Me Solo Radson : « tsy nisy ny fandrobana ny trano sy ny entan’ny orinasa TIKO raha tsy nisy ny olona nitarika izany »

“Tsy tokony mbola hisy ny fiantsoana tolo-bidy ho amin’ny fivarotana ny tanin’ny Magro Ankorondrano teo aloha, ataon’ny Antenimieran’ny Indostria sy ny Varotra Antananarivo (CCIA), mbola misy ny fampakarana amin’ny Fitsarana Tampony ataon’ny orinasa Tiko S.A. momba io raharaha io”, hoy ny mpisolovava ny orinasa Tiko S.A., Maître Solo Radson, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Radama Hotel Isoraka izy io maraina io. Marina fa efa nahazo rariny ny Antenimieran’ny Indostria sy ny Varotra Antananarivo, teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, sy teo anivon’ny Fitsarana Ambony, hoy izy, nefa ny orinasa dia mbola nangataka fandravana didy (requête en cassation), any amin’ny Fitsarana Tampony, noho izany tokony mbola haato aloha ny fiantsoana tolo-bidy amin’ny fivarotana na fampanofana io tanin’ny Magro teo aloha eny Ankorondrano io hoy ihany ity mpisolovava ny orinasa ity. Zon’ny tompon-tany tanteraka ny mivarotra io taniny io hoy ihany Maître Solo Radson, satria efa nahazo rariny izy ireo teo amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy fitsarana ambony; mbola any amin’ny fitsarana an-tampony anefa ity raharaha ity ka toa ohatry ny efa fantatry ny ao anivon’ny Antenimieran’ny Indostria sy ny Varotra Antananarivo sahady ve fa ho lavina ny fangatahana didy fandravana ataon’ny oinasa Tiko S.A. ka dia efa iantsoan’izy ireo tolo-bidy sahady io tany io? Mba tsy hisian’ny olana any aoriana tokoa, tsara ihany raha vita tanteraka avokoa ny dingana rehetra ara-pitsarana momba ny raharaha iray, indrindra ny ady tany toy izao, izay vao miditra amin’ny fivarotana na fampanofana indray, ny mety ho mpandresy amin’ny ady toy izao. Nanamarika koa ity mpisolovava ity fa tsy fitarainana akory no nanaovany tafa ho an’ny mpanao gazety,  fa fampahafantarana ny zava-misy ihany. Nilaza ny heviny momba ny fandrobana ny fananan’ny Tiko sy ny Magro tamin’ny taona 2009, nisian’ny fanonganam-panjakana teto amintsika ireny koa ity mpiaro ireto orinasa roa ireto, “tsy nisy ny fandrobana ny trano sy ny entan’ireo orinasa ireo raha tsy nisy ny olona nitarika an’izany”, hoy izy. Fantatra koa fa misy amin’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao no mampiasa ny fiaran’ny Tiko, efa fantatra avokoa izy ireny, fa mbola miandry fotoanany ny zava-drehetra araka ny voalazany.

4 pensées sur “Me Solo Radson : « tsy nisy ny fandrobana ny trano sy ny entan’ny orinasa TIKO raha tsy nisy ny olona nitarika izany »”

  1. Enjeo!aza avela hisy ho afa-maina na tapa-panjaitra iray aza!!!
    maty tena isany ry ilay tsivalahara !!!ho eo foana mantsy i domelina ah!!!
    tsy misy ho afa-bela eo e!!izao mihintsy no maharano ny kapan’ireo @ fahatongavan’i dada fa tsy inona anie e!!!
    ampio indray ilay diloilo dia miloloha lamba ihany fa sao mba ho voasakana ihany i Dadanay fa hay ho ratsy ny
    fandehan-javatra raha izao no izy koh!!!dia efa miadiva lavaka hisitriana e!!!
    avereno daholo ny TÔMABILIN’i dadanay raha manan-kambo,izany ry ramaroson mpamono olona a!!mba menatra
    fa lehilahy lehibe efa fotsy volo.

  2. Enjeo!aza avela hisy ho afa-maina na tapa-panjaitra iray aza!!!
    maty tena isany ry ilay tsivalahara !!!ho eo foana mantsy i domelina ah!!!
    tsy misy ho afa-bela eo e!!izao mihintsy no maharano ny kapan’ireo @ fahatongavan’i dada fa tsy inona anie e!!!
    ampio indray ilay diloilo dia miloloha lamba ihany fa sao mba ho voasakana ihany i Dadanay fa hay ho ratsy ny
    fandehan-javatra raha izao no izy koh!!!dia efa miadiva lavaka hisitriana e!!!
    avereno daholo ny TÔMABILIN’i dadanay raha manan-kambo,izany ry ramaroson mpamono olona a!!mba menatra
    fa lehilahy lehibe efa fotsy volo.

    Misy tsy azoko koa aloha ny @’ity Radson ity e!toa mahay mihiditra sy mivoaka sa tena lany angaha ny paiso tao an-kady???
    eny e! rehwfa mahatsapa tena izy dia izay no zava-dehibe fa ny lasa momba ny lasa.

  3. Tany Nangalarina tam vahoaka ireny dia aleo hiverina am Vahoaka. ka atao Hopitaly hoan’ny Daholobe tahaka ny any Tamatave e. Am zay afaka mitsabo tena ao daholo ny malagasy reetra na ny zanak’i dada aza.

  4. tsy mbola nisy teto dago na indray mandeha aza nisy nampiasa tany raha tsy misy taratasy mazava,matoa nanorina ireny orinasa ireny ny filoha de politique gagnant gagnant no nataony:izy mamokatra ho an’ny mpanjifa amin’ny vidiny takatry ny rehetra no sady mampiasa ny zana-bahoaka,ny fanjakàna mandray hetra sy taxe amin’izay lafony,k’aza basy vava eto ny tanora adala milaza fa nangalarina tamin’ny vahoaka io,angaha izy aminao biby ka tsy mba isan’ny manana zo hitrandraka ny tany sy hanao asa mahavelona aminy????mba misaina ho’aho fa aza manao hevitra taingina sy rabefialonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *