Akaiky ny fara andron’ny FAT

IMG_0118

Mbola tena henjana hatramin’izao ny tady eo amin’ny polisy sy ny mpitsara, noho ny famonoan’ny polisy tamin’ny fomba feno habibiana  ny mpitsara iray tany Toliara iny. Saika mikatona avokoa amin’izao fotoana izao ny fitsarana rehetra manerana an’i Madagasikara.Tranga tsy fahita eran-tany izy ity, nandritra ny 12 andro aty aoriana namonoana ilay mpitsara, tsy mbola nisy na dia iray aza voasambotra ireo polisy nahavanon-doza.

Ny tena nampivarahontsana amin’ity raharaha ity dia « mifampiaro ny ratsy », mifanohana ny herim-pamoretana, vao omaly no omaly ny Jeneraly « baomba » no nilaza fa « matihanina » eo amin’ny asany kanefa dia namoaka ireo voarohirohy noho ny filazany fa tapitra ny 48 ora fitazonana azy ireo.Midika io fa tsy faly amin’ny fitokonan’ny mpitsara ny Zandary.

Vokatr’ireo dia tsy sahy mandray andraikitra henjana  Rajoelina, isan’ny nanampy betsaka azy tamin’ny fanonganam-panjakana manko ny Tafika Malagasy, ailin’i Andry TGV any amin’i Beriziky ny andraikiny.Ingahy Praiminisitra indray anefa toy ny angady tsy sahy mahatapak’ahitra hatrany.

Miitatra toy ny sima misioka ny raharaha ankehitriny, manohana ny fitakian’ny SMM ihany koa ny mpiasam-panjakana ambony rehetra ary hanao fitokonana iombonana amin’ny Alakamisy izao.

Ny minisitry ny filaminana anatiny no notakiana nesorina tany amboalohany, ankehitriny  efa Beriziky sy Rajoelina mihitsy no ilaina mametra-pialana.Tsy vitan’izy ireo ny mandamina ny fiainam-pirenena, ny tena mpitondra marina dia sahy mandray fanapahan-kevitra entitra amin’ny tranga manimba ny fiaraha-monina, tsy asiana kian-trano an-trano, tsaroana etoana ny fomba nitondran’ny filoha Ravalomanana ny firenena , tsy misy ambonin’ny lalàna, na ny namana akaiky aza rehefa manao ny tsy mety dia saziana.Ho tazanintsika « Boaikely » raha ho sahy handray fanapahan-kevitra toy izany.Ny vava no tsy atao be hoy ny Ntaolo ny mamerina azy no tsy zaka e !

30 pensées sur “Akaiky ny fara andron’ny FAT”

  1. Ary aiza i zanakisoa no tsy re tsaika sa mbola mmahana poizina any ambadimbadika any
    kala mpamosavy iny??Sa tsy misy hidirany izao raharaha izao??

  2. Ry zareo!misy antson’i Njara iny milaza fa izay maniry ny hihetsika miaraka aminay dia mba iangaviana mba hamela Mydago hanamora izany fifandraisana izany.

  3. Tokony miala eo@fitondrana tgv sy ravalo fa tsy mamely,olona roa mifampialona ka tena maha ratsy vitany ny mada,ratsiraka 20 ans ny teo tsy misy vaholana mafy haotran’ izao,izy roalahy samy arriviste daolo dia tsy misy mafohy fitondrana fa samy be fan ry zareo neny ravalo tena misy lasa adala sasany sady nafohy ny aina neny tgv koa ,tena mitovy izy roalahy e!!! raha miala eo tgv ka miditra eo ny tim dia ny eo ihany ny eo satria tsy maintsy anao hoatrany nataony equipe ravalo koa ny tgviste dia tsy milamina intsony mada.Chacun son tour à chaque fois.Aleo olona hafa dray tokony mitondra ohatra Patrick raharimanana,rajemison rakotomaro sns…betsaka ny olona vaovao sady mbola tanora.

  4. Io koa fa lasa » Ratompo ,indray koa!!!hi!hi!hi!!MIAKAPOKAPOKA VE e!
    ireto misy anarana sao mahasoa anao io ohatra?marary saina,mivika,
    ramora,moaka,befialonana, very kapoaka,very fihinanana,ory havamanana,bezizo,mpandainga,mpankahala.
    Te hanankarena ohatra an’i demelina be ve e???miankohofa @ devoliny dia vita e!!
    Dia mba mahaiza misaotra!

  5. Tsy haiko hoe maninona fa efa nasaiko nomena anao sy Njara ny adressiko.
    Dia ho jereko indray io ary.
    Tsara mandry ary Bemafohy a!

  6. Malalaka ny fitenenana,Ratompo..
    Fa ny teny dia tokony entina milaza ny marina sy ny seho na tranga mety hiseho sy ho avy eto M.kara
    Raha tsy izany dia revi-gadra..
    Koa raiso ny angady dia hatmbohy y fampielejan-kevitrao ho amin’ny fifidianana izay mendrika , sy mahay mitondra ny Firenena sy mampandroso ny Tany sy ny Vahoaa.
    Akoatr’io fifidianana io dia resaka tiana hateza…
    Tsy fotoana fitenitenenam-poana oizao !

  7. Malalaka ny fitenenana,Ratompo..
    Fa ny teny dia tokony entina milaza ny marina sy ny seho na tranga mety hiseho sy ho avy eto M.kara
    Raha tsy izany dia revi-gadra..
    Koa raiso ny angady dia hatmbohy y fampielejan-kevitrao ho amin’ny fifidianana izay mendrika , sy mahay mitondra ny Firenena sy mampandroso ny Tany sy ny Vahoaa.
    Akoatr’io fifidianana io dia resaka tiana hateza…
    Tsy fotoana fitenitenenam-poana izao !

  8. Ny fara andron-dRavalo no efa akaiky raha zohina ny marina sy ny zava-misy, satria araka ny vaovao azo antoka avy any Afrika atsimo, vaovao nambaran’ireo olona mifampikasokasoka akaiky amin’ny fiankavian-dRavalo, dia tena mikiky an-dRavalo ny adin-tsaina sy ny hakiviana. Efa in’efatra izy no saika namono tena, fa tratran’ny vadiny hatrany. Mpiandry telo avy eto Madagascar no nafarana mba hanalana ny devoly manavesatra ny lohany. Tsy fantatry ny gazety malagasy moa izany toe-javatra izany, kanefa zava-misy izay tsy takona afenina ho an-dry zareo malagasy mifanerasera amin’ny fianakavian-dRavalo. Ny fantatra dia nanome ultimatum ny lehilahy fa raha tsy tafaverina eto Gasikara hatramin’ny faran’ny taona izy, ary raha tsy averina aminy ny fahefana feno hitantana an’i Gasikara, dia hotanterahany ny famonoany ny tenany ary tsy hisy afaka hanakana azy amin’izany intsony amin’izay! Pauvre Valo!

  9. VAOVAO APARITAO

    Ahoana indray ireto RASTA mitady hiditra antsokosoko ao aminy ROVAN’AMBOHIMANGA ity.

    Saika hiditra antsokosoko hanao inona.Sa sanatriavina mitady handoro indray ny ROVAN’AMBOHIMANGA

  10. Ho an’i PAUVRE DENISE.Sao kosa dia FARAN’NY ANDRONAO io kosa no efa akaiky dia RAVALOMANANA no lazainao woe: MITADY HAMONO TENA.Aza manao resaketotra ry PAUVRE DENISE AN! Izany mihitsy no SPECIALITE NAREO miaraka aminy TGV DOZATRA ireo.Haratsiana foana ny PREZIDA MARC RAVALOMANANA nefa jerevo ny zavatra miseho eto MADAGASIKARA, korontana atsy korontana eroa, famonoana olona atsy, famonoana olona eroa, sa kosa LAINGA daholo ireo zavatra tena marina ireo.Rehefa tsy mahita resahana intsony hianareo mankahala an’i PREZIDA RAVALOMANANA ireo dia AKAPOY aminy VATO KARANGANA NY LOHANAREO fa aza i PREZIDA RAVALOMANANA no haratsiana eo.Hiomezany fotsiny hianareo TGV mianakavy ireo.Mazava angamba izay.

  11. Salut Josefa !
    J’ai vu ce que tu as ecrit ! Merci , mes baskets deviennent de plus en plus lourds :), mais que veux tu ? c’est le prix de la popularité, ….si ça en est une.

    J’ai appris que Monsieur « SATAN-NIAIS » 🙂 vient de rnedre une visite de…….courtoisie à Monsieur Mamy Rakotoarivelo, celui là à qui il a levé son poing.
    Quelle hypocrisie : veritable specialité !

  12. KENDAROROKA chatai! ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra!
    TANY MASINA IO KA IZAY MANAO RATSY AO TSY MISY HO AFA-MAINA OAH!

    Denise! aza ny lanitra tsy hianjera no tohanana fa ity VODY LANIN’NY MOKA HEVERINA!MAZAVA VE???

    Josefa tsara raha tonga dia hazavainao izay tianao AHATONGAVANA fa toa hafahafa mantsy ny fandraisako
    ny fihetsikao, foza ianao sa zanak’i dada??TAHONTRA ny anao sa FAMPIOROORONA???midika zavatra
    mantsy ny fampisehoanao itony Video -nao itony nanomboka omaly anefa an!izany hoe tsara tontona tsara
    @ ity FAHARESEN’i domelina ilay video.HO FANAVOTANA an’i domelina ve no antony hampisehoanao ireto
    video ireto hatry ny OMALY???haloalika angaha ny ranon-potaka???

  13. Fa inona no tsy mahafaty lolo anao an-dRabe tsy maninon-tsy maninona anao ry Tsimilatgv a!Rabe oa tsy Dénise tsy Tanora tsy Ct Massoud! Mba nianatra ihany ianao io tokony mahay manavaka tsara, ny fomba fanoratray, samy manana ny style-ny, ny information ananany. Tahaka ny mahazo an’i Dr Céléstin io, refa sarotra ny mametraka ny article ny tena eto, de voatery manova kely identifiant, izany no mahatonga ilay izy miverina in-droa, ka hamafisiko eto, rehefa Bogor izay de Rabe ihany fa aza atao ,mankarary loha re a! io foana no mody haverimberina refa lany fika otran’itony Tsimila TGV itony!
    Andriamanitra ihany no tompon’ny fandaharana izay ho anjaran’olona iray ry Solo Razafy, tsy vao izao ianao no nametraka article mitovy an’io, na mitovitovy f’efa hatramin’ny 2010.
    Rariny ny fitakian’ny SMM, sy ny grands corps de l’état, satria iza no hiaro azy ireo rahampitso, raha avela hanjakazaka sy hanampam-pahefana aminy zay miseho azy ho tsy maty manota sy te ho ambonin’ny lalàna. Ka raha tsy gadraina sy saziana izay namono iny procureur iny, de avelao hiongana any zay hiongana, ary eo no hitazanana an-dRajoelina raha olon’ny situation marina izy, raha tsy izany de tokony hametra-pialana!
    Aza de maika miataky olona Ranavalona a! Ratompo izay somary Centriste eto, de milaza ny heviny, ary marina ny azy, fa tsy Rajoelina na Ravalo ihany no élément tsara, koa raha sanatria tokoa moa, noho izy roalahy ireo no antony tsy hampivaha ny krizy, ka hijanona hahantra eo ny malagasy, aleo ho entin’ny hafa, ary manohana an’ilay anarana Rajemison ireny izahay, izay olon-kendry nahay niala mora, satria hitany loatra ny hadalan’ny lehibeny. Ny mampihomehy @ity TIM ity, de ireo olon-kendry, populaires ndray no nahilika, fa ny JOMAKA be otran-dry Mamy sy ry Ndafy no filoha mpitarika ankehitriny, hany ka tsy de misy stratégie tena mitombina hatr@izay, fa taitran’ny saina mandroatra isaky ny misy événement kely, tsy manana fenitra matotra arahana, fa tai-baombina, i Levalo koa moa tsy mba azo atoro, fa tsy maintsy izao ity, de mitranga-miemotra lava, de na ny CI aza mahita fa manao sain-jaza, tena lalaovin’i Zandry mihitsy e! comportement izany moa de arefarefan’i Zandry any am-paladihiny Levalo! Ny matikambo mantsy, na defa latsaka an-davaka de tsy manaiky foana fa je suis, je suis na defa ambivotra aza ny aina! Ka i Levalo ane izany raha ny rapport n’i Dénise eto no ambivotr’aina fa tsy Zandrikely ry Solo Razafy ô! Mba hainao ihany zany hoe hanina tanindrazana izany, refa aty an-tanin’olona aty! maika moa fa nitsoaka nandositra tsy sitra-pon’ny tena no nialana, refa avy nipetraka t@ seza volamena, de mampahery anao Ra8, fa be ny ex présidents teto an-tany efa nandalo an’io a! mba manontania ny expérience n’i DEBA zay ny tenanao ihany no nampinana azy, mba mafitoto toa azy e! Andraso am-pahendrena ny anjaranao, fa Rajoelina tsy hitondra eo mandrakizay!
    Inona ary no azonao atao izao, mbola miala-nenina anie ireo be galona SADEC ireo, niangavy ny miaramila, fa jereo ny position CEMGAM, amboary tsara aloha ny relation nao @ tafika gasy sy ny Frantsay fa aza manao Kamikaz otranle nolazainao t@ Samedi teo, fa hamafa ane ianao e! na hiala eo aza Rajoelina, mba misaina tsara, fa ny fodianao tsy vaha olana ho an’ny tenanao sy ny famille nao aloha, ary tsisy tombony @ hifamonoan’ny mpiray tanindrazana! fa ireto mpanohana anao ireto, ny handatsaka anao an-davaka no objectif n’ireto. Efa ela ihany ny tenanay no nanoro ny tokony hataonao Levalo ô! fa manaova Kamikaz raha zay no hitanao fa mety! de mangalà sopapa any @n-Dratsiraka e!

  14. Azafady Josefa fa diso aho a!Miala tsiny fa taitra aho t@’ilay Mada-tribune narosonao
    hatry ny omaly fa foza daholo no nanao tsikera tao,MIALA TSINY TOMPOKO!

    Io resaka fitsarana io dia misy antony hafa ihany koa dia tsy inona izany fa » VOLA » toy ireo CT izay mbola
    400 no tsy naharay vola, raha tsy izany io tsy NAHARITRA LAVA BE TOY IZAO,tsy nisy MPAMONO AFO
    intsony angamba, sady efa MIHALEFY ILAY SAMPY FA EFA MIVAHA2 daholo ny lalana.

    Ao @’io andrimpanjakana io koa dia tsy tokony ho isika intsony no miala rehefa misy ny tsy FIFANARAHANA
    fa izay TSY ARA-DALANA sy tsy te HANARAKA NY FR izay nifanarahana nanaovana sonia niraisana no tokony
    HANGORON’entana rehefa tsy mety aminy ilay TONDROZOTRA.Hilaintsika ny fananantsika fahefana fa JIOLAHY
    no MIFANEATRA AMINTSIKA, rehefa nijabaka dia tontosao hatr@ farany koa any aminareo izany ny baolina .

  15. Voavela ny elokao Ranavalona ! ra manao bizou mamibe aingana ianao ! Lainga fa tsisy tsiny re ranona a !
    Il est encore là cet affreux Jojo de rabe ? Dis tu ne peux pas aller te promener un peu, histoire de nous laisser en paix ??? L’on voit bien que t’es un protégé ici.

  16. ny mouvance Ra8 zao dia FAT, ary dia mbola midongy sy mitomany am Afrikan fa tena te ho Fat, satria mbola tsy ampy lay seza.
    ny olona ni-demission tam CST Sarah zao dia efa manao pre-campagne aty am Sud-est sy Grand sud aty. Ny Akama Tim aty efa nivadika Antoko Maitso, satria prouven-ndry zareo fa namidin’ny ra8 ambongadiny ny taniny

  17. Ah! salut Jojo!
    Oui, je suis d’accord avec toi, Rabe est vraiment affreux, coupeur de jojo si on peut le dire, essayez! vous allez voir!
    TsimilaTGV, tu comprends vite, mais il faut t’expliquer longtemps, ça me fait un peu la peine tes capacités de cerner les choses. Bien mal acquis, n’en profite jamais! salut!

  18. OMG ! l’affreux zozio !nous allons nous faire rotir avec un panneau solaire de fabrication rabe-noise (in english) ! Moi, je dirais qu’il est putot casse-pipe !

  19. Njara,
    tsy naharaka aho,ahoana izany fiarahana izany?ngaha nanaiky andray fepetra ihany « mydago » mba ifankahitantsika? de toutes façons izaho anatiny an!!

  20. Izaho ko dia manome alàlana an’i « mydago » hanome ny adiresiko,fanindroany ity ka asa indray!!!!mba tokony hamaly ry zalahy na ho fahalala-pomba fotsiny aza.

  21. Rabe=Tanora=Ct Massoud=Tanora= dénise…etc, de iza koa ry TsimilaTGV a! Marina ny anao, olona iray ihany ireo, mpiara-mitolona mpanohatra an-dRainivoanjo sy ny taranany! mbola aiza re e! Rabe irery @ireo aza tsy zakan’ny tsenanareo eto!
    Ô! ry Josefa a! Ravalo ampodiana raha hendry se, fa aza de marary an-doha @n-dRabe, fa Rabe efa zatra provocation, ka fanambanian-tena, mampitovy ny tena @le olona, ana!an!an, ry zanak’i RainiVo raha vao misarakorako mamaly ny fomba fiteniny eto!

  22. Ary mba nilaza ny marina ilay dokotera vazaha a??tsy mba namandry chatai angamba ilay izy??
    na ho velona aza izany i charles dia efa tsy ho namana itsony koa inona moa??izany no aina ko
    mba te hanao ireto foza! raha tena mafy be daholo naninona no tsy navela HIFANATRIKA KELY fa nalaky nolemena
    ny sasany???pov foza !!tena TSIVANONA tsy fakataranaka daholo.Izany no fiadin’i foza ray olona a!!MPAMOSAVY!!
    tandritandremo ny ankizy rehefa manadalo itony foza itony fa tsy mahamenatra an’ireo ny HANGAROM-BAVA azy.

    dia mapme be ilay nifanao totohondry ny Samy foza,nivaly taminy ny saika HAMPIADIANY ny ankolafy ,koa izy indray
    no nifamaky vava ha!ha!ha!!!!!!tsofinay fotsiny io dia MIVERINA ANY DAHOLO ry doma isany a!!!!alefaso ihany o!!!!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *