Pr Zafy Albert : tsy sakana ny mpanohitra !

IMAG0080

Ho setrin’ny fanakianana tsy voadinika tsara avy amin’ireo mpomba an-dRajoelina, dia nanazava ny fomba fijeriny ny toe-draharaha ankehitriny ny Profesora Zafy Albert . Tsy ny hampikatso  ny fananganan’ny Praiminisitra Omer Beriziky ny governemanta iaraha-mitantana velively no tanjon’ny Ankolafy Zafy Albert sy Ravalomanana ary  ny Monima Roindefo, raha nanao fampitandremana sy filazam-pisintahana izy ireo hatramin’ny afak’omaly alakamisy. Ny hanampy ny Praiminisitra aza no tanjon’izy ireo satria sanatriavina misy ny fironana be loatra any amin’izay tombony manokan’ny mpanohana an-dRajoelina. Misarika ny saina aza ny Profesora tamin’ny fanontaniany hoe : Iza moa no mahita tombontsoa raha sanatria mikatso io fananganana ny goverinemanta io, ny Ankolafy telo (ilay amin’ny endriny vaovao?)ve sa ny mpomba an-dRajoelina? Nanazava hatrany, noho ny resaka mandeha ny Profesora Zafy, fa tsy natao ho mpandray anjara fotsiny ny minisitra natolotry ny avy  amin’ny fanoherana an-dRajoelina, fa ho tena mpandray anjara feno amin’izay ho fitantanana ny tetezamita hiaraha-mitantana.

Marina tokoa ny fisian’ny fandikana marobe an’ireny fihetsiky ny telo tonta ireny tamin’ny haino aman-jery maro teto amintsika. Mifanohitra arakaraka ny fombana na tsy fombana ny atsy na ny aroa. Ka mampitombo ny fihetsika leo sy tofoky ny ankamaroan’ny mpanara-baovao pôlitika. Manan-jo kosa aloha ireo mpiakatra an-tsehatra pôlitika rehetra ireo hihetsika sy haneho izay tsy azony leferina, araka ny fahitany ny voalazan’ny Tondro Zotra sy izay làlana tokony hanatanterahana izany. Dia diso tanteraka ve ry Rakotoarivelo sy raha manao fanamarihana, mandray fanapahan-kevitra, tonga hatrary amin’ny ambasadin’i Afrika Atsimo ?  Tonga tany amin’ny Villa Franchise koa ny Praiminisitra… Mandrara an’izany angaha ny tondro otra ? Raha diso tokoa ry zareo dia andao hampiasaina ny zo hanatona ambaratonga azo itarainana koa e ! Nampiasain’ny Profesora Zafy  Albert io ny zony, ka io izy manao filazana sy fanazavana fohy. Hitondra fitoniana ve anie izany ?

19 pensées sur “Pr Zafy Albert : tsy sakana ny mpanohitra !”

  1. Misaotra @ fanazavana dadabe Zafy a! A-tra nanome fa i Koto no tsy nambinina koa
    hatai ahoana e! sedra izay vorona azon’adala ny firenena. Dia tokony handray anjara @
    hetsika miaraka @ rodobe Beriziky raha marina fa avy aty @ Ankolafy Mpanohitra, RODOBE! lasa izao!!! miaraka @ PM.
    Lasa izao raha tsy mibolisatra!!!
    Manao zavatra tsy mora e! ny savorivorina hono HILATOANA e!!!na izany aza anefa dia aza mandrimandry manana aretina fa
    efa mijaly ny vahoaka.
    Maninona koa moa raha tsy asiana FILOHA fa PM dia vita ?hatao inona eo io ?Tetezamita anie io e!!

  2. Miala tsiny sao mandrebireby fa raha izaho manokana dia mbola mitazona ny hevitra hoe :
    Tsy mety intsony ity antsoina hoe  » Mouvances » ity !

    Raha ny hevitro dia efa tokony ho mitambatra daholo izay antoko momba sy manohana ny ara-dalàna (Legaliste).
    Nahoana ny Monima ihany no nampidirina fa tsy mba nampidirina koa ireo antoko hafa toa ny FRDL sy ny sisa ao amin’ny GAS (groupement des autres sensibilités)? Sao dia manavakavaka indray koa e !

    Raha tanteraka ihany ny hetsika « RODOBE »anie, mba mandray anjara koa ireo antoko hafa manohana an’i Dada fa tsy ireo « 3Mouvances » ireo ihany e, ! Mbola averiko ihany fa tsy antoko tokony ho sarahina amin’ireo »3Mouvances » ireo ny FRDL izay manana ny maha-izy azy (Tonton Ambroise) ! Toa izany koa ny Antoko « TEZA » ( Rakotoamboa Jean Louis )

    Araka ny efa voalazako dia mba iriako ny hoe FITAMBARAN’ny REHETRA :
    – SOLIDARITE OBLIGE !

    Atambaro Ny Mpitolona Senatera sy Deputé sy Ny Antoko rehetra manohana ny ara-dalàna re Pr Zafy o !

    Dia tairo ny RODOBE, ary ho hitanao fa miala ho azy ny FAT sy Rajoelina Criminel.

  3. Amporisihina mihintsy isika ho hery iray.Marina izany ry Njara.Efa nanoratra any aho e!
    Dia aza adino ilay futur marié hanambady gasy.Tsara ho andry zareo no makao la réunion e!Afaka mirotsaka ho député ao iny.
    Ranavalona!raha gasy izy dia afaka milatsaka ho fidina.Tsy hay mihintsy izay ao an-dohan’io fa izy aloha dia malaza hoe mpanankorontana.Asa ireny na ohatran’ahoana tany am-pianarana?mpamaky stylo foana angamba ireny amin’iny totohondriny iny.

  4. Mba sanatriavo oah!!Tsy efa mijilajila ery izay i veta kely maheno izany vao2 izany??
    Aza mampanofy ratsy ahy eo ry Bemafohy a!!!tena hamidiko ny tranoko dia veloma ry
    Gasikara raha izany no ho tanteraka, aza misy any izany marina!!!!izao aho dia efa mitady mpividy hi!hi!hi!maty aho marina!!
    SANATRIA! SANATRIA! sanatria dia sanatria!!domelina aza ity efa tena tsy hita izay hisorohany azy koa maika fa i chataigner???

  5. Ary toa tsy heno2 intsony tokoa i Tonton Amboise ry zareo???
    Ohatry ny mila fandinihina be indray ity voalazan’i Njara ity fa misy MAHAMETY azy.
    Ny mety olana anie ry Njara dia ireto MPISANDOKA e! ny any @ sisiny fa isika eto samy mifankahita sy mahafantatra
    fa i anona io ,na izy io na tsy izy.Jereo tsara ny adin’i Mėmė sy i vakitampona a!!izao aza efa mazava ny tompon’ny antoko
    mbola misantoka ihany izy ireo, koa maika fa ho alefa ho BAMBARAY ???tsy misy dikany @’izy ireo mihintsy ny hisandoka
    @ olona any fa izy no izy @ tany halehany any hitaritany ny olona any aminy, asa raha fantatrao tsara izao ny asan’i Mėmė
    fa misandoka etsy sy eroa, ary tsy mahamenatra azy aza ny milaza fa any aminy ny VAHOAKA, koa amiko dia mety hisy
    RISIKA ihany io hevitra harosonao io. ny tiako hatongavana dia : izao aza misy mifehy mbola mahita hirika ihany ny MPISANDOKA
    koa maika fa ho hatao GABORARAKA hoy ianao??? amiko aloha mety ho risika ihany io an!!!

  6. efa manao arrosage eraky ny bar eny 67 ha ry tabera mianakavy fa lasa ministra hono!mieboebo ry christia tabera zao

  7. Raha ohatra i Deba te-hanarina ny diso nataony dia mety angamba raha miresaka amin’ireo miaramila be galona ireo izy na ireo izay fantany mba ho tonga saina ny sasany amin’izy ireo hoe:raha ny tanindrazana no renin’ny malagasy(firenena) dia ry zareo no ray andry iankinan’ny fahaleovan-tena sy ny fiarovana ny lalam-panorenana malagasy.Tsy haiko aloha fa mba hevitra atsipy izany.

  8. Mahalasa fisainana anie ny ataon’i Roland Ratsiraka e ! Indrindra koa ity Deba mitaky 1 million de Dollars ity . Fa inona ary no dikan’izany ?
    Amiko aloha ity fitakiana na fangatahana vola ity dia mbola milaza ihany hoe : tsy misy fiovàna izy fa mbola ny vola no masaka sy mameno ny sainy e !
    Amin’ny lafiny anankiray anefa, izy no METY ho afaka mandamina marina ireo miaramila ireo, ary mety ho eken’ireo ihany koa e ! Marina mihitsy ny teninao : izy no miaramila mety hampilamina ny miaramila.
    Ny bleme dia isan’ireo Manohana mafy an’i TGV i Roland izay mikarakara ny fodiany.Mihevitra aho izany fa misy fifanarahana, aminy sy amin’i TGV ! Ary eo no olana goavana satria mety ho izy koa no hanakana an’i Dada tsy hody !

    Fa na izany na tsy izany, misy olona iray izay efa manao any anaty patalohany any : « Ratsiana orana » io, satria io no tena nampidaboka an’i Deba, ary nanopa azy teny CDG-Roissy ! Raha midaboka « Ratsiana Orana », manaraka azy i TGV ! 😉

    Mba ahoana ny hevitrao amin’izay ???! 🙂

  9. Ie, raha midaboka Ranorbera dia vita koa i TGV.Mety misy ny fifanarahana fa angamba i Deba tsy hanaiky ho baikon’io boay kely io foana satria fantany fa tsy mitana ny teniny io.Amin’izay fotoana izay dia miditra antsehatra i Zafy sy Ranjeva izay mahafantatra an’i Deba mba hamporisika ity Amiraly hanaiky ihany koa ny fodian’i Dada no sady karakaraina ny miaramila miaraka amin’ny CPS izay ho avy koa.Ahoana ny hevitrao? I Roland Ratsiraka tokony hiresaka amin’ny cousine(ilay zanak’i Ratsiraka vavy iray izay tsy mitady afa-tsy fandriam-pahalemana ao Mada).

  10. Hatrany am-bolohany aho no efa nilaza t@nareo, fa Ratsiraka izany na i Zafy tsy miasa loha @ fodian’ny dadanareo, de izy ve no nahasesy tany azy, de mba mandiniha oa! mihevitra ny dadanareo ho ROI loatra nareo ka tout le monde handohalika eo anatrehany avokoa! iza zao no nomeny Zafy lanja, tsy ny olony sy ny antokony, de mitabataba dadanareo hoe tsy miera amiko akory Zafy. Ohatranareo ihany io e! na Zafy na Ratsiraka, de ny heverenany eo @ fitondrana no mahamaika azy. Jereo anie ny zavatra ho lazain’ny Deba eo, raha vao midina eo @ aéroport izy e! »tsy mahafantatran-dR8 zany aho ». Koa raha tsy sagnagna izy koa! za ve novonoinao, de mbola za koa no hanavotra anao? mba mijery lojika oa f’aza miteniteny foana! ary mba hampahomby ny teti-dratsiny hangalany fitondrana, aleony miady @ adversaire toa an’i Zandrikely( un homme averti en vaut deux) toy izay miampy an-dRa8 adve roa be zao, de jereo fa mety hisy deux fronts vaovao hitsangana @zay ary mety hatanjaka be( cause côtière), ary mety votery hametra-pialana hatra@ Rajoelina, azo eritreretina fa ny miaramila @zay no hitondra ny tetezamita, de ireo telo ireo zay samy olon’ny frantsay, no hifaninana eo zay samy tsy mila ny fodian-dRavalo, de mazava ho azy ny voka-pifidinana fa misy antony oa io fitsivalanan’ny miaramila sy ny frantsay ny momba ny dadanareo io, miampy ny fiandrasana azy @ tanany mihosin-drà, de ho tantara sisa zany ÈRE RAVALO zany fa tavela ao Atsimotsimo ao iny fa aza mandrevirevy. Zavatra haute politique toy izao no tokony hifandaharana eto, fa aza mandrevirevy mijapy soavaly maty e! ary Zafy fetsy, fa na de hanohana ny fiverenan’ny dadanareo zany aza izy, tsy ho possible amin’ny Zafy mitsy ny hahavoatendry azy ho PM, raha Ra8 no prezida, ary nareo mahalala tsara ny haratsin-dohany, mpivadika tampoka izay, de jereo ny nahazo an le TEZA kely mafiady nanohana tsisy fepetra, tsy namadika palitaho otran’ny sasany, nareo ve tsy menatra e! tsy mahagaga oa Rainivonjo, fa raha lalimanga izy de mivadika kapa mantsina refa potserina! Rainy ihany no voanjo e!

  11. Ny antsika moa supposition fotsiny, fa amiko raha ny hampiditra an’i Roland Ratsiraka ao anatin’ny sehatra politika aza, efa tena tsy eken’ny saiko mihitsy ! Indrindra indrindra koa, tsy hanao na inona na inona mihitsy iny fa ny mahamay azy dia seza ihany.
    Hitanao ? Roland Ratsiraka anie vola baoritra e ! tafiditra ho mpanao politika tsy fidiny izy noho iDeba, fa raha ny fari-pahaizany tokony tsy ho afaka mikasika raharaham-pirenena akory iny. Toy izany koa ny ankamaroan’ireo foza ireo : Voninahitsy – Pety – Rabeditra – ….. Ireo antsoina hoe Deputé sy Senatera ireo moa tsy tenenina intsony, fa tena fari-pahaizan’ny Abidia mihitsy fa ny volam-bahoaka fotsiny no ilainy.

    Maro ny zavatra tokony miova toy ny isan’ny Fonctionnaire – ny isan’ny miaramila, ny fari-pahaizana entina manana an’ireny – fa dia apetraky ny vozongo ao daholo rehefa mandamina ny aferany. Ary izany koa anie e : ny vozongo no mampiditra, fa ny gasy vendrana misolelaka miditra fotsiny.
    Tsy hita moa, fa nalatsak’i Domelina amin’ny tena tery ny Firenena ity, ary ho ela sy sarotra vao hilamina izao ngidy rehetra izao.

  12. Ah! ho avy i Deba ??toa tsy misy manao fanambarana ny foza???
    Njara ! rehefa hainao tsara ny mitazona ny maha Malagasy anao
    dia tsy tokony hisy ahamenatra anao mihintsy. Sahiko ny milaza aminao fa misy olona akaiky
    ahy foza fa tsy hataoko mahamenatra ahy izany na dia maharary ihany aza fa kosa ny fitiavako
    ny tanindrazako no HAMAFISIKO bebe kokoa hatrany dia HIALA HO AZY ILAY HENATRA satria
    madio ny sainao fa tsy NAMAN’ireo izay mpamadika na MPIVAROTRA tanindrazana ianao, ary tsy tompon’
    andraikitra @ izao FAHAVOAZANA MAFY ny tanintsika izao. Aza kivy fa isika tsy resy fa MILEFOTRA fotsiny.

  13. Mafy ianao Ranavalona!Rahoviana ilay sary e!
    Njara! Tena miray hevitra aminao mihintsy aho hoe tsy tokony atsofoka eo amin’ny sehatra politika mihintsy na roland ratsiraka na pety na voninahisty na tgv fa ny tiako ho lazaina dia ny cousine-droland ratsiraka ihany dia tokony afaka mandresy lahatra azy ny tokony hialany amin’ny politika.
    Ankoatran’izany dia tsy azo kihanina ny filazanao an’ireo foktionera na miaramila tsy manana fari-pahaizana nefa dia mitana andraikitra ambony.Araky ny teneninao dia ny tsotsoka no mampiditra dia miditra ny jamban’ny vola hivarotra ray aman-dreny aza atao.
    Ny ahy raha vao miresaka TGV dia ataoko mihintsy vendrana io boay kely io ohatran’i pétain tamin’ny androny:mivarotra tanindrazana nefa nalikain’i Hitler « manao garde à vous » sy « salut » nefa hitler efa lasa lavitra ary mbola tsy misy « repos ».Izany no tena fanambaniana indrindra hoan’ny miaramila.Lazaina foana fa takona tanteraka i Mussolini teo anatrehan’i hitler nefa ny an-dry zareo alikaina tsy hitany.Ry pétain tsy haiko na jamban’inona tamin’izany.Ny antsika i TGV :la haine rend aveugle.

  14. Ny tena tsy tantin’ny saina ary tsy takitry ny eritreritra dia ny fanontaniana hoe :
    « Nahoana ny Pdt Zafy no nanolotra an ‘ i Beriziky ho candidat amin’ny fanendrena iuzay ho praiminisitra ? Nefa fantany tsara fa i eriziky dia membre ny antoko failo , izay miaraka amin’i rajoelina !
    Fanontaniana faharoa dia ity ;
    « Nahoana ny Pdt Zafy no MANDAINA fa membre ao amin’ny ankolafiny i Beriziky ?

    Tsy nisy teny iray mikasika ireo fanontaniana ireo atzon’ny Pdt Zafy hoe fanazavana..!

    Io no miteraka olana ary ity ny fanontaniana maika satria miankina amin’izay valiny ny fanohizana ny « mise en oeuvre – ny fanantanterahana ny tondro zotra « :

    « NAHOANA NY PDT ZAFY NO TSY NANOLOTRA NY OLONA NIARAKA TAMINY FOANA , IZAY FANTATRY NY MALAGASY REHETRA FA AO AMIN’NY ANKOLAFY ZAFY TOA NY DR RAKOTOVAHINY EMMANUEL ? A
    SA ITY OLONA AFA PRAIMINISITRA ITY DIA TSY HATAO PRAIMINISITRY NY TETEZAMITA ?  »

    TENA TSY MAZAVA FA TOA MISY NALA-HO BIKA TSY TIAKO TAREHY , SA KOSA EFA NISY FIFANARAHANA NANGININGININA NIFANAOVAN ‘NY PDT ZAFY TAMIN’NY ANKOLAFY RAJOELINA SY IREO MPAMPIASA AZY ?

    Heveriko fa io  » nangininginina  » io , izay mazava takona satria sarotra afenina , satria lainga marivo tototra ary NY FIAINAN ‘NY MALAGASY AN -TAPITRISANA DIA TSY MENDRIKA , TSY TOKONY HANAOVANA FIFANARAHANA MIAFINA , TSY NASEHO NY VAHOAKA FA NAFENIMPNINA ..!
    SY MISY INTSONY NY FITOKISANA SATRIA TSY NANAJA NY FANANTENANA SY NY TOKY NOMENA NY VAHOAKA ANAO RY PDT ZAFY !

    SY AM¨Y VE IZAY FIKAFIKA NATAONAO NAHATONA ANAO NO « REVOQUe’, IMLPEACHME?Té « , IZAY
    NANOSIKA ANAO TSY NAHAZO NANOHY NY MANDAT-NAO ?

    RAHA KA HANAO TSIRAMBINA , HANAO KITOATOA SY HANAO IZAY HAVERINAO IRERY FA MARINA SY MITOMBONA NEFA NAFINA LAINGA , ALEO IANAO MIPETRAKA SOA AMAN-TSARA FA EFA TONGA EO AMIN’NY FOTOANAN’NY FAHATRARANAO NY TANJONA MILAZA FA IZAY HATAONAO REHETRA DIA TSY METY INTSONY..!

    MONSIEUR LE PRESIDENT ZAFY , VOUS AVEZ ATTEINT VOTRE NIVEAU D’INCOMPETENCE ! « 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *