Ignance Randriamamiarizafy : Tsy olo-meloka ny filoha Ravalomanana ka tsy mila amnistie

Vitsivitsy ihany ireo mpikambana ao amin’ny CT sy CST no nikabary teny amin’ny kianjan’ny finoana teny Behoririka. Na izany aza anefa dia tsy kivy velively ny vahoaka eny an-toerana fa mbola manohy hatrany ny tolona. Ny vahoaka izay tsy mahalala afa tsy ny fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany. Toy ny mahazatra dia nitohy ny hetsika androany teny an-kianja. Anisan’ny nandray fitenenana ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita Randriamamiarizafy Ignance. Nisaorany ireo mpitsara nanao iny fanambarana iny. Fahasahiana no nataonareo tamin’ireny hoy izy. Midikaizany fa ny haino aman-jerin-dRajoelina no mandrangitra ny mpitsara. Voalazanareo tao ihany koa fa « mandrangaranga ady ny fitondrana » Tsy menatra akoryny Hat amin’ny didy fampisamborana ny filoha Ravalomanana. Mazava tsara ny voalaza ao amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika fahatelo fa ny haute cour de justice no afaka mitsara ny filohampirenena. Ny filoha Ravalomanana anefa hoy Ignance dia filoham-pirenena voafidim-bahoaka ka noho izany tsy misy afaka mitsara azy. Tsy sanatria akory ka mpangalatr’omby izy ka tsaraina amin’ny tribonaly. Lazainareo ampahibemaso hoy izy miantso ny mpitsara ny hoe iza no nanao iny didim-pitsarana iny. Efa fantatry ny vahoaka fa Rachristine no nanao iny kanefa dia ianareo mihitsy no terenay ilaza aza. Nilaza ihany koa ianareo mpitsara hoy izy fa « tsy ileferanay iintsony… » efa be no nanao izan fa mba lazao aminay hoe iza no nanao ny afera bois de rose avoahy ny marina mikasika izany. Mampirisika anareo izahay hoy Ignance, tohizo ny toy izany mba ho tanteraka.Manana adidiy ianareo amin’ny fanadiovana ny zandary, polisy izay ananan’ny olona alahelo.
Mikasika ny amnistie dia nilaza Ignance fa ny génocide, ny crime de guerre, ny violence …no tsy afaka omena ny amnistie.Ny olona condamné no omena izany amnistie izany. Ny filoha Ravalomanana hoy izy, dia tsy condamné, noho izany dia tsy mila amnistie, ary ny fitsarana nitsara azy tsy mandeha amin’izy. Voninahitse no olona condmné satria voatazona tany Tsoafahy. Adinon’Ingahy Voninahitse angaha hoy Ignance fa Ravalomanana no nanome amnistie azy tamin’ny taona 2002. Tsy mendrika atao CT sy CST Voninahitse sy Pety hoy izy.
Momba ny fandehanan’ny Annick Rajaona any amin’ny fivoriana any Addis Abeba dia nambaran’Ignance fa tsy menatra akory mandeha any mitady fankatoavana iraisam-pirenena. Ny zavamisy amin’ny fivoriana tahaka ireny dia na ny filoham-pirenena na ny Praiministra na Minisitry ny Raharahambahiny, na ny Ambasadaoro no afaka misolo tena ny firenena, fa akoatra izay dia anjorombala avokoa. Tsy manana ny qualité ho amin’izany Annick Rajaona kanefa nitonatonana tany. Isika koa anefa hoy izy dia manana Ambasadaoro any misolo  tena antsika, ka inona no ataony any. Ny fankatoavana iraisam-pirenena  dia ny Sadc no afaka manao izany voalohany satria izy no nandray an-tanana ny raharaham-pirenena. Raha tenahitondra marina ity firenena ity, hoy Ignance dia ny marina no lazaina fa tsy fafy lainga foana. Efa leo izany lainga izany izahay.

19 pensées sur “Ignance Randriamamiarizafy : Tsy olo-meloka ny filoha Ravalomanana ka tsy mila amnistie”

  1. marina izany!tsy olo-meloka izy fa prezida visy fjkm;nangalatra tany sy nampamono olona fotsiny izy mba hanome asa an,dry piera sy paoly

  2. Miarahaba anao foana Solo Razafy
    Tena miangavy raha azo atao ny handefasana ny kabary vidéo e !
    Na vitsy aza ny mpikabary Tsy maninona fa ny mihaino no mampandinika kokoa eo amiko sy ny namako miaraka amiko
    Dia misaotra anao e!

  3. fa angaha omby fotsiny no nangalariny e. Na ny hetram-bahoaka sy ny hatsemboan’ny gasy mbola notsitsifin’ny rangahy iny, ny famonoan’olona moa manginy fotsiny. Any Fianarantsoa na any Majunga miteny izany ry Ignace dia hitanao raha Ho hita faty ianao.

  4. Miarahaba anao ihany koa Solo Razafy
    Tena miangavy raha azo atao ny handefasana ilay video fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety Frantsay milaza fa i Andry tgv no nanakarama olona hitifitra tamin’ny 7 febroary.

    Manakaiky mantsy io fotoana io ary efa nisy nadika tamin’ny teny gasy ilay film

  5. mampihomehy Ianao ry zo, Tsy omeko tsiny anefa fa Fanatika loatra. Ka na dia oloan faran’izay adala ve dia hino an’izany. na ravalo naniraka ny mercenaire sud af aza tsy miteny izany dia ianao indray no hiteny izay,
    Zo fantako fa mivavaka am dada8 ianao, fa na izany aza refa olo-meloka dia meloka.
    mialatsiny fa tsy manaratsy io Andriamanitrao io aho akory fa miteny ny zava-marina fotsiny

  6. Aaleefaaa!!!avoahy daholo izay manana ny porofo rehetra ho hitan’ny vahoaka
    fa i domelina no nila SORONA nanasorana an’i dada teo satria fantany tsara ny
    herin’izany DADA RAVALO izany,dia izao izy vao maika nanome vahana ny TANJAKY NY DADANAY FA KELY LOHA
    ka miady lavaka hilevenany no nataony izay 3 taona lasa izay,izao ny FITSARANA hanenjika ny aloky dada tsy ho VOAHILIKA
    ny tena TAPI-DALAKALEHA fa efa miandry daholo ny rehetra @ ratsy nataony
    ,LEHILAHY IALAHY RY DOMELINA RAHA HO AFA-MAINA EO !!!!!!!!!!!!Miaraka @ forongonareo ry foza maimbo isany!!!maty tena
    isany ry MPANGALATRA fa ela NITORATORAHANA!!!!!!!
    Mba alefaso ilay Vidaka e!!azafady Mydago a!!Dia misaotra mialoha!bisous be ho an’i Mydago!!ireny mba pôtpôt milailay ireny rangaha
    mba alefaso fa aza hatao an’io moa e!izaho efa teny @ Magro anie e!!efa any ny sariko hatao fahatsiarovana.

  7. Coucou Baby !

    Bien d’accord avec toi ! Chez nous l’admin ils seraient tous saqués ces abrutis !

    Mais voilà une « soit disant Association Malagasy Mandroso » s’est créée et sous la presidence d’une Pams :
    De qui aije parlé ? Mais bien sur de Vetaveta Sylla !
    Elle est en train de retourner sa veste celle ci ! Mais ELLE A BIEN RAISON, car elle a bien vu comment marche la HAT.
    Quand on visualise mentalement les membres de la HAT, l’on ne peut envisager de pire que ces rigolos pour ce pauvre pays !
    – Vetaveta Sylla
    – Zanakisoa
    – Rolly Mercia
    – et autre Vodinahitra Eugene
    – Alain le PD Ramaroson
    – Rajaonarimampianina le leche (botte)cul
    – Ratsiana Orana le « NE SERA JAMAIS PRESIDENT » 🙂
    – ……….etc
    – rabe chef Mpangery an-joro
    – « vahoaka » – le cdt masom-body » – « tanora » les soldats des mpamafa zoro maloto 😉

    Voila les gens (il en manque bien sur) avec qui Satanie avait à faire. Pas etonnant qu’il ait régné à Madagascar en vrai Mpanjanaka, avec ses tueurs à gage de GIGN.

  8. En parlant plus serieusement,
    Lettre à : Mme RAZAFIMANANTSOA – MMrs Rakotoarivelo – Raveloson – Rakotoamboa – Zafilahy – Naika ………..


    je voudrais attirer l’attention de nos Politiciens-Legalistes sur le fait que :

    Il faudrait peut etre surveiller le calendrier de l’ Election Presidentielle , c’est à dire que

    Il faut travailler de telle sorte que la date des elections presidentielles soit reculée
    DE FACON A CE QUE LE PRESIDENT M.RAVALOMANANA puisse participer beaucoup plus sereinement à cette election.

  9. Njara, si je comprend bien,vous devez organiser un grand debat, qui a pour Theme « comment blanchir à tous prix ra8 pour ses crimes contre les gasy »

  10. Ô ry Njara FRIVANY BE ô! Tsy matinao lolo Rabe a! mandeha ndray ve ty ny INTOX nareo sy ry Solo Razafy ô! ela zay tsy nisy an’izany, ka lazaina ndray ty fa mahita porofo ny journaliste Frantsay. Refa lany fika re de mipetraha a! tsy maintsy vitaina coûte que coûte @ 2012 ny fifidianana, na misy na tsy misy an-dRainivoanjo. Ny FDR ihany no ady eo e! ny CI ane zao tsy momba anareo intsony @ hadalanareo e!
    Te hikitikitika vodin-tsovaly eo tsinony, Frantsay ve de rafisiny, kanefa ny aina any am-bitombenana! Refa tsy an-JARA ny ZARA de aza manery ny ANJARA VOARARA, sao lasa RAOSIMAINTY mibaRARA. Hi!hi!hi mampe be nareo sy Ranavalona; teniratsy sy manozona sisa ny azo aroso! de tena tsy ampy solaitra sy savoir vivre e! aza mba zanak’i Rainivoanjo ihany woa, frivoles be raitrano! mijanona ao aoriananay ao fona, fa misanaka lela otran-dry RakotoAMBOA tsy hita tabilao intsony e! lany andro manenjik’olona, de reraka manarak’aloka!

  11. Njara !bedy a! mba hafoezo io teny « veta « io fa mankarary maso be oah ehhh!
    Mafy sofina mihintsy ireto anadahiko isany ireto an!!mba vehivavy lehibe anie
    izy iny e!hi!hi!hi!!!!na dia tsy mahay manaja tena aza ha!ha!ha!!!!Mba mitonia kely dahy a!mbola aiza ity
    lalao ??vao tsy misasaka akory???mampatahotra ahy mihintsy dahy ity tato ho ato marina a!!

    Ho avy hono i mama ilay tena maman’i Malagasy fa tsy ilay nangalatra ny satro-boninahitr’i Ranavalona.

  12. Mazava angamba io ry TGV mianakavy

    Amnistie pour Ravalo : Marius Fransman accentue la pression
    (02-02-2012) – A l’approche du 29 février, date butoir pour l’adoption de la loi d’amnistie, la Troïka accentue la pression sur la HAT qui tenterait de convaincre l’Union européenne de débloquer son aide pour Madagascar.

    Le vice-ministre sud-africain Marius Fransman qui a présidé la réunion d’urgence de Pretoria entre des acteurs politiques malgaches persiste sur la nécessité d’adopter avant le 29 février 2012 une loi d’amnistie autorisant le retour au pays de l’ancien président Marc Ravalomanana. La Lettre de l’Océan Indien (LOI) du 31 janvier 2012 révèle que ce chef de la mission politique de la Troïka dans la crise malgache a donné des consignes au ministre français de Coopération, Henri de Raincourt, et au commissaire européen en charge du développement, Andris Piebalgs, qui envisageaient d’effectuer une mission conjointe à Antananarivo les 10 et 11 février prochain. Marius Fransman a transmis à Andris Piebalgs un message selon lequel il n’est pas question qu’une telle visite ait l’aval de la SADC tant que le président de la Haute Autorité de la Transition (HAT), Andry Rajoelina, dit TGV, n’aura pas promulgué une loi d’amnistie autorisant le retour dans son pays du président déchu Marc Ravalomanana.

    Addis-Abeba
    D’après LOI, ce message ferme du vice-ministre Marius Fransman a été relayé par Nicholas Westcott, directeur général Afrique du Service Européen d’Action extérieure( SEAE), auprès de la directrice des Relations Internationales au niveau de la Présidence de la transition, Annick Rajaona, qu’il a rencontrée en marge du sommet de l’Union africaine d’Addis-Abeba. Annick Rajaona aurait répondu à Nicholas Westcott qu’elle transmettrait au président Andry Rajoelina le message sans prendre aucun engagement sur la loi d’amnistie réclamée par la Troïka de la SADC. Pour revenir à la mission conjointe que le ministre français de la Coopération, Henri de Raincourt, et le commissaire européen au développement, Andris Piebalgs envisageaient d’effectuer à Madagascar, une source auprès de la délégation de la Commission de l’Union européenne à Madagascar a permis de savoir que ce dernier a reporté en avril sa visite sur le sol malgache. En tout cas, force est de constater que la SADC commence à être ferme sur la mise en œuvre de la Feuille de route signée le 17 septembre 2011. Le vice-ministre Marius Fransman accentue la pression sur la HAT pour que celle-ci ne trahisse pas les engagements qu’elle a pris devant la communauté internationale.

  13. Sahaza an’i Rainitay- rabe ve io ?
    Asakasak’izay mety ho tsindrominy drogue avy amin’i DJ, fa ho lasa mpangalatra – mpamono olona sy andevom-bazaha no iafaràny.

    Sa ity no tsara ho azy ? Avelao izy hisafidy ka!!! De rainy navela e ! Ny reniny tsy fantatra ka tsy azo sary !!! 🙁

  14. Mba mitonia aloha fa mbola ho ela ny lalao ry Njara a!!
    mankanofy ratsy mihintsy ity ambohonao ity marina !!!

    Ho an’i Ingahy R.Ignace tena tsra ny tsikeranao fa koa mba hangatahanay ny mba hisy ihany koa
    izany eo @’ireo ankolafy ( raha sanatria ) misy mibolila ireo fa toa varimbariana ihany mantsy ny
    sasany sa tena tsy te halala intsony ,hatr@’izao aloha mbola tsy hita ny fandehany fa toa manara-
    drenirano fotsiny koa aoka koa mba hisy ny tsikera (mba hanatsara zavatra an!) eo @ ankolafy,fa
    toa miandry vasoka ihany izahay sa MBOLA HIANDRY An’i dada daholo vao mody HIKOROPAKA???
    sao dia mba tsy mety e!!!Ilay Gadra anie ka efa sy hay indray izay hanaovan’i foza azy e!!efa ireny
    no nahazo an’i Charles sy Kottiti ( tsy nisy nihetsika) dia ireto koa asa indray???sady ny havany tsy
    afaka ny hanatitra sakafo ho azy ireo dia efa vita izany fa izay tiany hatao @ sakafon’ireo Gadra any.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *