Atao fitaovana fakana fankatoavana iraisam-pirenena fotsiny ny ankolafy Ravalomanana !

381074_2798472718211_1150309355_3295895_442156757_n

 Isan’ny “gisa mainty” hoan’ny fahefana avon’ny tetezamita ny fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena.Nandritra ny telo tao no nezahany nitadiavany izany.Fantany hatrany amboalohany fa ny fampidirana ny mpomba ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny fitondrana tetezamita irery ihany no “androboana” ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.

Nampidirina tao voalohany ry Alain Andriamiseza, ilay nilaza fa “nihogahoga “ voalohany tetsy amin’ny kianjan’ny Ambohijatovo ny volana Martsa 2009, tsy nahitam-boka velively izany paik’ady izany.

Nampidirina indray ry Raharinaivo Andrianatoandro ary dia natao filohan’ny Kongresy mihitsy mba hipi-maso ny mpamatsivola.Nidehaka ho tompon’ny antoko noforonon-dRavalomanana mihitsy ry zalahy ireto mba hampisehoana fa any aminy ny vahoaka mpomba ny filoha.Mbola tsy nahomby ihany izany fa ny volam-panjakana fotsiny no lanin-dry zalahy tao.

Nandrangaranga ho tompon’ny maro an’isa indray ry Yves Aimé Rakotoarison ka dia niditra ao amin’ny “système” hono hahazoana ny fankatoavana.Vao maika aza very hasiny manoloana ny vahoaka ireo mitono-tena ho zanak’I Dada.

Niodina ny fotoana, tsy araka ny tabataba teny an-kianja fa dia niditra soaman-tsara hanatevin-daharana ny fahefana avon’ny tetezamita ry Rakotoarivelo sy ny akamakama ary dia lany tamin’ny latsa-bato ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita mihitsy ny tenany, nanampy izany koa ny fahalanian’ny CT Zafilahy Stanislas ho filoha lefitra ny Kondresin’ny tetezamita.

Nifanindry an-dalana tamin’izay, noraisin’ny  filoha Frantsay tany amin’ny lapany I Andry Rajoelina.Midika fankatoavana iraisam-pirenena hono izany.Nandefa fanambarana ny Filankevitry ny filaminana Afrikana CPS milaza fa an-dalana ny fivahan’ny krizy, manainga ny Vondrona Afrikana hanala ny sazy nanjo ny FAT.”Efa ao am-paosy ny fankatoavana” hoy ny mpikambana CST iray  etsy Anosikely.

Fitaovana fakana fankatoavana iraisam-pirenena araka izany ny ankolafy Ravalomanana, ity farany izay  miezaka manazava ny mpomba azy etsy amin’ny Magro fa ny fidirana ao anatin’ny fahefana avon’ny tetezamita no lalana mampody ny filoha Ravalomanana.Ho hita eo ny vokatr’izay, ny asa vita no ifampitsarana hoy ny antoko iray izay, ny toky fitaka fa ny atao no hita.Aoka tsy hatao fitaovana hitadiavan-tseza ny vahoaka niaritra tanin’andro sy lakrimozena telo taona izay, aoka tsy atao tsobo-dranon-dRamiangaly ny “tolom-bahoaka” , aoka tsy ho fahanana fankahalana ny vahoaka kanefa ny mpitarika azy “miray donakafo” eny an-dapa.

Manjary mieritrerika ny « mpiara-mitolona » fa natao fitaovana politika hitadiavan-tseza sisa ny etsy amùin’ny Magro, té ho lasa Minisitra , CT sy CST daholo ve izay mpikabary eo? Andrasana ny tohiny.

27 pensées sur “Atao fitaovana fakana fankatoavana iraisam-pirenena fotsiny ny ankolafy Ravalomanana !”

  1. Izany rehefa bado, ary atsaharo @ zay ity famokafokana ny SEM Andry Nirina RAJOELINA, fa tsy hainareo ny mandresy azy, n’inona n’inona asa masiso nataonareo hanimbàna ity Tanona malaGasy vonona hanandratra ny tanindrazany.

    Mbola aiza ny ahazo an’i rainivoanjo sy ireto andiana vendrana mpanaradia azy e!
    Ary izany rainivoanjo izany dia isao aloha ny 9 taona sy 4 volana farafahakeliny vao ho tonga eto an-tanàna.
    Ny hoe mbola ho lasa filoha hitondra ity firenena ity aloha dia ataovy nofy ranoray.

    SEM RAJOELINA dia tsy hamelan’ny maro an’isa raha tsy mahavita mandat iray farafahakeliny ao aorinan’izao tetezamita izao.

  2. Nareo ravalomananiste ireto dia olona mitady probleme foana ,zay no mahatonga ny krizy tsy mety vita, dia ny hat foana no lazaina fa tsy mahavita azy,tadidio foana fa avec ou sans ravalo tokony miaraka miasa daolo,@2012 fifidianana,ravalo,ratsiraka;zafy tokony mandeha misotro ronono.Ny zanaky ravalo efa tonga ao mada dia supporter izy @fifidianana,Rajemison a raison de faire son parti Mamafisoa,sans eux Ravalo n’a pas developpé ni s’enrichir son entreprise tiako ni être président de mada que vous êtes tous obsédés là.

  3. Efa fantatra efa hatry ny ela izany fa ho hita eo izay mba paik’ ady vao2 no endrasanay
    fa raha tsy izany dia MIALA ! MIALA !MIALA fa sy fako akory ny vahoaka ka ho fahanana
    lalitra lava eto na hatao toatra hiakarana fotsiny nadritra izay fotoana lava izay. MIESONA DAHOLO E!!!
    hataon’i fonoka mandry tsara sy ny fandemena ,manaikinaiky fotsiny.

  4. Tsy niarahantsika NITAVANDRA akory ny HAREMPIRENENA NOROBAIAREO ka tsy maintsy
    hanaiky anareo izahay azafady!!!!!mbola mitohy ny tantara fa aza maika ,avoay ny Gadra sy ny
    haino aman-jery ary ilay tena REZATRA Tsy zakan’ny tsenanareo dia ny FODIAn’I DADANAY dia ho hita eo hoe : aiza ny
    vahoaka ry foza a!IREO OLONA IREO KOA NO MANAIKY ANAREO sy azonareo LEMENA satria mitakosona aminareo fa
    ny VAHOAKA dia sy hanaiky2 MORA2 VELIVELY izany azafady !!!!dia ho aiza eo anefa ??ny hatidoha POAKATY tsy misy
    VALERA fa saribakoly voridamba chatai no mibaiko dia miborptsaka patalha daholo @ hagegena iray trano.

  5. Aza mbola misioka raha mbola tsy tafavoaky ny ala ry Menalamba a! Mbola tsy ho tafavoaka eo izany ianareo. Tadidio fa i Presidà Ravalomanana tsy maintsy tafiditra eto ary izahay tsy maintsy hanao izay hiverenany eo am toerana nalainareo tamin-kery. Ny krizy mbola tsy mivaha ary tsy hivaha ato ho ato izany raha mbola tsy nanome feu vert i Dada. Any aminy ny lakilé. Raha tena nahay ianareo izay voarebirebin’i CRABE (Andry io sao tsy fantatrao) efa nivoha daholo ny robinet ary tsy ho nahantra toa izao ny Malagasy. Ny frantsay anie tsy hataonay mahagaga e! Fa mba diniho tsara ny communiqué nataon’ny UE sy ny CPS. Mbola sous condition daholo ny zava-drehetra. Koa aza misioka fa mbola ho lavitra ny lalanareo e! Aty aminay ny lakile. Mbola Mandefitra izahay satria mbola any aminareo ny Basy aman-tafondro. Tadidio anefa fa misy fetra ny fandeferanay koa mitandrema ihany e! Hita mihintsy hoe tsy ampy solaitra toa an’iCRABA daholo ny manosika azy ka manaiky ny mbola ho lasa zanatany Frantsay: jereo anie ny manodidina anao io eto Madà e: telecommunication, industrie agro alimentaire, immobilier, commerce, tourisme, petrole, sns Iza no mitrandraka azy eto? Mba valio hoe? Tsy lazaina intsony ny vehivavy miraka aminareo izay viravirain’ireny Frantsay lahiantitra ireny. Hay moa izay ilay fanovana notadiavinareo. Izahay tsy hanaiky izany naoviana rehefa tonga ny TOP, tsy maintsy rava daholo ireo. Tadidio zay teny izay. veloma ô!

  6. Ny hevitra rafindrafetana toa itony dia mitory fa lany bala sy tsy manana lahatra aroso intsony ny mpanongam-panjakana..
    Ny fandraisana tany amin’ny élysée dia nentina ampisehoana ny fibotsian’i Sarkozy amin’ireo mpivory tao amin’ny CPS…!
    ary ho an’ny Union Européenne izay manohitra ny paolitikan’i Sarkozy any M.kara ary ny Union Européenne moa dia mifampitaona momba ny ho avin’ny euro ny 9 décembre teo..
    tao Bruxelles..Olombelona anie ny mpanohatra izao fanonganam-panjakana izao..
    Ary fijerena ny herin’ny an-daniny sy ny ankilany dia mampiseho fa sarotra ny hampiasa ny ankolafy RAVALOMANANA MARC hata tohatra fiakarana..
    Ny ankolafy Zafy sy ny ankolafy Ratsiraka dia tsy niditra ao amin’ny processus entina mametraka ny tetezamita consensuelle , neutre et inclusive satria na voatendry aza ny praiministra napetrak’i Zafy , na nitsangana aza ny gouvernement mitongila , mitanila , dia tsy hita ny bainga voavadik’ireto mpanongam-panjakana..!
    MISY HERY MANAM-PAHEFANA IZAY TSY MANAIKY IZAO TOE-JAVATRA IZAO DIA NY VAHOAKA..!
    ARY TSIKARITRY N VAHOAKA FA TSY MANANA FIADIANA AZO ANTOKA IRETO TAFIKA RAHA MISY MANAFIKA SATRIA AMERICAIN IRAY FERRY JONES NO TONGA TETO ANTANANARIVO DIA EFA TERATAY IRETO MIARAMILA ,NIKOROPAKA HISAMBOTRA AZY IO SY NYZANAKY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC..
    NISY AVION PRIVE NIDITRA TAO IVATO DIA INDRENY IRETO MIARMILA -TSY MBA NANGATAKA RENSEIGNEMENTS OMBA ITY AVION -NO NIKOROPAKA ?NITADY HITIFITRA HONO..
    KOA RAHA MISY TOKOA NY HEVI-DRATSY HANAFIKA ANY M.KARA ARY MANDEFA AVIONS MIARAKA DIMY N ENINA MAMENO NY LANITRA MALAGASY (AVARATRA, ATSIMO, AFOVOANY , ANDREFANA, ATSINANANA ) DIA HO FANINA IREO TAFIKA IREO..
    IZANY NO TAFIKA IANKINAN’NY FITONDRANAMPANONGAM-PANJAKANA..

    SAMY MANANA SAINA FA NY FAMPIASANA AZY..TOKOA NO TSY MITOVY..!

    AOKA TSY HIRESAKA FA SAO MISY MAKA NY PAIKATSIKA !

  7. Azo lazaina ho marina izany fa mety havadika ny fandehan’ny tantara
    Efa niditra t@ io rafitra io ny ankolafy Ravalomanana ny paik’ady no tokony harafitra tsara
    Rehefa ho hita fa tsy handeha @ izay tanjona dia azo atao ny midina ary mitarika vahoaka eny an-dalambe miaraka daholo ny mpikambana rehetra ao @ gouvernelent ary tsy tokony hisy intsony ny tahotra ho voasambotra ny nataony t@ 2009 ihany no haverina
    Mahita tsara ny CI hoe iza marina no manana vahoaka manohana ny fankatoavana koa tsy mbola azony tantareka
    Ny vahoaka ihany no tompo-teny farany ka anjaran’ny filoha Ravalomanana sy ireo mpitarika no mametraka tsara ny lalana ho raisina mba tsy hisian’ny erreur de strategie hoy ny fitenenana tsy mbola vita izany io

  8. Miandry inona nareo zanak’i dada zany e,vatapaty dadanareo ve no endrasanareo eo,rehefa tsy manaiky ny tafika dia tsy mahazo miditra eo raberonono miaraka @malabary ,tao mivarotra mangidy hono dadanareo ao afrique atsimo.Mivavaha ho azy mba ialany @fanavody gasy tao ambatondrazaka.

  9. MAMPALAHELO sy mapiomehy ny mijery ty domelina mba te ahahita ny ao @ lapan’ny Elysé angamaba fa ga zay sonia natao tao azo antoka ,tena otran’ilaya zaza mahantra tambazana bobon voanjo RAdomelina ty ny bobonnao hataklo ny volamena roapolo amizato kilao eny antogotrao !DIA HITA FA OLONA TSY NIANATRA FA NY ray amndreneiny va tena tranquille ny conscience amin’ny fanmabakana io NAIN IO ny zanany ,o re olona mba hajao ny ray amandrenin’ny ray amndreneinareo zay nitady fahaleovantena ary aza adino fa Andriamanitra mamaly ny ratsy hataon’ny rainy amizananay sy ny fara amadimby ,Dia nony tsy fitivana andravalomanana ve NO HAMOTEHINAREO NY fFIRENENA SA TENA LO ny sainareo ka tambazana bobon na siil-gum otran’ny ankizy kely telo taona dia manao ,MISY RA MALAGASY VE AO AMINAREO ,raha andevozin’ny vola sy harena ianreo RAJOUELINE DIA problemanareo mianakavy fa ny fitondrana aza tazomina @ basy ary raha mietsika indray mandeha eo ny vahoka dia hangataka koa izahay ny fitsarana international hanasazy ANDRADOMELINA ZANAKAREO ,ny zanakareo vavy niletra ny volan’ny bois de rose sy ianareo mianakavy dia ho lasa tsy vanona daolo ,na hasiana vatosoa sy volamena aza ny vatapatinareo refa maty tsy mankaiza ,aiza ny dradradradrain’ty tgvendrana marionety ny LAFRANTSA ty teny @ 13 mai hoe RA8 manakarembe fa ny vahaoka tsy mihinakanina ta@ zany tgvendrana nahazo naneho ny heviny ,izao ny vahaoka zay NATAO NAREO FITAOVANA TSY MAHAZO MANEHO ny heviny otran’ny taloha no maty ny ankabeazany!
    TENA otran’ny MAHITA DEVOLY TSISY TANDROKA NY MAHITA NY ZANAKAREO RAYA AMNDRENEINdradomelina MITONATONANA menatra izahay VAHOKA @ maha MALAGASY hoe @ zao andro mazava zao vo misy zaza alika otra’ny zanakareo domelina mitady hapidikizo ny Firenenay @ vazaha mpajanatany !!!Mba misy cerveau ve enareo RAY AMANDRENINY rha ndao ato hoe jiolahy mpaniratsira ny zanakareo io ,mba misy CERVEAU ve inareo ray amndreniny NY ZANAKAREO NO MIVAROTRA ankitsirano an’i MADAGASIKARA ?MISY SORATRA NGAHA EO AMIN4ANDRINARO MIANAKAVY fa anareo Madagasikara !!!Sao dia tsy ho zakanareo ny todin’izao ,HASAIVO MILA EO IO ZANAKAREO IO raha mbola ao NY atidohanareo!!!!Mpampadihy ny hainy ary izy AMBITIEUX te hanakarena tsy efa nahazo bediabe ve izy nanambady an’i mialy zanaka mpangalatra io !!!Rfa mifanena amigasy MIVIDY AKANJO faran’izay lafobe eny @ quartier Chic ny PARIS ny vinatonareo MALAKY MIONDRIKONDRIKA FA TSY MAHAJERY OLONA ?HAY MBA MISY HENATRA iany ny mpanao course amin’ny vola azo ta@ harena MALOTO ,NY HAREMBAHOKA NO HIBOTSINANA ,ngaha nareo TENA MAHANTRA FARIDINA RAHA tsy mivarotra an’i MADAGASIKARA????tsisy zavatra hafa azo amidy ve ????DIA sahinareo VE NY HIDITRA AMPIANGONANA @ Krismasy sady mody hizara brioche périmée otran’ny fanaonareo na hizara kilalao 5centimes ny iray HO FANESONA NY MAHANTRA ! TENA OLONTSIVANAnONA IRAY TRANO nareo mianakavy raha mbola mahavita miantso ny anaran’Andriamanitra iray raha tsy hoe ngaha Andriamanitry ny bois de rose sy vatosoa sy volamena no hivavahanareo raha izay indray dia resaka hafa sady ny zanakareo moa ilay nitety ny tendrombohitra 12 Ridicule manao akanjo NY MPANJAKA amika hamelona ny MPANJANAKA ?DIA LAZAO FA TSY NIRAY TSIKOBAKOMBA NAGALATRA NY SATROKA RANAVALONA KOA IaNAREO MIANAKAVY OBSEDé NY VOLA SY harena ireo !!!

  10. Ny tsy manaiky an’izao dia ny VAHAOKA MALAGASY, ary koa NY VONDRONA ERAOPEANA !!
    Hody androany ilay tsivalahara, fa raha TENA REKÔNESANSY DIA TSY AZONY !! Vola no nentiny hody, hanamafisana ny fanonganana sy mba azahoan’ireo mpanjifa frantsay MIHAINA KELY FA TENA KENDA RY ZAREO !
    Raha ny vaovao azo, dia ireo mpandraharaha frantsay ao M/car no nangataka an’i Sarkozy hoe, omeo vola i lery FA TSY MANDEHA ARY TSY MISY VANONA INTSONY NY TOE-DRAHARAHA ETO MADAGASIKARA ! Fitiavan-tena no betsaka !
    Hetsika tokony atao : Ataovy izay tsy hampandeha ny aferan’ireo vazaha ireo ! Tsy maintsy misy ny toan-dry mamy Rakotoarivelo mpamadika, hilelaka, fa tsy izy ireo no maro an’isa fa ny vahoaka !
    Hetsika tsy anki-janona, fanambarana ary fampisehoana ny hatezeram-bahoaka ! Tracts, affiches sauvages …..REHEFA TSY MISY IHANY IZANY DEMÔKRASIA IZANY !!!!
    Hoan’i Haja RESAMPA, raha tena mafy sy mamim-bahoaka ialahisany, avelao ny vahoaka haneho ny heviny ENY AN-DALAMBE, FA AZA MANAO TOETRAN’NA TONTONS MACOUTES !!! Raha izao toe-draharaha izao no jerena, tsy ho lasa lavitra ialahisany, na eo amin’ny rakitrin’ny tantaran’i Madagasikara, na eo amin’ny lafin’ny fiainana tsotra fotsiny aza ! Tsy izao mihintsy no atao hoe Democratie, ary mba nianatra DROITS ihany ialahy !

    HOY DE GAULLE, IZAY NITOVY TAMIN’NY PREZIDA RAVALOMANANA NY HETSIKA NATAONY : « NOUS AVONS PERDU UNE BATAILLE ( A CAUSE DES TRAÎTRES), MAIS NOUS N’AVONS PAS PERDU LA GUERRE » !!
    OUI, N’AYONS PAS PEUR DES MOTS, LE PAYS EST EN GUERRE !! EN GUERRE CONTRE LES NEO-COLONIALISTES DONT L’ECONOMIE EST EN TRAIN DE DECLINER GRAVEMENT. LA FRANCE ELLE-MÊME AVAIT AVOUE QU’ELLE EST ACTUELLEMENT EN FAILLITE ! CE N’EST PAS FILLON QUI VA ME CONTREDIRE PUISQUE CETTE EXPRESSION ETAIT SORTIE DE SA BOUCHE MÊME !!

  11. Bako,
    Rahatoa ka ireo no milaza ho mpivavaka, tsy menatra ny tenako ny hitonontena ho Anjely, na dia nanota tahaky ny rehetra ihany aza !

  12. Tonga tany andafy ny président anay dia tena faly dia fay be zahay,niaraka @volabe tany@ nicolas ,ny satrok’i ranavalona dia naverina tany @tompony zany hoe tany @anglisy fa tsy laina intsony fa efa 2011 izao fa tsy 1800 na 1900 tsony sady efa olonam-baovao zao fa tsy olona taloha intsony ny poplation efa 20millions fa tsy 500milles tsony ka azo fetsena.Rajoelina dray zao mpanjaka teo ravalo.

  13. Tsy nampoiziko mihitsy hoe i rainivoanjo iny no ho lasa sesitany sy ho sefony mpanohitra!!!

    Toa mbola hitako eto i rainivoanjo ilay nanao angoatenda tery andohatapenaka,

    (N’IZA N’IZA MISEHO HO MAFY BE ASAIVO FANTARINY ALOHA NY HERINY VAO MITSAPA AH!!!)

    (INONA ARY TY MAIKA HANIDINA TSY HARY ELATRA TY, ozy rainivoanjo miantso an’i FILOHA SEM RAJOELINA)

    dia mbola nampiany ilay hoe:(REHEFA MANAO ARY DIA TOHIZO HATRAMIN’NY FARANY FA TANDREMO SAO BE KONETAKA REHEFA AVY EO!!!)

    Aiza elah zao @ zao fotoana anoratako zao ry rainivoanjo???

    Mba zanak’antitra ihany ialahy fa tsy nanampahendrena!! tsy tsaroan’lah ilay tenindrazana hoe (NY MAHERY TSY MAODY HONO TSY ELA VELONA)

    ary toa nalaza ho kristianina elah fa tsy tsaroan’lah ny tantaran’i davida sy goliata.

    Koa inona moa izany sisa ny am’lah sy ireto olombitsy mbola tsy tonga saina manaraka an’lah, fa tsy dia manao vavan’ny resy sisa no azo atao?
    Ry kotoarivelo ary itony lasa niditra ao @ tatezamita eo ambany fahefan’i Filoha RAJOELINA.
    Dia veloma lesy any @ i kaLalao sy sarh! veloma hono hoe antsoin’i menalamba.

  14. Ketrina mihintsy ity tarik’i maivandoha ity. Tsy mampazoto akory ny mamaly azy fa diso maivandoha loatra.
    Izao no atao hoe tsy mahalala tantara na politika na tantara, mifaly fotsiny fa hoe mampirevy i main=vandoha dia misisika toy ny silipy goaka sady tery no mamofona.
    OUSTE MIALA

  15. ho any solo razafy analyse io resahanao io ho any mpanao politika dia mitovy aminy miaramila ahoana no andresena fahavalo eto tsy basy na tafondro no ampiasana fa resaka ny tiako tenenina namaky gazety express androany mazava ny resaka FDR no ampiasana dikany RAVALO no mitondra hatramizao jereo ny zava misy hatraminy nidirany ny antoko ravalo nova ny fomba fijery fa tsy mbola ampy mandresy magro izao miandry tohiny

  16. Cool,cool!!! aza entim-po manan’anaka, « Radoko »,Tsimila TGV,GTT Phil,KM,Rana, fa ny hevitra no miady eto a!io ary Menalamba vavolombelona mitohaka @ tenda ny arrogance ndRainivoajo, de mbola tsy manaiky foana ireto zanany bado ray trano.Hitanisa fahadison’olona, de kapoakan’ireto, fa raha mba hanitsy ny lalany, an!an!an! de aleon’i Njara mihatakataka fa lehilahy lehibe, de miverina tsindraindray kely! iny no mba hitako manam-pahendrena @nareo, tsy hoe mitoraka na mitady kil, fa zavamisy izany. Mba jereo anie ny fanehon-kevitra eto, FRIVOLE be daholo, de ny tena oa no menatsa!

  17. Cool,cooooooool!!! aza entim-po manan’anaka, « Radoko »,Tsimila TGV,GTT Phil,KM,Rana, fa ny hevitra no miady eto a!io ary Menalamba vavolombelona mitohaka @ tenda ny arrogance ndRainivoajo, de mbola tsy manaiky foana ireto zanany bado ray trano.Hitanisa fahadison’olona, de kapoakan’ireto, fa raha mba hanitsy ny lalany, an!an!an! de aleon’i Njara mihatakataka fa lehilahy lehibe, de miverina tsindraindray kely! iny no mba hitako manam-pahendrena @nareo, tsy hoe mitoraka na mitady kil, fa zavamisy izany. Mba jereo anie ny fanehon-kevitra eto, FRIVOLE be daholo, de ny tena oa no menatsa!

  18. Ny hanafaka sy ny hamandroso ny Firenena mba hahazana manantsara ny far-
    piainan’ny Malagasy Tsivakivolo no tanjona kinendry ny ankolafy RAVALOMANANA Marc ,izay tarihan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..
    Tsy ho toahatra fiakarana ny Malgasy ho amin’ny avo tsaratsara kokoa ity ankolafy fa ho fiataovana entina hanabeazana ny Malagasy handinika , hamakafaka ary hanao ny vinavinan’ny fivoarana ara-tsaina , ara-technique ,ara-pahaizana mba ho olombelona misaina sy miasa ary mamokatra amin’ny lafin’ny toekarena rehetra n Malagasy..
    Mivaotra ary mihezaka mivaotra ny Malagasy ary manohitra izao paolitikan’ny mikorosy fahana nataon ‘ireto mpanongam-panjakana nandritry ny efa ho telo taona izao : tsy nisy zava-bitany afatsy ny halatra .Ary dia mihaingo ambony tsikoko anie izany , misonenika amin’ny fiara nangalaina ary misy mihedihedina ao anaty tranobe namboarina tamin’ny vola halatra..
    Hoy ny fitenin’ireto vazaha mpiara mangalatra aminy :
    « BIEN MAL ACQUIS NE PROFITE JAMAIS ! »
    dika tsotra : « NY FANANA AZO TAMIN’NY FABNAOVAN-DRATSY TSY HITOMBO ARY TSY HAHASOA NY TOMPONY ! »
    Koa manararaotra tsara fa « ny harena tonga tampoka ,tsy misy antony, tsy fanta-piaviana dia..haseho ny Fitsarana ,izay hanontany hoe : » Haseho ary omeo anay ny fiavian’ireto harenao ireto ! »

    Izany no paolifika ,paolifrika iadianay ary tsy maintsy ho resinay…!
    Izay sao heverina tara ,azafady fa misy afitsoka ny aty..tsy maika izahay fa.mianjera mora avy ambony hazo ny voakazo lo..ary hifotetaka toa ny kaka latsaka amin’ny tany…
    Afa baraka ilay tany ianjerany !
    Ny fitondrana nentin’ny Filoha RAVALOMANANA MARC niaraka tamin’ny Malagasy dia namokatra tokoa ary nampitombo ny fahafana mividy (pouvoir d’achat) ny Malagasy..
    Hotrinona ny vola miditra amin’ny Malagasy amin’izao fitondran’ny tontakely izao ?
    Inona no mba vitan’ireto jiolahiboto eo amin’ny toe-karena ? Mivarotra bois de rose nangalarina ?

    IREO MALAGASY MIOKOTROKOTRA IREO , IREO MALAGASY MANGINA IREO VE DIA HEVERIN’IRETO JIOLAHY IRETO FA MATAHOTRA AZY ? HEVERINY FA MANKASITRAKA NY RATSY ATAON’IZY IREO ?

    TAFIDITRA AO AMIN’NY SAHA-PITONDRANA NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC , IZANY HOE MAKA ANJARA-PAHEFANA IZY ARY MANDRAY ANDRAIKITRA ARY VONONA SY NIOMANA HANANTATERAKA NY ANDRAIKINY ARY HAMPIASA NY FAHEFANA EO AN-TANANY..!
     » MARINA NY TENIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC MANAO HOE : NY SAINA SAMY MANANA FA NY FAMPIASANA AZY NO TSY MITOVY ! »

  19. mazava io satria RAVALO no tena mitondra ka izay no mahatsara nidirany antoko RAVALO ao governemanta OMER tsy ao amy MAGRO intsony no mikiakika fa eo imasony VENDRANA sy ny forongany io dia zavatra tsara miandry tohiny

  20. Nahita an’i Domelina tao @ France 24 za teo: fantany tsara fa fifidianana ihany no afaka hamaritra izay tena marina eto Madagascar… noresahiny koa ny fomoronana asa sy ny fitsinjarana ny harena betsaka misy eto @ firenena…
    -Ny zavatra hataony miaraka @ frantsay kanefa dia ny tsy hahafahan-Dra8 hirotsaka hofidiana intsony…
    -Ny harem-pirenena( richesse du pays) toy ny Bois de rose kanefa dia najifa nanaovany azy miaraka @ havany sy ny Miaramila foza namany.
    -Hamorona asa hono!!! nefa ny teo aza nopotehina???
    Tena voa mafy mihintsy ny Malagasy satria olona nahazo formation @ fampirevena lery ary tsy misy zavatra réel fa ilay antsoina oe: revin-gadra, lainga, fitaka, masobe tsy mahita … zay no hiainana eto…. Dia izy anefa no eo satria tohanan’ny Frantsay sy ny Miaramila foza biby tsy mahalala tompo intsony… Indrisy ry gasy havako mahantra!

  21. Maninona hoe ry Verbeek???tena BOLOKY an!!!ary tsy nolazainy angaha ilay hopitaly
    manara-penitra nefa ny toera-pitsaboana aza mifandimby mikatona???tena MARARY laikely!!!!

  22. Miresaka Mamy R i Kintana etsy ambony fa NAHAZENDANA ny zava-niseho fa nandeha ny
    BAIKO avy @ domelina fa tsy maintsy laniana izy,dia iny koa ny FOZA fa nifidy an’i lery???HAFAHAFA an!!!
    F’angaha iny ihany no ho FIFIDIANANA handeha eo ka hoe hanaiky foana sy hanaraka ny tena izy foana ny foza??
    Misy tsy mazava ao !!ao raha!!!

  23. Tena mpanao revin-gadra marina ilay DJ, noheveriny fa piste de danse ny tanidrazana ka ho vitan’ny lasary karaoty sy ny tsaky py dia vita kabary !
    Ntsô ! Mifitra @ hazo tsy omby v… !

  24. Miditra pataloha tery! mitomany randrana manendrika ny hafa,
    zavatra tsy hay no hibitakitahana,mikapa an-joro,ramasa-bomanga,
    Taimbodiana kely,ny ao am-pitombenana tsy afaka, koa ampio! ampio ihany!izy ihany no mandavaka
    lavaka hidirany,izy ihany no mandetika ny tenany fa miseho ho Kotofetsy koa mbola misy MARANITRA
    tsara noho izy.Domelina be Miantehitra mafy @’ity DARA ery ity izy fa io ihany no hifototra aminy atsy ho
    atsy ary tsy ho ela izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *