24 pensées sur “Ny vahoaka eo foana e ! (03 des 11)”

  1. Eo foana ny vahoaka na oram-be mikija, na hafanàna migaingaina, na hatsiaka mamirifiry !
    Misaotra anareo rehetra nahatanty an’izany rehetra izany, satria tsy resahina intsony ny dian-tongotra na ny vola lany amin’ny saran-dalana, na koa ny kibo zara raha nisy sakafo !
    Efa ho telo taona izao no nanoherana an’izao fanonganam-panjakàna tsy azo ekena, niteraka loza amin’atambo ho an’ny Firenena sy ny vahoaka malagasy izao !
    Indrisy, noho ny fitiavan-tena avy amin’ireo mpiray tanin-drazana izay tsy nisaina, fa dia entin’ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola fotsiny, dia ho amelarana tapia mena sy homena voninahitra tsy misy toy izany ny jiolahy ato ato !
    Ka fanontaniana mba apetrako aminareo izay mbola tsy tonga saina ihany, fa dia fanitsakitsahina ny ZON’NY VAHOAKA MALAGASY IZAO ATAON’NY FRANTSAY IZAO, MBOLA HO EKEN-TSIKA FOANA VE IZANY NA DIA MIJALY FADIRANOVANA AZA NY HAVANA SY NY MPIRAY TANINDRAZANA REHETRA ?
    Eny mety efa mieritreritra ny « dindes au marrons sy ny foie gras » sy ny « alim-pandihizana samihafa » satria hifarana ny taona ianareo, fa mba tsaroinareo ve ireo havana rehetra mijaly any an-tanindrazana, satria LAVITRY NY MASO, LAVITRY NY FO SY NY SAINA ?
    Aiza daholo ianareo « GTT REHETRA » ? Aiza ianareo tonga maro teny Bastille tamin’ny volana mey 2009 haneho ny falahelovanareo an’io Tanindrazan-tsika io, ary tsy fankasitrahinareo an’izao fanaovana tsinontsinona ny MALAGASY izao ? Ho raisin’ny Filoha frantsay amin’ny FOMBA MANETRIKETRIKA HONO NY MPANONGAM-PANJAKA !
    Jereo ao amin’ny pejy fandraisan’ny Lapan’ny frantsay !
    Amin’ny alarobia 7 déc. amin’ny 5 ora hariva hono izany FANDRAISANA IZANY !!!
    Rehefa tsy hietsika amin’izao dia tokony foanana amin’izay NY TOLONA, ary aoka hanjakazaka ny mpangalatra sy ny dahalo rehetra !
    Tsy tokony hisy himenomenona intsony !
    NY TONDROZOTRA TSY TANTERAKA, KANEFA NY SASANY MANOHY NY ASA RATSINY ; KOA DIA SAMY MANDEHA, SAMY MITADY ARY SAMY MIARO NY « RAMBONY » TSY HO TAPAKA VE SISA IZANY ?
    NY NENINA TSY EO ALOHA HANANATRA, FA AO ARIANA HANDATSA !! DIENY MBOLA TSY TARA REY OLONA Â !!
    NY TERA-TANY MALAGASY ATY IVELANY NO MBA HIANTEHERAN’IREO MPIRAY TANINDRAZANA MAHANTRA SY FADIRANOVANA IREO RE Ê ! MBA JEREO AMIN’NY FITARATRA NY ENDRIKAO, ARY TOKONY SAMY MBA MANDINI-TENA, ARY ATAO AO AN-TSAINA IREO MATY REHETRA, NA TAMIN’NY VOLANA JANOARY , FEBROARY 2009, SY IREO MATY REHETRA ARY ISAN’ANDRO ATRAMIN’IZAY, SATRIA TSY MISY INTSONY NY FANDRIAMPAHALEMANA !!

  2. TSY HANAIKY NY LAINGA AFAFIN’IREO FAHAVALOM-PIRENENA MISY KOA IREO MPISANDOKA MODY MANOHANA NY FILOHA NEFA TETIKA MAIZINA BE TSIKERANA DAHOLO NY MPITARIKA REHETRA FA MPAMADIKA NOTERENA NY FILOHA HANAIKY ASA RA MBA MISY OLONA HO VOASARIK’IZANY HEVITRA MALOTO IZANY NY NANAOVANA NY TOLONA SY NY HANOHIZANA AZY DIA TSY HITADIAVAN-JEZA NA VONINAHITRA FA HO AN’NY TANINDRAZANA
    NY FILOHA RAVALOMANANA IHANY NO MANOME BAIKO KA MAMPIDITRA NA MANALA IZAY MPIKAMBANA AO AMIN’IO GOUVERNEMENT IO ANKOATR’IZAY RESAKA FOZA

  3. Aoka isika hatoky ary tsy hiala @ Atra na dia mafy sy mangidy aza ny manjo antsika Malagasy, tian’Atra isika loatra isika nefa mbola misy zavatra tadiaviny amintsika.

  4. Sao dia misy azo atao amin’ny io alarobia 7 desambra io ohatra karazana sit-in na dia miala kely ny lapa aza mba ho hitan’i Domelina ny banderoles entina eny.Mba soso-kevitra ny ahy.

  5. ny diplomasia frantsay no mandresy atramin izao ,@7 desambara @ 5 ora hariva Rajoelina no ho raisin i Sarkozy ilay mpiraitsikombakomba t@ ny 26 janvier 2009 sy ny sisa.

  6. Aza matahotra fa na tapis vert na tapis rouge tsy mankaiza io é! tsy maazo reconnaissance izy fa reraka eo fotsiny ,tokony hidina andalambe @ zay ny vahaoka ,ny GTT ge ka nifindra any Suisse é! ny siège ,kely sisa dia hiala io Nain mpihatsaravelatsihy io é! na halaza @ Angela MERKEL GE ILAY NAIN IO DIA EFA MIFEZAKA é! ndraso fa lazAina @ io RTOA FA INGAHY NAIN DIA HANDRAY ANDRADOMELINA SADY MITADY HANOME VOLABE ANDRADOMELINA FA TSISY KRIZY ZANY ETO FA HAMPIESONINY DAOLO NY MENASOFINA io ge olona crapule é! handaigany ny menasofina fa tsy ho lany ntsony io @ Mai e! ra tsy hangalambato !Hamporisihina ny GTT hanoratra an’io Rtoa io dia ho hitanareo fa hihemotra gahy Nain !Dia tokony hano pétition eny @ ONU koa na eny @ Ambassade ny Frantsa any Allemagne GTT ?HAMPAHAlalana izao tontolo zao fa ry menasofina no mpamatsy vola sy mpanome fitaovana ny miaramila Malagasy ary mpitavana ny haren’ny MALAGASY mandritry ny krizindradomelina ,hagatahana ny sazy é! sazy ny tsirairay fa tsy ekonomika fa ny vahoaka no mijaly ! Zay olona niditra ao @ gouvernEment ny BEkrizy tsy tokony ekena ntsony ho any MAGRO ,tokony ho toraMbato RAHA BOLA SAHA MISEO MASOANDRO ANY ,aza manaiky hataondreo TIA SEZA ry vahaoka ny MAGRO a! Moy mivazavaza eny MAGRO IZY HOE RADOMELINA LAVA SANGA NEFA LASA MIARAKA SY MISOLELAKA AMIDRADOMELINA ?NY SEZA SY VOLA no mahafaty azy !

  7. Alarobia ny 7 déc., noho izany dia betsaka ny tsy ho afaka. Mifanojo ny eritreritsao sy ny ahy.
    Tsy misy afa-tsy pétition mahery vaika, ary haingana dia haingana sisa no mbola azo atoa manomboka rahampitso, satria dia tsy rariny laotra izao !
    Jereo fa mbola be vava indray ilay kely saina io satria hoe ho raisin’i ngome !
    Fiandranam-pirenena sy zon’ny vahoaka malagasy ve dia tena lasa toy ny papiezenika ? Voavidin’izay manambola ( ny tsy mahatakatra dia gazety na ravin-kazo ) ?
    Alefaso ny pétition sy izay adiresy mety andefasan’azy ry zareo â !
    Mangataka anao koa izahay r’Ingahy Filoha Ravalomanana, mba haneho izay tena tokony ataon’ireo nandray andraikitra ao anatin’io governemanta sandoka io, satria hita mibaribary izao fa TSY HO TANTERAKA IZANY ILAY TONDROZOTRA !

  8. Tsy hitako intsony izay tenenina aminireto VAHOAKA tonga saina ireto, antsoina alina tonga, antsoina atoandro tonga, ary hita mihitsy ny fitiavany an’i PREZIDA MARC RAVALOMANANA sy ny TANINDRAZANY.Aza matahotra hianareo fa ho potika haotrany SIRA ireo ato ato.Ny fantatrireo dia hanameloka foana an’i PREZIDA RAVALOMANANA fa aza taitra hianareo fa tsy ho ela dia ho potika mitovy aminireny TAVOAHNAGY mianjera aminy tany ireny ireo.DIA MISAOTRA ANAREO REHETRA IREO, IZAY TONGA MARO BE MIHITSY TAO AMINY MAGRO, HITA MIHITSY FA MBOLA AO AMINAREO NY TSY FAHAKIVIANA.ho ela VELONA anie ny MPITOLONA rehetra manohana an’i prezida RAVALOMANANA ary MATESA ANIE ny MPAMADIKA REHETRA SY ireo MPANONGAMPANJAKANA.ARY HO ELA VELONA ANIE NY PREZIDA RAVALOMANANA MARC.

  9. tsy ny gtt irery ihany fa raha marina io 7 dec io dia ny diaspora rehetra eran »izao tontolo izao amin’io andro io dia tokony hampiseho eo anoloan’ny ambassade frantsa daholo, indrindra ny malagasy eto madagasikara

  10. Tadidio fa izay misaraka fasika, izay mitambatra vato; ary ao koa ilay hoe : zarazarao hanjakana; zava misy ankehitriny ireo. Tsy dia mino loatra aho hoe ho tonga tsy hisy olana i Ravalomanana mba tsy hilazako hoe tsy ho avy haingana raha tsy hoe aorian’ny fifidianana prezida angaha, tsy manakivy aho fa izay no zava-misy ankehitriny. Afaka tonga isan’andro foana eny Magro ange ny olona fa ny mahakivy dia toa lany fotoana fotsiny ireo olona aloha hatramin’izao fa tsy nohenoin’ny presida HAT mihitsy hatramin’izao. Ny trois mouvances aza voafitaka dia nanaika mora foana ny hiditra ao amin’ny governemanta Berzika mba tsy hilazana hoe governemanta an’i Andry Rajoelina sy ny HAT. Inona no atao ? hanaika foana toa izao ve ? Handrevy foana toa izao ve ?

  11. jereo ireo olona ireo VENDRANA sy ny tariny ampahany ireo ka mafy ielahisany hoe hanagadra RAVALO ra tonga eto aminy izy ny any aminy faritany tsy mbola hitany ireo adala raitrano ireo miandy fotsiny sisa

  12. Entanina ny manodidina, ny mpiara-miasa, ny manodidina, ny havana aman-tsakaiza na eto ampovoan-tany na any lavitra rehetra :
    1. ny vehivavy
    2. tanora
    3. ny tantsaha
    – 80% ny mponina malagasy
    – notsinjovin’i prézida ra8 fony izy teo @ fitondràna

    4. ny any @ faritra rehetra tratra antso sy manana moyen

    HIOMANA amin’ny FITSENANA AN’I DADA !

  13. Eto foana isika vahoaka an,

    Avelandry zareo miady an-trano isika samy isika,
    i andry Rajoelina sy ny éléments tsy maty voalavo ankibo sy mahita tsirony tsy te-hiala eo sns… tsy mandany ary TSY ANDANY fotoana @ izay malgacho-malgache ê ==>

    dia io zany ny « épéé de Damoclès pendue au-dessus de nos têtes » voalazan’ny namana rehetra eo ambony io ê

    ALORS,
    faut une équipe interne et externe (au pays) pour informer, vulgariser, manifester, afin de CONTRECARRER cette iè tentative à deux doigts de réalisation des putshistes.

    FRANCE (AfriquePourFrance) –
    SUISSE –
    Comité de l’Océan Indien (COI)

    AMIDIN’I ANDRY RAJOELINA AMBOGADINY amin’ny TUTRICEny FRANCE (tsy ny firenena profiteurs rehetra) i MADAGASIKARA.

    Toejavatra izay hamafisin’ity serasera ity:

    http://rovahiga.over-blog.com/

  14. correction: firenena profiteurs rehetra

    __

    meteza samy mamaky sy manaraka mba haharaka
    ny poliFIKA tenace de la FrancAfrique (France – Suisse – COI – …)

  15. Eo aloha ihanareo fa mbola hitolona kely ! Hamonjy fotoana hiaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy izay hiaran’ny tsy rariny koa !

  16. KM sns….

    tsenao eny amin´ny aeroport izay ahatomgavany aloha dia alao baraka hoe : putsch na assassins …

    tahaka ny nitsenanan aní ratsiraka sy sophie tamin´ny 2002.

  17. Tsy hanao lala-poza izy??ohatra ilay nahazo an’i Mialy no tena manja Zalah!!!
    Inona fa tena teti-dratsy io matoa tsy sahin’i Sarko HAMPITAINA fa efa mailo koa
    i lery fa EFA MAIMBO e!!dia aleona hantsoina mivantana i domelina.Tetika maizina mihintsy io fa tsy maintsy MAILO
    daholo isika.
    Tena marina tokoa henoko fa tena misy fanenjehana MIVANTANA mihintsy @’ireo GTT ry zareo a !ny ao frantsa io .
    Mankahery anareo e! aza kivy fa mbola misy ny azo hatao dia ny « MIVAVAKA ».

  18. Lasa ny train ry zareo tsy azo tohanina intsony averiko indray fa I Zafy no nampihesona anareo rehetra dia mikopaka mosara ry dada fa tavela any Atsimotsimo any ianao. Maranitra kosa aloha ilay DJ fa tena ambakainy daholo ry dadabe isany.My frantsay ity efa maika ery hanao reconnaissance an’i Andry kely saribakoliny ange io e..tsy misy azo atao intsony fa dia fivavahana atao be dia be.

  19. Eto ,mbola eto, ary mbola ho eto izahay vahoaka somary efa difotry ny fahantrana sy ny harerahan noho ny krizy izay novolena ka hampahantra ny vahoaka MALAGASY.
    Rehefa mahantra dia tsipazana fotsimbary dia faly ary manantena ny ma

  20. izahay no vahoaka fa tsy ireo olom-bitsy izay azo lazaina fa andian’olona ireo e!!!!! aza misandoka anarana fa matoa vitsy ny mpanaraka anareo ary manantona ao anaty fitondrana ny mpitarika anreo rehetra dia fantany fa ny fiarahana amin’i Rajoelina ao anaty Tetezamita no fahendrena fa tsy ny fitaninana andro tsy hamokatra ao amin’ny magro akory!!!! firy taona izay tsy nihoatra ny olona 500-1000 raha be indrindra faran’zé betsaka ianareo???? aiz ze ol manaraka anareo any amin’ny faritany??? ireo izay any ivelany any an-dafy variana miosanosana mihinana ny Euros-n’ny Frantsay ka tsy sahy manao bevava sy manao fihetsiketsehana intsony!!! tsy mahafantatra izay tena marina koa fa fahanan’ny internet sy ireo olona eo amin’ny magro lainga fotsiny!!! veloma fa lasa ny Firenena malagasy tarihin-dRajoelina!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *