Ho avy amim-pahatokisan-tena ny filoha Ravalomanana!

billet Ra8

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny Antoko Tim, teny Bel’Air omaly tolakandro, ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Anisan’ny nanontanian’ny mpanao gazety azy ny mikasika ny fiverenany eto an-tanindrazany anio.

“ Efa milamina, hoy izy, ny momba izany. Efa niresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny kaompania Air Links ny tenako, ary nilaza izy ireo fa tafiditra ao anaty fiaramanidina avokoa izahay. Tsy misy ny “notam”. Aza matahotra ianareo, hoy izy. Efa nisy ny zavatra natao ary manàna saina tony”. Nohamafisiny fa tsy hitondra korontana ny hahatongavany eto, fa hampahafantatra amin’ izao tontolo izao fa hitondra fampandrosoana. “Tsy matahotra ny tenako, hoy izy, satria tsy nanao ratsy teo amin’ny fireneko”.

Mikasika ny voalazan’ny fikambanana AV7 fa aina solon’ny aina, dia nambaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana fa tsy fotoana fanaovana fihantsiana izao. Raha misy ny zavatra tsy mety dia aleo mifampiresaka. Momba ny resaka mandeha fa hisy ny fisamborana ataon’ny miaramila dia tsy marina izany, hoy izy, fa ny zavatra tsara ho fantatra dia efa herintaona izao no saika hody izy, saingy nisy hatrany ny “notam”. Ny volana septambra sy desambra tamin’ny taona 2011 ihany, dia saika hody indray fa nisy “notam” indray.

Nilaza ihany koa ny filoha teo aloha Ravalomanana fa efa nihaona tamin’ny filoha Zuma ny tenany, ny 08 janoary teo, nandritra ny fivorian’ny ANC, ka nilazan’ ito fa ny tsara indrindra dia ny fiverenana any Madagasikara. Araka ny nambarany moa dia delegasiona mafonja no hiaraka aminy avy any Afrika Atsimo.

102 pensées sur “Ho avy amim-pahatokisan-tena ny filoha Ravalomanana!”

  1. Maty baomba marina!!!Izahay koa mahatoky dada fa tsy hanaiky ho viravirain’izay fatinaliaka
    ireo ianao a!!!ampahafantaro azy ireo fa MANANA ny mahaizy azy izany DADA izany fa tsy
    domelina be saribakoly mpivaro-body mianakavy na lahy na vavy.

  2. Antenaina fa mazava tsara amintsika rehetra ny tian’i filoha M.Ravalomanana lazaina ka tokony ataontsika : tsy mamaly izay fiatsina mety ataony fat sy ny forongony, na gasy na frantay na mpikarama an’ady afa koa.
    Miandry kendrin-tohiny fotsiny ny frantsay sy ny mpanao ratsy miaraka aminy dia ratsy ny tantara an!
    Mialona loatra ny filoha M.Ravalomanana anie ny frantsay ary i sarko manokana izay mihena be ny lanjany eo @ mponina frantsay sy ny firenena afa koa e!
    Izao vao tena tolona ka dia samia isika mivonona tanjan-tsaina, fitokisana sy fahamalinana daholo ô!

  3. Mampalahelo ihany ity rangahy ity. Ny tena talentany aloha de manipulateur tsisy hevitra. Tena manao tsinontsinona ny mpomba azy aloha @zato fampiesonany sy ny laingany, avy eo, otran’ireny anjely latsaka an-tany ireny, otran’ny tsy nisy n’inona nataony, blanc comme neige,de arangaranga ny billet, kanefa diska miverina, de oe nihaona tamin’i Zuma, kanefa nataon’i ANC an-kilabao tery @ place n’ny tranainy otrazy, fa Zandry no nomem-boninahitra. Otranle isan’andro io e!za no mikomandy, vitantsika io, hiala ny NU…sns, de ty koa oe, delegasiona mafonja! misy mercenaires maromaro zany eo.
    De tena miseho ho tsy matahotra miaramila, tena manao an’Gasikara ho tsy misy lalàna fa izy no AMPERORA SY MESIA, de tongava ary Rainivoanjo ô! Zao zany vao tena hampitsapanao ny herinao ny fianakavian’ny olona novonoinao sy ny miaramila. Fa hahatondra olona firy ao anaty Avion hono izato izy?
    Hay ve hiantso fifampidinihana @ AV7 e! niaiky ihany angaha fa namono olona? jereo @zay ary ny daozin’ny TSIAFAHA LEVALO ô! Aza de mahatoky loatra ny fananao vola e! ora vitsy sisa no isaina! atahorako ho vonoin’olona ary enao. Teneno ihany ry zalahy fa mila raharaha otran-dRainizafilemena a! leo fiadanam-be, ka any Tsiafahy no hanontany kandra! afaka adidy Rabe ry maivan-doha isany ô!

  4. misotra anareo nitolona teo amin ny magro e nanana faharetana tokoa nareo misy farany daholo ny zava drehetra radomelina sy ny namany a aiza ilay vahoaka nifidy azy 63% zao atodio eny ivato tsara ny maso androany mahita an io daholo eran izao tontolo zao

  5. BJR DAHOLO !

    Rehefa matoky ny Pdt M.Ravalomanana dia MINO ISIKA !
    fa kosa :
    – Manomboka izao ny tena tolona, satria ry Mpangery an-joro rehetra toa an’i Rainivonga -tay (rabe) dia hitady lalana hamingana azy.


    IZAO VAO TEBNA TOLONA ka sao variana amin’ny fifaliana isika e!

    Tsarovy ny misambotra an’i RATSIANA ORANA- VAGIN EUH (VJE)RAMAROSON aLAIN,ary ny lehiben’ny AV7, fa ireo no tena voan’afo .
    Tsy tokony hiambatra mihitsy amin’izany isika !

  6. Njara tsy matoky SADC – NZUMA – UA – OIF – fa

    Malagasy ihany no atokisany : satria ireo no hiaro sy hiady ho an’ny Tanindrazany !

  7. Avy ao amin’ny Collectif GTT :


    22h 28 : araka ny vaovao marim-pototra voaray dia misy tomponandraikitra ambony teo aloha tao amin’ny FATE nanafatra olona avy any amin’ny Faritra hanao fandrobana. Hampisalorana ny akanjon’ny « zanak’i Dada » izy ireo. Samia mailo!


    23h 08 : araka ny resaka mandeha dia toa iharan’ny antsojay ireo fiara mitatitra ny delegasiona avy any Toamasina mihazo ny renivohitra hitsena ny Filoha RAVALOMANANA. Raha ny fantatra dia ireo zandary eo amin’ny Sarimasina (RN2) no mitazona azy ireo ka manambana hampiditra « fourière » ireo fiara rehetra.

  8. Rabe an! akombony @ izay ny vavanao sy ianareo foza orana rehetra fa tongava eny ivato raha tena hahita raha marina. Mpiasan’ny compagnie aérienne ao Johanesburg mihitsy no nanamafy io maraina io fa ao anaty liste hiainga androany atoandro ny Filohanay Ravalomanana. Tohizo ny fangerezana am-pataloha! mangovita fa ampy izay telo taona nangalaranareo sy namonoanareo olona izay! Mazava??????????

  9. OHH Rabe(tsy haiko ra be aminao no ty lohanao no ty ;;;;;;;) Ino moa raha atahoranareo lotra amile rangahy ty io aleo hiditrazy de hitanao ia tianolo ia halanolo. Nareo manko halanolo lotra ka zay atahoranareo

  10. Fa iza aloha no matahotra an’i rainivoanjo e ?! efa telo taona no niandrasanay an’i dadalisany eto ambony TATAMI ry zazanavelan’i OSY lahy a! fa i dadalisany manao vovon’alika sy adinakoholahy fataka fôôôôna!!!!

    Tsy efa nanakarama mersenera sy nampiasa miaramila marobe ary volam-bahoaka nangalarina angà i ra marc’OSY RAVÔLAVOmanana t@ 2009, fa ahoana ny nanaovanay azy?!

    vaky nandositra nitsoriaka marc’OSY RAVÔLAVOmanana tonga any afrika vao nivovo (tsy matahotra a! tsy maintsy mody a! FATAKA LAHY MAVOZO), tsy nanao veloma iretoandian’olona maimbovel etsy @ magrôranomaimbo akory.

    Ko androany no mihevitra ny haninona ? sa efa T hihinana KK amzay?
    D hifankahita isika androany, raha tsy vovon’amboa toy NY mahazatra ny an’i marc’OSY RAVÔLAVOmanana EEE!!!!!

  11. De samy miandry isika fa izahay aty ivelany aty koa mba mibanjina ny zavamisy ao amintsika ao,indrindra mampahery anareo mitolona ho @tena fanavotana sy fampandrosoana an’i gasikara.Mirary ny fahatongavan’ny filoha ravalomanana an-tanindrazana;

  12. NAHOANA NO SAKANA DAHOLO IRETO VAHOAKA AVY ANY AMIN4NY LAFY8, MANERANAN’NY NOSY NO TSY NAVELA NIAKATRA HITSENA AN’DADA ???
    MANINONA ATRAMIN’NY OMALY ALINA NO TAPAHINA NY FIFANDRAISANA TELEFAONINA, AMIN’I MADAGASIKARA ??
    RAHA TSY TAHOTRA IZANY, MBA INONA NY DIKANY ????? SA TSY TIAN’IRETO FOZATAY MAIMBO IRETO, SATRIA « MAMANY SY MANGERY » ( SORRY )AO ANATY PATALOHA DAHOLO IZY MIANAKAVY ???

    HO ANTSIKA MPIARO NY ARA-DALÀNA : VAOVAO MAHAFALY, EFA NIAKATRA AO ANATY FIARAMANIDINA DAHOLO NA NY PRESIDENT, NA IREO « OLONA MPIARADIA AMINY REHETRA » !!!!

    Aza adino fa mbola tsy tara ny mandefa mailaka any amin’i Louis Michel sy Jeremy LESTER ! Efa nalefako omaly ny adiresy ! Lazao amin-dry zareo ny zavatra tsy mety MBOLA ATAON’IRETO MPANONGANA IRETO !!!

  13. Aza variana mifandrangitra leitsy ry cdt massoud à.Raha tena mahay élà de ampandrasoy haingana io mada/cra io.Mandraka ny efa hihinatay elà isany mbola mifanasa vangy fotsiny ao no atao raharaha.Raha mba fantatr’ilahy isany ny fanaratsian’ny firenena aty ivelany aty an’i ma/car.Efa ho gisitra indrindra angamba raha azo lazaina

  14. 10h30 : Embouteillage monstre sur l’axe Antananarivo-Ivato. Tous les Taxibe d’Ivato et des autres quartiers de la ville convergent, bondés pour le retour du seul dernier PRM élu « au jour d’aujourdhui »

    11h15 : la foule continue d’affluer, à pieds, à voitures, en transports en communs…

    11h25 : Le PRM est dans l’avion actuellement. La foule afflue de plus en plus. L’accès du parking de l’aéroport est interdit au public

  15. Avelao hiditra ny lafy8eto amin’ny Nosy dia ho hita eo ny ataon’ireo e !

    Mamerina hatrany ny fideràna ny President Marc Ravalomanana e !

    Feno FANANTENANA SY FANKAHEREZANA ny fo Atoa President !

    Aoka ianao ho entitra amin’ireto Mpanjanaka tompoin’i Domelina ireto.
    Ireo no mameno vola ny sain’ny andevony, ka mampijaly ny vahaoaka miandrandra anao !

    Isika vahoaka ihany koa no tokony satria
    Roalahy mian’ala isika sy ny President ka samy manome toky ny andaniny sy ny ankilany !

    Tompon’andraikitra aminao ny Antoko Politika rehetra noho ny maha-President VOAFIDY anao, ka efa NANOME TOKY ireo !

    Tongava soa Tompoko
    Tsy ho azon-tsapona e !
    Andriananahary anie hiaraka aminao !

    Njara

  16. Mba aoka izay ry Rabe sy ry i milaza azy ho cdt massoud sns…a!!

    Tsy leo ny diska lany andro ve nareo e??

    Na tiana, na tsy tiana , na ho ela na ho haingana! Tsy maintsy mody izy zòny izany!!

    Raha izao no fotoana hiverenany, dia izay zany!!

    Ampy izay telo taona nanatotongànanareo ny Firenena sy ny Tanindràzana izay!!!

    Aza lalaoninareo ny ain’ny olona!

  17. Ny tena sur, de tsy maintsy ho voasambotra Rainivoanjo. Na i Deba aza mikiakiaka aty France aty fa tsy mety io stratégie de déstabilisation ataon-dRainivoanjo io. Mba afaka hanala ny fisaonany @zay ny fianakavian’ireo natao vonomoka. Vonona hiatrika ny fitsarana azy zany Rainivoanjo. Izay ihany koa moa no voasoratra @ andininy faramparany @ FDR, momba ny fanazavana fanampiny ny andininy faha 20, fa ny troika sy ny SADEC , de tsy mitsabaka @ afera fitsaran’ny firenena mambra, ho an’izay nahavita heloka bevava toy ny CRIMES contre l’humanité nataon’i LEVALO. Io ndray zao no adihevitra hisongadina ato ho ato.
    De ity ny zavatra hiseho androany raha tonga eo Levalo: Tsy maintsy hisy ra latsaka sy fifandonana aloha, fa io no objectif n-dry Rainivoanjo zay efa notadiaviny hatrizay. Hifanandrina @ mpitandro ny filaminana ny zanak’i Dada, tsy maintsy handositra satria, fomban’ny gasy sy ny kely say io grenady lacri efatra de mampilefa, odibasin’alika no adiny eo, ny mandositra ihany no fanafodiny. Ho voasambotra Rainivoanjo, fa amin’ity indray mitoraka ity izy, tsy afaka hiova lalimanga intsony ka hanjavona any SudAf. Mivadika lolofotsy @zay.
    Ny fisamborana azy, tsy midika ho valifaty, fa ny sécurité ny aloha no voalohany, avy eo ny famaliany ny fitsarana. Tsy maintsy higadra tsy hanan-jo intsony hifidy na ho fidiana. Zandry koa moa, efa vonona, na iza hanao pression, na hanidy robinet aza ny CI, vitany ihany hatramin’izay, na de hisy sacrifice goavana ho an’ny gasy aza, ary tsy maintsy handroso Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy Ambatovy sy ny fitrandrahana pétrole aza. Jereo tsra anie e! zay vao ho lany fika tanteraka ity fahavalom-pirenena ity, ka hanenina hoe, tahaka izay aho nipetraka tamim-pahendrena otran-dRatsiraka, fa tafaverina eo foana aho na ho ela na ho haingana. Fa tsy manantsaina afa-tsy ny hanao blocage, hanakorotana, hampiady gasy mpiray tanindrazana, de misaotra an’Andriamanitra, fa novaliany ihany ny vavak’ireo, niaram-pahoriana noho Rainivoanjo.

  18. Mba aoka izay ry Rabe sy ry i milaza azy ho cdt massoud sns…a!!

    Tsy leo ny diska lany andro ve nareo e??

    Na tiana, na tsy tiana , na ho ela na ho haingana! Tsy maintsy mody izy zòny izany!!

    Raha izao no fotoana hiverenany, dia izay zany!!

    Ampy izay telo taona nanatotongànanareo ny Firenena sy ny Tanindràzana izay!!!

    Aza lalaovinareo ny ain’ny olona!

  19. RABE>modian lah tsy hay mga ny faty olona t@ 10Aout ????ka nahoana RATSIRAKA afaka nody nefa izy ny tompon andraikitra t@iny faty olona nikakarana iny? ,fa ny anareo misy ny halako bika tsy tiko tarehy e!avelao Dada hody refa tiana ilamina ty raharaha ty e!ianao sy ny olona manana saina toa anao mintsy ny tena mpamono olona satria tsy mijery ny ankamaron ny zaza matin ny hanoanana @zao fiainana mafy izao.

  20. Diska lany andro ny an’ilay foza rabevonovorona (zanam-pody) !
    Levée de mandat d’arrêt angaha ?? Tsy izay indray no navaokan’i L. Rakotoarimasy ?
    Lazao amin’i Rabepanda, fa tokony hisitrika any anaty lavaka izy androany ! Ho pire noho ilay nahazo azy teny Anosy ny ho fahavoazany raha hitan’ny vahoaka midehadehaka eny Ivato iny !
    Rà mandriaka ??
    Tsy mahagaga aminay mpiaro ny Ara-dalàna rahatoa ka mamaoka an’izany ianareo foza ! Nantsoina daholo ny be sandry mpanao ringiby, nantsoina ireo dahalo avy eny an-dralanitra sy avy eny amin’ny tsy fantatra rehetra, HANIMBA NY AMBIASIN’NY VAHOAKA !!
    Saina malotonareo, efa fantatray hatry ny ela rê ! Noho izany, aza ahilika any amin’ny olona faona ny zavatra ratsy ataonareo !
    DJ vendrana ianareo !! Ary raha miresaka DJ ihany, mety hietsika ny aretin’ilay domelina androany, satria ny an’ny sasany androbe, ny an’ny VAHOAKA ANDRO FETY BE !
    Mino mihitsy aho fa hisitrika ao ambanin’ny zipo-DRENINY INDRAY ilay domelina androany !

    NITADY VAHOAKA IANAREO, ARY DIA HAHITA ANDROANY RY FOZA MAIMBO LATSAHAHIN’NY ATAMBO !

  21. RAISO AN-TANAN-DROA NY FILOHA MARC RAVALOMANANA..MIANAKY !

    Soàva tsara isika Malagasy tsivakivolo…
    Ka tst atahotra isika hirehareha eo anivon’izao tontolo ?,
    Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina!
    Koa nahasahy niady amin’ny tanam-polo maina
    Nanampy ny Filoha RAVALOMANANA MARC hody ANTANINDRAZANA !

    Ka tsy atahotra Isika hirehareha eo anivon’izao Tontolo,
    Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina !
    Koa na iza na iza hanatsatso sy hanaratsy ny Filoha hajaina,
    Dia ho gina sy hihaiky izy ireny,
    Fa ny asa vitan’ny Filoha no miteny
    Sy manambara fa ny bainga voavadika no mitsara,
    Na inona na inona eboebo sy hetraketraka ireo tsy valahara
    Ampiasaina handresy lahatra ny Mponin’ny Gasikara…
    Izay tsy azo intsony hahodikodina, satria hainy tsara ny Tantara !
    Koa « Mitsikià, Mifalià, Mandihizà,
    Ary aza matahotra Ianao n’iza n’iza »
    No mitady haka sy hanodikodina
    Ny làlana ,ny ezaka nilofosana sy niadiana.
    Ny Vahoaka dia manam-pahendrena,
    Sy misaina ary koa manantena
    Fa tsy ho raraka na ho adino eny an-dàlana
    Ny teny nifanomezana sy teny nierana !
    Ny Vahoaka no hiezaka hampandroso
    Ny Firenena izay ela nikoroso,
    Ary ny Filoha no hanamora ny anjara,
    Andraiki-piezahan ‘ny Mponin’ny Gasikara…
    Mba ho Tany soa sy hiroborobo,
    Ary Isika ho empoka sy hidorobo
    ka sy hiahy foana ny fiaraha-monina
    Izay hitondra ho Antsika Fifankatiavana tsy azo kianina…
    Mitsikià ry Malagasy havako…
    Ampy izay ratra be nianjady tamintsika
    Koa herezo ny diantsika handroso hankany Kanana !

    Ary raiso an-tanan-droa ny Filoha MARC RAVALOMANANA !

  22. ZANAM-PODY NO MBA MATIN’I RABEVONOVORONA !!!
    OLONA TOY IRENY NO TENA FAHAVALON’I MADAGASIKARA, KA TSY MENDRIKA NY ATAO HOE MALAGASY AKORY !!
    MPANOMPO SY ANDEVOM-BAZAHA SY KARANA !!!! MPANGALATRA, MPAMOSAVY ARY MPAMONO OLONA TOA AN’ILAY DOMELINA !!!!
    RESAKA NATAO SY NANDEHA TAMIN’NY FARAN’NY TAONA 2008 : « TSY MAINTSY MIALA EO I RAVALOMANANA NA AMIN’NY FOMBA INONA NA INONA ! VONOINA RAHA ILAINA, AMOSAVIANA NA TOFIRINA  » !!

  23. Amin’izao vanin’andro lehibe izao, dia mahatsiaro sy manohana anareo rehetra mpitolona lalan-dava ny tenako.

    PENSEES PARTICULIERES EGALEMENT, POUR TOUTES MES SOEURS DE COMBAT QUI SONT SUR PLACE ( ELLES SE RECONNAÎTRONT ), ET QUE J’AI EUES L’HONNEUR ET LA CHANCE DE CONNAÎTRE, NE SERAIT-CE QUE VIRTUELLEMENT !

    KORAZY DAHOLO Ê !!! EFA AKAIKY NY FAHAFAHANA !!!!!

    GRAND MERCI A L’EQUIPE DE MYDAGO POUR LE TRAVAIL FOURNI !!!!

  24. Na dia lavitra aza ka tsy afa-manôtra dia miray fo sy saina amam-panahy aminareo rehetra eeee!!!!!

    ARY MITONDRA AMAM-BAVAKA MANDRAKARIVA.
    Fa hoy ny teny:

    « Ny FIASAN’NY FIVAVAKY NY MARINA MAHERY INDRINDRA »

    MMALY VAVAKA ANDRIAMANITRA!!

    Aza adino ny « chaîne de prières-ntsika », (rojom-bavaka) ho tohizana hatrany!!

  25. 12h15 : Arrivée à l’aeroport de Mamy Rakotoarivelo (president du CT), maître Hanitra et Zafilahy Stanislas (vice-président du CST). Une foule immense s’agglutine par kilomètres tout au long de la route d’Ivato et s’étend jusqu’aux environs de Talatamaty. Les voitures particulières et cars continuent également de converger vers cet axe Antananarivo-Ivato, sans parler des gens qui essaient de joindre à pieds l’aéroport.

    12h55 : L’emmoreg sème leur poudre asphyxiante à une population pacifique qui s’approche du barrage érigé à l’entrée du parking d’Ivato

  26. 12h15 : Arrivée à l’aeroport de Mamy Rakotoarivelo (president du CT), maître Hanitra et Zafilahy Stanislas (vice-président du CST). Une foule immense s’agglutine par kilomètres tout au long de la route d’Ivato et s’étend jusqu’aux environs de Talatamaty. Les voitures particulières et cars continuent également de converger vers cet axe Antananarivo-Ivato, sans parler des gens qui essaient de joindre à pieds l’aéroport.

    12h55 : L’emmoreg sème leur poudre asphyxiante à une population pacifique qui s’approche du barrage érigé à l’entrée du parking d’Ivato

  27. Miray saina amin’i KM aho :
    Mahatsiaro anao HoAiza, mahita sy mahatsapa ny alahelonao manoloana izao havendranan’ireto miaramilan-doza ireto !
    Mahereza e!

  28. Tô lasa niverina any afrika ilay sambondanitra nitondra i pôly marc’OSY RAVÔLAVOmanana. hahhahahahaha!!!!!!!!!!!!!io ary le efa nolazaiko hahahahaahahahahaa!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  29. Tsy taitra ianao ranabavy a !ity ny vaovao avy @ Collectif :

    14h05 : Le chef du FAT a donné l’ordre de fermer tous les aerodromes de Madagascar et a délivré un autre NOTAM. Le salon des VIP a été ouvert, Mamy Rakotoarivelo et sa suite sont entrés. Le Vahoaka commence a pousser les éléments de l’emmoreg devant l’aéroport d’Ivato

    14h25 : désinformations dans toutes les media de Rajoelina : « la HAT n’a pas émis de NOTAM, et c’est l’initiative de Ravalomanana qui a décidé de revenir à Johannesburg » Ce que la HAT ne dit pas, c’est que Ravalomanana N’A PAS AUTORITE A DETOURNER UN AVION DE LIGNE REGULIERE !!!!!

    HoAiza – Baby !
    Manantena films misimisy e !

  30. Nitsoaka lasa any Frantsa ny zanak’i Rajoelina, miaraka amin’ny rafozany.
    Raha tsy izao no metsika dia tara loatra. Voahay ny aéroport ry Andriamatoa Botozaza satria ianao vice PM.

    Tadiavo Rajohell dia tereo
    avy ao @ Mouvance Ravalomanana io !

  31. tsy nisy ny NOTAM fa ny seranam-piaramanidina rehetra no nahazo baiko t@
    domelina be fa HIDIANA daholo dia lasa niverina i dada.Izay no vao2 farany heno aloha.
    Ny seranana rehetra erak’i Madagasikara.Ny olona mbola mizotra mihazo an’Ivato dia mandraraka vovoka POIZINA
    indray ny GODRO TOTOMBINTANA ,i Bomba tsy eny fa efa nahazo fampitandremana t@ BE KINTANA fa hafa no
    any Ivato any.
    Ny tena mapme sady manome »L » dia nilaza ry donto fa mahazo miditra izy no sady nidiana DAHOLO rehefa
    seranana erak’i Mada.Izany no aina koa te hanao????ny aina any am-pitombenana koa mba miseho ho milay? hay
    rano ny kapa rehefa tena nirisika i Dada???hi!hi!hi!!!!!!!!lalaovy eo ry dada a!hampijalijalio fa te hanao ratsy eo daholo.

  32. Tsy maintsy midoboka androany ny PHAT sy ny HAT satria:

    Rehefa tsy hanfika isika dia voatafika !

    Avalony androany ny HAT !
    Sa taranakin’ny kanosa ny malagasy ???


  33. O ry mpiasa amin’ny Aerodrome a !
    Ianareo ve mbola manaiky an’i Domelina e ??? Raha manapa-kevitra ianareo fa voaina ny aerodrome, ho aiza i Domelina ?

    I Domelina mino aho fa any Farafangana na Mananjary satria any no foibe hipetrahan’ny vazaha !

  34. HI HI HI, FALY AHO TENA FALY RY ALIKA…ISANY
    ARABAINA,RANAVAOLANA,NJARA,KintanaMananDrambo,Ravonona etc FA TONGA SOA AMANTSAR NY DADANAREO SADY TS NANINONA
    MANAOVA FETY E TS MISY OAHTRY NY ANIO FA RAVA ANIO NY FAT
    O DOY E

  35. Jereo tananews fa manome vao2 isaky ny minitra.
    Mbola miady hevitra kely indray aloha izany,misy izany ny efa mizotra mody fa misy koa ny
    mbola tonga mihazo ny vahoaka.

  36. Ahoana ry Njara a! tsy nahomby ve ny tetika e! tsisy NOTAM izany, fa na ny vaovao jerenay @ BFM TV Frantsay aza, de teo mihitsy Rainivoanjo, nitana billet, efa niditra ny TARMAC. Fantatry ny AUTORITE SUD AF, ny risque goavana ho an’ireo voyageurs niaraka amin-dRainivoanjo, de ni-rappeler ny le Avion. Mandainga oa Rainivoanjo, fa tsy nahazo tso-drano t@ Zuma zany, au contraire ary, niangavy mafy ny Ambassadeur Sud Af miasa any Mada ny hanemoran’i Rainivoanjo ny diany satria impossible mihitsy ny hisian’ny apaisement raha mikiry biby hody Rainivoanjo.
    Nisy conseille de Gouvernement maraina io, ary tsisy resaka momba ny NOTAM izany.
    Mitady hisy hanao coup d’état miaraka @ Amerikana hamono an’i Zandry, ary saika hampifanandrifiana an’io fiverenan-dRainivoanjo io, fa mailo ny service de renseignement Gasy sy Frantsay, de nandamoaka.
    Mercenaire vazahan-dRavalomanana iray no voasambotra @izao fotoana izao.
    Diso fanantenana tanteraka ny zanak’i dada, fa NANDAMOKA NY TETI-DRATSY. Io lay asan’Andriamanitra mahery nolazaiko omaly, fa tsy ho aiza amin’io Madagasikara tany masina io ny MPANGALATRA, SY MPAMITAKA, MPAMONO OLONA otran-dRainivoanjo. Mbola niteny ndray tamin’ity ny DARA OSILAHY KA NANJAVONA NDRAY RAINIVOANJO. Ovay ny fika ry NJARA fa ny INTOX SY LAINGA tsy hahomby na oviana na oviana. De tsakoy ny ngidiny e! Aza mino an-dRabe foana oa! Il peut prédire l’avenir. An!an!an!, tsy mpaminany izy, fa fantany fotsiny vao miainga ny fikan-dRainivoanjo sy ny taranany raha vao miainga. Fikan’antitra efa elabe, de hitan’ny CI tsara izao fa tsy solution ho an’i Mada ny fodian’i Rainivoanjo maloto tanana. Mbola ho aiza ny hahazo e! de naninona izay ry Rabe sy ry CT Massoud! tsy vao maika mandom-bera @ Champagne! à ta santé mon Commandant na de any lavitra any aza ise!

  37. Ahoana ry Vongany a !?

    TOA nosakanana fotsiny ny aerodromes ? Faly indray ny andevom-bazaha fa mijanona ho mpiasam-bazaha ny malagasy !

    Mahery an-tanàna fotsiny, fa tsy misy afitsoka !

    Ny ankizy efa nampandosirana !Fa raha zonay kosa le Domelina, tsy vongany intsony iny fa ranony ho sotroin’i Rainitay !

  38. Faute de frappe inona ?
    angaha tsy faute d’electricité indray ?
    hi hi hi !

    « rabe dit :
    20 décembre 2011 à 17 h 01 min

    Misy faute de frappe kely le électricité ry KM ka io ndray no mahamaika fa tsy zay hampodiana an-dRainivoanjo. « hi!hi!hi!

  39. Voahantson’i Be kintana i bombe dia niforitra fa hay mbola misy milay noho
    i la frantsa????Mbola tsy vita ity raharaha ity androany fa mbola mandeha ny tantara.
    Ny tsapa aloha dia miombo fatratra ilay fahatahorana ka mahazaka maniraka hanao ny tsy fanao.
    Tsenao any fa lasa any izany ny zana-poza,dia savao tsara sao misitrika ao anatin’ny zipon’i rafozany any i domelina.
    Any anty valiziny any tsy maintsy misy vola nangalarina tao @ tanana,saritao ry zareo a!!

  40. Rehefa TSY TIAM-BAHOAKA RY vONGANY ISANY,mba mahaiza mandositra a !
    Maimbo ny tanàna ! Sady tsy sahy mivoaka ny trano !
    Aza taitra fa mbola ho avy ny manetsa be !

  41. Zahay Ranavalona tsy matahotra ny BEKITANAREO, fa hatreo amin’ny tokontanin’io forteresse-ny eo Andranomena io ihany ny fahefany ao Mada, ankoatry izay, qu’il s’en occupe de ses indignés de Wall street matraqués par ses propres policiers!
    Mazava be ny fitongilanana @ Rajoelina, ary tsy menatra ny Ambassade namany. Zay ve ny tetika ry Njara a! hanongana an’i Zandry androany! diversion fotsiny iny ho avy ho avy teo iny, mba haneho hoe zany ny heriko, diska miverina e! kanefa hita nivandravandra be le fikan’antitra. De io oa le teniko foana. Ny hadondronana politika, no vao maika miteraka mort politique. Aza mba sagnagna otran’ireto oa! tsy mahalala afa-tsy barofo sy ady.

  42. Dia mbola sahy mandaiga eto iihany ty Rabe ity re-olona fa hoe tsy misy Notam izany! hitako ao amin’ny tnns anefa izy manao vava maneso.

    Izany no tariky ny madagate madain-geto!

    Tena devoly fandaigana!!!
    Jereo ao tnns ry zareo fa expiré angaha ilay Notam! Tsy misy miala eo!! Efa miasa be ny sms hifandefasana ny vaovao!

  43. Vao lolon’i dada fotsiny dia efa rano ny kapa,tonga maromaro izahay hoy izy fa
    nanantena ny foza fa hisambotra PARASY sady mbola notsindriany fa MATANJAKA
    ireto mpiara-dia ka nitetaka ihany,dia ary @ vahoaka sisa manala vokona ry mpams, aleo mihintsy aloha hidiana
    ny seranana fa tahaka ny hanahirana ,trano vao nangalarana ireo no nananganana azy ho potika eo daholo,dia ity voninahitsy
    indray rehefa nahorona daholo ny tanin’olona @ Ha dia  » avelao izy hody » Mpiatsaraivelatsia daholo.

  44. Mbola tsy vita io oah!Tsy hadalan’i bomba akory no nipitika?

    Mbola atsika ny fandresena fa aza misy manary toky tsy ny fahatongavany no inona
    fa ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina no zava-dehibe.Avelao Andriamanitra hanao ny asany
    fa isika hivavaka hangina.
    Aoka ny rehetra ho tony daholo fa mbola tsy vita ny androany.
    Aoka hazava fa tsy izy no tys tonga fa ny SERANANA no NAKATONA.
    MIakapokapoka ny mpanao ratsy hay tsy misy hatokona daholo rehefa nanaovan’i dada be loha????

  45. Njara a! Raha Rabe no henjehan’ise, de manarak’aloka ise! misy tononkalo kely koa, ho fahatsiarovana ny 7 Fév koa any, nosoratan-dRabe,ao @ article alohan’ity zany oe, maro talenta Rabe, ka tsy hita zay hanaovana azy. Ranavalona! aza de vendrana re e! marina e! lay attaché militaire n’ny Ambassade US no nandeha nilela-paladihy taminy mba tsy hisambotra an’i Rainivoanjo, toa ny nataon’ireo be kintana SADEC tamin’ny miaramila, fa an!an!an! tsisy fika mihitsy fa miteraka korontana ny fiverenan’iny, ary misaotra an’ilay Andriamanitra mahery, fa Rainivoanjo ihany no nanaporofo zany androany. Tena vraiment….! tsy haiko lazaina, tena vendrana ara-politika mitsy!!!
    Io no efa fahadisoan-dRainy hatramin’izay, manao tsinontsinona ny mpitandro ny filaminana gasy, de mandrangaranga vahiny atao biby fatahorana, de minan’ny tadiny avy eo.
    Ahoana ny namalian’ny R. Baombanay an’iny Ambassadeur US mba te hanome lesona iny e! tsy ianao hoy izy no hanome lesona ahy, fa fantatr’ireo officiers US niara-nianatra tamiko tsara ny fepetra raisina manoloana ireny tranga ireny. Fanga ny police US tsy mampiasa baomba lacri rehefa hanaparitaka manif sauvage toa ny an’i Dadabeanareo sy zay nataonareo androany. Gasy zay oa! tsy zay ambassade vahiny no te hikomandy ny tafikay. Mapirehareha anay ny anay ireo. Chapeau mon général R. bombe!

  46. Mahay mialokaloka ao ambanin’ny vodim-bazaha nareo ka !
    Hano sy lero ihany fa izany no hainareo mampahory ny gasy !

    Tsy misy Gouvernement izany rainivongany ao Madagasikara fa mpangery an-joro daholo no ao a ! mba aseseo ao amin’ny lohanareo izany !

    Raha tena Gouvernement no ao efa nalevina any an-kabone ny sefon’ny Vongany ! hi hi hi !

    Naheno hoe ho avy Dada, tsy nisy sahy nisehoseho fa nagina aloha sao tafiditra ihany izy. Voatery nanao notam sandoka indray ny PHAT izay tsy tokony manao izany akory !
    Fanjakan’ny jiolahim-boto sy ny mpamono olona oa ny ao ! ary ny vazaha no manadevo anareo !
    Rehefa eo ny lafy8 tsy ho sahy mitsofoka fa voatapina daholo ny vongany !
    Eto no manelo fofona !

    Maninona hoe ? tsy ny ambassade vahiny no hibaiko anareo ? fa mitapy-tay angaha ny maso sy sofinareo amin’ireto vazaha taim-boraka ireto ?!! Sa kosa efa milona ao amin’ny malotony loatra ka difotra tsy hafa mahita sy maheno intsony ?

    Izaho koa no adal mamaly resaka ny vonga-tay iray trano ! 🙁

  47. 16h20 : Le PRM discute en ce moment même avec le Président de la RSA, Jacob Zuma. Toutes la Communauté internationale a été informée de la situation car un conseiller special du Président Zuma a accompagné le PRM dans l’avion et a été témoin de toute les péripéties des agissements HATifs. La mouvance Ra8 a décidé de suspendre toute activité dans toutes les institutions de la transition. La délégation de la mouvance ravalomanana descent vers la foule expliquer la situation.

    16h55 : La foule s’étend d’Ivato à Andranomena (22 Km) et ne quitte pas les lieux jusqu’à l’heure où nous écrivons.
    Reportage : Collectif Gtt.org daholo ireny !

  48. Misy mahatsara azy ihany izao miseho izao mba hiomanana tsaratsara kokoa ao aoriana …TSY HO ELA.

    Mipetraka amin’izay ny fanontaniana :

    – Inona no hery entin’i Beriziky eo anatrehan’ny Gouvernement entiny ?
    – Tokony miary hina mafimafy amin’izay ny Mouvance roa : Ravalomanana sy Zafy : ka manapa-kevitry ny hanala mivantana an’ny sefony vongany, fa feno maloto ny zoro-trano eto an-tanàna !
    – Tohony miova amin’izay ny membres ao amin’ny Gouvernement ary

    ny CHEF DE GOUVERNEMENT NO MANONDRO NY MINISITRA.

    Tokony manapa-kevitra koa ny Gouvernement vaovao fa HANAPAKA NY Relation Diplomatique amin’ny la Frantsa aloha, ary HANAVAO ny fifandraisana amin’ny roa tonta.

    Manazava ihany koa ny Gouvernement fa izany atao hoe :malgacho-malgache izany dia midika hoe : Tsy hidiran’ny OIF na UA na SADC na iza na iza FA SAMY MALAGASY !

    Manapa-kevitra koa ny Gouvernement fa HO SAMBORINA TGV raha tsy manaiky izany decision izany, satria MAMPIKORISA NY FIRENENA ary efa telo taona izy no nifikitra tamin’ny fomba Dictatorial ny Firenena nefa dia very hasina ny Firenena !

  49. Eny ry Njara mihalava mihalava ihany ny hatevenan-daharana ka tsy maintsy
    ho tonga any @ ville ihany no hiafaran’io,nataon’i dada vavolombelona an-tanana
    mihintsy ny mpanolo-tsaina an’i Prezida Zuma,maty ialahy ry foza!!tsy maintsy mbola namahan-dalitra tany
    tany ny foza ka nabaribarin’i dada ny marina, izao ialhy raisi-potsiny ry donto isany!!!!!!tsaratsara mihintsy ny
    tatitra any @ fikambanana iraisam-pirenena any @’izao.Mikapa an-joro marina!!!!mandrora mitsilany! efa
    miady lavaka hisitriany sisa.Mapme be ilay AV7 50 hono mialokaloka ao ambadik’ireto gidro mpivaro-tanindrazana,
    ny vahoaka anefa efa tonga eny Andranomena ny hatevenany,soa ny zanak’i dada fa zaza hendry fa angamba
    na ny taolan’ialahy aza tsy misy ho halevina ry AV7 mbola mivarotra ny ainy fampiriny fa sy ampy ilay teny Ambohitsiroatra??

  50. Nosoloin’i dada mangamanga mihintsy ilay Billet fa sao lazain’i foza fa mbola ilay t@ herin-taona ihany.
    Soa fa atidoha @ tsara ianao ry dada fa tsy @ ratsy toy itony domelina botolo fotsiny @ herisetra itony.
    Dia inona izao no soa azony @’izao savorovoro izao??dia izao ve no ahasakana ny olona tsy hitia an’i dada hono ray olona e???
    tsy vao maika aza ve ???ny fanakatsakanana no mba talenta avon’i foza,sakanana nefa tsy ahavita anie e!!!

  51. tohizo greve generale manomboka ny alatsinainy ny mpianatra sy mpiasa tsy misy miantra na miasa fa mitokona daholo

  52. Tsotra ny valin’ny fanontanianao Ranavalona :

    Amin’izay izy mba afaka manompo vazaha misimisy kokoa ary mampihaingo ny Domelina mivady entina manompo vazaha !
    Izay fahorian’ny malagasy tsy olana ho azy izany ! 🙁
    Fangerin’alika e ! andramana asondrotra ny mpisolelaka sy ny mpangery an-joro !!

  53. Tsy mila mpamono olona miseho tsy maty manota Zandrikely. Izy no mitondra, de fantany ny bavure sy fiverenan’ny KO indray any mada! Tsy eo intsony angaha izy. Fa raha mbola eo izy, tsy mila Rainivoanjo!
    Madagasikara an’i Malagasy, hitany ny tetika hivoahana, fa hatramin’izay na nampiana na tsy nampiana izy, vonona foana. Nametra-pialana Rabetalolaka, Ramamy. Tant pis, hypocrite fotsiny. Mahareta kely ry malagasy, fa raha vao tonga ny maintany, defa lasa ny fifidianana tsisy an-dRavalo. Masina ny tanindrazana!
    Ahoana, toa vaky daholo ny mangazain’ireo mpivarotra tsy manan-tsiny amin’ny lalan’ny talatamaty iny. Zay no tian’i Rainivoanjo hiseho!

  54. Mba aoka izay ity lainga ity Rabe a!

    Dia efa tena lany henetra mihintsy ve ianareo foza ireto amin’ity lainga be aelezin’ny akoho tokan’anaka e??

    Dia sahy milaza ianao fa tsy misy notam!?

    Izahay anie ka mivezivezy mikaroka vaovao mari-pototra fa tsy tahaka ny anao manao  » La voix de son maître, sur place eo e!

    Tsy misongadina ary tsy hisongadina mihintsy araky ny fanirianao ianao raha izao no mitohy, fa tena lasa mitsingidina hitotongana! Mba marina moa e!

    Mananatra anao ihany aho!!

  55. Mbola mandeha io Soakely a!Tsy ho vita eto intsony ity tantara ity!
    efa misy vavolombelona akaiky ka tsy afaka ny hiala intsony ireo .
    Mbola miasa Andriamanitra !!vao hoe tsy tonga i dada dia vao maika ny olona nanatevin-daharana
    hatrary Andranomena rehetra any.
    Tsy dia ilay savorovoro no mahafaly fa ilay firaisankina sy fandraisan’ny vahoaka anjara,tena mahavelom-bolo.
    Mino aho fa efa akaiky ilay fandresena na dia hodiana takonana @ habibiana isankarazany eo aza.

  56. desole oan le Rabe io sy le tgv isan! Ra8 ts maints tafidtra eto na ts androany az! mataotr mafy anPresida tenany mits ny fat, nef mseo ho henjana!hihihi

  57. efa tonga aty an-trano raha tany Ivato nanomboka t@ny 7ora maraiana ka hatr@ny 4ora sy sasany hariva. Tokony hisy fihetsika hoy ireo vahoaka teny Ivato fa tsy miandry lalaovin’ny FAT foana. Araraotina, hoy ihany ny teny. INdrisy mantsy, izahay tery @ny rond point aeroport sy Ivato tanàna dia niandy mpanentana teny foana fa tsy nisy, nefa efa vonona izahay hirotra eny amin’ny seranana ary assiégernay ny aeroport. Fa taiza ianareo ry mpitarika tsy mba niakatra teny ambony teny? Nefa ny vahoaka efa vonona! Fantaro fa fanjakana azo t@’ny herisetra miafara @’ny herisetra. Izay sisa ny fanafodiny

  58. Ireny no atao hoe « anti-maola » r’i Neninoro a ! tsy hay ahodina intsony ny loha solany, fa efa entin-driaka fotsiny !

  59. slt à tous. mampalaelo mahateztr n zavamis! ny fanantenana ts maints mis fon e! fa zao zao be ola zao de araraoty ny hetsika e! atambaro ny hery! zan zan fa efa mtady hitsok radomelina; mataotra reto iny a! reo fat retra reo ko mangovi-belona @zao! az miemotra tson mits e! reo mpanolotsaina andradomelina reo mits no tena fosotra sad ratsi saina eto; olon-dehib ts misaina ts manaja tena, sa efa antitra ka mtorina? reo no mamotika firenena eto; mbola ampiny olona sasany ts ampy heritreritra ko! reo no manapoizina ny vahoaka eto; ary manapoizina ny mpitondra ian ko! zao ho any mpanohana ny aradalana rehtra: ny mitaB TSY LANININ’NY MAMBA;ny AKANGA MARO TSY VAKIN’AMBOA. mAHAREZA DAOLO MITOLONA E!

  60. Mazava be!saika ho samborina ankolaka i Dada dia
    Mody dinina ny seranam-piaramanidina teo Ivato ka nihevitra ny foza fa
    efa tsy niomana angaha ireto tompon’andraikitra ka hisambotra parasy. Mapme rehefa kely saina.
    Heveriny fa toy ireto mpisolelaka angaha ny Sudaf ka hamela an’i dada ho samborina maina eo???

    Ireo ry zareo a!ireo koa ny » Kung Fu  » a! tampina ny daomy !

  61. Tiako be TVplus fa rehefa avy nadainga ity ra-merci fa tsy nisy izany NOTAM izany dia
    naveriny naseho teo foana ilay NOTAM miampy fanazavana.
    Sady mba izy indray no maneso mamaly fa tsy nisy izany NOTAM izany .

  62. Toa tsisy afitsoka androany ny mamba sy ny akanga e! ny mamba efa maty nalam-bangy ve, mbola ho tafaverina hihinana indray e! mafy zany alahelo sezana prezida izany. Tena mahavita mamono tena mihitsy. Tsy mila empire TIKO hambotry ny firenena intsony oa! fa ny tongotr’iny mandiha tany malagasy, tonga de any douman ihany ny sahaza azy. Nareo anie no te hitabataba, fa Rajoelina tsy ho voaongotrareo eo na de io Bekintana miseho gendarme du monde io aza e! raha mbola ao an-damosiny ny marasily sy ny vahoaka, mandria ivohon’ny vato ianao Zandry, fa matoa tsy mbola nikomy taminao ny vahoaka, de mbola mahatoky anao, ary ireny tonga androany teny ireny, de olona curieux sy miandry top kely fotsiny hamaky trano sy mangazay. Aza miady @zay efa nalahatr’Andriamanitra oa, fa voa foana Rainivoanjo iny, raha mbola manao sy ataonareo « andriamanitra tenany ». Alefaso ndray aloha ny fifampihononam-pahoriana, eo am-piandrasana ny FODIAN-DRAINIVOANJO MANARAKA. Toa tsy nahovoka androany, fa hay sarotahotra mianakavy. Mbola aiza re ty lalao ty raha mokondoha sy barofo no ho entina e! ny olona koa anie mba manana e! aiza ny anareo? tsy sahy fa kely say ray trano

  63. Tsara koa raha miala @ institution ny mouv Zafy sy Ravalomangana e! hamingana sy hanasarotra amin’ny firosoana amin’ny fifidianana fotsiny. Tsapao ny hery @ fifidianana député ahitana ny hery. Amin’izay ho hita eo raha tena tian’olona ny TIM. Manaova mpanohatra ny ny 3 mouvs, fa ilaina zany. De mandrosoa foana Zandry fa mahatoky ny détermination nao ny vahoaka a!

  64. Tsy kivy izahay! Na hivazavaza haneso manda-mpahariva, na mandra-mpaharain’ny andro eo aza ianareo !!

    Izahay nanao hetsika goavana hitam-poko hitam-pirenena, sady mazava tsy mba miafina!!

    Ianareo ry i Rabe sy ny tariny nanao herim-botay!!!

    Notam foana no mba carte avoaka! Misoko mangingina ao amin’ny maizina

    Na tsy nahomby aza ny fodiany anio! Afaka mirehareha izahay!!

    « AMPITSO KOA ANDRO » hoy ny fitenana!

    Hoan-tsika rehetra, Ranavalona a! Bemafoy mivady a! sy ny sisa…
    Aza adino! Tohizan-tsika hatrany ny cha^ne de prières-ntsika! Raha sitrakareo.

    Mahereza daholo an!!

  65. OK Neninoro!Ny ora tsy miova an!

    Njara!jereo ny havantsika ao @ TVplus ! Manjabe! ilay izy mipetraka ao anaty Fiara.
    Ilay andriambavilanitra e!mijery fotsiny a!

    Tsy misy kivy izany fa mbola antsika ny FANDRESENA HATRETO,vao maika nitombo2 ihany ny olona
    ka tany @ Notam sisa nanala vokona ny alika.
    Atao sambo-balala izy ity ka raha tsy azo anio dia rahampitso.

  66. Aiza o!!in-2 ve no manta-vary dia ………
    Tsy kivy oah!!!avelao Andriamanitra hanao ny asany.
    1 maka bahana
    2 fiomanana
    3………….. dia tongaaaaaaaaaaaa!!!!!!!!!!ary tsy maintsy!!!!

    Raha vao kivy eo isika dia faly ny sasany ilay andriatsitononina isany.

  67. Na ho inona na ho inona coup ataonareo eo, Rainivoanjo tsy maintsy tsaraina sy migadra raha mody, Zandrikely tsy maintsy miroso na iza hiala, na iza tsy hanampy. Hay tsy hiala ndray ry Kotoarivelo, fa nampiantona fotsiny ny sezany. Bolokilahy mihinam-boatseva io Rana a!
    Omany ndray ny fodiana manaraka, fa ny eo ihany no eo! Tsy azonareo lalaovina zany oa Madagasikara. Ny maintany sisa andrasana, fa Zandry tsy maintsy lasa FILOHAN’NY REPOBLIKA FAHA 4, ary rRainivoanjo @izay mihinankininina any TSIAFAHY.

  68. Mikopakopaka elatra kely indray aloha ny foza fa afa-doza androany.
    F’angaha io mijanona raha tsy tonga ny tanjona e!!tsy misy miala eo!!

  69. Ni-KK aklôty tao anaty avion airlink i RAVÔLAVOMANANA raha vao notenen’ilay CDT de bord hoe, arakin’ny tenin’ny manampahefana ao MADAGASCAR dia ampidinina ao @ aérodrome Arivonimamo ianao ry marc’OSY, dia avy eo izahay mianga dia mipetraka ao Ivato!

    Noho ny tahotra @ maha akoholahy fatàka, tsy sahy miatrika ady an’i marc’OSY rainivoanjo moa dia nandà tanteraka ity ptit laitier ka niteny hoe (ento mipody any afrika aho leretsy fa aza ampidinina ao Arivonimamo izany a!) hahahaha!!!!!!!!!!

    D tafandriamandry aby ary ô !!!

  70. Misaotra an’Andriamanitra fa ny devoly toa an’i Rainivoanjo, manao ny tenany ho An driamanitra, ka iankohofan’ny zanany, de nanjavona indray, nanao départ zéro. Aiza pasitera Rasendrahasina a! toa nidona @ plafond daholo ny vavakao sy ny FJKM lava robe omaly e! Aza atao INSTRUMENT oa io ANDRIAMANITRA MAHERY mihaino ny vavaky ny tra-pahoriana noho ny tanan-drainivoanjo mihosin-drà io. Hanao ahoana re ny ny alin’izy sy Lalao androany e! Angamba tsy azo helingelenina fa hanao ali-mainty sy hanofy ratsy OSIMAINTIBE androany.

  71. Antitra maimbovel etsy @ magroranomaimbo ny zanak’i marc’OSY rainivoanjo.
    RAVÔLAVOMANANA tsy higadona no andrasana.

    Tsy fiteny intsony izao ilay hoe ( HO AVY TSY ELA TOY NY VOLAN’NY CNAPS) fa efa novaina hoe

    ( HO AVY TSY HO ELA ÔTRAN’NY RAINIVOANJO LASA NIPITSIKA ANY AFRIKA)

    Izaho aloha dia manome toky anareo ry taranak’OSY fa tsy maintsy ho tonga eto Madagascar i rainivoanjo rehefa atao ao anaty fitoeranetan’ny fiaramanidina ary aterina mivantana any IMERIKASININA.

  72. Ianao izany ry rabe no tena mpanakorontana eto, mazava be fa miaramila tsy dia misy atidoha loatra ianao, aza manonona akory ny anaran’Andriamanitra fa hifototra aminao sy ny taranakao izany, tsy misy zavatra mitombona ny lazainao fa miteniteny foana mandehana mody dia AKOMBONY NY VAVANAO FA MAIMBO.

  73. Ny hita aloha dia mbola mamim-bahoaka i R8. i rabe-orona sy ry massvoud moa dia hiara malala fa saim-pouza ka mody mikipy satria masom-pouza sy saim-pouza dia ny ataony ihany no hanenjhany ny olona. Mauvaise foi hoy ny fitenenana. dia izaho koa laoha dia manome toky anareo ry taranam-pouza fa hoavy ilay patsa iray tsy omby vava, R8 ho tafaverina soman-tsara fa ianareo hoataon’ny olona barbecue hoan’ny voay

  74. Izay barbecue hoan’ny voay zay no nanaovan’lisany sy rainivoanjo le olona novonoin’lisany t@ 7 fev!!!
    Tsy ho afaka mandrak’izay akory izany RAVÔLAVOMANANA izany satria dahalo raindahiny.

  75. Avoahay ny porofo fa izy no namono fa tsy bala hafa.Fa inona no mbola atao eny amin’ny zone rouge nefa efa nanome fampahatsiahivana fa ho faty raha miditra eo koa maninona no mbola nitsofoka?

  76. Ndana matory @’izay fa mbola tsy fantatra izay ho havoakan’ny rahampitso ry Dahy a!!
    mangalaha aloha aina tsara fa mbola tsy hay ny ho tohin’iny androany iny.

    tafandria mandry daholo ary e!

  77. Na dia nihidy aza ny lava-bodin’ireto foza, dia nandriaka toy ny rano vaky ihany ny tainy !!!
    Menatra, satria ho hitan’izao tontolo izao ny fahatahorana, ny asa ratsy sy ny sisa, dia tsy navela hipetraka ny fiaramanidina nitondra ny PRESIDENT !!!
    AOKA HO FANTATRAREO, NA DIA NISY AZA NY ALAHELO SATRIA TSY NAHITA AZY, FANDRESENA GOAVANA NO AZON-TSIKA EO ANATREHAN’NY FIVONDRONANA HIRAISAM-PIRENENA !
    TSY HO VOATELIN’NY FOZA NY PATSA KELY !!!
    NITADY VAHOAKA HOE AIZA IZAY VAHOAKA ?
    NAHITA TSARA IZAO TONTOLO IZAO !!! EFA NILAZA IZAHAY FA ANAREO NY ALLER? FA AN’NY VAHOAKA NY RETOUR ARY MAHAIZA MITANTY NY VOKANY RY FOZA NGEROKA SY MANTSINA !!!
    POURRITURES DE 1er RANG !!!

  78. AZA MISY KIVY, FA HITAN’NY REHETRA ANDROANY HOE, JIOLAHY NO MISEHO HO MPITANTANA NY HOAVIN’NY VAHOAKA MALAGASY !!!

    ILS VOULAIENT NOUS PIEGER, MAIS CE SONT EUX QUI SE SONT FAIT BEAUCOUP PLUS AVOIR !!!

    Une petite épreuve qui va renforcer encore plus nos convictions !!

  79. Tsy zakan’ny tsenan’i foza ireny !!!vao maika aza nitombo noho ilay
    t@ herin-taona,dia izy indray hono no handefa AVION haka an’i dada,
    tena efa lasa adala !!raha mbola msy farany ny anio dia miparitaka ireo .Vita matavy!!
    hatsiaka sisa no tafin-damba fa tsy henatra intsony.

  80. Un mal pour un bien !
    Midedaka ny TenaGegyVendrana ato arakan’ny maha VENDRANA azy rehetra. Tsy tsapany fa piezy no nataon’i Dada hanafoanana ny rediredin’ireto maimbovava ireto.
    Veloma mandrakizay ny :
    – Eleksiô
    – Rekônesantsy
    – Feiderouty

    Bye bye ry Jiolamboto ô !

    Dada iany no mamim-bahoaka o !

    GRAND MERCI au peuple !

  81. Ahoaha oa, vitan’ny Zandry foana ane hatramin’izay e! Banga 70% ny budget de fonctionnement nandritra izay telo taona, noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola ivelany. Iza moa no tsy mahalala fa piège marina iny. Ny vola ve no tsy hisy na mody nofainy, sy nataony daholo iny organisation voyage-ny, nividy air force one anankiroa mitombana 120 millions de dollars aza otran’ny mividy mofogasy ny hividianany azy.
    Fa vola taiza daholo zany e? Rainivoanjo iny, tsy havela hambotry firenena izany intsony. Vitan’ny Zandry io, fifidianana io, na iza hanampy, na iza tsy hanampy. Rinivoaanjo no hitomany lava eo, handroso, maty renibe, hihemotra maty renibe.
    Ataovy zay farafahaizana, fa tsy ho tafaverina eo @ sezany mandrakizay eo RAOSIMAINTY iny.
    Mahatatesa koa demokrasia eto, fa nareo no tena be tomany fa tsisy ny demokrasia any Mada, kanefa ry OSIMAINTY, no tena tsy mahazaka!
    De iza no nikapa rano, naninona no tsy niipetraka e! fanga misy tafo be ny habakabaka no tsy sahy à 45mn de vol.
    Ny lesona ho an-dRAOSIMAINTY sy ny ZANAKOSY, de mbola averiko, fa raha zay hafanam-bavaka tamin’ny Zoma 20 izay, tsy nitodidoha ny Avion n-Raosy, fa notantanan’ny ANJELY ka androany Alahady defa fifaliana be tsy misy toy izany any am-piangonana FJKM n-dry Pasitera LALA , sy ny lava Robe. Ampianaro fahendrena tsara ny Zanakosy Rasendrahasina, fa ny BIBIDIA, ao @ Baiboly no mampivady ny politika sy ny fanjakana a! Hany ka atao fitaovana sisa Andriamanitra, fa ny POLITIKA, sy HAINE, sy OMPA, no malaza eny an-dabilion’ny EGLISE sy ny PIRIPITRA. Tsy mahagaga raha tsy mamaly vavaka Andriamanitra. Na ny fivavahany aza hoy ny andininy iray, de fahavetavetana. Misaotra anao ry RAY, mbola arovanao amin’ireto, mpanompo sampy ireto, ary tsy iza io sampiny io fa ny dadany, mampitovy ny tenany AMINAO. Arovy amin’io i Madagasikara. Amen!

  82. Hi hi hi tena tropin’ialy mpanao gazety mpandainga mihitsy ireto Troupes des Gangs et des Voleurs ireto !!!!
    Na ny banque mondiale aza mahafantatra ny détails rehetra ! Tsy izany mihintsy no hahataitra anay eto !

    Santionany fotsy , Mba resaho kely eto ireto elikôptera efa ho atao an’anjaoridira, kanefa mbola novidiana haotrinona ? Nankaiza daholo ny « benefisy » ???
    MDR !!!!

    TANDREMO FA NY MPIASAN’NY IGE EFA TOTOTRY NY DOSIE, AFERA MALOTO NATAONAREO !!
    MINO AHO FA NOHO NY TOE-JAVATRA NISEHO OMALY, DIA TSY HIAMBAHAMBA INTSONY RY ZAREO HAMAOKA AN’IREO !!!

  83. ET 1….. (février 2011) ! ET…….. 2 (janvier 2012) ! ET……….. AINSI DE SUITE !!!!!!!!
    LES ILLETTRÉES ONT DEJA 1 PIED ET DEMI DANS LEURS TOMBES.
    HAHAHAHAHAHAHAHAHA !!!!!!!!!

  84. Mazava ankehitriny momba an’i Beriziky !
    Natao PM izy , fa eo an-kilany kosa dia nanafatra vazaha 20 (roapolo) i Domelina HO ATAO GOUVERNEMENT …..EN PARALLELE.
    Izany hoe mody sari-tsariny fotsiny ny Gouvernement entin’i Beriziky fa ny tena mitondra ny Fanjakàna dia ireo Vazahan-dRajoelina ireo.

    Ny Polisy sy ny Miaramila no vokisana vola sy akondro apetraka amin’ny tany no tanjaka entin’ireo HAMORETANA ny vahoaka sy HANGALARANA ny haren’ny Firenena.

    Ka na hiditra na tsy hiditra ny Gouvernemanta Beriziky isika, dia ireo taim-bazaha ireo no tena MPANOLO-TSAINA an’i Mpivarotra Tanindrazana.

    Tsy tafajanona eo ireo raha tsy izany !

    Tsy havita hampienjera an’ireo isika raha tsy zavatra roa :

    – Mitohy hatrany ny RODOBE
    – Mitambatra ny Mouvance
    – na « tsy misy intsony » domelina !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *