Misy mersenera ampiasain’ny heri-pamoretana

mercenaire

Mbola miteraka adihevitra eo amin’ny mpanao politika malagasy ny mikasika ny « Notam » natao tamin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny sabotsy teo. Ho an’ny Ct Ravelonanosy Mamitiana avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana dia nambarany fa fahatahorana ny Filoha teo aloha Ravalomanana ireny, ary fahatahorana ny vahoaka malagasy ihany koa. Marika ihany koa ireny, hoy ity olomboatendry ity, fa fandikana sahady ny voalazan’ny « feuille de route » no nataon-dRajoelina. Efa voalaza, hoy izy, ao anatin’ny andininy faha 20 izany dia ny famerenana ireo sesitany politika any ivelany, anisan’izany ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Hatramin’izao anefa, hoy Mamitiana tsy tanteraka ireny ary raha vonona ny hisambotra an’i Dada dia tokony hanaiky ny hametraka ny fiaramanidina sy ny mpandeha rehetra tao anatin’io fiaramanidina io, izay nipetraka teny Ivato. Mikasika ny voalaza fa mampiasa mersenera na tafika avy any ivelany ny Filoha teo aloha Ravalomanana, dia nambarany fa raha nahita ny sary tamin’ny gazety dia nahita fa nisy vazaha maromaro izay tsy fantatra hoe iza izy ireo, ary inona no ataony tao anatin’ireo tafika teny Ivato farany teo. Midika izany, hoy ity mpanao politika ity, fa misy mersenera ihany koa izany izao ampiasaina ho herimpamoretana eto amin’ity firenena ity. Momba ny vokatry ny fivoriana maika nataon’ny Sadc, nifarana omaly, izay nilaza fa tsy maintsy mody alohan’ny 29 febroary izao, ny Filoha Ravalomanana, ary tsy azo samborina, tsy maintsy vitaina alohan’izay ihany koa ny famotsoran-keloka, dia nambaran’ny Ravelonanosy Mamitiana, fa manantena isika, ary ny rehetra mpitarika ato amin’ny Ankolafy Ravalomanana dia efa manomana sahady ny vahoaka hitsena an’i Dada tsy ho ela.Nandrisika ny vahoaka ihany koa ny tenany tsy ho kivy na misy aza ny fisakanana. Mikasika ny voalaza fa nisy ny fizarana vola roa alina ariary tamin’ny olona tonga teny Ivato, dia  gaga ny tena, hoy izy, satria raha olona 1 tapitrisa no nozaraina 2 alina dia tsy ho vita izany. Tokony hahitsy ihany ny fotopisainana eto amin’ny firenena satria filaminana sy fampandrosoana ny firenena no atao. Momba ny resaka fisamborana ireo mpikambana sasany ao amin’ny CT sy CST dia nilaza Mamitiana fa misy ny tondrozotra izay natao sonia ary milaza ihany koa fa afakamaneho hevitra ankalalahana ny rehetra. Ankoatra izay dia tapitra hatreo ny fanenjehana arapolitika araka ny voasoratra ao amin’ny andininy faha 16 ao amin’ny tondrozotra. Mbola mitaky ihany koa izahay, hoy izy, ny hamoahana ireo olona nosamborina tamin’ny Sabotsy lasa teo. Amin’ny maha filohan’ny groupe parlemantera ny TIM ny tenako hoy izy dia aleo asiana ny demokrasia raha tena handala marina ny sata Repoblikana isika Matoky izahay hoy Mamitiana fa tsy ho tanteraka izany fisamborana izany. Ny Ankolafy Ravalomanana dia vahoaka hendry ka tsy hanimba zavatr ‘olona izany.

34 pensées sur “Misy mersenera ampiasain’ny heri-pamoretana”

  1. ZAVATRA TELO na efatra no hilaina hangatahin’ny CT ,CST,Ministra mouvance légaliste:ary 24h sur 24 ary 7 jours sur 7 io,
    Famohahana ny gadra politika,
    fanokafana ny aino amanjery voakatona noho ny asa ratsin’ny Fat,
    ny fodian’i Président Ravalomanana sans conditions.
    Ka mila Hampiarina aingana izany .
    aoka ny zesta zesta hoan ‘ny foza fa ny anareo dia Tolona .
    Ka ny herinareo,rehetra sy fahefanareo nrehetra na ampahan ny karamanareo aza dia hampiasao @ izany @ izay ianareo dia hatao taratrireo olona nitsena an i Président Ravalomanana.

  2. marina io lazainy ravelonarivo vita ireo vao miverina ao aminio gouvernemanta vendrana io ary aza adino fa tsy maintsy miditra zafy sy ratsiraka sady mitaky fialany VENDRANA1

  3. Aza mba miteny ratsy hoa rehefa maneho hevitra an, na inona na inona lohateny.

    Efa fomba fiadin’ny FAT ny hoe ny zavatra ataony an, dia ny olona no lazainy fa manao azy.
    – Izy no misetrasetra, izy no mitifitra sy mampitifitra, dé lazaina fa ny vahoaka no manakorontana !
    – Ra8 lazaina fa nangalatra, fa ry zareo manodina bois de rose sy mivarotra tanindrazana !
    – Lazain’ilay Generaly misandoka anarana, satria mitovy anarana @ dadanay dia mananararaotra manao ny tsy mety rehetra, dia avy eo ilay FIloha mamim-bahoaka no lazaina fa manao ny tsy mety rehetra. NY ANARANA NO TANIMBOANJO RA-GENERALY FA NY TAREHY SY TOETRA ARY TRAIK’EFA ALOHA DIA LAVITRA NY AN’NY DADANAY NY anao!
    – I GENERALY no tena olona lian-dra eto Madagasikara ry zareo a, ary karamana be satria sahy mamono olona, ataon’ny olona mpaniraka azy fialokalofana sy tohatra fiakarana hany tsy miraharaha ny ain’ny malagasy toa azy 🙁 indrisy raha ny mpaniraka mantsy hoe vazà taratasy dia azo ihany ny famadihany Tanindrazana, fa i Generaly, ilay olon’ny taoka, ny endriny aza maharikoriko ny mijery azy 🙁 Mihevera tena ra-Generaly fa tsy maintsy misy ny farany, ka ny ianao sy ny fianakavianao, ny zanakao ho azy daholo ?

  4. Tsiahy ity, ilaina hanitsina ny fijery sy fomba fiasa mba ho tomombana ny fanohanantsika ny filoha M.Ravalomanana, tsy ho harirariran’ny matim-bola toy izao ny hajany manokana sy ny fitiavany tanindrazany ary ny vahoaka maro mihandrandra azy:
    – Nisy documentaire/tv frantsay,niresaka ny asa ratsiny TOTAL, nanome vola maloto an’ilay mpanolotsaina, niafara @ figadrana mba ahavoafidy an’i J Zuma ka naharesy an’i Tambo Mbeiki. Tsy tadidiko intsony taona inona moa iny!
    – Nisy miaramila manamboninahitra frantsay nanoratra momba ny SADC no-« infilter » ny frantsay.
    – Efa nandroso ny olana dago ary mazava ny fanohanany filoha RSA ny filoha M.Ravalomanana, dia nahitana fotoana kely tao tv frantsay, »publicité » momba ny SADC, dia nasain’i sarko ho avy France koa ny filoha J.Zuma.
    Dia avy eo , nifanesisesy ny solontena afrikana namadibadika izay nifanarahana/Maputo sy tohiny afa.
    – Noraisin’i sarko ilay mauricien izay notendreny ho solotena hisahana ny raharaha dago/fikambanana Océan Indien.
    – Navilavilany ara-potoana ny fomba hamakiany mpanao politika ny « feuille de route » mba tsy hikarohany olona ny tena vaha-olana: « stratégie » nampiasainy frantsay erany colonies-ny izany ary nandaitra hatrizao satria ny vahoaka ho janahana mbola « hyper francophone »,tsy mijery hoe misy firenena afa eto antany mety azo hiarahan miasa fa di lafrantsa tokana ihany.
    – Nikaroka « reconnaissance internationale » ny soavaly-bitrony i sarko ary sahirana ihany KANJO nisy ny fangatahan’i Ban Ki Moon, mandat faha-2.Dia nifofotra mafy ny lobbying frantsay/ONU.
    Nahazo 2ème mandat ra-koreana dia nibitaka sarko ka niafara @ sary hita erantany, an’i Ban Ki Moon mandray tanana any domelina.
    – Dia izany no nasahiny sarko handidy an’i domelina hampamoak ireny NOTAM ireny satria anie ny Communauté Internationale, dia miara-mitsikombakomba @ sarko, izay manapatra io rohy maloto io, mba ampandroso ny « pions »-ny, eo @ « échiquier internationale sy dago  » e!Ary efa paika na « stratégie » namokatra anie izany taon-jato firy izao nanjanahany france tany maro, fa ny version.sarko no miasa ankehitriny e!
    – Midika izany fa isika dia ilaina mihintsy mandray fijery afa, mihataka kely ny sentosento maha-malagasy ny zava-miseho( maka recul ) hoy ny mpanjanaka saina antsika.
    – Mivandravandra eo imasony firenena afa maro,io dombon-tsaina francophone mandaitra loatra amintsika io KA dia tsy hisyfirenena hitonona mazava hanampy antsika anie e!
    – Ny « printemps na Révolutions arabes anie » ka tsy nipoipoitra » mora foana fa nampihofanana , taloha be ny olona hanao izany e!Any ka tara ra-frantsay, izay nihaiky avy eo fa tsy naharaka ny niseho!!!!Voasongony firenena afa e!
    Dia mitohy hatrany hatrany ny fanovana efa nalaminy bekintana sy afa koa arakaraky ny « géoploitique » tiandry zareo ho hita fa tsy toy taloha!
    Antsika ny safidy ary aoka ho an-tsaina foan fa ny filoha M.Ravalomanana, no any tokana nasahy nanipaka ny frantsay fa niasa irery izy noho ny fijery tery saina mianjady amintsika natony « colonisation française » izay hesoiny firenena afa foana.
    Lava be ka hatreo indray e!

  5. Ahoana tokoa reny vazaha tsy menatra miditra ao @tafika ireny é! maninona tsy lazainareo manapahefana any @ Communauté internationale ny frantsay mitsabaka 2lava amin’ny raharahampirenena ity ,ny mouvance ra8 izao dia tokony hanoratr sy hangataka fanazavana amin’ny Chatignier hano hoe ;inona reny olona reny ?

    lazao izy fa raha mody hoe na hiaro ny citoyen frantsay eto Mcara ,dia asaivo mody rizareo refa matahotra fa tsisy ilaina an’reny fa manimba maso saDY MANOSIHOSy NY ZO NY MALAGASY fotsiny ,mba tsy hiverenan »ireny dia tokony hatao mahoraka eran’izao tontolo zao fa io firenena io foana no miditra lava @ZAYA TSY TOKONY HIDIRANY NA eTO MCAR NA ANY AFRIKA
    Lazao chatignier FA HITORY NAREO RAHA voaporofo fa frantsay reny olona reny ,io malemilemy sy pacifique lava io iany no mahavoa antsika gasy ,mila hanoratana haigana io rangahy io dia lazao izy fa hitory nareo fa mitsabaka lava ,lazainy koa fa tsy consensuel ny fiverenandra8 fa décision unilatérale fa nahaoana??? ary inona koa d hidirany ,MADAGASCAR APPARTIENT AUX MALAGACHES ,VIVE MADAGASCAR INDEPENDANT!

  6. Bako ,

    Tsy ny vazaha ihany ry Bako no olana eo amintsika, fa ireto milaza hoe « Mpanao gazety-Vazaha » ireto koa a !
    Marina fa ilaina r’izareo mamoaka vaovao, fa mba jereo sy diniho anie ny vaovao avoakany rehefa avy eo e ! Izay vaovao MANOHANA an’i TGV sy ny Mpanjanaka ihany no avoakany, fa ny tolona ataon’ny malagasy zara raha misy teny kely fotsiny.
    Porofon’izany ilay tantarain’ilay olona tao amin’ny « Temoignage d’une Citoyenne Ordinaire ».

    Ny fisian’ny Mercenaires moa dia efa Porofo ihany koa ankehitriny ho an’ny zavatra roa :
    -Miasa ho an’i Lafrantsa i Domelina

    Tena ny miaramila frantsay ankehitriny no mitantana ny miaramila malagasy! Ary eto ilay hoe « mitantana » dia tena ara-bakiteny mihitsy ! Henatra tanteraka ho an’ireo miaramilantsika mihitsy izany an eran’izao tontolo izao !

  7. Tsy maintsy mbola hisy resa-be io fa tsy hijanona eo ,tsy misy hanaiky an’izao eo,
    ary efa hitam-poko hitam-pirenena ,eto aho dia misaotra ny GAZETY izay sahy namoaka
    ny sarin’ireo VAZAHA RERAKA tsy manan-kambo fa aty @ tany mahantra no mba manjakazaka,raha mafy be
    tsy mandeha any @’ ireo tany miady any mitifitra fa Gasy kely tsy maninona anao aty no hanam-paran-kery.
    Izayno halako a@’ireo Frantsay ireo : tsy maintsy mitady colonie foana, tsy mahay miaina mihintsy,ratsy loha!!
    manambanimbany olona nefa 0.

  8. Io indray fa niverina le « FILOHA TEO ALOHA » ! Tsssssss !
    Mila ny aregistremà n’io interivio io ndray aloha ry dà isany ô !!! (Toy ny kabarin’i Me Hanitra)
    Tena voakaramam-b…dy mahintsy angamaba ny ilay mpanoratra kou !

  9. Matetika tsy fahazarana na fahalalàna ny fomba amam-panao io ry Baby â ! Eo koa moa ny maniratsira !
    Ny mahagaga ahy, dia ao amin’ny Midi madagasikara izay fianakavian’i Mamy Rakotoarivelo no tompony, dia misy mpanao gazety miantso azy na manoratra hoe RAVALO !
    Marihina fa na Président ( izy atramin’izao no mbola azo atao hoe Président voafidim-bahoaka farany ary tokony mbola amperin’asa ) na tsy Président intsony izy, dia
    PRESIDENT RAVALOMANANA FOANA NO TOKONY HIANTSOAN’AZY !
    Fomba amam-panao eran-tany izany ! TITRA ENTINY MANDRA-PAHAFATINY IO HOE PRESIDENT IO !


  10. FA MBA NAKAIZA I DEBA SY Rolland Ratsiraka ary ROINDEFO ?

    Manomana tetika maizimaizina any ambadika any angaha ?!!!

    Aoka ho mailo dia mailo e ! RATSIRAKA-ROINDEFO

  11. Araka ny tenin’i Randria dia mbola voajanaka i reny malala isika.Mbola misy malagasy mihomehy ny filoha Ravalomanana rehefa miteny frantsay, mbola mihevitra ny ankamaroantsika fa izany filoham-pirenena malagasy izany dia tokony tsy azo kianina amin’ny fitenenana frantsay.Mba fantatrareo moa fa ireo firenena indochinois sahala amin’i Laos,Viet-nam, Cambodge dia miala tsikelikely amin’io teny io ary tsy vitan’ny hoe mampiroborobo ny teny anglisy fa manomboka mandroso ihany koa hanahaka an’i Thailande izay tsy voazanaka ary miteny anglisy ankoatran’ny teniny.Raha mbola io teny io ihany no ezahantsika ka tsy manao ny teny anglisy ho tanjona isika dia mbola hiankina be amin’i reny malala isika rehefa hanao travaux publics gezabe satria tsy afaka hifampiraharaha amin’ny firenena hafa lehibe (USA,ALLemagne, Japon, Italie, Angleterre etc…) isika ao amin’ny domaine genie civil. Soa ihany anie fa nisy canadiana miteny frantsay tamin’ireny fanamboarana ny barazy andekaleka ireny mba handika teny amin’ny injeniera malagasy satria ny teknisiana suèdois an’i SKanska tsy miteny afa-tsy ny teny anglisy.

  12. Misaotra anao Bemafohy hanaitra ny malagasy hanokatra saina sy fijery toa ny filoha M.Ravalomanana, izaho somary kivy fa toa ny miresaka @ rivotra .Antany afa, notsidihako dia mihezaka mianatra anglisy indrindra ny tanora rehetra tena mihevitra hivoatra sy hanasoa ny tanindrazany.Tany Ouzbekistan dia mampitsiriritra ny mahita tanora mianatra anglisy, allemand ary koreana koa satria nosokafany mpitondra @ tany matanjaka ny firenena.Mba nanao io koa anie ny filoha M.Ravalomanana fa dia isika no dontony frantsay lava izao e!
    Isika tsirairay na mitambatra anarana no tsy maintsy maka andraikitra ahampafantatra ny fisiantsika malgasy , tonga saina izao fa alikainy frantsay foana:aparitaka erantany ny niseho ary asina « pj » raha misy. Madagascar ilay film foana no fantatry ny olona fa tsy ny nosy !!!!

  13. Hanampiako ny voalazako teo ambony dia tsy ratsy ny miteny frantsay fa mety mahasoa antsika kokoa ny milofo koa amin’ny teny anglisy.
    Fantatra izao fa ireo club maçonniques ao mada no tena francophile ao satria mbola mifandray be amin’i reny malala no mahazo tombony amin’izany.Raha mandinika ianareo ny tsotsoka anie malaza amin’ny tsy fahaizana tenim-pirenena hafa.

    Mifankatia be mihintsy ny club maçonniques gasy sy reny malala:

    http://youtu.be/-bjugZQ1I1E

    I Sandra dia tovovavy allemande miteny anglisy ohatran’ireo tanora allemands mianatra mahay teny anglisy.

  14. Kintana,

    Marina mahintsy ny voalazan’i dà ary hita sy heno etsy sy eroa izany na eto Mada na any an-kafa (Président Chirac, Président Zafy, Ratsiraka etc) fa ny an’ireto mpilela-b… ireto dia faniratsiràana fotsiny izao, tsy misy fanajàna. I Sans qualité iany no lazainy fa Président « de République de banane », régime lou, tsy mamokatra, bananier mal, tsy miteraka, manimba ny mangirôva !!!

  15. Fa ity Jeneraly Baomba ity koa no tena mahasorena tanteraka. Mba Jeneraly hono, fa tena miteniteny foana. Mahamenatra. Mba nianatra taiza ary ilay rangahy iny ? Ny an’ny olona izany hoe jeneraly izany, indrindra fa nivoaka tany Westpoint ohatra, dia tena olona manana ati-doha sy ny maha-izy azy ra-miaramila fa tsy poak’aty toy ny coco. Ny coco matoy mantsy tsara bika ivelany, saingy rehefa vakiana dia tsy misy na inona na inona ny afovoany anatiny.

  16. Ny Gasy ao Madà aloha dia tena hitako fa tsy nisy fivoarana depuis 2 siècles !
    Arriérés be ry zareo, tsy manaraka ny ritma ny Internasiônaly. Mampanahelo !
    Isaky ny mandeha Mada izaho, vao manitsaka ny Aéroporo dia toy ny « divorise » ataon’izy rehetra miverina mitondra ny NOM DE JEUNE FILLE-ko zà.
    Nividy « puce » (Tél Portable locale) izaho, manome ny CI-ko dia ny nom de jeune fille no ataony @ facture.
    Manakalo Devise any @ Banque izaho dia ny nom de jeune fille no soratany ao @ papier. Ny compte bancaire-ko ataony @ nom de jeune fille !
    Tena arriéré be ny Gasy ao Mada ao ka tsy mahagaga ahy raha tsy tafavoaka ny firenena fa na izany « nom d’usage » izany ara tsy henony hatran’izay niainany. Tena vendrana tsy misy ilàna azy mahintsy, illettrés daoly nefa mizihitra ery !

  17. Marina mihintsy ilay voalazanao etsy ambony ry Bemafohy.
    Kintana sy Baby!tsy haiko aloha na iza no manana ny marina @’
    ilay fomba fiteny fa izaho dia atsy mahatoky raha tsy ilay olona lazainy fa niteny no HENOKO,
    efa tsy misy azo ahatokisana intsony izao ny  » a » mety ho lasa « 0 » ,ny ela hono maharay roa,
    koa io no hitakiako ilay Video fa tsy haiko naninona tato ho ato tsy nisy Video intsony?????

    Milay2fona! mba misy fanontaniana kely hoe: fa gasy avy aiza ianao mba miseho ho manambany
    ny Gasy io?????
    dia illetrės @ teny inona ity tianao hotsaratsaraina eto????raha ny @ teny frantsay mantsy dia hataoko
    fa efa voavalin’i Bemafohy MAZAVA TSARA IO AMBONY IO ny momba ilay frantsay tsy mahatonga aiza
    akory fa vao maika mandetika any @ FANJANAHAN’I Frantsay.
    Ary tsy ianao irery no mahavidy Puce na manana devise hatakalo any @ banky na compte @ banky sns
    na ilay voalohany mba Gasy mipetraka an-dafy ka miseho ho inona ery izato izy ???hita mihintsy ianao fa
    tapoany mba nanana ireo zavatra KELY tsy misy dikany ireo ka miseho manambany ny Gasy mitovy aminao
    ery,dia izay mba fanananao kely an’ireo ve no hamingavinganao ny Gasy toy izao e!!!tsoriko aminao fa misy
    manana fari-pahaizana be lavitra noho ny Gasy mipetraka aty an-dafy ny gasy ao DAGO ao.
    Aza mba miseho inona fa mbola tsy dia lasa lavitra raha izay toetsaina toy izao hanananao izao.
    Gasy ianao ary tsy ho vazaha na oviana na hoviana ,tokony teneninao izy ireo rehefa tsy hainy fa tsy izany no
    mba hambaniana olona tahaka izao hataonao izao.toa efa azoko an-tsaina sahady ny olona toa anao!!!!!

  18. Petite ballade dominicale « en arrière » ! Le dimanche 21 décembre 2008, partout le calme régnait et les gens pensaient à Noël.
    Y en a qui se ballade en musique ! Mousta mousta !!! MDR
    Le domelina avait débarqué 2 ou 3 jours auparavant ( le jeudi me semble-t-il ) avec sa famille, pour mettre au point son coup !

  19. Après le calme, vint le chaos ! Une variété de mammifères ( fouza-ouranus ) a fait son apparition !
    Attention les dégâts !!!

  20. Njara! heverinao fa tsy nangirifiry t@ Roandefo ilay vola keliny 150.000 FMG
    tao @ kontiny sisa talohan’iny FANONGANAM-PANJAKANA iny koa nahoana
    izy no tsy HIFITSAKA tsara rehefa nahazo……….mofo mamy????????
    Araka ny fahitako ilay tantara t@ asabotsy iny dia tao ny nalahelo sns fa tao ihany koa ny DISO FANANTENANA
    satria nisy nanantena mafy fa izay no vita ny @ dada satria efa vita daholo ny TETIKA rehetra hanatanterahany
    izany na FAMONOANA io na FISAMBORANA VELONA ho pozinina ohatra andry Charles sy Kottiti. Aza mba loha-
    poza ihany oah!!i Voninahitsy moa dia namoaka vava mihintsy fa hoe: na izy ihany aza dia efa afaka mamono an’i
    dada dia ho hailiny @ domelina dia mazava ho azy fa HALAINY MORA2 NY TOERANY!!!!!!izany no zavamisy.

  21. Ary niasa be mangingiana tao i Kintana a! tiako be ilay hira @
    Video voalohany io , ilay hira voalohany,ary hitanao daholo ny
    helakelatranon’Antananarivo izany an!!
    Ilay video voalohany sy farany ihany no mandeha Kintana a!tsy haiko indray raha maninona nefa ianao aza mba
    serina ery nikarakara irery tao.

  22. Mampalahelo kely ê ! Asa efa lazondazony angamba ka tsy mahita firy intsony « ny maso » !
    Hi hi hi !!

  23. Mbola averiko ihany tsy mila an’i Ravalo mada,olona vendrana sady tsy mahay mitantana firenena ,il mélange ses affaires privés avec celui de l’etat mada,faly ery lay gasy kely saina mahita magasin magro sy jet privé an’i Ravalo,Njerevo reo mercenaires marobe afrique du sud netiny Ravalo tao mada ,taminy 2002 aloha ny garde corps efa vazaha daholo ,garde présidentiel vazaha avy ao Afrique(israelien) taminy 2009 feno mainty avy ao @sadc niaraka @emmoreg nanao représsion any vahoaka sns….aloha miteny olona dia mba jereo koa taminy fitondrany Ravalo fa samy olona tsy medrika mitondra firenena na Ravalo na tgv.Manao bizness ihany no mety anizy roalohy.

  24. Miantso ny rehetra hiray hina sy hiezaka hanao ny zavatra nolazain’i Alidera mikasika ny sary ato :
    http://mydago.com/2012/01/26-janoary-2009-rajoelina-andry-no-tomponantoka/
    Hoy i AlideraAR mantsy :

    Alidera A.R. dit :
    27 janvier 2012 à 1 h 51 min

    « Jereo tsara ny sarin’io vehivavy bevohoka io! Jereo tsara!

    Raha tsy diso aho ary raha tsara ny fitadidiako dia rehefa vita izao zavatra izao dia nafenin’i Pape Benoit XVI sy ny église-ny tao aminy rajoelina izay vao nandeha tany amin’ny ambasady frantsay!

    Mazava ny zavatra azo atao momba an’izao!
    ANtotay ireo sary ireo dia asio fanazavana ary aparitaho
    – eran’ny boîtes aux lettres izay misy anareo, dabiliom-pianarana (fac, lycée…),
    – ny latabatry ny mpiara-miasa, eny amin’ny sezan’ny fiangonana rehetra (indrindra fa ny église catholique)!
    – Azo atao izany ary efa nolazaiko tamin’ny androny! »

  25. ny Frantay no fototry ny olana eto eh :
    http://allafrica.com/stories/201201270077.html
    In Madagascar, SADC’s efforts are currently being undermined by France, the island’s former colonial rulers. The troika countries have evidence that Rajoelina is working with Paris, Madagascar’s Army Chief of Staff General Andre Ndriarijaona, and the commander of the Gendarmerie (police), Bruno Razafindrako, to deny Ravalomanana his right to re-enter the country.
    On 21 January, the day Ravalomanana attempted his quixotic return, Rajoelina attempted to persuade SADC to delay his arrival for three months.
    At the same time, France commenced its own intense lobbying in other international bodies to keep Ravalomanana from the country. The aim of these delays appears to be to prevent Ravalomanana – who continues to command significant popular support on the island – from being in Madagascar when an election is held under the terms of a transition agreed to last year.
    Security services in the region say they are aware of a 6-point strategy devised by Paris and Antananarivo to prevent Ravalomanana from returning. According to these sources, Rajoelina, his heads of security and France decided to:
    • Deploy security forces loyal to Rajoelina inside the Ivato International Airport in Antananarivo.
    • Deploy Rajoelina supporters outside the airport to antagonise and destabilise the estimated 100 000 Ravalomanana supported expected at the airport to welcome him home.
    • Issue statements threatening the Ravalomanana supporters with arrest.
    • Threaten to arrest Ravalomanana on arrival.
    • Lobby the international community to persuade SADC not to allow Ravalomanana back.
    • As a last resort, issue a Notice to All Airmen (NOTAM) to deny landing rights to all airlines. This effectively closed down the country’s airspace.
    Anticipating an unfavourable reaction by SADC to these manoeuvres, Antananarivo hastily issued a statement on Saturday justifying its actions. In it, Rajoelina’s government denied turning the South African AirLink flight back and instead blamed the decision on the flight’s captain, who it said had chosen to go back to Johannesburg after being informed the authorities would execute the arrest warrant against his most famous passenger.

  26. A t on besoin d’autres temoignages pour prouver la presence de mercenaires etrangers qui interviennent pour le compte de la HAT ?

  27. Misaotra ny TVplus ary indrindra ianao koa ry Njara!izao no vao2
    handrasan’ny maro izay ela be izay,ny marina !!!ny marina!!!
    Mino aho fa efa tonga any @ tompon’andraikitra isany any itony
    zavatra itony.Aza avela hisy ho very maina ny zavatra rehetra nandalo fa hiraikitra daholo ,ho
    avy ny andro tsy maintsy hamoahana ireny na an-tsary na an-tsoratra.Fotoana mbola nanjakazakany
    mihintsy t@ireny fotoana ireny ,mbola nanao izay tiany natao mihintsy izy,saingy misy farany ny zavatra
    rehetra ka efa eo am-pamaranana azy isika izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *