Afa-pahasahiranana ny mponina amin’ny fakana taratasy eny amin’ny fokontany Bemasoandro, any amin’iny faritra Imerintsiatosika iny.  Nofaranana ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana ny  soritr’asa iombonana iarahana amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ka ny solombavambahoaka teo aloha, Rakotomanjato Rodin, izay voafidy tany amin’iny faritra Arivonimamo iny no nisolo tena tamin’izany. Fandokoana ny biraom-pokontany sy ny fanaovana ny lakan-drano manodidina no notontosaina tamin’io fotoana io. Nanampy tamin’ny famitana ity biraom-pokontany ityio solombavambahoaka io, tamin’ny alàlan’ny fanolorana tafo fanitso sy loko nentina nandokoana ny trano.

Raha nandray fitenenana ity olom-boafidy teo aloha ity, dia naneho ny hafaliany noho ny fahitana ny firaisan-kinan’ireo fokonolona amin’ny fanatanterahana ny asa. “ Mbola tsy nivarotra ny samboadiko tamin’ny mpanongam-panjakana aho, ary ny maha depiote ahy no ahafantaran’ny vahoaka ny tenako”, hoy ny fanazavany . Ny CST sy CT, hoy izy, dia mihinana ny hatsembohan’ny vahoaka fotsiny ary ady karama no misy ao. Tao anatin’ny telo taona, hono, dia tapitra ny volam-bahoaka ka tsy nisy intsony ny “kit scolaire” hanampiana ny mpianatra. Nanafatra ny sefom-pokontany sy ny mpiara-miasa aminy ny tenany mba handrindra ny fitantanana ny fokontany. Manomboka izao, hoy izy, dia tokony hisokatra isan’andro ny biraom-pokontany,raha intelo isan-kerinandro izany teo aloha, mba tsy ho sahirana ny olona amin’ny fakana ny taratasy ilainy. Nanome toky ihany koa ny olom-boafidy Rodin fa hiantoka ny seza, latabatra ary lalimoara hampiasaina ao amin’ity biraom-pontanin’i Bemasoandro Imerintsiatosika ity, mba hahafahana miasa ara-dalàna. Ny sefom-pokontany kosa dia naneho fisaorana ho an’ ny solombavambahoaka Rodin sy ny antoko Tim, tamin’ny fanatanterahana ny asa. Mahatsapa izahay, hoy izy, fa zava-dehibe ny zavatra nataonao taty amin’ny faritra Imerintsiatosika sy ny manodidina, ka mbola vonona hanohana anao hatrany izahay. Marihina fa efa an-dàlam-pahavitana ihany koa ny kianja filalaovam-baolina any an-toerana. Miandrandra ny fahatongavan’ny filoha  Ravalomanana haingana eto an-tanindrazana ny vahoakan’i Bemasoandro, mba hanala ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Tsy hadinon’ireto mponina ireto  koa ny  nanolotra fanomezana ho an’ ny olom-boafidy Rodin, amin’ny maha asaramanitra ny andro.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Vidéo – Député Rakotomanjato Rodin 03 dec 10
  2. Video – Dep Rodin au Magro 04/01/2010
  3. Video dep Rodin Rakotomanjato, Magro 25 Juillet 11
  4. Iza no mbola misalasala? Iza ireo mbola sahy mandainga ? Ny malagasy dia volamena latsaka am-bovoka ka mamiratra foana satria miaina amin’ny fahamarinana
  5. Vidéo-Dép Rodin Magro 11 oct

4 Comments

  • verbeeck dit :

    Mendri-piderana mihintsy enao ry Ngahy Député Rodin satria asehonao fa ny miaraka @ filoha Ravalomanana ihany no azo antenaina eto ahavitan-javatra sisan’zay resa-poza fotsiny!

  • lilinoi dit :

    Ny olona maro tahaka anao Atoa Rodin miaraka miasa amin’ny Filoha Ravalomanana no hatafita haingana an’i Madagasikara.

  • bako dit :

    Ary rahoviana no hiala ao @ gouvernement Beriziky ny mouvance Ravalomanana é?

    HATRAmin’izao rizareo ao foana ,ny mouvance Zafy mitarika ny olona ao aminy hiala nefa izy ihany no nametraka an’i Beriziky teo .Toa tsy mahatapaka n’inona 2 akory ty Beriziky ,tsy hay intsony zay marina ,toa samy manao izay tiany ,ho avy Ravalomanana efa ho telo taona no naharenesanA izany fa dia miandry an’i Poly foana le vahoka mampalahelo§
    Ny CT-CST ,miletra sy manao fety miaraka amindradomelina mandritry ny efa andro nefa ny vahaoka efa tsy mahita harapaka!Dia ho aiza ihany isika ity ???

  • Babyfoot dit :

    Miombon-kevitre @ Bako zà fa sao dia mampandry valala fotsiny ireto lehiben’i ankolafy Zafy, Ravalomanana ireto. Ny ankolafy Ratsy Iraka mou tsy lazaina intsony !
    Tokony ho malina iany ny vahoaka tsy mandady harona fa mandady ny TRAMBO !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site