Tsy té hampihantra ny tondrozotra Rajoelina

IMG_0640

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny voalazan’Ingahy Rajoelina, mikasika ny raharaha 07 Febroary, dia mitondra ny heviny ny CT Ravelonanosy Mamitiana Ankolafy Ravalomanana. Ny Tgv nitondra ny olona any amin’ny faritra mena, hoy izy, ny hisian’ny vono olona na rà latsaka no tadiaviny, mba ho tonga eo amin’ny fitondrana izy ireo. Ny tantara tsy mba fanadino, hoy Mamitiana, fa nisy ny fanonganam-panjakana izay nanomboka teny Ambohijatovo ary nitohy hatramin’ny 26 Janoary 2009.Tamin’io fotoana io dia afaka mametraka fanontaniana isika rehetra hoe iza marina tokoa no tompon’andraikitra tamin’ireny 26 janoary, nisian’ny fandrobana ny fananam-bahoaka sns. Tsy izany ihany, hoy izy, fa nisy rà latsaka ihany koa tamin’io 26 janoaryio, noho ny olona maty voatsindry kitapo teny amin’ny magro tamin’izany. Tsy misy mizaka ny zom-pirenena vahiny ireny olona ireny fa malagasy ray sy reny avokoa hoy ny fanazavana. Noho izany aminay, hoy Mamitiana, dia mitaky izahay ny amin’ny hoe tsy tokony hisy mizana tsindrian’ila ny amin’ny tsy misy tsy maty manota eto, fa samy nanota daholo ary . Nametra-panontaniana ny tenany hoe iza no nitifitra, ary iza no nahafaty olona tamin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanan farany teo. Tetika avy amin’ny fat ankehitriny, hoy izy, dia aleo hindrahindraina indray ny 07 Febroary mba hanaovana aministia selectif na dia ampahapahan’olona ihany aza no omena izany.
Mazava anefa, hoy hatrany izy, fa ilay fehin-kevitra natao tany Pretoria farany, raha ny dikanteny sy fiheveran’ny sasany azy dia ny vahoaka malagasy mihitsy no mila aministia, tsy ireo izay noeritreretina hoe olona efa voatsara ka meloka teo amin’ny fitsarana fa ny vahoaka malagasy rehetra no mila amnistia faobe. Fiaingana vaovao, rafitra vaovao, fiarahamonina vaovao no hajoro eto Madagasikara hoy ity olom-boatendry ity. Raha tiana ny hampandroso ny firenena ary tsy hiverenan’ny krizy dia tsy maintsy manao famotsoran-keloka faobe. Tokony ho jerena manokana ny tsy mahazo an’izany aministia izany. Ny Filoha Ravalomanana dia notsaraina tamin’ny fitsarana tsy ara-dalàna izay efa noravana izany didy izany. Noho izany hoy ity mpanao politika ity, dia efa voalaza ao anaty tondrozotra fa rava avokoa ny fanenjehana ara-politika. Raha ny tena marina dia raha hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena isika dia atao ny aministia faobe, ny fampiharana ny tondrozotra. Manohitra ny fampiharana izany anefa Rajoelina, hoy Mamitiana satria tsy namela ny fianakaviana Ravalomanana hiverina eto Madagasikara. Midika izany fa tsy manana finiavana hamaha krizy, ny fat ary manampiniavana hiala amin’ny tondrozotra.

17 pensées sur “Tsy té hampihantra ny tondrozotra Rajoelina”

  1. Andriamatoa CT ,efa fantatra izay ny ny tian Drajoelina hatao ,ka miangavy hanao hanentana ny vahoaka sy manodidina anao sy namanao handrodana azy ,ianao Ct dia manana fahefana kokoa no ny vahoaka legalista ,ka miangavy anao hiakatra any @ Radio pirenena sy ny tele Hanentana ny vahoaka ,fa mila faranana ny fitondrana Rajoelina.

  2. Tsy hita mihintsy ny adin-drangahy iny kah! (Mamy.R io) am-bava tsy mila nefa
    ny ao am-po taralila,toa miambo tsy tia vary moaka nefa mihinana sosoa be rano.
    I Mamy R no lehibe fa io anisan’ny mbola manara-drenirano ihany, i Mamy R sy Berizika mihintsy no tena
    azo lazaina fa VONGANY ,toa mibodo seza fotsiny fa tsy hita izay zava-bita,ny an’i Berizika moa dia sy misy
    zavatra fantany,sady tsy nahita no tsy nandrė no tsy niteny,na maty eo aza ianao dia « vitavita hoa azy » tsisy bedy!!

  3. izao anie vao manomboka ny tena dinika namoaka ny azy iny VENDRANA anjarany ankolafy RAVALO manohitra anireny miandry fotsiny izao

  4. Bomafohy efa voalazako teto io fa tsy tokony isika intsony no miala
    efa voasonia io ka rehwfa tsy laniny dia MIALA izy fa tsy isika foana
    no tsy maintsy handefitra!!FA IZA IO FATIN’ALIKA IO ???nisy nifidy an’io angaha teo ka tsy maintsy izay tiany
    no harahana????olona tsy mba fanao IANAO @’izay fa FATRITRANA olona tsy faka taranaka no mba hanome
    lesona fa tsy maintsy izay tiany?????
    Rabekoto
    Efa mba niteny hono i MAMY .R fa i domelina no NAMONO ,ka tsy haiko raha hisy tohiny io ny hiantona eo indray,
    ohatra an’i BERIZIKY kah: »tsy nampaniraka aho sns » fa tsy misy fanapahan-kevitra fa miantona eo dia VITAVITA
    ho azy ohatra ny RIVOTRY NY MPIFANA.Ny fahalalako azy dia hoe: Tsy misy hidirako izany ,na tsy te halala an’izany
    aho na ( tsy haiko) fa dia MIEVAEVA eo.

  5. Tsy dia mahay firy fomba fitenenana malagasy : Inona ny dikan’izany hoe « vitavita ho azy toy ny rivotry ny mpifana » ?

  6. Ireny fiandrasana ora maromaro ny fanendrena an’i Beriziky ireny d miteny ho azy, fa tery vaimanta no nahazo an’i Donjona!!!Anao PM ny fitantanana izao! Manàna fahasahiana mijoro hiaro ny marina!Ianao no andrasana hamaha ny vona miridiridy « noeud gordien » nataon’io zaza miala sakana ratsy taiza io!Hatramin’izao mbola tsy hitany foana ny toerana tokony hisy azy!Ts’isy jery e!!!Mahereza tompoko, fa entinay am-bavaka ianao sy ny firenena!!

  7. Inona no dikan’ny fitenenanan hoe : « Hazo amoron-tevana, Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’Angatra, Namono biby tsy nahafaty ka nifoteran’ny rambony ???

  8. Rehefa tsy te hampihatra ny feuille de route de aleo tsy nanao sonia fa tsy resaka DJ akory ny fitantanana firenena ka mitranga-mihemotra ôtran’ny fanoloana CD anaty lecteur. Tsy mahalala ny valeur’ny sonia natao: mbola kely saina mihintsy. Aleo ihany ho’ah i Dada. Efa mazava aminay aty @ Faritra fa efa tsisy ilàna azy intsony io domendrana io. Mirongatra ny malaso aty: ato @ région SUD Ouest ‘zao dia tranga génocide 1058 no nisy nanomboka ny Décmbre hatramin’izao: anatin’io statistique io ny cas Rehavana Michel. Fitondrana Jiolahim-boto. De mbola nampiana festival tao Bezaha mitondra ny titre hoe: « dahalo tonga saina » (DTS), firaisana tsikombakomba @ dahalo ataon’ny FATn’alika. Tena mila anao ry Dada Ra8 ny Firenena fa mba ataovy izay hidiranao eto eh! Ho ela velona enao!!!!!!!!

  9. Ny @ inona io ry Ravelonarivo????

    Kintana!hay ve e!! »mandeha ho azy ohatry ny ( rehefa mivoaka rivotra ) ny mpifana oah!!
    na koa mandeha tsy voizina toa lakan-jejo sns….hay moa ianao ilay bourgeois-Tana ???azafady !!

  10. Tsy oe tsy te hampihatra ny FR I Domelina fa tena tsy hampihatra mihintsy ary efa mivonona @ zany satria dia fihetsiketsehana miaraka @ Miaramila frantsay zao no hataon’ny Miaramila foza!!!ka aleo tsy hanofy an’io isika fa hiroso à plan hafa.!!!

  11. Miseho azy ho fetsy loatra ka sendra ny patsa iray tsy omby vava rangahy kely.
    Nanantena izy fa hanao fitaovana an’i ankolafy 3 hazahoana ilay FANKATOAVANA
    kinanjo indrisy fa tsy nandaitra ilay tetika,nanantena laikely fa rehefa nahazo iny pilipitra iny dia izay ilay FANKATOAVANA
    tsy takatry ny lohakeliny akory fa mbola vao lanonana fanokafana iny sonia iny fa tsy avy dia izy.MAIVANA NOHO NY MAIVANA
    ARY POKATY NOHO NY POKATY.Dia izao efa KENDAROROKA vao hoe: domy aho ranaotra!!!efa tara loatra domelina a!!mitady
    mbola hanao hitsin-dalana ihan nefa efa izao tontolo izao no manara-maso azy.

  12. Izaho koa aza mba gaga ry Njara???tsy vao voalohany io a!!
    efa ela mihintsy aho no nahatsikaritra io Ramatoa io fa tsy dia
    harako loatr ilay tantara ka naleoko tsy niteny fa tena marina ny anao ry Njara ny momba io Ramatoa io.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *