07 fev 09 : Tsy nibaiko ny mpiambina ny lapa hitifitra aho, hoy ny Filoha

filoha

Nitondra fanazavana tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fidirana mivantana tamin’ny antso an-tariby, teny amin’ny magro behoririka androany, mikasika ny fanakanana nataon’ny Fat an-dRamatoa Ravalomanana Lalao tsy hiverena eto Madagasikara ny Filoha Ravalomanana Marc. Nambarany tamin’izany fa n’inon’inona fiheveran-dratsy ataon’ny sasany dia tsy hotanteraka na oviana na oviana izany. Nalahelo dia nalahelo tokoa i Neny, hoy izy, tamin’ireny zava-nitranga tamin’ny Sabotsy teo. Tsy nampoiziny ny fisakanana, izay nisian’ny « Notam ». Fantatro, hoy Ravalomanana, fa tena diso fanantenana ianareo. Matoa izany nitranga dia noho ny tsy fisiany finiavana hiroso amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena. Matoa nisy ireny fanakanana ireny, hoy izy, dia nisy olona te hanararaotra ny krizy, ary tsy mihevitra afa tsy ny tenany. Misy ihany koa hoy I Dada, ny tahotra an-dRavalomanana Lalao. Mametra-panontaniana ny olona aty hoe : “ Madamanao ve dia atahorana”. Vao maika raha izaho notongaany, hoy I Dada. Misy ny tsy fifampitokisana matoa  mipetraka izany fanakanana izany. Tsy mieritreritra anao zavatra hafa izy fa nieritreritra sy malahelo ny vahoaka malagasy.Nanafatra ny ministra Ramalason Olga ny tenany, hoy ny Filoha, hampita ny hafatra avy aminy. Saika hiteny i Neny androany, fa feno dia feno ny fony ka izay no nampitany ny hafatra amin’ny Ministra. Efa tao anaty fiaramanidina izy hoy hatrany ny fanazavana no nasaina niverina fa hoe raha tafakatra eto ianao dia tsy afaka miainga ity fiaramanidina ity. Mikasika ny raharaha 07 Febroary dia nilaza Ravalomanana Marc fa manana ny fitsipika  mifehy azy ny mpiambina ny Lapa. Tsy izaho filoham-pirenena tamin’izany, hoy izy, no nandeha hibaiko hamono olona. Tsy hanao izany velively na oviana na oviana aho ity filoha teo aloha ity. Tadiditsika tsara fa raha nisy zaza may nentina tao amin’ny Hjra tamin’ireny, dia ny tenako no nandany volabe nandefasana azy tany ivelany, noho izany dia “tsy izaho mihitsy no nanome baiko” tamin’ireny. Fanaratsiana sy fanapotehana fotsiny ireny, hoy hatrany izy.

91 pensées sur “07 fev 09 : Tsy nibaiko ny mpiambina ny lapa hitifitra aho, hoy ny Filoha”

  1. Vaovao nangonina :


    Inona no anton’izao ry fozatay isany a !???

    Envoyé le : Lundi 6 février 2012 9h48
    Objet :

    Misy andian’olona nokaramaina hanao fanahina jiolahim-boto manomboka anio alina aorian’ny amin’ny Fito. Voalaza fa 5000 lahy misy avy any Atsimo, Fort-Dauphin sns.Ao anatin’izany koa ny mpanao Rugby sy KUFUMA. Hanao herisetra samy hafa. Misy ny hamono olona fotsiny tsotra izao, ao ny handoro trano, fivarotana lehibe eto an-drenivohitra, ,ny Grossistes sns.Ka hanombohana izany ny an’i MONLOUP eny TANJOMBATO.Io tsy misy resaka hoe hangalatra fa tonga dia herisetra mamono. Handoro BUXI sy aotomobilin’olona
    mandeha eny amin’ny arabe na amin’ny sisin-dàlana.

    Opération KAÔTIK izay no hilazan’izy ireo azy, ka KARANA (MOUSTAFA) famille DISCOGI no fantatra fa ati-doha mikotrika an’io. Vola amina miliara maromaro no ampiasaina amin’izany. Efa nahavita Banderole maromaro, ary manana fitaovam-piadiana ihany koa..Efa manana manam-boninahitra 20 ka ny 14 manam-boninahitra jeneraly ary ny 6 kolonely.Tsy fantatra anefa hatreto ireo manam-boninahitra ireo. Efa azon’izy ireo koa araka ny fanampim-baovao ny toby miaramila iray eto an-dRenivohitra izay tsy mbola fantatra m azava ny hoe ny aiza ? Kasaina hatao anio sy rahampitso io hetsika hanaovana herisetra sy fandrobana io. Ka ny loha-hevitra entin’izy ireo manatanteraka izany dia ny hoe : « NO PITIé ». Black OUT toy ny any IRAN sy IRAK ireny.

    Fantatra ihany koa fa efa mivonona ny handositra ilay karana atao hoe
    MOUSTAFA io, ka efa nahazo Laissé-Passer vita sonian’ny PAF ? Ny
    fanangonam-baovao ihany koa no nahalalàna fa tena hetsika hanakorontanana tanteraka ny eto Madagasikara io, ary handrombahana fitondrana ihany koa.Hatrany amin’ny 1000 isan-jato ny fahamarinany, araka ny loharanom-baovao azonay..

    Nitrandraka ny vaovao : Jean Paul RANDRIANIAINA (034 05 570 71 / 032 77 228
    43 / 033 07 969 44)



    Fanamarinana ve no nampisy an’io nimerao telefonina io ?
    Ary marihina fa Voaraoka tamin’ny Asany tao amin’ny Minisiteran’ny Transipaoro ity olona nandefa ity vaovao ity .

  2. Mahatoky anao, ary mino atrany izahay r’Ingahy Président Ravalomanana fa tsy ianao velively no tompon’andraikitra tamin’ireny zavatra nitranga teny Ambohitsirohitra ireny !
    1) Volana novambra sy desambra 2008, dia efa ny HIFOFO NY AINAO AZA NO NOKOTREHIN’IRETO OLONA TSY VALAHARA IRETO, ARY TAO PARIS NO NANAOVANY AN’IZANY !
    2) Ny andro 7 febroary iny dia efa vita planina hatry ny ela, satria efa nisy nahafantatra fa tsy ho ao Antaninarivo ianao tamin’io fotoana io !
    3) Ireo miaramila mpiambina ny Lapa, dia nanao izay azony natao mba hiarovana ny Lapa, ary dia nanefa ny adidiny ry zareo ! Raha nisy ny naratra vokatr’ireo bala izay nalefan’ILAY MIARAMILA TOKANA NANAO TIFITRA TAMIN’NY TANY, tsy azo homena tsiny velively io miaramila io ! Meday aza no tokony homen’azy indray andro any, satria tsy niamboa adidy ny tenany !
    4) Ny oronan-tsary sy ankety hita etsy sy eroa dia manamarina izay voalazako farany io !

    Fehiny : Ny malagasy tsy misaina, na tsy mahita loharanom-baovao no mety hino ny LAINGA REHETRA IZAY HAFAFIN’IRETO FAHAVALON’NY FIRENENA MALAGASY IRETO !

    Hiezaka ombieny ombieny izahay hiaro ny fahamarinana ; ka izahay dia mahatoky anao, ary ianao koa mahatokisa anay fa tsy maintsy mandresy ny rariny sy ny fahamarinana !

    MAHEREZA TOMPOKOLAHY !! MASINA NY TANINDRAZANA ARY NY VAHOAKA TENA VAHOAKA TSY MAINTSY MANDRESY, NA DIA MITOHY ATRAMIN’IZAO FOTOANA IZAO AZA NY SOTASOTA SY NY TSY FANAJÀNA NY LALÀNA !!
    MAHATSIARO NY ZAVATRA VAO NIHATRA TAMIN’NY ZANAKAO ANDROANY HARIVA NY TENAKO, NA IZAHAY !!!

  3. Fa naninona ny zanany ry Kintana???mba omeo vao moa e!!
    Efa hita-poko hitam-pirenena izany ry dada a!!fa hadalany foana
    ny hanasoketa anao @ TAHOTRA @ ratsy vitany.
    Atao hatsojay ny zanany mba mba hanakanana andry dada fa inona moa,zara tsy ho hataony takalon’aina eo aza??
    mbola miketrika ihany mantsy izy izao ny ho hatao indray @ manaraka. Dia manome vahana an’olona fotsiny anie e!!
    tsy mandeha lavitra mihintsy ilay FISAINANA,MOAKA BE!!!

  4. Njara!

    Raha izaho ireo jiolahy ireo dia raisina ny vola dia avela izy
    hitsoaka dia ireo karana fôpla rehetra no hajedaka fa manakorontana
    ny tany,ry zareo ireo ilay omeny zavamahadomelina no tena ratsy be aminy fa raha olona tsotra ka GASY
    tsy ahavanona izany,samy ho voa @’izany daholo anie e! dia inona no mba hataon’ireo manam-boninahitra
    Malagasy @’izany ve hamela ireo hanara-po eo???tahaka ny hilaina ihany ilay miaramila SADC fa mitady
    handrovi-tsihy ny alika.Tsy any aminy any ireo karana manao izay hataony fa aty amintsika aty???

  5. Dada! Efa mazava aminay fa tsy nanome baiko ny mpiambina hitifitra ianao.Tsy mila mamerina izany intsony ianao.
    Ranavalona!Efa ela aho no nanao an’ireo voakarama hoe:raiso ny vola dia mipitika rehefa avy eo.Miombon-kevitra aminao aho.

  6. Ka fantany koa anie ilay olona VOAVIDINY e!
    fa raha mbola Gasy tsy mahavanona izany fa ireo Jiolahy kely sy atandroy tsy mahalala
    na inona na inona fa mahasahisahy fotsiny no ampiasainy eo, sady ny Gasy fetsy fa raha karana mbola tsy
    ahazo ny fon’i Gasy na oviana na oviana, ireo mantsy miariary loatra ny toetra ratsin’ireo @ tanana ao .

    Tsaramadry ary Bemafohy e! isika dahy sisa taraiky eto ,ny olona efa miesona daholo mbola hiasa maraina.

  7. 23h 35 :

    Salama tsara i Tojo RAVALOMANANA sy ny vady aman-janany fa nisy mpanampy azy ireo iray voadaroky ny DST ary alika mpiandry tanàna iray no voamarina fa voatifitra.

    Araka ny vaovao azo dia nitonona ho ny kaomisera Charly Nankany talen’ny DST ilay nitarika ny fanafihana tao Andranimanelatra nefa tsy izy akory fa ny lefiny. Ora iray latsaka kely teo ho eo izao no niala tao amin’ny fonenan’ny fianakavian’ny Filoha izy ireo ary tsy nitondra zavatra fa dia vaky trano sy asa fampihorohoroana no nataony ora maromaro tao .

    23h 05 :

    Araka ny vaovao voaray dia notsofain’ny DST tamin’ny « trançoneuse » na irony tsofa matanjaka mandeha amin’ny herinaratra irony ny vavahadibe miditra ao amin’ny toeram-ponenan’ny fianakaviana RAVALOMANANA ao Andranomanelatra mba hahatafidirany tao.

    21h 45 :

    Nandefa mpitandro filaminana any Andranomanelatra ny olom-boatendry avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA. Araka ny ampitain’ny mponina eny amin’ny manodidina dia fanafihana no natao fa tsy fisavana satria novononin’ny hery famoretana ny alika mpiandry tanàna. Nambaran’ny mponina ihany koa fa ahiana hisy fifampitifirana eo amin’ny samy mitam-basy eny an-toerana ary raha ny vaovao ren’izy ireo dia nisy mpiambina manokana an’i Tojo RAVALOMANANA no naratra noho ny setrasetran’ny DST.

    21h 40 :

    Mbola ao an-tranon’ny fianakaviana RAVALOMANANA ny hery famoretana hatramin’izao.

    20h 40 :

    Araka ny fantatra dia avy amin’ny DST (Direction de la Sécurité Territoriale) no manao ny « opération » ary fiaran’ny FIS no entin’izy ireo

    20h 30 :
    20h30
    Araka ny vaovao marim-pototra dia tafihina miaramila sy ny zandary ny tranon’ny fianakaviana RAVALOMANANA ny Antsirabe amin’izao fotoana izao. Rehefa avy namaky ny trano izy ireo dia nanao tifi-danitra. Natahotra ny zanakin’ny Filoha ka nanontany hoe inona no tadiavinareo. Namaly ny hery famoretana fa hanao « perquisition » no anton-diany ary dia nampandrosoan’i Tojo RAVALOMANANA fa nangatahiny mba tsy hanimba zavatra. Nandritra izany fotoana izany dia nijoro hiaro ny toerana ny fokonolona saingy niraradraraka ny tifitra nataon’ny zandary tety ivelany. Hatreto aloha dia miaramila no niditra ao anatin’hy trano ary fantatra fa zandary no ety ivelany. Tsy mbola fantatra aloha hoe avy aiza ny baiko saingy efa nampahafantarin’ny fianakaviana ny vondrona eoropeana sy ny SADC miaraka amin’ny masoivohon’ny Afrika Atsimo.

  8. Dia hilaza indray i Beriziky fa tsy mahalala an’io fampihorohoana io. Mifohaza ry Malagasy fa ataon’io zazakely tsy afa-taimbody io kilalao eto foana a! farany dia ho fatifaty foana eto isika malagasy

  9. Ny anay dia tsotra ihany ny TOMPON’ANDRAIKITRA t@fitifiran’olona teny Ambohitsirohitra ny 07 febroary dia ireo izay nitarika ny olona (tsy vahoaka mihitsy aloha) nananika io lapa io!!!!! tsy ho nandeha teny ireo raha tsy nisy nitarika; an’isan’izany mpitarika izany andry rajoelina, (lé)Dolin, Monja Roindefo, jeneraly alaina ramarosaona snsnsn. Ireo no tokony atao haza lambo ary hiaran’ny lalàna higadra mandrapahafaty ary heloina ho faty! Tsy vitan’ny namon’olona fa nitaona ihany koa ny olona nanimba sy nandroba ary nandoro fananam-panjakana ary fanan’olona tsotra. Ny porofo dia misy fa i rajoelina dia nitaona ireo olony ireo t@ fandrobana isan-karazay. Manadara-dalàna ve rey olona ny tafika malagasy dia hanongam-panjakana teo ambany baikon’i rajoelina? Oh TSIA dia TSIA MPAMADIKA TANINDRAZANA ARY MATIM-BOLA ny tafika malagasy ka mendrika ny ho melohina ho faty ihany miaraka @rajoelina sy ny forongony! Averiko indray fa raha ireo vahoaka eo @Magro ireo no hiakatra eny Ambohitsirohitra dia hijery fotsiny ve i rajoelina sy ny miaramaliny????? odoieeeeeee vao mivoaka ny vavahady eo @Magro ireo avy hatrany dia rarafany sa ahoana ry Malagasy havako????

  10. Tsy maintsy hifamono eny Ambohitsirohitra ihany izy reo (TOA NY ISAN-TAONA)
    izany dia nanomboka ny taona 2009, raha notaritin’i démony Andry Rajoelina fa mila sacrifice hono la frantsa mba hahafahany manaisotra ny gasy tena tia tanindrazana dia ny filoha mamim-bahoaka Marc Ravalomanana
    Ny maripàna efa somary miakatra
    Ety ambanimbanin-tananan’Ambohitsirohitra efa mila tsy ho tana
    Fa mihetsika be niany ny adalan’ireto foza notsolorana VOLA MORA isany
    Nefa vao @ 9ora30minitra izao …

  11. Coucou Ho Aiza !
    Faly miarahaba anao HoAiza !

    Misaotra indrindra mba manome cvaovao matetitetika RAHA MBA AZONAO ATAO re e!
    Toa izany koa Baby !
    Coucou Baby !!!

  12. Ary mba ndao koa isika vahoakan’i Dada hametraka fitoriana momba ny zavatra nanomboka ny 27 jan 2009 ka hatramin’izao e! Ny zava-niseho nandritra izay niantombohan’ny foza izay moa tsy heverintsika fa misy fiantraikany eo @ fibeazan’ny zanantsika any aoriana ka ho sanatria ve ho toa ireny foza ireny ny zanantsika afaka 7,15, 22 taona aoriana izao? Raha tsy voasakana anie ireny olona nanani-dapa ireny moa tsy efa rindrina sy olona carbonisés tahaka ireo din-tanam-poza no niseho? Ndao hitory fa aza matoritory. Ary any @ sehatra iraisam-pirenena no andefasatsika azy rehefa mitady ho be vinany eo indray ry ra…

  13. zazankdada,
    Io hevitra narosonao io no tokony natao atramin’izay !! Tsy tanterak’izany, satria teo ny finiavan’ny Président Ravalomanana mbola nitady vaha-olana, hisorohana ny fisaraham-bazana eo amin’ny samy malagasy !
    Io tondrozotra io, dia tafiditra ao anatin’izany !
    Hita mibaribary anefa amin’izao fotoana izao, fa IZAY VOASORATRA AO ANATIN’ILAY FDR AZA DIA FENO FITAKA, ARY FIFANARAHANA MITANILA, NIVADIKA HO FANOMEZAN-DRARINY HO AN’NY MPANONGAM-PANJAKÀNA !
    Ny zava-miseho amin’izao fotoana izao, dia tsy inona akory fa vokatry ny Fitondràna tsy dia nanara-penitra tamin’ny andron’i Ratsiraka. Ny ankabeazan’ireo « tanora » natao fitaovana ireo dia ankizy notaizàna tamin’izany fotoan’andro izany ! Any ka tsy ho atao mahagaga !
    Dia diniho arak’io voalazanao io, ny hiafaran’ireto ankizy izay mahita ny ataon’ireto foza amin’izao fotoana izao !!!
    Ny zavatra nitranga omaly ariva tany Andranomanelatra, dia tsy inona tsy akory fa dia fampisehoana amin’ny rehetra hoe : NY FOZA NO MANDIDY MANAPAKA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO ! TSY MISY MPIBAIKO ARY TSY REFESIMANDIDY, ARY SAMY MAHAZO MANAO AN’IZAY TIANY ATAO, SATRIA NA I DOMELINA NA I BERIZIKY DIA VOATAZONA AMIN’NY……SANGANY NA ZAVATRA HAFA !!!
    Ka io FITORIANA ataon’ny VAHOAKA IO NO ANDRASAN’NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE ATRAMIN’IZAY ! ny fomba entina manantanteraka an’izany no mila eritreretina tsara !
    Dia asa ry zareo ao amin’ny GTT International ka vonona andray ny anaran’izay olona rehetra mazoto sy hanohana an’izany fitoriana izany atramin’ny farany ?

    Ny vaha-olana hita amin’izao fotoana izao, dia na GIDRAKA TANTERAKA NA FITORIANA ATAON’NY VAHOAKA MALAGASY ARY FIKAMBANANA MPANOHANA !!
    Hevitra mba atsipy kely any aminao izany ry Madama Patricia !

    ranavalona, efa nolazain’i Njara io ny vaovao omaly hariva !

  14. Misaotra an’Andriamanitra aloha fa tsy naninona izy mianakavy kely.
    aiza ny tompon’andraikitra @’izany???izany izany no zavatra mety
    hitranga fa dia hisaorana ny AVO efa mampiomana,efa fantatra fa misy mamantsy vola ambadika
    ireo fa tsy misy tompon’andraikitra moa dia manao izay DADIN’ny KIBONY izy.Zara fa tsy nanaovany
    takalon’aina aza!!! izao no hiandry an’i dada raha tonga eo izy ka dia hataoko fa efa miomana ny @’izany
    daholo ny rehetra.Tiako be izany zavatra izany marina!!!!mampiariary ny hagegeny isanandro.Hamafiso!!
    hamafiso ny FIAROVANA an’i dada mba ho entitra tsara,izany no lazaiko fa tena « mety be ilay fiasan’i dada
    ,hataony MIHIRATRA daholo ny voamason’ny rehetra fa JIOLAHY no mitondra ny FIRENENA.Ary ahariariny
    tsara ny LAINGA HAFAFY ETSY SY EROA.Ny tsara @ dada dia tonga dia RAISINY ny fahefana dia MIADY e!!!

  15. Iza indray no hokopahanao sahady eo ry dà???
    Fa inona anefa no tsy nanaovana io fitoriana io hatrizay raha io no ho
    fantantra fa vahaolana????mbola tsy ampy porofo ihany ve izao zavatramiseho efa tsy takona hafenina izao???
    Enga anie ka ny hisavorovoron-kilatoana fa tsy mety koa ny miandry lava tsy hamokatra eto.Dia mba ho hita eo
    ny fandraisana andraikitr’ireo milaza ho TOMPONY.

    Tsy vao izao aho no naheno sy niteny fa efa t@ andron’i Deba no efa nikotroka ny tetika rehetra ahatonagavana @
    izao FANAPOTEHINA izao ny Gasy,ka mazava ho azy fa olona niray petsapetsa t@ Deba daholo no FOZAORANA
    fa tsy inona .efa tany no nopotehina ireo olona ireo dia maka mora2 ny towrany fotsiny izy.

  16. Araka ny vaovao eto Madagasikara moa amin’izao fotoana izao, dia mandroso dia mandroso ny toe-draharaha, ka mila fantarin’ny vahoaka malagasy ny zava-misy. Manao ny commémoration ny 7 febroary 2009 ny HAT etsy Antaninarenina amin’izao ora izao. Maha variana anefa fa dia miaramila sy polisy miisa 600 no miantoka ny filaminana. Tsy afaka manantona eny an-toerna na iza na iza raha tsy manana badge. Fa dia nahoana no mpitandro filaminana marobe no antsoina miaro ny toerana sy ireo olona manatrika eny, matahotra angaha ny FAT ?

    Ny vaovao manaraka dia misy fiaramanidina transall frantsay 3 feno miaramila tonga ao Nosy Be amin’izao fotoana izao.
    Araka ny fanadiadiana dia toa mameno réservoir na lasantsy hafahan’izy ireo hanohy ny làlany na ho any Comores, na Djibouti. Mifandaka ireo làlana ireo, fa dia samy manaraka izany vaovao izany isika eto.

    Mbola resaka miaramila frantsay ihany : Misy sambo na miaramila frantsay 2, miodikodina ny morontsirak’i Madagasikara amin’izao fotaona izao.
    Inona no tena antondian’izy ireo , hanao inona fa dia maha variana. Rehefa manontany ireo manamboninahitra malagasy, tsy misy afaka mitondra valiny fa dia mihenahena ry zareo.

  17. Rehefa madiva « ho lany lasantsy » ireo sambo ireo, dia ho any Diego, ary avy eo dia ho lazaina fa mbola misy « révisions kely » tsy maintsy atao ; ary METY HAHARITRA TELO NA EFA-TAONA NY ASA HO ATAO !!

  18. Avelao izy hanara-po tsara fa tsy misy azony ho HANJAKAZAKANA eo!!!
    Tsara izany !!!ny ny viavin’i Diego ihany dia efa afaka ny hamita ny afera raha hilainy.
    Aza misy taitra @’izany fa vonovorona izany fa tany misy lalana mifehy izao tontolo izao ary isika mbola manana
    an’i SADEC akaiky eo. Dia ny tany rehetra no hanao ambony ambany raha izany no ho izy.

  19. Tsika samy mahafantatra fa tsy meloka ny filoha Marc Ravalomanana ary samy mahafantatra fa fanjakan’ny Jiolahim-boto zao ny eto Mada!!! ka inn anefa zany no hatao fa tena reraka ny Malagasy mahantra é!!! miiandry foana!!! Ny Miaramila tsy azo antenaina intsony fa toy ireny Biby tsy mahalala tompo intsony!!! ka aiza no aleha é!!! iretsy mpitondra sady loham-boto no manana basy???? tena mijaly ny Malagasy!!!

  20. Efa hatreny A/jatovo, A/drano, Behoririka anie ry leireto no nisy fanangonan-tsonia sy anarana ary numéro tel. Ary tena nanantitra mihintsy ny tena tamin’izany hoe tairo ny fitoriana. Asa… aiza izao ireny rehetra ireny no nalehany. Aza hitako ka any am-pelatanan-dry Ravorondolo sy loha-kisoa namadikan’i Dada isany. Tsy olana anefa izany fa tairo indray fa angamba ny boky sy ny kahie itehirizana ny fitoriana indray no tsy ho ampy. Samia manimpinimpy hevitra fa izany no maha-taka-davitra.Ary fantaro fa ny marika 8 dia midika fa « infinite possibilities ». Toetran’i Dada efa nampianariny antsika tahaka ny fitsikina na inona midona na inona mihatra. « Koa dia… » hoy ny fiten’izy mivady izay midika izany fa mbola mitohy ny tantara…

  21. Mbola teo @ Magro ihany dia efa ireny nandefasan’ireo mpamadika
    hafatra sandoka ireny N* rehetra nangonina ireny.Ilay nampisaratsarahana
    ireo mpitolona hoe: any mahamasina e! atsy e! aroa e!! mety ho izireo ihany angamba aza no niketrika io
    fangoronana N* phone olona io.Dia avy @’izay izy, t@’ izany ry Mėmė kay efa tongo-poza ny tongon’ilany.
    Io aloha dia tsy misy azo ahatokisana hanao io nefa i dada tsy hay raha hanaiky izany fa HAINREO ihany izy.
    Ity fitoriana no resahiko eto.

  22. 07 février 2012
    Non, merci, je ne commémore pas le 7 février

    Dit comme ca, c’est sec et limite méchant. Mais c’est comme ca que je le dis, alors faites-vous à cette idée. Voici une règle fondamentale qui date de très loin, car les Ntaolo et les Antitra n’étaient pas stupides : Ny vahoaka tsy enti-manani-bohitra et c’est vrai.

    Le refus d’un débat contradictoire autour du 7 février en fait un sujet tabou et parce que des vies y ont été perdues, afficher l’indifférence cynique qui est la mienne aujourd’hui est considéré comme malsain, voire même « antipatriotique », ou contraire à la charité chrétienne, au fihavanana malgache, à l’apaisement, à…, à…

    Je l’assume et je vais vous dire pourquoi :

    Une semaine avant la journée fatidique du 7 février, les appels à la prudence ont fusé de partout : la presse, les forums, les blogs, les réseaux sociaux et sans doute aussi, dans les fokontany et les familles. D’ailleurs, le souvenir du 10 août est sans doute encore bien vivant pour ceux qui l’ont vécu.

    Les meneurs de la foule et les grands manitous du 13-mai n’étaient pas sans connaître les dangers : eux, mieux que n’importe lequel d’entre nous, les savaient. D’ailleurs, ce n’était pas sorcier : le danger suintait sur les murs, plombait l’atmosphère, empoisonnait les réflexions, il était si palpable que seuls ceux qui se refusaient à le voir ne le voyaient pas. Nous en étions tous très conscients.

    En pareils moments, la foule a toujours une même attitude. Elle est galvanisée, exaltée et dévouée corps et âme « à la cause », elle aurait suivi ses meneurs n’importe où. De toutes les décisions que ces derniers auraient pu prendre…c’était celle-là qu’ils ont prises, en leur âme et conscience.

    « Morts pour la patrie » me paraît par trop prétentieux. Vous avez permis que deux hommes règlent leurs différends à l’aune de vos propres vies, vous leur avez donné le pouvoir de mettre vos existences en danger, vous avez accepté qu’ils aient le droit de vie et de mort sur vos personnes. Vous le leur avez permis. Pourquoi ? Trois ans plus tard, je ne le comprends toujours pas.

    Vous leur avez donné un droit qui ne leur revenait absolument pas et vous vous êtes même mis à croire que vous le faisiez pour le pays. Tout en sachant pertinemment que le pays n’en avait pas besoin : non, non et non, Madagascar n’avait pas besoin que vous mourriez pour un homme quel qu’il soit, Madagascar a besoin que vous viviez pour votre engagement citoyen. Et c’est pour cela que les appels à la prudence étaient aussi nombreux : le pays a besoin de vous vivants, au propre et au figuré.

    Alors, non, merci, je ne commémore pas le 7 février. Je ne commémore pas la bêtise tout court. A mon sens, cette foule n’avait pas à être menée à cet endroit, elle n’avait pas à s’y trouver. A mon sens, ceux qui ont mené cette foule sont tout aussi condamnables que ceux qui ont ordonné les tirs : je voudrais donc, si vous voulez mon avis, dire qu’il manque quelques têtes au banc des accusés… Satria ny vahoaka tsy enti-manani-bohitra.

    Par ailleurs, j’ai toujours ce truc en tête. Imaginez que, dans un sursaut de conscience, et de bon sens, les tireurs n’ont pas tiré et que les gardes d’Ambohitsorohitra ont ouvert les portails et laissé la foule en transe entrer dans les lieux… Assurez-moi que rien n’aurait été volé, pillé et saccagé. Regardez-moi dans le blanc des yeux et osez l’affirmer. Tsss !!! – non, cela ne justifie pas la tuerie, loin de là. Rien ne justifie rien, bon sang.

    (nadikako eto ry zalahy inty nosoratan’i Mialysenfout tao à topmada.com mba ho hitantsika ny halalin-tsaina ny tanora tena izy a. mazotoa mamaky

    Tompoko,

  23. Efa fantatry ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy manontolo fa; tsy nampamono na nampitifitra velively ianao Atoa Filoharavalomanana. (Eny fa na dia ireo tsy vanona ireo aza mahafantatra fa tsy meloka ianao!!)

    Aminay, na dia ny miaramila mpiambina tao Ambohitsorohitra aza « tsy misy ny fahadisoany! »

    Ny marina tsy mba maty, ary tsy ho resy, sanatria!!

  24. Raha ohatra ka sarotra ny mitondra porofo momba ny raharaha 7 febroary eo anoloan’ny TPI noho i Lekely dia ny ligue des droits de l’Homme no tsara hitondrana izany porofo izany mba hanalana an’i Domelina satria niteny ilay tsivalahara io fa tsy avela hitondra firenena ny tompon’andraikitra tamin’ireny raharaha ireny.Tonkony tsy hadino koa ny porofo tamin’ny « black monday » indrindra indrindra.
    Mampalahelo fa manana olona miasa na niasa tao amin’ny CPI isika satria misy ramatoa malagasy iray koa miasa ao amin’ny TPI ankoatran’i Ranjeva izay misotro ronono hatramin’izao.

  25. Ary i Ranjeva?????io ilay dradradradraiko eto foana fa hoe:
    Ranjeva dia tsy hita mba ho HANTENAINA moa sady tsy hita ho AFOY ihany koa.
    Hafoy izy toa olona manana ny mahaizy azy ihany ,hantenaina TSY HITA!!!!!raha ny tena marina dia izy mihintsy
    (amiko aloha an!) no tokony nitondra io tetezamita io LAVITRA noho i DOMELINA,izy moa efa nilaza rahateo fa tsy
    hilatsaka ho fidiana.Naleon’i Mamy R nanizingizina an’i domelina toy izay mba nanandrana KELY an’i Ranjeva mba
    olom-banona.Izaho aloha dia malahelo @ mahazo an’i dada @ hataon’ireto ankolafy Dada SASANTSASANY ireto e!!
    misy olona ao @ Dadabe Zafy mbola msy azoko ahatoksana be dia be kokoa noho ireto ato @ ankolafy Dada ireto.

  26. Vu sur le site GTT :

    TSY MISY MIALA ENY IVATO RAHA TSY MIGADONA NY PRM RAVALOMANANA!
    NA ANDRO NA ALINA

    Envoyé par: RA8MANANA

    Date: mer 8 février 2012 10:36:52

    HO TONGA ENY IVATO NY MPITSENA NY ARA-DALANA REHETRA
    – NY TALATA 28/02/12 FOLAK’ANDRO,

    – FENOINTSIKA NY ARABEN’IVATO MANOMBOKA ENY @ DIGUE KA HATRENY @ PARKING N’NY AEROPORT, SAMIA MIVONONA AMIN’IZAY ILAINA REHETRA FA TSY HIALA ENY INTSONY ISIKA NA ANDRO NA ALINA
    RAHA TSY MIGADONA ENY NY SAFIDIM-BAHOAKA, DIA NY PRM RAVALOMANANA IZANY;

    AELEZO, APARITAHO!!!

  27. Mbola hoa ela anie izany 28 izany ry dahy isany e!!
    mbola misy 20 andro mbola mahaforona bomba kapoaka
    20 i bomba mandrapaha-tonga io fotoana io,1 isanandro.Laingako izany fa mba misy hiomanana tsara
    indrindra eo @ lafin’ny fandaminana rehetra fa tsy dia tsara ilay tapotapoana lava fa manjary koropaka
    fotsiny, dia hararaotin’ny sasany,sady izaho tena manana hevitra tsara @’ilay fandaminana mba tsy hive-
    rina intsony ny fatiolona toy ireny.Avelao aho aloha hikaly kely.

  28. Faly be aho ry anadahiko isany a!Mandihybe mihintsyaho io!
    Tiako rehefa miara-mifaly sy MIARA ORY toay izao!!tsy maintsy!!
    TSY MAINTSY TAFITA NY TOLONA!!!tiako be daholo ny hira nalefanareo ireo!!MILAY be daholo!!
    mankasitraka e!!Ho tonga soa amantsara koa anie i dada.Homba antdika Andriamanitra e!!!

  29. Ho avy e!!!
    avy nijery gtt.org aho fa tsy nahita io vao2 lazainao io ry Njara sa gtt hafa???
    Azafady an!ohatry ny tsy mahatoky an’i se! Izaho mantsy efa faly be ery ka sao sanatria????

  30. Inona indray io daty io ry Kintana???
    izaho koa manontany foana ???aleo hono manontanintany foana toy izay
    manaonao foana ,ka aza omena tsiny fa » zaza vao » na dia efa lazon-dazony ihany aza hi!hi!hi!!!!
    Sa io izany ilay sabotsy tsy miverina????

  31. Daty mba FANIRIAKO MANOKANA RE IO Ê ! Talata 28 izany miasa daholo ny olona, mba betsaka ny olona no mba te-hitsena ny maheri-fony !
    Maniry ihany koa ny tenako, mba misy olon-manankàja maromaro tonga miaraka amin’izy mianakavy, HO VAVOLOMBELONA, HIJERY MARINA FA VONONA AMPIATRA NY TONDROZOTRA MARINA « NY MALAGASY » !

  32. Fa ity dia mba misy zavatra tsy dia tatin’ny vavoniko ry zareo ! Efa betsaka laotra ny fahasorenana sy ny lainga hitaetsy sy ero, ka toa tsy mahataitra na NAHATAITRA NY OLONA AKORY ITY IZY !
    Mba rahoviana ihany ny malagasy no mba hitraotra sy haneho ny tsy fankasitrahiny ny toe-javatra toy izao.
    Soratra hita tao amin’ny Midi Madagascar izy ity, ny lohanten’ilay artikla dia ny hoe

    Feuille de route en danger !
    « …..Faisant ainsi allusion à l’ancien président Marc Ravalomanana, que la HAT accuse de crimes de sang, MALGRE LA RESPONSABILITE PARTAGEE DANS LA TUERIE DU 7 FEVRIER  »
    ……
    RAJAOFERA Eugène

    Mpanao gazety Ingahy Rajaofera Eugène io sa MPITSARA ??? Taiza no nahitany an’izany hoe « responsabilité partagée ????
    Izao dia tsy mankasitraka an’io soratra nataony tao amin’ny Midi Madagasikara, ary zavatra tahik’izao no mahatonga ny vahoaka tsy mandray ny andraikiny satria misy mamahan-dalitra !!
    Fitsaràna taiza no nanameloka an’ny Président Ravalomanana tamin’iny raharaha iny ?
    Raha ny tao Madagasikara dia mba miverena mianatra ianao r’Ingahy Rajaofera fa tena mampanontany tena hoe, taiza ianao no nianatra Journalisme !!
    Fitsaràna efa fantam-poka sy fantam-pirenena fa fitsaràna tsy lavorary, ny mpitsara hiaran’ny famoretana na koa, mpitsara voavidy vola ny ankabeazany, dia izany ve dia sahinao no tonga dia miampanga ny Filoha Ravalomanana amin’ity soratra hoe « responsabilité partagée » ?
    TSY RARINY, ARY TOKONY TORIANA SATRIA NAMAN’NY MANELY TSAHO !!!
    « 

  33. Hay ve ka mba misy lalana ihany mifehy ity fanelezana TSAHO ity ry Kintana???
    nefa dia tena io no vary sy laoka ho anin’i Gasy isanandro raha sakafo sy asa
    fampidiram-bola io LAINGA io dia efa niadam-pinatitradaholo ny Gasy.
    Ny @’ingahy Rajaofera indray dia tsy mahagaga fa naman’itony ilay mitady haman-tambonona hanilika moramora
    an’i dada fa efa fantany fa tsy azo hianteherana intsony ilay jiolahy NANDRANDRAINA.Soa fa efa nisy ilay ampamoaka
    nataon’i Charles ka mbola ho avy ny GAVOMANTAN’ireo, ny hamoaka azy no tsy laitra fa ny nihinana vita ihany.
    Ka ny niheritreretako io daty io indray hoe Asabotsy foana ilay fahatongavan’i dada,fa hopay aho fa na andro fiasana aza
    tsy maintsy tonga ny vahoaka ary ny avy any @ sisony tsy ferana.

  34. Mbola misy tsy haritro kely @’ity raharaha 7 fev ity dia ilay filazana lava
    fa hoe: efa tsy azo haleha ,nefa na azo haleha na tsia  » TSY NITIFITRA OLONA NY MPIAMBINA »
    Ilay izy mantsy midika amiko fa efa tsy azo haleha nefa mbola nandeha dia notofirina ,nefa tsy izany no
    zavanisy fa NANDENGAINA ny vahoaka fa HIBANAKA ny BANKY FOIBE dia niriotra ny olona fa tsy hoe:
    HANDEHA ANANIKA LAPA MIHINTSY NO NITONDRANA IREO OLONA IREO fa izay,VOLA!VOLA!!!VOLA!!
    koa magazay firy kosa nibanaka sy nisy nanakana koa nino koa ny olona fa ho vaky ny BANKY dia niriotra.
    (Jereo fa mbola ao @ gtt.org ao ny fanazavana an’io.Mivoaka tsikelikely ihany ny MARINA, ny olona teny an-dalana
    noraofina fa hovakiana ny banky foibe.Izany koa mbola anisany nampitombiona ny olona dia niroitra ny sasany hafa
    nanampiana ireo voavidy.

  35. REHEFA MPANAO GAZETY, dia tsy maintsy marim-pototra daholo izay zavatra lazaina !
    Ny mahagaga, dia tsy dia fantatry ny malagasy laotra izany Lalàna mifehy ny mpanao gazety izany !
    Tsy ataoko mahagaga anefa fa satria ireo olona tena mpanao an’io « Délit » io ( ary misimisy ihany izireo no nanohana an’i domelina tamin’io fomba tsy mendrika io), no lasa tompom-pahefàna, toa hoe lasa mpanao ny andro tsara sy manorana !
    Tsy mitovy ny olona toa antsika manao serasera, miresaka ao anatin’ny bilaogy, sy ireo MPANAO GAZETY IZAY IO NO ANTON’ASANY !!!
    Avy amin’izay avaokan-dry zareo mantsy, no mba ahafahan-tsika mandinika sy miresaka !

  36. Zavatra pitik’afo kely fotsiny anie dia efa HARARAOTIN’IRETO
    kely loha ,izay mitady hirika haniliana ny malotony @ dada e!
    ohatra itony lazain-:rajaofera itony ,io efa porofo fa fanararaotana mba hanosora-potaka an’i dada
    ary fantany tsara fa tsy meloka i dada fa kosa mba HITSETSAFANA miaraka @ ireto MPAMONO
    olona dia hampidirina ihany i dada aloha.

  37. « RESPONSABILITÉ PARTAGÉE dans la tuerie du 07 fév » par RAJAOFERA !
    Ny dikan’io amiko dia efa manomboka miaiky ny helony tsikelikely i DJ sy ny amboakeliny rehetra satria efa miomana @ hanaovan’i DADA enquête.
    Pour ma part, c’est plutôt une bonne chose !!!
    Kely sisa dia ho tody an-tanety ny lakana e !

  38. Tetika efa maty paika ny Lapan’Ambohitsirohitra ry ranavalona â ! Ny fandrobàna ministera (Finances, sns…) dia azo atao hoe « second plan » !

    Sahotakotaka ao an-drenivohitra, fanerena ny miaramila « hitifitra » no notadian-dry zareo satria EFA FANTANY FA RY ZAREO NO TENA HITIFITRA !! Tsy maintsy asiana rà latsaka !!!
    Ny fanontaniana, dia atramin’izao mbola tsy misy sahy manenjika sy mitory an’i domelina amin’ity tetika ratsy ity ny malagasy !
    1) Hoy izy :  » Koa satria an’ny CUA-n’Antaninarivo ny Lapan’Ambotsirohitra, koa dia FOIN’NY CUA-n’Antaninarivo omena ny vahoaka  » !
    2) Notendrena ny Président sy ny Premier ministra TENY AMIN’NY ARABE, dia rehefa avy nanontaniana ny hevitr’io Praiministra sandoka io, dia lasa niakatra ny vahoaka !!!

    Zavatra telo :
    – Iavoloha lavitra laotra, ka tsy ho tonga eny daholo ny olona ! Taiza no mbola nahitàna an’izany hoe an’ny CUA-n’Antaninarivo io Lapan’Ambotsirohitra io ???
    Izay manana porofo, dia mba lazao kely !
    – Ireo trano na immeuble manoloana an’Ambohitsirohitra « mora anafenana » an’ireo MPITIFITRA !
    – Jereo tsara ny video, fa MIARAMILA IRAY IHANY NO NANAO TIFITRA TAMIN’NY TANY, ary ny namany rehetra nandositra niafina (nialoka, namonjy ary ambadika akaikin’ny BFV ) satria avy any amin’ny côté-n’ny jaridaina no nisy grenady nipaoka sy ny tifitra « vary raraka » !!!
    I « complet gris » aza nandalo sy nandadilady teo akaikiny, tsy nojerena akory kanefa teny amin’ilay io nisy basy tamin’io fotoana io !

  39. Hoy ny fomba fitenin’ny sasany :  » Dans le doute, il vaut mieux s’abstenir ( de sortir des conneries ) » !

  40. Haaa!Baby !izay vao tonga sahady ianao??
    sady tonga dia nahazo toky be ery ange se izany e!!
    Nitsikarakaraka vao2 tsara tany angaha ny havako ka dia afaka manome toky eto ery izato izy??
    mbola ho mazamazana ihany ny lalao atohoato kah! i domelina anie efa resy fa ireto MPANJANAKA
    no tsy sasatra mitady HIRIKA e!avelao fa rwhefa lany eo ve ny volany tsy ho tsapany ihany fa RESY izy???

    Tsy misy afy tsy conneries! dia conneries!!,izany izao no malaza,efa izay hatao rehetra mihintsy no tsy mety e!!

  41. Coucou Ranavalona,

    Efa mibilaka ny Fat ka manao vavan’ny maty an-drano sisa e ! Efa ho faty iany ve hoy izy tsy handrovi-tsihy ?
    Tsy hitan’isé ny sariko teny Ivato, nitsena an’i NENY fa tara zaho ka tany aoriana be. Kely sisa dia ho vita ny tantaran’ireo voalavo mpandavaka gonim-bary maty an-kibo ireo.
    Minoa fotsiny iany !

  42. Ny fanonganam-panjakàna efa 2005 NO NIKARAKAR’AZY, IREO TSY MATY VOALAVO AN-KIBO Ê !
    Resa-ke ny an’ialahy letsy â ! Aza miodikodina ! Miteny ny sefo hoe hoano ity tay iray lovia ity, dia hiosanosana ? Andao hanongam-panjakàna dia miazakazaka, kanefa milaza sy be tsikera ihany koa fa hoe « caractérisée ny indiscipline » ?
    Efa filamatra izany ny « indiscipline », dia ataovy mazava ny resaka !

    Izao no fotom-pisainan’ny olona izay nametrahana fahatokisana, mba hiaro ny vahoaka malagasy ! Mandrangaranga basy fotsiny, asa hitifirana an’iza ??
    Izao koa no tena atao hoe : BAVASSER !!!

  43. Baby jereo tsara ilay ankihikely ankavia mihosindrà io fa Miataka be Hi!hi!hi!
    hitanao @’izay ny maha PELAKA an’i domelina????io ankihikely miataka io!!!
    Io ilay hoe: » MITENY HO AZY NY SARY ».

    Mba asio kely fanampim-pahazavana hoe: Oviana io VIDAKA io???hirak’iza ireo??iza no takiany hiala???
    tsy mazava amiko loatra ??azafdy Njara a! ny fantatro fotsiny dia misy resa-bola,ka raha vao resa-bola dia
    tsy MAMELY e!!!tsy azo hantenaina.

  44. Hay ve ė!!!manaitra koa anie inareo ė!!Misaotra @’ilay fanazavana ary e!
    efa tsy hianjeran-tanan-tsotro intsony oah izao!!!f’ianareo ve ahoana e!!

  45. Rehefa misy karazam-pety
    ka andrenesana io hira io
    dia mitsangana daholo ny olona mandihy

    Eto izy dia tena ao tsara,
    fa indrindra ravahan’ireo
    MPIHIRA GASY sy ny INSTRUMENTS A PERCUSSION

    WOUAOW BE…

  46. Mba jereo kely aloha ilay « planisfera » fa dia efa tsy kaonty mihintsy isika malagasy ê !
    Diso mangina, any ka dia tsy rarahin’ny olona sy tsy fantany intsony !!

  47. Josefa dit :
    12 février 2012 à 10 h 20 min

    Mba loza koa ilay Curriculum Vitae’ni Domelina milaza hoe : « tsy sur fa tena ilay nitaiza azy no rainy » Izaho aloha dia tsoriko fa misy fitovizana amin’i Gueant tokoa i Domelina e!


    Dia aleo samy mahita ry Namy a! Copier-coller :



    Voici au fait le CV que j’ai trouvé sur FACEBOOK et qui s’intitule :
    – NON à Andry Rajoelina,
    – NON au Coup-d’Etat,
    – OUI à un Regime Démocratique

    CV de TGV

    – on le surnommait TGV satria izy mahita an’io fika ratsy rehetra io
    fona ary haingana b ny sainy miketrika ny ratsy!!! Tsy nisy tsy
    nahafantatra azy ny mponina tao Besarety, indrindra ny manodidina an’i
    Dadany mpanamboatra moto.

    – 19 ans, nahabevoka zanak’olona ka nomena vola ny reniny hanalana ilay
    zaza

    – niala tao amin’ny école satria afa baraka, niady tamin’ny frères
    rénel ka nodoran-dry zareo ny zandrin’io farany io. Crime étoufée
    satria deba no prézidà t@ zany

    – deux ans tato aoriana, accident teny Alarobia fa nifoka sy nihinana
    amphetamine (ilay namany nandeha fiara teo aloha no maty sur Peugeot
    205 GTI 16S menamena) nahafaty olona 5 izay sipa mineur mpianatry ny
    LMA Ampefiloha ny iray, fa izy sy ekipa hafa nanenjika avy tato afara
    dia avy eo nitsoaka rehefa avy nakàny zavatra sarobidy rehetra teny
    amin’ireo maty :
    – Nasaina nesorina ny rond point (croisement entreAnkorondrano / Alarobia visite technique / Lycée technique Alarobia) nailay ilot satria io no diso tam izay fa tsy ny excès de vitesse estimée à plus de 140 Km/h

    – Ny anabaviny nampanambadiana an’ilay vazaha tompon’ny le Bus taloha
    satria nilà sôsy betsaka nampandosirana an’i Andry (chef du Gang TGV)
    tany an-dafy mba hianatra. Fianarana tsy vita, ny tena tratra
    nangalatra CD sy bombe de peinture tany @ grande surface tao Paris

    – Nanambady an i Mialy par intérêt satria efa niha-faillite ny
    fianakaviana: novidian’i rafoza ny domapub ka navadika injet (il a même
    dit ne pas être sur de son patérnité)

    – t@ andron’i deba, naka vola natao fond tany @ pierrot+facilitation
    fampidirana imprimante grand format. takalony: sarin’i ratsiraka ngôôda
    b teo ampefiloha lay nankandou b iny, teo am station lasantsy

    – nanao afera niaraka t@ concept izay nangalatra ny volan’i ratsiraka
    taorian’ny naha exilé an’i lery: nisasahanana ny sôsy ka i concept
    nanao afera tany Singapour ary lery niketrika ny ho lasa mpanao pôlitika

    – maire: tapitra ny sôsy ka nanao levée de fonds tetsy sy teroa, sous
    pretexte hoe reconstruction hotel de ville: aiza lé sôsy reny zao? (4
    milliards teo ho eo)

    – farany teo : ni debloquer vola indray i rafoza nividianana ny rasil
    CAPSAT izay tsy iza fa ex resep daholo ka mora ny firesahana: takalony,
    fiverenan’i Ratsiraka izay olona tokana henoi’ny CAPSAT teny.

    – Ny rafonzan’I Andry tsy nananana soupcon mihitsy taloha satria nahay
    nilomano foana miaraka amin’izay mpitondra teo foana (pro-ratsiraka
    miasa mangiana)

    Mbola misy resaka hafa maizina any fa hivoaka f’aza taitra e!!

    Avohay mba ho hitan’ny olona ny cv-ny.
    Ampamoaka @izao izy eo @fitodrana izao.

    Aboridano mihitsy e

    Zaraina ny marina rehetra

    Il faut publier ce CV dans le Courrier international – le Monde –
    ex…bref les médias internationaux

    Voilà je n’ai fait que copier et coller texto !

  48. KM! efra nahita ohatran’io planisfera io koa indray mandeha nefa i Japon sy GB tsy hadinon-dry zareo mihintsy.
    Josefa! si je suis me permettre, il faudrait peut-être préciser que c’est TGV qui se sert dans le compte de trésor de l’UA et non l’UA finance la HAT.

  49. K’izay no nanaovany Magie ,mba ho vitavitan’i magie daholo ny fiainany
    koa atao inona fianarana ?????izao izy mandroba- mikapa- mampiorooro
    mivarotra fananam-bahoaka dia mitaona vola @ VALIZY,koa inona indray no tadiaviny,adalatompo????
    ampiesoniny daholo,handevenany FONOKA ny tanana dia MIESONA daholo,izay tafiditra ao dia hataony
    MIRAIKIRAIKY daholo.

  50. Merci à km de diffuser la nouvelle du décès de Whitney HOUSTON.

    TOSY la jeune pazzapaiènne ne s’en est-elle pas inspirée.

  51. « TRA-TEHAKA NANGALATRA CD sy BOMBE DE PEINTURE tany @ grande surface tao Paris »??!!

    zeny zany = « Notsongain’i Sarkozy tao anaty lehilahy gasy anisan’ny maloto casier judiciaire i Andry Rajoelina… »

  52. « Fahadisoana ny zavatra nataon’ny DST »
    hoy ny Jly Ravalomanana Richard

    « Miteraka fanalam-baraka ho an’ny Filohan’ny Tetezamita ny zavatra toy ireny » hoy ity lehiben’ny CIRGN ity.
    Taorian’ilay fisavana nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny DST ny trano fonenan’i Tojo Ravalomanana tany Manjakatompo Antsirabe ny alin’ny alatsinainy lasa teo dia, nitondra ny fomba fijeriny makasika izany ny Jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny CIRGN eto Analamanga omaly. Nambarany fa tsy tokony hataon’ny sampan-draharaha iray eo anivon’ny Presidansa na ny minisitera ny fisavana tahaka ireny fa lasa mampifangaro ny resaka politika sy ny lafiny teknika. « Eo amin’ny lafiny fiarovana ny ain’izy ireo fahadisoana lehibe ny zavatra nataon’ny DST nandritra iny fisavana iny satria saika velona ny fifampitifirana teo amin’ny samy mpitandro ny filaminana noho iny zavatra iny tsy nampandrenesina anay akory » hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny fanazavany. Tsy anjaran’ny DST mihitsy hoy izy no manao ny fisavana tahaka ireny fa andraikitry ny mpitandro filamianana misahana ny lafiny teknika eo amin’ny sehatry ny filaminana. « Na efa nofoanana teto amintsika aza ny polisy politika dia toa zary miverina indray izany ankehitriny taorian’ireny zava-nitranga ireny. Tokony hijanona eo amin’ny sehatry fanangonam-baovao(renseignement) fotsiny ny anjara asan’ny DST fa tsy hitsabaka amin’ny raharaha hafa toy ireny » hoy ihany ny tenany.
    Nangonin’i JUDD
    Ny Gazetiko t@12.02.2012

  53. Ka ny vozongo anie no mitondra an’io, atao mihintsy izay ialan’i Lekely amin’ity taona ity fa io no rangory fototry ny afo.

  54. Vola ! vola! vola!!!vola io e!!bizna ny an’i DST ka tsy vao izao ireo no nifanipaka toy izao
    fa efa t@ resaka Mamy R ireny , tany tsy msy fanjakana fa izay manome vola dia lasa
    izao na mety na tsy mety na tokony natsy tokony, ary ireo no hamarana ny lalao eo @ farany fa sady efa mihamanify angaha
    ny saosy ka HIADIVANA toy izao.Dia any @’ilay mpamantsy vola sisa koa no mety hifototra ny raharaha,satria tsy afaka ny
    hanome 2 izy ireo nefa raha vao mihetsika dia efa traingon’i iray. Mikapa an-joro !!!


  55. Regardez bien à partir de 2:24……jusqu’à 2:27
    Un gendarme arrive et tire de PAR DERRIERE LA FOULE !
    Il n’y a pas de mystere !les tirs proviennent lateralement et de….par derriere la foule !

  56. Izao ilay mba mahagaga ahy eto @ mydago aloha e !
    Tsy mba afaka mamaky izay valin’ny zavatra voalaza isika fa toa samy manoratra izay tonga ao an-tsaina daholo. Any ka tsy mba misy tohiny izay voalaza fa mitanisa daholo ihany !
    Ekeko aloha fa na izaho koa aza angamba mba manao izany ihany ka !

    Ka tena marina ve ilay eritreritra hoe misy zandary avy aty aoriana mitifitra amin’io video io sa tsia ? Mamamly an’izay anie dia efa misy lanjany e! 😉 na manindry hoe tena marina izany na tsia koa !

  57. Amiko aloha Njara tena tsy hafeniko fa tena MIVONTO NY FO mahita itony zavatra itony hoe:
    Dia tena tsy azo noheritreretina aloha ve ny fahavoazana toy izao ka tsy dia tena afaka ny handinika
    tsara fa ilay basin’i AV 7 iny kosa aloha tena tsy takona hafenina mihintsy ka tonga dia hitako e!!
    fa tsara ianao nampahatsiahy fa dia hiezaka handinika ihany aho,ilay toerana koa no tena efa hadinoko
    hoe: aiza izao io ary makaiza ???koa miala tsiny raha sy dia manana ho lazaina firy nefa tsy midika mihintsy
    izany hoe : tsy miraharaha an!faly dia faly aho @ asanareo tsirairay ireo tato ho ato fa tena hita fa miezaka
    mafy mihintsy ianareo ary betsaka koa ny MIDITRA eto @’ity serasera ity ka MAHAVELOMBOLO.

  58. Aleoko ihany zan’i « Rainivoanjo »toy izao zanak’olona tsy fantatra sy fatin’alika. Tsy hita moa izay tena hanompàna azy fa dia hoe zanak’alika no marimaritra antonona azy.

    Faly daholo izao ry Rainitay mianakavy sy mpivarotra Tanindrazan fa tonga ny vazaha. Ho voavidy vola daholo ny tovovavy malagasy miaraka amin’ny taranak’ireo vongatay rehetra ireo.
    Izao no atao hoe : Mpangery an-joro, vava-cody mihosi-tay, ka dia mifalia ry alika isany a!


    Isika zanak’i « Rainivoanjo » kosa dia mahazo mitomany araka izay tratra satria ilaozana mibabababa, fa tsy manao izay tokony ho natao §
    -Mandehàna milahatra, manao RODOBE tsy manao
    -Mandehàna mitokona ery anoloan’ny Masoivoho vazaha : tsy manao

    Aza mandefindefitra @ireo foza-p… ireo, fa tairo dieny mafàna ny vy, mbola miseho mandamina atsy sy eroa ihany !

    Raha ny ao apoko dia malahelo aho ny hiverenan’i Dada satria, tsapa ankehitriny, fa ireo miaramila vazaha ireo mihitsy no hiatrika ny fisamborana azy, satria efa natombony izany t@ i Tojo.

    Ny tena tiako dia TSY MODY aloha i Dada raha tsy mitsangana ilay Gouvernement de Salut National any JOhannesbourg ! Izany akory tsy milaza fa tsy hanao na inona na inona, fa mitohy ihany ny fampoirisihana hanao RODOBE.

    Ny antony dia TSY MISY MAHASAHY MANAO rodobe intsony, ka io Gouvernement de Salut National io no any fanafodiny.

    Ny hanenjika direct an’i Domelina tsy ho afaka, fa ireo manodidina azy kosa dia azo atao tsara, ary atao haza-lambo, fa rehefa mianjera ny fototra, mianjera ho azy ny lohany !

    Antsika no misaina.

    Mifalia ry masom-body sy ry Rainitay isany, fa tonga ny vazaha hitolona ny anabavinareo sy ny reninareo, sy nenitoanareo, sy ny renibenareo.

  59. A CELLE, L’UNIQUE qui a su endurer mes peines et mes colères des mauvais jours, et qui sait mieux que nulle autre, apprécier même la plus infime de mes joies !

    LE PLUS BEAU DES BOUQUETS POUR MA REINE, AINSI QUE LE PLUS TENDRE DES BAISERS !!

    http://www.youtube.com/watch?v=9NoD_p606I4&feature=related

    Bonne Saint Valentin à tous LES LEGALISTES !!! Les foza en sont exclus, car ils ignorent le sens du verbe AIMER, du moins dans son sens le plus noble !

    LES FOZAS n’aiment que voler l’argent des autres, piller, violer, détruire, saccager, mentir, tuer, etc….

  60. Aleoko ihany zanak’i « Rainivoanjo »toy izay zanak’olona tsy fantatra sy fatin’alika. Tsy hita moa izay tena hanompàna azy fa dia hoe zanak’alika no marimaritra antonona azy.

    Faly daholo izao ry Rainitay mianakavy sy mpivarotra Tanindrazana isany, fa tonga ny vazaha.
    Ho voavidy vola daholo ny tovovavy malagasy miaraka amin’ny taranak’ireo vongatay rehetra ireo.
    Izao no atao hoe : Mpangery an-joro, vava-cody mihosi-tay, ka dia mifalia ry alika isany a!


    Isika zanak’i « Rainivoanjo » kosa dia
    – mahazo mitomany araka izay tratra satria ilaozana mibabababa, fa tsy manao izay tokony ho natao §
    -Mandehàna milahatra, manao RODOBE : tsy manao
    -Mandehàna mitokona ery anoloan’ny Masoivoho vazaha : tsy manao

    Aza mandefindefitra @ireo foza-p… ireo, fa tairo dieny mafàna ny vy, mbola miseho mandamina atsy sy eroa ihany !

    Raha ny ao apoko dia malahelo aho ny hiverenan’i Dada satria, tsapa ankehitriny, fa ireo miaramila vazaha ireo mihitsy no hiatrika ny fisamborana azy, satria efa natombony izany t@ i Tojo.

    Ny tena tiako dia TSY MODY aloha i Dada raha tsy mitsangana ilay Gouvernement de Salut National any JOhannesbourg ! Izany akory tsy milaza fa tsy hanao na inona na inona, fa mitohy ihany ny fampoirisihana hanao RODOBE.

    Ny antony dia TSY MISY MAHASAHY MANAO rodobe intsony, ka io Gouvernement de Salut National io no any fanafodiny.

    Ny hanenjika direct an’i Domelina tsy ho afaka,
    – fa ireo manodidina azy kosa dia azo atao tsara, ary atao haza-lambo, fa rehefa mianjera ny fototra, mianjera ho azy ny lohany !

    Antsika no misaina.

    Mifalia ry masom-body sy ry Rainitay isany, fa tonga ny vazaha hitolona ny anabavinareo sy ny reninareo, sy nenitoanareo, sy ny renibenareo, sy ny taranakareo.

  61. Ho an’ny mpandala ny ara-dalana rehetra,

    Arahaba aloha fa tratry ny fetin’ny Mpifankatia e!!

    Njara a! aza tezitra oah! izay vazaha reraka tsy velokomana avy any aminy any rehetra
    izao ve no hataonao ahakivy anao toy izao e!!matokisa an’i dada fa mbola ao i Sudaf sy
    ny be Kintana ary ny firenena matanjaka rehetra mbola miaraka amintsika,natao Ramatahora
    koa ireo ka aza hatao mahagaga fa efa maro ny miaramila MITSIPAKA ireo,jereonao
    fotsiny ny zavanitranga tany @ Tojo,nisy mihintsy ny zandary nanohitra ireo tao ary saika
    hifampitifitra mihintsy ,fa io koa raha tsy MIPOAKA tsy VITA e!Minoa fotsiyn ihany !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *