no tena marina ka
    naka tahaka azy aho.
    i Andrianapoinimerina no Andriana fa i Radama no tsy tadidiko, ny tena koa moa efa Ramamany ihany, efa nahazoazo
    taona ihany, asa raha misy hanampy fanazavana ahy ahy ny @’ io??

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*