Ny toky fitaka fa ny atao no hita…

Toy ny mahazatra dia nisy hatrany lahateny teny amin’ny Magro androany.

CT ZAFILAHY dia nilaza fa na dia tany ambaivohitra lavitra tany aza ny tenako dia manaraka ny raharaham-pirenena foana, indridnra ny ankolafy Ravalomanana. Efa niteny ny tenako hoy izy fa tsy hiditra ao anatin’ny fitondrana mihitsy. Nisy anefa hoy Zafilahy ny antso nataon’ny Filoha Ravalomanana ny tenako. Nilaza izy fa misy zavatra mampiahiahy ahy ka noho izany dia tsy maintsy miditra amin’io ialahy. Efa tsy nivaky loha tamin’io ny tenako hoy izy, porofon’izany ny tsy nanatrehako ny fanokafana ny fivoriana.Ankoatra zay dia namaly ny voalazan’ny Praiministra Beriziky ny tenany, ny amin’ny hoe tsy mbola fotoana hiverenan’ny Filoha Ravalomanana izao. Nampitandrina avy hatranyny Ct Zafilahy fa hihetsika izahay raha tsy tanterahana ny voalazan’ny tondrozotra.

Tsy mipatitaka izany ny ankolafy telo hoy izy, fa samy manana ny paikadiny fotsiny handresena an’i Rajoelina. Tsy tokony hifanaratsy izany isika, fa iaraka hatrany.

Matokisa ianareo vahoaka hoy Zafilahy fa voafehiany ireo mpikambana ao amin’ny Ct ireo

CST Ralaiseheno guy Maxime dia nilaza fa tanteraka ny paika voalohany raha tao amin’ny rafitra voalohany misy anay. Tsotra ny adihevitra hoy izy tsy maintsy miverina ny Filoha Ravalomanana, mivoaka ny gadra politika, misokatra ny radio nakatona. Efa mitovy amin’ny Cst izatsy sy aroa izahay izao, dikany hoy izy dia mitovy amin’ny manam-pahefana rehetra izao ka afaka mandray fahefana. Namafisiny fa aoka isika hanaraka ny fitsipika ary aoka hifampatoky.

Ny CST HANITRA RAZAFIMANANTSOA dia nanao tatitra ny fivoriana teny amin’ny lapan’Anosikely. Nivoaka ny efitrano fivoriana izahay mpikambana Cst ankolafy Ravalomanana hoy izy satria lalàna efa lany andro no nanatanterahana ny fifidianana. Tsy voahaja ny fiarahamitantana. Amin’ny mahara-dalàna antsika hoy hatrany izy dia nanapa-kevitra izahay fa hisitaka tao amin’io Cst io. Tsy handray anjara amin’ny fifidianana ao, ary tsy hakatoa ny ratification ihany koa. Tsy ny seza no mahamaika anay ho ao hoy izy fa ny antsika dia mazava fa ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, ny famoahana ny gadra politika, fisokafan’ny radio nakatona. Tsy ilaina sonian’ny parlemantera ary tsy ilana aministie ny famoahana ireo gadra politikaireo hoy izy.

CST RAKOTOAMBOA JEAN LOUIS

Ny dingana diavintsika hoy izy dia fitadiavana apaisement politika, sosialy. Tsy tanteraka anefa ireo raha tsy mitovy ny fahefana ao anatin’io governemanta io. Mitady hanao quota atsy sy aroa Rajoelina hoy izy. Raha mitady hibilabila Rajoelina dia ho avy isika amin’ny fampikatsoana ireo ministera isan-karazany. Raha te hampajaka ny hevintsika isika hoy Rakotoamboa dia tsy maintsy miara miasa ny ankolafy telo, ary tsy maintsy miaraka mitantana.


15 pensées sur “Ny toky fitaka fa ny atao no hita…”

  1. Na inona hataonareo mouvance ,na président i Rakotoarivelo ,na hiDongy ny cst ,ireo ministra @ ministera tsy misy heriny .
    dia NY PARADIN I RAJOELINA DIA IZY NO MARO AN ISA AO @ CT ,AO @ GVT IZY NO MANANA NY POSTE CLE . »il a dit un jour qu il n’est plus nul que RAVALOMANANA .Mais le constat veut apparaitre que toute la mouvance Ravalomanana est plus nulle que RAJOELINA .

  2. IO rajoelina efa lasa nivoaka any ampita anie tokony tonga dia tairina izay hatao na rodobe na fanakatsoana ny machine administrative ary handefasana Notam ihany koa izy.

    mbola matahotra azy ve ka tsy mahasahy mihnejana rehefa tsy eo izy, Inona koa no ihainoinareo izay fanapahan-keviny sy izay tiany hatao.

    Sakano rajoelina aza avela hiditra, arodany ny gouvernemanta sy parlemanta

  3. Eny oa ry LEHIMAHIRATRA I RA8 ge ny solution é! Tokony manao Forcing izy DIA NY VAHAOKA NO MIARO AZY ,nareo mouvance ra8 kosa tokony ba nanazava vo nadha tany ,izao tsy hitanle vahaoka madinika ntsony zay harahina ,tena fanina daholo ny vahoaka ,tokony hidina nadalambe amizay ary tsy avela hiditra aty Mcara ntsony RADOMELINA na haka APPUI ny firenedehibe toy Amerika nareo otrandradomelina naka appui ny frantsafrika fa io miahanahana lava io ,vo notendrena Beriziky d hita fa misy zavatra hafahafa ,dia bola niditra iany nareo ,ndao hatao hoe nitsikilo dia efa hita zay fa MBA AMPY NY FAHORIAN ‘NY VAHOKA JERENA MILA ANaREO RIZAREO HIDINA ANDALAMBE , teneninareo ny UE sy ny CI fa ampy zay fa hidina andalambe amizay nareo sy ny vahaoka ,dia hasaina miverina ny Amnesty international ,efa ela ge ny olona no nandre fa ny fidinana andalambe no tsy ampy eto Mcar satria tsisy mpitarika ,raha hikabary lava eo ami Magro nareo dia tsy handroso miintsy fa eto isika na zato taona aza fanoharana.Ary marina ge zany mimenomenona nefa tsisy mitarika le vahoka @ fidinana andalambe ! Izahay aloa vonona é! zany hoe mila mifamotoana daolo ny 3 mouvances dia midina fa tsy hatao kitoatoa koa aloa é! Ary raha hilaina aza asaina mandefa miaramila ny sadec hanampy ny vahoka ,tsy maintsy misy miaramila gasy hanampy ao é! tsy hahaleo ny vahoka nynbasindreo fa halaina eny antanany raha hilaina !B e vava fotsiny reo faty reo fa be noho ny vitsy ,ho aiza eo anefa reo!!!

  4. 13h30 – ANDRY RAJOELINA A PARIS : les partisans de la mouvance Ravalomanana prévoient de tenir demain une manifestation à Paris, lors de l’entrevue du président de la HAT avec le président français Nicolas Sarkozy.
    Date : 07/12/11

    Il faudrait préciser l’heure et l’endroit s’ils se revoient demain.Quelqu’un pourrait apporter ces précisions?

  5. Nanaraka tsara ny sori-dalana nomen’ny Filoha RAVALOMANANA MARC azy ny mouvance ,ka niditra ao amin’ireo andri-pahafana ireo mpikambana voatondro hanantanteraka izany ary
    hiala raha toa ka tsy manaraka ny « consensualité , ny inclusivité ,ny neutralité ary ny fanajana ny mizana tsy mitongilana ,fa miezaka mitady ny mizana marin-danja , ka tovy foana ny lanja (isa)ny mpanohitra sy ny mpanongam-panjakana ( mizana marina sy équilibré !)..
    Ny bainga voavadika no hitsaran’ny Vahoaka azy ireo fa tsy ny teny poak’aty tsy arahan’asa..
    Toa ny tranga niantefa tamin’i Zafy izay maika dia maika nanolotra an’i Beriziky ho praiminisitra , nefa tsy nampiseho fankasitrana mba ho fisaorana an ‘ i Zafy ,izay tena nandrora nitsilany…! Sa kosa tetika nifanarahana iny fanendrena an’i Beriziky , izay nanao fanambarana roa mifanohitra :
    –« Nytondro zotra no lehibe-ako  » ,pzany hoe ny fanantaterahana ny tondro zotra no imasoany !
    — » mbola misy fepetra manakana ny fodian’ny Pdt Ravalomanana Marc « ..
    Ny tondro zotra izay lehiben’i Berziky araka ny nambarany DIA MILAZA FA TSY MODY ANTANINDRAZANA TSY MISY FEPETRA NY ILOHA !

    Aiza re izany é !
    KA IO FANOVANA IZAY LAZAIN’NY ANDINY FAHA-20 IO , ARY NOHO IZANY NY TSY FAMPIARANA AZY ,VE NO ANTONY NANENDRENA AN ‘ I BERIZIKY IZAY TSY HANANTANTERAKA NY TAOTALIBEN ‘IZAY VOALAZA SY VOASORATRA AO AMIN ‘NY ANDININY FAHA-20 ARY NY TANJONA DIA NY FANATARANA NY FODIAN’ NY FILOHA NA NY TSY FAMPODIANA
    AZY MIHINTSY…!
    ETO DIA MARINA FA NY AHIAHY TSY IHAVANANA..ARY NY TOKY FITAKA
    RAHA TSY MISY BAINGA MIVADIKA..FA HO ROA ERINANDRO IZAO BERIZIKY NO PRAIMINISITRA…!

    TSY MBOLA HITA IZAY NAFITSONY !

  6. Izao izany ilay hoe « mety amin-tsika io », lazainareo isan’andro ry zalahy !
    Lasa Filohan’ny CT i Mamy ary koa raha dinihina ny isanareo « mpanohitra » izay azo lazaina hoe angamba 1/5e raha hoarina amin’ireo mpanongana, tsy mba gaga ihany ve ianareo hoe mety ho fitaka ny fanendrena an’i Mamy ho eo amin’izany toerana izany ?
    Mety aminareo io ry zalahy fa tsy mety amin’ny vahoaka an !
    Ny tena olana dia ity ianareo tsy mety manaraka ny torimarika sy baiko nomen’ny prezidà ity foana !
    Izao indray lazainareo fa samy manana paik’adiny ny ankolafy telo.
    Aza adinonareo fa olona nianatra Mathématiques i deba, ary tsy dia voatery hoe nandalina an’izany, vao mahafantatra an’izany hoe « vecteurs concourants et leur résultante » !
    Mifanohitra ny paikanareo matoa  » manao sur place » lava izao ny hetsika ataonareo !

    Mampieritreritra izao ataonareo izao, ary miala tsiny amin’ireto namana aho, fa dia nandiso fanantenana ny zavatra voalaza omaly, sy ny tranga tena niseho tany an-tanàna !
    Madagascar tsy Bollywood na Baolyvod. ê ! Aza ampiesoninareo amin’ity pôlifikanareo ity ny vahaoka !

  7. O ry Bako sy Dokotera ary Lemahiratra a! AZA MANDREVIREVY INTSONY OA! tsy mahita ve nareo fa zay lazainareo eto de revirevy sisa no betsaka!
    Ahoana ndray ary ny hanaovanareo commentaire ity tenin’i Mamy Rakotoarivelo ity: « AVELAKO ENY AMBARAVARANA ALOHA NY MAHA MOUV RAVALO AHY FA NY HANATSARANA ITY ANDRIMPANJAKANA ITY IZAO NO MAHAMAIKA AHY ». Tsy hitanao ve fa tampina ny daomy ry KM matematisiana be! efa ela ise ry KM no diso calcul, na be calcul, de iaozan’ny fotoana nandeha, raha tena nilay zao de iny rendez-vous Sarko-Rajoelina t@ 17 h omaly iny mitsy no nanao manif teo @ vavahadin’ny Palais de l’Elysée. Hiadry an’i Sarko hiteny hoe,aza matahotra mr le président, fa vonona hanao avocat anao la France, zay vao hanao manif androany! de aza mba sagnagna ihany oa!

  8. rabe..kely..

    Tano ho anao ny hevitrao.Izaho aloha tsy mahatakatra ny hevitrao ka tsy mila mamaky loha aho handinika izany !
    Ary tsy dia ilaiko anao manonona na manoratra ny anarako..!

  9. Tiako be le pseudo ko Rabe nasianao KELY, kanefa tsy takatrao ny heviny. Za aloha tsy maintsy manonona ny anaranao, raha vao misy fanamarihako manokana ny hevitrao. Raha tsy izany ianao, tsy mahatanty demokrasia, ary zany aza indraindray no hanampiako kely ny anaranao hoe Fopla, fa na ny fanoratrao aza de ahitako an’izay. Malaza ho tolérant ny dokotera, fa angamba tsy de mbola nisy zavatra goavana mbola nahatezitra lazaiko eto, ary tsy ampahafirin’ny attaque mahazo ny tena eto zany « RADOKO » a! fa amiko ianao olona tsy mahatanty dialogue, na débat, fa raha vao voakina de mandroatra! saika izany avokoa moa nareo eto ka de tsy atao mahagaga! raha misy tsy mahafaly moa, tany tandalàna la France ity, azonao atao tsara ny mitory, fa mora karohana io adresse e-mail ko io! sa ahoana Radoko? Rabe toujours près!

  10. Kintana !manohana ny hevitrao aho fa ny tena mahazendana ahy dia ny FOZA no maro isa ao nefa dia Mamy R no nolaniandry zareo???????hafahafa ihany???moramoraina be ilay zavatra raha ny fahitako
    azy manokana aloha e!!PETATOKO be ilay izy ary tsy
    haiko na MIESONA na MISY TETIKA hafa ao.Ny tena
    mampanahy ahy dia toa TERENA fotsiny ilay izy nefa efa hita fa tsy MAHOMBY fa FENO FITAKA isaky ny mandeha izao.

  11. Miarahaba antsika,

    Politika no atao, io dia fitantanana ny firenena, ao tsy maintsy misy adihevitra sy adivarotra ary fifanarahana.
    Mety mihintsy amiko izao ady atao amin’ny tsy fahamarinana sy ny fanitsakitsahana ny vahoaka Malagasy izao, miady avy ao anatiny sy ety ivelany.
    Aoka tsy hisaratsaraka isika, fa resin’ireo fahavalom-pirenena izay naomotika ny tanindrazana nanomboka ny taona 2009 isika raha izay.

  12. ranavalona,
    Deal nataon’i domelina sy satanie, ary i mamy io, ka tsy misy mahagaga !!!
    Mby aiza ity fitiavan-tanindrazana ? Tsy ao ê !
    Ny iray maika omena an’ilay tira satria mafy taminy laotra ilay nahazo azy tany New York, satria mbola tsy nisy nahazo an’izany sankalite izany tany, raha tsy ilay domelina io !
    Ny faharoa, manao izay anjakan’ny frantsay ao M/car, hanome asa sy vola an’ireo sociétés frantsay izay nitaraina tany amin’i Sarkozy ! Ireo no nahatonga an’i domelina nahazo an’ilay vola ho zaraina any amin’ny bakart hoy ilay andevolahy izay tsy hita intsony tato ato ! Mety ilay rabe ihany izy iny !
    Ny fahatelo dia namadika tsotra izao, mba ho atao filohan’ny CT !
    Mafy ity fitadiavana toerana filoha ity !
    Atramin’izao aloha dia filous daholo, ankaotry ny prezidà Ravalomanana !
    Ny foza gasy ihany no mahita sokera ho boribory, satria izay no lazain’ny menasofina !
    Miverina ny oui misié !

  13. Dia ho aiza isika ity e? ho taritina ho aiza? Mamy .R efa ela no efa nisababaka ka tsy dia
    mahagaga ahy loatra, aleo fa ho hita eo ary izany maha filoha azy izany ,fa saingy fatiantoka
    be raha io no takalon’ilay seza PM nifanarahanynanaovany ilay sonia fa domelina no ho filoha,mety nanindry saosy kosa
    angaha lery kah!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *