Fifampiarahabana teny Iavoloha : Namiratra ny kabarin’ingahy « Petera »

5-Mamy-rakotoarivelo-2

Raha nandray fitenenana teny amin’ny fifampiarahabana tratran’ ny taona vavao teny Iavoloha ny lehiben’ny Kongresin’ ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, dia nahavelom-panantenana ny Malagasy ny lahateniny . Nanambarany fa mbola manjavozavo ny fanantanterahana ny Tondro Zotra izay natao sonia, tamin’ny 17 septambra 2011 teny amin’ny Paon d’Or . Mahitsy ny teniny fa ny Fitondrana Tetezamita dia « te hifidy ny lohany kanefa matahotra ny masony » !
Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny fanatanterahana izany Tondro Zotra izany , hoy izy, mba hiverenan’ ny fandriampahalemana sy hivahan’ity krizy eto amin’ny firenena ity . Nohamafisin’ ity lehiben’ny Kongresin’ ny Tetezamita ity tamim-pahasahiana sy hentitra fa na tian’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita na tsia, dia efa ho avy sy hiverina eto an-tanindrazana indray ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ato ho ato. Notsiahiviny koa moa fa mbola misy ireo gadra politika any am-ponja, ka tokony havoaka malaky izy ireny.
Mampahazo toky tokoa ny fijoroana amin’ ny marina toy izany. Ny fifanitsiana no tena fihetsika tsy azo ampandeferina raha fiarahana mitondra no miantoka an’ izao Tetezamita izao. “Mamiratra toy ny apositoly Petera sy ry Paoly ny mpitondra miasa tahaka izany, hoy ny raiamandreny iray izay niondana fandefasam-peo, nandritra io kabary  io.

Na ny kabary teny kianja ihany koa aza dia saika nidera sy nankasitraka iny kabarin’i Mamy Rakotoarivelo iny.Antenaina fa hamelona indray ny tolona iny tranga iny.

23 pensées sur “Fifampiarahabana teny Iavoloha : Namiratra ny kabarin’ingahy « Petera »”

  1. Mankasitraka mr le pdt a,ren ka ten kabary e!ary mino izahay fa hanana fahasahiana tahaka anao daholo ireo ct sy ct ministre namanao ireo.Nahatsiaro ho vodona daholo ndry devoly sy satana isany d ren ny zavatra asetrin lay kabary tsara lahatra nataon’i Mamy rakotoarivelo androan e,mbol ho aiza anef ny aazo anreo,vô metombok ng ry le foza oran reto lalao e,vomaik ka tong eo dada d tseko tson ny aazo anlisan f d miomanan lty a,namono biby tsy nahafaty lisany FAT reo ka ifoteran rambon,hianareo manantena fa ipetra mora nykly charles ra tafaverna antanindrazan eo?d miomana e

  2. BRAVO MAMY RAKOTOARIVELO !! tena mety ny voalazanao!! tenin’olon-kendry Tompoko ooo! ho ela velona hifankahita tsy ho ela @ny PRM R8 !! misaotra tompoko!!

  3. tena mankasitraka M.Président Ct enga anie ka hiaro anao Andriamanitra fa tsy maintsy hoavy indray izao ny antsojay atao anao fa de matokia fa tsy manao ratsy enao fa milaza ny marina e! de Ho to tokoa anie ny fodian’ M.Président Ravalomanana an-tanindrazana e!

  4. Mazana ny miady amin’ny francafique ry Mamy à !Fantatsika fa mpiasamn’ny frantsay ri-domelina sy ireo miaramila fotaka ary ireo malagasy vitsy an’isa voavidy.Koa dia mahereza e!

  5. Tena nandrora mitsilany nahavoa tena indray ingahy Rakotoarivelo sy ny zanak’i dada tamin’iny. Hatramin’izay manko dia nodradradradraina fa tsy misy ny demokrasia eto Gasikara, nambara ombieniobieny fa misy censure eto an-tanindrazana, natao nanakoako fa tsisy ny liberté d’expression eto amin’ilay Nosy Mena. Ireny niseho teny Iavoloha ireny dia porofo mitohaka ami’ny tendany fa manaja ny demokrasia sady mahatanty tsikera i Andry kely. Raha ireny no tamin’ny andron’i Valo dia avy hatrany angamba dia nogadrainy. Izao tontolo izao mihitsy no nahita sy nahatsapa omaly fa misy ny demokrasia eto amintsika. Faly ny forongon’i dada hoe « Bravo Mamy », saingy ho kivy ry zareo satria nanome bala an-dRajoelina izy ireo, ary points tsy hita pesipesenina no azon-dRajoelina eo anatrehan’ny communauté internationale. Ka na izahay tsy zanak’i dada aza dia miteny amin’i Kotoarivelo hoe: « Bravo », tohizo ny toy ireny.

  6. Mirediredy indray ry Denisem-po ..taka. Raisonnement n´olona bado sy dondrona ny anao e!!
    LOL! sy MDR ! ny tenanay .

  7. Tsara , tsotra , mazava , ary mivantana ny teny nentin’Atoa RAKOTOARIVELO MAMY !…
    Tsy misy ampiana na analana fa tena tao amimn’ny patsany..

    Tankina sina ary gina ireo nanenjika sy nanompa azy hoe mpamadika.!
    Namelan-kafatra tokoa izy ary nahatody ny hafatra izay tsy nampoizin’ny mpihaino ny halehiben’ity hafatra…izay mana ny heriny tokoa tamin’io fotoana sy teo amin’ny toerana nizarana izany hafatra izany ho an’ny Rehetra !
    Tehaka sy horakoraka no valiny nomen’ireo mpanatrika..ary ny tena vaovao dia ny fandefasana ny kabary nataon’Atoa RAKOTOARIVELO MAMY teo amin’ny haina aman-jerin ‘ny
    Vahoaka..Teboka iray lehibe izay !

    Ataoko fa tsy fotoana itenenan-dratsy na hanesoana ireo mpanenjika sy niseho ho mpanome lesona mikasika ny elenelam-panahy tokony hajaina eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpanao ratsy..Marina izany fa tsy mitombona ary tsy mila hajana REHEFA NY AIM-PIRENENA NO AROVANA SY KAJIANA…INDRINDRA RAHA NY RATSY NO MITANA NY POIZINA HAMOSAVIANA IO AIN 4NY FIRENENA IO..
    Koa raha sanatria ka tsy nanaiky IZANY FJFANATREHANA IZANY ANDRIAMATOA RAKOTOARIVELO MAMY , PRESIDENT DU CONGRES DE LA TRANSITION MAIS SURTOUT REPRESENTANT DE LA MOUVANCE RAVALOMANANA MARC ,dia ireo nanohitra ny fandehanana ho eny IAVOLOHA
    no nanameloka azy voalohany ary nanompa azy ho kerisay sy kanosa no tsy sahy niaro sy nikajy ny aim-pirenena !

    Ny fahendreny ny ny fanahy maha olona tsy miandry na mila lesona fa mitarika sy mibaiko avy hatrany ny olona vonona hiady ho an’ny hasin’ny Firenena sy hiaro ny fahamendrehan’ny Malagasy..!

    Izany heri-panahy sy fahendrena izany no fiadian ‘ny Malagasy
    miady amin’ny famonjena ny Fireneny !

  8. Maniry manitra ohatrin’ny alika ve ry Denise , ilay fisainana aloha tsy mahagaga e , efa hita izao fa tay dia mbola hitsahina , tsy hita ny hamaliana anao fa amiko dia misy voa kely ny sainao

  9. Misaotra an’i Mamy Rakotoarivelo ary miandry ny tohiny ny vahoaka nanome hery lehibe teo @ mpira mitolona iny kabary iny satria tsy ho ela intsony dia ho antsika ny fandresena
    Mba havoahy koa ny gadra polita Andriamatoa Mamy ny mpanonga-panjakana dia namoaka ireo namany mpangalatra sy mpamono olona ka ny gadra miaramila nahoana no tsy misy mivoaka nefa tsy nisy eloka nataony tsy mila fampitoniana ny famohahana azireo ka rehefa hamoka mora ny foza dia midina eny an-dalambe hamoaka azreo sy androdana koa ny mpanao gaboraraka

  10. Faly daholo ny zanak’i dada fa nampanaovina cinéma kely i rakoto!!!! tena bado mitsy reto zaza zanak’i dada ireto!!! Mba tsy hanenjehan’ireo andian’olona azy no namporisihana nanaovany an’ireny sady ahafahan’i Rakotoarivelo mikarakara tsara ny avenir politikany tsy miaraka amin’i dadanareo!!! ireto tena nandra mitsy!!!!

  11. J’approuve l’attitude de Mamy Rakotoarivelo hier ,
    vous pouvez voir ,mes écrits dans mydago et vous verrez , de quel bord suis .

  12. Mankasitraka indrindra Atoa Mamy Rakotoarivelo!

    Dia mahereza hatrany amin’ny fijoroana amin’ny marina.

    Mitondra anareo amim-bavaka mandrakariva e! Dia mahaleova mahalasàna amin’izay atao ho an’ity Tanindrazan-tsika ity, hoan’ny vahoaka malagasy, hoan’ny famerenana tsy misy fepetra ny Prézida Marc Ravalomanana ho fampijoròna ny ara-dalàna sy ny rariny

  13. Fandresen’ny fametrahana ny tondrozotra ny fahazoan’Andriamatoa RAKOTOARIVELO MAMY , FILOHAN’NY CONGRESN-n’NY TETEZAMITA niteny teny IAVOLOHA…Samy manana ny fandinihana iny fotoana iny Isika…Amiko dia nohararaotin-drajoelina ny fifamprahabana tratry ny taona mba hamoriany ireo solontenan’ny olona voatendry ao amin’ny andrim-
    panjakana..Izany hoe fivoriana an-kolakary izay no mahatonga « io fety io » haharitra efatr’andro !
    Misy moa ireo mahitahita sy mitompon-teny tsy fantatra ary milaza fa novidian-drajoelina ny olona toa Atoa RAKOTOARIVELO MAMY mba hanatrika ny « reception « .
    Jereo kely ary mba fakafakao hoe inona no ny antony tsy nanatrehan’ny solontenan’ny USA ary nahoana no tsy tonga teny i chataignier ?…
    Koa mitandrema amin’ny fitsaontsaonana sy ny fanendrkendrena ny hetsika ataon’ny sasany…!
    Sa kosa manangan-drindrina fa sao …mahomby ny tetiky ny ankolafy RAVALOMANANA MARC…dia hisy e hisahy hiteny fa miray tsikombakomba amin’i rajoelina Rizareo..? Nefa anie ,amin’ny fisainana madio sy marina , dia ny Tetezamita iarahana ( transition consensuelle) no tanjona e!
    -saingy efa ratsy sy maloto ny fisainana ka na ny « zotra » tokony arahina miaraka dia lasa SAKANA.., lasa LAVAKA TSY AZO DINGANINA ! Nahoana aza ?

    Ny fijoroana amin’ny marina , ny fitadiavana isan’andro ny rariny ,sy ny hitsiny ary ny ara-dalana no fefy manakana tsy fanekena ny kitoatoa , ny tandrevaka sy ny goragora !

    Rhefa izany no atao dia sarotra amin’ireo ratsy ny hanodikodina ny zotranao hitondranao ho amin’izay kendrenao…dia ny fanomanana ny fifidianana !

  14. neninoro// AZA MANONOFY MIHITSY!!! I RAKOTOARIVELO IZAO EFA ZAVATRA HAFA MIHITSY NO AO AN-TSAINY!!! TAKONA IZY RAHA VAO TONGA EO IZANY RAVALO IZANY!!!
    IZAHAY VAHOAKA MALAGASY MARO AN’ISA KOA TSY MILA AN-DRAVALO E!

  15. Angaha moa tsy fantatrareo ity Denise ity, izy ity ange ilay atao woe DENISE mpisolelaka.Ary jerevo fa izay rehetra manohana an’i TGV dia jerevo fa mitapy no sady tsy mahalala izay zavatra tena marina, mitovy aminireny olona MIFOKA RONGONY ireny.Ny MAINTY lazainy fa FOTSY ary ny LALINA lazaina fa marivo.Raha mifamaly aminy DENISE isikla dia mifamaly aminy ADALA.

  16. Quand un lapin se transforme en une colombe !

    ANDRY RAJOELINA 11H51: « malgré la suspension des aides extérieures, nous avons pu honorer nos dettes extérieures, d’un montant d’Ar 107 milliards, grâce notamment à la politique d’austérité (…) ».

    En voila un qui fait de la démagogie. En effet, il y a une semaine, la JIRAMA a accusé l’Etat d’ être un mauvais payeur et aujourd’hui, certains fonctionnaires attendent toujours le versement de la totalité de leurs salaires.

    Par ailleurs, il y a deux ans, la HAT nous avait fait croire que le groupe italien FIAT allait s’implanter à Mada dans le cadre d’une politique d’externalisation et on a encore rien vu. Ca aurait été une bonne idée car la main-d’œuvre locale est qualifiée et motivée.

    Ensuite, c’est bien de rouvrir les 180 centres de santé qui étaient fermés pendant 2009 mais il faut arriver à honorer les dûs des employés.

    En outre, sans l’AGOA et d’autres programmes du même ordre, on voit mal comment Mada pourrait créer de la Valeur Ajoutée. Avec une population de 20 Millions, nous ne pouvons pas nous comparer avec les Seychelles ou l’île Maurice qui ont pu facilement rétribuer les retombées économiques à leur population à moins que Mada connaisse son ère de Meiji comme les japonais dans les années 50,60 et 70. Eh oui ! Les nippons qui ont privilégié les études en travaillant avec ardeur ont pu développer leur économie jusqu’à en devenir une puissance économique mondiale. Ils ne se contentent pas du peu comme certains d’entre nous qui sont satisfaits de leur place de livreur parisien ou de caissière de grande surface. Je ne parle pas des affairistes véreux locaux qui font tout pour ne pas payer des impôts.
    Il faut reconnaître que l’on se moque plutot des diplômés à Mada, même s’ils montent leur propre entreprise dans la légalité et qu’en même temps les livreurs parisiens qui débarquent de Paris à Tana pendant les vacances roulent les mécaniques avec une démarche triomphante à la TGV pour impressionner leurs compatriotes. C’est toute une mentalité qu’il va falloir changer. Désolé d’avoir été aussi cru mais c’est la réalité.

  17. Nahafinaritra aloha dia i Mamy nanao hoe Andriamatoa filoha intelo sa in4 tam Kabary, fa tam farany ledala dia tsy nahay nampiseho ny maha olom-panjakana sy ny mahaizy azy fa dia mbola ho baikon’ny ra8 foana ve nefa lahy be iny e, nanjary voahorakorakin’ny olona.
    Nampisehoan’ny zandry kely fa matotra sy manaja tena izy manoloana ireo goaika antitra.

  18. Za ndray aloha de tena mi-comprendre an-dRAKOTOARIVELO e! Marina ny azy, raha izay action 20% notanany manokana tao @ TIKO izay moa, ahoana no tsy hanembona isan’andro an-dRAINY. Au moins mba miverina indray ny fihinanana raha tonga eo i Dada! Rava tanteraka anie le fihinanam-be e! manadany ny azo otran’i Levalo sisa azo atao!
    Jereo, ny GAZETY MIDI-ny ity tsisy mividy intsony, tsy tahaka ny t@ andron’i Dada, de tsy mahita hambara intsony fa tsy tian’ny vahoaka.
    Mba filohana andrim-panjakana ihany, kanefa tsy de misaina rehefa miteny, vao maika manome vahana an’i Zandrikely, lazaina fa fahavavalon’ny demokrasia, de ireny ny porofo, fa tsisy afitsoka mihitsy reto zana-drainy ireto.
    Misy éthique anie ny maha lehibe anao toy io e! misolo tena ny andrim-panjakana nifidy anao ho filoha eo, izay samy manana ny firehana politikany, ary azo lazaina mihitsy oe solon-tenam-bahoaka, nahoana ny anao irery no arangaranga. Raha tena misaina, de any @ assemblée no miady mafy manao pression sy projet de loi raha azo atao, ny momba ny fiverenan-dRa8.
    Na rehefa mivoaka an’i Iavoloha de manao conférence de presse miteny @ anaran’ny tena na ny TIM na mouv Ra8.
    De ireny le tapohany, zaza vao sy zaza-V vao maika mampiakatra ny olona. De za koa misaotra an’i Mamy fa misy ny demokrasia e! mitenena fa malalaka be ny fanehoan-kevitra any Dago e! @zay koa mba fantatra kely. Iza no mahalala fa mety ho candidat hisolo an’i Dadany io!

  19. Le Retour du Président RAVALOMANANANA MARC AU PAYS CONSTITUE UN GRND EVENEMENT POUR LES MALGACHES QUI ONT VRAIMENT SENTI UNE GRANDE DOULEUR MORALE – COMME LORS D’UN DEUIL-LORSQUE LE PRESIDENT A QUITTE LE PAYS EN CATIMINI.NOMBREUX ONT ETE CEUX QUI N’Y ONT PAS CRU..
    CES MEME MALGACHES ONT VECU MAL CES TROIS ANS DE SEPARATION MEME SI UNE LUEUR D’ESPOIR DE REVOIR LE PRESIDENT A BRILLE DANS CE FATRAS DE MALHEURS..

    POUR MA PART , J’AI EU LA FERME CONVICTION DE SON RETOUR QUE J’AI CHANTE DANS DES POEMES ( INY I DADA O MITONDRA MOFO , NIVALY NY VAVAKA.., ,NODY VENTINY NY RANO NANTSAKAINA..).

    ET J’AI ETE SUR ET CERTAIN QU’EN CHACUN ET EN CHACUNE DE NOUS CET ESPOIR A TOUJOURS ETE GRAND..ET QU’ILS NOUS ONT ENERVES CEUX QUI SE SONT MOQUES , NOUS ONT RI AU NEZ DE CE QU’ILS ONT QUALIFIE DE « RESAKA ADALA , DE REVY GADRA …!)..
    IL Y EN A MEME QUI INT JURE QUE LE PRESIDENT NE REVIENT PLUS TANT QUE LES FRANCAIS METTENT LA MAIN SUR M.CAR

    ET CONTRAIREENT A MON RAISONNEMENT ,LES FRANCAIS NE PEUVENT CONTINUER A METTERE LA MAIN SUR NOTRE PAYS..
    CERTES LA FRANCE A PLUS DE MOYENS TECHNIQUES , MILITAIRES ,UNE ACTIVE DIPLOMATIE..
    MAIS CETTE FORCE RELATIVE A ETE VRAIE DU TEMPS OU L’EUROPE -DONC LA FRANCE – A ETE LE CENTRE DES DECISIONS QUI GERENT ET COMMANDENT LE MONDE..!

    QUI SONT CEUX QUI DISENT QUE LES USA ONT ,PEUT-ETRE PERDU DE LEUR SUPERBE , MAIS ILS ONT GARDE PRESQUE INTACTES ET OPERATIONNELLES SA FORCE DE DISSUASION ET SES FORCES DE FRAPPE..: CE SONT DES EUROPEENS ET SURTOUT DES FRANCAIS QUI VOIENT LAS AMERICAINS SUR LE DECLIN..ET CES AMERICAINS ONT REUSSI DE DEPLACER DANS L’OCEAN INDIEN LE CHAMP DES CONFLITS PETITS OU GRANDS , LOCAUX OU REGIONAUX.

    CE CHAMP REPRESENTE UN GRAND TRIANGLE ISOCELE OU EQUILATERAL DONT
    -LESOMMET SE TROUVE AU MOYEN ORIENT AVEC L’IRAK ET L’IRAN
    -LE COTE OUEST EST CONSTITUE PAR UNE LIGNE QUI LONGE LA COTE EST AFRICAINE ENGLOBANT
    L’EGYPTE ,LA SYRIE , ISRAEL ET LES PAYS DE L’EST ET DU SUD-EST AFRICAINS AVEC INCLUSION DE L’AFRIQUE DU SUD ET DE MADAGASCAR , DES ILES RODRIGUEZ
    -LE COTE OUEST EST BORDE PAR L’AFHGANISTAN , LE PAKISTAN , L’INDE..ET PLUS LOIN LA CHINE
    -LA BASE EST REPRESENTEE PAR UNE LIGNE QUI RELIE L’AUSTRALIE A MADAGASCAR 6 ES ILES RODRIGUEZ..
    JE M’EN RESTE LA CAR LE RESTE EST D’ACTUALITE ( LE PRINTEMPS ARABE , LA GUERRE LARVEE EN IRAN MENEE PAR QUI ? le chantage iranien dans la mer d’ORMUZ…!)

    LE CAS DE MADAGASCAR FIGURE DANS CE CHAMP ET JE NE PENSE PAS QUE LES AMERICAINS NEGLISENT CE QUI CONCERNE MADAGASCAR ET LES TENTATIVES OU LES VELLEITES DE REOCCUPATION PAR D4AUTRES PAYS NOTRE ILE DE LAISSENT INDIFFERENTS LES AMERICAINS : ILS DISPOSENT ET USENT D’UNE DIPLOMATIE MENEE DE MAIN DE MAITRE PAR MADAME CLINTON QUI A L’AIR DE NE PAS AVOIR L’AIR TAPER SUR LA TABLE !

    LE RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC A ETE FACILITE PAR CES BATAILLES DIPLOMATIQUES MENEES PAR LES AMERICAINS ET RAPPELEZ-VOUS LA DERNIERE VISITE DE LA TROIKA AVEC UNE DELEGATION DE 16 MILITAIRES HAUT GRADES..; C’EST CE JOUR LA QUR TOUT A ETE DECIDE…LE RESTE A PERMIS A RAJOELINA DE JOEUR SA DERNIERE SEANCE DE CINEME DE PETITE MARIONNETTE…AINSI QUE LE RETOUR DE RATSIRAKA A PARIS ET DE MEME L’ENFERMEMENT DE ZAFY..QUI A BLUFFE DEPUIS LE COUP D’ETAT !

    L’IMPORTANT POUR LES MALGACHES C’EST LE RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC QUI LEUR TENU TETE ET QUI REVIENT AVEC LE STANDING OVATION DE LA
    COMMUNAUTE INTERNATIONALE ET AVEC DANS SES VALISES LES AIDES FINANCIERES ET TECHNIQUES ET HUMANITAIRES POUR LE DEVELOPPEMENT DU PAYS ET L’AMELIORATION DU BIEN6ETRE PHYSIQUE E MENTAL DES MALGACHES..

     » DIEU NOUS TE REMERCIONS DE TON ASSISTANCE DANS NOTRE COMBAT POUR LIBERER NOTRE PAYS..
    GRANDE EST TA FORCE
    ET GRAND TON AMOUR POUR NOUS !
    NOUS TE LOUONS ET ADORONS ! »

  20. Aoka ho fantatrareo milaza azy hoe: vahoaka, Tanora, Denise, Rabe sns… fa samy zanak’ity Madagasikara ity daholo! Samy manana zò honina sy hipetraka eto raha mbola malagasy! Vahiny aza raisina, koa aza manao lohana fatritrany e!!!

    Andriamanitra Mpahary ny tany sy ny lanitra no nametraka an-tsika rehetra eto, mandalo daholo eto fa tsy misy maharitra! mandrakizay!!!

    Koa, na lazaina ho nofy ny lazaiko (aza adino ny zava-niseho mikasika nofy, ao anatin’ny Baiboly), na izatsy na izaroa!

    Aza adino fa misy: Ilay tena « Mpandahatra…Hendry!! »

  21. Aleo ho tonga izay ho tonga fa samy tompon’ity tany ity na ny mpanongana na ny voaongana tsy misy avahana n’iza n’iza. Aleo ho tarainy vahoaka amin’ny fifidianana izay tena vary sy ny tsiparifary ka tsy misy ailika ny eto fa raha misy izany dia rombo be no ho tonga ary mety tena hanohana ny mandrava izany zo fototra tokony hananany olompirenena izany izahay. Ny tena marina aza di tokony ho gasy tanteraka fa tsy manana zopirenena hafa no afaka milatsaka fa manjaruy lazsa manompo ilay firenena iray.

  22. Any amin’ny tany mazava, firenena hitoeran’izany hoe demôkrasia izany, inona no mba atao amin’ny jiolahy, na mpamono olona na koa ireny mpanongam-panjakàna ireny ??
    Misy milaza fa hoe, lasa mpitondra firenena, mazistrà na koa mpiasam-panjakàna ambony daholo hono. Rahatoa ka miaramila, dia lasa ministra na koa, lasa manam-boninahitra farany izay ambony indrindra !
    Marina ve ry zareo izany ?


  23. Raha izaho no mamaly ilay fanontaniana, dia hoy aho hoe :

    Tena marina izany aty aminay aty amin’ny HAT Rajoelina !
    Satria ny anay ny jiolahimboto no ataonay tompo-tanàna ary ny jeneraly Baombanay ataonay sefon’ny Mpangalatra sy ny mpamono olona ary ny mpampigadra amin’ny tsy marina ny olom-pirenena, fa raha vazaha avelanay handoto ny zanakin’ny Gasy vao 11 ans, ka mandoa vola kely fotsiny izy dia alefanay mody any aminy raha tiany izany.
    Raha gasy kosa no manao izany, dia hanaovanay fifaninanana aloha izay vao « mody » gadrainay izy.

    Ny anay ny miaramilanay vazaha no atonay sefony, dia mpanatanterak fotsiny ny Aofisie-nay !

    Ny « zokinay » mpanoratra eto aza mody lazainay hoe; ataovy hoe : tsy momba ny asty sy eroa aho, ary tsy voakaraman’iza na iza, fa zandrikelinao ihany tohanana ! 🙂 sy hatsaraina.

    Kininina daholo izany fa mba manoava toa an’i zokinay be taim-bava dia ataonay sefo deba ianao !
    F’aza mba vongany ihany oa ! fa ra be tay, vao miteny dia tay no mivoaka ny vavany !
    !
    Fa mba fanontaniana no asetriko ny fanontanianao !

    Ianareo hono Zanaky ny Dadanareo, fa ianareo angaha tena zanaka an’elakelatrano kay ?
    😉
    Aza mba vongany ihany e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *