Ry Bado ihany no Dondrona e !

My beautiful picture

Tao an-tsekoly izaho no gisitra, matetika faran’ny lisitra, ny faniriko anefa ny ho tonga minisitra , ka ry bado sy dondrona no hataoko direktera…hoy ny hiran’ny Dadah Rabel ! (…)

Manoloana ny fanendrena ireo mpikambana nandrafitra ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihan’ny praiminisitra Omer Beriziky dia mampametram-panontaniana ihany nyantony ifikiran-dRajoelina amin’ny « unilateralisme » hatrany izay hita fa naharendrika ny firenena tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao.Moa tsy efa telo taona izay no toy izao foana no paik’adin-dRajoelina fa tsy nahomby ? Solosoloina amin’izay maha-diavolana ny sainy eo ny mpiara-mitanana aminy.Fandrimpandriana amin’ny endrika ivelany hatrany ny vahoaka sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena .Nesorina i Monja Roindefo fa hanatanteraka ny dinan’ny Maputo izy dia napetraka i Mangalaza , notendrena indray Camille Vital fa hanao fifidianana hono, izao  indray Ra-Beriziky.Ny omaly tsy miova e ! manaotao foana, ry Jean Omer ihany no Vital !

 Botozaza ihany no Yves Aimé !

Fa ny mampiomehy amin’ity tantara miverina ity dia ny fihetsik’ireo té halaza sy hanakarena tampoka.Tsy hita tabilao intsony ry Mémé sy ny forongony tao anatin’ity governemanta ity.Very any izy e hoy ny hiran’i Samoela !

Tsy dia mahagaga loatra ny amin’izay satria dia haingon-tsehatra fotsiny ihany no iraka nolalaoviny teto.Misy hatrany anefa no manaiky hatao “marionety” amin’ity politika ity.Raha vao natolotra ho praiminisitra ny anaran’I Pierrot Botozaza, io eny izy mitonatonana eny akaikin-dRajoelina, soa ihany fa tsy voatendry ho isan’ny praiminisitry ny marimaritra iraisany ny tenany fa raha tsy izany dia asa izay niseho teo?Ry Ruffine ihany no Dina Jeanne e!

 Vaomalala ihany no Nadine.

Minisitera ifandovana ity minisiteran’ny mponina ity.Tsy hay na any amin-dRamarson ny kadasitry ny minisitera fa dia izy mianakavy hatrany no mitantanana ao.Satria ry zareo no nitolona nanonganany mpitondra teo aloha dia azy mianakavy ny minisitera, azo inoana fa dia ity vadin’I Alain Ramaroson ity indray no hizara savony eraky ny toby miaramila ato ato hisolo an-dRabesolomaso mainty.

 IKotozafy ihany no Lexis e!

Vao niandoha ny tantara ny fanendrena ny praiminisitra dia efa nentinay teto fa maha be krizy ity Beriziky ity.Mipoitra sahady izy ity.

Nitaiza zana-baratra ny profesora Zafy sy ny filoha Ravalomanana, ataon’ireo mpiara-dia amin-dry “Prof” sy “Dada” fitaovana hakana seza ny anaran’ny “ankolafiny”.Niteraka resa-be ny tsy nanendren’ny profesora an-dRakotovahiny Emmanuel ho praiminisitra fa nitady olon-kafa ivelan’ny ankohonanany (Leader Fanilo io) izy, toy izany koa ny nanendren-dRavalomanana an’I Pierrot Botozaza ho praiminisitra izay olona tsy nitolona sy niara-nihafy tamin’ny vahoaka mpitolona nandritra izay telo taona izay.Io no vokany, Ikotozafy ihany no Lexis e!

 I Hajo ihany no Krisy !

Isan’ireo tompon-daka sy mahay mihitsy ireto minisitra voatazona matetika ireto.Nifanao fati-drà tamin’ny zandrikely ve ireto sa mpiara-mahazo tombontsoa sy mpiray donak’afo amin’ny afera lehibe maizimaizina eto amin’ny tanana? Niteraka resabe mihitsy no mbola maha voatazona eo an-dRakrisy sy Hajo eo.

Tsapa fa tsy izay hivahan’ny krizy lalim-paka no imasoan-dRajoelina fa ny tsy fahafoizana ireto kamarady ireto.Na tsy ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena aza ihany dia atao ihany.F’angaha moa andairan’ny krizy ry zalahy ireto e? ny vahoaka hatrany no mitrongy vao homana mihinan’ny tsy fihinany eto e?

 

 

 

 

24 pensées sur “Ry Bado ihany no Dondrona e !”

  1. Il fallait départager entre Beriziky et Botozaza qui étaient finalement tous les deux des candidats de la France.Il n’y avait plus de match.Si le premier a essayé de se dégager de la pression de la HAT-Reny malala( tout à son honneur), le second est en train de montrer son vrai visage de crabe.Si ces deux hommes arrivent à ce stade, c’est qu’à certain moment ils ont été contactés par l’Elysées et qu’à un moment donné on a communiqué leur numéro de téléphone portable aux employés elyséens.Ca veut dire qu’il y a des taupes au sein du noyau de chaque mouvance.Ce qu’il faudrait faire, c’est d’identifier ces traitres ainsi que les moins engagés.C’est un boulot pénible mais qui en vaut la peine.Ou tout au moins, chaque mouvance tâche de connaitre à fond ses membres.


  2. Quoi dire dès l’abord, sinon un grand bravo à Solo Razafy que d’avoir mis en exergue ce paragraphe relevé d’une morceau du groupe de chanteurs Mahaleo,
    non moins relatif au QI de la marionnette de la France
    mais également démontre etérnellement le caractère HATif des putshistes en mal de reconnaissance internationale

    tout ça pour faire perdre du temps, et le temps la HAT veut encore le jouer coûte que coûte:
    Tao an-tsekoly izaho no gisitra,
    matetika faran’ny lisitra,
    ny faniriko anefa ny ho tonga minisitra ,
    ka ry bado sy dondrona no hataoko direkrera…
    (sekretera parti-kouillera)
    hoy ny hiran’ny Dadah Rabel ! (…)

  3. Mikasika an-dry Hajo sy ra-Krisy: après parcours du combattant (revolisionera Oranze) dia ireo no lanin’ny founy (confiance) satria voasedran’ny mpanoritra (auteur) an’iny lalan’iny (COUP D’ETAT) angaha fa raikitra tsara ny doctrines (ataovy manana ny tsy manana – tandrovy ny orin’asa FRANTAY tsy ho dorana na robaina) novoiziny.

    Santionan’ny zavamisy ao anaty fitondrana HATif:
    – izay mahay milelaka (te hanamandina ny molotra @ choléstérol) sy misolelaka (bottes)
    – tsy hangilan-tsofina hiaino ny tolokon’ny (supplice) vahoaka
    – ny objectif dia sans état d’âme = aleo ho an’ny FRANTAY (f’izy ireo taranak’i Galliéni hono)
    – eo ny miaramila – FIS – famille maffieuse Ramaroson mi-seconder raha tojo ny TSY ARAKY ny ain’ny personne morale-nareo

    dixit Ratsirahonana (fin de citations) (à suivre si besoin est)

  4. « le retour de Marc Ravalomanana , c’est votre problème, pas le nôtre » dixit Lalatiana Ravololomanana
    Tsy nahazo toerana ministra ka mietsiketsika an

  5. Dia resy tanteraka indray lehiretsy i Valomanana sy ny forongony dia mirediredy a!
    Tadidio fa fony ianareo teo amin’ny fitondrana anie ka tena tsy refesi-mandidy e! Didy jadona tsy manam-paharoa ny an-dry Valomanana. Rehefa mba miteny dia manevateva olona tsy misy toy izany. Iza moa no nanam-po hoe hiongana teo i leiry. Noho ny sitrapon’ny Avo moa dia tanteraka izany. Ankehitriny nefa dia mbola miseho ho avo vava ihany izy sy ny forongony, nefa moa tsy lasa lavitra izany satria toa mandrora mitsilany mahavoa tena ihany ry dada sy ny zanany vitsy sisa tavela. Dia izao tokoa sisa no niafaranareo an! Dia ingahy Zafy anti-dahy sisa lasa herinareo, kanefa moa efa hazo amoron-tevana ireny ka tsy hita antenaina. Ka hoy izahay hoe: « Mahaiza mionona, tompoko ». Vita hatreo ny aminareo.

  6. Ny fanendrena an’i Beriziky, dia efa fandikà mazava an’ilay Tondrozotra ! Natsangan’i domelina io Governemanta « goavy manta » io satria noporeten’ny CI ; ny vola avy any aminy no mahamaika fa tsy ny « fankatoavana ».
    Tsy efa nanao fanambaràna ve ilay kely hoe « fitadiavam-bola no ilainay fa tsy fankatoavana izany » ? Manantena mafy ny foza fa ny mena sofina dia tsy handao azy mihintsy, ary hanampy azy mandrak’izay !
    Nantsoina ho ministra izao bodo sy adala ary mamba naona izao. Mpianatra vao avy niala tao « an-tsekoly » no atao ministra !!
    Maka fotoana mba hizarazaràna ny fihinanana !
    Ho hita eo izay ho lazain’ny Troïka sy ny SADC, fa ny efa fantany dia tsy MBOLA NARAHINA IHANY NY TONDROZOTRA !

    « Ca veut dire qu’il y a des taupes au sein du noyau de chaque mouvance. Ce qu’il faudrait faire, c’est d’identifier ces traîtres ainsi que les moins engagés. C’est un boulot pénible mais qui en vaut la peine. Ou tout au moins, chaque mouvance tâche de connaître à fond ses membres » dixit Bemafohy.

    Tout y est dit, mais il n’y a pas que dans les mouvances. Allez savoir, pourquoi ?
    Appât de l’argent facile, désir immodéré d’être reconnu, éternelle jalousie, etc…?
    La crise que nous vivons et endurons actuellement, est le fruit de tout ce que je viens d’énumérer, et que malheureusement cette liste est loin d’être exhaustive !

    Toutefois devant l’inacceptable, lutter est un vrai devoir. A ceux qui se sentent floués et arnaqués par ces putschistes, à ceux qui constatent que leurs droits fondamentaux sont piétinés sans vergogne depuis bientôt trois ans, qu’ils agissent en leurs âmes et consciences, et selon leur possibilité, afin que cessent cette mascarade et ces magouilles !

  7. Dia ho aiza eo anefa fa anadan-dreninareo angaha ny mpamantsy vola ry DOMA
    MPANGALATRA isany ?????mitady fanalava-potoana HINANANA sy HANDROBANA
    sisa fa tsy MISY HATAO e!! dia efa homano oah ilay daban-joridira tokony hisy ireo FAKON’Ny lafrantsa ireo.
    Efa miandry anareo iny lala-POZA iny ra foza a!!! aza manantena TAITSOKONA fa ndana mba miary raha mba
    manakambo raha MAHAVITA. Mitady hamatambonona fotsiny ireto izy! VOLA BAOROTRA tsy miteny e!!!Vola
    sandoka ! VOLA MORA! TRANO MORA!TANY VAROBOBA!!! izany no mba asan’ireto KIMINISITRA BARBO OOOOO!

  8. Veloma lava lesy ry rainivoanjo sy ny taranany a! atao ahoana fa rehefa misy ady toy izao dia tsy maintsy misy ny resy dia misy ny mpandresy, koa dia anjara lisany izany ilay faharesena, tsy fananian’ny Filoha RAJOELINA ny handresy an’lisany ry rainivoanjo,
    Koa dia mahaiza mionona! Dia aza misosoka alahelo intsony!
    Inona moa izany zao ny azon’lisany atao, fa dia mivovo eran’ny tanàna sisa,
    Hatsangano ny repôblikan’ny magrôranomaimbo,
    Prézida: I rainivoanjo
    PM: I tavatsoavaly efa misohika
    Ministre fitsarana: i kala hanitra
    Ministre filaminana: i ralai guy maxame jiolah
    Ministrin’ny kominikassiô: i zefalah stanslasy gadralava
    Prézida ny asamblé: i zefalbera
    minisitrin’ny filazam-baovao: raédoara pasitera fôpla
    Dia izay aloha fa vlouma madinidinika masina fatimpantenana ry kotonandra ray vala ô!

  9. Tsisy resy zany eo ry mpivarotanindrazana a! efa ny tsotsoka no mivarotra tanin’ny gasy satria DOMELINA TSY VOKY HALATRA SADY DONDRONA TANY ANKILASY NO MILAZA MPITONDRA AMIBASY ?TSY AZON Yn’i DONDRINA NY FAHARESENA raha tsy azo ny reconnaissance ,hita hoe tsy NAHITA FIANARANA iray trano ,refa tsy ekeNDRAVALO ny goveRNEMANTA dry Dondrina DIA MILENTIKA EO ALOA ?BOLA TSY TONGA SAINA fa resy , ,tsisy resy sy maharesy hatreto ,ho hita eo refa tonga ny miaramila vahiny hanala an’i LAVANIFY ZAY HO RESY !!!
    rEFA TSY MAHAVITA AZY DIA MIALA NY FITONDRANA TSY ENTINA AMIBASY FA @ SAINA fa refa tsy niAnatra dia mangina ,naharesy koa inona no mbola hitonatonanana aty @ site ny zank’i DADA aty !!!!!mapalahelo beuh!! le LOHA MORINA !!!

  10. Iza hono no mba mitonatonana manambara hoe « resy ê! »
    Tora-bato miverin zany izy ity, noho izany averina any aminy ny fikany hoe « dis-nous ce que t’en penses, je te dirais qui tu es? évident be ilay saina MORA, minus
    __

    Tena mibanaka be ny haMORAntenisa : toa olona stagiaire hono no lasa ministra.
    Minisitry ny Mines anga? De mba efa natao analyse ve alou sao Daltonien ka ny varahina lazaina fa volaMENA na visy-very-sa manky boulot…

    Izaho kou no adala, kay moa i le-VENDRANA no manao interview an’ireo,
    sa niampy an’i Chatain-NEZ?

  11. HoAiza, ahitsiko kely ianao fa nianatra be: je ne peux te dire ce que je pense, les on dit: « dis moi TES AMIS, et je te dis qui tu es?

  12. Faly sy mibitaka ny ambany lanitra fa tafantsangana ilay governemanta mahomby hampandroso an’i Gasikara. Vaovao tena nahafaly ny malagasy rehetra ilay izy. Tena azo antoka fa tena hahomby io governemanta io, i Andry kely mahavita azy koa moa tena manao ny ainy tsy ho zavatra hampandrosoana an’i Gasikara. Misy moa ireo vitsy an’isa tsy faly sy marary fo, kanefa inona no azo atao an-dry zareo ireo. Vitsy an’isa izy ireo satria hay 05% (dimy isan-jato) ‘ny mponina eto Gasikara sisa no mba manohana ny trois mouvances. Angamba hividianana mosara hamafana ranomaso no tsara ho an-dry zareo satria faharesena hatrany no nianjady tamin’izy ireo tao anatin’ny telo taona izay. I Valo moa an’ny Afrika Atsimo dia tampidalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato. I Zafy indray dia ny molony sisa no mihalava vokatry ny tomany. Ka hoy izahay hoe « mahaiza mionona tompoko, satria efa nateraka ho resy ianareo ». Ho ela Velona anie i Andry Rajoelina, mahavità be ry PM Beriziky.

  13. Marina ny anao ry kala Denise sy Rabe tena handroso tokoa i Madagascar eo ambany fitarihan’ny DJ sy Dakoma fa le TGV fotsiny tsy misy vitesse afa-tsy marche arrière zany oe mandroso mankany aoriana!tsy mninn io fa reveo zany é!

  14. Ianareo anie ka tsy ampy hamidin’i Zafy e!!!! Afaka niantso an’i Beriziky izy raha izy marina no nanendry an’io teo. Mba tonga saina fa tsy lalaovin’ny olona fotsiny mody hanaovany vazaha be mody miady..

  15. Aza hitarina ilay resaka oah! mbola ilay fanaova-tsonia no talohan’i Beriziky.
    Ary raha tsy nanaiky an’i domelina ho filoha ny ankolafy Zafy sy dada tsy
    tonga t@ izao isika, » izay tsy nanota no aoka hitora-bato », tsarovy tsara fa i domelina no nanondro ireo fa tsy
    i Zafy na i Beriziky satria domelina sady tsy te halala no marary saina, lazainy fa efa prezida aza izy ,fa ilay mbola
    fametrahana fahatokisana an’i domelina no tokony hasiana resaka be dia be hoe : mbola tsy ampy ve ireo lainga sy
    fitaka sns nandritra izay 3 taona lasa izay???mbola tsy vita anie iny sonia iny no efa NODRADRADRADRAIN’i Mamy
    Rakotoarivelo fa  » TSY MANINONA NA MIJANONA HO FILOHAN’i tetezamita aza i domelina fa anay kosa ny PM »
    nefa aiza izao??domelina manohy ny hataony, iza no PM???azon’i Mamy Rakotoarivelo ve ilay toeran’i PM???ahoana
    no MBOLA HANEKENA an’i domelina hijanona eo??? ka aza hatolaka @ Zafy irery ny Vato.Fa raha tsy nisy an’i Beriziky
    ve dia ho nanondro PM t@ akolafy dada ve domelina ??ahoana hoy chataigner???SANATRIA! hoy izy!!chataigner anie no mandidy eto e!

  16. LEO NY ADILAHY POLITIKA IZAHAY VAHOAKA MALAGASY KA MIANGAVY ANAREO MBA VAHAO NY KIRIZY SAO HIPOAKA EO NY SAROMBILANY KA TSY HATANTY NY ANGALAN’NY VAHOAKA NY HARENA NANGALARINA EO IANAREO MPANGORONKARENA SY MANARARAOTRA NY FAHOSAN’NY VAHOAKA.

  17. Njara!Izao ilay lazain’ny hiran’i Ratsimbazafy hoe: Vola ô hatraiza moa ny fetra, ny herinao, ny sandanao, vola ô hatraiza moa ny fetra…manaiky anao….;Valiny hatrany am-pigadrana.

  18. TsimilaTGV
    i Rabe ihany io fa iza moa? efa misy 5 aza no fantatro eto anazy daholo.
    Fa efa nolazainy kosa aloha ny antony e! ny azy indray tsy hafeniny , izay indray aloha no mahatsara azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *