29 pensées sur “Magro milay 17 Desambra 2011”

  1. Efa namela afatra ny filoha na ho an’ny vahoaka na ho an’ny mpitari-tolona tokana ny tanjona dia ny fiverenan’ny filoha ka ahoana no fomba hanantaterahina azy any @ mpitondra no mijery izay tokony atao
    Tonga eo @ ilay sioka tokana isika ka rehefa tonga ny fotoana dia samy vonona daholo

  2. Rehefa fantatra fa ho avy i Dada dia tokony hampandrenesina daholo amin’ny alalan’ny trakta aelin’ny taxi-brosy manerana ny nosy ny fahatongavany.
    Ny tenanay dia nanoratra tany amin’ny ICAO ao Kenya mba tsy handray ny NOTAM (mandrara an’i Dada)ry zareo ary hiresaka amin’ny filoha Zuma mba handamohana io Notam io.
    Ataovy sit-in indray ny masoivoho vozongo.

  3. Me Hanitra Razafimanantsoa ?!!!
    Un certain Jack Lang dirait tout de suite……comme moi 😉 Quelle belle femme !

    Fa manohy ny resaka natsipin’i Ravelojaona Fidy aho ! Raha misy olona hafa mba te hifandray amintsika moa, nahoana ve i Mydago mba afaka mamorona tozerana hahazoan’ny Mpitolona mifanadray mivantana, mba hifanomezana email???

    Ra- Kitanamanandrambo angamaba afaka manipy teny momba izany ao @ MyDago ao …sa tsia ?
    Ary ahoana ny hevitrareo amin’izay ???

  4. Ataoko angamba ry Njara fa hevitra mety izay amin’izay misokatra kokoa ny adi-hevitra no sady mora kokoa ny manapa-kevitra ary mandrafitra paikady.

  5. Izaho manokana dia manome alàlana feno ny mpiandraikitra ity site ity,hanome ny adiresy « mail »-ko an’izay manan-kevitra ny hihaona;mba ho fitsinjovana ny fikasana rehetra atao
    dia tsara raha ivelan’ity forum ity isika no mihaona.

  6. Esory any ireo mpisoloky ireo eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee !Ry domelina saribakoly baikon’ny frantsay izany !Tsy adala ny Malagasy eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee!Ny Malagasy no mifidy izay hisolo tena azy .


  7. Misaotra ny efa mazoto aloha !
    Fa mbola maro no antenaina hanatevin-daharana e! Alao hery, fa
    Tsy vitan’ny vitsy an’isa ny asa, ary mila fahavitrihana !
    Misaotra dieny mialoha !

    @ Ravelojaona Fidy !
    Asa izay mety fihovàn’i MyDago, fa mba efa nanao toy izao ataonao iozao aho teto, anefa dia tsy nisy tohiny !

  8. Ataovy izay ataonao Me Hanitra fa zany ravalo zany tsy tafody eto ah!!!! Maty izany raha tonga eto!!! Ianao no efa novetavetainy tany ka mihinana ny voatsymanadino!
    fa mba izao moa ianao???? vitsika ianao!!! mba nomena toerana kely dia avo vava nefa tsy mankaiza amin’ny resaka politika eto madagasikara!

  9. Njara,
    vao sambany aho no nanipy hevitra teto;tsy voatery ho tsara anie izany tsy akory;navatako manokana hoan’ny mpiandraikitr’ity « site » ity io fangatahana io;ataoko fa farafaharatsiny mamaly ry zareo ny tsy fetezany.tsy mila ny antony akory aho fa rahefa tsy tiany atao dia azy izany,ary dia samy miala fotsiny koa izany izaho sy « mydago ».

  10. Njara! ahoana ny fomba hi-contacter-na anao fa ny aty koa mazoto e!

    Ity koa ry zareo mba misy hevitra tiako atsipy:Tamin’ny taona 95-96 dia nampiseho tamin’ny alalan’ny maillot-ny ny ekipa nationaly suisse sy suède tany berne rehefa nihaona ny ekipa roa ka afaka namaky teo amin’ny maillot-dry zareo ny mpijery télé hoe:CHIRAC STOP THE NUCLEAR BOMB.Io dia fomba nilazana tamin’i Chirac hoe aoka izay ny fanadramana ara-atomika atao any Polynésie Française fa tsy tian’ny olona.Tezitra be nisafoaka i Chirac prézidan’ny tsotsoka raha naheno an’izany dia najanony ilay izy taty aoriana kely.

    Ny tiako ambara dia misy mpilalao sahala amin’i Malabary(Arsène no hahafantarana azy ao Lens) izay lasa cadre ao amin’io club io raha azo atao mba haka tahaka an’izany.
    Ao koa i Agustin, ireo mpilalaon’ny Dynamo Fima taloha ka mi-encadrer amin’ny club tsotsoka amin’izao fotoana izao.Asiana soratra gezabe hoe: »Sarko stop backing dictators ».Raha ohatra moa i Franck rabarivony sy Eric Rabesandratana afaka manao izany diaraisina an-tanan-droa.


  11. Sanatria tsy izaho no miseho ho tena inona, fa araka ny hevitro

    Dia tena milay io hevitrao io fa raha mba mety dia asiana kely soratra ahalalàna hoe i Madagasikara no voakasika amin’io fitakiana io !
    « in Madagascar » ohatra !

    koa raha azoko atao dia aleo averina kely eto io proposition GOAVANA ataonao io :

    Bemafohy dit :
    18 décembre 2011 à 12 h 49 min

    Ny tiako ambara dia misy mpilalao sahala amin’i Malabary(Arsène no hahafantarana azy ao Lens) izay lasa cadre ao amin’io club io raha azo atao mba haka tahaka an’izany.

    Ao koa i Agustin, ireo mpilalaon’ny Dynamo Fima taloha ka mi-encadrer amin’ny club tsotsoka amin’izao fotoana izao

    .Asiana soratra ngezabe hoe: »Sarko stop backing dictators ».

    Raha ohatra moa i Franck RABARIVONY sy Eric RABESANDRATANA afaka manao izany dia raisina an-tanan-droa.



    Ny tena tsara angamba dia averimberina matetika io filazàna io, mba ho voavakin’izay tsy mbola nahita ???


    Farany, laissons les chiens aboyer, la caravane passera !!!

  12. Izao mba manana hevitra kely e! tokony mamoaka boky kely misy ny tantaran’ny Dada sy ny fitondrany na sary ,na atao posteur na karatra beloty dia aparitaka eny an-tsena na any aminireo faritra eto Dago satria anisany tolona koa izany mba ho eo akaikiny olona mandrakariva ny fahatsiarovana ny soa be vitany. anisany communication manko izany!

  13. Tsara mihintsy ny hevitrao io ry Batoto, ary ilay « poster » angamba no hitako haingana indrindra ny manao azy.Ary manasa an’ireo izay mahay ny tantaran’i Dada mba hanoratra boky momba azy.Dia avy eo moa mety koa ny karatra.

  14. Tena miala tsiny an ??!!!
    Laobary an-dasy manko e !
    Raha ny hevitro aloha amin’izao fotoana ny maika dia ny tolona. Ny fanoratana boky angamba hoy aho mbola afaka miandyr kely aloha izany na dia hoe, efa misy afaka manomboka raha te-hanao izany

    Ilay mikasika ny Communication kopsa anefa dia tsara mihitsy raha avy dia atao. Kanefa izany dia tonga amin’ilay hoe :Mila vola daholo izay atao !!!

    Ka iza no handray andraikitra afaka ny hanao Imprimé izany ??? Vao maika tsara raha misy afaka manao.


    – Ravelojaona Fidy

    Angamba tsara raha mba miandry kely aloha ny fihaonana sa tsia ??? Marina fa tokony velesina ny vy dieny mafana , anefa tsy dia afaka mihaona izany isika raha ny fiheverako raha tsy efa misy drafitra efa mipetraka. Ny tsy azo atao dia ny mitaraiky loatra.

    -Ny mety aloha amin’izao fotoana dia miandry izay afaka manambara fa mba ho afaka ny handray anjara na vonona amin’izany fihaoanana na hetsika ho atao izany.



    Mino sy matoky aho fa tsy ho lasan-ko resaka daholo fotsiny izao serasera izao !!!

  15. Mbola manantena olona hafa izany isika hanatevin-daharana ny antso natao.

    Koa satria hisy fandaniana tokoa izay tokony ho vinavinaina dieny izao mba hahafantarana ny sarany izay ho atao, dia tsara raha misy rafitra.

    Antenaiko tokoa fa ho hisy vokany izao finiavana arosontsika izao.

  16. Mipoan-tsatroka Maitre a!aiza !aiza!aiza ny lehilahy e!izany ny anay!!
    mankasitraka TOMPOKO ary MISIMISIA ny vehivavy toa anao!ananay daholo ny soa sy ny tsara rehetra.
    Hampifantaro azy kely,fa indro isy kely fanontaniana,ireo mpiambina ve izy no mifidy azy sa iza no manolotra
    azy ireo ???sao sanatria ???????ny ahiahy tsy hiavanana mantsy!!!

  17. inona moa io antso io ry Bemafihy fa tena tsy harako ry Bemafohy???sao mba azo
    hifanakonana???Manahoana aloha ianao?? nisy nahasahirana kely ahy fa tsy dia
    nisy fotoana aho,fa tsy sanatria akory……!!!Njara !hiala ho aiza ianao e???aza dia manao an’izany fa JEREO kely
    ity ANDRIAMBAVILANITRA ,tsy manaitra anao akory ve ny RISIM-PO sy FITIAVANA hananany?izy aza io tsy KIVY
    fa mbola vonona hatrany ,saika hadinoko fa TANDREMO ILAY FOMBA FIADY VAOVAON’i FOZA dia ilay FANAPOZINANA
    M. Hanitra a!!ZANAHARY ANIE HITAHY ANAO!!

  18. salut daholo!Mba niainga avy tamin’ny tantaran’i Mandela ny inspiration-ko,mafy ny nahazo iny lehilahy iny sy ny antoko nisy azy ary ny foko nisy azy fahiny fa tena nijoro hatramin’ny farany izy ary na de ny fahavalony aza nanjary sakaizany sy mpiara-miasa taty aoriana noho ny nenina sy ny fahatsapany fa diso lalàna izy ireo.ka izao no mba hevitro:entanintsika an-tanandroa ny filoha mba hody,isika rehetra tsisy an-kiala no hitsena sy hikarakara azy,raha sanatria misy ny pepin de iarahantsika mitondra aminy:ohatra raha gadraina izy de isika rehetra no hiaraka hitaky ny famoahana azy amin’ny fomba rehetra:na grevy na banderoles na media sns e,na isika no hangataka mihitsy mba hiara-migadra aminy raha antonona antsika ny prison ‘i madagasikara.avy eo tsy maintsy mandray andraikitra daholo isika fa tsy hoe raha vao misy sarotra de hilefa sy hivadika.o r’ireto a!tadidinareo va ny tolona 2002?ataontsika fois 10 n’ireny ny tolona ataontsika sa ianareo ve efa mahatsapa fa efa izy ireto mitondra antsika ireto????zay no mba hevitro ka arosoko hodinihantsika,ho fanafahana an’i gasikara amin’izao jadona vaovao sy fahafaham-baraka ary fahantrana lalim-paka izao.

  19. tsy misy hitovizan Mandela sy ra8 fanalita, i mandela tsy namono ny mpiray tanindrazana aminy ary tsy nivarotra tanindrazana sy nanao ny fireneny ho orinasa, ka nanao ny vahoaka ho andevo sy mpiasa.
    i Hitler na ry Kadhafi no nitovy tam ry Fanalita a. mahaiza mampitaha e.

  20. Fanalita!misaotra anao manazava ny marina toy izao ary
    mino aho fa mba mety hanampy ireo izay niaran’ny voina io
    hevitra narosonao io,isika tsy MIFANOME tsiny fa kosa amiko dia avelao A-tra hanao ny asany sisa.
    Ny zavatra hamafisiko eto koa dia olona Tsy tompon’ny tenany ireo olona ireo t@ nanao ireny habibiana
    ireny fa NOLERANA ZAVAMAHADOMELINA ary ny FRANTSAY NO TOMPON’ANDRAIKITRA VOALOHANY
    ny @’izany DOROKA NAHAZO IREO MIARAMILA IREO izany,fa hitantsika moa fa tonga saina izy ireo taty
    aoriana koa,hataoko fa misy ho saintsaina ny fanazavana izay mba haroson’ny hafa eto???fa kosa ao A-tra
    irery ihany no afaka hitsara.Dia midera ireo rehetra izay niaran’ny voina koa aho nefa dia MITAKY NY FANAFAHANA
    ary ary misy aza ny miady mivantana ny @ izany fahafahan’ilay olona NANOPOKOPOKA sy …….tena mahaontsa
    ahy ny mihaino ireo olona izay manana fo MAHAY MAMELA ary FENO FANETREN-TENA.Koa soa fianatra!!!

  21. Fanalita!
    Azafady fa notohizako @’ilay fahavoazan’i Charles sy Kottiti ilay resaka ,nisy noraisiko
    akaiky mantsy ilay voalazanao t@ famelan’i Nelson Mandela ireo izay nanagadra azy
    NANDRITRA NY 25 TAONA ary izay nideran’izao tontolo izao azy manokana izany FIHESIKA LEHIBE nataony izany.

    Aza matahotra ianao fa sy HISY HIKITIKA NA DIA SINGAM-BOLO IRAY AN’i DADA EO!!!MINOA FOTSINY IHANY!!!
    AMPY IZAY!AMPY IZAO!!!!in-20 angamba aho no nihaino ilay KABARIN’i M.Hanitra ary MARINA ny AZY!

  22. Efa manao resaka magro ihany, Ranavalona, fa averiko eto izany ilay antso’i Njara:
    Ho an’izay maniry ny hanome ny adiresiny mailaka amin’i Njara dia raisiny ary mamela an’i Mydago hanome an’izany aminy.

  23. Bemafohy!
    Efa ela aho no nanao io fa tsy haiko angamba tsy voaray???
    andraso fa haveriko indray ary e!Hay ve tena tsy azoko mihintsy?
    heveriko fa efa masaka ilay izy anie e!ianao toa efa vonona be ery!!!

  24. Ranavalona!Aiza ve izahay lehilahy? Miandry ilay sioka tokana dia mivoaka daholo izahay e!woher kennest du mich!(modern talking)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *