Tafika Malagasy sy ny politika : Inona no ambadik’ity « aretina » isan-karazany ?

2009_03_17_Madagascat_Rajoelina

Raharahan’ny samy miaramila ve ity mitranga eny Tsiafahy ity, sa olana ara-politika, sa olana eo anivon’ny tafika ? Inona no tena marina ?

Nalefa notsaboina atsy amin’ny nosy La Réunion ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina. Raha tsiahivina ny nahazo ity manamboninahitra ambony ity, dia noho ny raharaha Bani Ivato no niampangana azy sy ireo namany hafa, noho ny fiampangana azy ireo ho nikononkonona fanonganam-panjakana.

 

Voa mafy tokoa ny Lt-Kolonely Charles Andrianasoavina, ary tsy fantatra ihany koa na ny enti-manasitrana azy eto an-toerana no tsy ampy sy tsy tomombana, na noho ny antony hafa, fa dia tsy maintsy nandraisana fanapahan-kevitra ny fitsaboana azy any ivelany.

Tsy tambo tanisaina moa ny resaka nikasika sy mikasika an’iny, ary mbola ho be rahateo ny momba iny raharaha iny, satria mitombo hatrany ireo olona manaraka ity vaovao ity, ahafahana mahafantatra ny fivoaran’ny fahasalaman’ity manamboninahitra ity. Na izany aza,mizarazara be ihany ny hevitra mandeha etsy sy eroa ny amin’ny fielezan’ny feo ny amin’ny fanapoizinana na tsia, ka nahatonga  izao tsy fahasalamana izao.

Nisy rahateo ny mpiray tam-po aminy nanao fanambarana tamin’ny alàlan’ny fampitam-baovao samihafa fa tsy mazava hono ny aretin’ny kolonely Charles. Ny ministeran’ny fahasalamana ihany koa nanana ny nambarany. Ny hany fantatra dia efa elaela ihany no nisedra tsy fahasalamana ny tenany, ka rehefa fantatr’ireo tao amin’ny tobim-pahasalamana teny Tsiafahy fa tsy vitany ny fitsaboana vao nitady hevitra rehetra namoahana azy ivelan’ny fonja ry zareo. Nisy araka izany ny fitavozavozana teo amin’ny tomponandraikitra samihafa, satria efa nihombo ny aretiny vao nikorapaka ry zareo, ny fangatahana fahazoan-dalana hitsaboana ivelan’i Tsiafahy ihany koa nilazotra ela vao azo.

Raha tsy mbola mahatsiaro tena any La Réunion ny Lt-Kolonely Charles, dia nolazoan’ny aretina ihany koa ny Kolonely Coutiti.

Nanaitra ny naharenesana fa naiditra hopitaly izy. Mandeha ihany koa ny resaka fa vokatry ny daroka sy fampijaliana nihatra taminy no nahatonga izao aretiny izao, ary voalaza aza fa manamboninahitra ihany hono, no tompon’antoka tamin’izany. Tsy misy aloha hatramin’izao ny fanambarana ara-pomba ofisialy ny fahamarinana na tsia ny mikasika izany. Tanaty ny andro vitsy monja, dia manamboninahitra ambony miisa roa no nianjadian’ny aretina hafahafa, izay samy notanana eny Tsiafahy, ary mitovy rahateo ny fiampangana azy ireo.

Amin’izao fotoana izao, dia voalaza ihany koa fa marary koa, ny jeneraly Raoelina(?). Irariana ny hahasalama soa aman-tsara azy telo mirahalahy, fa raha sanatria…. Inona no hitranga sy hiseho ?

15 pensées sur “Tafika Malagasy sy ny politika : Inona no ambadik’ity « aretina » isan-karazany ?”

  1. Ny jeneraly Raoelina dia voan ny paralysie faciale vokatry ny daroka teo @ lohany ,ary tokony nahazo fitsaboana sahaza azy izy noho izany .
    hita koa ny fitavozavozana eo @ ireo mahatsapa ny asa ratsin i Rajoelina eto @ tany sy ny firenena ,ka izy ireo dia tokony tomponandraikitra @ izany ,
    Satria i Joelina dia efa miala andraikitra rehefa tsy mikasika ny Saosiny.

  2. hEVERIKO FA TSARA NY MAMPAHATSIARO NY MALAGASY NY FANAMBARANA NIRAISAN ‘NY TAFIKA MALAGASY SY IREO MIARAMILAN4NY SADC TAO AORIAN ‘ NY FIHAONAN’IZY IREO.toa izao ambangovangony ny votatin’izany fanamarana zany :
     » miaraka misahana ny filaminana eto madagaskara izy ireo  »

    ANKEHITRINY DIA ITAKO LOATRA NY « PAOLITIKA AMBADIKA , AFENIN ‘NY TAFIKA MALAGASY..! »

    TSY NY FAMPISONDRONTANA MAIKA IREO JENERALY NO MANOME HERIN’NY TAFIKA..FANTATRY NY MIARAMILA ANIE NY TANTARAN4NY MANAMBONINAHITRA E § KOA DIA MAHAGAGA RAHA TAFIKA TOA NY TAFIKA MALAGASY NO MIHABO MANANA GENERAUX DE CORPS D’ARMEE EFATRA NA DIMY ( MIARAKA AMIN’IREO NISOTRO RONONO )..
    NY JENERAL DE CORPS D’ARMEE IRAY DIA MISAHANA , MIADIDY CORPS D ‘ARMEE IZAY MISY MIARAMILA
    200 000 KA ATRAMIN’NY 300 000 RAHA KELY..§
    NY MIARAMILA MALAGASY ( BERET MENA °DIA MIISA 2000 EO HO EO !

    REFESO AMIN’IZANY NY VOLA LANINTSIKA ANDOVANA KARAMANA JENERALY TSY MISY ILANA AZA..? SATRIA TSY MINO FA IREO JENERALY CORPS D’ARMEE IREO DIA NAHAVITA NY  » CURSUS  » N’IREO MITOVY GRADE AMINY ANY AMIN’NY FIRENENA HAFA !.

    ATAHORANA NY TAFIKA FA MIRONGO BASY..AKOATR’IZANY DIA MAIVANA IREO INDRINDRA ARA-TSAINA…
    FA RAHA MITOMBONA IO FANAMBARANA NIARAHAN’IZY IREO TAMIN’NY MIARAMILAN’ NY SADC DIA TSY MISY ANTONY NA KELY AZA TOKONY HATAHORANA NY TAFIKA !

    NY FISEHON-JAVATRA AO AMIN »NY POLISY SY NY FITSARANA DIA %ETY HITRANGA AO AMIN’NY MIARAMILA , NA DIA IZAY NISEHO TAO AMIN’NY BANI KA NISAMBORANA IREO MIARAMILA MIGADRA ANKEHITRINY..

    HO VAKY BATSILANA NY RATSY AFENINA…ARY HISEHO MORA NY HALATRA SY NY VONO OLONA NATAON4IREO MIARAMILA MANAMBONINAHITRA..! TSY HO VOATAMPO-BAVA ELA IREO MAHAFANTATRA..§

  3. NY FANAMBARANA AN-TSOARATRA NATAON’NY LT COLONEL AN?DRIANASOAVINA ANIE KA BAOMBA MAHERY MEY HAHAPOTIKA NY TAFIKA E §
    MARO NY VOAROROA AMIN’ NY FANONGANAM-PANJAKANA INY; MIARAMILA, IREO MPANAO PAOLITKA NANOHATRA NY FITONDRANA NOMEN’NY MALAGASY AN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC..DINIHO SYFAKAFAKAO TSARA NY SEHO6JAVATRA NANOMBOKA TAMIN ‘ NY 16 DECEMBRE 2001 KA ATRAMIN’NY
    17 MARS 2009..!

  4. eto dia sady mampalahelo no mahasosotra ny mbola misy sahy mamahan-dalitra ihany fa
    ARETINA no nahazo ireo mnmboninahitra ireo, fa tsy efa mazava be ve fa « POIZINA « ?
    NOPOZININA ireo noho ny TAHOTRA ny HIFOTERANY ary eo koa ny VAVOLOMBELONA ny marina izay mba
    HANENDRIKENDREANA an’i dadanay lava eo @ zavatra tsy nataona dia natao izao zavatra izao mba hanaronana
    ny maloton’i domelina sy ny forongony. koa aretina inona???Efa traingo ilay famonoana mivantana dia hatao ankolaka
    indray sisa mba hamonoana ilay VAVOLOMBELONA fa soa fa efa namela taratasy miaraka @ soniany ireo olona ireo.
    Dia vonoy daholo izay manelingelina ny tombotsoan’i foza sy ny mpanjanaka fa mbola ho avy aminareo ny tsy mety. Dia
    ianao koa ry Beriziky no ho tratra farany eo raha sy mandray andraikitra fa efa tao @ fitondranao no nipoiran’ireo voina
    mahazo ireo manamboninahitra ireo.Tsy mahamenatra an’i domelina ny hanilika ny riatra aminao fa efa TALENTANY io.

  5. Tsy mahagaga io kah,
    esorina daholo izay vavolombelona handrodana ny FAT: ilay pôlisy manana ny secret’ny prah Ngezalah nigadra teto U saika halaina an-keriny tao @ prison iny, soa ihany fa tsy navoakan’ny Pénitentier fa saika tonga de éliminé t@ iny andro iny fa efa tsy navoaka sady efa voarakitra an-tsoratra daholo ny masison’ny prah rehetra, ka niantefa tany @ rehavana Michel ny alahelon’ny prah izay tokony hamono ilay prah namany izay saika hamoaka secret ka nigadra. De mitovy @ zay koa ity Coutity, Charles, Raoelina ity: esorina malaky izay vavolombelona fa efa manangasanga ny « fitsaran’i Avo » izay hoentin’i Dada malala tsy ho ela ka de aleon’ny FAT manala ny fasika mety hahaditsoka. Ny momba ilay Antenne n’i rabe aty Androy, i Rabozy Jolena hono, tsoriko aminao fa na i Amboasary nipoirany efa leo azy satria ny rahalahiny zandary dia namono nitifitra zandary ambany grady noho ny fitiavam-bola avy nanaovana mission maloto, ka na ity Antenne nao ity efa tsy mipoitra aty Amboasary intsony tanatin’ny iray taona ka tsy mahagaga ianao raha diso daholo ny donne azonao fa tsy mbola nanohana an’i domellina izany mihintsy ny taty anaty tsilo. Marina be enao ny momba le referendum nahazo 90%, mba azonao moa hoe fa naninona no novàna malaky ny Sefo rezio taty Androy, satria ambany ny taham-pifidianana 9% t@ rfrndm dia nanala-baraka ny FAT: 90% n’ny 9% de milaza enao fa tia ny FATn’alika i Androy? Marina ny resak’ilay ranamana etsy ambony hoe mbola kely loatra elah rabe de tokony mifantoka @ bôsy fa mbola tsy zakan’ny côcô’nao ny pôlitika satria diso ny donne’nao. Raisiko an-tanan-droa enao rabe raha te hianatra tenin-tandroy sy tenin-japoney satria io no asako, saingy aza asiana ^resaka fanaratsiana an’i Dada malalanay fotsiny de milamina isika.

  6. Mbola nalefan-dry zareo izy ity omaly hariva, satria tsara ho hitan’ny frantsay rehetra « angamba » !
    NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA KOA, MILA MAHAFANTATRA NY FANDEHAN’NY TANTARA. AVY AIZA NY LOZA ? IZA AVY IREO MPIRAY TSIKOMBAKOMBA SY IREO MPANOHANA NY FAHAVALO ?

    congolex.wmaker.tv/FRANCAFRIQUE-Documentaire-poignant-sur-l-influence-nefaste-de-la-France-en-Afrique_v47.html

  7. Manahoana daholo isika légalistes namana rehetra e!
    KinTana a! Tsy nivôka ilay lien-nao fa:  » page non trouvée » no lazainy. Misaotra.

  8. Misaotra anao ry Neninoro nampilaza ! Napetrako io mba tsy anahirana ny namana rehetra sy izay mbola te hijery, fa dia mila mbola mikaroka kely ao amin’i Google izany ê !
    Io site-n’i congolex io mbola mandefa an’ilay izy ! Mino aho fa « congolex francafrique » dia ahitàn’azy !
    Miala tsiny !

  9. Terminator! aza kendainao kosa Rabe fa ny takalon’ny hianarany andafy @’ izao ity anie dia
    ny Hanaratsy an’i dada e! ka ho tapaka eo ny kapoakan-dRabe raha vao tsy vitany izany hiraka izany.
    Traingo indray ialahy Rabe fa hay misy lalao maloto matoa ianao mitonon-tena ohatry ity lava eto, izaho anie efa miteny foana
    fa misy tsy mazava ZALAHY io e!!io ianao Rabe fa traingo ny nafenina.Miova indray anarana, ny anarana koa TANIM-BOANJO.
    Tsatsa ialahy! (« hoy ilay sinoa bada lela).

  10. Raha tadidinareo dia efa nisy angeh resaka nataon’i Razanakisoa fa oe marary saina i Sarla é… kay tena nitadiavan-drzareo paika hainga-piasa ra-Sarla!!! na dia izany aza alou @ saina tsy miangatra dia tena tsy ela koa ny TODY nahazo an’ sarla an!!! tsy azo tsinotsinoavian io @ tsika Gasy ;.; io le oe ny kianja no tsy hasian_dratsy hi!hi!

  11. Mila mifoha isika RAMALAGASY a! tsisy afatsy ny fidinana andalambe iany no hanafaka antsika amity frantsAfrika doza hahazoany andradomelina harena kely maloto fa tsy noeritreretiny fa efa voahozona izy sy ny taranany ,Antsika Madagasikara fa TSY ANDRADOMELINA SY NY FRANTsafrika ka raha himenomenona eto ambadikin ny ordinateur isika na hiantso an’Andriamanitra foana ary izy tsy hanampy antsika raha tsy misy ezaka Avy maintsika tena teratany MALAGASY .Tsy misy afA tsy isika iany no hanavotra antsika fa tsy ireo fatIMBAZAHA SY FATINTSINOA SY FATINKARANA mpangalatra sy MPaNDROBA NY Firenentsika ireo.
    Raha TSY MIDINA ANDALAMBE ISIKA mitaky sy hitan’IZAO TONTOLO FA MISY TSINDRY HAZO LENA SY FANGALARAMPAHEFANA ETO amintsika, ary feno TAINTSIOA SY TAIKARANA SY TAIMBAZAHA manao ampihimamba ny HARENANATSIKA zay lazAina fa PAYS MAHANTRA LAVA ANY IVELANY iTY .Aza hadino fa ny gazety sy média rehetra erantany tsisy miresaka an’i MCARA miintsy ankoatry ny hoe ; »pays pauvre » ,ireny olona mipetraka any @ faritra « isolé » ireny no filmer-ny dia lazainy fa hoe io Mcar.Raha miakatra i MADAGASIKARA INDRAY andro any REHAREHANTSIKA Malagasy IRERY FA TSY IREO Fatimbahiny MANGALATRA SY MAMENO PAOSY LAVA eto ireo .Ireo sinoa sy karana mpambotry gasy ireo tokony mody any @ taniny any @zay aleo izy hody any hampitomboNY MAHANTRA any aminy ary HAmPIHENA NY MPANGALATRA ETO AMINTSIKA !Ny observateurs internationaux sy Amnesty international fotsiny no hatao betsaka dia midina andalambe ny vahoka dia miala Radomelina niveau 4ème na Bepc aza TSY AMPAOSINY, ny FAHENDRENA MOA dia tsy nananany hatramin’naha olona azy fa mpikarama an’ady bazaha fotsiny io hanapotika ny taniny ZANY NO IZY REFA TSY NIANATRA SY MATIMBOLA KOA!!!!manambady an’i mialy radomelina dia hatAon’ny fianakavian’miAly otage koa fa TE HANAKARENA ?ambitieux be lotra dia izao no niafarany mampiverina ho COLONIE an »i MADAGASIKARA !!!!

  12. Bako!marina ny anao fa raha tsy isika no miezaka dia tsy hisy hiezaka ho antsika eo.
    Fidinana an-dalambe ho an’ireo an-toerana. Ary ny anjaran’ny diaspora, sao dia manana hevitra ianao mba arosoy eto ambany eto, aza tsiny:

    http://lafy8.forumactif.ca

    Ny fodian’i Dada no tanjona.

  13. Mba aiza ho aiza amin’izao fotoana ny manjo an’i Kly Charles Andrianasoavina ?
    Misy antenaina sa tsia ?
    Ary mba misy manara-maso ny fahasalamany ve ireo Milaza ho Mpanao Politika ireo ?
    Ary mba misy miahy ny fahasalamany ve, mba hivoahana amin’ny krizy nateraky ny Foza ???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *