43 pensées sur “An-tsary Ivato, 04 fev 12”

  1. Diso strategie R8 e! candidate afaka tena nisolo azy i Neny kanefa avy hatrany de nananganany fahavalo , naninona anefa raha mba nitsaitsaika nody dia tsy nahataitra ireo Fat sy ny forongony ireo , ianao rahateo tsy misy inona azo hanenjehana anao. Raha vao miantso vahoaka ianao dia efa Politika izay , mbola ampianao ny programanao socialy indray. raha natao fotsiny hoe hamangy fianakaviana de maninona. Mino aho fa raha natao fanfares be toy izao koa ny an’i Tojo dia tsy navelany hiditra teto iny. Na i Maika RAvalomanana aza nde hody aty ka anaovana lamako be ohatran’ireny dia tsy hahazo hody. Ianao ve miara mikabary @ vadinao @ telephone de miresaka @ vahoaka mitolona ary de milaza hoe Tsy misy resaka politika. Tsy maintsy mitady fika hafa indray fa dia ao anaty lisitra noire ianareo. Raha ohatra ka hoe ho avy izahay fa aza tsenaina dia tsy manana antony ho tenenina ny Fat hoe hisy korontana.
    Mahereza fa mbola miandry izahay , rehefa tsy anio ve tsy ho rahampitso?

  2. Tratran’ny fasika angamba izany fakantsary izany! mila diovina io! jereo ao amin’ny boky torolalana ny fanesorana azy fa ao amin’ny boite ao no misy olana. Aza kosehina ny vy na fitaratra fa tadiavo mihitsy ny misy fasika na vovoka kely!

  3. TSY OLONDRATSY IREO KA HIHAFINA ,
    MILA TSENAIN’NY VAHOAKA VOALATRA TAMIN’NY SAFIDINY IZIREO .
    @izao fotoana izao dia MIKETRIKA NY fAHATONGAVAN I KASSAV I RAJOELINA SY SATENIE ,mba hanatsarana ny popularitéan Drajoelina .
    Ka hataoko fa ny vahoaka tsy hanaiky izany indrindra ity ny Fahatongavanny colon de RAINCOURT ity .

  4. io fa nitady kisoa ilay dj kanefa tena matahotra ny vavany sy ny masony. Aiza re e! Ra8 hatahorana ny vadin-dRa8 hatahorana. Dia hita be fa tena maivan-doha marina ireo hat ireo.
    Inona moa ity manahirana azy ireo ? tsy manana talenta izay hampandrosona ny firenena fa ny milalao amin’ny saim-boto amin’ny vahoaka no hilofosana.
    izao dia porofo fa ilay dj no filohan’ny jiolahy eto ary mivandravandra be izao fa ilay dj no mpamono olona tam’ny 2009, ilay dj no mpanantanteraka ny asa maloto rehetra ato amin’ity firenena ity efa 3 taona izao. io dj io no matahotra ho alefa any Tsiafaha rehefa tafody ny FILOHA nofidin’ny vahoaka malagasy.
    Mihorohoro ilay dj sy ny tariny.
    Amin’ny herinandro indray hiverina i Dada dia tsy matory andro tsy matory alina ilay dj, dia reraka, dia maty ho hitan’ny mpibaiko azy, fa tsy hintondra na voninkazo iray aza.
    Maty ilay mpivaro-tena, maty tsy misy mpanontany…

  5. Elas,
    Noho izany dia tena mino aho fa tena vonona ny hamono marina ny President ry tsy vanona ireo !
    Amiko aloha dia ilay Gouvernement Provisoire any Johannesbourg ihany no ala-olana farany :Gouvernement de Salut National, assisté de la SADEC et autres instances internationales !


    Tena marina koa ny anao Ravelonarivo : fa angaha olon-dratsy ireo no hoe ampidirina an-tsokosoka eto an-Tanindrazany ? Porofo izao fa tsy ny vadiny no nanao ny massacre tamin’ny Fevrier 2099 !

  6. DJ NE TIENDRA PAS LONGTEMPS
    DANS QUELQUES JOURS, REBELOTE, PAPA ARRIVE, PUIS MAMAN, RE PAPA, RE MAMAN ET AINSI DE SUITE !!!!!!!!
    HA HA HA HA HA HA HA !!!!!!!!!!

  7. tsy mbola henoko indray io resaka gouvernement provisoire io, ny tanjomna farany mantsy dia mody alohan’ny 29 Février ny Filoha Ra8 ary ny SADEC no hiaro azy raha…
    ilay dj sy ny tariny ity miha mivaralila andro aman’alina koa dia miandry ny adalany ampahabe maso fotsiny sisa. olona efa kely endaka iny ve tsy efa maivana ohatra ny kifafa izay ?

  8. Izay fatin’alika ary ve no hiafifiana tsy hitsenana an ‘ity olona mamim-bahoaka
    fa velao izy hanara-po ihany fa efa fantany fa tsy ho ela ny hijanonany eo????

  9. Izay fatin’alika ary ve no hiafifiana tsy hitsenana an ‘ity olona mamim-bahoaka
    fa velao izy hanara-po ihany fa efa fantany fa tsy ho ela ny hijanonany eo????

    Jentlisa ry toanaka e! ary maninona ety ???ity fitsikinao ity mifono zavatra maro mihintsy!!!mampatahotra ny mpanao
    politika io!!

  10. Izay fatin’alika ary ve no hiafifiana tsy hitsenana an ‘ity olona mamim-bahoaka
    fa velao izy hanara-po ihany fa efa fantany fa tsy ho ela ny hijanonany eo????

    Jentlisa ry toanaka e! ary maninona ety ???ity fitsikinao ity mifono zavatra maro mihintsy!!!mampatahotra ny mpanao
    politika io!!

    Izaho koa mba mihevitra toa anao ry Elas ,arakaraka ny HAGEGEN’I FOZA no hanamafisan’izao tontolo izao ny sazy
    ary hiarovany bebe kokoa an’i dada hatrany,ny tena loza dia efa betsaka ireo firenena nankasitraka ny fodian’i mama iny
    nefa jereo ny zava-nitranga???dadany kosa aloha ilay tetik’i dada e!!izao domina tapany ny foza dia mandoha erany,
    nataon’i dada nalaza be ilay izy dia tsy maintsy halaza koa ny FANAKANANA azy,dia ho hitan’i havany eo ireto foza!!!!
    tsy takatry ny lohakelin’i foza izany.

  11. Coucou Ranavalona sy ny akôlita rehetra,
    Toa tena tsy haharitra marina le DJ keliendaka raha izao no mitohy. Hazo amoron-tevana oà ka ny hianjerany hoazy tsisy mpanosika sisa no andrasana e !
    Io iany no fiadintsika DADA sy MAMA a !
    Aelezo isam-bolana (farahakeliny) ny fahatongavanareo hipararetran’i le voan’ny ambalavelona io.
    Velona indray izany ny asan-diloilo, ny lamba koa tsy hiala eny an-doha intsony manomboka anio hi hi hi hi hi hi !

    I Sarko koa efa tsy fantatra olona intsony fa sady enjehana i MARKELA, kopahana i SIRIA, fihinina ny plasy, atao ny propagandy @ fifidianana frantsay, asondrotra ny vidin-javatra rehetra. Ka na izany ve rey olona dia ho arakin’ny ainy ? Tena efa mivadika kilôty mihintsy marina mafy.

  12. tsy izay zaza ratsy taiza tsy vonton’anatra ary kosa no mba hiseho ho
    inona lava eo fa avelao fa izay tsy mahatanty no RERAKA eo!!izahay
    andrinay foana satria fantatra fa mitondra vokatra hatrany ho an’i dada ny tsy fahaizan’ireo domelina ireo
    MIAINA fa manao izay DI-DOHA! efa fantatra fa tsy halehany!tsy MAMOKATRA ! manao izay HINANANA
    anio fotsiny ,izay hitazonana ilay SEZAn’OLONA ela indrindra eo no mahamay,sady tsy ho lefy angaha ity
    SAMPY e!!!manam-petra ny asan’i SATANA oah!!!!mbola Misy TOMPONY AO dia i ZANAHARY e!!!!

  13. Miaro,
    Tsy ny filatsahan’i DADA na i MAMA @ fifidianana aloha no tanjona @ izao fotoana izao fa ny fampahoriana an’ireto Hat Hatay ireto.
    Mibaribary be izao fa tsy tompon-tseza i DJ sy ny tariny fa toy ny SAKA nahazo tolana ka manao ampihimamba, mifori-drambo, matory tsy lavo loha !
    Misaora an’Atra izay tsy eo @ toerany fa tana mafy dia mafy ny mahazo anazy rehetra. Loza aman-tambo !!!

  14. Ka nanao ahoana ny teny Ivato ry Baby???tena nahatsiaro an’isė mihintsy aho??
    tsy kivy isika fa e! ANDRINAY foana satria efa fantatray fa HANANA NY SOA IZAHAY,
    sa tsy izany ry Baby???izy foana no reraka sy hivimbina WC finday ( portable ) eny foana fa ny aty tsy MIRORO!!!
    ho faty tampoka @ taintaina lava eo, dia inona indray ny FIKA MANARAKA e??????rehefa lany fika dia HITSIPAKA
    @’izay fa inona moa???izay sisa handrasana dia hisokatra ny fasany miaraka @ vatapaty bois de rose.

  15. O re olona o!
    Efa ny ainy filoha M.Ravalomanana anie no tanjona tratrariny frantsay sy ny gasy mpamadika e!
    Tsy voafandry zareo ao ampony vahoka malagasy tsinona ny fitivany ny filoha M.Rvalomanana dia ny dingana manaraka ratsy indrindra toy ny fanaony frantsay hatrizay nanjanahany antsika no tanjony izao .
    Inona no mety hanoherantsika izany ary hoy ianareo e_.
    Sao re mba misy paika afa ihany na strategie gasy afahna manohitra ireto biby frantsay ireto e.
    Mailo satria izao anie vaoo tena tolona satria varian t♠4 tsy fanana strategie ny vahoka gasy.

  16. Moramora ny mandripaka fa angaha mitetika ny ho afa-maina eo e!!!
    Raha mbola ao koa izao ANDRIAMANITRA izao !!!!!!tsy misy ho afa-bela eo!!!
    lozan’izay NAHAVANONA izao fanapotehina izao,fa ho avy ny andro samy ho eto isika!!!!
    LEHILAHY tena isany ry FOZA raha ho afa-maina @’izao fanaovana ts’inona an’ny vahoakan’ANDRIAMANITRA izao.

  17. Olon’Andriamanitra iny Randria a!!izy irery ihany no tompon’ny aina!!
    mba mananà finoana ary aza hatao plis-vava fotsiny ilay teniny hoe:
    AZA MATAHOTRA!!!!efa miala aina ireo!!!manao tsipaky ny miala aina fa avelao HIAKAPOKAPOKA
    eo daholo.Mbola miasa koa ANDRIAMANITRA,matoa isika nampidiriny ao anatin’i ady dia tsy maintsy
    handresy,ary izao hataon’i dada izao efa ADY LAHIBE efa miroso @ fandresena TSIKELIKELY.
    Aza avela ho lemen’i Satanan’ireo fa  » AMBONY NY MÔRALY!! ».ilay vahoaka mivezivezy fotsiny no
    mampalahelo fa hataoko fa mahatsapa ny zavamisy izy ireo.

  18. Randria! Raha ny hevitro aloha dia:
    Voalohany, ny sambon’i Bolloré rehetra manondrana bois de rose dia goahana mba hilentika rehefa mijanona an-tseranana tsy misy olona.
    Faharoa,dia tohizana ny sit-in eo amin’ny masoivoho reny malala mba hanehoana ny tsy fankasitrahana ny tetiky ny tsotsoka ary androahana ny chargé d’affaires vaovao;Alaina sary ny sit-in dia alefa amin’ny serasera fantatra.
    Fahatelo dia fadina ny manjifa « made in france » mandritry ny herinandro vitsivitsy.
    Farany, izay tovolahy mibikabika miaramila vozongo dia fanahy iniana alaina sary mba ho fantany hoe:voamarika izy.Asa izay hevitrao?

  19. ny tenako ihany koa dia miray feo @ bemahafoy sy ranavalona,atao ny sit-in eo anoloan’ny masoivoho reny malala dia arantiranty ny sora-baventy @ fiteniny sy anlisyary alaina ary tsara @ zay hitan’izao tontolo izao ny tsy fankasitrahana azy sy ny politikany .

  20. Tsy ianao indray angaha ry HoAiza io manao solomaso, mizesta kely io ? MDR !!!

    Resaka vary. Tamin’ny andron’i Ratsiraka no nisy an’izany tantsaha kivy ary tsy vonona ny hamboly izany intsony noho ny asan’ireo dahalo !
    Miverina indray izany izao araky ny voalazanao !
    Mbola mahay mitoto vary angaha izato bavy ?

  21. Raha heverina foana fa ny hafa no aha solafaka anao dia tsy ho hita mihintsy izay kely tsy mety mampahomby anao. Raha variana ihany koa mitsikery ny any ivelany fa tsy mikaroka ny lavitra fa tsy hita ny ambany maso dia tsy ho hay akory raha sanatria misy mandripaka an-trano. Andriamatoa Filoha o isaoraka Andriamanitra amin’ny fandaharany ka naha telo taona ny tolona. Mino aho fa misy zava-maro tiany asehony anao satria ianao dia mbola safidiny hitondra an’I Madagasikara any amin’ny tsaratsara kokoka hatrany. Ny fahaizana ny olona hiaraha miasa manomboka izao no hitako tena fototry ny fahombiazanao. Raha mbola misy mpamitaka na tia kely miara miasa aminao dia mbola hampisehoany amin’ny fomba rehetra izany ka mbola tsy ho vita io tolona io. Rehefa fongotra kosa ireo mpanoariana dia mino aho fa tsy ho sarotra ny hiverenanao eo amin’ny fitondrana, ka hisy olom-baovao hiara-hisikiponitra ka hampandroso ny tany KANANA.

  22. Ny ahy ilay sarin’i dada sy neny ery aoriana ery @’ilay sary no tena…..
    misitery ho ahy??.ary mino aho fa anisany mahazo toerana ao an-tranon’
    ny olona ny sarin’i dada sy neny ireo.Tena ontsa ny fo!!! ny sasany mitady » fitia  » etsy sy eroa fa DAKA
    FITOMBENANA lava izao no azo fa mbola tsy mety fay ihany.Tsy mahalala tsy tiana!!!

  23. Ny ahy ilay sarin’i dada sy neny ery aoriana ery @’ilay sary no tena…..
    misitery ho ahy??.ary mino aho fa anisany mahazo toerana ao an-tranon’
    ny olona ny sarin’i dada sy neny ireo.Tena ontsa ny fo!!! ny sasany mitady » fitia  » etsy sy eroa fa DAKA
    FITOMBENANA lava izao no azo fa mbola tsy mety fay ihany.Tsy mahalala tsy tiana!!!

    Sady tsy miray tsokomba no tsy miray petsapetsa!!!hamafiso ny finoana!! ny ahy koa dia efa mafy tsara ny
    FINOAKO fa MIASA ANDRIAMANITRA ary izy no mandahatra sisa, « isika hangina hivavaka fa izy hiady ho
    antsika ».Io no manome fitoniana be dia be ahy satria tsapako ilay izy @’ilay zavatra mitranga,toa efa voalahatra
    sy voasoratra daholo no miseho.Raha mbola misy mpamadika ao tsy mbola ho TONGA i dada,MAZAVA BE!!!!

  24. km: tena lavitry ny afo ny kitay raha … io no sary antsaina cliché hapetakao amin’ny amiko
    __

    Mifono zavatra maro io shot iray io an:

    – ny satrok’i demoiselle doigts8 dia norafetina avy tamin’ny poster-n’i dada8

    – miambozona badge misy ny sarin’ny olona notsenaina, dia i mama8 ihany koa izy

    – ary ery amin’ny fond misy cadre mampiseho ny sary tsara tarehy an’ny couple présidentiel

    __

    mikasika vary: ny tahotra na psychose anie lasa acte ataondry tsy mahatao-tody isany ê, dia iza no mahalala hoy ianao ===> mety ny vary amangony maromaro ao antsopitrao no hamonoana na handorana ny tranonao

    fa hampanana ireo tsy manana amin’ny herin’ny sandry sy basy ombanin-dôzin-dRONGONY anie no tetika naparitak’i zanaka lahin’ny france Lapinou ho latsa-paka ao antsain’ny Tanora Gasy Vendrana ê

    efa tsy dia mandray laona sy fanoto fa atao haingo-tokatrano fa lova navelan’i dada sy neny ihany koa
    Miasa ilay izy hanotoana sakay voanjo ary ianareo lehilahy no omena izany asa KELY izany ê ( MDR!!)
    Na misy aza itony robot hafa ihany ny toto-tanana oa sa ahoana

    ny vary anie efa be ireo entreprise kely misahana ny fitotoana vary – koba dia milamina: taterina mankany fotsin, etsy ambony à qques mètres aza efa misy ô

  25. Mitoto ravitoto rehefa manao vacances any ambanivohitra taloha, no tadidiko indray ! Vary izany henjana laotra, tsy vitan’ny sandrikelinay ! Efa tamin’ny fahagola izany !
    Ilay sary indray noheveriko fa mba morse nantsipy !! MDR !!
    Hafa ihany ny toto-tanana an ! Izaho mbola mitoto sakay amin’ny laona kely, vato ary vita SINOA !! Hi hi!

  26. Arionao haingana izany laona kely vita sinoa izany ry Kintana ha!ha!ha!
    Tsy menatra akory ianao milaza izany eto???tia sakay be angaha i Dà???
    izaho nitondra sakay tena milay be avy any Dago,tena tsy aritro intsony ilay izy teo ampitotona mihintsy
    ilay mpivarotra no nividianako azy.
    Tsaroako izahay mifanjana rehefa hitoto vary taloha rehefa manao vakansy any ambanivohitra,dia hoy ry
    zareo any hoe: » ireto ilay Taninarivo be poketra fa fisa-kibo »,kamo mitoto vary.Izao zėsta maka sary sisa
    ilay fitotoam-bary,fa ny manetsa no tena tiako be,saingy matahotra bibilava indray aho ,indraindray ireo
    mantsy misisika any anaty ahitra any brrrrrrrrr!!!!!koditra aho!!!

  27. Eto aho dia mihomehy irery @’ilay fahagolan’i Kintana
    nefa dia tsy mbola manaiky ho »lazondazony akory » dà.

    Ilay sary avy koa dia ilay sarin’i dada sy neny tery aoriana tery no tsikaritro voalohany.
    Manaintaina be izao i domelina sy Mialy kely hoe: raha mba izy no mba tian’i vahoaka toy izao an????

  28. Atao ahoana ranavalona ny fomba hihinànana ro mazava (anan-tsonga na ramirebaka, anandrano ets..), na koa hen’omby sy patsa miaraka amin’ny ovy, raha tsy misy sakay kely â ?
    Tsy dia tena hoe mpihinan-tsakay be, fa rehefa manao sakafo gasy, tsy maintsy mba asiana kely an’io ! Culture gustative ary koa….mitaiza hono !! MDR !!!
    Izahay anie malagasy pur sang, fa tsy pur pôrka ê ! Hi hi hi !

  29. Ny mampalahelo anie ry Zo dia na ny ao Tana aza dia tsy mahalala na inona na inona e!!
    Maizina am-pototry ny mazava, voky fafy lainga.

  30. Misaotra an’i Zo nametraka an’io video io, satria tsara mba ho fantatra tokoa hoe, efa nadika tamin’ny teny malagasy izy io !
    Anjaran’ny rehetra no manamparitaka an’ilay izy mba ho fantatry ny rehetra ny tena marina !
    Tsara ho fantatry ny rehetra koa hoe, inona no tokony sazy nampiarina ho an’ny mpanongam-panjakàna !

    Convoquer-n’i Beriziky hono ilay ministry ny fitanterana fôpla ! Dia hanao inona hono izy ireo ? Hanao daomy sa …. ??????

  31. Fa hono ho ouà ?
    Kintana ve lelahy sa vevavy e ?
    Toa ny vevavy mantsy no nitoto vary sy ravitoto taloha fa tsy ny lelahy hihihihihihi !!!

    Ny anà indray rehefa nandeha vacances tany Ambanivolo dia nalefan’i Papa nangala gourments (café) ny la bonne sy ny koistô dia izahay no nanao ny raharaha tao an-trano. Manao vaisselle (matin, midi et soir) ny anjarako ka tena tsy tantiko ary nanaovako vava be ny rahavavoko hoe : Rehefa lehibe zà dia hanambady mpanankarena ary tsy hanao vaisselle fa ariako ny vilia isakin’ny avy misakafo dia soloako vaovao hi hi hi hi hi !!!

  32. Hi hi hi !!
    Dia tena mampiomehy ilay fanontaniana ry Baby !! Efa fantatrao fa lehilahy be ny tenako, dia mbola asiana resaka ihany !!
    Raha ny tena marina, i Kintana taloha dia tsy nanan-katao afa tsy ny mianatra sy milalao !!
    Fahiny, rehefa mba « te hiaraka na hifanerasera » amin’ny sipa kely, dia tsy maintsy na « mody » mba manao ny zavatra ataony ary « manampinampy » andry-zareo ( sabaka, diam-bazaha, tro-bato,…sy mitoto ) !! Ary rehefa lehibebe kokoa dia tsy fitantara eto !! MDR !!!

  33. Toa mampitahotra ahy izany kilalaonao izany ry Kintana hi!hi!hi!!!!
    soa fa nazavainao tsara ny antony.Ianao kay tena bourgeois-Tana.

    Jereo ry zareo fa mazava be miaraka @ sary ilay fanazavana ny zavaniseho t@ asabotsy a!
    ao @ gtt.org.

  34. Ô ry ranavalona, azo sokajiana anie ny raharaha sy ny kilalao hoy aho, arakaraky ny taona ê !
    Mba manana anadahy ve aloha ianao ê ?
    Misy ankizy tsy dia be « raharaha » fa kosa voatototry ny hirakiraka kely !!
    Ny kilalao indray dia tsy ho tanisaina eto fa mampiomehy rehefa tsiahivina, dia lasa ny eritreritra hoe : Dia izany moa no mba natao taloha !! Ohatra, ny manosika fehim-barika !! Footing vita ho azy, satria nahavita kilaometatra maro !!
    Fa aza dia alefa lavitra ity eritreritrao !! Tsy tokony atahorana !! MDR !!

  35. Misaotra an’ny mydago amin’ireto sary.Mampiseho ary MITORY NY :
    – HETAHETAN’IREO vahoaka ny mbola tokony hiverenan’ny filoha mianakavy eto an-tanindrazana
    Mba azon-tsika alaina sary ve ny fiomanana nataon’izy ireo , TAO ANATIN’NY FOTOANA FOHY , nanaovana ireo sora-baventy ireo ?
    Ary ireto fahendreny manaraka tsara ny toro-hevitra : « …eny @ny sisin-dalana daholo,fa tsy eny ampovoan’ny arabe… » teny nentina hampitahorana azy ireo fa raha vao tsy izay dia vonona izahay ( hoy ilay sefo ba hiarahan-tsika mahalala ! ) hampiasa izay mety…
    Ny hoe : tokony hiditra antsokosoko ? Aza adino fa NY VAHOAKA MIHITSY NO TE HAMPISEHO NY HAFALIANY @ NY FITSENANA azy tonga indray an-tanindrazana.Ka,na hiditra antsokosoko izy na an-karihary,rehefa tsy tian’ny Fat (‘n alika) dia tsy tiany ary tsy maintsy hampiharin’ireo na @ ny fomba inona na @ny fomba inona,NY FANENJEHANA AZY
    Izao dia io alefan’ny lafrantsa io indray ny bebôtiny hanao inona ? Hilaza fa tsy izy itsony io FR io !!!
    Antsika no mihetsika
    Fampahatsiahivana tsotra : ny 7 fev 09 no dradradradraina hamelezana ary hanakanana ny fiverenan’ny filoha eto Gasikara,ARY IO IHANY NO « mba » ARGUMENT BE sisa hitany.
    Antsika no MIHETSIKA ! amin’ny fomba ahoana ? Ny mitsikera fotsiny mantsy ,efa be izay,fa,asa,inona re no azo atao e !
    Izao dia

  36. Tokony ho hamafisina mafy mihintsy ihany ilay mpampandry tanin’i SADC
    fa efa tsy izy intsony ity e!!efa aharihariny anie ny HABIBIANA izay efa nokotrehiny
    nandritra izay ela izay noho ilay fatahorana ka tsy tokony isika mihintsy no hizaka ny ratsy nataon’izy ireo,
    nangalatra sy nandroba izy tsy niheritreritra sy nandinika ka isika no tadiaviny hiara hibata ny taolam-beany
    tsy mitapaka.
    Ny momba ilay 7 fev ???aiza ho aiza ilay fitoriana rehetra efa nalefa ireny???tsy misy tokony efa mba ho azo raisina ve??
    Ny zavatra tsy azo hadino dia ny fanakaraman’ireto mpanjanaka antsokosoko an’ireto jiolahy omeny zavamahadomelina.
    ireo no tokony harahana akaiky fa na i bomba io aza ireo no tena mamantsy be dia be azy mahatonga azy MINANDRANANDRANA
    io sisa ,dia adikany vilana daholo ny lalana misy izay hibaikon’ny karana azy ny frantsay tsy ferana.

  37. kintana!
    Hatokisako e!na ny toetsainao aza hitako fa tena lehilahy ary somary
    enjana loatra indray aza indraindray fa izay no tena hilana ny lehilahy fa raha lehilahy MOAKA koa
    tsy hita izay hilana azy.Ny ahy tiako ny lehilahy rehefa mijoro @ mahalehilahy azy fa tsy hoentin’ny
    vehivavy @ sangany ( hoy ny fitenenana).Fa na izany aza tandremo ihany ny fitondrana ny ankizy @’izao
    fotoana an!!tena sarotra be, aza dia HENJANA loatra fa vao maika ratsy be.Ny fitehizana ny ankizy @’izao
    tena tsy mitovy t@ fitaizana taloha,ny ankizy taloha tena manaja izany olon-dehibe izany fa izao???heveriny
    fa mitovy aminy daholo na olon-dehibe aza, sarotra be.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *