Fivoriana maika momba ny fodian’ny Dada

IMG_0476

Nitondra fanazavana fohy ho an’ny mpanao gazety, talohan’ny nandehanan’ireo  delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ho atsy AFrika Atsimo, ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita,  Mamy Rakotoarivelo. Fanasàna no nomena ireo ankolafy tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy, eo amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra, ary tsy maintsy mifampidinika aloha, hoy  izy.

Nahazo izany « convocation » izany ny filoha avon’ny tetezamita, ny lehiben’ny governemanta, ny minisitry ny raharaham-bahiny, ny mpitarika ny delegasiona Marc Ravalomanana sady filohan’ny kongresin’ny tetezamita, na ny solontenan’izy ireo avy. Araka ny fanazavana ihany, dia mitanila ny fampiharana ilay tondrozotra, ary tokony handray ny andraikiny ny Troika sy ny firaisam-be iraisam-pirenena, nohon’ny fisian’ny tsy fanarahana sy fitsipahana marin-drano ny tondrozotra.

Mihantona aloha ny ankolafy Ravalomanana eo amin’ny andraikiny eo anivon’ny Governemanta sy ny  CST,  ary mety hisintaka tanteraka ihany koa arakarakin’ny fivoaran’ny troe-draharaha. Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny praiministra lefitra Pierrot Botozaza, ny ministra isany Hanta Randriamandranto, Olga Ramalason, Ruphine Tsiranana, Ravatomanga .

Omaly tamin’ny roa ora tolakandro no tokony nanombohana ny dinika, ary nahemotra ho amin’ny anio amin’ny folo ora atoandro nohon’ny tsy fahatongavan’ireo mpandray anjara ara-potoana. Tamin’ny enina ora maraina teo no niainga ireo mambra ambiny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana.

6 pensées sur “Fivoriana maika momba ny fodian’ny Dada”

  1. Dia miandrandra vokatra tsara sy matotra ary mahaomby izahay ary tsy ho ela
    intsony TOMPOKO isany o!!!tereo daholo izay tompon’andraikitra any dia ny any
    ianareo fa aza asiana fotoana VERY INTSONY e!!!aoka zay ny fandrirarirana ity raharaha ity fa mijaly ny vahoaka.
    Dia mba MATOTRA @’izay hatao tompoko o!!!
    Beriziky MIALA FA VOMANGA BE TSY HANINO TSY HANINONA!mampiady angely fotsiny ingahy,midahan-toerana fotsiny.

  2. Tara hono ny ankolafy TGV fa narary kibo nivalana daoly, afa-baraka ny avion nitondra azy mianankavy, namofona be, mankaloiloy !!!

  3. araka ny tenind-Ranavalona etsy ambony dia miandrandra vokatra tahaka azy koa ny tenanay satria tsy misy tokony handrasana intsony fa velezina ny vy dieny mafana , ny vahoaka koa mafana fo rahateo ,ny foza efa manom-boka miady antrano , zay mba manam-baovao mba valio aho azafady rahoviana no halevina ny maherifon-tsika lavo t@ asabotsy teo fa hanatrika fandevenana ny tenanay satria mendrika izany ny lehilahy ary manainga antsika rehetra mba hanome voninahitra azy satria dia mino aho fa hery lehibe hoan’ny fianakaviana sy tahotra horohoro hoan’ny foza indray io fotoana io raha tonga maro eny isika ,misaotra mialoha @ fanomezam-baovao.

  4. Jereo ao @ ny nécrologie ny Midi M/scar : Rabemiarana Haingo Njakalalaina
    Miala any an-tranony any Ambohitrapeto @ 11 ora,ary entina ao @ fiangonana FJKM ao Ambondrona,ary any Faravohitra Avaratra no halevina.
    Ny teny ao @ Salamo 39-9 no napetraky ny fianakaviana,manao hoe :
    « HANGINA AHO KA TSY HILOA – BAVA FA HIANAO NO NANAO IZAO »

  5. Inona koa fa mbola nisikidy izay ry Baby a!
    Marina tokoa fa ny fahafatesany fotsiny no nolazaina
    fa tsy nisy filazana ny antsipiriany. ilay iray mbola tery @ Hopitaly izany io maty io koa ve??

    Zavatra fanainiana hatao ireny habibiana ireny mba handemena ny Gasy fa hitan’ireto frantsay fa Kanosa mantsy isika dia
    vao maika hataony fanainiana.

  6. Tokony ho tonga saina koa aloa isika fa ny tena fahavalo zao dia ny frantsay é! i tgv nge ka mapanarAK’efa fotsiny é!serpillèredry tsotsoka fotsiny i domelina hasainy manao zao d manao asiny miteny zao dia miteny ary tgv efa ela no malaza te hiala fa tsy afaka fa ny tsostsoka no manery azy hijanona eo ! ka efa nandray volabe koa ! tokony ho mailo isika misy miaramila frantsay miditra eto Mcar malaza eran’ny site gasy rehetra io Ivato sy Nosy be hi former miaramila gasy HONO ,aninona eto hono????

    mISY EFA VONONA AMI ADY ANTRANO MIINTSY ARY EFA HATRAMIN’NY ELA an! ka ra tsy mailo ny ankolafy ra8 dia ho zavdratsy ,tsy tokony midina eo Ivato RA8 raha tsy efa tsra petrak2 ny fiarovana azy dia tokony hisy miaramailan’i Sadec zany refa tsy voakarama daolo ny miramaila MALAGASY ?hataoko fa mba hisy miaramila gasy hiarao azy ao ankoatran ny vahaoka tanampolo ,tsy tokony trainer-na lava be ty krizy ty fa feno vaza eto marikoriko na mieritreritra zy aza ny Gasy tsy omeny visas na touriste aza ,tokony halaina sary daolo ireny sady hanotanina an’i ambasadaoro tsostsoka io hoe :hanao inona aty ny mpiray tanindrazana aminao reo fa leo b zahay mijery ny tavany!
    Aoka mba haka porofo antsary ny mouvance ra8 hatao preuve omena ny CI fa tsy voalaza ao anaty feuille de route ny hidtran’ny frantsay na de loin na de près ny raharah Malagasy ary hiagavina ny mouvance Ra8 mba ho sahy hanome porofo ho an’i CI SY SADEC momba io ambasadaoro vaza hita lava amifivoriana etsy sy eroa io koa tokony hapetraka amiplace-ny ,hampahatsiahivo azy fa izy IRERY foana no mpandraharaha vahiny azo sary etsy sy eroa miaraka amidomelina ary eto tsy ZANATANY na département d’outre- mer toy ny La réunion na Guadeloupe fa tokony hipetraka tsara izy ,manaNtena zahay fa efa voalazan’i mamy Rakotoarivelo any aminy io rangahy tsy mahay miaina io zany sady marikoriko ny mijery azy fa hasaivo mandeha tany ,LEO NY MIJERY ANO NY VAHAOKA Malagasy hoe FA RADOMELINA NO EFA OTAGE-NAO FA TSY NY MALAGASY 21MILLIONS Mba azony hazavaina ve maninona izy no présent partout ,fivorina sy hetsika etc…eto MCAR io !LE MALA GASY OTRAN’NY MATAHOTRA NA HITENY AZA NEFA ETo amiTANINY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *