« Ho avy izahay amin’ny sabotsy ho avy izao”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, omaly, tetsy amin’ny kianajan’ny Finoana Behoririka, raha nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpitolona tao izy. Horakora-pifaliana, ranomaso, nisy mihitsy aza no safotra raha nandre izany fanambarana nataony izany. Efa 3 taona tokoa no niandrasana izao fotoana izao ka nitora-jofo ny kianjan’ny Magro Behoririka. Tsy hanakorontana no hahatongavako hoy izy fa hitondra ny tena fankatoavana iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara.
Tsy hamaly faty ihany koa, efa imbetsaka aho, hoy izy no nilaza izany, ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’izay no ho banjinina fa tsy ny fanaovana valifaty politika intsony. Araka ny vaovao farany voarainay eto amin’ny Gazety Valosoa, amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro no higadonan’ny fiaramanidina mitondra azy eto an-tanindrazana indray. Raha ny fahitana azy tamin’ity lahateniny ity, tena « décidé » tanteraka ny filoha Ravalomanana fa ho avy, tsy ho toy ny tamin’ny 19 febroary 2011 intsony nisian’ny Notam. Ny tondrozotra dia efa manambara fa tsy misy fepetra intsony izay fodiany an-tanindrazana izay indray, araka ny fifanarahana nataon’ny mpanao politika Malagasy sy teo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ny troïka-ny Sadc. Ny Notam moa dia efa mifanipaka beny ihany ny FAT ny amin’izy io, ny dikany dia efa tsy mitombina intsony izany. Malalaka ny làlan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Sabotsy, roso toy tsa mipody koa hoy ny fitenenana avy ao Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony ao.

 



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Ho tonga aho tsy hitondra korontana fa hitondra filaminana, hoy ny filoha Ravalomanana
  2. Ny filoha Ravalomanana no tompon’Antoka sy Fahefana ao…
  3. Hiverina any Madagasikara hitondra fandriam-pahalemana aho, hitady vahaolana fa tsy hitondra korontana, hitondra izay fomba rehetra hampandrosoana an’I Madagasikara aho hoy I Dada.
  4. Tsy hamela ny Filoha Ravalomanana hody irery an-Tanindrazana ny vondrona SADC !
  5. Any amin’i Dada ny lakilen’ny fankatoavana iraisam-pirenena ! (+video Ravalomanana en direct à Magro)

26 Comments

  • ranavalona dit :

    Aoka isika hivavaka !tsy hitsahatra mihintsy!!!!
    Ho tonga anie ny fahafahana!!VONJEO NY TANIMASINAO Andriamanitra o!!!
    Dia aoka hifanome tanana ny tsirairay,avelao ny alika hitomany valala any daholo.
    Ankino @Zanahary ny zavatra rehetrafa izy no TOMPONY,ary aoka isika ahatoky
    sy ahay hankasitraka izay mety ho LAHATRY NY RAY EO,fa ny adidintsika dia ny
    manankina aminy ny fandehan-javatra rehetra,ka avelao ny herin’i Fanahy Masina
    hiasa hitantana ny DIANTSIKA, dia aoka ny rehetra ho TONY TSARA (izaho koa).
    Mahereza daholo e! homba antsika ANDRIAMANITRA.
    Ianareo avy any @ faritra mivonona @ kobay @ fanakanana eny an-dalana.

  • Tanora dit :

    LOZA lehireto fa angamba tsy Andriamanitra kosa no hivavahan’ireto mpiandry ireto fa angamba le8 ka, olona namono olona marobe sy mpangalatra fananam-pirenena ve dia handoalihana toy io.
    Halahelon’ny vahoaka malagasy ao andamosiny no tokony hivavahanareo, dia ny hampiova ny toetra ratsiny sy hahaizany mifona amin’ireo olona rehetra nijaly sy namoy hava-tiana tam androny.

  • TsimilaTGV dit :

    TANORA = RABE

  • Tanora dit :

    Tsimila Tgv angaha maratra no dia manao vali boraingina fotsiny, aiza amin’ireo mandohalika ireo izao ny sarin’i Ts.tgv, Rabe any an-dafy any manana ny raisonnement izy, fa za kosa mahita ny zava-misy marina eto an-tanana ary tsy fanatik na am’iza na amn’iza hoatranao.

  • Dénise dit :

    Efa nanao dementi sahady ilay porte-parole sud-africain an-dRavalo fa tsy ho avy akory i leiry amin’ny sabotsy. Diso fanantenana izahay satria tsy hitranga indray ilay fisamborana miezinezina atao amin’ilay mpamono olona gaigy lahy atao hoe Valo. Tokony mba ho matotra kosa rangahy i Valo amin’ny fanomezana daty a!

  • ranavalona dit :

    Maimbo foza ato izany ray olona!!aiza daholo ilay zanak’i dada e!
    teraka ity izay tsy ho teraka marina!!MIPARARETRA daholo ny
    mpanao ratsy.
    Aoka isika tsy ho voareberebin’itony foza orana itony fa manaova ohatra ahy: tsy jerena akory !!!
    Vao mahita ilay anarana dia hialao ilany, izao aho maivamaivana ery,vonombonona tsara @
    zavatra mety hitranga,ny vavaka no hatao be dia mahay manaiky izay sitraky ny Ray.

  • IKALA dit :

    aok’izay ny fandrobana sy ny fangalaran’i tgv aok’zay ny fahoriana sy ny fijaliana noihon’i fanongana pajankana ! tongava maro ry vahoaka fa tongasoa LAY MAHERINTSIKA !

  • rabe dit :

    Ny sitraky ny Ray ve Ranavalona a! efa nongotany teo @ seza volamenany Levalo, satria, « Aza mangalatra, aza mamono olona, aza manao vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao… » telo ao anatin’ny DIDY FOLON’ANDRIAMANITRA nohitsakitsahan-dRainivoanjo @ tany ireo, de NALEFAN’ANDRIAMANITRA NANESY TANY NY TENANY, de io koa ity fa mbola hananton-doza, hiditra am-ponja, mbola ho SAZIN’ANDRIAMANITRA DAHOLO izany, ary marina ny tenin’i Tanora eto, fa Ranavalona sy ny namany eto, tsy mivavaka @n’Andriamanitra izany, fa manao Andriamanitra an-dRainy.
    Ery ambony, de milaza Ranavalona fa tokony hivavaka, afara kely fotsiny de manaliaka olona. Izao no lesona omen’ny Baiboly: » Tiava ny fahavalonao, ary mivavaha ho an’izay manenjika anao…! ».
    De tena mitombina ny teninao, fa tsy Andriamanitra no hivavahanareo, fa Ravalo, fa inona moa no tsy vavaka nataon’ireto lava robe ireto, fony Ravalo nihozongozona, hatramin’izay nandehanany izay, de jereo ireto, atao instrument sisa zany Andriamanitra izany hany ka tsy mahita valim-bavaka mihitsy telo taona izay, fa na iza mafy, na iza matanjaka, na iza manam-bola, tsisy afaka mamily zay efa nalahatr’Andriamanitra. Ary ho reraka ianareo, fa raha mbola mieritreritra ny tenany ho tout puissant Levalo, de izy ihany no hamotika ny tenany. De jereo izay nahazo ny dictateurs sanguinaires rehetra teto an-tany, ratsy fiahafarana avokoa.
    Nandefa filazana ny atsy Sud Af fa tsy ho avy ndray Levalo @ Samedi zao.
    Ny tsy takatrareo, de hanentana ny mpomba azy fotsiny izy hivoaka eny, de hisy ny mpanetsika korontana sy handrangitra ady. Aoka isika vahoaka ho mailo, fa KO no tadiavin’ireo, fa fantatry Rainivoanjo tsara, fa hivaha zao krizy izao, ary efa miha-manakaiky, de tadiavina coûte que coûte zay hanimbana ny image n’izao fitondrana izao, ka raha sanatria ka mitranga ny korontana, de hidehaka Rainivoanjo fa izy no vahaolana, kanefa izy no fotony.
    Mitandrema, aoka ho mailo tsara, fa mitsefatsefaka any an’elanelany any, ireny milices manokana mpamono olona karamain’i Levalo, handatsa-dra ireny, ka raha tsy mailo,de tonga @ tanjony izy. Lalaoviny fotsiny ireto mpomba azy ireto, fa izy manao jery lavitra amporisihany hifamono ny samy gasy, mahomby io, mody izy, tsy mahomby tant pis, ary mailo koa isika, fa ao ambadik’io koa ny CIA, misy volabe miparitaka eo, ka zay ray mafy na ny Amerikana na ny Frantsay fa samy miaro ny azy io!
    De mahereza ry mpitandro ny filaminana malagasy(gendarme, police, militaire), fa zao no tena hahitana ny fitivan-tanindrazanareo, hanohitra sy hamarana ny tantaran’ity RAINIVOANJO FAHAVALOM-PIRENENA HAMPANDRIAKA RA SY TE HAMPANDOHALIKA AMIN’NY TANY NY VAHOAKA MALAGASY mba hiverenany indray au pouvoir! fika mazava be io e! Zandry koa tsy lanin’io zany, fa manantsaina lavitra noho izy!

  • rabe dit :

    Saika hadinoko, fa LES FAROUCHES ny pseudo n’ireo milisy ireo, ary misy armes feu sy sabatra any an-tsikinany, ka ny fahafantarana azy de manao mivorivory mitokana sady mitovy fanamiana!

  • TsimilaTGV dit :

    NOM : RABEVAHOAKATANORA
    PRENOM : Denise
    ALLEZ FAIRE VOS PROVISIONS D’HUILE DE COCO !
    VOUS ALLEZ PERDRE VOTRE TEMPS ICI !

  • ranavalona dit :

    Ampio menak’omby rehefa tsy ampy.
    Dia manaova salaka rehefa tsy tana intsony ilay maloto.
    Nahazo vao2 aho ry zareo vao izao ity fa ho hajedakin’ny foza i domelina dia ho
    ahilika aminy daholo ny zavtra rehetra dia ho afa-maina izy ireo,fa ny zavamisy anie
    ka rehefa maka vola any @ banky hono ireto foza dia indraindray SONIA SANDOKA
    fotsiny fa hoe avy @ domelina dia mahazo e!!dia dedaka ery andriamatoa filoha nefa
    hisandohan’ny sasany fotsiny fa avy aminy nefa sonia sandoka.Dia zavatra ohatra izany
    no mety ho hanaovan’ireto foza an’i domelina miaraka @ frantsay,io efa tetiky ny frantsay
    efa ela ny hanilika an’i domelina fa efa MIPELIPELI-drambo ny ho solon’i domelina, itony ry
    Rabekoto itony efa miandry kitapo latsaka fotsiny.Mitetika ny hamantam-bonona.Nandaitra
    kosa ve t@ domelina tsy handaitra aminy????

  • beloha dit :

    ampy izay 3taona izay ry foza ,ny an`iela aza kinjan`ny demokrasia lasa kianjan`i demoN
    tsy ho be resaka fa @ sabotsy rah mahasahy e…
    aza asiana kozy bobaka intsony….ary miala tany fa malany ny fofom-po…za

  • HoAiza dit :

    Matahotra ny ara-dalàna ireo ry Dada an!
    __

    Dès l’instant où l’on a su que les putshistes vous ont traqué,
    avec tel acharnement sauvage que l’on vous a conseillé de quitter momentanément notre bienheureuse île de madagascar

    « sinon mort ou vif était l’intention prémeditée du dj Andry Rajoelina et ses compères, de fervents serviteurs de France »

    __

    D’un côté, il y le fameux adage malagasy maintes fois utilisé durant cette crise : « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy »

    Ici, je suis heureuse de réiterer ce que j’avais auparavant: YES
    « le président élu Ravalomanana Marc s’appelle REVIENT »

  • rabe dit :

    Tsy hiala aho e! tsy hiala aho e! hoy ny Deba fahiny! alefaso foana ny INTOX Ranavalona fa tsy mitovy oa isika. Madagasiakara lavitra anay, kanefa tianay sy maminay, ary eo amabany masonay. hatreto aloha de mbola tsy teraka ny hisolo an’i Zandry jeune, matotra, tsy azo arebireby, tsy laitran-dRa8 be vola nefa kely atidoha marivo sanosana. Tsy mahalala afa-tsy ny rà latsaka, fanakorotanana, marary fo lava @lahelo seza.
    Cool be Zandrinay iny, na ireo ireo niseho ho sakay sy maso taminy aza, rehefa niara-niasa taminy, de niaiky fa lehilahy hendry izy! aza mba Rainivoaanjo be je suis, mora mandroatra sy Rainihambo ihany, fa tsy fahaizana mifehy tena kely fotsiny tonga de nampiongana @ SEZA BE! Zandry itony de tena lehilahy, manana force tranquille,incontournable, de tsy hitan-dry BE TOMANY RAINIVOANJO zay hanaovana azy! aza mba bado raitrano otran-drainy oa!

  • Njara dit :

    Aza mba mpams ihany fa menak’omby no omen’ny olona anao ! Sady miboridana ny vatany no miboridana ny sainy fa tsy mahita lavitra ! Ny eny a-joro ihany no fatany ! :)

  • rabe dit :

    Tsy tadidin’ise ve ry Njara lay tantaran-dRainivoanjo sy lay OSIMAINTY DARABEANY. Avy eo de mahasahy mitory teny eny ambony piripitra misolo Pasitera.
    Hoy izy hoe: » Aripako ny volam-bahoako, vonoiko ho faty zay manelingelina, tsy hiala aho raha tsy misy raha mandrika, fa za mivavaka foana; de MINOA FOTSINY IHANY, sa ahoana hoy nareo? Ameeeeen, ameeeen, ameeen Andriamanitray filoha, hay! azafady, Andriamatoa filoha ». Zany ny vokany oa refa nanao ho zanahary ny tenany, ary natao ho fanafenan-dratsy ny ANARAN’ANDRIAMANITRA MAHERY, de ireny niharan’ny didim-pitsarany tety an-tany ireny, ary mbola ho avy koa ny fitsaran’ny lanitra.

  • beloha dit :

    ela rabe tongav aty raha lehilahy fa aza any an-dafy no mizesta ,tsy misy hain`ialahy eto fahoriana ,halatra ,vonon`ol,taxi brosy voaendaka….
    zao no malaza « dj scratch ton VINYL et laisse MADA tranquille « 

  • Tatsimo dit :

    Mandolo dia mandolo fa ny loha poak’aty, lolohavo ny lamba tsa hotasin’ny menaka Raberivotsa a

  • KintanaMananDrambo dit :

    Firenena iray no tena MATAHOTRA NY FIVERENANY !!!

    ANJARAN’NY TSIRAIRAY AVY NO MAMPILAZA NY NAMANY REHETRA, IREO « TERA-TANY » AVY AMIN’IO FIRENENA IO, FA HIZAKANY VOKANY ARY INDRINDRA TOMPON’ANTOKA AMIN’IZAY ZAVATRA REHETRA METY HISEHO RY ZAREO RAHA SANATRIA KA ZAVATRA RATSY IZANY !!

    LES AFFAIRES RWANDAISES SONT LOIN D’ÊTRE OUBLIEES PAR LA COMMUNAUTE INTERNATIONALE !!!

    ALEFASO NY INFOS REHETRA IZAY ENY AMPELATANANAREO, INDRINDRA IRENY FIARA HERIM-PAMORETANA MISY SAINA FRANTSAY IRENY !!

  • Njara dit :

    -
    Samia mitondra camera izay manana e ! AZA ADINO IO
    ary ALEFASO amin’i MyDago na lafy8.forumactif.ca ,
    -
    BFM-TV – Youtube – 20min.fr – Metro – France 24 – Le Monde – Figaro.fr – Le Parisien – Liberation – Jeune Afrique …..New-Times – Al Jazira – ……etc
    -
    NA INONA NA INONA MITRANGA !

  • cdt massoud dit :

    Fa iza aloha no matahotra an’i rainivoanjo e ?! efa telo taona no niandrasanay an’i dadalisany eto ambony TATAMI ry zazanavelan’i OSY lahy a! fa i dadalisany manao vovon’alika sy adinakoholahy fataka fôôôôna!!!!

    Tsy efa nanakarama mersenera sy nampiasa miaramila marobe ary volam-bahoaka nangalarina angà i ra marc’OSY RAVÔLAVOmanana t@ 2009, fa ahoana ny nanaovanay azy?!

    vaky nandositra nitsoriaka marc’OSY RAVÔLAVOmanana tonga any afrika vao nivovo (tsy matahotra a! tsy maintsy mody a! FATAKA LAHY MAVOZO), tsy nanao veloma iretoandian’olona maimbovel etsy @ magrôranomaimbo akory.

    Ko ny @ sabotsy no mihevitra ny haninona ? sa efa T hihinana KK amzay?
    D sabotsy ary mifankahita, raha tsy vovon’amboa toy NY mahazatra ny an’i marc’OSY RAVÔLAVOmanana EEE!!!!!

  • TsimilaTGV dit :

    Tsimila TGV !
    OK ?

  • Njara dit :

    Tract a faire circuler au maximum, PARTOUT OU VOUS ETES DANS LE MONDE,
    SURTOUT…..
    .après l’arrivée du President Marc Ravalomanana

    Madagascar survit sous un Regime ILLEGAL
    avec des Dirigeants « PUTSCHISTES »

    Depuis le Coup d’Etat perpetré par le Regime Andry Rajoelina, en Janvier 2009, Madagascar sombre dans une totale pauvreté.
    La population est interdite d’expression, des centres d’information (radio- TV- et Journaux) sont muselés, avec menaces au moindre signe d’expression, qui va à l’encontre de ce « régime Non reconnu PAR LA COMMUNAUTE INTERNATIONALE ».
    -
    Les moindres manifestations pour lutter contre le pouvoir Putschiste, est immediatement reprimées PAR CE QUE L’ON APPELLE « LES FORCES DE L’ORDRE », mais celles ci sont devenues depuis 2 ans, auteurs d’actes de BANDITISME.
    -
    Un avocat a été purement assassiné par des policiers manifestants, qui exigeaient la liberation de l’un des leurs accusés à juste titre de criminel par la Justice.
    -
    Depuis ce regime ILLEGAL,
    il n’y a ni FOI ni Loi à Madagascar, et il se trouve que les investisseurs eux même refusent de s’installer à Madagascar.
    -
    Les Medias sont muselés, a tel point que rares sont les journaux internationaux qui parlent de la Situation Politique-Economique et Sociale à Madagascar.
    -
    Ce qui nous blesse au plus haut point est le fait , que le seul pays ….au Monde….qui soutient ce regime Putschiste NON RECONNU par la Communauté Intenationale, est la France elle même. Celle-la même, qui a déclaré qu’elle fera de telle sorte que cesse le systeme Francafrique, c’est à dire, le Neo Colonialisme en Afrique et à Madagascar.
    -
    Faute de medias qui en parlent dans le monde, nous nous permettons de lancer ces quelques lignes, afin de mettre au courant nos entourages, et les pays que nous jugeons etre proches du Nôtre.

    UN PAYS EN MAL DE DEMOCRATIE ET DE LIBERTE !
    Et qui plus est, survit à la pauvreté !!!

  • Njara dit :

    Faites plusieurs impressions et palcer les aux endroits que vous trouverez adequat !

  • Carl dit :

    setka?? chcesz ludzi w olkpmeksy wpędzić? ;) no i nieodmiennie mnie zaskakuje, że wzięłaś się za dzierganie tak niedawno. rozwijasz się w tempie kosmicznym jakimś i chyba już nie ma rzeczy, ktf3rych byś nie ogarniała, co?z Australem to mnie zmartwiłaś, właśnie planowałam go w końcu (po 2 latach platonicznego zakochania) kupić ale skoro mi podchodzi Medusa ;) wszystkiego dobrego w NR! samej radości z Dziewuszki (imię już macie?), zero problemf3w wszelakich związanych z jej się pojawieniem. żeby Młody ją od razu pokochał do szaleństwa i żeby w ogf3le było naj :)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site