Andrasana ny Filohan’ny CT ny fampodiana ny filoha Ravalomanana?

Tonga amin’ny tanjona iriny ho filohan’ny  kôngresin’ny tetezamita ihany  Rakotoarivelo Mamy lehiben’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Vato miisa 184 no azony tamin’ny fifidianana natao teny Tsimbazaza, faharoa nanaraka azy kosa i Voninahitsy Jean Eugène avy amin’ny Les As, nahazo vato 20 i Beza Seramila, ary 19 ny an’ny CT Jean Bosco. Na dia vitsy an’isa ao amin’ny kôngresin’ny tetezamita aza ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia lany ihany ny tenany.

Niainga avy any amin’i Andry Rajoelina  ny baiko  fa tsy maintsy omena ny ankolafy Ravalomanana miara-dia amin-dRakotoarivelo ny kôngresy, hatreto mbola tsy fantatra izay « fifanarahana miafina ao », inona no takalon’ny maha filohan’ny CT azy?

Raha ho an’ireo mpitolona nandritra ny telo taona dia ny fodian’ny filoha Ravalomanana no nandaniany andro teny an-kianja, ho vitan-dRakoto ve izany?  iny nivoaka iny aloha ny voka-pifidianana fa lasan-dRakoto tokoa ny toerana efa niriany hatramin’ny ela, hatramin’ny fifanarahana tany Maputo no efa voasoratra fa ho azy ny « mofomamy » eny Tsimbazaza.

Raha ny hita androany aloha dia toa maika amin’ny adilahy politika ireo olom-boatendry, ny etsy amin’ny CST nivoaka daholo ny mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay hita fa tsy nahazo na dia birao maharitra iray aza, sarotra hoan’ny ankolafy ny hampanjaka ny heviny etsy Anosikely, ny eny Tsimbazaza indray dia tsy maintsy mifampiraharaha amin’ny « fahavalo » sy ny tariky ny mpanongam-panjakana fa vitsy an’isa vao afaka mandany volavolan-dalàna iray.Etsy andaniny anefa ny mpitolona etsyamin’ny Magro tsy mahalala afa-tsy  ny fanafahana ireo gadra politika rehetra tamin’ny krizy 2009, ny famoahana ireo radio mbola mikatona.Ny lehibe indrindra  ny famerenana ny filoha Ravalomanana Marc an-tanindrazana. Ny toky fitaka  fa ny atao no ho hita eo koa dia andrasana izay paik’ady politikan’ny Mamy sy ny tropony.

16 pensées sur “Andrasana ny Filohan’ny CT ny fampodiana ny filoha Ravalomanana?”

  1. Miandry @izay ary izahay zanak’i dada izay nampanatenainao teny Magro ry KOTOVELO a! Ary tsy mila atak’andro mihitsy io fiverenana’i Filoha Ra8 io !
    Fa raha tsy izany dia hiantefa aminao ny atezeran’ireo olona ireo ! Ary hitovy @ dry-ravakitampona ny hafaranao !

  2. Faites attention Mr le Pdt RAVALOMANANA.Il y a quelques choses qui ne sont pas claire là dedans.Pour nous ,trop d’ambition d’etre pdt du CT. C’est un reflet deJUDAS.Pourquoi Raharinaivo se retire?Pas de blabla ,l’essentiel :application de l’art 20 immediatement
    Attention, attention ,attention …soyez prudent notre DADA.L’histoire nous jugera

  3. Mba afenofenohy kely ilay « sipan ‘ dry zalahy « io, i S … izany fa efa tena mahaleomboanana ny vahoakan’ ny MAgro laotra, fa lasa CT koa .

    Mitovy fomba aminy sasany ihany ireto mpitarika

  4. Salama daholo isika,

    Dia gaga aho nahare ny teny nataon’Atoa Rakotoarivelo voalohany vao lany filohany CT izy hoe « izaho dia hiasa ho antsika CT ». Fa inona re ity re razako o! fa nivadika biby koa ity ! satria nahazo vola.
    Amiko aloha dia matahotra mafy aho fa tsy ho tafody intsony ny filoha Ravalomanana raha izao no mitohy, fa tena mpamadika daholo ireto milaza fa miaradia aminy! ary mbola haveriko eto fa tena NIJABAKA TANTERAKA NANAO SONIA ILAY TONDRO ZOTRA.
    Mivavaha mafy fa tsy fantatra ny ampitso e!
    Dia mamporisika antsika tsy ho kivy na izany aza.

  5. Ny reko aloha dia toa hoe havan-dradomelina ihany mamy, havan’i mialy no marimarina kokoa. Mbola ela vao ho vita ny feuilleton ry zalahy a!

  6. Averiko tsara eto ny tenin’i KOTOVELO: »Apetrako eo am-baravarana aloha ny maha ao @ mouv Ravalo ahy, fa ny hanatsarana ity CST ity no mahamaika ahy ». Rabe anie mpaminany politika e! efa nilaza anareo efa ela aho, fa tsy mino ahy ianareo. De tsy afaka hanao na inona na inona azy ianareo, satria kely say ray trano, tahaka an’i dadanareo, lasan-ko vavany fotsiny e! tsy any @ dadanareo intsony no assurer ny avenir politikany, fa @izao zavatra efa mandeha ho any @ famaranana ny tetezamita izao! Aza mba tsy mahataka-javatra otranareo eto oa! tsy mahalala biby afa-tsy ny sahona otran-dRanavalona, de mampalahelo kely fa na de bonbon kely iray aza tys mipitika avy any @ dadany! antsôôô!!!! kambotikely mahonena!!!

  7. aiza moa no ahalalany an’zany ry rabe a; ny alika hoa ts mahalala afatsy ny tompony ihany. Efa tenenina foana hoe ataon’ny olona tohatra hahazoana seza ny tolon’alika d ts bmola tonga saina ihany. izay mahazo seza de ts tazana intsony eny @ magro de mippoitra indray ny mpitarika vaovao de ny teo ihany no miverina
    ts mahataitra intdsony e, film efa mahazatra

  8. Ny haingana dia teneno fotsiny i Koto hoe : Omeo fotoana SUR izahay ny hiverenan’i dada fa tsy mihoatra ny roa herinandro dia hita eo ny havaliny

  9. Rama a! efa namaly an’io Rajoelina,de avy eo Beriziky, de mitovy an’io ihany no hambaran’i KOTOVELO na de somary hataony an-kolaka aza! de ataovy mandainga foana Rabe!

  10. Efa ela tokoa no naharitra ny fiandrasana ny fiarafaran’ity kirizy ity , ary izany fotoana lava izany dia tsy naharitra ny maro Amintsika ka tsy te – hiandry intsony ka mitaky ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC eto ANTANINDRAZANA aingana tsy misy fepetra..
    Koa ireo olona tsy mahandry intsony dia mamoaka hevitra sy voahevitra..
    Raha miankina amin’ny sitrapontsika io fiverenan’ny Filoha io , dia tsy vendrana na dondrona Isika ka tsy nampody azy arizay..

    Tena nanantena Isika fa ny fanendrena namorain’i Zafy an ‘ i Beriziky ho praiminisitra
    dia hanafaigana ny fodian’ny Filoha Antanindrazana !

    Revin-gadra ny Antsika satria niantehatra tamin’ny hazo -tsy boboka – fa
    tamina olona manao tsikombakomba amin’i rajoelina (iza moa no gaga amin’izany satria mpikambana ao amin’ny leader fanilo mpanohana an-drajoelina ity beriziky )..
    I Zafy ve dia bado sy very tadidy ka tsy mahafantatra izany..? Sa I zafy koa dia ao anatin ‘io tsikombakomba io ?

    Dia nihitsoka teo ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..Tsy ny praiministra intsony , na i zafy intsny no hantenaina hampody ny Filoha -aleoko ho diso aho toa izay ho marina ny filazako : oui je préfère me tromper sur ce mon hypothèse..)
    La mouvance RAVALOMANANA MARC tente plusieurs voies pour accélérer le retour du Président ,notamment notre confiance aux responabilités de la SADC qui ,ne l’oublions jamais , représente la volonté de la Communauté internationale pourque notre Pays rentre dans l’ordre constitutionnel , qui est fonction de l’application de l’article 20 de la feuille de route..
    Par la décision du Président RAVALOMANANA MARC , la mouvance RAVALOMANANA MARC et celle de ZAFY ont porté plainte auprès du CPS / UA avec comme principal chef d’accusation de ceux qui représentent le pouvoir actuellement..
    NOUS ATTENDONS LE VERDICT DU CPAS qui s’est réuni le 7 décembre courant..

    Mais la mouvance RAVALOMANANA MARC a éxécuté les ordres du Président qui a intimé les dirigeants de la mouvance à entrer dans les institutions et participer aux élections prévues..
    Mamy RAKOTOARIVELO a été élu au poste de la Présidence du CT (assemblée nationale )
    Et entendons-Nous bien : Mamy RAKOTOARIVELO a été élu à ce poste prévu pour le représentant de la mouvance RAVALOMANANA – selon un schéma de partage des chefs de file des mouvances..- A ma connaissance , Mamy RAKOTOARIVELO n’a pas fait campagne pour etre candidat à ce poste : il est le chef de délégation qui a été désigné par le Président RAVALOMANANA MARC..
    La mauvaise foi de ceux qui contestent la participation de Mamy RAKOTOARIVELO n’est ni compréhensible ni excusable , surtout à ce moment où notre crédibilité ,notre honneteté sur la mise en oeuvre de la feuille de route devant la Communauté internationale ,qui se félicite de notre participation ..

    Alors demeurons cohérents ; Nous vouons l’application de la feuille de route , ne faisons pas de retropédalage..
    Si la feuille de route nest pas appliquée , il sera de notoriété publique que ne sera pas de la faute de la mouvance RAVALOMANANA MARC !

  11. Ary toa tonga manao be miditra ato ireo foza mpamafy zizanie reto!!!??
    Oay reto izy mivoka toy ny kadradraka!!!

    Aoka ry zareo tsy adalain’ireo isika a! Aza mora mikorapaka fa mba mahareta e!
    Mila mianatra mifanaja koa isika amin’ny fomba fiteny!

  12. Il est minuit à Paris..
    Je commence à lire les décisions du GPS
    La première impression qui dégage de ce communiqué est que le GPS n’ a émis aucune incorrection grave dans le processus de mise en oeuvre de la feuille de route jusqu’$ce jour..
    Il encourage la SADC d’accompagner les parties malgaches à aller vers une plus grande inclusivité encore et d’appliquer les dispositions de la feuille de route notament celles de l’article 20.
    En gros ,le GPJ a beaucoup plus jugé la volonté d’agir plus que les précautions et la conduite à tenir lors de la nomination du premier ministre par exemple et nos critiques sur les non-respects des modalités de nomination du premier ministre n’ont pas été des arguments de non respect dde l’application de l’article 5..!

    Il apparait dans les décisions une certaine volonté d’en terminer avec et de laisser la SADC se débrouiller…

    Il apparait aussi qu’au fur t à mesure que Nous avançons ,les problèmes ne seont traités qu’entre Malgaches.
    Je n’ai déterminer par ce commu,iqué quand et comment Nous serons de retour dans l’ordre constitutionnel…
    Des sanctions sernt levées etc..

    La mouvance RAVALOMANANA MARC A EU RAISON DE RRENTRER DANS LE PROCESSUS DE MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE.et u’aprs avoir pris connaissance de ce communiqué les détracteurs de ceux qui sont entrés dans le processus sur ordre du Président comprendront pourqoui ,la mouvance est entrée « dans ce processus  » et comment ils
    ( les détracteurs )en sont marris..
    Mais il n’y a pas de quoi Nous chamailler ; la question politique n’est pas une science exacte mais Nous permet de comprendre les solutions et les problèmes et de connaitre un peu plus les réactions des uns et des autres…face à des situations !

  13. TSY HENDRASANA IZANY ATOA RAKOTOARIVELO FA MILA ACTION A PRESIDENT A ,NA MIALA IANAO REHEFA TSY MIFANOJO @ MAHAPRESIDENT ANAO NY HERY NAO.

  14. Tsy tadidinareo angaha fa i Mamy Rakotoarivelo anie efa ela no te ho filohan’ny congrès de la transition e! Vao vita ny accord voalohany teo amin’ireo mouvances tany Adis Abeba dia maika izy hamonjy ny sezany ary namoaka ilay 1 milliard de carburant izay tsy naveriny intsony eny no sady tsy nanao fanamarinana ny nandaniana azy izy. Zanak’i Dada io ka ny vola ihany no ao an-tsainy e! Aza manantena zavatra fanatsarana ianareo fa mionona. Ny faniriako dia enga anie hifampitsikilo ny samy mpangalatra ka hifampitsikera ho fantatry ny olona ny marina. Toa an’i Alain Ramaroson sahy manatsikera ny namany. Hiseho anie ny marina

  15. Ambarao anay ry foza ny misy anao
    ambarao anay ,fa maniry fahafahana izahay
    ambarao anay ry foza ny jodasy vao2 raha misy
    ambarao anay fa liana be izahay
    ambarao anay iny vola 100 miliara iny fa raha 100 million mbola tsy mahavidy ny Hasinay very nosihosenareo foza ary
    ny fananana rehetra norobainareo, intsooooooo! ilay 100 millions kely dia dedaka ery nefa FIRY MILIARA NO TAKALON’INY?
    Olona mamba reraka ireo hanome vola maimai-poana eo???misy vidiny daholo ireny!!ka AMBARAO!AMBARAO!!!!!!!!
    Ary aza miteny fanatsarana indraimbava akory fa ny efa nitsangana aza noravainareo, ny fampandrosoana vitan’ny dadanay aza
    niravaina sy norobaina koa eo no miatsara ivelatsia FANATSARANA, bedin’ny devolinareoa ianareo raha mba manao ZAVATRA TSARA,
    ianareo no efa voahozona tsy hanao afa tsy ny ratsy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *