Ravelonanosy Mamitiana : Tsy hiala amin’ny tondrozotra ny Ankolafy Ravalomanana

magro 28 fev 12

Na dia nisy aza ny erikerika madinika teto an-drenivohitra, dia tsy nahasakana ny vahoaka ho tonga teny ankianja hanohy ny tolona izany androany.Efa vahoaka voasendra rahateo ny zanak’i dada tao anatin’izay telo taona nanoherana ny mpanongam-panjakana. Tsy dia lava kabary ireo mpandaha-teny teny an-toerana, fa samy nanao fohifohy izany.
Ny CT Ravelonanosy Mamitiana, dia nilaza fa manomboka mikorontana ny ao La Reunion, ka sahirana ny frantsay. Miakatra ny vidin-javatra rehetra any an-toerana ka mahatonga izay korontana izay. Efa miala tsikelikely amin’ny frantsay ireo zanataniny, ka ho hitan’ny havany eo izy ireo. Ankoatra izay dia namafisiny fa ny antsika dia tsy miala amin’ny tondrozotra satria io no nampiditra teo amin’ny sehatra iraisampirenena. Voalaza ao fa atsahatra ny fanenjehana rehetra ary miverina ny sesitany politika rehetra any ivelany, anisany ny filoha Ravalomanana. N’inon’inona hevitra ambadikin’ny sasany dia mitazona an’io tondrozotra io isika satria efa lalàna eto amin’ny firenena io. Nanao antso ho an’ny Sdac ny tenany, mba hanao haingana ny lalàna momba ny famontsoran-keloka. Lalàna mankany amin’ny fitoniana izany. Nanafatra ny vahoaka Mamitiana fa rahampitso dia eto amin’ny kianjan’ny finoana ihany isika no hifamotoana. Tsy maintsy mahazo vaovao isika, ny 29 Febroary izay ulitimatum nomen’ny Sadc

59 pensées sur “Ravelonanosy Mamitiana : Tsy hiala amin’ny tondrozotra ny Ankolafy Ravalomanana”

  1. Raha izay no safidin’i Dada ary raha vitanareo noho ny fahaizanareo mandalina sy maminavina ary noho fahasahianareo dia eto foana izahay.Tsara ho marihina fa betsaka ny sakana kanefa ny herim-po miaraka amin’ny famakafakana no lalan’ny fandresena:

    http://youtu.be/C6kl6qRsFN0

  2. mba asiana fisainana ihany rehefa manao zavatra.
    _raha vao miala ao ve tsy lasa DABA LAOKA ny fitondrana ?
    _tsy ny Ankolafy RAVALOMANANA no tokony hiala fa i DOMELINA.Aza mba manao fijery « à sesn unique » kosa aloha e
    _tsy maintsy nanome baiko enjana ny filoha @ izay tokony ho mety kokoa
    _Efa tsy ho ela ny fandresena ka aoka samy mahery isika mpitolona

  3. Tondrozotra io « no nampiditra teoa amin’ny sehatra iraisampirenena » ??
    Dia nidontra inona atramin’izao ??
    Isan’andro vaky izao, manjaka ny asan’ny dahalo, manohy ny ataony ny mpanongana, IANAREO VITSY AN’ISA AO AMIN’NY CT SY CST NAHAZO VOLA, FA…………………..

    RAHOVIANA NY PREZIDÀ RAVALOMANANA NO HIVERINA !!!!!

    FANDIO IRAY SINY TSY MAHALEO FANDOTO IRAY TANDROKA HOY NY NTAOLO !
    RAHOVIANA NY « FANDIO ERAN’NY SOTRO KELY » NO HAHALEO FANDOTO IRAY BARIKA ????

    Feuille de route tsy alehany, tsy hitondra ny Firenena malagasy ho aiza io ry Cergeois â !

  4. KintanaMananDrambo >

    Ka ny filoha dia efa nanantona an’i SADC mba hihaino azy.
    Ny SADC koa dia mba mitady ny finoana azy,ary ny filoha dia manana toky avy @ SADC
    Raha miditra ao @ sehatra iraisampirenena ny raharaha Malagasy dia TSY MILAZA izany fa AZO ny fifankatoavana.
    Tsia ! vao maika aza mibaribary eran_tany ny adalan’ny FAT mbola manao ny « Unilateralisme »
    Noho izany dia hirodana tsy ho ela io FAT io
    Eto isika samy ahita tsara

  5. hirodana ny Fat, dia iza no asolo azy. i ra8 no atao Phat dia Manandafy no atao PM sa i Zafilahy dia i KOtity na ra charle no atao ministre defense, Rahanitra ministre ny justice ny Tiko. dia ny Vahoaka Malagasy GAdraina daholo, fa ny vahoaka marobe ny magro ihany no atao ao anaty ny lisitry ny mpifidy hoatranny tam 7 taona e.
    Izany ve no fanirianareo? Mba asiana fisainana ihany hoy Paris se dechaine.

  6. Ela ny nandrenesana an’izay hoe « hirodana » izay !
    Ny SADC efa novidian’ny sasany tamin’ny  » vola spécial misy fofom-poza » ! Eo koa ireo « mpanao devant le fait accompli » dia milaza isan’andro izao fa dia hoe  » mety amin-tsika io » !!
    Dia rahoviana ihany, satria efa telo taona izao no mia-mijaly isan’andro ny vahoaka malagasy ? Mba novakianareo tsara ve aloha io FDR io ê ?
    Tamin’ny fomba ahoana no nanekena an’io ??? Tsy mazàva !!!!
    Tsara ho fantatry ny rehetra !

    Ny raharaha tsy milamina, I FRANCEMAN VOKY SY NIHOSINA SAOSIM-POZA DIA ANY GENÈVE AMIN’IZAO FOTOANA IZAO ; MANGATAKA VOLA HANAOVANA ELECTION !!!!
    TSY HISAORANA IREO REHETRA MPANOHAN’AZY !!!

  7. Misaotra anao ry Paris!!!
    Kintana!
    amiko dia izao e! efa natao io dia io aloha no tokony ho entina hiady RAHA tsy mbola misy azo
    AHASOLO azy, ny volam-panjakana ho lany na misy an’io na tsia, dia iza no hitavandra azy???
    tsy maintsy ny foza ihany. Jereo fa misy io aza izao no zavamisy,fa maika fa ho foanana io nefa
    mbola tsy hita izay ahasolo azy??tsy isika irery no sahiran-tsaina ny @’io fa ny FOZA sy ny Renikely
    ihany koa dia avelao hifamolaka eo aloha,na ry zareo ireo koa aza mba FANINA satria diso fanan-
    tenana fa tsy araka ny NIHEVERANY azy.
    Dia mbola hamafisiko eto ihany fa tsy tokony isika foana no hiala fa izay tsy MAHAZAKA io FR io sy
    tsy tė hampiantra azy fa efa vita SONIA io. tsy lavina koa fa tokony hietsika izay nanao io SONIA io
    indrindra fa manana toerana tsara azo HIETSEHANA izy @’izao .
    Iza no ahazo tombony voalohany raha foanana io????izy efa nahazo izay nilainy rehetra ,fa ny antsika
    anie no mbola tsy tanteraka e!!!ka avelao aloha isika hiady farany! ny foza no mitady ny hanafoanana io
    ary tsy hiala eo izy na ho taritinao @ sangany aza,izay hietsika eo harapak’i BOMBA daholo.Amiko aloha an!!!

  8. TSARA RAHA MBA MAMERINA MAMAKY AN’ILAY IZY DAHOLO NY REHETRA.

    Ny ahy indray ny eritreritro, dia izay HI-STOPPER-NA an’io FDR io no tsy maintsy atao.

    Ity aho eto !

    Ho avy tsy ho ela ny élections ary NY PREZIDÀ RAVALOMANANA DIA TSY HO ANISAN’NY CANDIDATS, RAHA IZAO NO MITOHY !!

    TSY EFA NISY NITENY KOA MOA VE NY « SASANY » HOE : « REHEFA TSY AFAKA MILATSAKA I RAVALOMANANA DIA IZAHO NO HILATSAKA » !!!!

    KA IZAY VE NO HI SY NITOLOMANA ETO ; NAMPIANDRÀSANA NY VAHOAKA NANDRITRY NY TELO TAONA ???????

    IZAHO MAHAFANTATRA NA NAHAFANTATRA FA NA IO FDR IO AZA TSY HITAN’NY PREZIDÀ AKORY, FA
    EFA VITA NY SONIA IZAY VAO HITANY !!!!

    DIA MBA METY VE IZANY ????

  9. Dia iza no hanao ilay FR vao2 ary hoy Kintana??dia @ fomba ahoana???
    ny renikely tsy maintsy hitsovalana eo foana ary efa azy izao ny tanana,
    Izaho koa nahafantatra fa nofahanana lalitra i dada hoe: » izahay no mahita ny aty,mety amintsika io ».
    Dia nahatoky koa i dada,ny andro efa t@ 2 maraina tsy maintsy natao ny androtr’iny ilay sonia fa
    maika be domelina ny hamonjy ilay PILIPITRA tany New York.Dia izao no vokany.
    Efa fantatra daholo izany Kintana a!! fa kosa io aloha no azo ho entina miady hatra@’izao aloha!!!!!!
    Tsy misy mandà eo raha misy lalana hafa fa hatr@’izao aloha tsy misy zavatra matotra azo hatao.

  10. Tadidio ilay teny hoe : « HITANAREO NY VARAVARANA NIHIDIRANA, DIA TOKONY HO HITANAREO NY FIVOAHANA » !!!!!!
    Matoa tsy mbola misy mivaoka, dia « mbola mety daholo » izany ; koa dia ho hitantsika rehetra eo izay hiafaràn’ity tantara ity !!

    Ilay « Constitution illégale » aza tsy misy na iray miteny fa tsy azo ekena ; toa vao maika aza soniavina DAHOLO izay ANTONTAN-TARATASY rehetra misy an’ilay hoe « FITIAVANA » !
    Ho tonga hoy aho ny Elections, dia liana ny tenako ny ahafantatra hoe : IZA AVY NO HILATSAKA SY HO KANDIDÀ ????

  11. Tsy mitady lalana ny ataon’ny sasany ry ranavalona â ! Toa faly mitsingevana toy ny tsy haiko fotsiny, na manana hevitra tsy mazàva !!
    1) Tsy tokony natao ny sonia
    2) Efa hita izao fa tsy mamokatra, dia tokony kianin-dry zareo amin’ny fomba hentitra ny tsy Fanajan-dry domelina an’ilay izy !
    3) Mangataka amin’ny UE, UA sns fa tsy maintsy soloina io, satria TSY IO MIHINTSY NO HITONDRA NY FILAMINANA AO MADAGASIKARA !

  12. Raha nandà io FR io dia efa tokony ho ela fa tsy izao intsony! efa tara!
    tokony niara-nitsipaka t@ antoko Zafy, raha vao hita fa tsy hamokatra.
    Mbola tsy vita oah io FR io dia efa nidradra2 i Mamy R fa domelina no ho filoha,zavatra tena tsy fantatro mihintsy ny antony??
    Dia sady mahamenatra no manalabaraka satria izao tontolo izao aza mandà sy manamafy fa Mpanongam-panjakana nefa dia
    sahin’i Mamy R ankolafy dada ny mbola nandroso azy sy nanaiky ho filohan’ny tetezamita…………tsssssssss raha mba nitondra
    vokatra moa naninona????ankoatra ny naha filohan’i CT azy angaha no takalony nefa toa PM no nantenainy ho avy aty @
    ankolafy Ravalo.

  13. Izaho aloha gaga ihany raha manaiky an’izao i Dada.Tiako ho fantatro ny heviny manokana amin’izao fotoana izao.Rehafa namerina ny namaky ny FDR aho dia hita fa misy zavatra manila ilay izy ary tsy haiko naninona no nosoniavina.
    Raha ho soloina io dia ny fampiharana ny accords de Cotonou no ampiharina hanalana an’i DOmelina ary ny parlemanta ACP-UE no mitantana ny raharaha amin’ny famolavolana ny lalàna mifehy ny fanarenana ny ara-dalàna.Fa izao izany dia tokony hatao.

  14. Mbola tsy vita io sonia io dia efa mahana aho fa hafahafa ingahy Mamy.R,
    dia iny vita ny sonia ,dia izao hiaraha-mahita izao ny vokany,
    Raha ny tena marina dia tsy maintsy, fa @ fomba ahoana dia rahoviana??.dia iza no hitondra eo mandra-pa??
    Asa raha fantatrao ry Kintana fa ny tanjon’ny foza koa dia ny hanafoanana io, ny azy efa azony izay nilainy fa
    ny antsika???

  15. Andro alina sady FANAHINIANA NOKOROPAHANA ny nanaovana io koa tsy mahagaga.
    Efa fomba fiasan’ny foza izany fa tsy haiko mbola tsy fantatra ihany ve izany 3 taona aty aoriana???
    Amiko dia ilay fahatokisana no tsy azo hapetraka na @’iza na iza hafa afa tsy DADA.Tsy misy afaka ny hanao na inona2
    eo raha tsy eo i dada.

  16. Izy tsy mankatoa, manao izay danin’ny kibony, fa ianao « raha mandefa rivotra » fotsiny aza, dia lazaina fa manao attentat, manapaoka baomba !!
    Mba jereo ry zareo ny conséquences néfastes rehetra naterak’io fanonganam-panjakàna io â ! Afaka 40 ans mbola hizaka ny vokan’izao ny TARANAN-TSIKA REHETRA !
    Hiaritra an’izao foana ve ny vahoaka, ary dia mba inona no hoavin’ny MALAGASY ??

    I domelina tsy mankatoa an’io FDR io ?

    Ny an’i domelina, na Feuille de route na Feuille d’autoroute, na feuille de chemin, tsy hamakiany latety ! Tsy rarahian’ny pipiany inona !! Io FDR amin’izao fotoana izao io, dia mety aminy tsara fa resaka fotsiny izany !

    Namboarina (na ni-dimensionner-na hoy ny tekinisianina ) ho azy io FDR io, ary ny frantsay no tao ambadika, niaraka tamin’i NL Ratsyorana !!

    Ny hanjaka sy titra omena Président ihany no mahafatifaty azy !

    Ny devise-ny : Ataovy, ary samia manao izay tiany atao, fa izahay mivady no Mme et Mr le Président de la Ruepublique !

  17. Fantatrareo hoe inona ny nahazo an’i Mamy R tao amin’ny Villa Elisabeth androany ? Tao daholo ve ny Quattro mazika ?
    Tsy olana ny fanekena izay titra CT ry ranavalona â !
    Ny tena olana dia natao sonia ity FDR izay TENA FITAKA SY POIZINA HO AN’NY FIRENENA MALAGASY NY TAO ANATINY Â !
    Ny Prezidà efa vonona hatry ny ela, efa tany Maputo no hoe, hatsangana ny FDR ; fa tsy io FDR tandrametaka io !

    Io lazain’i Bemafohy io dia efa solution, ary METY AMINAY TSARA, IZAHAY NA ISIKA TENA MPIARO NY ARA-DALÀNA !! ARY ATAO IZAY HAMPIARANA AN’IO REHEFA MITADY HANAO TIA-TENA DAHOLO !!
    Ny vahoaka akory tsy vendrana, ka tsy ahafantatra hoe iza no tena fositra !

  18. Efa azony izay nilainy t@’io FR io dia TSIPAHANY @’izay fa tsy hoe tsy nilainy ry Parie a!
    TENA nilainy dia nilainy tokoa ary mbola izy izao no nahazo tombotsoa betsaka t@’io hatr@’izao
    Io ihany no NANOME FANKATOAVANA ho azy araka ny maha JIOLAHY azy,ary hataoko fa efa be dia BE izay.
    Fa aiza kosa izy mba valiny??? mba nisy ezaka ve teo @ ity domelina fa tsy vao maika aza ny mpanjanaka no
    HABOSESINY hiditra hiaro ny rambon-DEVOLINY tsy ho tapaka?????????
    Kintana tsy io no olana fa » IO ANGAMBA HOY AHO NO TAKALONY » zara aza nisy an’io mba lehibean’i CT io koh!
    Isika anie toy voatery hiverina any aoriana dia ohatry ny MANDATSA sisa e!!!Zavatra azo najanona tsara iny SONIA
    iny fa efa tokony ho fantatry ny tompon’andraikitra izao fitrangan-javatra izao ,raha olona tena vonona ny hiaro ny
    MARINA,fa saingy indrisy!!!!

  19. fifidianana Faran’izay malaky ry KM no tena afahana miala amzao crise izao a. Efa tafatsangana ny CENI-T ary fifidianana tena malalaka no nahatongavany ao.
    Mitadiava candidat potentiel am mouvence nareo fa ra-8 zany efa efa namarin-tena.

  20. Izahay tsy voretra ka hisakafo eo ambony latabatra feno loto ! Vao io maraina io no hitako, fa vokatry ny nataonareo, dia na Fiangonana aza, dia vitanareo ny mametaveta azy ! Aiza ve ka eny amin’ny « autel » no mangery ? Ny fanafihana isan-karazany moa tsy lazaina intsony satria efa nomenareo ohatra ratsy ireo jiolahy rehetra, satria vitanareo ihany koa ny nanafika Lapam-panjakàna !
    Hitako androany koa izao fa hoe nisy caserne-n’ny zandary notafihan’ny dahalo tany Belo/Tsiribihana !
    Indrisy !! Mba alefaso any i Rabepanda, mba hiaro an’ireo zandary saika tapaka lalan-drà ireo, vokatry ny tahotra !

    Inona no mahamaika anareo hanao fifidianana ? Satria entin’ny tahotra, satria fantatrareo fa ny Prezidà Ravalomanana no takian’ny Vahoaka malagasy !!

    Ho an’ny mpiaro ny ara-dalàna, ity misy artikla navaokan’ny Le Monde diplomatique, ka na dia tsy tonga lafatra amin’izay tokony ho izy aza, efa mba manome FANAZAVÀNA ho an’ny frantsay rehetra.
    Tsara atao « copier-coller » DIA ALEFA ANY AMIN’NY NAMANA REHETRA, INDRINDRA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FIFIDIANANA IZAO !

    Asio sary miarak’aminy !!!

    http://www.monde-diplomatique.fr/2012/03/DELTOMBE/47470

  21. « Olona tena vonona ny hiaro ny marina » no hilaina, saingy indrisy !!

    I Mamy dia mety manana finiavana, fa manodidin’azy, MISY OLONA (TRIO) TSY MAZÀVA, satria téléguidé-n’ilay iraykalahy izay !!!

    Efa betsaka ny tonga saina ( CT sy CST ) hoe fahadisoana ny nihidirana tao, ary nilaza fa hiandry folo andro indray, raha dify ny 29 février ! Dia ho hita eo indray izany !
    Mila mampiseho i Mamy R fa tena lehilahy, vonona ny hiaro ny ara-dalàna. Atramin’izao mbola tsy hitan’ny vahoaka (tsy ny zavany akory an ) ! Mdr !

  22. Tsy azoko mihintsy ianareo ry KM, Ny transition hoy ianareo mampijaly vahoaka, dia tena gaga indray aho reefa ho faranana ny transition dia hoe inona no mahamaika anareo am fifidianana.
    olona voaheloka ve ry KM atahorana atao inona a, efa nasaina niditra teny Morondava ange izy tsy nahasahy, Asaivo miditra aty am province aty izy ry Km raha tena lehilahy, fa maro ny vahoaka hitsena azy fa izany hoe tsy tafody any Tana intsonyfotsiny angamba izy mandrakizay.

  23. « Aéroport international » angaha izany Morondava izany ???
    Rehefa tianareo ho samborina izy, maninona no tsy navela hipetraka akory ny fiaramanidina nitondr’azy ?

    IANAREO ANY AMIN’NY SUD ANGAHA NO TENA ATAO HOE VAHOAKA MALAGASY ????

    LAZAO NY MARINA RAHATOA KA TIANAREO HIADY AN-TRANO NY MALAGASY, SATRIA EFA RESAKA NATAONAREO HATRY NY ELA IZANY !!!

    IANAREO NO TENA ATAO HOE TSY MISAINA FA TENA LOHAM-POZA MAHAVANIN-DOZA, ARY MAIMBO FO ZA !!

  24. Tsy nisy resaka fanavakavahana mihintsy teo ry KM fa aza avadika ny resaka a. Taty am province no tena nahita nangirifiry ny vahoaka tam ny fanjakazakan nataon’ny de8, Fitrongisana ny tranon’olona sy ny tanim-pajakana hatao Magro, Famoretana ireo mpiasam-panjakana hanao hala-bato sy tsy maintsy miditra Tim. famonoana ankeriny ireo orin’asa kely olon-tsotra ho an’i Tiko ny fiompiana voron-tsiloza amerikan taty Atsimo, indrindra moa ny contrat nataon’ny de8 tam QMM hoe tsy mandoa douane ao anatin’ny 40 ans.
    Tsy fahankalana io olona mahafanatik anao io izany ry KM, fa ianareo ve dia tsy mba manana ny maha izy anareo, no dia efa olona naloam-bahoaka izany no maha fanatika anareo.

  25. Firy amin’ny malagasy 20 millions aloha, izany vahoakanareo izany ??

    AVELAO IZY HODY, DIA MILATSAKA HO FIDIANA REHEFA TONGA NY FOTOANA, DIA HO HITAN-TSIKA NY ISAN’NY VAHOAKANAREO TSY TIA AZY IZANY !!!!

    AZA MATAHOTRA MIHINTSY RAHATOA KA TENA BETSAKA IANAREO !!!

    Izaho dia miaro ny rariny sy ny hitsiny, miaro ny ara-dalàna, miaro an’izany atao hoe demôkrasia izany, miaro ny fiandranam-pirenena, miaro ny zon’ny malagasy, fa tsy miaro fahatàny olona iray !!

    Voarakotra ao anatin’io lazaina fa Kianjan’ny Demôkrasia eo Ambohijatovo io, ny ao an-dohanareo foza !! Tsy eken’ny malagasy izany !!

  26. Toa ohatry ny voan’ny fandraikiraikena anie izy rehetra ao @ FAT iray manontolo e! Aiza ve dia niala tany Afrika Atsimo efa ho 1 volana mahery izay efa nomena fe-potoana tsy maintsy tratrarina andinihina ny famotsoran-keloka dia toa samy tsy taitaitra. Tena efa ao @ malagasy mihintsy izany toetra izany ary izay no tsy nitiavana an’i Filoha Ravalomanana hatramin’ireo mpiara-dia taminy fa nolazaina ho mpanao didy kofehy lehibe dia nandaoazy sy namadika azy rehefa avy eo. Moa va tsy ny famotsoran-keloka no isan’ny fitaovana lehibe hirosona @ fifidianana ka hifaranan’izao tetezamihitatra izao? Aiza ve ny Ankolafy Ravalomanana manana Praiminisitra lefitra, minisitra 4, filoha sy lefitra andrim-panjakana ary mpikambana efa tsy voaisa @ ratsan-tanana intsony ao amin’izao hoe fiaraha-mitantana izao dia tsy mbo afaka nively latabatra ny faran’ny Janoary hoe « hatsangano izao dieny izao ny rafi-pandinika ny famotsoran-keloka, atsangano ny rafitra fampihavanam-pirenena »?. Vao herinandro mahery kely anie izao no mba nivoaka ny vokatry ny asan’ny « ad hoc » ary hitantsika iny ny fandehany. Toa tsy misy hitondrana ady hevitra akory noho ny fotoana efa antomotra. Tena tsy afa- manotra ve ireo nametrahan’i Dada ny fitokisany? Tsy ampy finiavana ve? Sa dia hanao ohatran-dry Ravorondolo, ry Yves Imezana sy ry Loksoa fotsiny no hiafarany ka hilaza hoe « avelao mihintsy aloha ny Filoha TEO ALOHA Ravalomanana hipetraka »? Ny amisavisana ny ratsy leiretsy hiavin’ny soa ary ny anongotsongoina ny maty sarotra ny handevimbelina ka mba hitafao sy hidinidinihinareo ihany izahay vahoaka zanakak’i Dada fa ireo anie no tena kitro ifaharan’izao fanoherana ny famotehana ny firenena izao e! Efa noroahinareo nitady toerana any @ izany MAGRIS sa MAGRAS ireo mahery vaika izay mba naneho ny heviny tao MAGROS ka sao lahy dia …Toa mbola i Dada ihany no manao ny 90% isan-jato ny asa ka raha tsy ho tairiny @ fiaviny eo indray isika tsy ho taitra sa tena misy matahotra ny hifanatri-tava aminy eny fa na dia ireo mpisorona akaiky azy eto antoerana aza?

  27. Loi d’amnistie : Mamy Rakotoarivelo interpelle la Troïka.
    Le chef de délégation de la mouvance Ravalomanana ne peut pas se taire face au manque de prise de responsabilité par la Troïka devant le non respect de la date du 29 février. « La date du 29 février a été fixée depuis le 24 janvier, à l’issue de la réunion d’urgence de Pretoria. On a donc eu le temps suffisant pour l’adoption de la loi d’amnistie. Pour moi, si cette loi d’amnistie n’est pas aujourd’hui adoptée, c’est parce qu’il y a mauvaise foi de la Présidence de la transition et du gouvernement. », affirme Mamy Rakotoarivelo. Avant d’ajouter : « Nous sommes contents des décisions prises par la Troïka, mais l’application de ces décisions nous déçoit. » Le chef de délégation de la mouvance Ravalomanana d’interpeller le vice-ministre Marius Fransman et la SADC : « Nous demandons à la SADC de prendre une position claire face aux manoeuvres dilatoires et aux tergiversations de la HAT. La SADC doit prendre les mesures qui s’imposent pour sanctionner les acteurs politiques de mauvaise foi. »

    Recueillis par RAJAOFERA Eugène (Midi Madagasikara )

  28. Mouvement des Jeunes patriotes : « La France derrière le coup d’Etat de 2009 »

    Comme prévu, les membres du groupe des jeunes patriotes malgaches ont organisé hier une journée de deuil et de recueillement en mémoire des différents évènements qui se sont produits au pays depuis 2009. Une manifestation intitulée « pleure mon pays bien aimé », dont l’objectif principal étant d’interpeller les tenants du régime transitoire et d’exprimer la souffrance de la majorité du peuple à cause des effets néfastes de la crise. En quelque sorte, les participants qui étaient généralement vêtus de noir, ont bien reçu le message que les organisateurs ont transmis. L’occasion pour les leaders de ce mouvement dirigé par Ramy Rakotojaona de dénoncer les problèmes de gouvernance, le non respect de la démocratie et l’inexistence de l’Etat de droit actuellement. Selon ses dires, « ce sont les fruits du coup d’Etat organisé par une minorité de Malgaches et soutenus par une faction de l’Armée ». Par ailleurs, la France a été pointée du doigt hier dans la salle Arrupa de l’EKAR Faravohitra. Pour les partisans du mouvement des jeunes patriotes malgaches, « la France était derrière le coup d’Etat de 2009 et jusqu’à maintenant, elle continue son ingérence à Madagascar ».

    Tuerie. La conférence-débat d’hier a surtout été marquée par la diffusion des films sur les différents évènements marquants de cette crise, entre autres, le lundi noir du 26 janvier et la tuerie du 7 février. Pour ce qui est du carnage d’Ambohitsorohitra, le film diffusé hier a confirmé l’existence de tirs croisés venant de l’extérieur dudit Palais. Pour Ramy Rakotojaona donc, « ce sont les leaders de la Révolution orange eux-mêmes qui ont tiré sur leurs partisans pour accabler l’ancien président Marc Ravalomanana ». En tout cas, en vue d’interpeller la communauté internationale sur les réalités sociales, économiques et politiques qui prévaut actuellement dans la Grande île, le « Madagasikara ho an’ny malagasy » prévoit de remettre prochainement un mémorandum de sortie de crise auprès de la SADC et des membres du Corps diplomatique et consulaire résidant au pays. Il convient de noter qu’une forte délégation de l’Ambassade de l’Afrique du Sud a assisté à la rencontre d’hier. A entendre Ramy Rakotojaona, ce mouvement va se poursuivre et se répandra dans les 22 Régions.

    Davis R (Midi Madagasikara)

  29. TSY ampy intsony ny resaka be hataonareo ,tsy tafavoakanareo ny gadra politika ,tsy voasokatrareo ny aino amanjery ,tsy vitanareo ny nampody an i R8.

    KOA NOHO IZANY TSY HITAKO LOATRA NY HILANA ANAREO.

  30. Comment devrais-je comprendre ceci:

    Une loge pour le gratin du Droit humain

    Les plus « gradés » des adeptes du Droit humain se réuniront dans une nouvelle loge de cette obédience maçonnique à Antananarivo

    Droit humain, les loges maçonniques???

  31. « jeunes patriotes », fitiavan-tanindrazana inona, mba manana zalahy hazon-damosina fa dia aza dia ho entin’ny vola am sanga a,

    fantatray ireny vola be tam ra8 ireny, izahay taty koa marobe no nahazo, fa tsy nisy hiditra hiaro ny tombotsoan’ny de8 izany ny bandy taty. koa Mba miteny andry RAMY R. izahay tsy hoa tafidi-kizo amnio fa hoano ny volany dia miala fa de8 ange ka mahasahy mamono olona mihintsy reefa tsy mavita ny mission e.

  32. Nametraka fanontaniana izahay fa toa tsy manank’ambara izato hoe Tanora !
    Averina ny fanontaniana : Mba iza laotra izao olona milay, ho ataonareo kandidà izany ry Tanora ?

  33. Ny fanaonareo ry Tanora io voalazanao rehetra io. Raha ireo fanonareo ireo no nampiarin’ny Filoha Ravalomanana teto amin’ny Firenena dia efa tsy nisy intsony ianareo. Fa olona matahotra an’ Andriamanitra izy ka tsy hamono olona na oviana na oviana na ho tombotsoany aza. Tazony ho anareo ny talenta ratsinareo sy ny mahabotom-bazaha anareo.

  34. Rehefa miteny vola be, tamin’ni Dada teo ve mba nisy volabe toa izao OMEN’NY FRANTSAY an’i Domelina izao ?
    Ary aiza daholo no alehany fa toa ny zandary sy polisy sy miaramila no minono azy ???!
    Ny vahoaka mihinanana ny tsy fihinanany fa mifamono aza no ataony !

    Vola be atsy vola be aroa anefa ny ministra sy PHAT sy foza no tena mitsetsitra sy miletra .
    Tafiditra ao koa izao ry Ramalason sy ny CST sy ny CT sy ny CENI….
    Ny vazaha ihany tompoina ry foza isany a ! Nonoy, lero mba min’ny malotony !

  35. Mety misy fahamarinana ny anao ry KM kanefa kosa misy mpanao politika miray tendro amin’ny mpanjanaka sady manala an’ingahy Rajoelina no tsy mila ny Filoha Ravalomanana. Sao dia izay ilay feuille de route vaovao atao. Efa betsaka ny vahoaka no maharaka ny fanaon’ny politicard ka tsy azo fitahina intsony. Ahiahy ny ahy.

  36. Momban’ilay inona moa izy izay ry lilinoi, mba hanitsiako azy rahatoa ka tsy dia mety na koa tsy mazava ?

  37. Ny fifankahalan’ny samy mpanao politika sasany izay vitsy anisa no araraotin’ny vahiny
    ho an’ny tombotsoany no mahatonga antsika tsy hivoaka amin’ny krizy. Ny vahaolana tokana amin’ny fialàna amin’ny krizy dia ny fifankatiavan’ny Malagasy rehetra. Samy tompon’ity Firenena ity isika rehetra. Mivavaha isika rehetra , mibebaha sy tena mandala ny didin’ny Tompo dia ho tanteraka io fifankatiavana io. Ialao ny fitiavam-bola diso tafahoatra fa io no fototry ny fahotana rehetra.

  38. Tsy manao politika izahay ry KM a, Maro ny tanora malagasy manampahaizana sy Tia tanin-ndrazana ary te hanova ireo fomba fanao ratsy nataon’ireo mpitondra mpangalatra sy mpamono olona ireo taloha. tsy halatsaka ireo ry KM fa reefa vonona izy dia milatsaka.
    lilinoi,Tsy azoko ilay hoe fanaonareo, ny zavatra nolazaiko tetsy ambony dia mba manentana ireto namana jeune patriote ireto mba tsy hangala baraka tena ka hiaro olona nanivaiva ny malagasy sy mihoson-dra, ka mba hijery lavitra ny hoavin’ny Vahoka Malagasy, ary hijoro am maha izy azy fa tsy hobaikon’ny vola ny de8, ary nolazaiko teo fa nomena vola izahay fa tsy nangataka hoe hanatsarana ny fikambanana ny tanora, taty aorina dia nahazo vola indray izay ary izay vao niaraka am instruction de destabilisation iny de8. noraisin’ny mpikambana ny vola n le8 dia tsy nisy nanaraka izany hevitry de8 izany satria dia habibiana no tiany hatongavana mba ahafahany miverina tsy mandalo Tsiafahy na hamonoana olona aza.

  39. Mba ahoana ny hevitrareo mikasika ilay Nationalité ho an’izay mirotsaka ho Prezidan’i Madagasikara , sy ireo Fonctionnaires ambony ?

    KM
    Tsy dia azoazonao angaha ilay Ave Maria no Morro ?!!

  40. NY LEGALISTA 90% NO TOKONY HIFANKATIA AMIN’NY POSTSISTA 10%, SY HANAIKY NY FOMBA FISAINANY ARY NY ZAVATRA NATAONY ????
    Zavatra tsara izany mpiray tanindrazana miray hina sy mifankatia izany, fa na firenena aiza na aiza, dia tsy maintsy misy foana ireo andian’olona voahodikodina ny sainy, tsy mitovy amin’ny rehetra !
    Raiso ohatra fotsiny ny mahazo an’ireo ao amin’ny Front national -n’i Le pen ! Tsy misy azo terena hiara-hisakafo amin-dry zareo ny frantsay, rehefa tsy mitovy ny fomba fisainana !!

    Fanajàn’ny rehetra ny LALÀNA IHANY AMIKO no tokony himasoana.

    Tsy olo-masina ny malagasy, fa mbola olombelona toy ny rehetra, hitoeran’ny toetra tsara sy ratsy !

    TENA LASA FOMBA SY LOVA RATSIN’NY MALAGASY IO HOE : MIFANKATIAVA IHANY RAHA MBOLA VELON’AINA IO !!!!

    Ianao mihezaka manao an’izay mety sy marina, fa raha vao mitodika dia efa iny ny sasany manatsatok’antsy avy ao an-damosina !!

    RESPECT ET APPLICATION DE LA LOI !!

    Ny troisième voie indray dia tsy aty amiko ! Un « tiens » vaut mieux que deux « tu l’auras » ! Efa fantatry ny vahoaka ilay « tiens » ary tiany, koa dia aoka isika hanaraka ny safidin’ny be sy ny maro, satria demôkrasia no tadiavin-tsika !!

  41. Aiza izany ry Njara ?
    Prezidà tsy manana double nationalité no tsara ho an’ny malagasy !! Maro ny antony, tsy ho voatanisa eto !

    Fanaovana pôlitika, ary anisan’ny tena ratsy, ny mivoy lainga sy fankahalàna isan’andro ato !!!

  42. Soratro farany io dia ho an’i Tanora ; manao « praozy » kanefa tsy mahafantatra hoe manao an’izany !

  43. Njara,
    Saika tsy hitako ilay izy, fa dia fisaorana manokana ê ! Misaotra ihany koa amin’ilay fanasàna, fa tsara aloha angamba miaraka misakafo eto isika, sao dia lazain’ny sasany manao kibo an-tsena !! Tsara sy mety angamba aloha, ny miara-mizara ny manta sy ny masaka eto ! Eritreritro io an !
    Ho valin’ilay izy dia mba ity koa, ho anao ! Fitendry taloha ! Asa koa izy ity raha hety na tsia !

    http://youtu.be/MrfcfWmZmpY

  44. Voaray fa misaotra e !
    – Ary mba nanao ahoana ary izay ny hetsika nokasain’ny Mouvance Zafy ho atao ( klaxons auto-moto)?
    Toa tsy dia naheno ny tohiny loatra aho !

  45. Na ilay fanaovana « fanazaran-tena », nanaovana NOTAM sy hoe « hanidiana » ny seranam-piaramanidina rehetra aza !!!! Tsy misy resaka nany « i » aza ! Sa izaho no tsy mikaroka vaovao loatra ?
    Hitako tany ho any, fa hoe mangataka Tondrozotra vaovao indray Ingahy Zafy izy izay ary ho dinihin’ny SADC izany fangatahana izany !
    Ny tsy azoko anefa, dia ny zavatra efa « tsy nety » teo ihany no toa mbola angatahana !!!
    Hahitsiho ry zareo rahatoa ka diso ny fandraisako azy !!
    Averina eto indray. Raha ny eritreritry ny maro, dia alohan’ny ampiarana ny tondrozotra, dia ireto aloha no tsy maintsy tanterahina :
    – Fiverenan’ireo rehetra « Tsy avela handia ny tanindrazany » !
    – Famoahana ireo nogadraina rehetra, izay lazaina fa noho ny antony pôlitika
    – Fisokafan’ny Haino aman-jery rehetra izay nosakanana « Tsy hiasa » !
    Ny zavatra hitako dia toa mbola atao ambanin-javatra ireo !

  46. Ny zavatra tsy azoazoko amin’izy ity dia izao :

    Moa ve tsy maintsy mandalo amin’ny Autorisation ataon’i PHAT vao afaka manao na manapaka izay atao,
    sa ny PM araka ny maha PM azy dia tokony ho afaka manapaka ireo zavatra TSY MAINTSY TANTERAHANA IREO ?!

    Beriziky efa PM rahateo, ary raha jerena ny fandehan’i Zafy dia mbola mifanaraka tsara izy roa tonta. Ny tiako holazaina dia tokony handray adidy mihitsy ny PM miaraka amin’ny Gouvernement tarihiny , HANAPAKA sy HANDIDY ny fitondram-panjakàna.




    KM – Avereno vakio kely hoe ilay fanasàna, fa raha tsy diso aho dia tsy azonao tsara ilay tiana holazaina. Ilay « HONO » any amin’ny farany no miteny ! 😉

  47. Izay tiany no tsy maintsy atao !
    PM izany tsy miteny, satria isika « tsy ao anatin’ny atao hoe demôkrasia » !
    ARY IZY TSY MISY MAHAZO MANAISOTRA AZY EO AMIN’IO TOERANA IO INTSONY, NA IZA NA IZA !!!!
    Na ny CT na CST na ministra na miaramila tan-dalàna !! Izay no EFA NATAO SONIA !!!
    MOTION DE CENSURE INTERDITE !!!
    FAVY, KATRAKA, TSY MENA-MITAHY, MAHAY NY MPANAO PÔLITIKA SY LALÀNA MALAGASY !!

  48. Beaucoup d’entre nous ont trouvé la présente FDR inapplicable et souhaitent une autre à la place.La proposition de Zafy va-t-elle dans ce sens? Celle-ci corrobore-t-elle l’idée de Louis Michel ou encore celle de Ranjeva? C’est à dire instaurer un climat d’apaisement, une nouvelle transition sans Rajoelina à la tête et en même temps restauration de la démocratie, enfin les élections présidentielles.Votre avis m’intéress mais avant tout lisez l’article suivant:

    Une nouvelle Feuille de route sera consultée par la SADC
    Publié le Vendredi 2 mars 2012 à 8:16
    Le Professeur Paul Rajaonarivelo a pris hier le relais sur la direction de la rencontre « Diniky ny samy Malagasy » ou Ady Gasy à Ankatso, sous le parrainage de la mouvance Zafy. Selon ce professeur, ce projet donnera naissance à une nouvelle « Feuille de route » selon l’esprit et les valeurs malgaches.

    La prochaine étape du « Diniky ny samy Malagasy » consistera en un briefing des propositions des participants. Cette étape sera suivie de l’élaboration d’une nouvelle Feuille de route pour la sortie de crise par un comité d’écriture qui sera prochainement mis en place, ainsi que l’instauration d’un nouveau régime de Transition. Selon le Pr Paul Rajaonarivelo, la SADC aurait demandé à consulter les résolutions de rencontres des deux derniers jours.

    La nouvelle « Feuille de route » prévoit la mise en place d’une nouvelle Transition et le retour des exilés politiques. D’après les explications du Pr Paul Rajaonarivelo, l’objectif est de mettre en place un climat d’apaisement dans le pays avant de penser à l’organisation des élections. « Il ne peut y avoir d’élections crédibles nationalement et internationalement que dans un pays en paix », a-t-il précisé. En ce sens, la nouvelle « Feuille de route » sera élaborée par des représentants des 22 Régions, au même titre que la prochaine Transition qui accueillera toutes les classes régionales et toutes les forces vives de la Nation.

    À l’entrée en vigueur de cette « Feuille de route » devrait suivre le retour au pays de tous les exilés politiques. Il reviendra par la suite aux 4 chefs responsables politiques à savoir les trois anciens chefs d’État Didier Ratsiraka, Albert Zafy et Marc Ravalomanana avec Andry Rajoelina d’enclencher le processus de réconciliation nationale. La nouvelle période de transition ne devra pas excéder les 12 mois et ne se chargera que des affaires courantes de l’État et de l’organisation des élections.

    Les propositions des politiciens et des entités civiles lors de la rencontre d’hier étaient des plus diversifiés. Si certains ont demandé une nouvelle considération du consensus et de l’inclusive et que d’autres ont revendiqué la mise en marche de la réconciliation nationale, un autre groupe de participants a demandé à ce que le régime actuel soit dissout pour laisser la place à un directoire militaire. Quoi qu’il en soit, force est de constater que la séance d’hier a réuni plus de participants que celle qui s’est tenue mercredi dernier à la Villa Élisabeth Ivandry.

  49. Avec des articles aussi contradictoires les uns que les autres, l’actuelle Feuille de route est un ramassis de torchons, inapplicable !! Elle ne peut être que remplacée tôt ou tard !

    Fa izao :

    « A l’entrée en vigueur de cette ‘Feuille de route’ DEVRAIT SUIVRE LE RETOUR au pays de tous les exilés politiques  » !

    Io fotsiny aloha dia efa tsy azo ekena intsony ! Rehefa tena hitady FILAMINANA, dia tokony tsy hisy intsony aloha ny SAKATSAKANA REHETRA !!
    Tsy azo ekena intsony ny tandrametaka !

    Io ilay lazaiko hoe retour au pays de tout le monde, AVANT LA MISE EN PLACE EFFECTIVE DE LA FEUILLE DE ROUTE SIGNEE DONT LE PRESIDENT RAVALOMANANA SERA L’UN DES SIGNATAIRES. IL EST LE CHEF DE SA MOUVANCE, ET NON RANAIVO NI RABE NI RAKOTO !!!

    Alohan’izany, betsaka ny zavatra tokony ho dinihina…

    Misokatra ny sehatra, samia maneho ny heviny.

    MESDAMES ET MESSIEURS LES POLITICIENS, IL EST VRAI QU’IL N’Y A PLUS D’ELU(E) PARMI CEUX QUI SONT SENSES DIRIGER CE PAYS, AUSSI, IL EST PLUS QUE PRIMORDIAL D’ECOUTER ET D’ANALYSER CE QUE VOUS DIT ET VOUS DEMANDE LE PEUPLE ; D’AILLEURS, VOUS N’AVEZ NON PLUS, L’APANAGE DU SAVOIR NI DE LA SAGESSE !!! COMME TOUT LE MONDE, VOUS ÊTES FAILLIBLES ; DES LORS, LA SUFFISANCE ET L’ARROGANCE NE DOIVENT PLUS PRENDRE LE DEVANT DE LA SCENE !!
    LA POPULATION MALGACHE EN A MARRE, ET A PLUS QUE SOUFFERT DE CETTE CRISE !

  50. Iza ry milaza azy ho iarivolahy no tena nanakorontana sy manakorontana ary hanakorontana ny firenena???

  51. Raha mandaitra izany hoe ozona izany, dia hoy aho hoe : Matesa daholo izay nanongam-panjakàna sy ireo izay mihinia manohan’azy, mba hiadanan’ ny vahoaka malagasy !

    Ianareo no nanapotika ny firenena sy ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny rehetra, dia izahay indray no homen-tsiny ? Tena tssss….(ompa vary raraka ny dikan’io tsssss io ) !

    Miala tsiny amin’ny rehetra !

  52. Tsy misy hailanao tsiny mihintsy fa omeo rehefa tsy mahay mipetraka ry Kintana a!
    rehefa tsy manaiky azy @ izao asa ratsiny izao dia MPANAKORONTANA,izany no
    loha-poza,mihevitra olona fa tena donto lavitra noho izy ireo angaha izy.Satria azy ny vola sy ny seza ary
    ny basy sns dia tsy maintsy HIANKOHOKA aminy daholo izao tontolo izao fa rehefa tsy izany dia tsy faly izy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *