NY ZAVAMISY AO AMIN’NY FOLOALINDAHY

FA2010

Gaboraraka, tantely afadrakotra, fanjakan’ny Baroa, izay no azo hilazana ny zavamisy ao amin’ny tafika Malagasy ankehitriny.

Tamin’ ireny zava niseho tamin’ny taona 2009 ireny  dia nisy rivo-piovana koa tao amin’ny Folohalindahy, ka nahongana tamin’ny hery sy ny basy  ny lehiben’ny Etamazaora tamin’izany fotoan’andro izany.Nanomboka teo ka mandrak’anio   dia ireo miaramila mpioko no tompon’ny fibaikoana sy ny fahefana, mandidy sy manapaka ny sehatry ny Foloalindahy Malagasy.

Maro no mahatsapa ireo mpandinika anatiny ao amin’ny miaramila fa samy manao izay saim-pantany ireo lehibe nandrombaka fahefana.Miray feo izy ireo rehefa misy manohintohina ny fahefany sy ny fihinanany .Fa kosa ny fitantanana ao anatiny dia samy lehibe amin’ny toerany, samy manao izay maha diavolana ny fony, ary noraisin’izy ireo ho fananany manokana ny Tafika Malagasy.Ny tranga ambara manaraka etoana dia manamporofo izany :

Ankoatr’izay nalainy ho azy manokana , dia ataon’izy ireo varoboba ny fiara ny tany ny trano ary fitaovana  maro karazana izay azo ampiasaina sy mandeha.

Ny karaman’ny miaramila hoe, dia misy ampahany alaindry zareo izay iarahany mizara amin’ny ministeran’ny vola.

Nahazo laka ny risoriso na amin’ny fiakarana galona izany na ny fandehanana manao  fiofanana ary vola be isan’olna no alainy amin’izany  (5000000 fmg )ny mora indrindra.Ankehitriny, maro ireo miaka midina ao Andohalo nandoa vola nefa tsy voaray ho miaramila raikitra.Zavamisy izany ary misy sahy mijoro ho porofo amin’ny fotoana ilana azy.

Ny tsy fanajana ny laharamboninahitra sy ny ambaratongam-pahefana eo amin’ny sehatry ny asa moa dia mampiteny ny maona fa nataon’ireo mpanongampanjakana ampihimamba ny toerana rehetra .Vokany maro ireo miaramila indrindra ny manamboninahitra no tsy an’asa nefa mandray karama,izay mifampiantso  hoe “Officier de Madagascar” ka ny galona kolonely no tena maro an’isa ka nafohezina ho “CST”na (Colonel sans travail) no hifampiantsoany rehefa mifanala.

Voalaza ary re mazana amin’ireo miaramila mpanatanteraka fa tambazan’ Ambohitsirohitra vola be ny lehibe rehefa mafanafana ny raharaha, ka ny tena lehibe indrindra hono dia ny raharaha BANI ,ary mbola mitohy izany ankehitriny,fa hoe mahazo 100 000fmg isa miaramila ny Rezimanta iray rehefa “consigné” ny” camp” nefa tsy tonga any amin’ ireo miaramila izany vola izany.

Noho ny fivoaran’ny toe -draharaha  dia iarahana mahita fa, tsy nanao fanambarana intsony ry zareo indrindra ny mikasika ny fiverenan’andriamatoa Ravalomanana Marc ,  araka ny feo mande dia ny “Premier Ministre” no anaovan’izy ireo ramatahora mba hanakanana ny fihavian’ny filoha teo aloha,sy tsy hamoaka didy hanafaka ireo miaramila migadra any Tsiafahy sy any Antanimora.

Ankehitiny dia hoe mikotrika ny hanao ”Directoire Militaire” ry zareo nefa tsy misy mpanaraka, ary misy aza  ny  milaza fa, tsy mitovy hevitra intsony ny samy lehibe mpandrombaka fahefana.

Telo taona izay no lasa, nahavita villa, nahazo fiara raitra, mampianajanaka any ivelany,manangana orin’asa ,nefa mbola tsy afampo fa mamikotra mafy manohana ny zavabita dia ny fanjakana Andry Radomelina.Ny fifanarahana ara-politika ankehitriny dia mitondra ny firenena mande amin’ny ara-dalana ka dia sahirantsaina tokoa izy reo hatramin’izay naha teo ny Premier Ministre avy amin’ny antoko mpanohitra izay.Inona no ataony raha tonga I Dada, raha mivaoka ireo miramila nogadrainy ?.Ny mamplahelo dia very hasina ny foloalindahy,vahaolana tokony atao malaky ny fanaovana “assise militaire” vaovao fa marary ny foloalindahy.Ny tantara dia mitohy,ny tafika hitoetra fa ny mpanao politika mandalo,koa samia velon’aina.

 


42 pensées sur “NY ZAVAMISY AO AMIN’NY FOLOALINDAHY”

  1. Voici un extrait relevé de ce que Sapa vient de nous partager tout à l’heure:

    tena AMBAVA HOMANA AM-PO MIHEROTRA itony resak’i ChaTAYgNEZ itony an

    ***__***

    No Sanctions, Elections Instead
    ———— —————–
    2. (SBU) The French Ambassador, accompanied by three colleagues,
    hosted the U.S. Ambassador and three colleagues at a working lunch
    to discuss MADAGASCar’s political crisis Feb 23. The French
    Ambassador questioned the utility of sanctions targeting the HAT,
    arguing that they wouldn’t help solve the crisis, but may rather
    produce a counter-productive nationalist surge that reinforced TGV.
    He argued that 85 percent of the Malagasy population who are
    apolitical should not be punished by further economic deterioration
    due to the FAILURES OF A FEW POLITICIANS!!!!.
    He reiterated their belief that rapid elections, and the avoidance of a Cote d’Ivoire
    scenario, were the best, practical option for ending the crisis, and
    STATED CATEGORICALLY THAT « there will be elections. » The HAT has
    already begun revising the electoral lists. Although a rapid
    election could not be perfect, no election could be, even if the
    Malagasy had six years to prepare, the head of French Cooperation
    argued.

    ***__***

  2. Tsy misy hajany intsony ireo antsoina hoe manan-boninahitra avo ireo no tena atao hoe miaramila-potaka mody fiandrianam-pirenena no tenenina lava nefa na dia olona nilaza nahavita fianarana ambony aza bakoina jiolamboto sy mpajana-tany frantsay ra hasaina mihinana moloto azy ireo dia mihinana mba hitazomana ity fitondrana gaboraraka ny maro moa dia matavy @ alatra ka mila tsy mahetsika intsony
    Misy farany daholo ny zava-drehetra ka tsy ho ela dia na hifamono an-toerana na ny nataony ihany ny hitondra loza ho azy
    Horakoraka ny an’ny sahona fa ny tsiboboka no tompon’ny rano hoy ny fitenintsika vava daholo ny an’ireo miaramila-potaka ireo fa vao mijadona eny ivato ny filoha Ravalomanana dia tongotra an-katoka ny an’ireo kiso be matavy ireo ary ho sempotrin’ny tavy ka tsy ho lasa lavitra ary ny vahoaka no hikarakara an’ireo miaraka @ radomela sy ireo jilamboto miaraka aminy

  3. Efa ela izaho no nilaza fa fimanono antrano ny hiafaran’ireo. Tsy afa-po na efa navita VILLAS sy CHÂTEAUX aza fa mbola te hanatombo sy hanatsara ny halatra azony. Tsy fantatr’izy ireo mantsy, araka ny maha DONDRONA azy rehetra fa : Le mieux est l’ennemi du bien !!!

    Ranomasom-bahoaka no lerany sy ifaliany isakin’ny masoandro mihiratra ary tsy maintsy hisy valiny na hiorika na hivalagna, na hianantsimo na hiankandrefana.

    Masina ny tanindrazana !

  4. Mazava be eto ny voalazanao Solo Razafy ô! NY MPANAO POLITIKA MANADALO, FA NY MIARAMILA MITOETRA. Fa nankaiza oa reo miaramila FOTSIHODITRA AFRIKANA TATSIMO! Fohy kely ve Andiamatoa ny FITADIDIANA ô!
    Araka ny voalazan’i Njara defa nanomana programa hanafoana ny tafika dadanao! hitako ary saika nosoloan’i Rainivoanjo miaramila vazaha, satria tsisy ilavana azy ny tafika gasy, de mianankendry manome moraly eto ndray ve nefa ny TSY NETY NATAO AFENIMPENINA SY MODIANA TSY HITA, de mbola io foana nareo, mbola milakisa @ miaramila foana, nefa io ihany no nampinan’ny tadiny, de io foana e! aza mba kakaizina miramila zany oa fa inona no vitan’ny pouvoir ny sy ny volabeny e! mitabataba sy be vava nareo minakavy hatramin-dRainvoanjo kanefa NY AINA ANY AM-BODY, de lazaina zahay mpanohitra anareo eto, mivovo ohatran’ny alika, tsy hery fa tahotra, fa Rainivoanjo kosa, ODIBASINALIKA, NY MANDOSITRA NO FANAFODY! aza mba V ray trano oa!

  5. Miasaotra ny rédaction MYDAGO nanome fahankasitrahana anay manokana par e-mail,,sy mbola namporisika anay hatrany haneho ny hevitray. Midika izany fa misy ihany ireo fanehoan-kevitray nandresy lahatra anareo, ary mankasitraka ny faneken’ity tranonkala ity ny DEMOKRASIA! izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo no mpamosavy! koa de mirary soa e!

  6. Mila harafitry ny CPS ny UA ny tafika ka ho tsara raha atao miofana amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana(ady amin’ny doro tanety na ala) sy ny fampandrosoana ny fiainan’ny tantsaha (fanamboarana vovon-drano,fomba fihazana sy fanjonona ary koa fambolena moderna)ohatry ny amin’ny tany sasany ao afrika.Misy tany tsy manana tafika toa tsy misy manafika sahala amin’i Costa Rica nefa koa mandroso.

  7. Tsara ny hevitra ry Bemafoy; ampiako kely @ lafiny fandriam-pahalemana, ady @ asan-dahalo, zay atao programa manokan’ny tafika mihitsy. Ilaina ny tafika, hiaro ny vahoaka sy ny andrim-panjakana sy ny fiandrianam-pirenena! indrindra indrindra ny filaminana anatiny, fa hatramin’ny tantaran’ny Andriana, sy ny fanjakana nizarazara teto Mada faha mpanjaka, de samy nanana ny tafiny avy izy ireny, niarovany ny faritaniny sy ny fanjakany!
    Ny fanontaniana apetrako @nao ry Bema, de oe: azo atao ve ny maka tahaka an’i Costa Rica, hanafoana ny tafika? Ny mety angamba de ny rafitra sy fifampifehezana no apetraka tsara, indrindra ny hampanjakana ny neutralité ao aminy, fa tsy hijabahana sy hiantsoana vahiny lava toy io proposition nao io, zay erreur politikan-dRa8, fa na de miaramila aza, mbola hafa ihany ny culture ntsika gasy, mifanakalo hevitra, mifampidinika tsy ilana mpanelanelana vahiny izany, fa amiko ny tafika izany, de souverain, tsy mila vahiny mitsabatsabaka! fa mahavita azy, ary niafy sy nitondra ny mangidy nianatra izy, vao mba nahazo ny galonany, zany hoe manana ny dignité ny!

  8. rabe!Tsy mila ny avy any ivelany isika raha afaka mifandamina samy isika, fa taiza no nisy generaly baikona sergent? raha tsy voavidy vola ny be galona sasany ary raha tena nianatra ny be galona(misy ny miakatra grady amin’ny zavatra hafa) hafa dia afaka mifandamina isika, indrindra raha mahalala discipline.
    Ny zandary no misahana ny ady atao amin’ny dahalo ka io dia tokony ho tazonina ary efa tsy amin’ny andrin’ny andriana isika ka afaka miova ny lahasan’ny foloalindahy.
    Niresaka neutralité sy souveraineté ianao ka tokony tsy hanao politika ny tafika(hafatra ho an’i Ramaka sy Vital) ary indrindra tsy tokony ho voavidim-bola fa souverain araka ny teninao.

  9. Bemafohy !raha ireo no halefa eny ambanivohitra tsy dia hanolana sy handroba fotsiny???
    Gidro efa tsy voafehy ireo intsony! hafa t@ andron’i dada!!izao efa zavatra hafa mihintsy
    no HITAIZANA ireo hamotehana ILAY TOETSAINA(fanahiniana) mba hamotehana ilay firenena. »made in france » ho an’i
    francafrika.

  10. Miaramilam-potaka, miaramila potika ! Tsy misy hilàn’azy intsony, satria lasa fanomezan’asa ny vendrana rehetra !
    Fandaniam-bola fotsiny ! Amin’izay indray mbola mandrahona, manendaka, mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo ary mangalatra etsy sy eroa, na vatatay izany na « manam-boninahitra » !
    Ireo no tena fanetriben’ny tany sy firenena !

    Tsy miresaka zandary sy pôlisy aho, fa mba diniho anie ry zareo ê ! Inona marina mba zavatra vitan’izy ireo tamin’ny firenena rahatoa ka oharina amin’ny dokotera mpitsabo na injenieran’ny fiompina sy fambolena, na koa asa vaventy, ets…ny asany ?

  11. Ok! tsara daholo ny hevitra fa izay hevitra tsy mampandroso sy adilahy politika aleo hijanona any. Ny ahy dia tsotra tsy hitako ny ilaina ireo tafika ireo eto andrenivohitra fa aleo izy hanao asa fampandrosoana any amin’ireo tany malalaka be toa ny any tapon’ny horombe, tampoketsa…. Ary hiaro ireo tantsaha @ asan’ny dahalo ka hiainga avy any amin’ireo tantsaha ireo ny fampandrosoana satria ireo no tena mahantra sady 75% n’ny Malagasy; lasa manogampanjakana foana eto jereo 1975, 2009…. dia rahoviana indray? »TSY MAINTSY MANDROSO MADAGASIKARA NA DIA MIHEMOTRA AZA » hoy ANDRY DJ

  12. Ny fandrosoana lalin-dalina kokoa any anaty RANON-diky anie io lazainy fa fandrosoana io e!
    izay no tanjona miaraka @ frantsay dia avy @’izay izy MITATITRA ny harentsika rehefa rendrika
    isika tsy ho TAFARINA HANOHITRA AZY INTSONY.

  13. Batoto,
    Tamin’ny andron’i Ratsiraka no nanomboka ny famarotan’ny miaramila basy ! Zava-marina satria tena nisy nahita ary tsy cas iray !
    Amidiny ilay basy dia lazainy fa very ; hiaran’ny sazy izy fa tsy rarahiny inona satria, tsy misoratra ao anaty casier judiciaire ny sazy azo any amin’ny fanantontosàna raharaha miaramila !
    2009, re tetsy sy teroa fa ireo miaramila ihany koa no « mampanofa » ny basiny amin’ireo dahalo rehetra ireo !
    Ka azo antoka ve izany miaramila alefa any ambanivohitra izany !
    Raha milamina ny tany sy ny firenena, ka manao an’izay tokony ataony daholo ny rehetra ( mpiasam-panjakàna, tribonaly, zandary, ets…), tsy mila fiarovana akory ny any ambanivohitra !
    Hiasa ny tantsaha, satria io no antom-pivelomany ! Ny zavatra ratsy rehetra niseho tamin’ny années 80 izao no miverina, fa dia mbola TENA RATSY LAVITRA KOKOA !

  14. Ka izay indrindra ry zareo no mahatonga aho hoe:rehefa tsy misy ilana azy amin’ny maha-miaramila azy dia hovaina ho ireo voatanisa rehetra ireo no atao lahasany.Raha manolana izy ry ranavalona dia alefa any am-ponja ohatran’i Jao Jean.Ianao ihany no niteny hoe lehilahy tsy mba ratsy ranavalona sao dia ireny manao uniforma ireny indray aza no misy manolana?!!(lol)

  15. Tsy ilàna miaramila izany mintsy eto Madagasikara, satria miaramila miaro ny fahefana ny sy ny tombon-tsoan’ny mpitondra amin’ny vahoaka, (Ratsiraka tamin’ny foton’androny, ny resep, Rajoelina nanomboka ny fanongam-panjakana nataony hatramin’izao) afa-tsy i Zafy, ary indrindra indrindra ny PRM Ravalomanana!! Tsaroan-tsika tsara ny tantara niseho!

    Tokony Ho amin’ny GENIE RURALE ny ilàna azy ireo!
    Alao ambony alao ambany fa ny vahoaka ihany no tafin’izy ireo!! Koa, TOKONY HO FOANANA TANTERAKA ny miaramila eto Madagasikara!!!!

  16. Ny tiako tenenina ry kintana dia mba hiaro ny tantsaha ary asaina mamboly vary, mangahazo,…. ary ho tanteraka tokoa ilay teny omena azy hoe » manompo firenena »
    amin’izao nge ny ataon’ireo de mirevy fotsiny, dia mandray karama be,dia manafika ny villas izay misy vola…
    Ny tsara tokoa dia foanana any ireo!

  17. Nisy namana irayvao tonga avy namita irka tany @ faritra Anosy, raha niditra hisakafo t@ toerana iray ry zareo, dia feno lalitra ny latabatra, rikoriko ny namana iaray nahita izany. Saingy teo anoloana (en face) nisy tsy hainy na gendarme na miaramila fa mitondra basy, nisakafo teo koa.
    Nahita ilay namana rikoriko ireo « miaramila » de niteny hoe HARENA IRENY. Hitanareo amizany ny toe-tsainireo? tsy misy afa-tsy HARENA ny ao am-bavany izay mazava ho azy fa any an-tsainy koa, ka ianao mahita lalitra fa izy mahita harena. LOL!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  18. Batoto,
    Azoko tsara ny tianao lazaina, fa raha ireo miaramila ireo no andrasanao hoe handray angady, dia haniry ….tongotra sy tanana ny kankana !
    Tiany kokoa ny minono …tavoahangy na « mamono sigara espesiala » !
    Amin’izao fotoana izao, dia ny manao « matso » aza tsy hain’ireo akory !
    Matoa ireo anie mitady lixa isan’andro vaky izao, dia mba nahita mangirana kely tamin’ny andron’i dada ê !
    Saingy tsy nahandry tantana fa dia ny omeo omeo atrany ! Tamin’ny andron’i Ratsiraka no nahitàna garde présidentielle nanao kiranyl na skobido izany !

  19. Tsy ratsy maharesy ny fanahy !
    Tsy fiteny hoe fiteny fotsiny izany

    Fa eo amin’ny tantaran’ny Tafika ran-tany dia nisy foana fiovana avy ny holafy tsy
    azo eritreretina ao anatin’ny Tafika (mutineries ), izay ampoizina ny fipoakany

    Ao amin’ny Tafika anie ka misy Tanora misaina , mandinika sy mahavita mandrehitra afo é !
    Ireo atao hoe zazavao no ain’ny Tafika ,ireo no Tantely miasa y mahatafika ny Tafika..
    Koa aoka Isika tsy ho kivy be loatra : ireo very voninahitra dia very fanahy moa ry tsy mihevitra…fa ny diavolan-ko lava ary ny kilaolao mbola ela !
    Ny tandrimo mihodina foana fa rehefa lany fahana dia ..midaboka ho azy !

    Mijaly anie ireo atao hoe « vata-tay « , fa misaina ireo ,ary avy amin’ny Vahoaka !

  20. Bemafohy! gaga aho mantsy raha tsy hiatanao iny zavatra nosoratako iny ??
    ho anao mihintsy no nanoratako iny « lehilahy tsy mba ratsy « iny mantsy,loza
    loatra mantsy raha hiadivarotra amiko eto @’io resaka lehilahy sy vehivavy io.Samy sarotiny @ azy kah!!
    Tahola tokoa t@ andron’i Deba dia nisy io tany ambanivohitra tany,dia mody misamboritra sy mangozoozo
    ireny vehivavy ireny rehefa sendra ireny miaramila ireny ,izaho mbola kely t@’izany fa tadidiko tsara ireo
    mitantara eo.

  21. Resa-be daholo ireo e! Rava8 tsy tonga teo @ pouvoir raha tsy miaramila Zanadambo sy ny reserviste,. Ankehitriny ianareo, de tena misy haine miaramila satria, ny miaramila ndray no nanongana ny dadanareo t@ 2009, rehefa nambaniana sy natao tsinontsinona momba ireny miaramila fotsihoditra be Sud Af ireny. De zay tonga ao am-bava de aboraka avokoa, saingy tsy misy @nareo ary tsy hisy na oviana na oviana hanakiana na hilaza ny mariana momba io erreur goavana nataon-dRa8 io, izany hoe tsy nilaina ny miaramila sergent, mibaiko be galona, na ny nahazo galona @ fahitahitana…sns, de hoy Rainivoanjo oe, inona akory ny dikan’ireto, fa aleoko ampidirana miaramila vahiny fa tsisy hilavana azy ireto de izao ianareo mbola tsy maty voalavo an-kibo izao mandrak’androany. De zakao ny vokany, ary ianao no te hametra-pialàna, zay io koa tsy resahanareo velively, fa tsy nijanona teo raha lehilahy, fa aza ampibabena olona oa ny tsy fahaizana politika, fa rahampitso moa raha hitondra eo i Andry, avy eo ho dimbiasan-dRa8, de ho possible ve zany hoe ho foanana izany ny miaramila! hanaiky izany ve izy ireo? de alefa aiza ny vata-miaramila tsirairay na be galona na soldats, ary tsy izany ihany be ireo sivily miasa mampandeha ny administration miaramila de ho very asa koa, de iza no hamelona ny famille ny. Hiparitaka koa ny basy de hiforona ny milisy…sns, de aza mba fohy fisainana otranareo eto oa, fa ny antony de tsy tia miaramila ianareo, satria nihevitra ianareo, fa nailiky ny miaramila dadanareo, kanefa NAILIKA IZY IREO VAO NANILIKA, de tohizo foana oa fa vao maika any @tsy mahay maka Rainareo! mba maneke ry zalahy fahadisoana a! tsy hainareo velively ny hitondra ny ho avy politikan’ny dadanareo raha tsy MAKA LESONA NY ZAVATRA EFA LASA NAHAVOA ANAREO IANAREO, fa ny JE SUIS foana no haroso aloha na defa ambivotra kely aza sisa ny fisiana! AZA MBA OLONA TSY AMPY FISAINANA OHATRAN-RAINIVOANJO SY NY TARANANY IHANY OA!
    De inona ny programan-dRa8 nandritra ny 7 taona momba ny miaramila? tandremo tsy handainga fa niaina tsara tao anatin’io fitondrana io za nandritra ny nitondrany teo a! sa handainga ndray fefa nisy an’izao sy zao, sy nanao an’izao sy zao! aza be resaka oa refa ny miaramila fotsiny izao no tsy tiana! tena ambany de ambany ny raisonnements nareo ry KM sy RANA a! kôzy e!

  22. Taitra koa aho @’ilay fitantaran’i Lavatongotra fa no heveriko fa hoe:
    notofirin’ireo zandary nitana basy teo ireo lalitra feno teo ambony latabatra??

    tsy maintsy avahana foana fa olom-bitsy ireo manao ny toetra tsy mendrika ireo ary misy dia misy mihintsy
    ny tena MIPITRAPITRA mahita ny fiainan’ireo TSIVALAHARA ireo.Mbola ho ela marina ny lalao ary izy ireo
    ihany no manome bala hitofirana azy ireo ATSY HO ATSY.

  23. Fa nisy niantso an’i Rabe ve teo no aviavy eo ity izy e!!taitra ny olona tsy mba taitra
    koa taitra irery vao mamaky takotra. Tonga ao indray angaha i Ratsikirity???ao anilanao
    ao angaha izy ???rahoviana hono ilay fanonganam-panjakana manaraka hoe???azafady!!dia efa tenenina foana ianao @
    ‘io soratra lavabe io,makarary maso sady mandany fotoana ny olona mbola manomana ny FITSENANA an’i dada daholo.

  24. Sady lasa tsy tia miaramila izay, no hita porofo fa tsy misy hilàn’azy !
    Cancer de la NATION !
    DCR, tsy dia mitovy tamin’ny andronao intsony ny ao ê ! Betsaka ny manam-bonihatra fantatro, fa dia ry zareo amin’izao fotoana izao, dia ny hisotro ronono no maha maika azy !
    Leo an’ity tafika manao pôlitika ity, sady menatra, NO TSY AFA-MANAOTRA NO MATAHOTRA !!
    DIKAN’IZANY DIA BORDEL BE NO AO ! NY BORDEL MOA EFA FANTANY HATRY NY ELA, FA AZY NY AZY !
    TSY VOATERY HITADY FAHAFINARETANA ENY AMBOHITRAKELY SY SOANIERANA MIARAK’AMIN-DRY ZAREO DAHOLO NY VAHOAKA !!!

  25. o amin’ireo no misy ny antoka sy fanantenana ,miampy ny ny kapiteny tsy fantatra ,tsy malaza fa misaina koa !

    Diso ny fijery fa hoe mankasitraka izao seho-javatra ao amin’ny Tafika aho !

  26. Kenda ve Rana a! efa hoe Rabe oa tsy maintsy miteny, na ny rédaction nareo aza misaotra @ fandraisan’anjaranay eto, sy mbola mamporisika hanay hatrany, nareo ndray eto no toratorana mihinan-kininina! izao zavatra soratanareo momba ny miaramila zao anie raha misaina tsara nareo, ohatran’ny mamporisika foana ny miaramila hanamafy ny sezan-dRajoelina e! de aza mba V otranareo ihany oa!

  27. io fa nagalatra na namoaka bala tao amin´ny magasin d´armes BANI Ivato indray ny miaramila manamboninahitra mpanao afera sy mpangalatra efa pourri tsy misy ilana azy intsony ny miaramila indrindra fa ireo mpanongampanjakana.
    mahamenatra marina mafy !

  28. Tapaka ny post nosoratako ny 05 décembre teo..
    Ny tiako lazaina dia ny momba ireo miaramila « tsy manana vonihahitra  » izay heverina fa miaramila kely ary lazaina fa  » vanta-tay  » aza izy ireo..
    Ireo anefa no MAMELONA NY TAFIKA SATRIA NY VOLA OMEN’NY FANJAKANA
    ISAM-BATAN’OLONA ISAN’ANDRO MITAMBATRA NO BUDGET-N’NY TAFIKA..!
    Raha mitafy akanjo sara ny manamboninahitra , raha manana taomaobilina iasana izy ireo ,raha manofa trano mora dia avy amin’io PJA avy amin’ny fisian’ny miaramila kely ny vola iainan’ny Tafika..
    Diniho kely fa mikapakapa , miakanjo rovitra ireny miaramila kely ireny..

    AZO ANTOKA IZY IREO , MISAINA SY MANDINIKA IZY IRENY ARY RAHA TSY MISY IZY IRENY DIA HIDINA NY CASERNES : Izy ireny no miambina ny trano misy ny basy , izy ireny no miambina ny « poudrerie », iy misy ny bala isn-karazany , izy no miambina sy mitondra ny aotaomaobilina sy ny kamions isan-kazany..
    KOA ERITRERETO KELY FA IREO NO MIKORONTANA DIA IZAY BE GRADY DIA TSY MISY DIKANY…
    AKAIKY NY VAHOAKA IREO (tsakitsaky manodidina ny camps , ny makorelina , ny tary eny an-tanana…, ireo réservistes : indroa isan-taona no mody (libérés )izy ireny….!

    Ireo miambo ho manamboninahitra dia mora jonoina amin’ny taoka ary viavy no mizara ny taoka sy manangoly azy mora foana..!

    IREO NO MIARAMILA MIONDANA TAVOAHANGY..!MISY MANAN-KERY ,KAY TAOKA
    SY BASY TSY HAINY AMPIASAINA NO MBA HARANGARANGANY HO FAMPITAHORANA SY ATAONY VONOVORONA !

    MISY LEHILAHY MATANJAKA AO AMIN’NY TAFIKA FA MILA MPANOHANA SY MPITARIKA ( NA SIVILINA AZA ) AZO ANTOKA IZY IREO !

  29. Salama daholo ve ? Noverenako nojerena ny vidéo t@ fisamborana an-dry Ingahy Manandafy RAKOTONIRINA, Pasteur Lala, sns … ny fomba nataon’ny miaramila t@ février 2009 dia miampy ity rticle mikasika ny tafika Malagasy ity dia manontany tena aho hoe : « Mbola ilain’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ve ny tafika ? » Sao dia tsy ilaina intsony fa tokony fohananana fa mandany vola fotsiny e !!!! Ny vahoaka noana

  30. Hita hoe : tsy dia misy saina loatra RABE rehefa vakiana izay hambarany. Pauvre be ny raisonnement anao. Mety ho miaramila koa Rabe, asa ! Hoy ianao hoe : zakao. Dia mitodika @ ireo pro TGV izay nanongana an-dRavalomanana t@ 2009 ary aho (ianao anisany angamba) dia manontany hoe : sambatra ve izao nareo ???? Jereo ny fahorian’ny vahoaka nandritry izay telo taona izay, nankaiza ny PPN ary lasa ohatrinona ny vidiny ??? Nitombo ny chômage, efa nahitan’i TGV asa ve ireo ???? Nirongatra ny asan-jiolahy dia mazava ho azy mihena ny touristes tonga any amintsika ary tsy mazoto ny hanao investissement any amintsika ny opérateurs étrangers fa tsy en sécurité ry zareo. Maloto velona Antananarivo, sns ……. tsy ho voatanisa. Dia hoy aho hoe : mbola mahazaka ve ??? Izany rehetra izany ve no tambin’ny fanonganam-panjakana dia miala tsiny aho raha hiteny fa dia DONDRONA ianareo nanongana t@ 2009.

  31. Koloina

    Parler de la misère du peuple à RABE ? C’est de l’utopie !
    Son cerveau est imbibé de la ………………….. !!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  32. Nokoloina! mba mahajery zavatra koa ianao a! izaho tena tsy mahajery ireny intsony fa
    MAHAVAKY FO! fa ireo t@ 7 fev sy ireo lasa masikita ireny indray ??hatr@ nivoahan’ny
    APAMOAKA dia efa tsy mampaninona ahy intsony, indrindra raha mahita ny FAHAVOAZAN’ny firenena @ izao fotoana izao
    ianao an! sanatria fa latsy sisa tsy hataoko, tsy sanatria manenji-dresy fa raha mba nandinika kely ireny olona ireny ,hataoko
    fa tsy tonga t@’ izao FAHORIANA sy FANGEJANA izao isika MALAGASY.

  33. « Tsimila TGV sy Ranavalona ». Rehefa mijery an’ireny sary ireny ny tena dia manontany tena hoe : « Malagasy ve ireto miaramila ireo sa tsia ?? Tena tsy mampino !!!!! Simba isika e ! Ny tena mampalahelo ahy dia izao : rehefa nanongana dia tokony manana hevitra sy solution tsaratsara kokoa hampandroso ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Ka manontany aho (izaho tsy mahita izay miseho any M/ar)hoe : inona no nivoatra sy niova ho tsara nandritry izay 3 taona nanonganam-panjakana izay. Lazao Rabe eny fa na dia zavatra kely aza.
    Naheno ny fisian’ity hoe : « tsena mora » aho. Asa aha mbola misy na tsia. Fa toa adialika hoe raha te hividy ny tena no sady milahatra maraim-be, tsy misy ho an’ny rehetra akory. Dia hoy aho hoe : miverina t@ andron-dRADIDY t@ taona 1980. MAHAMENATRA !! Ny soviétique aza efa niala t@ izany. Dia izany ve no mpahay politique lazain-dRABE ? Sao dia tany Comores ary ry zareo no nianatra politique ????

  34. Tsy tany Comores fa tao @ trano fandihizana izy no nianatra dia tany @ fianarana misikidy tana frantsa.
    Sampy no hamenoana ny banga sisa tsy fenon’ny vola sy ny kalak dia lasa izao,filoha hono, izao bodo
    sy dala marary saina rehetra izao no mitangorona ao @’io fitondra-poza io, izay azo vodiana sy hatao saribakoly, dia omena
    zavamahadomelina dia ireny no izy e!

  35. ny
    problème dia ireo milaza fa lehiben’ tafika sy milaza miaro ny
    tombotsoan’ny firenena dia olona farany izay tsy nisy nilana azy teo
    anivon’ny foloalindahy ka iny fanoganampajakana tamin’ny 2009 iny no
    nampisongadina azy ary manararaotra ny fahefana eo ampelatanany mba
    anangonakarana sy hiarovana ny tombotsoany, ka raha misy ny
    manelingelina ny fitondrana dia ireo no tambazana filoha vola mba
    hanaovana hery famoretana fa ireo miaramila mandinika dia tampenan bava
    amin’ alalany discipline ramatohora sy ny fanagadrana mba tsy afaka
    haneho ny heviny. mila fanovana sy fanavaozana goavana eo aninvon’ny
    tafika raha tene tiantsika ity firenetsika ity.ary tokony hajanona ny
    fanaovana fitaovana politika ireo miaramila fa lasa ny vahoaka no lasa
    sorona

  36. Miezaka aho ny hanana fijery mahitsy. Tsy vao izao no narary ny miaramila. Efa nanomboka tamin’ny repoblika voalohany dia efa nisy ny fizarazarana, nifarana tamin’ny famonoana an-dRAtsimandrava izany. Avy eo dia nampidirin-dRatsiraka tamin’ny politika izy ireo (mpitolona manao fanamiana) ka very tanteraka ny hoe ho an’ny tanindrazana. Tamin’ny andron-dRavalo indray dia tsy noraharahiana intsony satria aleo nanafatra mercenaires. Tsarovy anefa fa mbola mitondra ny anarana hoe tafika malagasy foana izy ireo. Izy lohany tokony hananatra indray mantsy no manao ny tsy mety. Nalahelo aho nahita ny haratsin’ny trano hianaran’izy ireo na ny académie aza, ny trano fonenany ary ireo miaramila mpanofana izay maro no tsy menatra akory mamo an-dalana. Omena vola ihany izy ireo hanarenana fa tsy hita izay hanjavonany. Efa lo fa mila fanarenana e! Mila fitaizana, mila fanofanana entitra, mila entina amim-bavaka, mila averina indray ny fampanajana ny lalàna ary miatomboka amin’ny mpitondra izany. Tolo-kevitra: ataovy sokajy roa ihany ny mpitandro ny filaminana eto: miaramila sy polisy. Ny miaramila hiaro amin’ny fanafihana avy any ivelany ary ny polisy hiaro ny ato anatiny. Esory any io gendarmerie izay mamofona fanjanahan-tany io ka mampizarazara.

  37. marina daholo ireo ka nahatonga iny fanongampanjakana iny,satria nahatrapa ireo miaramila madinika fa mila fanova kanefa inona ny zava nitranga vao maika pire ny zava miseho.tsy nisy tanteraka ny fampanantenena natao teny am 13 MAI fa vao maika ny nataon’ R8 no nohamafisin’ rajoelina izay tena mivarotra tanindrazana sy namadika ny foloalindahy ho mercenaire hiaro ny tombotsoany.minia mikimpy ny bianco tamin’ corruption goavana nataoni commandant gendarmerie ireny na dia voaporofony aza ka ny fign nitaky ny fahamarinana sy ny fanalana ezy teo amin’ny toerany indray no nohendrehina sy nogadraina.hadinon’ireo mpanao politika angamba fa raha tsy nisy ny fign tsy tafapetraka teo amin’ny fitondrana rajoelina.ireo migadra any ampondra ireo no tena miaramila marina sy mahitsy.fa tsy ireo izay mitonotena aminy haino amanjery ho miaro ny tombotsoa ambonin’ny firenena.ka aza gaga isika raha tonga ny fotoana ka hitroatra ireo miaramila madinika izay voagedra mafy fa izay ifanarahany lehibe ny tafika sy ny fitondrana no mariana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *