Zafilahy Rakotomandimby : tsy maintsy azontsika ny fandresena

Magro 25 fev 12 (1)

Tato ato dia alefa foana amin’ ny haino amanjery, hoy Zafilahy; ilay zalahy miresaka momba ny »tourmaline ». Izahay hoy izy mba niofana tamin’ izany harena ankibon’ny tany izany.Misy ambaratongany ny fanaovana an’ io. Rehefa fantatrao fa misy izany dia mihazakazaka mikarakara ny taratasy ianao. Rehefa tena fantatra tsara anefa izany dia amboarina ny taratasy. Fantatry Pety hoy filoha lefitry kongresin’ny tetezamita fa misy « tourmaline » ilay toerana dia hanaovanay didin’ ny besandry. Tsy maintsy miala eto izany didin’ ny besandry izany, satria izay no nitolomantsika teto. Ny zavamisy ihany koa hoy ny depioten’ny Vavatenina dia ny jadona ary any ambadika any dia ny « framancon » no miaraka amin’ izy ireo. Tsy olona io jadona io hoy izy, fa tahaka ny nidiran’ny frantsay teto amintsika. Miasa ho azy ao anatin’ ny folo andro, vely karavasy ary migadra rehefa tsy manatanteraka izany. Misy malagasy miara-miasa amin’ ny « framancon » hoy izy, ka izay no tsy hitiavana ny filoha Ravalomanana satria tsy nanaiky an’io ny tenany. Niezahana ny nanilika azy mba hidiran dry zalahy. Tsy maintsy resintsika io, porofon’ izany, hoy hatrany ny CT Zafilahy, dia raha tianao tsy hisongadina ny olona iray dia avelao izy any amin’ ny sisiny. Isika etoamin’ ny magro aza dia tsy miteny be loatra ny filoha Ravalomanana. Ry zalahy anefa dia miteny foana, any anaty radio, any amin ny filankevitry ny governemanta. Hay mipololotra amin ny malagasy izany Ravalomanana izany. Izahay hoy izy no tokony hanao dridrangilo izany. Vao maika mampiakatra ny lanjany izany ary atahorana. Vao maika manaitra ny hambompon’ny malagasy izany. Mikasika ny datin’ny 29 febroary dia nambarany fa ho antsika dia iray ihany ny 29 febroary, fa ankoatra izay dia tsy misy. Alarobia tsy miverina ihany koa io. Aza manaiky ho rebireben’ ny sasany isika hoy izy.Tonga ny fotoana tsy maintsy hialan-dRajoelina amin’io toerana io. Izao hitatsikaizao  dia fiandohan ny faharavan dRajoelina. Izahay hoy Zafilahy dia manaja hatrany ny sehatra iraisam-pirenena ary mampihatra ny tondrozotra. Nohamafisiny fa tsy maintsy mody Ravalomanana hanavotra ny firenena malagasy. Manana ny fiandrianam pirenena isika ary misy fepetra izany. Raha fifadimbiasan toerana demokratika hoy izy ka filoham pirenena lanimbahoaka tamin’ ny fomba madio dia tsyhitsabahan ‘ny sehatra iraisampirenena. Raha sanatria kosa ka fanonganampanjakana dia tsymaintsy miala teo. Nanentana ny vahoaka malagasy ihany koa ny tenany mba ho tonga maro amin’ny fanohizana ny tolona.

23 pensées sur “Zafilahy Rakotomandimby : tsy maintsy azontsika ny fandresena”

  1. Mangataka anareo membra ao @ mouvance tefiditra ao anaty institution ,tsy hanadino ny tanjona ,raha tsy tanteraka ireto zavatra telo ireto dia tokony tsy hanao voky dia matory ianareo,izany hoe tsy misy tokony asa hafa hataonareo akaotra ireto :

    Famoahana ny gatra politika tsy misy fepetra.
    ny fodian’ny sesitany tsy misy fepetra .
    ny fanokafana ny aino amanjery .

    ireo zavatra telo ireo no hitsarinay vahoaka anareo ,ka dia aza hatao miandry mihaotra ny dimy andro izahay .

    RAHA tsy tanteraka ireo ,dia foano ny tondro zotra sy ny filoha napetrany dia I Rajoelina .
    Mavesatra ny zevatra hapetraka @ nareo ka raha tsy zaka dia mialahy .

  2. Izaho koa dia manam-pinoana ohatra anao Zafilahy fa tsy maintsy ary TSY MAINTSY!!!
    Manam-petra ny asan’ny SATANA,EFA RESY IZANY SATANA IZANY,ary ANDRIAMANITRA
    no TOMPONY,izy efa MIHAMIBORIDANA manary lamba isanandro efa NIVOAKA hatr@ TSINAIMAINTINY,efa firy ny olona
    miandry KENDRITOANA IO TSIVALAHARA ,ALAKAOSY, MPANOMPOSAMPY ,SARINDIKY io.Raha izay frantsay efa MAIMBO
    tsy lasa lavitra eo ireo,efa soavaly maty ireny.
    HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!!!tsy maintsy mandresy ny tolona,Any an-tatatra no sahaza ny olona toa itony domelina
    taimbodiana itony.

  3. Tsy azo foanana intsony ny tondrozotra raha tsy tanteraka koa ny antsika dia
    ilay fiverenan’i dada ,fa raha tsy tonga i dada hanentana ny olona tsy ho TANTERAKA
    ireo zavatra ireo, ny eto an-toerana efa tsy mahavita n’inon’inona ary efa tsy misy azo mba hantenaina firy fa
    betsaka ny mpamadika. Tsy nataotao foana ilay hoe: any @ dada ny LAKILĖ.
    Izay tsy tehanaraka ny tondrozotra notokony HIALA,fa ahoana no tsy maintsy isika foana no handefitra e!!!nanao
    sonia nilingitra ery koa nony hanatanteraka no izay MAHASOASOA azy ihany no tanterahana fa ny sisa ???????
    rehefa tsy tantiny ny zavatra nosiniaviny dia MIALA izy!!!tsy alika lahiny akory no ben’ny tanàna!!!!izy no tokony hiverina
    HIKASOKA DISC fa tsy i dada no SERENY @’izay hataony hoe: » hikarakara ny Tiko izy raha hiverina eo » fa iza ity izy?

  4. Feuille de route: LES NATIONS UNIES POUR LE RESPECT DES ACCORDS SIGNES
    (Journal MidiMadagasikara du: Samedi, 25 Février 2012 00:00
    ……………….=======…………………..

    « Double langage. Malgré ces déclarations claires et nettes de la représentante des Nations Unies à Madagascar, force est de déplorer que le double langage de la SADC déroute l’opinion publique qui suit de près l’évolution du processus. Le vice-ministre sud-africain Marius Fransman, qui préside la mission politique de la Troïka dans la crise malgache, a insisté sur la nécessité d’adopter une loi d’amnistie avant le 29 février. Pas plus tard qu’avant-hier, le colonel Tanki Mothae, directeur de l’organe sur les politiques, la défense et les affaires sécuritaires de la SADC en mission dans la Grande Ile, a souligné que le respect de ce deadline n’est pas important. Une manière de désavouer le vice-ministre Marius Fransman. Qu’est-ce qui se passe au niveau de la SADC ? A peine arrivé à Madagascar, le colonel TANKI MOTHAE EST-IL CONTAMINE PAR LE VIRUS du Dr Leonardo Simao? »

    hic
    TILT

  5. Mialà ao amin’io fitondrana io aloha ianareo movansa Ravalomanana ireo fa tsy misy zav-bitanareo ao. Ataon’i TGV fiasana fotsiny ianareo fa i Ravalo taraiky tsy tafaverina ary tsy voaverinareo akory. 5 volana izay ianareo no tao, MIALA TAO raha tena tia tanindrazana marina ianareo fa aza mamitaka ny vahoaka sy Filoha toy izao. Raha mbola ao ianareo dia hijanona sesi-tany ny Filoha. Efa betsaka ny vahoaka no mieritreritra fa efa MPIRAY TSIKOMBAKOMBA amin’ny HAT ianareo ary mahita fa sinéma daholo ny ataonareo.
    Ny GTT 3 omaly dia niray feo tao Paris nanazava tsara izany tarehan-javatra izany ary namaritra ny traik’efa manomboka izao fa tsy hiantehatra sy hanohana fahatany intsony ireo mpitarika ireo.Mahavelom-bolo ny toy izany.

  6. Fehezanteny iray tonga dia nanintona ny saiko teny ampamakiana ny zavatra notaterin’i solo:
    « Tsy maintsy miala eto izany didin’ ny besandry izany, satria izay no nitolomantsika teto »
    ___

    Fahefàna nalaina tamin’ny alalan’ny basy,
    mila botter-na ny raindahin’ny mpanao sorona nohon’ny fitiavana 3V isany,
    ___
    BY ANY MEANS

  7. Ny @’ity resaka FR ihany dia
    Ny zavatra hita koa aloha dia VITSY Izireo no ao ka tsy mahaleo ny maro,
    fa ny tena mapme dia mody hadalainy @ zavatra tsy misy dikany dia reboka eo ,toy itony resaka » FITIA »,efa ela no
    nahenoana sy nandavana io fa saingy izany no mbola handaniana fotoana,noho ilay zavatra 3 LEHIBE, izay toa tsy misy
    resaka akory aza.Mampalahelo ihany!!!!

  8. Ny @’ity resaka FR ihany dia
    Ny zavatra hita koa aloha dia VITSY Izireo no ao ka tsy mahaleo ny maro,
    fa ny tena mapme dia mody hadalainy @ zavatra tsy misy dikany dia reboka eo ,toy itony resaka » FITIA »,efa ela no
    nahenoana sy nandavana io fa saingy izany no mbola handaniana fotoana,noho ilay zavatra 3 LEHIBE, izay toa tsy misy
    resaka akory aza.Mampalahelo ihany!!!!

    Ka manantena anie izy ireo ry Hoaiza fa hampiorooro @’ireto rasily tsotsoka feno ny tanana ireto e!nefa izay no vao maika
    mahatonga saina ny olona ,izy ihany no manome bala hitofirana azy.

  9. Rehefa betsaka ny miaramila vazaha, dia mandeha ny VAROTRA Ê !!!!
    Mety vitsy aminareo no nahatadidy an’izany Epoque hoe, feno miaramila vazaha izany ny tanàna !
    Miaramila frantsay amiko dia mercenaires tsotra izao !!
    Ka mba misy MANOHITRA AN’IZANY VE IREO « FOZA TIA TANINDRAZANA BE  » IREO ???

  10. ranavalona,
    Dia mba faly aho aloha noho ny « fahatokisanao sy fitiavanao » ANAY MIANAKA Ê ! Saingy indrisy, somary vazivazy ihany ny ahy, fa mba nofinofiko ilay vavy kely, fa zanak’olona hafa no tena nametraka ny fanontaniana !
    Tsy maninona fa isika ato, dia toa mifandray mihaotra noho ny TENA MPIAVANA !!
    Mbola hiaona indray andro any !!

  11. Ny fanirina mbola hifankahita
    miandry ny rariny eto isika
    Tsy maintsy,ary efa miketrika ny @’ izany aho, ahoana no fomba hiaonana???rahefa vita kosa izao tolona izao
    dia mino aho fa mba tsara raha hasiana fihaonana.

    Dia ahoana indray izany ry Kintana ??ahoana no mifamitaka???tsy mamely !!!

    Heveriko fa namboly coco tao Paris tao Bemafohy??sa vonin-draozy???arabaina fa tonga soa e!

  12. Nitondra vokany iny fivoriana iny.Miandry ny manaraka izay ataoko tsy ho resaka tolona intsony fa resaka humanitaire, izany hoe efa vita ny tolona ary tafahody i Dada.

  13. ranavalona,
    Aza fady aza fa mpihavana foana isika, na misy ankizy na tsia ê ! Dia ianao koa ve dia tsy mba nieritreritra hoe izany efa lazainao fa « lazony » izany, dia mbola hanan-janaka vao folo taona ?
    Possible ihany aloha, satria ry Montand, Gainsbourg, sns..efa 60-70 ans aza mbola niteraka !
    Mitady vady tanora indray izany, indray andro any ; kanefa ny tena tsy dia artista !
    MDR !!

  14. Manao maso be tsy mahita koa angaha i Bemafohy???
    aiza moa no tsy hilazako fananao fangalam-piery ianareo 3 lahy????
    Misaotra @ fampitana ny vao2 e!tena nisinisy izany ianareo no tao matoa tsy dia mihaona mora2???
    tsara izany !!amin’ny manaraka hatao matotra tsara ny fotoana .

  15. @nareo lehilahy tsy maninona fa mety foana na 70 taona aza, ny vehivavy no tsy afaka intsony.
    raha vao miakatra ny 40 taona, fanaka malemy e!!

  16. KM!Ny vadiko no lasa tany talohako izay saika ho tratrariko tany fa efa tara aho vao tafavoaka ny hopitaly.Dia notantarainy tamiko daholo ny tao.Dia nitady anao tao izy.Nisoratra anarana tamin’ilay kahie izy.Nasaiko nametraka ilay Bemafohy fa tsy sahy fa mbola hihaona isika e.

  17. F’angaha narary Bemafohy???sa namangy olona???azafady ry dà a!!!
    tena ratsy fanahy mihintsy anie itony bavinareo itony e!!!mitsaontsaona loatra.
    Mahafinaritra fa hay samy mafana fo ianareo mivady ka afaka mifanampy tsara,tonga tsara daholo ny hafatra??
    sao mantsy nisy latsaka teny an-dalana???dia hilazao izy fa efa mitohy hatrany ihany ilay vavaka @ 9 ora alina
    azafady Bemafohy a!!Homba antsika Andriamanitra e!!! tsy maintsy mandresy ny tolona!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *