Tanora Zafy Albert : tsy izy ny Fat

Tanora Zafy (1)

Nitondra ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, tamin’ny mpanao gazety omaly, ny Tanora Ankolafy Zafy Albert, teny amin’ny villa Elisabeth. Nambaran’Andriamatoa Tombondrazana Dominique, filoha mpitarika ny Tanora Zafy Albert, fa fototra politika no nahatonga izao krizy iainan’ny firenena izao, noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Potika ny toekarena malagasy, hoy izy, satria natao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Anisan’izany ny fangalarana ny andramena, ny fanondranana an-tsokosoko volamena, sns. Mikatona ny orinasa afaka aba ka mahatonga ny fitotonganan’ny toekarena. « Mampiesona sy mampirevy » fotsiny no ataon’ny filohan’ny FAT, hoy ny fanazavana.

Nambaran’Andriamatoa Dominique ihany koa fa tsy misy vahaolana afa-tsy ny foto-kevitra ijoroan’ny Ankolafy Zafy Albert ihany. Vonona handray an-tànana ny fanarenana ny firenena izay nopotehin-dRajoelina izy ireo. Mikasika ny fanakanana ny filoha teo aloha Ravalomanana dia ny fanajana ny soatoavina malagasy no olana ho an-dRajoelina, hoy ireto tanora Zafy Albert ireto. Nanao sonia ny Tondro Zotra ny tenany, kanefa tsy notanterahiny izany, indrindra fa ny voalazan’ny andininy faha20, fa izy indray no misakana. Noho izany dia tsy mendrika hitondra firenena ny olona tahaka izany.

Momba ny hetsika fanaterana voninkazo etsy Ambohinjatovo amin’ny 17 Janoary izao,izay hataon’ny Ankolafy Zafy , dia nambaran’izy ireo fa handray anjara feno amin’ny izany ny Tanora Zafy. Ankoatra izay, ho an’ny Tanora Zafy, dia fandaniam-bolam-panjakana fotsiny ny lanonana fifampiarahabana mandritra ny efatra andro, eny Iavoloha, satria ny vahoaka malagasy mahantra sy sahirana.

Mitaky ihany koa izy ireo ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy malagasy, mba hivoahana amin’izao krizy izao. Hentitra ny filohan’ny Tanora Zafy, Albert Dominique, raha nilaza fa mpisandoka ireo mitonona ho Tanora Ankolafy Zafy any ambadika any. Tsy nahazo alàlana tamin’ny mpitarika izy ireny ary tsy nanana andraikitra tao anatin’ny Tanora Zafy.

9 pensées sur “Tanora Zafy Albert : tsy izy ny Fat”

  1. Mahazo mitanisa daholo izay hitanisa fa « misy mihaino? ».
    henoy izany ry hazon-damosiko!!iza no hitenenanareo eo e?
    asa hatao fa tsy kabary lava izao,tereo Beriziky fa tompon’andraikitra tsara mihintsy izy @
    fanarenana sy fampiharana ilay tondrozotra fa rehefa tsy izay dia mbola Bla!bla! ka toa sady
    mandatsa fotsiny no mapivonto FO!tereo izy Sitomy ny sofiny rehefa be marenina fa zoanareo
    izany fa anareo io PM io.

  2. Izao anie no tena hilan’ny sasany an’i TGV e!Matimatin’ny laza ohatran’izao ny gasy firinga mihevitra. Ny an’ny sasany aza asaina amin’ny mariazy mihintsy i TGV nefa efa hita izao fa jiolahim-boto fa ny mikoty dia ilay hoe tany amin’ny mariazin’ny zanakay ny filohan’ny HAT.Tena tia kely isika.

  3. Bemafohy
    Tratry ny taona ry Dahy a!ny vao2 dia sady mampalahelo no mampivonto FO!
    Dia miesona! dia miesona! ,maizina ampototry ny mazava daholo.Fo feno halahelo
    no nentina nody koa inona moa??

  4. Marina mihintsy ny anao Ranavalona fa tsy mbola leo ihany ve izy ireo nandritrin’ny telo taona nikabary foana e , moa ve efa mba nisy nihaino , koa manomboka anio asa re atao fa tsy misy mihaino anie ianareo e , ary afaka 11 volana sy tapany indray anie dia ho tapitra ny taona 2012 e

  5. Mitovy fijery mihintsy i bavy ranavalona sy ny tenako !

    Tsy hoe fanomezana « vahana » an’ireto Foza maimbo ireto sanatria, fa aza gaga ary tokony hieritreritra isika izay MIHAINA AO ANATIN’IZANY DEMÔKRASIA IZANY !!!
    Moa ve laojiky amin’ny lalanam-piainana izao zavatra hianantsika izao, ary tokony hieretàna na dia mampijaly sy mavesatra dia mavesatra aza ?
    Vao avy nanatrika fihaonambe ny tenako teo, fifampiarahabàna satria mba samy tratrin’ny taona vaovao daholo !!
    Nahery vaika daholo ny kabary rehetra, ary raha fintinina dia ZERO MANATODY ny zavatra vitan’ingahy Sarkozy sy ny akamany, ary ho maizina ato ho ato ny hoavin’ny ny vahaoka frantsay !
    Tsy ho tanisaina etoana izay voalaza rehetra fa dia ny Triple A very, no lasa votoanton-dresaka ; teo ihany koa ny resaka momban’ny tsy fitiavan’ny « mpitondra » eraopana rehetra an’ingahy Sarkozy !
    Fotoana izao ry zareo mba HITSANGANANA Â !
    MANAINGA NY REHETRA IZAY AFAKA MIFIDY AMIN’NY 22 AVRIL, ALEFASO ANY AN-DAVAKA ANY IO OLONA IO ! MANANA SAFIDY IANAREO ARY NY SAFIDINAREO HO ZAVA-DEHIBE AMIN’NY HOAVIN’NY FIRENENA MALAGASY !
    Izay tezitra tsy maninona fa izaho manokana tsy ho foza velively ; ô ry ‘lay Mamy, AZA FITAHAN’IALAHISANY NY VAHOAKA ! NY TELEFAONINA TSY VOATERY HO ARABO IHANY, FA METY HO GASY IHANY KOA !!! TANDREMO FA NY FIKA REHETRA, METY HIFOTOTRA ANY AMIN ‘ « IALAHY » INDRAY ANDRO ANY !!! MBA KÔZY AN’IZANY !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *