Tandremo ny « fampatoriana », mifohaza ry mpiara-mitolona!

ravalomanana-marc-front

Andro sisa isaina dia hivalona tanteraka ny taona 2011. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny fepetra fampiharana ny tondrozotra nataon’ny Praiministra Beriziky. Tsy mbola tanteraka ny fitakiana nataon’ny ankolafy Ravalomanana, dia ny famoahana ny gadra poitika rehetra, ny fiverenan’ny sesi-tany any ivelany, anisany ny Filoha Ravalomanana, ny fanokafana ny radio nakatoana. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny fianankavian’ny gadra politika sy ny Praiministra Beriziky, ny hamoahana ireo gadra politika, alohan’ny fetin’ny krismasy. Nipetraka ho faniriana fotsiny anefa izany, hetahetan’ireo fianankaviana hiara-paly amin’ny havany any am-ponja, satria tsy tontosa izany.

 

            Adino tanteraka ve ireto maherifon’ny tolon’ny ara-dalana? Rehefa nahazo toerana sahaza azy ireo minisitra dimy.Rehefa tafapetraka ireo andrim-panjakana CT sy CST dia toa nanjary natoritory ny fitakiana?Lasa kabary ambony vavahady ve ireny?

Manoloana izany dia nanao antso avo ho an’ireo olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny fitondrana ny solontenan’izy ireo teny amin’ny magro, mba hanao hetsika lehibe ho fitakiana ny famoahana ireo gadra politika ireo. Ho an’ny solontenan’ny gadra politika dia mazava ny resaka fa ny fampiharana ny tondrozotra, no vahaolana ivoahana amin’ny krizy.Nanamafy ihany koa izy ireo fa tsy mijanona ny tolona raha tsy tanteraka ny tanjona ho tratrarina.

Ankoatra ireo, ny fototry ny tolona natao nandritra ny telo taona izay dia ny famerenana ny filoha Ravalomanana.Tsy mbola tanteraka anefa izany hatramin’izao, iza no sakana ? Mazava ho azy fa ny FAT no fahavalo tsy hafahan’ny filoha mody noho ireo ramatahora sy ny tahotra isan-karazanay, ny fandrangarangana ny NOTAM sy ny herim-pamoretana ataon’ny andiana miaramila vitsivitsy.

Sao mba misy ihany koa ary amin’ireo olom-boatendry ireo té hamikitra amin’io seza io ka mamilivily ny fodian’ny filoha ? Raha tsiahivina dia tao anatin’ny andro vitsivitsy dia niovaova be ihany ny vaovao momba izany.Ny 12 desambra lasa teo ohatra no nikabary tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ny filohan’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana fa ho avy alohan’ny fetin’ny Krisimasy nyfiloha, ny 19 desambra indray nolazaina teny ankianja ihany fa afaka fito andro dia tsy maintsy mody izy.Vao ny herinandro lasa izay indray no niteny Mamy Raokotoarivelo fa amin’ny tapaky ny volana Janoary no ho tongany « dadany », vao omaly ny omaly indray anefa no heno teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, tamin’ny kabarin’i Guy Maxime Ralaiseheno fa afaka roa vola indray .Inona no ao ambadiky ny fandrebirebena  sy ny resaka abobo?Mila mitandrina isika vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana amin’ireo «kabary ambony vavahady » sy ny fampatoriana isan-karazany « Valium » afafy etsy sy eroa.Isika vahoaka no mitaky ny fodian’ny « Dada » fa tsy ny olona manana kajikajy isan-karazany.

Hifarana ity ny taona, aoka samy handini-tena sy hisaintsaina ny telo taona lasa isika mianankavy ka hanao jery todika ny nety sy ny tsy nety nandritra izay. Anjarako, anjaranao, anjarantsika ny mampody ny filoha eto fa tsy andrasana ireo « mpampandry » tany akory.

12 pensées sur “Tandremo ny « fampatoriana », mifohaza ry mpiara-mitolona!”

  1. Ary tao sary ny revolution orange tao @13 mai t@2009 no avoakany ingahy solo Razafy,fa maninona ny tao @magro ,kely olona loatra dia mamenatra e!!.Tadidio foana fa raha miala tgv dia tsy mahazo miditra eo Ravalo,maro de maro reo vahoaka ny fidy any ratsiraka taminy 2002 ary koa ireo diso fanantenana t@Ravalo 2004 sy 2009 tsy mila azy intsony,fiangonana fjkm sasany sisa sy ireo very asa no miandry azy ody any mada.Raha miverina eo iny dia miverina indray ny tolona vaovao ataon’ny av7 sy tgviste,ratsirakiste,zafiste sns…..tsy misy firenena milamina zany eo e!!

  2. tsy maintsy miverina R8 na iza no miteny eo na iza mataotra anga no avilivily foana ny resaka? aaleo ho tonga, izay sahy mikitika ho hitan’ny havany eo, voakarama ange zay mikitika sy manakotaba eo e!

  3. IL ne faut pas oublier que ce qui c’était passé en 2009 était un coup d’état!et ceux qui ont organisé ce putsch, ont peur de la DÉMOCRATIE car la définition de la démocratie est: »Lorsque, dans la république, le peuple en corps a la souveraine puissance, c’est une démocratie » (Montesquieu).

    Les principes de base de la démocratie sont : La LIBERTÉ d’expression, La LIBERTÉ de circuler,La LIBERTÉ de choisir son Président et ses Dirigeants politiques, La LIBERTÉ de contester aussi. Ces principes de base sont protéger par des lois que personne, ni le Président de la république, bafoue.( voire la DÉCLARATION Des droits de l’Homme et du Citoyen de 1793). Nous avons tendance à copier à tord et à travers les Français donc Mr andry, vous aimez la France et le gouvernement français est votre avocat selon votre propos, je vous invite à relire un peu l’Histoire de France!

    L’Histoire de ce monde ou nous vivons tous, nous donne des leçons. Tous ces dictateurs ou apprenti dictateur comme vous sont des opposants de la VRAIS DÉMOCRATIE, en plus vous êtes tous des imposteurs,vous avez utilisé ce mot noble pour faire de slogan pendant le coup d’état… (place de la démocratie en autre…). et après vous baptisez le pays comme: RDA au temps de l’Allemagne de l’Est,RDM à une certaine époque de la révolution socialiste malagasy…, RDC comme à Congo et d’autre pays d’ Afrique…

    L’Histoire de ce monde ou nous vivons tous,aussi nous a montré la FIN tragique de ces DESPOTES et TYRANS comme ton ami le feu Mouamar Khadafi,Saadam Hussein,Bokassa,Ben Ali, Hitler,… la liste est longue et vous faites parti de cette catégorie de ces déchets humains. Ils étaient protégés et soutenus par les grandes puissances de ce monde, mais un jour Elles ne voulaient plus d’eux car Elles ont besoin d’autres pions, ce eux qui se retournent contre ces anciens alliés! ex: Khadafi qui a été reçu en grande pompe à Elysée et à Versailles et mort comme un chien dans un caniveau.C’est l’Histoire!!!et nous étions tous témoins,j’ai rien inventer.

    L’Histoire nous a montré encore que le Peuple a la souveraine puissance sur la République même s’il n’a pas les armes dans leurs mains fragiles.Il a la foi et l’espérance,il a tous les peuples de ce monde pour le soutenir car les gens qui aspirent et vivent dans la VRAIS DÉMOCRATIE ne veulent pas le opprimés vivent dans une condition que les peuples Malgaches vivent en ce période de fête.

    Si Vous(andry) n’avez pas encore compris que l’Histoire nous a enseigné, c’est le moment de se poser la question,car c’est le TEMPS DE BILAN et de prendre une BONNE RÉSOLUTION!

    Je souhaite à mes Chères Compatriotes Malgaches une année 2012 plein d’espérance, j’ai la foi en vous et je pris que NOTRE DIEU TROIS FOIS SAINT vous bénisse tous!

    MINOA FOTSINY IHANY!

  4. Maninona moa rahatoa ka alefa amin’izay ny ady an-trano fa izay alehany, alehany ê !
    Toa tsy misy miraharaha izany tanindrazana izany intsony ry zalahy, indrindra moa fa ireo miseo ho mpitondra ( mpanongam-panjakàna ), fa rehefa mahazo vola avy amin’ny frantsay sy karana, ary ny sinoa, dia adino daholo na ny razam-be aza ! Ataovy mandriaka amin’izay ny rà, fa tsy ampy ny orana ê!
    Mbola tsy ampy hono ny fahoriana mahazo an’ireo tena vahoaka malagasy ! Izany no tadiavin-dry rapassy sy ry vahoaka FOZA !

  5. Mahatsiaro tena ho resy ara-kevitra angah ry kintanamanadrambo??? ny olona tsy misy hevitra sy very hevitra mantsy sisa no manangan-tsandry!!! na izany koa aza anefa no tadiavina tsy misy matahotra an’izany eto e!!! zé bé no basy!!!! aty aminay vahoaka ny hery!!! matoa lasa nandositra tsy niatrika ady hatramin’ny farany dia kely fofon’aina sy kely hery!!! matoa tsy mahaongana hatramin’izao dia malemy sy vitsy an’isa!!! MAZAVA!!!!

  6. Misy farany ny zavatra rehetra, harao tsara ny vaovao any Frantsa fa efa kely koa sisa ny an’i sarko , efa mitady toerana daholo ny équipe-ny satria amin’ny Mai 2012 dia VITA ny amin’ireo , ary HIOVA ny Tantaran’i Madagasikara, fa tsy hiisy hanampy azy intsony i andry . Ity aho eto ary hifanamby isika fa tsy hoela ko ny an’ny HAT rehtra sy izay miaraka aminy.
    Manaraka ny vaovao eratany aho, sy ny ara toe karena ary ny GEOPOLITIQUE : eo amin’ny FIN DE CYCLE du systeme CAPITALISME isika izao ary efa marefo daholo ny firenena Tandrefana rehetra ka i Frantsa dia ao anatin’ny FAHANTRANA tanteraka (2 800 000 de chômeurs)ary économiquement ao anatin’ny récession ( 3 trimestres en croissance négative).
    Mila manatona ireo hanao alternance any France isika Malagasy mba hanova fihetsika amin’izay izay hitondra any France manomboka amin’ny Mai 2012, amin’ny relation Franco-Malgache sy hiala amin’izay ity fomba ratsy natao hatramin’izay teto Afrique dia ny FRANCEAFRIQUE.

    Mila tsy KIVY isika Malagasy fa tsy maintsy hoavy izany, na dia samy mahatsapa isika fa tena mafy.

    NDAO DIA MINOA FOTSINY IHANY!

  7. Masyteny!izahay efa nanoratra tamin’ny EELV izay manakiana an’io fanjakana an’i reny malala amin’izao fotoana io.Misy koa toa efa nanoratra any amin’ny Modem ary mety tsy mampaninona anay koa azan raha manantona anay ry De Villepin.
    Ianao ve mety ho hita ato amin’ny:

    http://lafy8.forumactif.ca

    Manantena anao e!

  8. Mandreraka be ireto olon n’i Rajoel tafditra ao amin magro, tsy miafina ary mieboebo aza, indrindra ilay ramatoa malaza fa hum hum iny. manomboka amin S ny anarany.
    Manao izay hafany izy fa ny vahoaka tena vahoaka (fa tsy le vahôka tokana kely mampalahelo kely eto io), efa kôpy daholo , ary tsy azo ahodina fa manana ny heviny.

    Aoka vaovao tena vaovao no lazaina eo rehefa miakatra sehatra fa tsy kabary-mayonnaise, ny eo ihany no ahodina .

    Tsarovintsika tsara fa tsy nila mpitarika teny Ambohijatovo : ireo nitsangana ho mpitarika ireo no lasa maillon faible eo aminy tolona. Aza matahora fa ho depasser’ny ny tena mpitolona ireo.
    Izay tsy maharaka dia tokony hiala maka aina

    Ny vahoaka mijoro hatrany , mantajaka dholo, tsy very fanantenana na efa 3 taona aza, vaomaika manamafy ny velorano natao.

  9. MIarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2012. Enga anie ny Tompo homba natsika Malagasy mandala ny ara-dalana rehetra satria ny marina ihany no sitrany.
    Variana aho mamaky ny zavatra soratan’i Rapassy. Hita ao tokoa ny fomban’ny mpitondra ankehitriny dia ny miteniteny foana, mandrangitra olona fotsiny fa tsy misy fototra iorenana, eny, tonga hatr@ fanelezana vaovao tsy marina. Malahelo izy @ ilay sary nivoaka satria tsy nahazo olona toa io ry zareo t@ 2009. Mahaiza mionona e.
    Ny firariako hoan’ny taona 2012 dia mba ho tonga saina daholo ireo izay tsy tia ny ara-dalana ka hihatsara fisainana ary tsy hanohana be fahatany ireo HAT ireo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *