Magro Behoririka : mampatahotra ireo olom-boatendriny ?

Magro 09  des 11 (6)

Nankaiza ny olon-tety ?

Hatramin’ny mason’andro anio dia  mbola nisy tamin’ireo olom-boatendrin’ny ankolafy Ravalomanana no matahotra miditra ny kianjan’ny Magro.Fa inona ny antony ? Rehefa lasa Minisitra sy Parlemantera kosa aloha tsy voatery intsony ho an’ny antoko na ankolafy nanolotra azy,  fa an’ny Vahoaka Malagasy  manontolo,  na mpomba azy izany na tsia izany.Mety ho izay no mahatonga azy ireo tsy ho hita teny an-kianja intsony .Nandritra ny fidiran’ny Ankolafy  Telo  tao anatin’ny  Fahefana Avon’ny Tetezamita dia manara-maso ireo olom-boatendry ny vahoaka. Mametraka fitokiana amin’izy ireo mba hahatrarana ny tanjona.  Tsy azo lavina manko fa matoa tonga eo amin’io « seza » io izy ireo  dia noho ny tabataba tetsy amin’ny Magro izay .Be ny olona nahita faisana nandritra izany, nisy ny naratra,maro ny  nitondra takaitra tsy fidiny ; tsy vitsy ihany koa ny namoy ny ainy noho ny tolona niaraha-nanao, ary mbola maro no any am-ponja.

 Tsipaipaika

Ankoatra ireo malala-tanana, dia ny vahoaka ihany no manao tsipaipaika hampihodinana ny « tolona» etsy amin’ny Magro Behoririka. Isaky ny sabotsy ohatra no manao rakitra hividianana solika sy hitaterana ny fanamafisam-peo ny mpanara-dia ny Ankolafy Telo. Misy ihany koa ireo mpanentana sy artista  manafana ny « mpiara-mitolona », katongamavitrika hatrany manatanteraka ny adidiny, izay tsy mba nahitana solon-tena tamin’ireo olom-boatendry akory. Maro ireo tafaresaka taminay no mangataka  amin’ireo Minisitra sy ny Filohan’ny Kongresy ary Parlemantera isan-tsokajiny , mba handray an-tànana amin’izay ny fandaniana  rehetra etsy an-kianja. Efa mahatsiaro tena  ho sahirana loatra manko  ny vahoaka  ka velon-taraina.Andrasana ny fahatsapan-tenan’ireo “mpitondra” lazaina fa tsy foza !..ny vahoaka hatramin’izao dia miharitra ny mafy hatrany, tsy mahalala afa-tsy ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana.

Ireto aloha ny sary azonay tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ny Zoma 09 desambra 2011 :

13 pensées sur “Magro Behoririka : mampatahotra ireo olom-boatendriny ?”

  1. Andriamanitra o, Fa aiza ary izany vahoaka laizaina eto izany,
    ary ireo volabe nangalarin’ny ra8 teto dago ireo ve dia tsy mba hanipazana ireto olona fanatik mahonena iretsy.
    Aza fitahina kosa ry Dada ireo olom-bitsy magro ireo fa ny vahoaka indray moa efa zatra, io toetra ratsy nao io.

  2. Je déduis et qu’on me corrige si interprétation mathématique fausse:

    [Celui qui veut se mettre au-dessus de Dieu porte le signe de 666, puisqu’il se veut le double de Dieu, étant représenté de façon symbolique par 2 fois 333″

    l’on enlève 111 et le 1er intervenant se retrouve dans le même panier que tous les 666 mpanohana ny asan-devoly eto @ tanàna:

    preuve: 666 + 111 = (2 * 333) + 111 = 777

  3. Dia misaotra tanteraka anireto mpitolona miaraka aminy i PREZIDA RAVALOMANANA ny tenako. Dia hita mihitsy fa olona TIA TANINDRAZANA.Andro mafàna tonga, andro mangatsiaka tonga,latsakorana tonga.Dia mbola mameraina foana ny FISAORANA.Aza matahotra hianareo TIA TANINDRAZANA ireo fa hody vetina ny rano nantsakana.Ho ela velona anie ny VAHOAKANY I MAGRAO TIA TANINDRAZANA, HO ELA VELONA ANIE NY PREZIDA RAVALOMANANA Marc;

  4. Tsy tahotra fa ahiahy no misy ao amin’ireto « olom-baovao miditra aa q
    amin’ny tranon’andr-panjakana..Ahiahy ateraky ny fanontaniana apetrak’izy ireo
    amin’ny tenany..Fanontaniana maro toa ny hoe :tonga ity ny fotoana ifanatrehana amin’ny fandraisana andraikitra , koa vonona ve , koa mahatsiaro tena mahay ve hanatontosa izay andraikitra omena ?
    MANDALO NY FOTOANA ARY TOA MIAZAKAZAKA NY FANDEHAN’NY
    TANISA-DINIKA (ordre du jour )…
    Nisava ny ahiahy ary nisolo azy ny fahavitriana qy ny tsiky..
    Ary resaka ifanaovan’ireo mpivory dia haingon’ny fiarahabana ary feno sangisangy…

    Rehefa vita ny fanazavana ny fomba fiasa (ny ora sy andro fiasana ,ny filazana ny fitsipika mifehy ny fiara-monina..)dia nisaraka fa nifanome fotoana hoverina amin’ny telo ora hariva…
    Resy ilay ahiahy ! Ay ve dia mitovy amin’ny fidiran’ny mpianatra é!
    Dia ho aiza no hisakafo…?
    Tsy niova ireto ilona voatendry fa tsapa tokoa ny fahanonon’izy ireo ary ny hafaliana izay rava’ny siky ve mitory fahasambarana hanao ny adidy anan’andraikitramiandry azy ireo ?
    Ny andro manaraka…no hanome ny valin’izany fanontaniana izany ,satria araka ny feo renay dia ho tonga matetika ao Magro ireo olona voatendry hamelabelatra ny asa nataon’izy ireo !

  5. APARITAO

    la communauté internationale a choisi la facilité pour légitimer d’authentiques putschistes
    Les dès sont loin d’être jetés ! Nul ne peut se satisfaire des abandons, arrangements et approximations successifs qui ont émaillé le processus actuel de sortie de crise, et l’opinion publique internationale aura tôt fait de prendre conscience de la supercherie d’une entreprise de galvaudage de la démocratie telle qu’elle s’est réalisée à Madagascar sous couvert d’une « feuille de route » au bout d’un parcours finalement bâclé.

    Car, nul ne peut désormais en douter: sur le dos des Malgaches, oubliant les valeurs et principes au nom desquels pourtant elle entendait s’immiscer dans la grave crise institutionnelle et politique malgache, et en définitive de guerre lasse, la communauté internationale a choisi la facilité pour légitimer d’authentiques putschistes, alors même que ceux-ci ont à maintes reprises fait capoter des accords passés. Dans cette oeuvre malsaine, une puissance majeure singulièrement tentée par des relents quasi colonialistes aux visées bien précises a joué et continue de jouer un rôle qui était en cours à une époque révolue.

    Or, qui peut prétendre qu’on ait réellement voulu entendre, écouter, prendre en considération, suivre les plaintes, objurgations, cris de détresse et pleurs d’une population dont on a prétendu interprété les doléances sans même prendre la peine de leur adresser les messages attendus et les mesures adéquates ? Ce n’est pas parce que n’étant capables que de combats d’arrière-garde les partis dits « d’opposition » n’ont pas su porter haut la voix du Peuple qu’il faut l’ignorer !

    Bien sûr, les bonnes âmes diront: « mais précisément ce qui est visé ce sont des élections libres et démocratiques à l’occasion desquelles les Malgaches pourront se prononcer en toute souveraineté ! » De qui se moque-t-on, alors même que ces putschistes patentés, qui savourent d’ailleurs en ce moment leur « victoire« , sont dès maintenant à l’oeuvre, étant encouragés par le satisfecit donné et par l’arrivée prochaine des « aides » internationales, pour instrumentaliser à outrance tous les rouages, orienter les boussoles et marginaliser toute opposition afin de gagner toutes les consultations prévues ! Et, au bout du compte, malgré le désastre démocratique annoncé, chacun trouvera toujours les mots convenus et tous de déclarer dans tous les azimuts que la raison et la voix du peuple ont tranché !

    Mesdames et Messieurs, l’empressement dont vous faites actuellement preuve, en vous satisfaisant trop facilement des prétendus « progrès » dans l’application de la feuille de route et en estimant trop complaisamment que les dirigeants actuels sont sur la bonne voie, est plus que dangereux. Vous n’avez pas suffisamment évalué les relents, les manoeuvres et les failles qui entachent gravement le processus actuel de sortie de crise, et vous ne pouvez pas ignorer les risques réels pour la démocratie et la condition du peuple malgache. De telles erreurs d’appréciation sont constitutives de fautes.

    Reprenez-vous, ressaisissez-vous ! Les dés sont loin d’être jetés ! Il est encore temps d’agir efficacement et à bon escient ! Notre cause commune, celle pour la Démocratie et les Valeurs, ne saurait accepter de faux-semblants.

  6. Tena tia tanindrazana marina ireo olona izay lazain’ilay dedevoun’ny fotsy hoditra toand-dry 777 etsy ambony itsy. Ary mino aho fa tsy very fotoana sy fanantenana ireo olona ireo satria MBOLA HO AVY ILAY MARAINA. Mitohy ny tolona

  7. Ny fitiavana tanindrazana izany dia « zero » fa izay miteny izany dia mpihatsara ivela-tsihy daholo ; « jamban’ny vola ny olombelona na iza izy na iza eny fa na ianao io aza : 80 000 0000fmg no karama omen’ny frantay ireo lehiben’ny miaramila : handa ve ianao ?

  8. 80 000 0000fmg / mois io ary ny asany dia gadrao na tifiro na sambory na iza na iza mitady haneho hevitra ary mbola mino 10000000000000% aho fa efa vita ny hoe : izay mamono an’i Ravalomanana dia omena 1……………..euros

  9. eshy aho é ry 777 izay tsy iza fa ilay pseudo peuples malgaches na vahoaka

    de miara-mipetsapetsa ao ry RABE, DENISYn RABERA, CDT MASSOUD, ANDEVOLAHY (olo-raiky avao!?)

  10. rama! raha miaramila aho ka misy manakarama ahy 80.000.000 fmg hisambotra olona dia mitady olona hafa aho ho karamaiko 10.000.000 fmg hisambotra an’ilay nanakarama aho.Dia ahy ny 70.000.000 fmg ambiny dia misitaka an’i Tana aho mandritry ny fotoana lavalava (Ambanja hono tsy ratsy).Il faut être plus futé que le malin.Pour un militaire, le risque fait partie du métier.

  11. FANONTANIANA APETRAKY AMIN’NY ANKOLAFY ZAFY…

    1)Tsy miditra ao amin’ny governemanta ianareo..Manipaka an ‘ i Beriziky izay avy ao amin’ny akolafy Zafy ve izant ?
    Sa tsy ekenareo ny governemanta misy ankolafy hafa , dia iny ianareo no miara-mivory amin’i Beriziky , izay lehiben’ny governemanta ,izay tsy tokony nanaiky io fivoriana no tabatabana ( réunion médiatisée )satria tsy andraikitry ny ankolafy Zafy irery ny olana apetraky ny andininy faha 20..!
    2)Ny fiadia-kevitra mikasika ny tondrp zotra ve tsy ao anatin’ny gouvernement ve no sehatra anaovana izany..Sa te hampiseho ianareo fa misy gouvernement bis ho an’ny
    ankolafy Zafy irery ihany…

    Raha tna olon-kendry mitady ny lalana democratique ianareo
    tsy ny fiarahana amin’ny Malagasy avy atsy sy averoa ve no hahitana hevitra iarahana, izay mety hanana lanja
    Izao fomba ataonareo izao : tsy miditra ao anaty gouvernement fa mamoka ny lehiben’ny gouvernement
    iresaka aminarei irery…INONA NY DIKAN’IZAO IVORIANA ANIROTRA IZAO ?
    NY MANAKA HO AZY IRERY EO AMIN ‘NY PAOLITIKA DIA TOA NY SAKA MANGALA-PIHINANA !
    TSY MENDRIKA !

  12. Iberiziky toa miala bala foana ,maltaolona manakana ny zavatra tokony ho efa ita:
    -tsy misy sakana manohitra ny famphana ny gadra paolitika afa-tsy ny vahiny izay ampianao dia ny frantsay..Ny SADC izay niteraka ny tondrzotra dia tsy manakana anao hamohaka ireo gadra politika
    -toa izany koa ny fanokafana ny haino aman-jery : i rajoelina sy i anao Beriziky manaiky ny baikon’ny frantsay no vatobe misakana izany..
    -momba ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA MARC MIANAKAVY eto ANTANINDRAZANA tsy misy fepetra dia ianao sy rajoelina no manohitra io fodiana , izay ahofihkodina hoe ny sécurité mbola tsy vonona..
    NY SADC NO MIANTOKA IZANY SECURITE IZANY..IOSECURITE IO DIA HO VOASAHANAO INDRINDRA RAHA HANKININA AMIN’NY FOLOALINDAHY..FANTTATRAO TSARA NY ANTONY TSY AZO HANANKINANA NY SECURITE AMIN’NY FOLOALINDAHY..
    KOA AOKA RE R’I BERIZIKY NY SINEMA E! ARY TENA MODY ADALA IANAO SATRIA TSY MISY MITOMBONA NY FIALANAO BALA MIKASIKA IREO OLANA TELO MAIKA VAHANA IREO..!
    METY HO FAFAN’NY VAHOAKA MIARAKA AMIN’I RAJOELINA IANAO RAHA MITOHY IZAO FIHETSIKAO IZAO !

    MBA SAHIA MOA FA DIA MIERY AO AMBADIKY NY VODIN -DRAJOELINA E ! MBA LEHILANY NY TENA FA TSY SARI-BAVY MILALAO SARIBAKOLI-BAZAHA !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *