TIM Atsimondrano : ny fodian’ny filoha Ravalomanana no tanjona!

TIM Atsimondrano, 19 Nov 11 (9)

Nampiseho ny heriny indray androany ny antoko Tiako i Madagasikara, tetsy Tanjombato no nanaovan’izy ireo ny hetsika tamin’izany.Ny solombavambahoaka avy any Androy, Login Fanatera, sady  solontenan’ny birao politika tonga teto dia nanamafy  fa ny fampodiana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ihany no tanjona tokana. I Me Hanitra Razafimanantsoa indray dia nanzava tamin’ny vahoaka tonga teto ny antony nanaovan’ny ankolafy Ravalomanana sonia ny tondrozotra.Raha niziriziry ny Filoha RAVALOMANANA dia tsy nisy akory ny fanaovan-tsonia ny tondro zotra koa tsy  avy aty amintsika ny sakana hoy izy.

 

 

 

13 pensées sur “TIM Atsimondrano : ny fodian’ny filoha Ravalomanana no tanjona!”

  1. Fa aiza ny lehilahy e!!! resim- bavy daholo ve e!! fa natao hoan’ny vehivavy irery
    ve ity tolona ity e!!!!aiza Bemafohy a! avoahy daholo ny lehilahinareo e! vavy be daholo
    ve no mameno trano marina !!! sao dia mba tsy mety e!!!aiza moa ny tolona no ho tafita???
    Aiza no hanaovana RODOBE @ ‘izao ry Njara a!!aleo ary hatao hoe : vehivavy ihany no be mpaka sary e!!!izay angamba??

  2. Misy lehilahy ireo amin’ny sary ireo Ranavalona a!Ary rehefa hanao RODOBE anie dia antsoina koa ireo miasa rehetra mba hikatso tanteraka ny administration.Tsy adino koa ireo mpianatra satria mety ny renimpianakaviana ireo ao ireo.Tsy ferana koa aloha izay lehilahy tsy ao fa mety manao bizina.
    Fa ny tiako holazaina dia isika rehetrano voakasik’io tolona io ary tsy mankaleo izany satria ny ho avintsika mianakavy no miankina amin’io indrindra fa à long terme.
    Ny TIM Europe koa tokony hihetsika miaraka amin’ny legalistes (GTT na tsy GTT) rehetra.

  3. Efa fantatro mihintsy fa tsy maintsy hitsovalana eo i Bemafohy hi!hi!hivazivazy an!
    Aiza io hetsika io ry Bemafohy???rehefa tsy france dia lasa izao!!!!tairiko fotsiny anie ianao e!
    Dia taitra t@ torimaso tokoa.

  4. Tsy taitra izany ny aty.Efa vacciné e! Efa mitovy zo e!samy mitolona daholo.Sa ahoana Ranavalona.Tsy misy alaina sy maka intsony io fa samy manao izay tandrifiny avy.

  5. Aza manapa-tsinay moa e!!,aiza ilay hetsika hoe e!!dia rahoviana ???
    dia tsy misy mangata-bady intsony intsony koa izany fa mody ho azy Ramatoa??
    koa tsy lasa ho  » MANANGY lahy » indray izany?? tsy lasa indray ka !avereo @ toerany taloha ihany ,ilay
    fanaka malemy e!!!

  6. Manao ahoana raha hatao ao strasbourg ilay hetsika dia mba eo afovoan’i Eropa.Ny fotoana indray dia izay laniny ny besinimaro.Soson-kevitra daholo izany fa araky ny tanjona kendrena anefa io satria ny ONU no tiana ho hentitra eo amin’ny fampiharana ny zon’olombelona sy ny lalàna demokratika ary io anefa ao Paris.Ka asa? fa apetraka amin’ny rehetra ny fanapahan-kevitra.

  7. Aleoko ihany eo amin’ny misy an’i Me Hanitra ka !!! 😉
    ity misy fanambaràna Fa…….
    Maninona ary no atomotra be toy izao vao milaza e !

    Mba tairo ny anareo any Eoropa ry GTT a ! Ny aty Dago indray ity no manome ohatra 🙂

    FLASH MOB

    Eo anatrehan’ny zavamisy dia te hiteny ny olona fa matahotra , na tsy mahita itodihana , ka misy fihetsika miaraka atao hanehoana fa mila manarina ny firenena isika .
    Izay mahatsapa alahelo sy fahasorenana eo anatrehan’ny fiainan’ny firenentsika dia:
    samia mivoaka eny amin’ny arabe ny alahady 20 / 11 / 11 amin’ny 12 ora hatramin’ny 12 ora 15 mn . Tsy fidinanana an-dalambe fa fivoahana amin’ny arabe . Izay arabe akaiky anao indrindra . Tsy mitabataba , tsy mitsoka sifflet , fa mijoro , dia mody avy eo .

  8. Mba ataovy agrandissement tsirairay ireo sary ireo ry Njara a! mampalahelo oa na de ny mijery azy ireo vitanareo ny manao manipulation azy! tsy manana reproche @ireo mpiray tanindrazana @ko ireo aho, fa ty sainy dotoinareo @ity kôzy efa lany andronareo ty! toa ny sarin’ny dadanareo ndray eto no betsaka,ary raha mijery le olona de mikapa skobido kely, tena rovitra pata e! tongava saina ry olom-bitsy kely, fa lany lera fotsiny eo nareo. Tsy mitaha @ beauté n’i Mialy reo r’ise ry Njara a!De aleo ho jerena ndray zay ho vokatry le flash mob e!

  9. Hataoko fa mety tsara raha ao Strasbourg ry Bemafohy! ataovy masaka fotsiny,
    ny olana ao Paris dia efa mihamatahotra ny olona ao,efa hitako mihamihena
    mitsoaka an-daharana hatrany ny sasany.Aiza taloha ireny vahoaka kely mihintsy sa lasa foza daholo ny sasany???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *