Manohana an’i Omer Beriziky ny Mpiasam-panjakana Ambony

Sefo (9)

Nandritra ny dinika nataon’ny Fiombonamben’ny Mpiasam-panjakana Ambony io hariva io,  tetsy amin’ny trano boribory Anosy, no nitondran’izy ireo fanazavana mikasika ny toe-draharaham-pirenena izay tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao. Nisy, hoy ny filoha, ny dinika fitakiana niarahan’ireo mpikambana natao ka anisan’izany ny fandraisana fepetra ho fiarovana ny mpiasam-panjakana eo am-panatanterahana ny asany. Nisy ihany koa ny fangatahana fanasaziana ireo nahavita heloka tany Toliara, ary ny tokony hijerena ifotony ny lesoka eo amin’ny asam-panjakana.
Nidera ny Praiministra ny Fiombonamben’ny Mpiasam-panjakana Ambony, noho ny fandraisany andraikitra tamin’ny fisamborana ireo namono nahafaty ilay mpitsara tany Toliara, sy ny vinavina hitsanganan’ny sehatra iray hifampidinihana hampirindra ny asam-panjakana eto Madagasikara. Ankoatr’ireo dia nisy araky ny nambaran’ny Praiministra ny nanolorany hevitra ho an’ny Filohan’ny tetezamita ny tokony hanesorana ireo ministry ny fitsarana sy ny filaminana anatiny, na farafaharatsiny ity farany. Ny Filohan’ny tetezamita moa efa nanambara fa handray andraikitra mikasika izany. Voalazan’ity Fiombonambe ity fa hitsahatra aloha ny fitokonana ary efa misy ny fetr’andro natolony, mandra-pisian’ny valiny mahafapo ireo fitakiana. Hisy araka izany ny fanentanana hataon’ ny Fiombonamben’ny Mpiasam-panjakana Ambony manerana ny nosy manomboka ny herinandro ho avy iny.

27 pensées sur “Manohana an’i Omer Beriziky ny Mpiasam-panjakana Ambony”

  1. 3 taona izay nahay nisolelaka ihany koa eo vao tia vao eo daholo!
    Tsy nisy famonoan’afo intsony angaha???mba midradra2 ny eo @
    Magro fa mamono sofina fotsiny izao,henoy izany ry hazon-damosiko,ny ranon’Anony aza manam-paharitana e!
    tsy miteny ireo mpandala ny ara – dalana aho fa ny sisa?????moa mba nisy ezaka ve avy aminareo tsirairay avy??
    Lany sahady angaha ny paiso teny ankady????Efa hainay fa tsy mbola azo ilay zavatra e!!ka menatra ny hiteny na
    ireo mpitsara aza matoa nitarazoka toy izao io FITOKONANA io toa ilay CT 400 mbola tsy nandray vola koa.Vola
    daholo ,fitiavan-tena fa tsy misy FINIAVANA @ IZANY MBA FITIAVAN-TANINDRAZANA IZANY. Hatrizay toa teo
    ihany koa izao vao ???????Efa tara e! efa potika sy rava ny firenena, asakasakareo, izao ve vao HIFOHA?????

  2. Mpiasam-panjakàna ambony ?
    Mpiasam-panjakàna ambony toerana sy be karama fa…..ambany fisainana !!!!!
    Be resaka daholo rehefa ao anatin’ny TAY NY FIRENENA !!!!
    Ilay miseho azy ho Prezidà-n’ny HCC no voalohan-dahàrana ! Fanonganam-panjakàna ka mbola omena rariny amin’ny fanaovan-tsonia !
    Ireto hoe mpitsara ? Telo taona manindritra izao, manao FITSARÀNA MITANILA !!!
    Mpiasan’ny Inspection Générale de l’Etat, miaraka amin’ireo Contrôleurs samihafa ? Efa hatry ny ela fa mahafantatra ny lesoka be dia be miseho, eo anivon’ny ministera rahetra, kanefa tsy misy SAHY MITENY NOHO NY FAHATAHORANA MILISY SNS…….
    Ny miaramila ? Tsy misy izay maha miaramila azy intsony !!
    FEHINY !!
    MIANDRY INONA NY VAHOAKA MALAGASY ??? MIANDRY HO 4MI DAHOLO VE, SATRIA IZAY NO SITRAKY NY « BAKART », ZAVATRA TADIAVIN-DRY RABEVINANY SY NY TARINY ????
    AZA MISY MANDEFA ZANAKA MIANATRA INTSONY REHEFA IZANY IHANY HOY AHO !!
    AOKA NY ASAN-DAHALO NO HO FILAMITRA SY TANJONA HO AN’NY ZANAKA AMAM-PARA !!!
    FIRENENA SÔDÔMA SY GÔMÔRO NO FAHASAMBAARA TADIAVIN’NY VAHAOKA MALAGASY RAHA IZAO NO DINIHINA AKAIKY !
    Ho anareo izay mba tokony afaka maneho ny heviny am-pahalalahana ! Jereo ny nataony ny tiorka ! Rehefa misy zavatra tsy ekeny ( na diso ry zareo na manana ny marina ), dia tonga daholo ry zareo manao manif, na manana zo frantsay na tsia ! Aiza ho aiza amin’izany ireto gasy ? Manahiran’ahy ny hilaza fa MPISOLELAKA DAHOLO ny ankamaroany !
    Very ny tanindrazana !
    Tonga ny fotoana mba hakàna FIHETSIKA VAOVAO RY ZAREO Â !
    TAPITRA IZAY NY FEHIM-POTOANA NOMENA RY MADAMA HANITRA Â ; HO DIFY NY FITO (7) ANDRO ARY TSY HITANAY NY ZAVATRA NAMPANANTENAINAREO !
    Averiko eto indray, satria niara-nandre ny tsirairay avy !
    HOY NY PREZIDÀ : HITANAREO NY VARAVARANA NIHIDIRANA, KA DIA TOKONY HO HITANAREO NY HIVOAHANA !!!

  3. MIRARY KRISIMASY SAMBATRA HO AN’NY MPIARO NY ARA-DALÀNA REHETRA NY TENAKO, INDRINDRA HO ANAREO MIVADY ARY NY ANKOHONANAREO, R’INGAHY PREZIDÀ RAVALOMANANA MARC !!!!

  4. Na dia enti-po aza, dia misaotra amin’ny firariantsoa e! Toraka izany ho anao sy ny ankohonanao !

    Ny zvatra mba iangaviana kely raha azo atao angamba, dia toa enjana kosa ilay teninao e!
    Izaho tsy manao hoe tsy marina, fa enjana fotsiny.
    Na efa hatry ny ela aza isika rehetra no samy milaza daholo fa hoe : tsy dia matoky loatra ny PM sy Rakotoarivelo sy ny sisa,
    izaho kosa mijery foana ary tena manaraka, fa mba misy azo raisina ihany na dia ny FITAKIANA an’i Ministra Zanakisoa sy ny Ministra ny Sécurité Interieure ihany aza !
    Manosika azy ireo hiady hatrany satria tsy zava mora ny resaka politika, ka mila fotoana sy ………faharetana. Miombo-kevitra aminao ihany aho anefa na izany aza !

    Izaho manokana dia tena fan an’i Me Razafimanantsoa sy Mr Rakotoamboa ary Raveloson Constant ary Mme Naika aloha e ! Fantatro ……manokana….fa tena miasa ireo.

  5. Mandady ny trambo,
    Efa miha betsaka ny mandrodana ny mandan’ny Jerîkô. Ny ankabeazan’ny zanak’Atsimo dia voailika tanteraka: Monja, Masimana, Vital, Alain (MTP), Jean Jacques… nefa efa fantatra be izao fa ny Sudiste no voalohany tsy « pour » ity ttzmt ity matoa natahorana dia nomena place hainga tany aloha. Izao anefa vao loza satria miha betsaka ireo nesorina no lasa fahavalo dia ireo zanak’Atsimo efa masiso no tazomina ao satria mazava fa masiso: oh1: Lahnrk (na i Bezà nipoirany tsy nahazoany vato t@ prsdentiel), oh2: Tink Tô2 (Vice Pdt CT): miaro malaso ao Skraha (tsy maty manonta)…sy ny hafa maro. Izay no hilazako amintsika TGV hoe aza manantena ny aty Atsimo intsony fa dieny izao dia miovà loko sao afabaraka @ farany. I « Kamio Vitalina » marina fa tsy mandohalika @ Dada malala fa efa mitrosona mihintsy ankehitriny. Io indray koa ity Thierry Admn Civil, mbola zanak’Atsimo io: efa tsy tia TGV rahateo ka aza manantena intsony eh: na ho ela na ho haingana, andrasantsika ihany Dada fa kely sisa. COURRRRRRRRAAAAGEEEE!!!!!!

  6. « Efa tara e ! efa potika sy rava ny firenena » hoy ranavalona !!!
    Indrisy dia indrisy mantsy !!!!
    Dia hoy i Simon Randria :  » Tara ê, tara laotra ê, ny fitiavanao ahyyyyyyy  » !!!!

  7. Gasikely,
    Mandray lesona amin’ingahy prof n’ny bado sy mora ambakaina sahady ry KM (Rabevinany), tafita ny hafatra e!
    Io zany ry KM no azo noraisina tao an!
    Tsy hitanao ve ry Gasikely, fa isaky ny passage eto de voateny foana RabeATAHORANA. Mba tiako ndray io pseudo-ko avy @ « maître » io. Milay be le Sopapa KM a!
    Io ane le nolazaiko fa na ho tovanana jusqu’à l’infini aza le Rabe, na de ho pages @laniny aza, tsy vita. De hitanao zao zay manoratra foana, na misy anao na tsia, fa tsy hoe RabeRESY, tsy mamaly GK. Fa valianay araka zay mampalalaka anay fotsiny ianao, fa RabeHEVITRA tsy mihontsina @olona be je suis manambany ny namany eto @mydago (bado sy mora ambakaina), mpanome sopapa milay, fa na de izaho aza eto, mba mampiasa le izy, fa ireny ny vokatry le maha intello be, sady mbola misy hafatra fanampiny any fa jereo e!
    Tsotra io ry zalahy a! saosy sy seza no mi-motivé an’ireo ngezalahy ireo, de araraotina kely ny événement mitranga, fa mora ny mitaky zavatra @zao e!
    Io ane oa le efa nolazaiko fa nareo tsy mino ahy. Mba anontanio ihany oa Rabe hilazany anareo mialoha ny zava-misy ary za tena miteny anareo franchement fa Ravalo tsy sahy mody eo, fa nareo no sahirana fotsiny eo. Tena vrai io a! tsisy arrière pensée!
    Ny torohevitra @ Zandrikely de farano malaky ny tetezamita, ary Andry io koa de tsy maintsy hikiry @io na ho inona na ho inona tsy ho fifanarahan’ny mpanao politika eo.
    Tsy maintsy harosony ny fifidianana. Aminy, efa acquis ny zavatra rehetra, de zay mitsivalana na mandrava de jereny fotsiny any. Izay tafiditra ao @ tetezamita ao na mpanohitra na mpomba, de tsy maintsy hamikitra @sezany, hi-assuré-ny ny élection-ny, de mody forme sisa ny hisehoan’ireo opposition tafiditra ao ireo, eo anoloan’ny militants, fa au fond, tsisy zavatra hantenainy intsony @ dadanareo. Na i Zafy io aza hangaina eo, ary Ratsiraka iny no visionnaire, de tsy lavo tao anaty fandrika.
    Raha ny tokony ho izy zao, raha nangataka ny hametrahan’ireo minisitra roa ireo fialana Beriziky,raha tena te hanao pression @Rajoelina, ka tsy nahazo, defa tokony nametra-pialana koa izy. Fa mamy de mamy oa io seza io, fa na de Ravalo milliardaire iny aza ane mbola malahelo seza be e! drogue io zay latsaka ao de tsy afa-miala! jereo anie ty fatin’olona efa ho 5000 arivo atsy Syrie e! Aza manantena ny namanareo efa mamon’ny drogue intsony ry Njara a! efa noteneniko anie ianao tany aloha tany momba an-dry Naika de tsy mino ahy foana e! politika io ry Zalahy a! haute politque! lainga no betsaka. Wait and see.
    Mba tiako hanaovanao komantera ry GK io fomba fijeriko io, fa Rabe tsy mba miteniteny foana izany!

  8. « Trop de democratie – tue la democratie ! Tena tsy mety intsony ka ! Antenaina fa tsy hihaona intsony amin’i rabe r’i Babyfoot, r’i GBD, r’i Ho Aiza a qui je souhaite ardemment
    MERRY CHRISTMAS !
    Efa hitanareo ny mety hihaonana sans pretention aucune e !

  9. Njara a! tena toran’ny hehy be za, tena marina e! milay be le sary miravaka sotro be de be! mino aho , fa samy mbola mitrongy vao homana isika roalahy, fa tsy matavy be otran-dRangahy io! Rabe fo sportif, tsy mba mpanao lolom-po izany. Tsara r’ise dieny izao, mianatra ny mahazaka demokrasia izany, ary tsisy tsy azo toherina izany raha mbola samy hevitra no entina, fa aza kivy! Mapianatra antsika ihany koa hiomana @ fitantanana ny raharaham-pirenena rahampitso, fa ny tsy fitoviana androany, mety ho fanohitra ho entintsika miara-miatrika ny ho avy. Mba diniho ihany anefa zay ambaran’olona f’aza mora kivy na misendaotra, fa isika izao tsy mijanona fotsiny ho mpanohana olona fa mba handray ny andraikiny manoloana ny adidy @ tanindrazany. DE MIRARY FETY SAMBATRA HO AN’NY REHETRA ETO! averiko fa Rabe tsy manam-pahavalo na iza na iza!

  10. Oadray Rabefahatahorana ampiako kely koa hoe Rabekonetaka satria efa torak’ovitra hatry ny omaly ka 24h après vao sahy niseho masoandro.Tsy niseho masoandro manko fa nivoaka alina toy ny Rapams e!
    Tena nahazo lesona mihitsy i lery ka. Mba misy sasantsany hain’i Rabefangalarantahaka mampiasa ihany ny termes fampiasako eto sy ny « Style Gasikely » dia mba hoatran’ny defa hoe ery ny anao lahy Rabezesta.
    Fa angaha moa tsy no-borquer-na indray ny fifandraisan’i Rabelelo jusqu’à l’infini tamin’i Gasikely?
    Izaho efa mba faly ery ka nanao anao hoe : « Veloma any amin’Andriamanitra any e!(ADIEU no tena tiako hotenenina Hihihi!)
    Kay i Rabemokony mbola te-hahazo sopapa kely amin’i Gasikely indray.
    Ity ary misy tsikera kely amin’ny mba analizy vongan-Drabelazao e!
    Milaza ianao fa drogue io toerana io ka iza izany izao no tena Drogué? Tsy ilay lelafinao hatramin’ny kirarony? Kay maty Rabegalona marina. Henjana i Gasikely an!
    Toy izany no style Gasikely rehefa manao analyse Rabevinany fa tsy mi-se contredire vendrana be toy ny anao a! Hitanao ny patte-ny?

    Amin’ny sisa dia ataovy sur Word aloha ny texte-nao dia diniho mandritry ny 24h vao ataovy copie-coller aseho an’i Gasikely aty amin’ny mydago fa tena mahamenatra be Rabedongerona fotsiny. (sopapa koa io)

    A+ indray anaka.

  11. tadiavinn’ny fat atelina ambongadiny ny omnis:hitanjaka ny movansy zafy noho ny ataon,ny ministra teo aloha,ny talen,ny radio ao andapa anadahin,ny tale jeneralin,ny omnis, ny saribakoly ministra vaovao,ny fampiasana ny tgv sy association fitia;mirehareha fatratra

  12. Gasikely;
    Nanasa anao aho hanao komantera ny analyse politique-ko etsy ambony, kanefa tsy novalianao, fa mitazona manaraka ny ramboko avy atao afara ianao, de tsy hamaly anao aho, fa mandany rora!satria, tsy de hitako manana raisonnement hoe manao ahoana ianao, tena tsy de ampy kely le fahaizana e!
    Be loatra ny estimes nao amiko ka tsy matinao lolo aho, ary za tsy nahalala anao velively, fa tonga ianao de nivatravatra avy ato afara. De hainao ihany le oe avy afara.
    Zavatra iray fotsiny no azoko havaly anao eto, de marina ny anao fa na de Rajoelina aza de voa-drogué n’ny seza, matoa izy mifikitra eo sy tsy afak’areo eo hatramin’izao! ka olona aty France aty ve r’ise hilelaka kiraron’olona izany a! mba mandiniha oa f’aza manao raisonnement n-jaza. Ie, raisinay sy entinay mi-rigolé, raha ireny ny sopapa omen-dramose « manam-pahaizana be ». Tsy mahita ve ianao fa mi-ridiculisé be ny tenanao, mametraka ny tenanao ho ambonin’ny rehetra eto kanefa ireny ny zavatra asehonao, raha tsy mahita afitsoka? aza mba sagnagna toy itony!
    Hainao ihany fa matoa eto misy ataky tous azimut na-dRabe, misy antony eo, de mba ataovy analyse kely raha olo-nianatra ise io valitenin’ny Njara io, de ho hitanao, hatraiza Rabe mi-raisonne izany.
    Matoa aho zay tsy mamaly anao, de tsy miresaka raharaham-pirenena ianao, fa raha mbola Rabe,Rabe niveau,niveau, mahay tsy mahay,ambany ambony, resaka mandany rora , fotsiny de any ambadika any aloha ianao. Mihevi-tena ho favy noho ny rehetra eto ianao, kanefa tsisy afitsoka! complexes de supériorité no betsaka! raha ny olona no mandoka tena fa tsy miandry ho dokafan’olona de voa izy zay, maika moa fa misy mpandoka zay: de e!e!e!. Raha ireny lesona omenao an’i KM ireny no atao hoe avy amin’olo-nianatra, defa nikatona daholo ny sekoly, ary tsy hitanao ve fa hi-ridiculisé-ko anao no ampiasaiko an’io Rabe(…), Rabe(…), fa olo-manompa ary eto hitanao tsara fa hihoemhezako fotsiny. Mahazo manampatra zay faraherinao @clavier nao anefa ianao, raha raha hanoratra Rabe+++++, fa ho reraka sy ho ridicule eo ihany.

  13. Rabediky. Mananaiky eto anatrehan’ny rehetra indray izany izao ianao fa devoly manan-drambo. LOOOOOZA FA LAVARAMBO marinaaaa!
    Tsy a la hauteur mihitsy hoa ianao ka mitady sopapa aty amin’i Gasikely ho etina hanaovana Rabezesta any ho any fa tsy mahazo mihitsy satria mailo i Gasikely fa fantany fa hoe olona tsy mendrika hintondra raisonnement avy amin’i Gasikely ity Rabevatanorona ity.
    Fa tsy Rabelainga ihany ve no efa nilaza ho ren-tany sy ho ren-danitra teto fa mandalo matetika eto dago noho ny asany? (nefa izy mpianatra amin’io an!)adinony sahady ny laingany satria fantatra indray koa izany izao fa tsy mpakaty izany izy fa mbola manao cours d’ingenieur hono e!
    Hehezin’ny akoho tokan’anaka ho azy eto ny laingany. Tena menatra aho marina mafy e!
    Olona inona koa ary tony e?
    Rabesigara? Mpihanikazo?

    A+ anaka

  14. Tena raha azoko @zay eto de tsy nandalo fampianarana ambony ianao andriamatoa Prosseur RABE+++++, io mantsy no mba hainao sy manao devinette ny fiainan-dRabe! Tsy ni-préparé, diplôme d’ingénieur koa ianao de tsy hitanao, hoe ahoana ny fomba ho enti-miomana ho @izany indrindra aty an-dafy aty! Rabe oa efa nolazaiko ombienimbeny teto fa zanak’Ambanitanana ni-demerda, mahay mi-jongle tsara @adim-piainana; ary mazava izany fa im-betsaka ianao no te hiditra @ vie privée ko fa tsy mahita rirany.De demontre-ko @nao fa na ny lalàna momba ny accès à la naturalisation française tsy hainao, zay no nilazanao fa manao double vies Rabe!
    Satria ianao mihevitra fa manambady gasy Rabe, any Mada, fa fanambadiany vazaha, no nahazoany an’izany. Io no tianao lazaina.Tena zaza saina nareo oa! kôzy e!
    Ny olona résident dimy taona na mihoatra, niasa ara-dalàna, nananao déclaration d’impôt, telotaona nifanesy, intégré tsara tsy voarohirohon’ny lalàna, mahay miteny Frantsay…de afaka mangataka izany koa! mbola misy fomba hafa koa otran’ny droit du sol…sns; ary raha vao niteny an’io ise de hitako hoe bandy tsy nivezivezy zany ty bandy ity ary nisy antony isika niresaka an’io, sao lazaina fa mizesta eto Rabe.

    Mbola averiko farany fa tsisy atao afa-tsy hitsikerakera an-dRabe fotsiny, na hoe, mafy io Rabe io, fa ndao mamoana @devinette2 eto, de miala! tsy vao ianao no niadiakao hevitra teto. Mba fantatrao ihany ny toeran’ny rambo ko! ANY AFARA, fa henjana aminao oa ny tenanay matoa araham-body eto ary notsongainareo manokana mihitsy, satria olona mi-raisonne tsara!
    Tsy mahita ve ise, na @fahadiovan’ny fanehoan-kevitra, ilaozan-dRabe any andakira! io ihany r’ise no ahitana ny valeur n’ny solaitra a! hitan’ise, fa hameno pejy be de be ise @ity prof RABE++++, tsisy azo hambara afatsy izay! tsy mahatezitra ahy velvely io, fa miridiculisé anareo tsy de ampiampy. Hadalana ny hifamaliana an’ise eto, fa hita ise, fa tsy afa-mitaha na @iray amin’ny namanao eto aza! de aleo adaboka @zay raha tsisy hambara momba ny raharaham-pirenena fa mi-dialogué @ Sagnagna!

  15. Krisimasy, fety sy andro masina ! Alin’i Kintanamanandrambo izao ! Kintana manondro ny toerana misy ny MPAMONJIN’NY VAHOAKA MALAGASY !!
    Any atsimotsimo any izy !!!

  16. Marina izany ry Kintana Mety efa eny an-dalana izay io Kintana io
    hitarika ny lalan’ireo Mpiandry omby. Enga anie!!!hiandry an’i dada.
    Tratry ny fety daholo ry Mpiara-mitolona isany !ny tompo homba antsika hatrany !
    Mino aho fa nanao fety sambatra daholo ianareo afa tsy izaho?MALAHELO AHO e!! tsy rariny e! mijaly ny vahoaka!!
    Aiza dadanay no mbola tsy tonga foana e!!

  17. Salut RAlavaramboBE,
    Ahitsin’i Gasikely eto daholo aloha ny fahadisoan’i Rabedonto hanaporofoana fa tena tsy a la hauteur mihitsy ity mpiamatra Donto kely ity :
    – ni-préparé diplôme > ni-préparer no fanoratra azy
    – miridiculisé > mi-ridiculiser no fanoratra azy
    Raha indray mandeha dia ataoko hoe faute de frappe fa tena tsy fahaizana mihitsy e!
    Hisy livre de mémoire handeha amin’izay laoniny ve raha ireo indices ireo no itarafana ny niveau n’i Donto? Tsy ampy solaitra mihitsy ianao anaka a!

    Tsy mbola afaka hanao politika izany ianao fa aza mitomany randrana tsy sahaza anao. MIANARA mafy aloha.

    A+ anaka

  18. Saika adino ilay hoe mi-dialogué > mi-dialoguer no fanoratra azy.
    Tena flagrant be ny fahadondrenan’ise anaka.

    Dia mazava vakiana fotsiny be koa fa tsy fantatr’i RalavaramboBe akory ny dikan’ny hoe « double vie ». Normal be aloha fa izao vao tena hita ny niveau-ny.
    Jereo any amin’ny dictionnaire mihitsy aloha ny dikan’io vao miresaka amin’i Gasikely e!

    A+ anaka

  19. Azavaiko tsara amin’i Rabedonto koa fa ny RAlavaramboBE dia mpilaza loza fa ny KintanaMananDrambo kosa Mpilaza Vaovao Mahafaly, fa sao mivily indray ny resaka.
    AOKA HAZAVA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *