Nangataka fihaonana tamin’ny Praimistra Beriziky, teny amin’ ny Lapan’i Mahazoarivo ny Ankolafy Zafy. Araka ny nambaran’ny solontenany dia tsy tao ny Praiminisitra, fa ny mpiara-miasa aminy no nandray azy ireo tamin’izany. Afaka 15 andro vao afaka mihaona amin’ny Praiministra Beriziky izy ireo, hoy ny fanazavana. Na izany aza dia napetraka ihany ny taratasy mirakitra ny fangatahana. Anisan’ny vontoantin’izany ny fampahatsiahivana amin’ny Praiminisitra ny fampanantenana amin’ny famoahana tsy misy fepetra an’ ireo gadra politika, izay efa tokony ho nivoaka talohan’ny fety sy krismasy teo . Voalaza tao ihany koa fa tokony hampiharina ny andininy faha 16 sy 17 ao amin’ny Ravin-dàlana. Miangavy ny Praiminisitra izany hampiasa ny fahefana ananany, araka ny voarakitry ny Ravin-dàlana ihany. Araka ny fanazavana dia mbola hitohy amin’ny herinandro ho avy io izany fanaterana taratasy izany, ka eny amin’ny solontenan’ny ONU indray no hanaovana izany.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:
- Gadra politika: tsarao na avoahay ny havanay !
- Avoahay ny gadra politika rehetra, aleo hiverina ny sesin-tany politika hoy ny vehivavy sy ny tanora TIM
- Avoahay ireo gadra politika miisa 56 ireo hoy ny namany !
- Magro Behoririka, « avoahay ny gadra politika, mody ny filoha roalahy ! »
- Avoahay ny gadra politika vao midinika hoy i Lalatiana Ravololomanana !











Tafavaoka ho azy ireo nogadraina izay nolazaina fa noho ny antony pôlitika, rahatoa ka tafaverina an-tanindrazana ny Filoha Ravalamonana !
Ny fiverenany IZANY aloha no tokony jerenareo maika dia maika !
ASIO PRIORITE NY ZAVATRA REHETRA Ê !
Raha mivaoka ny gadra politique dia tokony mivaoka koa ny gadra rehetra satria samy manana ny zo maha olombelona azy daolo.TSY TOKONY Avaoko manokana ny mpanao politique pangalatra vola bahoaka dia gadrana ny mahantra fa tsy misy zo.Rehefa tsy manaraka lalana dia samy gadrana daolo.
Antitra ity i Lalatiana be le! Aiza izy fahiny fony mbola nanambady an’ingahy Tin’Elson. Tena reraky ny adin-tsina ny vehivavy. Tapidalan-kaleha ka any amin’ingahy Zafy sisa no mitonantonana. Nefa i Zafy dia efa hazo amoron-tevana!
Efa samy manaraka moramora eny ihany isika nefa : akoho tsy naneno telo taona ve mbola velona ihany koa manomboka anio : isika vahoaka no hitondra ny tolona , hateveno ny fikambanana VAMI fa asa (action) ny azy fa tsy kabary
Ireo ve sisa no andian’olona mitaky ny famoahana ireo « lazaina fa gadra politika »??? tsy gadra politika izany matoa ny vahoaka tsy rototra @ famoahana azy ireo!!! efa vieux jeux io ataon-dri Lalatiana sy Zafy io e!!!! mba manangona vahoaka raha mahazo fa « film efa nandeha » ny an’ireo!!!! na ho any an-danitra aza ireo tsy hisy mpanaraka!!!!!
TSY MILA TGV !