Tapitra omaly ny fotoam-pialan-tsasatry ny Fitsarana. Na izany aza, dia namoaka fanambarana ny sendikan’ny mpitsara (SMM), fa tsy afaka hanao ny « service minimum » izy ireo ary mbola hanohy ny fitokonany. Ny anton’izany, araka ny fanambarany ihany, dia tsy fitokonana fotsiny no ataony ankehitriny fa hetsika fanairana ny tompon’andraikitra amin’ny tsy fananan’ny mpitsara antoka intsony fa ho voaaro ny ainy.

Eo rahateo ny fanatanterahany ny asany manoloana ny fikomiana sy ny famonoana feno habibiana ny namany, izay nataon’ny andiana polisy tany Toliara, ny 09 desambra 2011 lasa teo. Zon’ny tsirairay ny miaro ny tenany mba tsy hianjadian’ny loza mety hahazo azy izay mitarika fahafatesana, na « droit de retrait ».

Nanamafy hatrany ny SMM fa ny tranga nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel, dia manaporofo ny fahaverezan’ny hasin’ny Fitsarana. Vahaolana aroson’izy ireo ny hikarakara « Etats Généraux de la Justice », izay handinihanan sy handraisana ireo fepetra rehetra hanamafisana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana, izay antoky ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Nambarany ihany koa fa vonona ny sendikà hidinika amin’ny fitondrana mahefa ho fanahatanterahana an’ireo fepetra rehetra ireo, hamerenana ny hasin’ny Fitsarana sy ny fahaleovantenany, izay fototra ijoroan’ny fanjakana tan-dalàna.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Mbola mitohy ny filma , mivonona hatrany amin’ny fitsenana !
  2. Alina farany any am-ponja ho azy telo mirahalahy ve ny anio ?
  3. Miato kely ny eny kianja fa mitohy ny dinika ambony latabatra !
  4. Eny Anosy
  5. Mitohy ny tolona

16 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Izao no zavatra mba tsy azoko : Fa angaha ianareo ireo ihany amin’izao fotoana izao no hiaran’ny sotasota sy ny zavatra ratsy nateraky ny fanonganam-panjakàna ?
    Ireny mpivarotra, mpamboly, saofera-n’na taxi, taxi brousse, na olon-tsotra izao aza, ireny maty rehetra atramin’izay ireny, OLOMBELONA IZY IRENY SA ALIKA NA KISOA ?????
    REHEFA MBA HOE MPITSARA DIA AMPIASAO « TSARA » NY LOHA FA AZA DIA TIA TENA LAOTRA Ê !!!
    RAHA DOKOTERA MPITSABO IANAREO DIA TOA HO BE NY MATIN’NY ARETINA, SATRIA IANAREO TOA HATAHOTRA MIKRÔBA !!!
    RAISO NY TENA ANDRAIKITRA TOKONY HO RAISINAREO Ê !!! HASIN’NY FITSARANA IZANY EFA ELA NO VERY RAHA NOHEKENAREO NY FANONGANAM-PANJAKÀNA !
    Inona ao amin’ny CSM ilay domelina ? Matoa tsy misy manara-dalàna intsony dia ao dia ao koa, ny FAHADISOANA NATAONAREO !!! Tsy ny miaramila ihany no homena tsiny na ny paolisy !!
    IL VAUT MIEUX TARD QUE JAMAIS, MAIS LES BREBIS GALEUSES NE POURRONT PAS SE DEFILER COMME SI DE RIEN N’ETAIT !!!

  • Bemafohy dit :

    Jereo anie ireto izy (mpitsara), mandimandina ny tarehin’izy mianakavy satria mandeha ny afera e!Vokisan’ireo mpandraharaha sasany (na gasy,na karana)dia mandray.Aleo ho any e!marikoriko.

  • ranavalona dit :

    Saosy ireo e! efa manifinify ny saosy fa tsy mibanaka toa ny taloha intsony dia izao.
    Firifiry ny zavatra sy rariny nataon’ireo mpitsara ireo nefa dia modiana tsy hita???
    ka izao no mahita fa hay » misy ny tsy rariny ao?? » rehefa azy ireo dia voromanga fa rehefa an’ny hafa dia
    voron-dolo. Tia tena daholo tsy mijery afa sy ny tombotsoany k’aiza no hisy zavatra vanona???ireo izay mba
    hantenain-kaniry no toa vao maika mampivandravandra.Aza hidirana lalina fa azy ny azy.

  • rafidy dit :

    Raha mafybe ireo mpitsara ireo. esorina teo aloha ikala Mpamosavy Razanakisoa christine io e!

  • ranavalona dit :

    Dia izay mihintsy anie no tsy azoko @’ity raharaha ity e!!efa mba nisy ve fitakiana ny hialan’i
    kala mpams zanakisoa mpiandry kisoa io??????izay no lazaiko fa tombotsoan’ireo no tadiaviny
    fa tsy ny hoa n’i daholobe ka aza hidirana lalina fa azy ny azy,izay hifanosehany eo!!samia vaky loha ao daholo e!!
    dia harovy tsara ny paosinareo fa avelao ny valalabe mandry hijaly hanjakan’ny tsy rariny hatrany e!!!dia avelao koa
    dadanay ho sambosamborina toy ny valala fa aza mandray andraikitra sao maty antoka ianareo e!!MAHARIKORIKO
    ilay toesaina oah!!!

  • Faucon de Dago dit :

    Tsy dia mahira-tsaina loatra ireto mpitsara ireto. Raha ny marina dia Bac série A2 no ankabeazan’izy ireo. Manaraka izany, ny mpitsara sy ny polisy no tena corrompus eto Madagascar araka ny fanadihadina mari-potitra izay natao, dia izy ireo indray izao no miady kanefa tokony hifankatia tahaka ny mpisotro toaka. Mirefarefa amin’ny tany iry zalahy ireo e!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny miaramila nahavita Fanonganam-panjakàna, NY HOMMES (SY FEMMES) DE LOI NAHAVITA NANKASITRAKA !!

    MITSARA ANAREO NY VAHOAKA IZAO, ARY MBA HAINOY IHANY IZAY LAZAINY !!! RAHA TENA TIA TANINDRAZANA IANAREO DIA MANDEHANA MANKENY AMBOHIJATOVO, MIJERY SY MITSANGANA HO VAVOLOM-BELONA, ARY HITANTARA AMIN’IZAO TONTOLO IZAO FA TSY MISY IZANY DEMÔKRASIA IZANY AO MADAGASIKARA !!!!
    FANTATRAREO TSARA IZANY NY HILÀVANA AN’IZANY ATAO HOE « VAVOLOM-BELONA » IZANY !!!
    FENO MIARAMILA ENY AMBOHIJATOVO !!
    SAHIA MANOTRONA ARY MIARO NY VAHOAKA, FA NY VAHOAKA NO MBOLA MANOME NY KARAMANAREO !! SA DIA TENA VOKIN’NY RISORISO MARINA IANAREO ????

  • ranavalona dit :

    Voky izy dia natory o!!raha nandray ny andraikiny ireo izay ela izay dia tsy ho
    toy izao ny niafaran’ity firenena ity ,fa ireo no tena iray tsikombakomba t@ ratsy nandetika an’i Dago
    toy izao ka tsy haiko inona no mbola tadiavin’izy ireo izao ity???

  • Dénise dit :

    Nahafinaritra ny nahita omaly ireo mpitandro ny filaminana nanao fanazaran-tena hisamborana ireo miditra tsy mahazo alalana ato an-tanindrazana, na ireo tonga tsy nantsoina nasesiky ny razana, mitolo-batana satria nahavita heloka be vava. Tena tsara ilay fanazaran-tena, ka ny irariana dia ny hoe mba ho tonga tokoa anie i Valo, ka ampiaharina aminy mivantana ilay fanazaran-tena. Ny tena fanirian’ny vahoaka aza dia hoe tokony alefa mivantana amin’ny fahitalavitra izany fisamborana an’i Valo izany. Ho faly ny rehetra satria ho voasambotra ilay mpanakorontana gaigy lahy.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tananews.

    « Puisqu’on parle de corruption, nous sommes prêts à tout divulguer, mais que chaque partie concernant (ou plutôt concernée) en assume les conséquences », dixit Auguste Marius Arnaud du SMM !

    Et moi je dis, mais vous attendez quoi pour le faire ? Faut-il vous rappeler que « Toute non-dénonciation de crimes » N’EST RIEN D’AUTRE QU’UN autre CRIME ? Vous voulez faire chanter qui, puisque le chantage est également punissable de par la Loi ?

  • Neninoro dit :

    Je suis blasée, écoeurée de ces magistrats!

    Il a fallu cette histoire entre eux et la police pour qu’ils réagissent, alors que, depuis janvier 2009; des personnes ont été tuées, bléssées, dépossédées de leur biens, injustement emprisonnées, et j’en passe!!!

    Ils se soucient de « leur » sécurité et s’en fichent éperdument de « ceux » du peuple.

    Ils n’ont pas réagi, n’ont pas bougé, même pas un cil! Avec leur chef l’horrible Christine Razanamaha-ratsy, ils se sont tous aussi responsables de cette situation qui prévaut à Mada!

    D’ailleurs la majorité sont tous des corrompus!

  • rama dit :

    Hafa ihany ny taloha e : ny « VAHOAKA NO MITSARA » fa tsy toy itony mpiatsara-hivelatsihy itony ; ny tena andrasan’ireo mpitsara anie dia « vola » e nefa i domelina tsy manana intsony dia mody mananinanina aloha mandram-pahahitan’i domelina vola e

  • verbeeck dit :

    Efa betsaka izay maty noho ny nataon’io DJ io zay ary efa betsaka koa zay fitoriana natao izay(fijoroana vavolombelona nataon’i Charles… Ny resaka bois de roses sns…) inn no mba hetsika nataon’ireo mpitsara ireo???… kanefa mou mba mihetsika izy zao mieux vaut tard que jamais ka noho izany dia esory eo Razanakisoa,,, lazao ho ren’ny vahoaka nodontoina fa fitsaràna foza ireny didim-pitsaràna navoaka fahatany contre Ravalomanana ireny dia mety mba hino an’ireo ihany izahay!

  • vahoaka dit :

    Manaova grevy eo foana fa iza no ho very fihinanana? Ny bizn ataonareo amin’ny vahoaka malagasy ange no maha-bolangina anareo e!!!! Ny aferanareo ange raha kely indrindra 1 million par jour e!!! ianareo indray no toa miana-kendry eo!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mba menatra ry Mpitsara isany ! Izao ianareo hifiran-dry foza be sinion rehefa avy nanampy an’ilay jiolahimboto tsy vanona, nitondra fahoriana ho an’ny vahoaka malagasy !
    TADIDIO FA IANREO NO TENA ANISAN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA TAMIN’IZAY ZAVATRA NITRANGA REHETRA ATRAMIN’NY 2009, ARY MBOLA HO TOMPON’ANDRAIKITRA IHANY KOA AMIN’IZAY ZAVATRA METY HITRANGA ATO HO ATO RAHATOA KA MISY ZAVATRA RATSY HITRANGA EO ANIVON’NY FIRENENA !!
    DIDIM-PITSARANA TSY TOKONY NAVAOKANAREO SATRIA TSY MANANA FAHEFANA HITSARA AN’NY FILOHA RAVALOMANANA IANAREO, NO HARANGARANGA AN’IREO TSY VALAHARA IREO !!
    ZO-NAY KOA NY MBOLA HITORY ANAREO INDRAY ANDRO ANY !!!
    TSY HOE REHEFA MPITSARA IANAREO DIA TSY AZO HENJEHANA !!!

  • ranavalona dit :

    Zay !zay ilay izy!avoahay daholo fa izany mihintsy no izy!
    Mpitsara vilana! mpitsara miatsara ivelatsia!mpitsara fa mbola ho tsaraina!
    mpitsara mivaro-tena @ izao dondrona sy domelina tsy nahita sy nahalala izany fianarana ho mpitsara izany akory,
    mpitsara mivarotra ny fahaizany @ olona tsy nadiha in-1 mandeha teny @ serasera akory,mpitsara jamban’ny taola-
    POZA,ka faly mikarepoka fotsiny fa tsy diniany ny VOKANY aty afara.Avelao hikepoka ny azony eo dia ho hitany ny
    vokany. Vola no andrasan’ireo fa angaha tsy ho ritra ny voan-kazo an’ala???ny vola efa notaomin’i domelina any
    Paris t@ valizy f’angaha misy azo raisina ao raha sy mivaro-tra indray,Mialy koa efa vizana tsy mahaovoka firy ny
    menasofina efa maimbo ka tsy dia hita firy hividy an’i kala Mialy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site