CST Fanatera Longin : Ho avy Ravalo

Magro 13 Magro 12 (9)

Fandaniam-bolam-panjakana ny fanaovana ny lanonana nandritra ny efatra andro teny Iavoloha, hoy Cst Fanatera Longin teny amin’ny Magro Behoririka omaly. Tsy mahagaga, hoy izy raha tsy nandroso ny firenena tao anatin’izay telo taona izay, fa manao fety fotsiny, satria tsy misy asa atao. Olona tahaka ireny ve, hoy ity olomboatendry ity, no hitondra ny firenena malagasy ? Tsymisy ilain’ny Malagasy olona mandany vola toy izany. Mikasika ny filazan’ny Praiminisitra Beriziky fa mbola ho jerena ny fisian’ny filaminana ho an’ny filoha teo aloha Ravalomanana, dia nambarany fa ny miaramila efa niteny fa miandry ny baiko avy amin’ny governemanta. Fandaminana inona indray hoy  izy no andrasanao. Manahy aho hoy  ity mpikambana ao amin’ny Cst ity, fa sao ianao no sakana amin’ny fiverenan’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Namafisiny ihany koa, fa tsy ekenay ny fitantan-dRajoelina fa noho ny fandaminana eto amin’ny firenena dia nekena izany. Noho izany raha misy ny fisakanana dia tsy azo ekena izany. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany mba hiomana dieny izao, amin’ny fitsenana ny filoha teo aloha Ravalomanana.

2 pensées sur “CST Fanatera Longin : Ho avy Ravalo”

  1. Tsy azoko?? mbola hampiomanina hatao inona ihany fa tsy efa ela ve no niandry sy vonona
    ny olona @ fitsenana an’i dada sa te ahazo tehaka e!
    Dia vao izao koa angaha ity faniratsirana ny Gasy hataon’i domelina ity ka hatao hirahira??
    Iza no manaiky izay fako io eo fa efa nanao sonia dia matatesa daholo fa tsy nisy n’inon’inona
    aza teo NIDEAKA izy, koa maika fa nisy sonia fa izy no ho HITONDRA ny tetezamita???asa raha
    mitampina inona daholo fa efa hita fa MAIMBO koa mbola  » MAIMBO ANGAHA??? ».

  2. Marina ny anao ranavalona !!
    Aza mimenomenona ry ministra sy ireo lasa CT ary CST isany fa ianareo anie dia anisan’ny Tompon’antoka sy tompon’andraikitra na inona na inona ataon’i domelina ê !
    Tsy efa nilaza ve ianareo fa hiditra ao anaty sisitema sa sisin-tema, dia AFAKA MANOHITRA TSARA AMIN’IZAY ?
    Vao santionany izao !!! Izao ve no fanoherana mba vitanareo ?
    Aiza i dada izay tafaverinareo tao anatin’ny fito andro ? Najaina ve ny fanatanterahana ny FDR ? Nivaoka daholo ve ny gadra pôlitika ? Nisokatra tsara daholo ve ny haino aman-jery ? Malalka tsara amin’izay ve ny fomba fanehon-kevitra samihafa ary efa MAHAZO MILAHATRA TOY NY ANY AMIN’NY FIRENENA REHETRA VE NY VAHOAKA MALAGASY ?

    RAHA TSIA NO VALINY, DIA IANAREO NO ANISAN’NY MANGEJA SY MAMORITRA NY VAHOAKA MALAGASY !!!!
    Aza miala bala fa tompon’andraikitra tena 100% ianareo, amin’izao mahazo an’ny malagasy izao !! RESAKA MANABE LAOM-BARY IZAO ATAONAREO IZAO !!!
    MAMPIESONA HOY NY TANORA !!!!

    Ataovy ao an-tsaina fa SORENA AMIN’NY FIHETSIKAREO RY ZAREO AO AMIN’NY VONDRONA ERAOPEANA !!!! HATRANT AMBOALOHANY DIA NANOHANA ANAREO SY NY VAHOAKA MALAGASY RY ZAREO (ANKAOTRY NY FRANTSAY IZAY EFA FANTATRA ), ARY DIA HO SAROTR’AMINY NY HANOY AN’IZANY FOANA RAHA TOY IZAO FOANA NO ATAONAREO !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *