Tonga tanam-polo i « Dadabe » !

Rehefa avy nialokaloka tany  Frantsa an-taonany maro Dadabe Ratsiraka, dia tonga teto an-tanindrazana indray androany 24 Novambra 2011.

Araka ny efa nambarany dia hitondra vahaolana amin’ny krizy manjo ny gasy izao ny tenany.Raha ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Ivato aloha dia ny fihaonana an-tampony eo amin’ny ny efan-tonta sy ireo lehiben’ny antoko politika no narosony ho vahaolana ary havoaka amin’ny haino aman-jery ho henon’ny vahoaka Malagasyny dinika ifanaovana amin’izany, na izany aza dia mbola tsy nahazo ilay vola be noresahany hanatanterahana izany « sommet » izany ny tenany.

Na dia efa  akaiky aza ny Noely, efa tonga ihany koa ity i  Dadabe dia mbola tanam-polo aloha no nentiny androany.

Deba sy ny kajy politika !

Raha vao nigadona ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany dia nampiseho ny « heriny » sahady, amin ‘ny fahanterany sy ny  fahosany dia noporofony fa mahavita « pompy » izy.Té hanapoforo ny tenany fa matanjaka, raha ny hita teny an-toerana sy teny an-dalana anefa dia hita ihany fa tsy manana tanjaka eo amin’ny vahoaka mpanohana ny tenany raha oharina tamin’ny 19 febroary .Tsapa teto fa mbola hafa ihany ny fitiavan’ny vahoaka Malagasy  ny filoha Ravalomanana.

Meloka sa tsia?

Tsy mila famotsoran-keloka (amnistia) izany aho hoy izy raha niresaka momba ny nahasesin-tany azy.Raha tsiahivina anefa dia manana heloka  anenjehin’ny fitsarana Malagasy azy ny tenany, toy ireo mpitondra FAT sasan-tsasany.Mipetraka ny ahiahy, nahoana no tsy narangarangan’ny FAT izany fanenjehina izany? Nahoana no tsy misy resaka ny raharaha 10 Aogositra 1991 ? Misy kajy politika hafa mihitsy ve ao?

Dada ihany !

Ho hita eo ny ho tohin’ny tantara fa raha ny fanilihina an-dRavalomanana tsy ho tonga an-tanindrazana no tetikin’ny FAT dia iaraha-mahalala fa tsy hisy vahaolana maharitra izany eto raha tsy tonga eto i Dada. »

81 pensées sur “Tonga tanam-polo i « Dadabe » !”

  1. Atolory ny vahaolana fa reraka ny gasy ????
    Any amin’i dada ny lakile ê, izy irery ihany no afaka hitondra sakafo !!

    Zavatra roa na telo no tsikaritra :
    1) Vitsy ny isan’ny mpitsena
    2) Angamba efa roa na telo volana no namboarina ny banderaola, fa vita soratra tsara mihintsy sy mitovy daholo !
    3) Mba misy « sipa kely manja » ihany ao amin’ny arema, sa dia naka mpiasahitsena ary nokaramaina ( Haotesy ) ? MDR !!!

  2. Hoy Mamy eto mijery an’i Amiraly:  » Ty moa de zahay no nandaka azy nitsoaka tany Frantsa tany, de zahay ndray ity no mandadilady mitsena azy mba hanavotra an’i Dada » de namaly ny Amiraly hoe: » Manantenà taimboraka, iza no hiatsaran lisany velatsihy eo, mpamosavy malemy io ka mahatantesa ny valin-kitsaka, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ». De io ry Kintana le LOKOMENABENAREO a! lokon-dRA e!

  3. Mba mahita zavatra koa iianao ity ry Kintana! izy aza vao mitady vola koa aiza
    no hanakaramana( Haotesy) eo ??hay mbola tsy nisy nanome azy ilay vola nitadiaviny hono.
    Mampalahelo raha izao no niafaran’i Deba an! i Xavier iny mihintsy no nideaka be tao Paris fa  » tsy ho lanin’ny
    taranaka faramandimbiny raha izay harenany ».t@ 2000 tany ho any izy io , izay koa no nahitako azy voalohany sady farany.
    Izao koa sendra mba nandalo tao Paris t@ ‘ io fotoana io.Izaho koa aza gaga fa hay iny izany zanaky Deba ????izy koa somary
    niserana ihany t@ ‘io fotoana io angamba hiteny izay fotsiny no nalehany teo fa hitany fa Tana daholo angaha ny olona teo.

  4. Mila miandry kely dia hohita ny tohiny, fa efa mivoha ny varavarana,mazava ny voalazan’i Pdt Ratsiraka Fiverenan’i R8 sisa dia izay vao hatsangana ny gouvernement! Satria tsy hafaka hanao mizana mitanila ny reny malala eo himason’ny comités internationales rehetra satria dia ho hita eo himason’izao tontolo izao ny fihetsik’i Frantsa raha vao manakana ny fiverenan’i R8.
    Izay no hatao hoe GÉOPOLITIQUE fa Modià amin’izay ianao Président Ravalomanana Marc fa miandry anao ny vahoaka ary hanetriketrika koa ny fitsenana anao!
    Ry vahoaka Malagasy mino aho fa hotonga ny fotoana fa efa mangorohoro i zandry kely…

    NDAO! ary MINOA FOTSINY IHANY!

  5. Mitady ho rangoitina koa ny Gasy no tena marina e!! mafy ny ady fa aza omena tsiny !
    Efa nampoiziko mihintsy fa rehefa ho tonga eo Deba dia mbola oeoe ihany!!!tsy mahatsiaro
    ny ririnin-dasa e!Mila vonjy ny FIRENENA fa ny sisa ho avy no aoka HITSARANA azy angamba, fa ny lasa dia momba
    ny lasa, aleo angamba hoe: mbola azo niainana t@ izany noho izao????nefa raha nitohy teo izy efa tsy ho lavitra @ izao
    mahazo antsika izao no zava-niseho, mino aho!!!efa NIROSO tsikelikely t@ izao lalana fanapotehina izao isika t@ androny.

  6. EFA NOPOTEHIN’I DEBA NANDRITRA NY 20 TAONA I MADAGASCAR ,ZAO INDRAY HIVERINA @ TSAKY POP SY HILAHATRA VARY @ 5 MARAINA,IZY AZA TSY NAHATAKATRA AIR FRANCE NTSONY NANDEHA AVION, NOHO IZANY TONGA NDRAY IZY HAMENO PAOSY RY MALAGASY AH

  7. IZAY nanao OE ! OE nanotrona azy teny Ivato dia mila miomana hilahatra menaka any amin’ny Fokontany e !
    Entre la peste et le choléra : Aleoko miaritra amin’i le TVGendrana

  8. Anga vitan’ny milahatra fotsiny ry TsimilaTGV,
    manakarama olona mifoha misy manomboka 2ora maraina
    mametraka sy mi-surveiller ny arona alahatra
    (ho an’ny fianakaviana maro an’isa).

    Izay mahitahita na mambra ny antoko @ izany, tsy reraka fa mahazo traitement spécial

  9. De mbola hangataka vola amindry zareo Indo-pakistanais (akama bonne fahiny),
    sy ny Sinoa (an’i Tgv ankehitriny).

    Apetrakay ampitokisana eo ampelatanan’ny mpitondra-tenin’ny président Ra8 ny fahendrena sy ny saina matsilo,
    fa izay ho compromis ataonareo (n’oubliez point que nous avons plus que concedé),
    rehefa tsy diso fanantenana izahay vahoaka efa liana sy sasa-miandry
    ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana
    __

    Xmas est d’ici exactement 1 mois –

    May the spirit of Christmas be within our heart throughout the new year 2012
    __

    Fa rehefa tsy mety hanao ny apaisement i Andry Rajoelina, ahoana hoy ny ohabolan’ny gasy: « na tiana aza ny zanaka rehefa manaiki-nono dia akifika »

    ADABOY ANY IO HAT UNILATERAL IO!

  10. Hiverina ve ny « volom-borona » mody atao miparitaka eo antokotany, dia ampirimina, dia haparitaka indray ny alahady manaraka ? Tantaran’ny olona izany !
    Ho avy i dada ê ! Tsy mila pesta na kôlerà !

    Miafina any « ambadika any » ny spesialista amin’ny « dinde farcie » ! Mba « mipotrà » kely ry gamara fa aza miafina â !

  11. Vazivazy sao misy aviavy eo an!!
    Ianareo kosa e!!efa mba nivavaka izy!!ary nampalahelo be ahy izy t@ ilay CORSAIR
    tsy nampaninona nareo ve izy nitaraina iny???eo dia masiaka eo daholo ireto izy!hi!hi!hi!

    Aza matahotra daholo fa dada dia hanao FIHIDITRA VEDETTE ry zareo a!!!VEDETTE tsy miditra aloha izany e!!!!
    Vedette tsy maintsy tara foana ny FIDIRANY,taiza no mbola nisy VEDETTE niditra aloha izany????

    Tsy ho maina angaha ny anay hoe!!!!Deba tonga, ny any apaosy indray no ho LOARANY koa inona???tsy aleo ve izy
    tany ihany??hay mbola hanao DO-TANDROKA @ domelina kosa izy kah!!

  12. Sao dia MANOPA kosa izany fa tsy izy intsony ray olona???iza no nampisotro malotony
    ireo Kung Fu sy namono an’i PIERRA BE????sao dia mba MPISANTOKA kosa e!!!tsy mino aho!!

  13. Ny tena mahazendana de tonga nanao oe!oe! teny koa ry Mamy Rakotoarivelo, de nandeha koa ny félicitation avy atsy Sud Af, marina daholo ireo momba an’ny Deba ireo, saingy ny fahendren’ny Deba, de nangina izy, rehefa nodakan-dRainivoanjo ambavafo, tsy mba nanao rancune, fa niaritra 9 ans, tany, jereo ry Rainivoanjo eto, namono olona aloha, de ni démission, de nandositra nanao sesitany ny tenany, de hatra@ zao mitabataba sy manao larme croco @ zandrikely, avereno ny sezako e! avereno ny sezako e! tsy mba nahay nipetraka ohatran’i Deba, ary tsy t@ RA8 ihany fa na Zafy aza efa niboty azy koa, de jereo ny fahendren’olona sy ny faharetany! tsy adala ny Ntaolo milaza hoe, zay maharitra vadin’andriana e! de mbola manantena an’i Deba hamerina azy, tsy any oa ny lakile fa any @ Zandry mandadilady! tena Ravalo eto no FOHY TADIDY ny @ zay nataony, de mody mi féliciter eo! mpamosavy milevina amoron-dalana io ry zalahy a!

  14. Fandrebirebena an’ireo tsy mahafantatra ny tantara ireny ry Alidera â ! Izaho koa dia talanjona omaly nahita an’iny sary iny !!
    Tsy fantany akory angamba izany Pierre be izany ! Tanam-polo no nitondrana ary nodarohana tamin’ny VBL !!
    Izay ‘lay atao hoe fandrebirebem-bahoaka ê ! Izao vao tena mila mailo, ary mila ny fiverenan’i Ravalomanana maika dia maika !

    MANGATAKA FANAZAVANA MAIKA AMIN’IREO MANAO KIMINISINISITRA IREO NY TENAKO ARY ANGAMBA KOA NY VAHOAKA !!!
    MPANAO PÔLITIKA EFA LAZAINA FA TSY MPANAO PÔRNÔ !! INONA FOANA ITY MITSOFOKA MIVAOKA SY MITSOFOKA ITY Ê ???? TSY MAHAFINARITRA ANAY MIHINTSY !!!
    RAMATOA TSIRANANA R. ANISAN’NY VOALOHAN-DAHARANA AMIN’IZANY ! FA INONA MARINA NO RESAKAO TENY AMIN’NY MAGRO ?
    MISAOTRA ANAO MANOKANA IHANTA FA MAHAY MANAJA TENA IANAO, ARY MBOLA MAHAY MANARAKA NY TENIN’NY PREZIDA RAVALOMANANA !!!
    ANY AMINAO KOA R’INGAHY ZAFY NO MIPETRAKA NY FANONTANIANA !!!
    SPESIALISTA AMIN’NY FITSABOINA FO IANAO, FA TSY ZAVATRA HAFA AKORY, KOA REHEFA HANAO PÔLITIKA IHANY, MBA FEHEZO REY NY EKIPANAO Ô !!!! I DADA ANY LAVITRA ANY TSY AZO OMENA TSINY !!

  15. OuiOuiOuyyyyyyyyyyy, Niherigna Antidahy BE.
    Naty tsika ty ajalahy.
    Mba mila fantatra kely tokoa ny sentiment n’i Gamara na hidôla @ Ratsy Iraka na hipètraka @ Joely fô !
    Mety ho ratsiratsy affaires nazy, mila surveiller na (MDR) !

  16. Tsy tafa ê ! Ny mediarabemensonge tsy handaitra eto !
    Anontanio ry Tsimialonjafy, fa tsy misy secret izay tsy nivaoka avy tao Nélly !
    Ny fihainam-bahoaka tsy tantaran’i Blansy nezy sy ilay 7 nehy !
    3 frères lasa 7 frères, dia ahoana no hinoana an’itony mpanome vaovao tsy marina itony ?
    Antsoy ny Delphi-Trading raha te ahafantatra tsara ny raharahan’ny 3 frères !

    Tsy « Ry Tanindrazanay malala » intsony izao no ho hira faneva ê ! Miasa mafy ny dahalo ka ho soloiko amin’ity !

    http://www.youtube.com/watch?v=MKoOyFzsFug&feature=related

  17. Merci Kintana, mbola nandeha déplacement lavitrabe ka vao niditra ny trano dia izao taitra @ fiverenan’i le mihevitra ho Propriétaire ny tanindrazatsika ity. Loza ‘zany marina mafy !
    (Tsy mandeha le video etsy ambony fa mba rgleo kely)
    Misaotra davansy

  18. ja! tsy mandeha ilay video Kintana a!jereo kely!dia misaotra dia ny mialoha!!
    iza no mba manana ilay sarin’ny mpitsena teny Ivato fa mahaliana tompoko
    azafady??sa azo jerena aiza???Ilay fitsenana an’i Deba omaly raha misy manana????

  19. Zay oa! vao maika mavesatra ny ady, fa mamely a’i Deba sy Zafy ndray eto, de hitoka-monina ohatra ny boka no hihafarana! tsy oe ane ianao rery no manana ny marina, ka olona iadianao sy miady aminao de diso daholo, hita eo foana ny lesoka sy ny petakorona,tsy crédible intsony oa, lalaovin’ny olona sisa, hanaovany scène kely eny @ magro, de mibitaka kanefa ny sainy any @ sezany, chance ane zany mba mandalo kely minisitra izany fa hadalan’izay bado e! mino aho fa tsy ny caprice n’zay very seza eo intsony no hotanterahan’izy ireo, fa ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko azy. Mila mibosy kely aloha ry kintana a! de mila manao méditation sy autocritique, sinon lasan-ko vavany ohatra ny siny gôka fotsiny e!normale ihany aloha ny réactions nareo eto fa nangalarin’ny Deba ny vedety, de mialona kely e!

  20. « On ira tous au paradis » an’i Polnareff io ê ! Hi hi hi !
    Tsy tadidinareo angaha ny hoe :
    Qu’on soit béni ou qu’on soit maudit
    Toutes les bonnes soeurs et tous les voleurs
    Toutes les brebis et tous les bandits
    ….
    Avec les saints et les assassins
    Les femmes du monde et puis les putains
    etc….

    Il faut de tout pour faire un monde de …. Ary ity ? Raha tsy mandeha dia tsy haiko indray ry « femmes du monde » isany, fa dia miala tsiny aho !

    http://www.youtube.com/watch?v=MKo0yFzsFug&feature=related

  21. Kintana!!Misaotra @ ilay hira! mampatsiahy ny fahiny!
    Mbola eo ihany angaha ianareo sy Rabe? Tsy ohatry ny manopa ve ity resakao
    fa fitiava-tanindrazana kosa Rabe a!Mba mijoroa @ hevitrao fa mamotika sy mivarotra aryMANDROBA no
    hataonareo eo fa tsy MITIA TANINDRAZANA IZANY a!!aleo indray aloha hisarigaigy @ Rabe, dia aza manoratra
    be dia be fa izaho tsy hamaky intsony indray aloha,fampahatsahivana fotsiny sendra nitsipelika ny masoko fa mba fohi2
    ilay soratrao fa VITA Kah! VITA TOMPOKO!!

  22. Chance ê, fitiavan-tanindrazana ê ! Tsy olona mivadi-dela isaky ny maraina vaky izao no azonay hianteherana !!
    Izay no tsy mampitovy ahy aminao mpanohana an’ireo mpanongam-panjakàna ireo, voalohany.
    Faharoa, olona tena mitady izay mahasoa an’io Firenena io no tadiavinay sy tohananay eto atramin’ny farany ; olona manana jery lavitra dia lavitra fa tsy olona mitady izay hahafeno ny paosiny !
    Ny Prezidà Ravalomanana no mbola voalohany nanana an’izany fomba fijery izany, niaro an’io Tanindrazana io mba tsy ho voazanaka indray, rehefa tsy pôlitika dia ara-ekônômika !
    Kritiker-na daholo izay kely vita sy foronona daholo izao atsanga tsy aman’orana izao fa tsy dinihinareo ny ataon’ireo TENA MPAMBOTRY NY FIRENENA IREO !
    Ataovy jery todika na tadiavo ny tantaran-dry Aziz Ismaël, dia inona no tena mba tombo-tsoa azon’ny vahoaka malagasy ? Iza no nanome alalana ho azy hametraka ny fohibe-ny any Maurice ?
    Maninona ireo gasy miseho azy ho be vola ireo tsy mba nitambatra dia mba ni-concurrencer an-dry Colas ? Ny manam-pahaizana momban’ny TP ve no tsy misy !
    Ny an-dry Ravatomanga, mametsifetsy ny gasy no mahamaik’azy ! Lazain’ny sasany moa fa mamono mihintsy moa raha mibahana ny toerany !! Mpanao bizina tsy mazava, mbola omena toerana ao amin’ny Air Mad ; oron’asa izay tena potika anaovan’ny potsista azy, miaraka amin’ny karana !
    Araky ny teninao rabe, tsy omena tsiny ny karana fa ny azy vola ihany ny azy no tadiaviny, toa ny anareo : Seza ihany !!
    CHANCE MARINA IO !!!!
    Jaloux, aigris, haineux, sans ambitions patriotiques, etc..Izany no akamanareo !!

  23. Fa hono ouà ? Iza no nitantana an’i DEBA nidina ny Avion ? Tsy raharahabe ve ny nidinany ?
    Mba omeo sary raha misy manana !!!

  24. Ianao ve Baby tsy mahafantatra an’izany hoe sefo-deba izany ê ? Olona tia « sinemà » anie izany ê ! Mody mangozohozo izy, dia mitsetra daholo ny olona hoe, avelao izy ry zareo hody fa efa miandry azy angamba ireo razany any Vatomandry ê !
    Mety nihinana « fortifiant » koa angamba ê, na nasiana « ressorts » teny amin’ny sandriny roa raha nanao paompy izy !!
    Fa dia mbola matanjaka ny anao lahy ! Tonga an-tanindrazana dia sitrana sy VELOM-BOLO !!
    MDR !!

  25. Ka le sariny tamin’ny herintaona ange ka tena Grave e ! De lasa tanora tampoka indray zany, nanao Mikaely Jakisaona ? MDR !

  26. Kintana,
    Fantatro tsara ilay oe « chef Deba » ! Ilay aide chauffeur mody manao tara dia avy eo mi-sôty miakatra @ taxi brousse « Mille kilô » mi-empocher ny volan’olona ! (Tapaka ny tsinaiko)

  27. Bezaoro daholo !

    Ialako tsiny aloha, miala satroka, miala fondro, …tsy hanao mpitovo hananatra ny hendry fa mba manome ny hevitro fotsiny !

    Tsy aleo ve mba mijery izay hiseho aloha vao miseho ho manakana ny « mety » ho firaisan-kina ?
    Raha nikabary teny Ivato Dadabe dia nilaza fa Mety ho direction collegiale » no ho proposer-ny !
    Marina fa tsy misy manaporofo amin’izao fotoana fa tena madio tokoa ny sainy milaza fa ny « mifamela » no hitondràna ny baolina.
    Amiko, dia tsara aloha ny mijery izay mety hiseho sy mety ho hataony ! Tsy misy mahalala izay hivoaka rahampitso, na hiys ny fanaovana vali-faty na tsia, fa dia VOATERY miankina amin’izay lazainy aloha.
    Ka raha araka ny filazana nataony teny Ivato dia « teny hifampiaràna » no tsinjovina sy ho atao, ka tsy hitako izay maharasty izany, HATRAMIN’IZAO aloha, fa izay hiseho ao aoriana no tsy fantatra.

    Ny mety sy tsara angamba dia ny tsy dia mifanaratsy loatra, na manenjika avy hatrany fa dia samy miandry ny rariny eto. Samy mpanao politika daholo ireo, ka isika mpitazana mitondra ny hevitsika, nefa tsy mahalala izay tena hiseho. Ka amiko, dia aleo milamina, aleo miandry izay mety ho fandehan-javatra « atsy ho atsy », na manana ny marina na tsia.
    Ny avy dia managana rindrina no heveriko fa tsy mety loatra e!

    Toa manangana ady eo amin’i Dada sy Deba ny fanaratsiana avy hatrany ny iray amin’ireo. Efa tonga izy, ka anjarantsika ny mailo, sy manaraka izay miseho, sao voapoizina toa ny Conseiller-n’i O.Beriziky koa i Dada.
    – Qui veut aller loin, menage sa monture : izay no tarigetra angamba amiko.

    Ny ahy kosa ny tiako lazaina dia izao :

    Voa poizina ny Conseiller n’i Beriziky…..Tsy voalohany izao fa vao niditra ny fitondràna i TGV, dia nisy ireo voapoizina. Tsy haiko izay nanao azy fa,
    Olona roa no hitam-poko fa voapoizina :
    1) Rajaonarivony Narisoa (Ancien Ambassadeur tao Pao Paris
    2) René Modeste izay DG tao amin’ny MinFinances t@andron’i Ravalomanana.
    Tsy mba nisy explications na enquetes momba ny fahafatesan’ireo, fa dia maty dia nalevina. An-koatra ireo nisy miaramila koa izay noazaina fa narary.
    Izaho tsy milaza fa i TGV no nanao izany, fa Tompon’andraikitra izy tamin’ny andro nahafatesan’ireo.
    Koa raha ho avy i Dada, enga mba ho fadiany ny fifandonam-bera e ! Tsy hita fa misy tokoa izao ny MPANAPOIZINA, ary misy koa ireo mikendry ny hamono azy tsotra izao.

    Mailo ianao ry Dada !!! ary Tongava soa !!!

  28. Fa mba inona hono no nanaovan’i Dadabe paompy e ?!!!
    Raha ny hevitro dia milaza hoe
    – « Miomàna ianareo fa hisy sport, satria tonga aho  »
    – « Preparez vous, il va y avoir du sport  »
    Tena tsy mapme ô ???!!!

  29. Mba alaivo an’ eritreritra fotsiny :raha ianao izao 9taona tsy NAHAZO nanitsaka ny taninao???
    (izaho aza ity vao 2 taona efa manaintaina be ihany) dia toy izay no fihetse-pon’i Deba raha
    somary nanao FIHETSIKA izy t@ fahatongavany, HAFANAM-PO ny azy ry Njara a! avelao aloha ny rehetra samy hanala
    ny fony dia ho hita ny HAMINTINANA ilay resaka avy eo.Ny hisavorivorian-kilatoana hoy ny taolo izay. tsy manohitra ny teninao
    aho fa izay no fahitako ilay fandehany aloha.

  30. Faly mamaky anao babyfoot!

    I P.Rajaonarivelo hono mieritreritra ny ho any addis-abeba hanazava amin’ny CPS ny toe-javatra misy ao Mada.Oadray!izany no atao hoe:mitonantonana ohatran’ny vinantolahy tsy mahare fosa.Tokony ho mailo ihany isika legalista sao indray ny andry zareo no tonga aloha.

  31. Araka ny hevitro,
    – ilay antony nanaovany pompe ve karazan’ny défi @ Zafy (sportif be ange i Albert, zokiolona amin’izy telolahy nefa toa tsy hivokoka mihintsy kou)!
    na kou:
    – ny masoko no lazon’ny taona hoy izy, fa tsy ny membres sup sy inf!!

  32. Ary ny mambra santraly, manakory ? MDRRRRRRRRRRRRRRRR !!!!

    Jereo aloha ry HoAiza ao amin’ilay sujet nasianao resaka MyDago â ! Aza dia akifikifiky na takonana hoy aho ny kintana manondro lalana ê !! Tsy ho apetrakao eo an-tendron’ny sapin akory ato ato raha izao no mitohy !! Hi hi

  33. Bemafohy, Kintana, Ranavalona, HoAiza etc.
    Raharahabe ity mahazo ny tanindrazana ity fa dia aoka ho samy mailo isika rehetra. Amiko aloha dia tsy mankaiza ireo e ! N’inon’inona ataony dia « Tsy lasa » fa Gorodao Rota !
    DADA iany no arbitre sy tompon’ny Sifilé !
    Origé daholo ireo fa aza misy taitra, tsy maintsy ho avy ny tirô bity !!!

  34. Maromaroa ny olona toa anao eto ry Njara! izany ny olona misaina sy mahatakajavatra ry Rana sy Kintana a! omeo lesona tsara ry Njara ireo manao sainjaza ireo a! tsy de tiako ny mifamaly resaka @nareo ry Rana fa zaza fisainana a! tsy manintona ahy ny fisainana mirefarefa e! tsy mitovy niveau oa! efa nolazaiko an-dRana ny antony,fa tsy voatery hamaly ahy ise, ny ahy hafa ny zava-kendreko eto! fa ny marina de tsisy havaly ianareo e! de aleo Njara ihany ny manoro ze tokony ataonareo! bye!

  35. Taloha no nisy famahanan-dalitra lava fa tsy izao intsony e!ampy izay !
    efa traingo daholo ny nafenina sy ny PAIK’ ADY rehetra fa sy msy hivarotana saka be loha intsony eo.
    Na iza hikopaka sy hanavandra eo Dada ihany no lakilė! horakoraka ny an’i Sahona fa saobakaka ihany
    no tompon’ny rano.
    Izahay izao dia tena anisany voa mafy mihintsy t@ andron’i Deba @ ilay hoe FANAGASIANA sy ity SN izay
    nasaina nampianatra teny @ CEG nefa ireo SN dia BAC novidiana daholo, laozandry zareo SN manolana
    mpianatra fotsiny, mody manao fitsangatsanganana izy, dia izay mety kaotiny koa dia hafindrany kilasy ny dia
    tsy mahazo moyene aza.
    Toa tsy hitako akory i Njara miresaka aminao izany ???

  36. Avelao izy hiresaka amin’izay tiany ê ! Misikotra no andehanany eto, fa rehefa zéro moa ny olona ato, tsy hitako izay hidirany ato !
    Isika mbontolo daholo fa tsisy quoi ! Santionany amin’ny elita amin’ny lafin’ny pôlitika sy ekônômika ireny, saingy avo laotra ka tsy hara-tsika !
    Mitovy amin’ireto mpanao pôlitika mihiditra sy mivaoka ireto, ka akory atao !
    Isika terre à terre ihany, le bon sens paysan ihany, ary samy avy any ambanivohitra daholo no fihaviana !
    Ireny ‘lay tonga dia teraka teny Andafiavaratra angamba, sa Mahazoarivo ?
    Raha mba fantatrareo mantsy ny zavatra nolazain’ny olona tamiko androany, dia aoka fotsiny !
    Hifankahita eo daholo ê ! Izay voa manondidina, ka asa na ny mpanao pôlitika na ny vahoaka nolazaina fa mijaly, ka nanaovana an’izao famotehana izao ?
    Mbola hitraotra ny vahoaka !!! I ranavalona efa mahay mitana bazooka ihany !! Sa…?????

  37. Mazava ny message ry TSITIATGV a! tsy mitady kil an’iza n’iza aho! fa fomba fijery mazava fotsiny ireny, ary tsy vao androany aho no niteny an-dry Njara sy Rakotomanitra, ireny, fa tsy tahaka anareo mpanao totonombibory fotsiny, de lany fifosana sy fitenitenenan’olona no betsaka eto, bôrdelika be e! tsy SIT mitolona ho an-dRA8, fa sit miantso fahavalo, izay no hanomezan’i Njara kininina anareo eto de lazaina fa mijabaka @ Foza izy, kanefa le tena vrai lutteur! hatramin’izao de mbola tsy azonareo foana ary tsy ho azonareo mihitsy oe iza marina Rabe? aza mba tratry ny complexe r’ise ry Kintana, fa mbetika ambony, mbetika ambany! mijere zavatra @ maso tsy miangatra sy @mpahitsiana fotsiny, de manaova autocritique de hilay be nareo, fa aza bandes de BOLOKY oa, haine lava io no averimberina eto! ho tapaka lalandrà ane no hiafaranareo e! Salut!

  38. MikaHely DrakySon amin’ny Fortifiants?

    Tena maharaka ny film fijerin’ny zaza kou ity km an: ressort ê, …

    De mba nanjavona aiza ity DrakyDraky ry Baby? Sa nanaraka ny dian-dra tompokovavy Gisèle izay nodokafany fatratra teto

  39. Raha fiarovana mpanongana aloha dia ao izy ê ! Dokotera essy potsisma !

    Ka film inona izato lazainao ? Inspecteur gadget, Goldorak, Batman sa Power rangers ?
    Inspecteur gadget no misy resaoro ! Hi hi
    DrakyDraky sa Betsabetsa, naman’i Baby sy GBD !!!!

  40. Tsy asiana resaka be fa ny zavatra tadiaviny, dia izay hahalefy ny tolona !
    Se permettre de donner des conseils aux légalistes, et critiquer autant le seul président élu jusqu’à ce jour ; contradictions n’est pas le mot, ineptie conviendrait mieux !

  41. Aoka re izay blablabla, homany ny vahoaka avy any amnaivohitra rehetra sy ny any amin´ny provinces rehetra, ataovy manetzriketrika be ny fitsenana aní dada.

    Andao aparitao ny tononkira dia andao hano repetition , ilay
     » RAVALOMANANA no hitondra antsika Tikao i madagasikara ».
    aiza i Bodo ihira .aiza i Jerry marcoss. 2 Samy mafoaka  »

    asehoy fa i DADA ilay Mahery ,mba ho hitanízao tonotlo izao, fa izy no ilaintsika vahoaka . Avereno izy amin´ny Toerany ,hajao ny safidinay.

  42. HoAiza, Kintana,

    I DRAKY DRAKY ange ka efa antitrabe t@ eritaona ka angamba efa any @ maison de retraite ka tsy maharaka rythme ntsony na leo ny hadalan’i TGV tsy nahazo reconnaissance de nanipy tablier.
    I Gamara aza tsy hita intsony zay nalehany

  43. Si on ne reste pas dans les caricatures! c’est l’avenir de notre nation qui est en jeu!
    il faut chercher des solutions et ensemble!

  44. Draky Draky efa fahanana, ao amin’ny maison de retraite-n’ny mena sofina ao Antsirabe !

    Dien’izao koa, dia efa mba amboary, ataovy milay ny banderaola ê ! Isika koa mbola mahavita azy lavitra no ry be mena ê !

    Tsy hoe antomotra kely, vao hikoropaka !

  45. Efa naheno vao2 ve ianareo fa toa hiditra @ ‘io fitondram-poza io daholo ihany
    anie hono ny ankolafy e!!izany hoe hanaiky, efa vita ny famindra-pahefana rehetra.

  46. et la diversion à la française continue, on fait tourner le peuple comme une toupie juqu’à l’étourdissement total.
    C’est bien cherché comme arme quand on voit la faiblesse de l’esprit des malagasy.
    on dirait que ce peuple est capable d’avaler ce qu’il a vomi (ratsy iraka), d’accepter de se faire violer leur choix (Ra8), de se plier, se courber face à un cancre ( rajoely).
    DU JAMAIS VU SUR TERRE.
    QUELLE HONTE

  47. Sady ry zareo indray anie no toa be vava ery e!!izany hoe: ny azy no hataony tonga aloha,
    miseho ho mamalivaly biraingina ery!!efa hita mihintsy fa FOZA na ny fomba fiteniny aza.
    Efa somary miodina ihany ilay resaka @ FIVERENAN’i dada.Tsy misy azo hatokisana intsony oah!!!
    I MEME koa nilaza fa  » raha hiditra ao @’io fanjakana io ve izy tsy efa taloha …….. »teo @ MAGRO t@ fotoan’androny.
    dia io koa izao no mody lazain’i RAVATOMANGA.Maty aho e!!!fa loza inona re e!!!!!!!!!

  48. TsimilaTGV,Kintana;

    Azonareo eto tsara zay tiako hambara rehetra teto, saingy modiana tsy raisina na de marina aza, ary raha légaliste izany efa nilaozan’ny toetrandro, fa ny TIM ihany no nandrava ny TIM, légaliste ihany no handrava ny légaliste, ary ny trois mouvs ihany no handrava ny trois mouvs.
    Tsy marina ihany koa le hoe Ravalo ihany no Président voafidim-bahoaka, fa tsy izy irery akory no niatrika fifidianana hatramin’izay nahazoana ny fahaleovantena izay,de tianareo aseho anay eto foana ve hoe: tsisy afatsy Ra8 e! Fanatika loatra oa ka na de ny hiatrehana adve aza tsy fantatra intsony. Zay le oe, tsy mahalala biby afa-tsy ny sahona, de rediredy no betsaka e! za koa ry Kintana tsy manana pouvoir be manao ahoana ka haharava organisation atsy na aroa, teny atsipy any am_pon’ny misaina sy izay. Fintiniko farany ny zay tolokevitro mba hampahomby ny tolonareo, de tsisy afa-tsy ny fiverenan’ny dadanareo any Dago @m-pahendrena tsisy korontana, mitovy tsisy valaka an’io fodian’ny Deba izay tsy naninona anareo mihitsy, rehefa nazainareo niala an-tanindrazana. Fa tsy io barofo sy forcing lava io, zay vao maika handetika azy any am-ponja fa opay aho fa na i Zafy na i Deba de mbola miandry azy koa! Deba ane goaika e! efa nilaza taminareo aho, de zao no lazaiko anareo, asainy mody Ravalo hiatrika sommet des 4, mazava ho azy fa Andry tsy hanaiky handray anjara de hisambotra an-dRa8 miampy ny miaramila, de hotsaraina sy ho gadraina Ra8, hifamono ny mpomba an’i Andry sy Ra8, ny iray migadra,ny iray ho perdant, de iza no mahazo aina, ny Deba aloha vao Zafy, io le averimberiko foana hoe( causes côtières),ka na de ho perdant aza Zandrikely, Ravalo no mahamay, fa tsy ho possible, ary tsy ho possible, raha Zafy zany na Ratsiraka no hamerina an-Ra8 au pouvoir, io le lazaiko anareo foana oe aza mandrevirevy, fa Rajoelina mbola manana chance be hilatsaka ho fidiana, de na ny légaliste, na ny magro, na ny GTT de olona MAMO SY DONTOMPANTSY daholo! tsy haiko, mba nisy nametram-panontaniana sy nanao autocritique ve nareo rehetra voalaza ireo, @ tsy fahombiazana hatramin’izay 3 taona izay e! ataovy ao an-doha fa Rabe tsy ratsy saina @mpiray tanindrazana @miny, na de tsy mitovy fomba fijery aza, fa nareo mitsy no SAGNAGNA sarotra atoro. De andraso eo Paoly, ary mijabajabaha @io sommet des 4 zay tsy hahomby io, fa jereo io mody mahabonaika be sy mitady fihavanam-pirenena an’i Amiraly mena io, fa mody amboadia mitafy odi-janakondry io, ary tsy mbola avoakany @nareo le griffes tena vraie nature ny, fa mbola ho hitanareo ato ho ato ny valifatin’ny nandaozany ny tanindrazany 9 ans izay, toy izany koa Zafy, fampihavanam-pirenena no marque de fabrique, kanefa jereo hatrany ny fiaingany. De tsy misy @nareo ireo ve mahatakatra izany? politika oa io, haute politique e! aza mba sagnagna sy tsy mino olona foana oa, de tatazo ze ho vokany e! de io no mampiasa loha anao ry TsitiaTGV, de lazainao milaza zavatra contradictoire aho, fa ianao io mitsy no tena sagnagna tsy mahataka-javatra sy manao zay tokony hatao! ohatran’ireny mamo jamala be ireny, domina mafy @ lohany vao maheno marary kely! tena GAGA AHO OA hoy le hira e!

  49. Tsy novakianao sa tsy azonao ny zavatra nolazaiko tamin’ny maraina ( 10h56 ) ry ranavalona ?
    Fanontaniana napetrako ho ireo izay « nihiditra » kanefa « nihiditra sy nivaoka » omaly, sady mbola nanome fanazavàna !
    Esoriko indray ilay resaka momban’i Ihanta fa dia toa nihiditra koa izy !

    Tsy afaka noresahana TETY IVELANY VE IZAY RESAKA NATAO TAO ??? Izao lazain’ny olona fa efa mandroso ny Tetezamita, kanefa ny zavatra tena goavana tsy TANTERAKA !!!
    Iza no black bass (y), iza no malemy loha fa dia jonoin’ny olona amin’ny kely foana ireto izy ?

    jereo ao amin’ilay video misy an’i Ruffine ny zavatra nolazainy omaly, dia ny fanambaràna nataony androany !

    Fanaovana tsinontsinona an’ny PREZIDA RAVALOMANANA IZAO !!

  50. IZAHO EFA LAZAIKO FA TSY TIM ! ATAOKO FOHY MBA HIDITRA AO AN-DOHANAREO ry rabe !

    Miaro ny ara-dalàna aho, ary maneho izay zavatra hiriako sy tokony ataon’ny malagasy !
    Tsy hoe izaho no manana ny marina rehetra, fa zavatra LAOJIKA NO VENTENSIKO ETO !!!

    Ohatra :
    Patrick Rajoelina sy Andriam..zoviana ou je ne sais pas quoi ! Raha ireny no atao hoe olona nianatra sy SPECIALISTES EN DROITS, dia tsy mahagaga raha potika ny firenena !!

    Safidim-bahoaka tsy maintsy respecter ! Point Barre !
    Ravalomanana no nahavita betsaka, ka na inona na inona erreur kely nataony ( et encore ), tsy maintsy tohanako izy hoy aho, fa tsy EKEKO NY FANONGANAM-PANJAKANA !!!!
    Raha mbola ho tany koa ny tany, ka mbola misy olona tahakanareo izao ( genre Ratsirahonana, ou opérateurs économiques aigris sady INFORMELS TSY MAMPIDI-BOLA HO AN’NY FIRENENA NY ANKABEAZANY ), tsy hilamina mandrak’izay ao Madagasikara ao !
    Tsy manakivy ny rehetra ny tenako, fa izay no fandehany !
    Côte d’Ivoire de l’Océan indien, na Congo !

  51. I Ravalomanana no mbola Président nofidian’ny vahoaka JUSQU’EN 2012 ! Ahoana no tsy maha marina izany ? Tsy nisy niresaka teo hoe, izy irery no niatrika fifidianana !
    Iza no nifidy an’i domelina ho prezidà ?

  52. RAVALO arrive par le vol air force one20 demain à 10h;il effectuera 360 pompes et sera accueilli par Andry sy Hery ;parmi les absences remarquées, celle de Mamy Rakotoarivelo et Manandafy;une reception aura lieu à Tsiafahy,lieude residence des voleurs et assassins

  53. Izay vao novakiko atramin’ny farany fa dia mankaleo ilay fanenjehana !
    Fa mihevitra angaha i rabe fa tsy mbola tao an-dohan’ny olona izany rehetra izany ? Na marina izany na tsia, olon-dehibe ray aman-dreny (hono) ry zareo, dia izay no nanomezan’azireo andraikitra sy adidy lehibe !
    Raha nanao forcing i Ravalomanana, efa ela no niverina ! Hita hoe ny soan’ny firenena no mbola tsinjoviny, fa ny vahoaka kosa tsy hiaritra ela, FA MILA AZY !
    Ny hoavin’ny Firenena no eo ampelatanan-dry zareo, dia ho hita eo izay Tia Tanindrazana sy Mpandainga ary Tsy Mahatàna an’izay toky nomeny !
    Ho hitan’ny vahoaka malagasy eo izay TENA MPANAO RATSY ! Raha mety aminy, inona no olana raha vonona ny hifika taolan’izy ?

  54. Kintana
    Mihazakazaka be ianao ka tena tsy harako mihintsy, raha tsy io hariva t@ vao2 io dia
    tsy fantatro mihintsy, ary zavatra tena TSY NAMPOIZIKO velively ilay izy no tena marina e!!!

  55. violé hoa le vahoaka e! voavetaveta hatramin’ny tsinay maintiny, tsy mpanao politika izany no eto fa makorely kelim-bazaha daholo ireo, ny vahiny no pitarika azy proxénètes.
    izany no tsy tafodian’i Ra8, izy irery no sady tsy makorely no madio saina.
    un contre tous ve ?

  56. Misy fahamarinany ny anareo, fa izao ê ! Mbola misy ihany koa ny olona madio saina, mbola mitady sy mitandro mafy an’izany Madagasikara iray tsy mivaky, ary tan-dalàna izany !

    A coeur vaillant rien d’impossible !! Mais il faut se préparer dès maintenant, à un grand nettoyage et surtout, A UNE GRANDE CAMPAGNE DE SENSIBILISATION ET D’EDUCATION, AU SENS LARGE DU TERME !

  57. TIM na tsy TIM, na mpomba na tsy mpomba ianao ry KINTANA, amiko defa namaly anao aho fa Rainy ihany no Voanjo! de ho hita eo ary, fa ny mapme de tsy norefesinareo mihitsy zay halavana 3 taona izay, ary ny tsy fahatsapanareo hoe mandeha ny fotoana, de mbola erreur be iray koa. De mijanona eo e! ny olona tsy miandry de ity angamba sisa no azo hamintinana azy fomba fiteny frantsay iray zay adikako @ teny gasy ho hain’ny gasy rehetra vakiana: « MANDALO NY LAMASININA(TGV), MIVOVO NY AMBOA » miala tsiny fa tsy manalika na iza na iza, fa fomba fiteny mahazatra io! de aleo ny ho avy no hitsara e!
    Lany fika ve ry TsitiTGV a! tsy zakan’ny tsenanao oa Rabe!

  58. RABE : Votre devise du jour sera de laisser vivre les autres et de ne pas insister pour qu’ils changent d’AVIS. On ne change pas les gens d’un coup de baguette magique, les pompes de celui qui vous a payé n’y feront RIEN !!!!!!!!!!

  59. tenenina foana ry rabe mba ts handany rora @ reo alika reo fa e!e!
    jereo ity ataony fa ry mamy sy ry zafy indray no nilelaka ny olona naongany t@ 2002 sy 1991.
    ohatry ny marina kosa aloha ny teninao ry rabe hoe de evelan’deba maina oftsin @ zao ve reny nanovan’ zafy sy rav8 azy reny??? asa aloha izy angamba no afaka hamaly an’zay.raha iza aloha ts havelako ho viata mora e! @ fitsenana an’voanjo zao no tokony hatao mahoraka be. mila mihetsiketsika ianao ry AV7 manetana ny olona miaraka @ zavamaneno fa hakotrokotra n fitsenana azy

  60. mba ataovy mahoraka ry tim ray lavaka refa ho tonga i voanjo fa ts atao mangingina be ohatr’reny guiy rivo & tojo reny. zahay koa mantsy maba hande hitsena azy eny ivato sy hiarahaba azy tonga soa ant-tanindrazana. hi!hi

  61. Tsy zakan’ny tsenanareo ireny e!!!mbay tany fa mantsina !!!
    Mbola misy olona miandry ny volany taraiky ao Ivato ao fa mba
    vonjeo any kely e! tsy voaloha hono ny vola nanakaramana azy ireo HIOGAOGA teo,olona manana ny
    HAJANY AMBONY IRENY NO MBA HIANARANA miAnakendry!!!ha!ha!ha!!!hany ka voa roa ohatry ny
    akoho hi!hi!hi!!ny tratra mangana ny vola tsy azo ho!ho!ho!!esy aho ry foza e!!!!!!Pattes jaunes sisa mihazona e!!!!!
    Nihovitrovitra be angaha ny FIGADONY????ireny ny anay MILAY fa tsy foza orana .

  62. Manaraha vao2 any @ Madagascar-tribune anie, fa any ilay raika lahy toa an’i Draky2,
    no manao sangodim-panina @ arguments illogiques rehetr’izao, dia tsy iza izany fa: pseudo Iarivo. (toa manamarina hatrany ny vinavinako hoe « Voakaraman’ny Indo-pakistanais » io raika lahy io)

  63. Jereo gtt.org fa efa hanaovan’i foza antsojay sahady ny zanak’i dada.
    Dia izao ve mbola hiditra ihany ireo ankolafy mpandala ny ara-dalana???
    efa tsy izy intsony izao marina e!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *