Ankolafy Ravalomanana : Tsy ivadi-belirano amin’i Dada

Korana sy dihy ary fiarahamisakafo no nentin’ny vahoaka mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka, androany nanatanteraka ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2012 teo amin’izy ireo sy ireo mpitarika. Nisy ihany anefa ny lahateny samihafa nataon’ireo mpitarika tenyan-toerana.

Ny Me Razafimanantsoa Hanitra Filoha lefitry ny CST dia nanambara fa mbola tsy misy zavatra ofisialy mikasika ny volavolan-dalàna mikasika ny amnistia eto am-pelantanana. Aleo hoy izy hivoaka amin’ny fomba ofisialy izany vao miverina eto izahay maneho hevitra. Isika, hoy ity olom-boatendry ity, tsymanaiky lembenana fa rehefa tsy mifanojo amin’ny zavatra ilaintsika, n’inon’inona  » resolution  »  eo, tsy hamelantsika raha tsy misy zavatra mahafa-po antsika. Aza mikorapaka isika fa tsy maintsy miverina eto ny Filoha Ravalomanana. Aza manaiky ho korontanin’ny olona sasany izany, fa rehefa mikorontana isika tsy zakan’ny sasany.Nambarany ihany koa fa rehefa anao amnistia dia nanomboka ny 2002 ka hatramin’ny 2009. Tsy mangataka aministia ho an’ny filoha Ravalomanana isika fa ny andininy faha 16 ihany.Aza atao mahagaga, hoy izy, raha tsymiteny mihitsy i Dada. Aza atao mampalahelo antsika izany. Niala tsiny ihany koa ny tenany noho ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy teny an-kianja. Nahazo fanasana amin’ny fomba ofisialy amin’ny parlemantera Eoropeana any Bruxelles ny tenany. Hitatitra ny zavatra tsy mety eto toy ny sonia izay tsy notanterahana.

 Ny filoha lefitry ny CT Rakotomandimby Zafilahy kosa nilaza fa ny zavamisy dia tsara hotadidiana fa telo taona lasa androany, no nalaina an-keriny ny fahefana teo amin’ny Filoha Ravalomanana. 17 Martsa 2009-17 Martsa 2012 mampanontany tena, hoy izy, hoe aiza ho aiza isika izao.Raha tsy itanisa isika hoy ity mpanao politika ity, fa niakatra ny arinkarena faobe. Nisyny vola tao amin’ny banky foibe. Ny vahoaka manontolo dia afaka niasa avokoa. Ny zavamisy anefa, hoy Zafilahy, dia nenjehina ny Filoha Ravalomanana tamin’ny faramparan’ny taona 2008, fa nividy fiaramanidina amin’ny anarany manokana. Raha nividy anefa izy dia amiin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy mba ahafahantsika mandresy lahatra nysehatra iraisam-pirenena, ka tsymaintsy mandray andraikitra izy. Ny zavamisy ankehitriny, hoy hatrany Zafilahy, dia manjaka ny risoriso sy ny tsy fandriampahalemana. Eo anatrehan’izany dia manaitra ny rehetra ny tenako, ndao atambatra ny hery. Tonga ny 17 Martsa afahantsika manarina ny firenena.

 

 Ny zava-dehibe tato ato, hoy Rakotonirina Manandafy, dia ny fijoroan’ny FFKM.Rehefa ny fiangonana, hoy izy, no milaza amintsika fa hanao fanompoam-pivavahana dia tsy miasa irery isika. Matoa ny olona tonga manatona antsika dia ho fanajana ny demokrasia syny fomba kristianina ananantsika. Mato nahavita izao zavatra izao isika dia nahafapo. Nirary ny vahoaka ny tenany mba hahazo fandresena.

Ny Ministra Ravatomanga Roland dia nilaza fa misy velom-panontaniana tato ato fa nangina ny filoha Ravalomanana. Misy kosa ny manontany fa nankaiza ireo ministra ao amin’ny governemanta tsy re intsony. Misy koa ny mametraka fanontaniana mivantana amin’ny CT sy CST hoe tsy hita eny amin’ny Magro. Tsotra ny valin-teny hoy Ingahy Ministra, rehefa nifampidinika tamin’ny filoha Ravalomanana izahay isanandro dia ny fanapahankevitra noraisina dia nangina aloha. Ny tianay aseho amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia manana fahendrena ny Filoha Ravalomanana, ary vonona hiverina eto ary tsy hamaly faty. Mikasika ny governemanta dia tsara ampafahantarina antsika, hoy Roland Ravatomanga, fa na dia vitsy aza izahay ao amin’ny governemanta, dia vonona hiara-hiasa. Kanefa kosa, hoy izy, tokana ny andrasanay ao dia ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Ravaloamanana eto. Nifampidinika ihany koa ny mpitarika omaly, hoy ity mpanao politika ity, ka tapaka fa handeha any Afrika Atsimo ny Me Hanitra androany. Ho fampafahatarana ny Filoha ny zava-misy no antony izany. Tsy sanatria zazakely isika, hoy izy, fa izy no kapiteny mitarika antsika. Nanome toky ny vahoaka ihany koa ny tenany fa tsy ivadi-belirano ary tsy hijanona raha tsy tafita ny hafatra miverina i Dada tsy ho ela izany.

38 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana : Tsy ivadi-belirano amin’i Dada”

  1. – Araho tsara ary ny tenin’i Dada.
    – Mila olona misimisy afaka manao com ianareo.
    – Antsoy i Lila Ratsifandriamanana hiaraka aminareo fa izy afaka miresaka tsara amin’i Kofi Annan sy Asha-Rose Migiro izay efa za-draharaha amin’ny olana sahala amin’izao satria ny filohan’i reny malala no be hambo-po tsy azon’ny olona avy aty amin’ny tany mahantra resena amin’ny hevitra dia mandan’ny volan’ny vahoaka hanatambazan olona.Ry TOTAL amin’izany raha nahazo tombony 5 milliard kanefa nahazo 10 milliard tamin’ny taona teo aloha dia milaza fa fatiantoka no azo.
    – Ary farany taomy ny legalista rehetra HIRAY HINA sy hiaraka hitady vahaolana amin’ny fodian’i Dada.HEVITRA NO ILAINA ARY ASA FA TSY PATERNALISMA.

  2. Njara a! aiza i dà ??tsy ohatry ny masosostsa be ve ny paozin’ilay havantsika io???
    Manja be mihintsy!!izay kosa angamba fa tena nahay naka sary ilay mpaka sary e!!
    Dia ahoana?? vao maika ve potika be dà??maso mijery fotsiny an!!vazivazy an!!mba manala azy e! sa ahoana ry Dà???

    Mankarary fo be ilay tsy misy VIdaka intsony!!!tena te hitomany be aho marina e!!!fa misy inona MYDAGO a??aiza izay
    VIDEO e??? toy izao no tena mba hilana ilay VIDEO nefa indrisy!!!!!!!!manetsetra am-pitoerana fotsiny ity marina mahita
    ireo sary.

  3. Io i Mamy R fa ao Bruxelles tsy tokony ho io ve no novonjentsika??
    izaho tena tsy poinss raha vao Paris.Aiza ary isika izany?? toa matoritory??
    tokony ho io no natao masaka sao sanatria???sady nararaotina teo ny zavatra rehetra ny HETAHETANTSIKA aminy ny@
    hitondrany ny TOLONA??aiza re izany e!!sady io tsy any @ renikely, izahay tsy nahaloa karatra any Frantsa, ka manahirana
    be ny makany.

  4. CE 17 MARS 2012 VEUT DIRE QUE DURANT TROIS ANS DES MALGACHES TSY VALAHARA , AVIDES DE REVANCHE DES DEFAITES ELECTORALES
    N’ONT PAS RESSENTI AUCUN REGRET D’AVOIR TRAITE LES MALGACHES COMME DES PRESQUE RIEN ET CELA POUR ASSOUVIR UNE VENGEANCE
    CAR LES MALGACHES ONT VOULU VOTER LIBREMENT ET EXPRIMER AVEC SINCERITE LE CHOIX DE CELUI QU’ILS ONT JUGE CREDIBLE ET DIGNE
    POUR LA FONCTION PRESIDENTIELLE..!

    IL REVIENT A TOUS LES MALGACHES DE BONNE VOLONTE DE TOUT FAIRE POURQUE LE PAYS RECOUVRE SA SOUVERAINETE , RETROUVE SA DIGNITE ET L’ORDRE CONSTITUTIONNEL LE PLUS VITE POSSIBLE…

    Notre Pays se trouve dans une situation pénible à vivre où s’ alternent à chaque instant espoir et désepoir avec une petite dose de volonté et de courage vite éteints par la réalité quotidienne : rien à manger car rien pour acheter..!

    Voisinant chaque jour cette misère ambiante , des gens aisés ,habitanT des maisons De riches avec des murs , des beaux rideaux que les pauvres autour vient des robes découpées et cousues avec.ils ont des voitures qui roulent toujours malgré le prix élevé des carburants Ils mangent à leur faim et ne manquent de rien.ils ne s’inquiètent ni ne se préoccupent pas des sans toit qui ne trouvent rien à manger..!
    Nous sommes ici et maintenant au niveau du goulot d’étranglement de cette crise qui a trop duré…!

    Ces scènes désolantes , écoeurantes Vous mettent en colère car , à y réfléchir un peu , on se demande bien pourquoi et comment ce beau Pays est détruit ainsi avec ces braves gens , qui pendant presque huit ans d’affilée ont constaté que leur niveau de vie s’est amélioré et que maintenant trois après ce coup d’état ,ils sont appauvris , sans toit , sans sou , sans savoir quoi manger chaque jour naissant !

    Les auteurs de ce coup d’état n’ont jamais programmé un quelconque plan de développement , d’aide ou assistance à n’importe quo iMais ils se enrichis sous les yeux des Malgaches soupirant ?les larmes aux yeux !
    Les Malgaches ,ayant vécu ces états de pauvreté presque durant quarante ans depuis l’indépendance coquille vide de 1960 , ont compris le fonctionnement de ce machin qui consiste
    –à utiliser des NATIONAUX POUR GERER LE PAYS après des élections truquées , POUR METTRE LA MAIN SUR LE PAYS PAR L’INTIMIDATION PAR LES FORCES ARMEES
    – ET QUI – DES SOIT-DISANT ASSISTANTS TECHNIQUES , CONSEILLERS EN CECI ,EXPERTS EN CELA , OPeRATEURS -INVESTISSEURS DE TELS GRANDS TRAVAUX (constructions de routes , projets de cultures intensives , opération café , explorations de pétrole , exploitation de minerais de…., aménagement du territoire..)-S’OCCUPENT DE L’IMPORT- EXPORT POUR FAIRE MAIN BASSE SUR LES RICHESSES DU PAYS !

    Les Malgaches , lors de l’élection du 16 DECEMBRE 2001, connaissant les rouages du machin , ont saisi l’occasion pour ne pas suivre les consignes officielles , ont voté pour le challeger ,maire de la capitale , industriel avisé , sans complexe aucun..appelé RAVALOMANANA MARC , qui EST ELU DES LE PREMIER TOUR !

    Lèse-majesté , usurpateur , tricheur ( accusé d’avoir manipulé les opérations…!
    Branle-bas de combat car le nouvel élu refuse le deuxième tour de scrutin !

    Recours aux amis « ben oui oui » menés par omar bongo..avec réunion par deux fois à dakar I et II..!
    Le président élu n’accepte pas le compromis..!
    Internalisation du conflit avec arbitrage de l’OUA…
    Re -refus du Président élu…
    Partition du Pays décidée par Ratsiraka,le Président battu , avec comme objectif le blocus de l’IMERINA..
    A bien examiner l ‘Histoire et la Géographie de l’IMERINA , ce blocus n’est que gesticulation , car il est impossible de » fermer » les frontières de
    ‘ IMERINA d’avec les Régions mitoyennes !
    Les militaires pro-Ratsiraka ont effectué des raids pour miner des ponts et détruire des routes Ils ont été matés par l’4Armée régulière , loyaliste car
    A OBEI AUX ORDRES DU PRESIDENT ELU …

    Après presque huit ans de lutte contre la pauvreté et démarrage du MAP ( plan quinquenal de développemnt de Mcar) les Malgaches ont vu lniveau de vie s’améliorer…!
    Et voilà , au début de l’année 2009 , les contestations de l’opposition durant sept ans portant sur l’élection du Président RAVALOMANANA MARC arc en décembre 2001 ,pourtant confirmée lors de l’élection du 03 DECEMBRE 2006 , ont dégénéré et rajoelina a été propulsé meneur d’une manifestation des gens des baas quartiers d’ANTANANARIVO payés et drogués et qui ont brûlés les magasins et bâtiments tiko et magro dans toute l’Ile appartenant à la Famille RAVALOMANANA MARC…ET ONT ABOUTI AU COUP D’ETAT DU 17 MARS 2009 !

    Trois ans déjà mais oh combien difficile pour les Malgaches qui ont payés chère cette aventure coloniale aidée par des NATIONAUX COLLABOS et soutenue par des éléments des forces armées ( armée , gendarmerie, police)..

    Ce conflit a été internationalisé car, après les évènements de 2002 , le Président RAVALOMANANA MARC , ayant constaté que ni l’embryon de la Francophonie (les ben oui oui animés par la françafrique de omar bongo ) ni l’OUA , en période de mutation pour devenir l’UA , n’ont été ni crédibles ni fiables ni impartiaux dans leur arbitrage..!

    Le Président RAVALOMANANA MARC a présenté la candidature de MADAGASCAR AUPRES DE LA SADC..pour se mettre à l’abri d’autres agressions…Et oui ,il n’a pas cru si bien faire d’avoir pris ses assurances de protection et d’assistance DIPLOMATIQUE ACTUELLEMENT , qui pourrait s’étendre sur d’autres terrains.
    Heureusement que Nous sommes membre de la SADC CAR LE MACHIN (COLONS PLUS COLLABOS MALGACHES ) AURAIT EU RAISON DE NOUS…et ne Nous aurait pas épargnes
    ET NOUS AURIONS ETE SOUS LE JOUG COLONIAL DE NOUVEAU A CAUSE DE NOS RICHESSES CONVOITEES PAR DE NOMBREUX PAYS ET HEUREUSEMENT QU’ILS SONT NOMBREUX CAR DES BRAS DE FER ONT LIEU SUR NOS DOS…QUE LE MEILLEUR ET LE PLUS FORT GAGNE MAIS NOUS AVONS NOTRE MOT A DIRE !
    QUI VEUT COOPERER AVEC NOUS – POUR EXPLOITER NOTRE PETROLE PAR EXEMPLE- DOIT NOUS DIRE CLAIREMENT ET DE FAçON BIEN PRECISE LEUR DESSEIN , LE DECLARER A HAUTE VOIX AVEC RESPECT DE NOTRE SOUVERAINETE , DE NOS INTERETS ET RESPECT DU DROIT HUMAIN !

    Le BLOCAGE DE LA MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE ACTUELLEMENT DEPEND A 99 ,99% DE LA BONNE FOI ET DE LA BONNE VOLONTE DE NOUS MALGACHES…!

    CES PUTCHISTES DOIVENT CESSER D’INSTRUMENTALISER L’AMNISTIE !TOUT PORTE A CROIRE MAINTENANT QU’AUCUN CONDAMNE POLITIQUE PAR LE TRIBUNAL SOUS LE CONTROLE D’UN POUVOIR ANTICONSTIOTUTIONNEL N ‘ EST CONCERNE PAR UNE MESURE D’AMNISTIE..!
    CE POUVOIR DE FAIT NE TROUVE AUCUN ARGUMENT POUR BLOQUER LA MISE EN OEUVRE DE LA FEUILLE DE ROUTE !

    NE CHERCHEZ A COMPLIQUER CE QUI EST SIMPLE ! ARRETEZ DE VOUS PRENDRE POUR DES MACHAIAVEL – VOUS N’ARRIVEZ PAS A SES CHEVILLES – , VOUS QUI N’ETES QUE DES VOYOUX DE GRAND CHEMIN..!

  5. Que ceux qui se réclament de la politique du Président RAVALOMANANA MARC -politique qui se fonde sur l’amour du Pays et des Malgaches qu’il veut entrainer TOUS dans le développement du Pays en assurant la scolarisation des enfants ,la formation professionalisante de TOUS…afin que les efforts des uns et des autres
    puissent converger vers l’améliotation du bien -être physique et mental de chaque MALGACHE..
    RENOVATION DU PAYS ET EDIFICATION DE CHAQUE MALGACHE CONSTITUENT EN GROS LE BUT DE LA POLITIQUE DU PRESIDENT..!
    Je souligne ce but , que ses sept années de gestion du Pays ont confirmé..car IL NE SUFFIT PAS DE SE DIRE PARTISAN DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC POUR TEMOIGNER QU’ON APPROUVE CETTE POLITIQUE..CECI NE SUFFIT PAS : IL FAUT EN ETRE CONVAINCU ET MILITER
    POUR SA REUSSITE EN RESPECTANT L’ESPRIT ET LA LETTRE DE CETTE POLITIQUE
    POUR TOUT HOMME ET TOUT L’HOMME DANS SON ENTIERETE- pour tout ce qui fait l’HOMME PHYSIQUE ET MENTAL -!

  6. Le Programme MAP représente dans la Politique Générale du Président RAVALOMANANA MARC le prolongement et le champ d’application de la promotion des Malgaches par le travail:les élèves scolarisés jusqu’à 16 ans , dans le circuit court ,peuvent occuper des emplois adaptés aux formations qu’ils ont suivies…
    Dans le cycle long , il y a d’autres programmations qui débouchent sur le marché du travail
    — cadre d’exécution :instituteurs /formateurs , techniciens (de laboratoires , en agriculture , en argonomie , en élevage , infirmiers/infirmières:sage-femmes ,ouvriers spécialisés comme chaudronniers , soudeurs ,mécaniciens ,bijoutiers..
    — cadre de conception , de recherche :professeurs de fac , ingénieurs de toutes les branches ( pétrochimie ,hydrologie , hydro-électricité , géologie, gemnologie ,recherches agronomiques , médecine vétérinaire , médecins ,recherche et exploitation des plantes médicinales , exploitation et recherche halieutique…§
    Cette est indicative et mesure l’énormité du travail à abattre et que les blabla ne servent à rien..
    POUR POUVOIR FAIRE FACE A NOS BESOINS , NOUS AVONS L’OBLIGATION DE FORMER NOS TRAVAILLEURS TRES TOT ET LES PREPARER AUX EMPLOIS QUI NE MANQUERONT PAS POUR
    LE DEVELOPPEMENT DE NOTRE PAYS AFIN D’AMELIORER LE NIVEAU DE VIE DES MALGACHES..
    ET DE PRESERVER NOTRE SOUVERAINETE ET NOTRE LIBERTE §

  7. Nasain’ny vondrona eraopeana Ingahy Mamy Rakotoarivelo, solontenan’i Madagasikara, satria hivory ny mpikambana ao anatin’ny UE sy ny ACP !
    Ny fanontaniana tsotra mipetraka, rahatoa ka Ingahy i Zafy Albert milaza fa tsy mankasitraka atramin’izao, fa hoe efa an-dalana ny fanantanterahana ny tondrozotra,
    ho sahy hiteny ve Ingahy Mamy Rakotoarivelo hoe, tsy mbola misy « tokontaniny » ary mbola tsy lavorary ny fampiarana an’ilay tondrozotra, araky ny voalazan’ny Pr Zafy Albert ?
    Inona marina no andehanany any ?
    Hanamafy fa tena mandeha tsara daholo ny tantana, ary amin’ny maha Filohan’ny CT no hanatrehany an’izany fihaonam-be izany ?
    Midika izany fa efa tena fangatahana fankatoavana no handehanany any !
    Tsy hanontany akory aho hoe, firy isan-jatony ny artikla notanterahana atramin’izao, rah ilay FDR no resahin-tsika, satria ny tena andrsan’ny vahoaka, toa ahilika lava izao !
    Tsy hotafaverina intsony ny Prezidà rahatoa ka ny filaminana marina no andrasana, satria hanao an’izay tsy hisian’ny filaminana ny foza !
    Rehefa inona sy tahaky ny hoe ahoana ry zareo, vao hoe MILAMINA NY TANY SY NY FANJAKÀNA ?

  8. Hoy ny fahendren’ny Ntaolo:

    Ny olombelona toy ny fandrin-drano ka tsy misy avo na iva;

    Ny roa tsara noho ny iray satria raha lavo ny iray dia misy mpanarina, ny telo tsara noho ny roa satria raha misy miady dia misy mpampisaraka.

    Noho izany dia mahalala tsara ny ntaolo fa manana ny fahalemeny ny olombelona ary tokony hiray hina mba ho hery iray mitanjona zavatra tokana:fodian’i Dada.

    GTT – 3 Mouvances- FDRL -Vahoaka Miray – VOT- HMF- CCM Ranjeva dia tokony hivondrona iray ihany. Fanajana ny maha-olombelona daholo izany:

    http://youtu.be/Ia-zDHnBOWk

  9. Fa nga tena potika be mahintsy Dà ? Ouadray e !!!
    Depuis mon départ en Australie, la situation n’a pas avancé d’un pouce ! Que se passe-t-il ???
    RABEBEGORA se la p… mais comme disait un légaliste à cet individu : « N’oubliez pas que vous rêvez » !!!

  10. Tena tomany be aho oa !!! 🙁 Ilaozany miaraka amin’i Mamy Rakotoarivelo. Lalany ihany aloha izany e ! Izaho tsinona tsy mba manana mari boninahitra kooo !
    Alazako amin’ny Dadanay io izao !!!

  11. Envoyé par: (Adresse IP journalisée)
    Date: sam 17 mars 2012 22:58:56

    Mialy Rajoelina tao Fénérive-Est : noraofina ireo sora-baventin’ny Mpampianatra mitokona
    Publié le Samedi 17 mars 2012 à 23:48
    Fandalovan’i Mialy Rajoelina tao Fénérive-Est : noraofina ireo sora-baventin’ny Mpampianatra mitokona
    Fanararaotam-pahefana no nataon’ny Lehiben’ny Distrikan’i Fenerive-Est. Ny zoma 16 marsa, nitsidika an’i Fénérive-Est i Ramatoa Mialy Rajoelina, fitsidihana tafiditra indrindra amin’ny fanomezana Internet ho an’ny Tranon’ny Tanora ( Maison des Jeunes) ao Fénérive-Est fiaraha-miasa amin’ny Orange Madagascar. Nifanindry amin’ny fitokonana ataon’ireo mpampinatra ao Fénérive-Est mivondrona ao anatin’ny SEMPAMA ity dian’i Ramatoa Mialy Rajoelina vadin’ny Filohan’ny Tetezamita ity. Rehefa handeha tao amin’ny Tranon’ny Tanora ao Fénérive-Esy i Ramatoa Mialy Rajoelina, nanome baiko ireo Zandary ny Lehiben’ny Distrika ao an-toerana mba handraoka ireo pancartes narentirentin’ireo mpampianatra mitokona ao anatin’ny Lycée Fénérive-Est. Lycée Fénérive-Est izay mifanila toerana amin’ny Tranon’ny Tanora. Noraofin’ireo Zandary ireo Pancarte rehetra.
    Pancartes izay ahitana soratra « Fanjakana ô ! Ampy izay ny tsindry hazo lena atao aminay Mpampianatra ». Ny zoma 16 marsa tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro teo no nitrangan’izany.


    – Nanamafy ny Filohan’Ny SEMPAMA ao Fénérive-Est Andriamatoa Séraphin fa vao mainka hiha mahery vaika ny fitokonana ataon’ny Mampianatra ao Fénérive-Est noho ity fihetsika fanararaotam-pahefana nataon’ny Lehiben’ny Distrika ity ary tsy hampianatra mihitsy izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiana. Nilaza koa ireo Mpampianatra ao Fénérive-Est fa hirohotra eny amin’ny Biraon’ny Lehiben’ny Distrika amin’ny Alatsinainy ho avy izao haka ireo Pancartes nalaina an-keriny. Nodradradradraina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 2009 fa omena fahalalahana hiteny sy hitaky ny zony ny olon-drehetra nefa fanampenam-bava no misy ankehitriny, aiza ilay fanovana ? hoy hatrany ny Filohan’ny SEMPAMA ao Fénérive-Est.


    Envoyé par: rama (Adresse IP journalisée)
    Date: dim 18 mars 2012 04:34:58

    Fa angaha hono izay ihany no niseho tany fa nisy koa hono ankizy mpianatra nanontanian’i Mialy hoe : inona no ataonao rehefa lehibe dia novaliany hoe : hanongam-panjakana tompoko !


    Dia hoy i Njara hoe : Omeo 20/20 izany ankizy izany 😉

  12. Hay hilaozan’i Baby lava tongotra any Australie koa aiza i dada no ho tonga??
    Volankankafotra ity ry Baby a! ny omaly tsy miova fa vao maika aza miesona hoy ny tanora.

    Aza marary fo @ Mamy.R i Dà fa tsy hatakalony an’ialahy iny….sa???marary fo @’izany eo!!!
    Hontsa anie aho @ ilay hoe » eo anilanao aho raha hilaina » hi!hi!hi!!!tohano mafy fa tsy ahita ohatra an’io intsony isika.
    VOANKAZO RARA IRENY .

    AIZA INTSONY IZAY ankolafy 3n’i Bemafohy eo???nofy izany sisa! i Tonton Amboise koa tsy rė tsaika intsony.

  13. Ary i Njara koa kay no tena tsy mahay maka sary fa ilay iray @ sisiny mijoro
    miaraka @’i Ravatomanga sns io no tena manja be, aiza ary dà izany??
    Toa maizina ampototry ny mazava koa sė izany marina!!!!

  14. Mampahatsihahy ahy zavatra ny hoe:
    Fifampiarahabana tratry ny taona 2012
    voalaza eto.

    Tamin’ny taona 2009 tokoa mantsy dia ny sabotsy 7 febroary ny anay tany @ toerana iasana no voatendry ankalazana izany

    Kinanjo dia RA MANDRIAKA – SACRIFICE HUMAIN no natolotry ny PUTSHISTES hisantarana ny taona vao nitsidika, ho fanamarihana ny fanomboan’ny TOLOKO HO AN-DRAMALAGASY TSIVAKIVOLO

    De otage zahay nanomboka teo: tsy maintsy mody i dada fa any ihany ny lakile sy fanafody hanarenana ny firenena

    .

    Lasa lavitra i Baby an! Ngezabe i Australie, mampiasa teny anglisy zany zao?

    .

    Njara: mbola tsy niditra any @ lafy8 aho, fa tsy adinoko rehefa kelikely

  15. Ny nofinofy , ny hatraitra ary ny ny hevitra antaingitaingina , ary ny vary amin’ny anana na ny salady dia tsy hety ho fenitra na ho filamatra hametrahana ny fitantanana ny Firenena..
    Samy manana ny hanitra ho azy ary ny randrana mety amin’ny sasany tsy hendreana ny hafa…!

    Ny fijery sy ny fandinihana ny seho-javatra sy ny visavisa izay hatao dia tsy mitovy :
    –ao ireo manao fijerin’ny njola (strabisme ) izay tsy mahay mijery manatrika ny zava-misy
    –ao ireo tsy mahita lavitra mihaotra ny fototry ny orona , fohy fisainana ,
    –eo koa ireo jamba , ary indrindra ireo mody tsy mahita ny tranga..
    –ary aoka tsy adinoina ireo pao-maso ( maso iray no miasa ), izay mihevitra azy ho tena matsilo sy tsara fijery ary mahay mandinika ary mihevitra fa ny sasany dia tsy mahita fa jamba ( les borgnes croient qu ‘ils vivent au milieu des aveugles et se croient « bien voyants ! » ).
    –misy fifanampiana ny samy olombelona , ary izany no an’isany marika maha olombelona Antsika : ny kilemaina iray sy ny jamba iray dia hafaka mifanampy :
    ilay jamba mibaby ilay kilemaina , izay manondro ny lalan-kaleha !

    Aleo ireo fikambanana hitazona ny lokony avy ,satria raha hafangaro ny loko samihahafa dia tsy ho fantatra intsony ny loko vokatr’izany !
    Ekeko fa misy mahita fahasarotana raha irery..koa mila firaisana izy ireny mba hanabe ny fototra iankinany , mila  » manjanka  » ny antokon’ny hafa amin’ny fomba aro (fanampiana vary kely , vola kely est sy eroa , ary amin’ny fanohoana hetsika an-dapan’ny sasany (certains veulent élargir leur base en essayant de « d »baucher les membres d’autres partis ou en voulant à tout pris coloniser ces autres partis
    en usant de multiples ruses puériles sioux envieux!)

    Aleo samy mila ho azy, ary raha misy asa tokony hiarahana ho tanterahana dia mifanantona misaina izay azo hatao miaraka..

    Ny  » firaisana terena  » satria  » hono ‘fanehoana ny fitiavan-tanindrazana izany , dia hevitra sy fijery diso..!

    NY TIM DIA MANANA NY HANITRA HO AZY ARY TSY HIVAROTRA ARY HANAKALO NY FANAHINY SY NY FAHENDRENA IZAY ANY
    FILAMATRA NITONDRAN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY MPIKAMBANA ARY NITANTANANY NY FAMPANDROSOANA NY FIRENEN SY NY FANATRARANA NY FARI-PIAINAN’NY MALAGASY..!

    NY FIKAMBANANA NA NY ANTOKO TSIRAIRAY DIA TOKONY HIEZAKA MITADY NY FOMBA SY HEVITRA MIFANENTANA AMIN’NY FISAINANY MBA HENTINY HANASOAVANA NY FIRENENA..!

    NY FIFIDIANANA DIA NATAO HAHAOAN’NY MALAGASY MISAFIDY OLONA IZAY HEVERINY FA MENDRIKA SY MAHAVITA NY FITONDRANA NY FIRENENA…!

  16. Faly miarahaba anareo o !
    Faly be aho mamaky ny zavatra soratanareo ! Raha ny fahalalàko an’i KM, mino aho fa tsy mandositra antsika izany iny !
    Ary mba mikarakara an’i Dà kosa Ranavalona izany kooo ! Marina fa tsy nijery tsara kosa aho e ! Fa efa fantany fa tena mankafihy ny ataony aho .
    Aza misy ketraka amin’ny Action ataon’i Mamy Rakotoarivelo fa betsaka anie ny Intox ataon’i Rainitay eto e ! Raha mamaly ity izy dia tena Rainitay marina no anarany 😀

    Mamerina foana aho hoe, Mba mandraisa initiatives isika Mouvance Ravalomanana, fa aza miandry izay ataon’ny foza foana vao mi-contrer azy e !

    Ohatra :
    MBA FENOY sarin’i Dada eran’Antananarivo sy any amin’ny Faritra re azafady e ! Na papier 21×27 aza dia efa ampy ary tsy mila soratra akory 😉
    dIA HO HITANAREO NY VALINY.

  17. Ary any amin’ny Birao rehetra ???
    Mba manao ahoana ???

    TAIRO mihitsy fa mbola ho avy ny initiatives ataon’ny lafy8 e !
    Bonne Journée daholo o !


    Coucou Baby !!! Ilaozanao ny Fikambanana izany ??? mitomany be aho : 🙁
    Any Aystralie any no tena misy ilay panneau solaire sy Eolienne Baby a ! Ny Frantsay sy Suisse sady lafo no tsy mahavoa loatra e !;)
    Ry GBD moa dia tsy hita intsony mihitsy anefa

  18. Aleo hatoro tsara dà fa tsy mahita ilay sary tena izy,
    Avy aty ambany ialahy no miakatra dia jereo tsara io sariny iray manontolo
    fa tsy tapaka re a!!eo ambonin’ily banga @ farany ambany io lesy a!!

    amiko dia mbola fanontaniana be mipetraka ny @ Mamy .R?????tsy hay mihintsy zalahy iny na ahoana
    na ahona fa toa….??asa i dada angamba no mety mahalala bebe kokoa ny momba azy na izay tena paikany???
    tsy tė hiditra lalina aho fa manajary ohatry ny mankahala olona ka tsy mety.

  19. Fa mba aiza marina i Kintana e! matahotra aho fa izy tsy miteniteny io an?? avy eo izy
    tonga dia TONGA MASIAKA ,izany foana no hataon’izy iny matetika eto, ka aleo aloha
    izy ho any fa aza tairina.Salama tsara ve Kintana a!!ao ihany ve ianao e!!manina anao ny akama isany ato anie e!!
    Aza manao ankisitrika toy io moa e!!efa ato daholo ny bavy rehetra.( efa henony kosa angamba izay e!!)

  20. manahoana daholo ny havako isany o!

    Elalela e! Nanana olana tamin’ny ordi-ko aho rehefa miditra hijery an’i mydago tato ato.

    Mandehandeha ihany moa manaraka vaovao amin’ny site hafa.

    Na teo aza izany, mahatsiaro mandrakariva an’i Mydago, sy isika rehetra zanak’i Dada

    Ary tsy manadino indrindra koa ny fotoana amin’ny 9 ora alina! Manohy hatrany, mahatsiaro an-tsika rehetra ato, ankoatry ny sujet entin-tsika amam-bav…!

    Mahereza hatrany daholo.

    Bemafoy a! misy citation nosoratanao hoe fahendren- ntaolo:
    Tsara ny roa noho ny iray….
    Ao anaty baiboly ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny na ecclesiastes toko faha 4, andininy faha 9!

  21. mandihy sy misakafo fa mahatsiaro ny fandosiran’i dada an!hafahafa sady bolangina daholo ny zanak’i dadantsika zany an! tsy zaoko intsony ilay hoe »r8 n’a pas besoin d’amnistie,s’il rentre c’est à ses risques et périls »

  22. Neninoro!

    Tsy mifanalavitra mihintsy ny fahendren’ny Ntaolo sy ny fampianarana vohizin’ny baiboly:

    Hoy ny Ntaolo: trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofana ary ny baiboly milaza hoe: Tiavo ny namanao tahakan’ny tenanao.
    Raha tia ny namanao ianao dia mampiantrano azy raha idiran-drano ao aminy.Azo hanoratana boky na hanaovana dissertation mihintsy izany fa izany hoe laika ity serasera ity dia tsy miditra lalina aho. Ny indro kely fotsiny dia nisy olona sasany nampiasa ny fivavahana ho fitaovana fandemen-tsaina ka nanahirana.
    Fa misaotra amin’ny fanamarihana nataonao.

  23. Une fausse manipulation …..
    Eh oui ! y a tellement de choses incomprehensibles maintenant. Et même MyDago, j’ai du mal à suivre !!! Y a quelque chose qui cloche……quelque part !!! 🙁

  24. Fiainana Mora? andraso Radoma?

    18h30 – INFLATION : les prix à la consommation ont augmenté de +4,7% à Antananarivo entre les mois de janvier 2011 et janvier 2012. En outre, des hausses de prix relativement faibles sont notées sur les produits importés avec un taux de 0,2%.
    Date : 19/03/12

    18h30 – INFLATION : les prix à la consommation ont augmenté de +4,7% à Antananarivo entre les mois de janvier 2011 et janvier 2012. En outre, des hausses de prix relativement faibles sont notées sur les produits importés avec un taux de 0,2%.
    Date : 19/03/12

    http://youtu.be/x3YDjVhB0yU

  25. Voalazanao ry Njara! ary ity zavatra ity efa ela2 no efa mahamahamahana ahy
    fa izany hoe: izay izany koa inona moa!!!tratry ny » VIRUS -poza »koa angamba???
    efa ho vita tsy ho ela toy ny TopMada koa ity raha izao no mitohy. Tsy mifanome tsiny e!!!

  26. Tiako be io tarika ‘Zay io ry Bemafohy,misaotra ry Dà!!
    ny tena tiako indrindra dia ilay hoe » Manahirana », voarotsirotsy indray ny alinako.
    Gut nacht!!!

  27. Ary angaha midongy isika.

    Tsara angamba raha asiana sarin’i Dada eran’ny nosy:station taxi-brousse, taxi-be(arrêt), tunnel,tamboho, tsena, sns… ary mey aza na format 21 X 27.

    Ho an’ny namana legalista:

    http://youtu.be/wzMVuki_SG8

  28. Tena mbola sempotra mitady ilay BlackBerry an’i kala mialy very tany Tamatave daholo angaha
    ry zareo a?????Tiako be izay nangalatra an’izay!!dia mba avoay ny hafeniny rehetra rehefa hita ny ao anatiny e!!
    Isika dahy sisa velan’ny olona eto mandrak’ alina ry Bemafohy.

  29. Coucou daoly ny Akama rehetra,

    Stage 3 mois no ataoko aty Australie fa tsy mandao ny tolona akory an ! Mamaky ny forum foana izaho na tsy manoratra aza fa aza miahiahy ianareo. Mitohy ny Tolona satria efa « ROSO TOY TSY MIPODY KOA » !!!

    Arahana koa ny élections ny Renimalala satria mety hampiova ny DONNE io, qui sait ???

    I Kintana koa toa tsy hitahita fa angamba miady any antsisintsisiny any hihihihi !

  30. « tsy resy tsy akory ny olo-mangina » ry denise mantsim-bava….na efa hihinana ny tsy fihinana aza de mbola foza ihany….lava-tana tsy miasa anie ny foza e ,fa mangalatra fotsiny….
    Ho an’ny zanak’i dada anaovy ny tee-shirt,casquette,asio logo ny beka sy ny moto,manaova fotocopie sarin’i dada sy neny zarao @namana rhtra,asehontsika fa isika sahy mijoro,tsy matahotra foza
    fa n’inon’inona ilaina na sandry na ny saina ts’isy resin’ny foza eo,tsy de sarotra ny mianatra loham-boto refa ilaina izany,fa tsy hoe akory refa mangina de resy,ny an’ny foza ny nify no tsy hay afenina fa mivadika bitro refa mikombona ny mo0lotra
    za ry zareo d,efa leo rah misy ny operation VIVA ho avy aho mba anala ny foko aloha
    ‘zay fa mazotoa adaholo e…ho lasa lybie anie eto!!!!

  31. Mbola ho avy fa ho hita eo e!!tsy misy afa-bela eo!! samy ho velon’aina ahita ny
    hiafaran’i domelina sy ny forongony eto hoe hatraiza ity herin’ity SAMPY.

  32. RAHA AZOKO TSARA DIA TENA VOANY FANAFODINY DADANAREO RAVALO DAHOLO IREO MAMANAREO IREO FA AHOANA NO FOMBA NATAONY RAVALO NITAINGINA ANY MAMANAREO SATRIA IZY DADANAREO,MAFY BE ILERY FA TENA OLONA MPIJANGAJANGA SATRIA NITERAKA ANAREO IREO MIDADADADA, DADANAREO TAIZA IZY??? HOTRANY HITAKO ERY MAMANAREO TENGENAN -DRAVALO MBA ISANY AO ANATINY VALOPY MIAFINA VE NAREO RAHA MISY FAHALASANANY DADANAREO???? JUSTE UNE BLAGUE LOL BE NAREO AO DAGO REO EFA MITAPY @ POLITIKA NA DIA EFA HITA FA HAHAFATY DIA MISEHO BE AMBO-PO DIA MIROBOKA DIA AVY EO HOANINY BIBY ANY AMBANINY TANY, INONA KOA NY HIRARAHINY RAVALO SY RAJOELINA ANAREO TAOVANY NAREO SA VOLIVOLINY.

    MBA MIERITRERETA RY VAHOAKA MALAGASY MAHANTRA FA NY AVENIR NDRY ZALAHY SY NY TARANANY ANIE EFA ASSURÉ EEEEEE

  33. CANARD MOUTON VACHE FOLLE BLABLA BLABLA PARTOUT MALAGASY TSY MAHALALA MENATRA MPIADY SEZA C TOUS MISARY ADALA NY SASANY NY SASANY MOA EFA LASA ADALA MAMPIHOMEHY POLITIKA LANY ANDRO NY ANTENISANY LANY FOTOANA @ ADALANY SASANY MITOLOMA IHANY FARANY MIAFARA ANY @ AFOBE DAHOLO NY IHAFARANY GASY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *