Fitiava-tanindrazana amin’ny ahoana ?

razily-heros

Milaza ho tia tanindrazana avokoa ny olompirenena rehetra eto Madagasikara, na ny ao amin’ny fitondrana, na ny tondroina ho tandroka aron’ny vozona, na ireo mpanao politika, na ny mpandraharaha, na ny avara-pianarana, na ireo mitonon-tena ho mpiasam-panjakana ambony, na ny mpianatra, eny fa na dia ireo milaza fa leo politika aza. Samy manana ny fanehoany sy fampiharany izany anefa ny tsirairay araka ny toerana misy azy eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fihetsika sy ny hetsika ataon’izy ireny sy tranga etsy sy eroa no manaporofo izany.

Ho an’ireo ao amin’ny fitondrana hatramin’izay. Nanomboka tamin’ny 2009 ny FAT (HAT) dia tsy nanao afa-tsy ny nandrirarira sy tsy nanaja izay fifanarahana natao sonia rehetra. Namafy lainga sy nanome fampanantenana poak’aty hatrany momba ireny rehetra lazaina fa « manarapenitra » ireny. Ny FAT (CST) dia tsy hita soritra tamin’ny asany mihitsy ny maha-fahefana faharoa azy eto amin’ny Firenena fa toa izay tian-dRajoelina hatrany no niandaniany. Satria tsy olom-boafidy tokoa, angamba, fa notendrena ka manana “trosa ara-moraly” amin’ny mpanendry? Ny tao amin’ny KT (CT) dia foara nifanasàna vangy fotsiny sady mpanara-drenirano no betsaka. Fiarovan-tseza sisa no nibahana tao an-tsain’ny rehetra.

Ireto andrim-panjakana roa farany ireto moa dia niady mafy mba hampitomboina fotsiny ny mpikambana nefa raha ny tena izy dia notazonina ny isa teo aloha, nesorina ireo izay tokony ho isan’ny toerana ho an’ny “mpanohitra”. Fitiav-tanindrazana ve izany sa fitiavan-toerana sy fiarovana ny vola miditra amin’ny tena tsy ho lasan’ny hafa fotsiny? Ny fitiava-tanindrazana indray ho an’ireo lazaina fa “tandroka aron’ny vozona” dia ilay faneva “ho an’ny Tanindrazana” dia nivadika “ho an’ny mpanam-bola sy mpizara galona”.

Marihina anefa fa ny mari-karama ho an’ny manamboninahitra, bacc +5, dia 2600 ho an’ny mpianadraharaha. Ny injeniera, bacc + 5 ihany koa, dia 950. Ho an’ny mpanao politika tsy manana ho avy loatra eo amin’ity sehatra ity, dia fitiavan-toerana any amin’ny andrim-panjakana sy fitadiavam-boninahitra no hasolo ny fitiava-tanindrazana. Tsy misy mieritreritra izany tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana, na mpiray tanindrazana izany. Ireo avarapianarana indray dia tsy ny famoahana ny firenena amin’izao krizy izao no maha-maika sy ifantohana fa ny fitakiana tombotsoa manokana hatrany, hatrany,… Tsy tokony niandry ny olana misy eo amin’ny mpitsara sy ny pôlisy vao nietsika ny SMM, fa vao tsy ny olona nofinidin-dry zareo no notendrena ho minisitry ny fitsarana dia efa nanao hetsika naneo fandavana izany.

Ny mpianatra sy ireo leo politika dia ny ho hanina isan’andro no tanindrazany. Tsy mahagaga raha antsoina hoe “génération instantanée” ny tanora gasy ka diso fanantenana tamin’ilay « Train à Grande Vitesse » (TGV) tsy nety niainga mihitsy ry zareo. Koa fanontaniana no hapetraka : « fitiava-tanindrazana ve ny fanentanana ny mpiray Firenena hifandrafy, hifanenjika sy hifankahala? Fitiava-tanindrazana ve ny tsy fanajàna ny zon’ny tsirairay amin’ny fanehoan-kevitra sy ny fitazonana am-ponja amin’ny tsirariny ny mpiray firenena? Fitiava-tanindrazana ve ny fanakatsakanana ny Malagasy tsy haazo hiditra malalaka eto an-tanindrazany?

12 pensées sur “Fitiava-tanindrazana amin’ny ahoana ?”

  1. LA COLONISATION N’EST PAS UNE VUE DE l’ESPRIT

    Des palabres plus ou moins intenses ,plus ou moins justifiés ont été diffusés depuis la crise de « colonisation » que le pays entrain de vivre .
    Une colonisation ,pourquoi ? Le pays et la population malgache sont pauvres . Est-ce qu’il y a un Malgache riche ? On peut dire qu’il y a surtout des frimeurs ,mais des riches comme des libanais ,Chinois ,Qatari avec 1 ou plusieurs milliards de dollars en poche ,il n’y a pas.

    La colonisation, pourquoi?
    Le Brésil vient de surpasser le royaume uni et Talonne de prés la France économiquement parlant ,ce classement découle d’institut sérieux britannique.
    Les études prévoient que la France sera déclassée au 9 éme place en 2020.
    Classement économique des états semble être une notion abstraite ,mais des instituts et des économistes renommés annoncent que la valeur d’un panier d’une ménagère Chinoise va dépasser la valeur d’un panier d’une ménagère européenne et ,ce dans peu de temps ,2020.
    La colonisation ou recolonisation trouve sa raison ,dans le fait que les pays émergents et les pays à forte croissance sont les pays possédant de matière première .Ces pays ,occupés ou dominés, sont l’objectif de certain pays puissant pour s’accrocher ou maintenir une croissance réelle .
    Il n’est pas étonnant les déstabilisations qui ont débouché à la crise actuelle ,et si cette crise pérennise cela ne peut que servir les objectifs du colonisateur .

    Si la crise de recolonisation n’y était pas .
    La croissance malgache sera exponentielle ,les bases des moteurs économiques auraient été en marche,les retombés pour les couches défavorisées auront fait leur effets .Et ce qu’on sait actuellement ,la survie de La Hat est soutenue par les fruits des investissements entrepris pendant l’administration déçue.
    Les conséquence de la crise ,c’est l’affaiblissement de la population Malgache ,la disparition de la classe moyenne naissante ,un appauvrissement généralisé, mais préservation de la classe dirigeante qui la plus minoritaire de la population

    Comment réagir devant ce fait :
    Que la classe dirigeante soit consciente que le pays ne tirera le bénéfice optimum dans la situation actuelle et encor moins dans les années avenir .
    Que la population sache que le pays soit fort pourque les autres pays le respectent .
    L’exemple de Brésil est flagrant, le président Français se plie en 2 devant le président LULA, et le même Président n’a mot Lorsque le Brésil loue des hectares de terrains à l’Arabie Saoudite .pour nous évoquer du cas Daewoo pour Madagascar où les Malgaches ni leur président élu n’ont pas fait le poids face à la fureur armée du troupe de Rajoelina.

    Il faut réveiller le patriotisme:
    Le pays est sous le joug de quelques 20.000 personnes détenant le pouvoir par la force animée et fiancée par le colonisateur .
    Que les Malgaches sachent qu’ ils peuvent vivre mieux et que son pays peut rejoindre la voie des pays émergents .Mais pour cela il faut que le pays soit indépendant ,nettoyé des différents mafieux et le peuple écarte les décorés et les corrompus pour servir les causes du colonisateur .
    Que la prise de conscience des Malgaches soient rapide et ses réactions soient encadrées de promptitude et d’adresse .

  2. Ny kapitenin-tsambo izany any ivelany miara-maty @ sambony, ny eto amintsika na Jeneraly omena poste mora mivadika sy mi’démission vetivety rehefa omena Ariary: rariny be na hatrany @ Agent (na prah na bôdega na inona) voavidy daholo, voavidy satria manao cotisation @ Ngezalah: tsy eo intsony ny « code d’honneur » fa nosoloina « principe de chiffre »: manisa ny taona hiakarana galona, manisa ny vola miditra, manisa ny jôba azo, manisa ny sefo fantatra, manisa ny sns…Ny isa no mifehy ny firenena ka miakatra indray ny isan’ireo begalona mba hiarovana ny sezan’i Domelina satria ny élément n’i Vitalina mbola mitoetra ka sao de hamadika…Ny atahorako de ilay « afera 75 » no hiverina: FRS, Antanimora, GP, Pôlisy…miafara @ « Grand dossier ». Raha mba samy FATn’alika hifamono moa haninona, fa ny ratsy de ny tsy manan-tsiny ipitihan’ny afo narehitry ny XXXXXX

  3. Izany fitiavan-tanindrazna izany tsy fantanin’ireo izay miteny hoe: mpotondra na mana-pahefana @ izao fotoana izao
    Izay maha-panakarena aingana izany daholo no tanjon’ireo izay mahazo toerana ny ho
    avin’ny taranaka sy ny firenana tsy sainina mihintsy
    Efa vita sonia ny tori-zotra natao daholo izay filan-banina rehetra efa neken’ireo
    izay notendrena hoe solontenan-bahoaka nefa dia mbola tsy nisy nampiarina na iray aza
    Misy ve ny finiavana hitady va olana sa ny hanalava ny tetezamita no tanjona?
    Tsy misy intsony izany hoe fanjakana mahefa izany fa dia fanjakan’ny Baroa gaboraraka samy manao izay saim-pantany daholo
    Mitokona ny mpitsara mikomy ny mpitandron’ny filaminana ireo manan-boninahitra miditra
    @ resaka politika ilay miseho hoe filoha manilika andraikitra any @ lehiben’ny governemanta notendreny ny vahoaka kosa dia miletika ao @ fahantrana tanteraka
    Misy farany daholo ny rehetra ka manantena sy matoky ireo tia-tanindrazana rehetra fa tsy ho ela intsony dia hirodana izao fitondrana jiolamboto izao ary ny fivohahan’ireo gadra politika na dia mihady @ fahafatesana aza ny sasany ny fiatombohany ary hirodana daholo ireo rafitra rehetra sisa

  4. Faly dia faly satria, mba afaka miresaka zavatra azo raisina noho ny tsy mahaeo ilay zokin’i Domelina 😉 . Indrindra mikasika izany fitiavan-tanindrazana izany.

    Raha tsy hahadiso ahy dia ampiako kely angamba ilay voalazan’i Bemafohy hoe Ny fiverenan’i Dada no tanjona ?
    Mba ampiako kely hoe :
    – Ny fiverenan’ny Ara-dalàna indrindra indrindra
    Enga anie tsy hanome tsiny ahy Bemafohy !

  5. Fa mba nankaiza i bavy izay ary ?!
    Sa andrasana efa matory indray aho vao hanoratra ? Mamay ianao ry bavy a ! Aza atao be ny alahelo, fa tsy izany akory no entina hiady ho amin’ny Fahamarinana e! Ianao ihany no niteny izany tamiko, dia mba averiko aminao e! 😉

  6. Certain personne ,pense et compare mada au developpement chinois ,singapaour qui totalisent le plus nombreux population au monde dont la dictature regne depuis des années en années avec la condamnation à mort ,l’aide social n’existe quaisiment pas ,les ouvriers travaillent presque 12heurs par jours avec des salaires pas assez comme il faut pour des millions personnes ,tout ça, on ne montre pas ou jamais au madias; pourquoi, c’est ça le gouvernance communiste ,si tu acceptes tu seras parmi les chinois qui pourront être riche et partir en vacances si tu n’acceptes pas tu rentre chez toi et ferme ta gueule sinon tu seras en prison, ça pourra finir par la peine de mort,ce qui n’existe pas en france pour le moment dont l’aide social existe ,la peine de mort n’existe pas le president de la republique pourra changer avec 1 ou 2 mandat, y a pas de dictature le droit d’expression au journaliste ,ce n’est pas le cas dans ce pays,mais si un jour la france fera le même que le chinois, sans aide social qui leur coûte des milliards,appliquant la peine de mort ,divisant le salaire des ouvries par3,je pense qu’ils y economisent des milliards pour payer les bois de rose et les minéraux africains pour enrichir à nouveau leur pays et être parmi le 2eme ou 3eme voir 4 puissance mondial comme les chinois ils y font à ce moment avec les africains.Pour developper mada il faudra un bon et nouveau didacteur comme les chinois,singapour,arabie saoudite sauf brésil pourquoi, parce que le brésil est geré economiquement par des européens, américains, colons portugais la plupart parce que c’est moins chéres comme la chine.

  7. ravelonarivo!très bonne analyse!Rien à dire.

    Je voudrais inviter les malgaches à ne plus consommer français et j’en suis sûr qu’ils foutraient le camp.Ce serait le début de la fin de la HAT.

  8. Bavy ity mbola mivaky loha fa maty Baina e! mbola miroaroa saina aho na handeha
    na tsia handevona any Dago io.Tena tsy tao mihintsy aho t@’iny fety iny kay i baina
    no lasa.Tsy ilay dada handrasantsika rehetra eto izany an! ilay dadako hono,hay aho mba nanana dada ihany
    fa tena tsy fantatro raha tsy taty aoriana ela be,dia in-5 angamba aho no nahita azy.Adidy tsy maintsy hefaina e!

  9. Ary tena vaky ny lohako hoe: Inona ary ity Prah????eto aho vao tonga saina??
    Prah! Bôdega !vatatay! marasily hi!hi!hi!!!!hay ilay hoe:  » iny ny prah!  » rehefa mivoaka
    mandeha mandihy ny ankizy ao an-trano ka hadino ny karatra dia mitsaoka prah.Sa tsy izay ry zareo moa???

  10. Ary io OLONA mitondra SAINA io amin’ i sary io, maty sa velona? Ilay nilaza azy fa « izy » teny ankianja anie MIARAMILA TGV e! Mpisandoka, manafina ny marina. Mba aiza io mahery fo sy tia-tanindrazana marina io?

  11. FITIAVAN-TANINDRAZANA …?

    Nandritry izay 116 taona nanjanahana Antsika izay dia maro tokoa no nijaly , be ireo maty (maherin’ny 100 000), ary mino fa tsy voaisa ireo very faty..!
    Nisy ireo Menalamba nanao ny fanoherany ny fanjakajakana , nisy ny VY VATO SAKELIKA , NY JINA ,NY MDRM..izay noravana ,ka folo taona taty aoriana vao nihetsika ny mpanohitra ary nanao kongresy tao Toamasina ny taona 1958 koa ny fiombonan’izy ireo dia nitondra ny anarana hoe :ANTOKO NY KONGRESIN’NY FAHALEOVANTENAN’NY MADAGASIKARA , izay notarihan’ny Pastera ANDRIAMANJATO RICHARD..!
    Araka ny anarany ,ny AKFM dia nanohy ny fangatahana ny Fahaleovantenan’ny MADAGASIKARA..
    Ireo nitaky ny Fahaleovantena dia TIA TANINDRAZANA no anarany nomen’ny gazety azy ireo..Ary aoka tsy adino fa nisy koa ny gazety Tia Tanindrazana..!
    Ireo Tia Tanindrazana ireo dia nifanohitra tamin’ireo antoko mpomba sy narovan’ny frantsay..!

    Folo taona tao arian’ny 29 mars dia 15 teo ny zandriny taminay ary dia nisotro sy nitelona ny fampianarana momba ny Tantaran’ny Tia Tanindrazana an-trany amboalohany
    na tany amin’ny kaonferance nataon’ireo zoky toa ny
    Pastera ANDRIAMANJATO Richard , r’i RAKOTOVAO RAZABOANA , RAJOELISOLO LEQUERRE , RAKOTOVOLOLONA PAUL …
    Nisy ny boky kely , ny toriteny mikasika ny Zanak’Israely sy ny fanoherany ireo fahavalo nitady hanjanaka azy ary ny fiainan’i Jesosy izay nandrandrain’ny Jiosy fa hosorana Mpanjaka -ara nofo- ny jiosy .Izay tsy tao an-dohan’i Jesosy izay resy lahatra fa Zana’ Andriamanitra izy , ary dia nohenjehan’ny mpisorona be ( les docteurs en théologie)izy noho izany ary notadiavin’ny Romana ho samborina nohoizy noheverin’ny Jiosy fa mpanjaka ara nofo..
    Tamin’izany Tantaran’i Jesosy izany no nanovozana lesona mikasika ny fitiavana ny namana ,izay tsy inona fa ny fitiavana ny tanindrazana ( izay fitambarana ny mponina , izay mpiara-monina , mpiray tanindrazana..).

    Ankehitriny dia ny TSY FITIAVANA NY TANINDRAZANA no manaitra sy mampalahelo ny fitombony..
    Ireo naka ny fitondrana an-keriny dia nahitana olona malaza ho tia tanindrazana nanotrona ny fametrahana an-drajoelina teo amin’ny toeran’ny filoha-pirenena..
    Ireny fanotrona ireny ,na dia fanasana fotsiny aza , dia mahatezitra ny Vahoaka satria tsy fantany intsony ny tena mpanongam-panjakana sy ny mpitazana sy mpijery tranga !

    Dia ireny olona tsy nahatsapa fa ny fahitana azy any amin’ny fivoriana na fanasana misy an-drajoelina dia tena nanosika na nisarika ny marivo salosana nanohana ny mpanongam-panjakana ,satria hoy izy ireny ; »Ranona aza mahona azy , koa nahoana izahay no tsy mba hanohana koa…ary mety misy ho hanina anie any e!

    Koa ankehitriny dia tsy misy dikany intsony ny fitiavan-tanindrazana satria ireo mihambo ho tia tanindrazana..dia misaina intsony izay tombotsoan’ny rehetra , fa miktsaka izay hiditra any am-paosiny ! Fa raha ianao no tratrany manao ny ataony dia potika ianao ,tsy misy ilana anao intsony : mpamadika , mpangalatra , mpandainga izany sisa ianao ..!

    Hiriko koa raha hiriko mafy mba hiverina haingana ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalana eo amin’ny fahantsika monina..Amin’izay mantsy mba hitandrina Isika tsirairay ary ho lasa tahotra ho an’ny manodidina , mba hisy ny ahiahy ,mba tsy hatokitoky intsony an’iza n’iza Isika fa mba hieritreritra sy handinika aloha vao miroso ho amin’ny resaka ,fifandraisana mazava sy matotra ary azo itokisana !
    Misy ireo namana nijanona ho mpinamana ,nifanampy , nifanohana na inona niseho na inona no nitranga nandritra izay sarotra nisy izay !

    Misy ny tia namana , misy nizara valala iray..,misy ny tsy nanaraotra ny sarotra namolosana ny sasany..

    Mbola misy volamena na latsaka am-bovoka aza dia mamiratra foana !
    Mahabe fanantenana izany.,koa aoka tsy ho kivy Isika..!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *