Tsy mbola vonona amin’ny fifidianana ny Malagasy

My beautiful picture

Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana, manomboka ny alatsinainy 09 Janoary 2012 izao, ny rafitra mpanao lalàna roa tonta, araka ny tapaka teo anivon’ny filan-kevitry ny ministra farany teo. Voalaza fa ny mikasika ny fifidianana sy ny CENI, ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra, ny lalàm-pifidianana no dinihina amin’izany, mandritra ny 12 andro. Samy manana ny heviny ny mpanao politika mikasika izany. Ho an’ny mpikambana ao anatin’ny Kongresin’ny tetezamita, Ravelonanosy Mamitiana ,Ankolafy Ravalomanana, raha tafaresaka taminay omaly, dia tsy misy antoko mpanohitra eto amintsika, satria misy ny fiaraha-mitantana ny tetezamita. Raha ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra, hoy izy, no voapetraka alohan’ny lalàm-panorenana dia mandeha ila izany. Mikasika ny lalàm-pifidianana dia tsy mbola misy akory eto ny lalàm-panorenana, izay lalàna fototra. Eto aloha, hoy ity mpanao politika ity, dia ny tondrozotra no lalàna hiaingana. Noho izany dia tokony hajoro aloha ny lalàm-panorenana, ireo lalàna samihafa izay hitondra ho an’ny amin’ny fifidianana, izay vao hatao ny lalàm-pifidianana. Tsy tokony hahamaika izany fifidianana izany, hoy izy, raha tsy mipetraka tsara ny CENI tena eken’ny rehetra, mba hisian’ny fifidianana marina ary azo antoka hampandroso ny firenena. Hatramin’izay dia ny fifidianana foana no nipoiran’ny olana sy ny krizy. Noho izany raha hamaha olana amin’ny fotoana lavabe isika dia ny lalàm-panorenana atao tsara.

Fizotry ny tolona

Nisy hatrany ny paik’ady nitondrana ny tolona, hoy Ravelonanosy Mamitiana, na tamin’ny 2009 ka hatramin’izao. Nisy ny fiovana teo amin’izay paik’ady izay, satria niditra tamin’ilay antsoina hoe drafitra “B” isika, dia ny fanaovana sonia ny ravin-dàlana tamin’ny taon-dasa. Nanao sonia izany ny Ankolafy Ravalomanana , ary hatreto dia manaja hatrany izay sonia nataony. Tsy midika akory hoe mankasitraka ny ataon’ny mpitondra, fa ny fanatanterahana ny ravin-dàlana dia mlaza fa Rajoelina no filohan’ny tetezamita, ary ireo olom-boatendry ireo no mitondra ny tetezamita. Amin’izao fotoana izao, hoy i Mamitiana, dia manaraka ny voalazan’ny ravin-dàlana ny Ankolafy Ravalomanana, saingy eto dia miandry ny Ankolafy ny amin’ny hoe ahoana no hahafahana manatanteraka antsakany sy andavany, izay voalaza ao amin’ny ravin-dàlana. Ny zavatra voalohany hita eto, hoy izy , dia toa ezahina hapetraka ny rafitra mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena haingana dia haingana. Hatreto anefa dia tsy tonga ny fankatoavana iraisam-pirenena, satria ny fifidianana no ahazoana izany, raha any amin’ny tany rehetra misy fanonganam-panjakana amin’izao fotoana izao. Ny eto Madagasikara ,hoy ity olomboafidy teo aloha ity, dia tsy afaka hanao fifidianana izany isika raha tsy misy aloha ny fitoniana politika, ary malalaka ny sehatra ahafahana miteny. Ankoatra izay dia tokony ho efa voatsangana ihany koa ny rafitra, izany hoe ny lalàm-panorenana sy ny lalàm-pifidianana. Ary raha ampidirina ao anaty Tondro Zotra ny lalàm-panorenena dia misy zavatra be dia be hifanohitra ao. Ohatra amin’izany, hono, ny hoe afaka mandrava ny andrim-panjakana ny filoham-pirenena. Any amin’ny ravin-dàlana anefa, dia ny filoha voatendry hitondra ny tetezamita dia tsy afaka mandrava ny andrim-panjakana. Na eo amin’ireo rafitra mijoro ankehitriny aza, hoy ity mpanao politika ity, dia somary manana fahasahiranana. Noho izany dia tsy vonona amin’ny fifidianana ny vahoaka malagasy. Ankehitriny, hoy izy, dia hita fa tsy manam-piniavana hamoaka ny gadra poitika sy hamerina ny filoha teo aloha Ravalomanana ingahy Rajoelina.

 

7 pensées sur “Tsy mbola vonona amin’ny fifidianana ny Malagasy”

  1. Sady tsy misy fifidianana raikitra eto raha tsy mody Dada mandray anjara @ filatsahana satria izy no ho lany à 99% eo. Amiko efa betsaka ny fahavalon’io FAT io @’zao fotoana izao ka na ho ela na ho haingana lasa valalan’amboa io ka na ny mpnohana azy efa tsy tia intsony de malalaka ho azy ny handraisan’i Dada ny rehetra. Ny ahy de tsotra: resaka « patience » no tadiavina amintsika fa aza mora kivy, efa aty amintsika zanak’i Dada ny baolina. Misy antony matoa ampihaonina any Afrika Atsimo ry zareo: any no anamboarana ny sain’i domelina ny mba tsy halahelo @ fampidirana an’i Dada. Efa vitan’ny Firenena mikambana ny « sondage » fa 1% n’ny vahoaka gasy ihany no pour an’i Domelina, izany hoe 10 % n’ny mpifidy ihany. Na ato @ internet de hita sahady fa 0,9% ny manohana azy. Eny eh, mety misy diso kely io estimation io satria ny ankabeazan’ny gasy tsy mahazo internet, nefa io azo itarafana fa efa rendrika ny sambom-poza. Manaraka an’i Sarko hazo boboka io domelina io: efa tsisy espoir. Matokisa ry Zanak’i Dada… Coooouuuuuurrrrrrrrrraaaageeeeee!

  2. Manao ahoana daholo ry mpitolona rehetra,

    TERMINATOR II,
    Ny faniriantsika dia toy izao lazainao izao;commence vraiment à en avoir marre de ce MACHIN à queue qu’on nous impose comme président!!!
    Kanefa aza dia moramoraina loatra ilay raharaha fa izay ny ahy no itako mahakivy ny olona,ohatry ny fitenenana lava ny hoe hoavy ato ato i dada !!!kanefa !!!
    Tsara koa raha ny hevitro,mba manao conférence matetika ny « mpitarika » mba ho iray hatrany foana ny information fa tsy samy handefa izay fisainany ny mpitolona.Ilay filazana hoe « confidentielle » ny stratégie,toa tsy inoan’olona intsony,ary ny miandry ny irodanan’ny FAT hoazy eo koa dia fahadisoana goavana be.


  3. http://www.tananews.com/wp-content/uploads/2011/12/sarkozy.jpg

    http://www.tananews.com/wp-content/uploads/2011/12/sarkozy.jpg

    Ceux qui font tout pour que la TPI se taise sur l’assassinat du 07 Fevrier 2009.

    Pourquoi le TPI n’est pas saisi pour mener les enquetes sur la journée du 07 Fevrier 2009.

    Il faudra bien que cette enquete se fasse avant toutes organisations des Elections presidentielles,

    afin d’ eviter que nous nous trouvions un joru avec un President ASSASSIN : Rajoelina !

  4. Voalohany aloha dia mankasitraka ny andrana rehetra nataon’ny vahoaka nanoherana ny HAT aho.
    Faharoa ,raha mbola tsy vonona amin’ny fifidianana ny malagasy, mba vonona kosa ary ve isika ny hitsena an’i Dada?
    Ny mpianatra sasany izao efa miditra an-tsehatra.Ary vonona ve isika ny hanakatso ny administration rehetra fa hijanona any an-trano raha tsy hanao filaharam-be mba ho mariky ny fanoherana?
    Fahatelo, vonona ve isika ny hiala amin’ny fanjanahana satria na ny vazaha sasany aza milaza hoe:mitaredretra isika tsy ohatran’ny tiorka?
    Mila fahamatorana sy firaisan-kina izany. Efa naneho izany isika tamin’ny 2002, 1991, 1972; Asa, ohatran’ny génération TGV izao no tanora vatony afaka mihetsika, dia ho sanatria ve nanadino ny fitiavan-tanindrazana ry zareo ka matimaty foana ny lamôdy aty andafy sy ny fomba fiainany.Dia ho tsy tsaroin’ireo nitolona tamin’ny 72 izay lasa ray aman-drenin’ny génération TGV ve ny antony nitolomana? Tsy haiko ny hamaly an’io fa raha fantarareo ny valiny dia ampio aho.
    Tiako ho marihina fa tsy mitady avy hatrany ny fifandomana mivantana amin’ny tafika sy ny pôlisy aho fa te hanaitra antsika mianakavy hoe:namidin’i Domelina isika ka tokony hanohy ny fanoherana amin’ny lafiny rehetra. Raha tsy hoe angaha…
    Misy paik’ady mangingina any ho any miandry ny orany. Zarako aza ry izy mianakavy.

  5. Miala tsiny amin’ny rehetra rahatoa ka somary manao vazivazy kely tsindraindray, FA TENA MAHAKIVY NY FIHETSIK’IRETO MILAZA FA MPANAO PÔLITIKA GAIGILAHY SY GAIGIVAVY IRETO !

    Ny fitsipikin’ny lalao tsy fantatra sahady tsy misy manaraka, dia hoe NDAO HILALAO !!

    AZA LALAOVINAREO TOY IZAO NY FIHAINAN’NY VAHOAKA MALAGASY Ê !!!

    NY FDR TSY TANTERAKA DIA NY LALÀNA MIFEHY NY CENI SY NY FIFIDIANANA NO HOE HO JERENA !!
    TENA MIVADIK’ONDANA IRAY TRANO !!!!

    « NAMIDIN’I DOMELINA ISIKA » HOY I BEMAFOHY « , MARINA MIHINTSY IZANY ARY EFA ELA AHO NO NITENY AN’IO ! TSY VITAN’NY HOE TANINDRAZANA NO NAMIDINY FA NY HOAVIN-JANANTSIKA, NY ANAREO ARY NY AHY !!!

    TSY FANTATRO IZAY MANAIKY AN’IZANY, FA RAHA NY TENAKO ALOHA DIA TSY HANAIKY AN’IZANY VELIVELY NA IZY TEZITRA NA IZA NO SOSOTRA !!!

    Drafitra « A » hoe, drafitra « B » hoe !!!! Tsy efa manakaiky ny « Z » ve ny drafitrareo izany atramin’izay fanangonam-panjakàna izay ê ?

    Atao devant « le fait accompli faona ny vahoaka na ny Prezidà » !!

    Y en a marre de tous ces faux-semblants et autres plans à la con, tout aussi fallatieux les uns que les autres, et qui ne font que conforter le coup d’Etat !!

    AMPIARO NY LALÀNA REHETRA MIFEHY NY FANJAKÀNA SY NY VAHOAKA, NY FIFANARAHANA NATAON’NY GOVERNEMANTA MALAGASY NIARAKA TAMIN’NY FIRENENA ERAN-TANY, DIA VITA NY ADY !!
    NATAO NY TSY HITSIKERA, FA TENA MAHALASA ERITRERITRA NY ATAONAREO !!! MPANONGAM-PANJAKÀNA VE NO HO TOMPOINA ???? RAHOVIANA KOA NY MPAMONO OLONA NO HISOLO MPITSARA ??
    AZA IZAO « CONTEXTE CONTEXTE » LAVA IZAO NO ATAO EXCUSES !!!!

    C’EST VRAIMENT LE MONDE À L’ENVERS !!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *