Rabetsitonta Tovonanahary : tsy lahatra akory ny loza

RABETSITONTA

Tsy lahatra akory ny loza !

Notafihan’ny andian-jiolahy miisa fito teo eo ny filohamboninahitry ny Grad Iloafo, Rabetsitonta Tovonanahary ny Sabotsy alina sahabo tamin’ny roa alina, tetsy amin’ny trano fonenany Avarabohitra Itaosy no nisehoan’izany.Araka ny fitantaran’ny mponina manodidina, rehefa tafiditra an-keriny teo antokotany ireo jiolahy mirongo fiadiana dia namaky ilay varavarana « voamboana mafy hidy » ary dia tafiditra soaman-tsara ireo jiolahy.

Tsy nipoaka ny basiny

Niezaka nanohitra ihany ny tenany , asa anefa na dia andro miditra fa dia  tsy nipoaka ny basiny .Rehefa izany dia nitsambikina ny varavaran-kely ny tenana ary dia notantazan’ireo vy teo ambany koa dia sady naratra no tapa-tongotra, tafatsoaka ihany anefa ny tenany ary dia nila vonjy tamin’ny mpanao politika namany mpiara-minina aminy teo ary io no nitondra azy any amin’ny Hopitaly HJRA mandrak’ankehitriny.

Lasa ny sosy be !

Taorian’izay dia nanam-potoana tsara ny mpandroba naka ny volabe mitentina 15 tapitsisa Ariary saika ho entiny hitsangatsangana, ary firavaka sarobidy mitentina 40 tapitsisa Ariary.

Iza indray ny manaraka?

Tsetratsetra tsy aritra no nilazana fa sady tsy nanavotra azy ny volabeny, ny fahefany, ny voninahiny fa dia niady irery ny tenany eny fa  na dia ireo fokonolona aza tsy nanao n’inoninona.Tsiahivina ihany koa fa izy dia isan’ireo  mpanao politika sahy nanizingizina fa tsy mahazo mody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. Asa na fantatr’ireo FAT fa izay rehetra miady amin’ny vahoaka sy ny filoha Ravalomanana dia saika ratsy fiafara hatrany.

Eo no ilazana hoe tsy lahatra akory ny loza fa tadiavin’izay manenjika ny « olo-marina ».

 

29 pensées sur “Rabetsitonta Tovonanahary : tsy lahatra akory ny loza”

  1. Ny loza manjo ny hafa, de mitondra fifaliana ho anareo, mampalahelo ny mijery article toy itony. Ravalo izany efa tena ampy azy ny fotoana nitondrany, sy ny harena nangoroniny niala teto Mada, de mitavam-potsiny izy ao Sud Af ao( exile doré). Mety tsy ampahafirin’ny volan-dRabetsitonta izay voaroba izay, ny vola fitady rahateo, fa aza mifaly @ fahavoazan’ny hafa izany raha tsy fitoviana fijery politika fotsiny.
    Tena mivandravandra be oa le « culte de la haine » voizina eto, ary io no mamolavola ny toetsainareo, de ho lasa extrémiste ianareo, de tianareo hifamono ohatran’ny atsy Afrika ny gasy tia fihavanana, ary mazava sy mari-pototra izany izao reo vola be avy aty Atsimotsimo atsy, hanakorontanana, sy hividianana fitaovam-piadiana. Aiza ianareo no tsy ataon’ilay Ravalo Iraikalahy mangotraka, fa tsy tolona politika ny anareo, fa tolona hamono ny gasy mpiray tanindrazana @nareo de zay sisa no azo atao fa tsy ho crédible eo antrehan’ny vahoaka malagasy ianareo na rahoviana na rahoviana, de « un homme averti en vaut deux » ry zareo au pouvoir, de aza tsitsiana raha manani-bohitra. Tsy mahagaga koa moa izany, fa le Dadan-dry zalahy indraindray refa tezitra de mivoaka ihany ny mahaolona lian-drà azy, ka tafiteny manao hoe foana » FANTATRAREO NY TOKONY HATAO », mampieritreritra be e! Malahelo seza oa le Rangahy iny fa TSY TIA TANINDRAZANA IZANY, tsisy fika intsony koa moa, de manaonao foana sisa! tsy mamely oa nareo, marina e! nareo moa matetika miantso tody foana an-dRajoelina, fa Andriamanitra io tsy adala matoa ianareo tsy mahomby toy izao, de mandinia tena oa sy mieritrereta hatrany, fa la violence appelle la violence, mahatatesa ny vokany! ny famaliana’Andriamanitra eto no tiako asongadina!

  2. Fa iza no namono vahoaka ka nanesi-tany ny tenany? tena hatraiza ny fahaizanareo ry Solo Razay a! journaliste ary ve nareo io tsy mahalala ny atao hoe « éthique ». Tena miteniteny fahatany, alao aloha oa ny vay an-kandrina vao miteny ny hafa, tsy ohatranareo izao no olo-nianatra fa aleonay eny foana oa « fozakely Bakart » eny! de ny tena no menatra, tena manongo-tena aho ry zalahy, ary menatra @ maha malagasy ahy raha toa an-dRAZAY itony, Razay zany koa moa, toa ireny olona misimisy kely sy misarakorako ireny, fa io anarana io manan-danja sy misy dikany @ fahendrena nentin-drazana, eny fa na de ny Baiboly aza manaporofo izany!

  3. Rehefa Bac-5 no ifalifaliana hatao président ary tohanana hahamenatra ny firenena dia aza manantena olona tsy hifalifaly rehefa misy ny mahavoa ny mpanohana azy.
    Ny olonkendry no mampalahelo rehefa sanatrian’izany misy manjo azy fa tsy ny olona tsy misaina sy ny tsy mahataka-davitra toa an’i Rajoelina sy ny tariny.
    Na hanao mamendrofendro eto aza ireo mpanohana an’i Rajoelina sy ny tariny dia tsy hisy lanjany izany nohon’ny fireharehan’izireo amin’ny tsy fahaombiazana sy ny fanitsakitsahana ny zon’ny fahafahana.
    Raha tena olona manana ny mahaizy azy tokoa i Rajoelina sy ireo mpanotrona azi ireo dia efa ela no voavaha izao olana manjo ny firenena izao. Ary eto dia marihina fa tsy i Marc Ravalomanana no mahatonga ny olana satria 3 taona izy izay no tsy eto antanindrazana. Raha tena feno habibiana toy ny filazan’ny sasany azy tokoa iny « rangahy » iny dia efa ela izy no tafiditra teto an-tanindrazana ary tamin’ny fomba tsy eritreretin’ny sasany akory. Fa nohon’ny fitandroana ny zon’ny malagasy no antony tsy anaovany izany.
    Raha hendry i Rajoelina dia manaiky ny hifaninanana ara-pifidianana fa tsy ny manao bodongerona toy ny jiolahimboto toa azy io.
    Ny fanaratsiana rehatra hatao mba tsy hiverenan’i MArc Ravalomanana dia midika izany fa tsy misy fitavan-tanindrazana i RAjoelina. Raha tia tanindrazana izy tsy hanaratsy ny mpiray tanindrazana aminy velively.
    Mba misaina fa dia aza roitin’ny sasany amin’ny lainga dia manaraka tokoa.

  4. Ny Baiboly hono no mba entina manamarina ny lazaina. Fa angaha ny Baiboly tsy milaza fa ny mandainga dia avy amin’ny Satana. Raha ny lainga afafin’i Rajoelina izay ve tsy efa eo antanan’akavanan’i Rademonia i lery ?
    Sady raha tena mpamaky Baiboly tokoa ianao dia fantatrao hoe iza no lehiben’ny mpanongam-panjakana. I Rademonia. Tsy fantatro aloha fa mety misy Baiboly vaovao any amin’i rabe any maporisika azy hanohana ny ratsy ataon’i Rajoelina sy ny tariny e!
    Fa raha ny tena Baiboly aloha dia na dia ny fahavalo aza dia tsara raha tiavina. Ka raha tena mpanaraka Baiboly tokoa i rabe sy ny lehibeny Rajoelina dia nilamina ny tany.
    Tsy ny Baiboly no mampikorotana izao tontolo izao fa ny tsy fahaizana mamaky azy. Raha tsy afaka mamakafaka lalina dia miteniteny foana mikasika izany Baiboly izany.
    Fanamarihana farany, nahoana moa no tsy manana site internet toy ny Mydago ny mpanohana an’i Rajoelina, satria tsy mankasitraka ny hitenana mihitsy ireo. Raha mbola tsy mahatonga saina an’i rabe izany dia tokony hieritreritra ihany.
    Eto rehefa te hitsikera ny nataon’i Marc Ravalomanana ny olona dia tsy misy milaza hoe hidio io site internet io. Ny any amin’i Rajoelina sy ny tariny tsy azo anaovana an’izany velively. Izay fotsiny dia tsy misy itovozana ny mpomba an’i RAjoelina sy ny manaraka an’i Marc Ravalomanana. Ny hazo avo ihany no halandrivotra. I Rajoelina tsy mba hazo avo satria na ny rivotra aza tsy manantona azy satria sakanany tsy hisy.

  5. mazava aminareo mpamaky ve ny tian’io rabe io ho lazaina eo ambony eo ?????
    toa lava taria be kanefa paokaty???
    Mbola betsaka tokoa ny malagasy mila mifofotra mandalina fianarana fa tsy ampy akory ny mandahatra soratra raha sady tsy mahay mamaky teny, tsy mahay manadiady, tsy mahay mamoaka hevitra.
    Miradarada ohatran’i joely kely fa tsy manan-daja.
    Io no tena mahamenatra amin’ny maha-malagasy satria ny sisa rehetra izay mitranga hatramin’ny 2009 dia vokatry ny tsy fahaizana koa dia izao rehetra izao mandram-pialan’ ny vendrana mibodo toerana tsy sahaza azy.

  6. Ny anarana tanimboanjo hoy ny Ntaolo ka afaka mifidy zay tiany, fa ny paikadinao RABE R, mangalatra anarana io de mazava, le vrai Rabe koa moa miloko MENA MIVAIVAY BE, ka izay no tsy ahazakan’ny tsenanareo azy ry ELAS a! fa vakio in-1 mandeha raha tsy azonao tsara, fa enao no tena kely fahaizana tsy nianatra, na de teny gasy mazava toy io ka tsy mazava @nao.
    Ie, diso famaky le Razafy aho au lieu de Razay, ialàna tsiny @ tomponan’anarana, fa ny ahy fotsiny io culte de la haine nareo io no kianiko fona raha vao miseho! Raha fianarana izany indray, samy zanaky ny mpanefy io tsy hifampidera taim-by, fa tsy de tianay ny mandrangaranga izany fa zahay « foza, bakart » de ataovy ampy izay. Rajoelina zany oa tsy zakan’ny tsenan’ny dadanareo sy ianareo forongony, fa raha kely sandry sy tsy mahay politika izy, tsy voailikareo teo nandritra ny 3 taona izay, ary efa mivoaka anie oa io e! ny tsy faizanareo n’inon’inona no mampihitsoka azy any Sud Af any, aza mba Rainivanjo ihany oa! tsy ampy sur tous les plans e! de wawawa no be hoy le namanareo iray eto! bye!

  7. Ô ry Rabe R a! mba ovay kely aloha le anarana fa tsy maneva anao! ianao mihitsy no tena tsy mahataka-javatra, raha ny momba le anarana, fa ny anarana misy dikany @ntsika malagasy toy ny hoe: Solo na Dimby, satria, io no zaza teraka manaraka teo refa maty ny zokiny. Ao @ Biboly koa toy izany: ohatra Esao midika hoe: voloina, Israely midika hoe:mitolona @n’Andriamanitra …sns! io fotsiny no niresahako Baiboly fa aza de roritina mandeha atsy sy eroa fa ianao no maivan-doha tsy nianatra sy tsy mahataka-javatra, de mandrirarira zavatra de io foana ny fomba fiady eto e!

    De marina ny anao, na ny Baiboly aza de mampianatra fa tiava ny fahavalonao, ary mivavaha ho an’izay manenjika anao, de jereo ary io article n’i Solo Razafy, fa toa mandatsa olona voaroban’ny gasy toa azy, de ianareo ihany anie no miantso ny jiolahy hanafika ny mpiray tanindrazana @nareo e! de tsy ianareo zany no tena JIOLAHY! de io foana oa le teniniko matetika hoe » TEL DADA TEL FILS » OK! Tsy hamaly anao ntsony aho Rabe R, fa mandany jiro fotsiny satria maivana raisonnement loatra ianao!

  8. Mba mijereva ianao Rabe R, forum ao @ madagate.net, raha te hijery anareo manasa vava ao, ary tena be dia be, zahay aza eto telo fotsiny no manohitra, tsy zakan’ny tsenanareo. Aza mba mandainga oa, fa mamatotra anareo foana io lainganareo io!

  9. Tsy tian’i rabetsitonta hody i Ravalomanana dia tsy tian’ny vintana hiaina ao an-tranony i Rabetsitonta.Aza mankahala olona ihany rabe a!

  10. toa tena misy favoaezana lery izany, soa fa eto amin’ny tranokala fa raha teny an-dalambe io efa nalefa rany anjanamasina mora be.
    be kabary tsy vakina ary tsy valina …..

  11. Fa inona no ataon’ny foza menamena be aty e sao diso lalana ianao rabe , « langoustes » daholo ny aty fa tsy misy foza maimbo masiso efa niali-taona , efa zatra mitorona ve o , rehefa olona ratsy toy ireny no voa dia faly be aloha za e , rehefa ratsy dia ratsy fa tsy misy ratsy ho tsara izany ok , ary ny devoly koa tsy ho anjely mandrakizay

  12. efa tena jenjina ny foza, tsy fantany intsony izay lalan-kodiaviny, mamo angamba
    hamelao ny elony fa tsy fantany izay hataony

  13. O ry zareo a! manaova ohatra ahy! tsy jerena akory,ary tsy vakiana dia ampy,
    sady tsy mahazo L ianao no tsy lany andro,Fomban’ny devoly ny mitady namana
    koa aza mety ho tafiditra ao @ fandrik’ireo SADIKA! TRANON-DAINGA!efa hila ahafaty azy ny TAHOTRA dia mandainga
    mba mampahery tena e! sao koa misy PAISO eto.
    Dia bahanana ny toerana mba tsy ahafahanao maneho hevitra ,fomba fiasan’ny foza io fa aza hatao mahagaga,BAHANANA
    anefa tsy ho VITA ANIE e! dia samy miara -mahita ny vokany isika, koa aza mandany andro @ olona tsy dia lasa lavitra ohatra
    ireny fa dia ny tena no MENATRA!

  14. Mitaona olona ho any Madagate e ry rabe, izaho aloha tsy ho any satria hita fa dia lainga rano raraka ny zavatra rehetra ao. Tsy mila anaovana commentaire akory. Lasa misy forum koa hono any izao. Efa 3 taona aho aloha izao no tsy nanopy maso akory tany satria nanomboka tamin’ireny laingaben’i Ramambazafy ireny dia tsy niherika io site io intsony ny tena satria mahamenatra na dia ny mi cliquer an’ilay site aza.
    Raha resy lahatra ny zavatra lazain’ny olona Bac-5 ny olona anankiray dia eo amin’ny Bac-6 eo zany ny farimpahaizana mba anany. Matematika io ary tsy misy azon’i rabe idifirana mihitsy.
    Efa ela koa ny psedo Rabe. R. no naneho ny heviny teto fa misy ny tsy manana hevitra dia ny mba efa nataon’ny olona no alahina tahaka vilana. Miseho amin’izany ny maha Bac-6 an’ilay olona. Avela ny helony satria tsy fantany izay ataony e!

  15. Zay ary oa le tsy fahazakan’ny tsenanareo an-dRABE irery. Manipy gants ve Ranavalona no tsy te hamaky intsony, sa mamaky ihany de kivy ratsy, tsy misy olona Satana izany ry zalahy, fa Ravalo nitifitra mpiray tanindrazana aminy no nety nampiasain’i Satana de nanao sesitany ny tenany a! Za BAC-6 oa Rabe R, tsy te hamaly olona illettré tsy ampy raisonnement toa anareo a! raha BAC-6 r’ise no anananay tsy manohy fianarana aty am-pitan-dranomasina aty a! tena tiako fotsiny le anarana « foza sy bakart », fa nareo oa tsy mahazaka demokrasia sy ny filazana ny erreur be n’ny Dadanareo, zay no tena marina, ary tsisy mihoroho sy mangovitra, @ magro rovitra pata, na mijery ireo sary sy kabarinareo ao aza mampalahelo kely! tsisy azonareo atao intsony oa, taimbava no sisa, misaotra anao aloha Ranavalona fa misy ireo torohevitro raisinao de averinao eto! tsara refa manomboka tonga saina e! nareo oa no mampaela ny fiverenan’ny dadanareo! de rahampitso ndray e!

  16. Mipararetra indray izy be resaka io fa toa miha-matanjaka izany herin’i dada izany, arakaraka ny hanenjehiny
    azy toa vao maika mihamahery vaika hatrany ny HERINY.
    Rabe!! mbola manana fotoana ianao HIBEBAHANA alohan’ny hianjeran’ny hatezeran’A-TRA aminao,
    tsy ho afa maina ianao manenjika ny olon’A-tra @ lainga tsara lahatra sy fankahalana io.SAMBATRA HONO
    IZAY ENJEHINA NOHO NY FAHAMARINANA « .Izahay hangina hivavaka fa ao kosa A-tra HIASA HO ANAY.
    Fotoana ny fahanginana izao koa mazotoa ary mivavaka daholo fa « ny mino tsy maintsy mandresy », aza kivy na dia eo
    aza ny faran’izay tsy rariny fa ankino @ A-tra ny zavatra rehetra satria  » mamaly vavaka A-tra. ».
    Dia mba jerijereo ihany izay toerana tokony hianjerana dia ny izao Rabe sao any anaty ……. tsy hay tsy hay!!
    Tsy nipoaka intsony ny basin-dRabetsitonta fa lany BALA NITOFITOFIRANA ny DADANAY!!!tsy mahavoa ialahy e!!!
    IZA INDRAY MARINA NO MANARAKA????Efa misy MIPARARETRA mafy any izao an!!!! te hanao aminy eo koh!!!

  17. Au contraire r’ise Rana a! vao maika miha faible ny herin’ny dadanareo, fa im-piry aho no miteny @nareo hoe ny ho aviko zany tsisy mampanahy ahy, satria za mahatoky fa efa notahian’Andriamanitra, ary mbola hotahiany hatrany! ny ahy koa r’ise ny hivavahako, tsy handatsako olona voa, hitanao tsara angamba ny réaction ko raha vao nahita le intox nareo tato momba ny nahazo an’i Mamy Rakotoarivelo. Na Ravalo, na i Andry tsisy mampiditra ariary ato am-paosiko, fa mitrongy aho vao homana aty an-dafy aty sady mianatra, fa tsy haiko zay olon’Andriamanitra na Rabetsitonta tsy afaka nitifitra, na Ravalo afaka nandatsak’aina tanora 50 mpiray tanindrazana aminy, ary na dia voatifitra teo aza ireo jiolahy nanafika ireo, mbola manana ny ny dignité @ maha olombelona azy indrindra ny mahagasy azy. Fibebahana izany, de aferako zaho sy Andriamanitra io, fa Ravalo akory tsy andriamanitro tahaka ny fanompoanareo sy ny fanamarinanareo azy, de ho hita eo zay hianjeren’ny fahatezeran’Andriamanitra, fa nareo io manao morale na langouste ao anaty rano mangotraka, na defa kely sisa ny aina, mbola en pose self défense foana @ le rantsatanana be de be! tsy azoko mihitsy oa ty mipararetra ity, hitady ny adresse ko noho ireo menace de mort ato @ boite e-mail ko ve? za r’ise sahy matoa aho manoratra eto a! ary efa nangina aho hatramin’izay raha natahotra anareo! io anie oa le noteneniko hatrany am-boalohany hoe aza instrumentalisé na io Andriamanitra io, fa Andriamanitra r’ise tsy hanome vahana izay efa namono olona, nangalatra volam-bahoaka, sy ianareo mpomba azy miantso haine lava eto a! tsy anjarako ny mitsara na olo-marina na olo-meloka dadanareo, fa samy hotsarain’ny tantara sy mizaka izay nataony ny tsirairay, fa tsy ianao io velively ny mametra zay ho sort ko. Raha ohatra moa raha lehilahy ianao, andao hiady hevitra na @ Radionareo, any Mada fa ho any aho hanao vacance de Noël, na aty France, fa misy Radio gasy koa aty, fa aza manao adin’ny kanosa mandranitr’ady lava @ fikan’antitra tsy mahomby eto e! de Rabe r’ise tjrs près a! OK!

  18. RABE R. Lainga be daholo ny ao am madagate, fa ny tena milay ao dia ny sarin’ra8 sy Lalao mitsidika ilay AIR force II, tena faly ery ange zany e, fa nahazo kilalao vavao (volan’iza..).
    Solo Razafy, mahamenatra ny fomba fitaterana vavao, fa mampiseho tokoa fa tena resy ianareo ka efa miteniteny foana. tsy resin’ny rajoel Akory fa resin’ny vahoaka.

  19. Noho ianao tsy eto @ tanàna Rabe dia hitako fa misy zavatra tsy mety azonao mihintsy na dia mafana fo aza ianao hamaly olona fa tsy oe marina no lazainao dia oe tsy mahazaka ny olona fa ianao mihintsy no any @ frequence hafa raha efa frequence hafa ny olona … fehiny tsy dia mahafantatra akory ianao mety voky lainga angamba.

  20. Zany r’ise ry Verbeeck, ny fahaizanay mikaroka sy manangom-baovao, na de lavitra tanindrazana aza a! raha mbola tianao koa dia avoakako eto ireo mercenaire saika nalefan-dRavalo saron’ny frantsay ny paika, de maty an-karanany, de tsisy azo natao afa-tsy le teny Marrais Massai iny, hamono an-dRAJOELINA, ny trafika na drogue saika hanaovana vol direct Rio-Tana, niarahana t@ndry Chissano, ary ny WIKILEAKS, izay information fiable tsara, ary tena manelingelina ireo dirigeants, eny fa na de ny Maison Blanche, noho io journaliste d’investigation favy be io! de aza matahotra se fa ao tsara @ frequence ny tenanay ary haute définition mitsy aza! fa reraka oa nareo, raha Rabe olona no kianinareo sy halanareo fa tsy heviny! de io r’ise le teny averimberiko hoe: « il n’y a que la vérité qui blesse » sa ahoana indray?

  21. Hay Ramambazafy ry reto io mody rabe io. Nahita mercenaire hono izy dia sady mandrato fianarana nefa mbola tsy fantany hoe inona no atao hoe democratie sy inona no atao hoe tarihin’ny Bac-5.
    Milay aloha la fomba famaly fa tsy maharesilahatra satria mbola mahita foana fa ny olona tsy nandia fianarana ambony heveriny fa hitondra firenena. Mazana be ilay fomba fisainana.
    Hatreto aloha mbola tsy misy firenena tarihin’ny olona tsy manana Bac raha tsy ny eto Madagasikara. Dia gaga ry zalahy hoe tsy mahazo reconnaissance. Fa ny olona angaha heveriny ho adala ka hilahatra miaraka aminy eo. Ko raha tsy rabe sady mandia fianarana any andafy izy ity ko tsy mahita hoe inona ny CVn’ny olona atao président.
    Tsy omena tsiny izy fa tena manampahaizana manaporofo fa ny 0=1

  22. Io oa le tsy fahaizanao n’inona n’inona Rabe R a! maninona ary ny mivoy lainga raha tsy tena mahalala an-Drabe! tsy hitako zay hidirako @ Ramambazafin-drangahy! lazain’ny akaman-dRangahy eto fotsiny ao hoe tsy maharaka, de noporofoiko taminy fa tena à la page tsara! tsy de mila an-dRamambazafy hanolo-kevitra ahy aho, fa za manana ny mokondohako sy ny fahaizako kely, ary Ramambazafy tsy hanome soupape anareo @ zay tokony hataonareo eto, toy izay efa nataoko, fa ny marina oa lazaina, fa aza maminavina fotsiny milaza lainga eto, de io foana no mahavoa anareo, fa zavatra aorina @ lainga zany tsy manjary velively fa nareo mieritreritra ny olona ho con, @ity teniteninareo fahatany tsy @m-piheverana, ary rangahy io no tena tsy nianatra, fa tanisao eto ny cursus ny Dadanareo izay fantatro tsara »self made man », de mijere oa aloha vay an-kandrina vao miteny olona, fa zao zany vao mazava @ko fa le R nanampianareo an-le Rabe, de RERAKA no dikany hany ka miteniteny foana sisa fara ady! ny olona r’ise refa tratry ny complexe ohatrn-dry Rabe R itony, de voa mafy foana @ fiainana a! sa tsy izany ny zava-misy?

  23. Rabe!Ravalomanana sortant des universités allemandes et suèdoises (C’est le top en europe) comme ingénieur agronome.Izay no mahatonga azy miteny anglisy satria misy universités any amin’ireo tany ireo amin’ny teny anglisy ny fampianarana.
    TGV:université=0

  24. un homme trop connu pour sa soif de devenir plus riche et même maître de mada, juste qu’il n’arrive même pas à être maître de son foyer ni de sa vie à force de courir après l’argent.
    juste un petit exemple http://info-premier.blog4ever.com/blog/lire-article-414508-2092680-litige_foncier_a_mantasoa__la_recidive_de_rabetsit.html

    « A vrai dire, M. Rabetsitonta soupçonne son employé d’être de mèche avec Ramamonjy. Et dans ses colères, il (Rabetsitonta) n’a pas pu s’empêcher de menacer l’employé avec une arme à feu après l’avoir « tabassé ». Une scène déplorable dont tout Mantasoa est au courant.
    Est-ce un geste fait pour impressionner l’adversaire ? Car Rabetsitonta a également fait dire à ses hommes qu’un certain A., un proche collaborateur du président de la HAT se charge actuellement de ce dossier brûlant. Or, les Services des Domaines de Manjakandriana ont déjà fait savoir que la demande d’acquisition de M. Rabetsitonta n’était plus du tout recevable.
    Primo, une demande d’attribution avait déjà été engagée depuis une dizaine d’années ; deuxio, le sieur Rabetsitonta ne figure pas parmi les bénéficiaires d’une désaffectation par l’Etat ; et tertio, toute demande de terrain domanial est suspendue … »
    le mal s’abat sur lui. Au moins les pauvres m^me mauvais (comme lui) en aura plus besoin.

  25. Ka efa maty izao RABETSITONTA Tovonanahary JODASY. Misy koa anankiray RABETSITONTA Harinoa, izay nataony Directeur ny
    ARO. Ho avy koa ny lozan’io RABETSITONTA Harinoa izay mpangalatra millions Ariary tahakan’io.
    Tsy nogadraina dia azonn’ny sasany ny millions nangalarin’i RABETSITONTA Tovonanahary sy ny volamena marobe vokatry ny halatra
    Aza adino ry Mercenaires ny tranon’i RABETSITONTA Harinoa
    Mandrapihaona ê !

  26. Misaotra betsaka anao fitiavana. RABETSITONTA Harinoa dia NANDOSITRA ao : 115, rue des Meaux 75019 PARIS
    Manaova KRISMASY SAMBATRA ê !

  27. Misaotra anao Tsaratarehy . Tsy afaka amin’ny loza ry RABETSITONTA Tovomarary sy ny fianankaviany miala aina

  28. Nifindra tamin’i Pasteur Rasendrahasina indray ny loza nahazo an’i Tovomarary Rabetsitonta sy ny fianankaviany. Vaky trano ,tsy mitsahatra ny loza ao amin’ny Gasy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *