Ho avy i Neny !

Lalao Ravalomanana

Niditra mivantana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny  Filoha Marc Ravalomanana androany tolak’andro .Nanambarany fa hiverina tsy ho ela eto an-tanindrazana i Lalao Ravalomanana vadiny. Mahatsapa mantsy izahay hoy izy fa tena mijaly loatra ny vahoaka malagasy. Tsy hitondra fanakorontanana izao fodiany izao fa kosa hitondra fandriampahalemana. Notateriny tamin’izany ihany koa ny diany tany Addis-Abeba ka nambarany fa nihaona tamina tompon’andraikitra ambony maro sy filoham-pirenena izy tamin’izany ary tsy nisy izay tsy mahalala ny zava-nitranga tamin’ny asabotsy 21 Janoary izy ireo hoy izy ary tena mahita izany ho tsy ara-dalàna. Nilaza moa izy ireo ,hoy ihany ny Filoha fa  tsi hanampy na hanome fankatoavana izy ireo raha tsy tafaverina eto Madagasikara ny tenany.Araka izany dia nitodika manokana tamin’ireo miatamila izy ny hba hahatonga saina azy ireo manoloana izao fahoriam-bahoaka izao.

Nambarany ihany koa fa nangataka fanalàna sazy mihatra amin’ireo mpanongam-pnjakana ny ministry ny raharaham-bahiny maorisiana tamin’ireo filoham-pirenena nivory tao Addis abeba nefa dia nolavin’ireto farany izany ary tsy hisy izany raha tsy miverina ny ara-dalàna ary tafaverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

Henoy eto ny antson’ny filoha :

http://ti1ca.com/vwh74mgd-antso-filoha-Ravalomanana-Magro-Behoririka01-fev-12-antso-filoha-Ravalomanana-Magro-Behoririka01-fev-12.mp3.html

30 pensées sur “Ho avy i Neny !”

  1. au ministre des affaires etrangers mauricien SANTANIER va partir mais votre voisin immediat ce nest pas la france ou l espagne alors reflechie bien MADA n a pas besoin de MAURICE par contre le peuple MAURICIEN a besoin de MADA wait and see

  2. DIA tena sahin’ny ra8 ve ny mitory sy manasazy ny fireneny am vahiny, Tena marary lay rangahy iny, noho ny fitiavan-tenany sy ny fitiavam-bolany. Tsy misy fitiavan-tanindrazana izany na dia ariary aza.Tsy mbola nisy mpitondra eran’izao tontolo izao angamba nanaratsy ny fireneny ary maniry ny hapotika ny tanindrazany satria naloan’ny vahoaka izy.Mivavaka hoazy mba hioava io toetra ratsiny io hoy ny pasitera iray aty izay.

  3. Tsy Ravalo no manasazy ny fireneny fa Rajoelina no manasazy de A à Z: fandorona, fanapotehana, fanagadrana journalistes sy mpanao pôlitika (record: na Ratsiraka t@ 2ème république aza tsy nahatratra ny isan’olona no gadraina tanati’ny telo taona toy an-dRajoelina izao.

    Rajoelina no président RATSY, tsy nahavita na inona na inona indrindra hatr@ Tsiranana, Zafy, ravalomanana, Ratsiraka.

    Tongava soa madama Ravalomanana Lalao. Ianao tonga io dia efa midika sahady fa fahasoavana (asa, création d’emplois en prespective) ho an’olona tsy manakohanina no dikany.Na dia vitsy aza dia efa fanombohan-javatra izany.

    TOMBONTSOAN’NY BESINIMARO SY MARO AN’ISA, TANANA SY LALANA VITA TOY NY KINDRINADRIANA SY MADIO, NO ILAINAY FA TSY TOMBOTSOAN’NY MPANDRAHARAHA TSY VANONA, MIALONA , VITSY AN’ISA MANDRAVA ASA.

  4. @ »Tanora »
    Allez !!! DEHORS !!! Couché !!! 🙁



    Raha ny hevitro dia mety mihitsy ny fodian’i Mme la Presidente mialoha, fa mba efa somary propagande amin’ny Fifidianana ihany izao !

    Ny iriana dia :
    Mba ho maro no ho avy hitsena azy, ary ho maromaro mihitsy aza, mba ho feno raozy ny Tanàna nolotoin’ireto foza mpangery an-joro ireto.

    Faharoa :dia ho porofo ny Fitiavan’ny malagasy ny Prezida Ravalomanana, ny fihavian-tsika hitsena ny Filoha mamintsika.

    Fahtelo :
    – Aoka tsy hanadino isika fa efa miditra amin’ny fotoana hikarakaràna ny FIFIDIANANA izao isika ka

    Tokony manao mirtondra ny Saina Malagasy misy ny sarin’i Dada – Ny Tee Shirt – Ny casquette fotsy – Ny loko manga sy fotsy.

    Ary farany : Mino fa efa ho maro no hitsena an’i Neny, fa mbola ho maro lavitra kokoa ny Hitsena an’i Dada.

    Mahaiza mailo, fa na asa aza i Satanie, ny hafatra azon’i Baomba avy aminy efa misy mipetraka. MAILO MAILO MAILO § Ny kibay an-kelika ihany !




    Mba maro ihany no hita maka sary sy video, fa mahagaga tsy mahita firy eto amin’ny Internet ka :

    Mba hiangaviana ireo izay manana camera na sary mba hampita izany amin’ny olona afaka mandefa izany amin’ny Internet.
    Eto ohatra : MyDago.com – http://lafy8.forumactif.ca.
    Misaotra MyDago a ! Mahavita soa ho an’i Dago tokoa ianareo !

  5. Ry neny mana-kaja! Azamatahoatra velively ny hody an-tanindrazana. Hitsena anao eny Ivato izahay sy ireo namana AV26, sanatria manakotaba anao sy ny zanakao ny AV7. Samy isika manentana ny olona ry zareo an!

  6. Tongava mama a!!mijaly ny vahoaka e!aleo koa ianao ahita fa eto anie
    ry Neny malala efa donton’ny fonoka daholo e!!!!tongava mitondra hery
    vao2 indray ho an’ny Malagasy izay miandrandra FATRATRA izany RENY MAMY izany fa tsy reny MAMBOTRY
    mpangalatra SATRO-BONINAHITRA fotsiny sady manalabaraka @ ilay mba fitondra-tena ,dia ny tena no menatra!!!
    Miandrandra ny fahatongavanao ny vahoaka MALAGASY voageja dia hanaraka avy afara i DADA MALALA ihany koa.
    HOMBA ANAO ANIE ny TOMPO ry NENY MALALA!!!!Dia misaotra anao sahady @ fahavononanao HAMONJY ny
    VAHOAKANAO sy i DADA!!aleo aloha rehefa tonga soa aman-tsara i neny vao hatao  » bakely mamy be ».

  7. <<<<>>>>>>

    Tena i Tanora « Gasy Vendrana » no marary saina. Fa tsy ny TGV akory izao no mamotika nt tanindrazana? Manontany anao aho: novelen’iza ny crise misy eto amin’ny tanindrazana izao? Moa nisy ve izao zava-mitranga izao raha tsy nanao fanonganam-panjakana ry TGV?
    2002-2008 : Nisakafo tsara ny vahoaka, nianatra daholo ny zaza malagasy, afaka nifanerasera sy nifampikasoka ny vahoaka malagasy (ny atsimo, avaratra, atsinana , andrefana, ny hatrany ambany volo rehetra tany) fa nisokatra daholo ny lalana ary vita tsara,
    Izao? Ny 90% ny vahoaka misakafo ambany foitra(vivent en-dessous du seuil de pauvreté), ny zaza malagasy betsaka no tsy mianatra noho ny fahefa-mividy ny ray aman-dreny nilatsaka, ny làlana tapitra potika ny efa vita tsara teo, … ny tsy fandriampahalemana tsy hita pesipesenina (vono olona atsy, faty olona ery, trano sy orinasa voaroba eroa, ..)
    Ary ity no tena tsy aritro fa tsy maintsy ambarako ho renareo « Tanora Gasy Vendrana » ireo : Olom-banona, manana valeur humaine ve izany « olona » manao sonia izany ka tsipahina ny sonia natao? Tsy indray mandeha, fa in-efatra dia mbola sahy ihany misoratena sy misolantsolana fa mpitondra firenena. Menatra aho ê, tena menatra marina ê! Afa-baraka tanteraka ilay fireneko.

  8. Tongava re fa miandry anao Madagasikara ê !

    Ry reny nitaiza sy nanasoa
    Ny fitiavanay anao tsy lany
    Ary dia fisaorana ihany koa
    No ataonay anao ho atrany

    Ry reny ô, ry reninay
    Tongava re fa dia mamay
    Ny fiainana eto Gasikara
    Tongava re fa aza tara !!

    Dia misaotra mialoha ! Nisy nalaina tamin’ny tono-kalon’i V. Solo ( Neny ) ny hevitra !

  9. Domelina le moins que rien, avec son esprit de pute d’Ambohitrakely ne mérite aucune considération ! Idem pour ceux qui le soutiennent ou l’ont soutenu !

  10. Tsy zakan’ny Njara mihintsy angaha lay verite, ary Mamy angaha very tadidy sa mody tsy mahita fa tam andron ra8 ireo zavatra tanisainao ireo, ary izay no nanonganan’ny vahoaka azy:
    Nisy ny lalana vita, tena marina izany, fa hoatrinona ny trosa baben’ny taranaka. kanefa ohatrinona koa ny hetra tsy nalohan’ny ra8 tam fanjakana, mba omeo chiffre momba io izahay dia ho tsapanao hoe Fangalarana mihoa-papana no nataon’ny ra8 tam Malagasy.
    firy no journaliste nogadraina, firy ny tele sy radio nakatona, Ratsiraka niteny tam Radio aza no nanakatonana ny Viva, nefa am Zao fotoana izao dia malalaka, malalaka loatra aza. na am Viva aza misy vaovaon’ny ravalo sy zafy foana isan’andro, impiry ry Hanitra no niakatra TVM.
    Ka aza dia Fanatik loatra ry Mamy fa sokafy ny maso a.Mba valio aloha ilay montant na hetra tokony alohan’ny ra8 am vahoaka e.

  11. Izay mihintsy !!!mitsangana @’izay ! andao hatomboka miaraka @ Mama e!!
    Aoka izay ny ranomaso fa asa izao fa tsy kabary e!alahoery mama a!!NOANA e!
    noana ny vahoakanao ry NENY malala o!!mandry tsy lavoloha! tsy misy fahandriam-pahalemana fa mifampihinana
    antoerana sisa e!!!Homba anao ny lanitra ry NENY!!!!!!dia aza ela koa dada a!

    izao anefa a! tsy maintsy arahana akaiky ity bomba matin-kely ity fa io no tena POIZINA misakana satria VOAVIDY .
    Io no hamala-kira eo fa ampihinano kely ry zalahy a!!olona kely tsy misy inona iny akory???mety midara koa lery tsy
    ferana an!jereo ny tavany mitsiky vendrana efa tsy tompon’ny tenany fa hatsikin’i DEVOLY @ ratsy hataony fotsiny,
    ka fafazana MALOTO aloha iny vao azo HAMPIHINANINA fa raha tsy izany dia ianareo indray no ho foterany eo.

  12. Izany hono ry lohan’alika, mpamono olona sy mpandroba ary mpanongam-panjakàna isany â !!
    Mitsangàna amin’izay re ry vahoaka fa aza matoritory hoy aho !

  13. Vahoaka iza no antsoin’ny KM e. lay mpamono olona efa naongana tam 2009,fa efa fifidianana izao no ao antsain’ny Vahoka. ka ho mpitondra vaovao voafidy, ary mahay mandray lesona am crimes vitan’ireo filoha teo aloha,no andrasan’ny gasy ry KM, fa tsy sakoroka izany a.

  14. Salut!Daholo, nanana olana ara-teknika ka naaato ny fijerena ny sites.Faly raha ho avy i Neny ary araky notenen’i Njara dia efa dingana iray lehibe amin’ny propagandy atao ho an’i Dada mba hahafahany hirotsaka amin’ny fifidianana izay tsy tokony tsy hisy akory satria tokony miala ny mpanongam-panjakana.Tsy misy miala eo.

    Hira ho anao ry Neny:

    http://youtu.be/DUxkHgvyr30

  15. Tongava soa Tompokovavy hajaina ary loloavina ambon’ny loha!
    Raha misy lehilahy matanjaka hono dia satria misy vady manampy ao ambadika ao!Tena marina mihintsy izany aminao ary dia misaotra erampo, erantsaina ary mbola mangataka anao hanampy lalandava ary mahatoky fa afaka miankina aminao ny firenena malagasy manontolo!
    Andriamanitra anie homba anao mandrakariva

  16. Avelao izy ry zalahy ho toy ny reny mamonjy ny tokan-tranony sy ny fianakaviany ary hirariana ho tonga soa, fa aza ampidirinareo kizo am politikam-badiny a, na ny mitondra io Anarana io aza efa tenan Vesatra ho azy mihintsy. fa ny fahotan’ny ramose kosa tsy tokony ho zakainy. avelao izy mba hifaly ny maha renim-pianakaviana azy.

  17. kialalao ramanonaka efa mijaly ampanambadiana, sady efa maty daroka lava ataon’i marc’OSY ao an-tokatrano, no mijaly ampirafesina etsy sy ery! satria ratsy tareh ! hahahahahaha!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  18. Dia tongava soa indrindra rahavavy malala a!

    Mila, tena Reny! Vehivavy mendrika toa anao ny vahoaka Malagasy!

    Trano sy harena lova avy amin’ny Ray , fa ny vady hendry lova avy amin’i Jehovah!

  19. Mba lehilahy ihany ve ireny misora-tena cdt ireny é!!! toa tena resaka fozaB le!le fialonana alou aleo mba fehezina ihany mba tsy ho hitan’ny olona raha tena lehilahy é!

  20. Tena alaivo sary lavidavitra Solo Razafy ty reninareo ty, fa tsisy charme mihitsy ah!
    Ny orona tsisy tetezana, ny tena efa bôfy be, ny menaka tarehy mitakosina be! le volomaso ambony mba amboarina moa! beurrk! zao vao tena azoko, fa tsy matsiro intsony @ Rabaina, de mangala-pinana atsy sy aroa araka ny kôzin’ny Tanora eto!
    Mampalahelo ihany ty vadin-dRamose ity! mendrika aloha nareo raha manan-dreny azy, @ fandeferany, fa idiran-doza kosa @n-dRainareo, terak’ANDRIAMBODILOVA! zay mpijangajanga be toy iny mbola hikizan’ireto hitondra an’i Madagasikara! aNY AN-TAMPONY DEFA LO!

  21. Ho ento mora ihany fa sao mikatso tanteraka toy ireto » SMM » eo vao gaga an!!!!!
    Dia eo ianao no ho raisina!!!efa eo @ fotoana hilana azy mihintsy vao tsy mandeha.
    Hiazakazaka mantsy ny raharaha ato ho ato.

  22. Eto Tana amin’izao fotoana e :
    http://dk0.ti1ca.com/get/92.196.16.31/7j6pl7e1/vih_11_120204_0001_Fahatongavan%27i

    Date: sam 4 février 2012………. 12:11:15

    •It is currently later at the departing airport than the expected departure time and the flight is not yet active. while this may indicate a delay or cancelation, it may also be that the departure information is not available or has not yet reached one of our data sources.

    Il a soit décollé très en retard soit il n’a pas décollé

  23. Tena mitàna ianao ry Madama Ravalomanana â !
    I kala MiJaly sy i domelina vadiny, toa ahiako tsy ahatratra an’izany faha efapolo taonany izany akory !

  24. Fa sary oviana aloha io e!!
    Toa hoe tsy nahazo VISA indray anie hono ireo niara-dia taminy e!!!
    Mbola mitady hirika foana anie ry foza e!!mbola tsy miala izany izy,na mety handrasan’ireo ho hariva eo
    indray ny andro HAMONONY olona.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *