Kianjan’ny Magro Behoririka : Sahirana ireo CT

IMG_3668

Ny Gasy akory tsy adala ka asaina matory dia hatory sy ho renoka, tsy domim-potsiny koa, ka  rehefa ho fohazina dia ho taitra sy handrongatra toy ny adala. Tsia ! Tsy izany mihitsy. Sahirana sy nitady ny hevitra rehetra hanazavana ny antonatony nidirany tao anatin’ny andri-pitondran’ny tetezamita ny olomboatendry avy amin’ny akolafy Ravalomanana teny an-kianja tamin’ny sabotsy teo ka nampidera fahaizana tamin’ireto vato « natsindry ahazana » tetsy anaty fefy.

Anankiroa ny patrons-ko, hoy Raveloson Constant izay anisan’ireto CT vao notendrena araky ny tondrozotra farany teo, ka izay tapak’ireo patrons ireo no hataoko sy ho tanterahiko. Raha miteny ireo hoe mialà ao anatin’io CT io dia hiala aho. Hiakiaka tsy nisy fiafaràny ny teo an-kianja  nivazavaza ny « mialà, mialà ». Ny patron-ko iray izay manatrika eto izany dia efa fantatro ny heviny, hoy ihany ny fanazavany, fa andrasana indray ny hevitry ny patron anakiray (any an-tsesitany). Toy izany sisa no resaky ny « mpitolona ho amin’ny fanjakan’ny madinika » fahiny. Efa lasa liberaly tokoa (?) ka nanjary nisy patron hafa ankoatra ny vahoaka mpihogahoga manoloana azy ?

Fa nisy inona ?

Rehefa avy namaky ny taratasy nalefa any amin’ny SADC Ravolomanana Lalatiana avy ao amin’ny ankolafy Zafy, izay nanitrikitrika fa matoa tonga matetika teo amin’ny Magro ny filoha Zafy Albert dia nifanarahana sy nitolomana teny ny fananganana tetezamita tena ifanarahana tsy misy an-dRajoelina ; Koa na dia avy amin’ny ankolafy Zafy aza ny Praiminisitra Beriziky ka minia mikimpy amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra sy miara-komana amin’ny HAT dia tsy naman’izy ireo intsony fa efa nivadika ho TGV. Raha nahare izany resaka izany ny mafana fo  toa an-dRalaimampisainarinony Manoela dia namantsika avy hatrany fa iny Praiministra voatendry tamin’ny anaran’ny ankolafy Zafy iny ve efa mba nahavita nandon-databatra manoloana izay fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ilay andiniy faha-20 ? Nivoaka ny kianja avy hatrany ny avy ao amin’ny ankolafy Zafytongananatrika tao. Nahazo hoby sy tehaka hatreny amin’ny vavahady.

Tsy naharesy lahatra an’ireo mpanatrika

Raha nanandrana nandray fitenena indray kosa ilay Ben’ny tanànan’Ankaraobato fahiny Ralaiseheno Guy Maxime izay efa notendren’ny Fahefan’ny tondrozotra ho CT ihany koa, diatongaamin’ilay fiteny mahazatra hoe : « misy mihainoooo ? ».

Hiakiaka tsy  nifandrenesana no nanakoako ka nanezaka amin’ny angoa-tenda ity kongresista ity nilaza hoe : avia ho lelafiko ny faladianareo, fa mba henoy aloha ny fanazavana, ary raha tianareo ny handohaliako eto anatrehanareo dia handohalika aho.

Izany resaka « kitoatoa »  izany no hany sisa nandresena lahatra ny mpitanin’andro nandritra ny telo taona latsaka kely ?

Ilay avy any Faratsiho dia nanambara ho ren’ny mpivazavaza nanoloana azy fa raha ilay raha ny taratasy nosoniavin’ny telo tonta, izay nalefa any anivon’ny troîka-n’ny Sadc  dia tsy misy milaza mihitsy fa mialà ao anatin’io fitondrana io, fa manoritsoritra fotsiny ny fitarainana amin’ny fitsinjarana ny toerana sy ny tokony tsy hananan’ny mpitarika ny tetezamita Rajoelina anjara manokana ho amin’ny fanendrena olona isan’ambaratongany. Dia nanazava ny tenany fa avy any antampony any no nanao ny lisitra ho amin’ny fanendrena ireo mpikambana notendrena any anaty andri-pitondrana any

Mbola tsy nifarana teo fa niakatra ringa koa ny avy any Arivonimamo dia ny depioté nahongan’ny fahefana avon’ny tetezamita Rodin, ka nihambo fa tsy ilay antsoina amin’izany CT izany ny dtenany fa depioté ihany. Ka aoka ianreo hahatsapa hoy ny fanazavany fa Rodin akory tsy mitovy velively amin’i Mémé. Tafiditry ny AV7 ato amin’ny kianjatsika, hoy ny fanazavany ka aza manaiky ny hokorotanin’ireny ianareo fa ny fampodiana an-dRavalomanan ihany no antonantony tsy maintsy nidirana ao anatin’ny fitondrana.

Andrasana indray ny fivoaran’ny raharaha, fa ny hany fanazavana toa nampandripandry saina  ho an’ny mpiharitra ny mafy tao naty fefy dia ny hoe : « Hanakorontana noantonyhidirana any anaty andri-pitondrana ». Izay izany vao nisy fitondrana nolazaina fa iarahana mitantana kanefa hakorontana indray. Politikan’inona izany  e ?

21 pensées sur “Kianjan’ny Magro Behoririka : Sahirana ireo CT”

  1. Dia mihevitra ny mpitolona ho paiso kosa reto mpitarika TIM ,ento any @ 13 mai @zay ny vahoka raha tena TIA TANINDRAZANA ianareo é! ianareo ilay hatao hoe sadasada manantsoratra !Efa fantatrareo fa tsy hahazo reconnaissance io tondrozotra io ,inona no mbola hilentehanareo ao iany !Tsy mahaleo ny mena miraviravy ,12 millions be zao ny karama moa ,bola ampiana essence gratuit sy 4*4 ,jereo le hanta Randriamandrato ,ny vadiny efa avy nigadra nijaly iny dia notabazan’i tgv tany dia lasa nanatrika ny fanokanana io gouvernement tsy ar-dalàna io ,dia ireny sy ruffine Tsiranana ve dia mbola ho raisinareo eny MAGRO ,ba HASIO HAJANY NY VAHAOKA NA MADINIKA AZA é! MBA MAHALALA MENATRA ;eo inareo no hiera2 @ vahoaka eo ,efa nade tany ve nareo vo miera ,miera aloa vao mandeha .Efa mpamadika ianareo fa tohizo ny lalanareo ,hantsoina antéléphone nareo tsy mamaly fa nahazo sosy ,Tohizo iny lalana iny fa aza CALCULATEUR BE EO !TSY kentrina akory ny vahoka ny magro ,mba makanesa eo @toerany ,tsy hatsiaka tsy hafanana ,na orana miaritra eo fona ! aza miverindalana fa tohizo ny lalalanreo DADA efa niteny hoe MIALA TAO SA HITENY SINOA IZY VAO AZONAREO !

  2. Tsy quoi ge nareo reo raha te hanaraka an’itgv dia tsara tsodrano éé! fa aza AZA MIHEVITRA NY VAHAOKA HO IMBECILE NA dia olona faran’izay DONDRINA inona aza dia tsy mahalala hoe TSY AHAZO reconnaisance io feuille déroute na Faille déroute no MARINA @ io!!!

  3. Ireo ct-cst CALCULATeur REhETRA IREO ,jamba ny vola tsy hisy reconnaissance mandrakizay eto refa tsy « consensuelle et inclusive ny feuille de route » sady ela zany fa ny explosion sociale koa sisa no andrasan’ny CI dia vita io donc ry TIA VOLA MANOMPO MAMOANA REHETRA ho VASOKA BE TSRAINny tantara daolo !!!!
    Refa vonona ny vahoaka midina andalambe dia mirava ny tsena’ny faille déroute !

  4. voalohany nanao sonia iny FDR iny ny mouvance RAVALO dikany manaiky ka ra tsy miditra ministra na CT na CST dia mitovy amy VENDRANA nanao sonia tany MAPUTO avy eo nolaviny faharoa azo atao mikiakiaka ao MAGRO fa tsy andeha aiza efa telo toana izao inona ny vokany fahatelo ireo MINISTRA CT CST manomboka izao afaka mikiakika eo imasony FOZA mianakavy ka manaraka FDR no tanjona na mouvance RAVALO na ny FOZA ho ita eo ny tohiny fa na inona no ataony FOZA mandresy foana ny RODOBE

  5. Te hiteny za hoe, au lieu de mifanaripaka dia tokony miandry ny filazana mazava avy amin’ny filoha Ravalomanana momba ny CT-CST isika.Za mahita hoe tokony mieritreritra lalina ny stratéjia izy satria mihasarotra ny toe-draharaha. Iala tsotra izao io tetezamita mitongilana io ve? hanomana zavatra hafa ve? Ny valiny dia tokony ny Filoha ravalomanana no hanome azy ary izay lazainy no arahina satria izy no mpitarika ekena. Ny fijeriko azy dia eo ampandinihan be izy ankehitriny, mandanjalanja ny lalankombana.

    Fa AZA MIFANARI¨PAKA ALOHA FA TELO TAONA NIANDRY DIA ALEO MIANDRY SY MIJERY TSARA ALOHA FA TSY HANAO FO MANDROATRA

  6. Raikitra ny gidra an! ny olona oa tsy adala ka hijapy soavaly efa maty. Mba hanomana ny ho avy politikany izy, satria efa akaiky ny fifidianana. Be kokoa ny chance mijanona eo @ sezany eo mba hahalany député na senateur azy, toy izay mandany andro lany lera sy fotoana ao @ MAGRO TSY MAMOKATRA AO (3 taona). Sa Ra8, afaka hiantoka izay avantages marobe ho azon’izy ireo izany? Dada ndray tsy hanome ny volany ho lasa rivotra izany, mba ohatrinona re no nomeny izay nitolona tao izay, ahoana hoy izy: » aza kivy aza kivy, tohizo foana », raha mba nisy hoe de iny ny sôsy aloha ho an’izay sahirana, mba tonga saina ry mangrobaka ô!Mbola hahavita hiandry ihany ve ry Taniko a! 3+5=8 tsotra io calcul io e! aza mba RainiV mianakavy oa! jereo reto izy mifanipaka otran’ny valala an-karona! te hiady @ Zandry eo tsinona koa!

  7. Raha saovaly maty re rabe no mampifarirotra anareo foza toy izao, asa angamba izay ho ataonareo rehefa tonga ny andro hitsanganany !!
    Hitsangana tsy ho ela NY MESIA fa aza dia mikoropaka laotra !!!! Handrovin-tsia ry jodasy mianakavy tsy ho ela, ary hitsaoka any amin’ny tany fihaviany dia tsy aiza akory fa i Sôdôma !!!
    Any ihany no mendrika anareo !

  8. rabe//inona le rainiV?le teny @ 13mai t@ 2009 ve?inona zao no mba vitan’i zandrinao teto dago?nampahantra ny gasy,nampitrongy vao homana ny efa mahantra ary manome rariny ny jiolahy sy ny mpandroba,zany ve no hivavahana?zany no harahina?zany no hobiana sy deraina?sanatria…

  9. Za r’ise ry Fanalita de tsotra ny havaliko an’ise! vavakisoa misy sira io, asakasak’izay hihinana azy. Efa fantatr’i Zandrikely, fa hahamay izy miditra eo, satria tsy nojerena ta@ maso tsy miangatra ny fomba fijery iny tolona 2009 iny, ary tsisy nanomboka ady t@n-dRa8, raha tsy izy no nila ady taman’olona, izay tsy hataoko détail lava intsony ireny fahadisoana politikan’ny dadanareo ireny.
    Fa sahy hiteny ve ianao io, raha nanana moyens nitovy sy nikirakira volabe toa an-dR8 i Andry, de ho io no niafaran’i Madagasikara? rehefa nametra-pialana Ra8 de tokony nipetraka araka izay, fa zarany nanohana azy ny USA, ny ALLEMAGNE, ary ny nampidirany an’i Mada t@ SADEC de mbola politika hiarovan-tseza avokoa, izay nomba azy t@ fotoanandro, de ireny nikatso ireny ny économie, tsisy famatsiam-bola, mbola Ra8 nareo no nitabataba hoe sazio hatr@izay mampiasa vola ao, fa zany no mbola mahaeo an’io, alors que ny vahoaka no mihinana ny tsy fihinany! ary mbola zaranareo koa aza ho latsaka any an-davaka Mada, hamaliana faty an’i Andry, de atao daholo io fomba ratsy rehetra haminganana sy tsy hampivoaka @ krizy io, ary nareo tsy hanaiky mihitsy fa mbola ataonareo zay fomba tsy hanatanterahana io FDR, io, fa na nareo na ny dadanero, tsy mijery fahantrana sy fahasahiranam-bahoaka izany, fa tsisy afa-tsy ny HAMPIKATSO ihany, defa hitan’olona zao ny saindratsinareo, de miroso any @ fankatoavana @zay io nama a!
    Ny tsy fantatrareo, teo @ fividiannan’i Ra8 le AIR FORCE ONE , defa niala ny mpamatsy vola, ary isan’io koa ny nanosika azy hametra-pialana.
    De mandray andraikitra Andry, satria ny mpisompatra afa-maina fa ianao no te ho eo, de tohizo hatr@ farany, fa na de za ity aza ry Fanalita de mbola gaga, raha mbola nahajoro teo ihany i Andry io, mbola afaka nampandeha ny fiainam-pirenena telo taona izay, afaka nanangan-javatra izay ho tokanany @ propagande, ny miavaka @ireny hôtel de Ville, ny fanaovana goudron ny lalana Ambato…sns kanefa tsisy famatsiam-bola, de hivaha izy io e! jereo ny la gazette androany momba ny UE, fa mora oa ny mampibaby heloka olona iray, fa sarotra ny milaza ny tsy mety nataon’ny tena, de zay angamba no azoko havaly anao Fanalita a! mandiniha tsara e!
    Ny tena hatahoranareo, de Rajoelina hirimorimo toy ny TGV @ fampandrosoana, raha tonga eo soamantsara izy, ka mivaha zao krizy izao, de eo vao tena ho hitan’ny havany eo ny ratsy saina be fanenjehana, ary tokony ho mailo izy, fa niampty ndray ty ny ADVE lian-drà toy le raikalahy taloha, tonga an-tanindrazana, fa io fangalarana munitionsy sy satroka mpanjaka io de diska efa niverina, fa ireo ry zalahy ry Andry, de aza mandrimandry manana aretina, mba mailo, raiso ny fepetra fa ratsy loha hatrany @ tsinaimaintiny ireo TOKOBETELO ireo!

  10. Tgv motraka ny sarety aza ni-depasse azy, raha lehilahy apetraho ny basy vahao ny haino aman-jery fa tsy sady mampiasa baomba no be wawa, ireny vono olona mahatsiravina ireny no hiambohamboana fa mahay? Vola amin’ny inona dia mboa handainga eto fa tsy manam-bola? Dia satria terena amin’ny basy ny olona dia tadiavina hanao oui mose non mose? Halatra be vava no natao avoahay ny vola fa tapitra nangalarina koa milaza tsy misy vola? Vola ny fandrobana; bois de rose, vola ny frantsay nivarotana tanindrazana sns… olon-tsiv…..

  11. Ny antony tsy anomezan’i CI reconnaissance an’i DJ dia fantany fa tsy hanaiky ny vahoaka ary hisy rà latsaka. Tsy Gegy ireo fa fantany izany ary i DJ Kely saina dia mibitaka toy ny vera de tera nivoaka t@ tany lena. LOZA !

  12. Efa nikomy ny vahoaka raha tsy nanaiky ry Babyfoot, fa mbola niala-nenina ta@ dadanareo fa tsy nitsara niangatra (2 poids, 2 mesures), de io fa zao vao tsapan’ny CI, fa nareo no ratsy saina, tsy mahalala afa-tsy ny hitranga-miemotra,hampikatso ny olona nekena natolotra aza nolavina, de manao ohatrn’ny zazakely e! de zandrikely ndray zao no mahazo dera @ SADEC, TROIKA, OIF grand homme d’état. Aza taitra nareo fa hivaha io oa, ny maintany sisa andrasana! bye!bye!e!

  13. rabe!ny 20.000 tsy milaza mihintsy hoe: ny vahoaka!20.000.000 ny gasy fa tsy ireny nikomy ireny akory.
    Tsy nisy nilaza fa midera ny asa vitan’i TGV ny troïka.
    Farany, ny francophonie dia tsy ny CI mihintsy mbola ny hispaniques aza no betsaka noho ny francophones ka aza maimaika e!

  14. Ry frantsay ve no mba hidedahan’ireto foza hoe:fankatoavana e!!maty aho e!!kavimbarahana !!!
    Tonga masiaka koa i Soa izany an!!mankasitraka e!!!!
    Taniko! diso nahatoky ireto olony teto an-toerana i dada ,NIEBOEBO mantsy izy ireo fa mahavita nefa izao iarahamahita
    izao ny VOKANY fa nataon’ny olona tohatra fiakarana dia TAVELA eo,dia zao HIDINGINANY rambo fotsiny fa azony izay
    NILAINY ny HO FILOHA(domelina io ) dia mbola notsipazany izay TOERENA tsy HILAINY INTSONY dia mbola NIBOSESIKA
    namonjy nefa efa hita fa TOERANA tsy SAHAZA ny ANKOLAFY DADA akory ireto HITSABAHANA,dia mbola tapenana ihany
    i Dada fa  » AVELAO FA IZAHAY NO MAHITA ny ATY  » na ny VAHOAKA tsy hIERANY akory ,i dada moa dia manaiky be fa
    METY NY HATAOn’ireo dia rehefa tonga ny fanaovana SONIA dia  » DADA a! EFA TOKONY HANAO SONIA! », ny TSINDRY
    HALOKA @’ IO TSY FERANA, ny FAHAN- DALITRA sns….efa FAMIRAVIRANA an’i DADA MIHINTSY IZAO ka tsy RARINY.

  15. Bako izay vao azoko ny teninao ny momba an’i Raveloson sy Guy ary Zafilahy !
    fa i Zafilahy toa tsy eo akory??dia i Raveloson efa mazava tsara ny teniny sady
    narahako tsara ny kabarina fa NAZAVA ary nihaino azy tsara ny olona,fa tsy nisy niogaoga?ny an’i Guy moa dia
    izy tsy afaka ny nanazava akory aza. Tratran’ny BE KORONTANA ny tanana e!!!nefa hataoko fa AMPY HIERITRERETANDRY
    zareo tsara izay ary misy ho TSAAKOTSAKOANA , ny mahafinaritra dia tena mandray anjara mivantana ireo VAHOAKA, ary tena
    mifantoka @ TOLONA HATREHANY.

  16. Ka i Dadanareo mitsy anie Ranavalona no tsy à la hauteur e! tsy ampy kely ny fahaizana, self made mane, de manaonao foana! ary toa voasa @ 100 anniversaire Mandela ndray hono zandry! le Grande puissence G20 afrika no manasa azy an!

  17. rabe!ka i TGV inona no hainy fa pion afindra fotsiny.Tadidio fa i Dada mbola ao sud-af ary tsara antoka mihintsy ao.Fantatra fa Jean Ping anie no ao aoriana an’i TGV izay jamban’ny vola koa e!

  18. Jean Ping r’ise UA fa tsy Sud Af a! ny vadin’i Jacob ZUMA aza hifaninana azy eo @io toerany io! mba mahaaraka oa vao miteny, fa aza miteniteny foana. Tsy homme d’état zany Ravalonareo fa exilé politique, fa Rajoelina de voaasa @ maha homme d’état misolotena an’i Madagasikara.

  19. Ie tsara antoka tokoa Bemafohy a! raha ny vola nangoronininy SY NOROBAINY TAO Dago izay, 650 millions de dollars, ahoana r’ise no tsy ho tsara antoka a! izy ndray ary no manambitamby an-dRainareo hampiasa io volabe voahodikodina io, mba hamorona asa any aminy. Tsy hamporisika an’i dadanareo hody zany Jacob Zuma, zarany ary io mijanona ao. Aza tsy mahay politika ihany oa!

  20. rabe! fantatro mihintsy i Jean Ping fa ao amin’ny UA ary izy no manohana an’i tgv ka mahatonga an’i tgv ho voasa etsy sy eroa ary vakio tsara ny nambarako fa tsy nilaza aho eo sud-af i Jean Ping:sady tsy anarana inkhata na afrikanina tatsimo na boers na anglo-saxon ny hoe jean Ping ka tsy misy hifandraisany amin’i Sud-Af.Vakio tsara e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *