CAPSAT : ny tody tsy misy fa…

capsat

Inona indray ity vaovao ao amin’ ny miaramila ao ity ? Misy fiokoana indray ve ao amin’ ny CAPSAT ao Soanierana ? Manontany tena ihany aloha satria mbola mibahana ny honohona maro mikasika an’ izay. Hany azo antoka aloha ny fisian’ ny lonilonin’ ny miaramila marobe ao, tsy anavahana vatany sy ngetrongetroka, noho ny resa-bola aman-karama tsy mifaritra. Manampy an’ izany ny tsy fahazoazoana ny fibetroky ny miaramila vahiny miray toby ao.

Tsaroana àry ny datin’ ny 08 martsa 2009 izay niokoan’ ny miaramila tao Soanierana toa ihany,  indrindra fa mifanakaiky amin’ izay ny omaly 05 martsa 2012, ka nahafantarana izao vaovao izao. Telo taona lasa izay ny voalohany. Telo taona aty aoriany ny faharoa. Volana fahatelo amin’ ny taona ny martsa. Telo taona, telo volana… Tsy misy izany roa tsy arahin-telo izany, hoy ny mpilalao isa. Avela eo iny.

Hiandry ny fiokoan’ ny CAPSAT fanintelony indray kosa ve vao handamina  ny fitondrana ankehitriny ? Tamana amin’ io fandroritana fandaminana io manko ny Fitondrana ankehitriny : roritina ny fotoana itondrana ny Tetezamita, tsy naharototra ny fifidianana, nolalaovina ny fampihavanam-pirenena, nosintonina hatrany Sandton ny tokony ho nampilamina tatsy Maputo, nampitomboina ho 1 500 Ar ilay vidim-bary nampanantenaina ho 500 Ar… Navela hiampy impiry izay ny mpitaky sy mpitokona ?…Ho avo firy heny koa ny vidin-tsolika sy saran-dàlana atsy ho atsy ? Efa niakatra ohatrinona io ny Jirama ? Efa lalina any amin’ ny firy hitsokitsoka ny fahoriam-bahoaka ?…

Izao angamba no tantara efa mandry tetiandro e : Amin’ ny taona fahatelo, amin’ ny volana fahatelo nijoroan’ ny Tetezamita dia hiavo telo heny, telopolo heny sy telonjato heny ny krizy iainan’ ny firenena Malagasy. Sanatriavina e ! Fanontaniana hain’ ny Malagasy mandinika valiana kosa anefa ity : fa dia nahoana loatra re ?

68 pensées sur “CAPSAT : ny tody tsy misy fa…”

  1. Ny ela hono maharay roa e!!!gaga koa mantsy aho raha ireto
    Gasy no mba ho baikobaikoan’izay tsotsoka ary????fantatro tsara ny
    ambom-pon’ny lehilahy Gasy ,indrindra raha izay ianao vahiny ery no mba hanindritsindry eo.
    Aza manaiky ho tsindri2’izay vazaha reraka rehetra izao ry manam-boninahitra Gasy malala a!
    petao dia ho hita eo ny tohiny,ireo mandry ohatrinona fa ianareo izay tian’ireo mpisolelaka ireo
    omena ihany no homeny.
    Mijoroa avoty ny tanindrazantsika !!aika izay ny tsindry haloka!

  2. Aleo hiakatra ny vidin’ny saran-dalan’ny taxi-bé eto andrenivohitra (izay mbola voatanana 1.500Fmg, fa mbola voatototry ny HAT any elanelana KELY hatreto): fantany tsara mantsy fa HO VITA TANTERAKA io fitondrana putshiste tarihin’i Andry Rajoelina sy ny forongony ary fatsian-dra France & Indo-pakistanais fond sy paik’ady hatr’izay ka mandrak’anio…

  3. Efa miady aloha dia efa tsara na inona hiadivany na inona,amiko efa ao anatiny daholo izany,
    nisy tsy faly koa t@ fibaiko2 ‘ ny tsotsoka kah!!!ka io tsy maintsy miandoha @ resaka SAOSY
    aloha e!!fa angamba misy antony hafa koa ao, mbola ho hita eo ny tohiny e!!!

  4. Dia ho hita eo indray izany ny ihetsik’ireo miaramila ireo!.. Raha izao manokana aloha dia tsy mila intsony n’ireo a ny azy izany dia ny VOLA fa TSY NY TANINDRAZANA!.. Dia raha hisy indray izany fitokonana any aoriana any ka omena vola ireo tsy tsy mataho-tody ireo dia hamono olona indray!

  5. Tsy hita e!iza intsony no hazo hamaharana???
    Efa tena sangy mihoatra ny loha no nataon’ity ilay Mamy .R ity .
    hataoko fa tsy azo leferina intsony ny zavatra toy izao,nahazo mariboninahitra izy???fa inona no vitany teo??
    raha tsy ny nanome vahana an’i domelina??dia efa ,Mihariary izany fa nanaraka iny lalana iny koa izy ary io efa
    tsikaritra efa ela,fa izao efa MIBARIBARY ny MARINA.

    Mandraisa ianao fepetra ry dada fa hataon’i Mamy .R fitaovana fotsiny ianao a!!AOKA IZAY NY AMINY HIALAO dada a!!
    Efa ampy izay POROFO rehetra izay ,izao ianao aiza??izy nomen’i domelina mariboninahitra handetika anao any lavitra any.

  6. tsy maintsy arahina fona ny caprice ny miaramila tia vola sao ireo ihany no hanongana an i rajoelina niditra tamin ny pataloha tery i bitro zao homany ny fandosirana any france fa tsy hafaka maina eo io

  7. Ity Intox sy lainga afafy ny Solo razafy ity no mahatonga ny tolonareo tsy hanjary rahoviana ary tsy hisy vahoaka hanaraka anareo. Vazaha ireo dia formateur fa tsy mibaiko akory ary besoin an’ireo miaramila gasy ireo izany fa tsy imposition akory, ary tadidio fa nahatonga an’ireo hikomy tam 2009 dia ny tsy fahazakany ny baikobaikon’ireo miaramila sud af ny de8 izay tena nibaiko mihintsy avy eo moa dia nitifitra ny malagasy rehefa avy nahazo baiko tam ny de8.

  8. Lainga sy intox ahoana e! fa inona ireny nandeha taminy TVPLUS ireny e! ny tody tsy misy fa ny atao no miverina! aleo mba hizaka izany koa ry domelina mianakavy e! fa ny tena mampihomehy ahy ireto rambo mpikopadalitra be dia be nomena kintana maro be! Nefa fantany tsara amin’ny mahamiaramila azy ireo fa ny galona n’ny jeneraly dia tsy misy olona afaka manolotra azy afatsy FILOHAMPIRENENA VOAFIDIMBAHOAKA! ka voafidimbahoaka ve RADOMELINA ka manontany aho hoe atao inona ireny kintana ireny rehefa tonga eo ny tena voafidimbahoaka! tsy maintsy ho esorina ah ah! le ridicule ne tue pas hoy ny Frantsay e!

  9. Iny indray no tsy hitako hoy ilay ranamana izay ry RAHARIMALALA !!!
    Tena marin’izany ! Jiolahy mpanongam-panjakàna no manome galona dia miazakazaka toy ny akoho mahita rehoka ireto tsy misy loha ireto !
    Dia iny koa Ingahy Mamy R. kevoka nampidera an’ity baoritra, fa hoe lasa Grantôfisie fa tsy Petitôfisie akory !!

    Ary nandeha ny resaka fa hoe « nandefasan-dry zalahy mandat d’arrêt » hono i Roindefo ?
    Tsy maty teny Ambohitsirohitra dia ho « dangiany » aiza indray ? Ho ataony tahakan’i Sarla koa ?

    « Besoin-n’ny miaramila gasy » ?? Hi hi hi !!! MDR !!!! Tsy mibaiko azy, fa miara-milalao sy matory fotsiny !!! Ha ha ha !! Vian ! Zé bézouan dé toua ! On va féra limaze dé géra ( hanao sarin’ady ) a laeraopôro a Ivato ! Apré on féra dodo !

  10. Efa mahazatra daholo ny zavatra teneninareo rehetra ,tsy misy izay mahadiso azy,fa mba lanjalanjao ihany ny teny ho lazainareo, fa izany anie no mbola anaovan’ny sasany ny vahoaka madinika hihinan’ny … hatramin’izao e,zarany aza ianao mifamaly eo foana izy mianakavy any an-tranony mifanao fotoana mivory sady mirevy no mijery ny ataonareo fotsiny mivanitika ry zareo rehefa mifamono ny olona. Ny olona sasany tsy manan-taina afa tsy ny mitsongoloka no ataony eto amin’ny fiainana mandalo ty, maninona raha mba mifanome sosokevitra indray mba andramana e!Sa hevitra ataingina daholo izay voalazako rehetra izay ry Malagasy namako isany.Manaraka izany raha ny momba ny hoe:Miampy trerona angaha ny filazako azy ny momba ny ataon’ireo miaramila vahiny ao amin’ny CapSat atao ahoana moa fa efa io no misy eo,isika anie efa ela no efa nozanahany foana hatramin’izay e,ary efa nivonona ny hizanaka antsika mandrakizay ry zareo ireo satria isika efa nanaiky an’izany ary efa nivoady an’izany ireo mpitondra antsika ireo tena marina zany fa tsy vazivazy a!Ho fehin’izany zavatra rehetra voalazako rehetra izay dia izao:mahaiza isika vahoaka madinika mifakatia tsara ,fa aza mifanipaka toy ny valala an-karona mifanomeza hevitra amin’ny zavatra tsara mifanoroa sopapa ra misy olona mila izany aminao fa aza zarainao taolana ny manodidina anao sa ahoana ny hevitrao ry malagasy namako isany ;farany ny zavatra lazaiko anareo farany dia izao mahereza ianareo mivavaka, OK!

  11. Tsara izany vao2 Roandefo izany kah!!ho hita eo hatr’aiza ny heriny sy ny fiasany???
    mety ahatsara zavatra io,izy koa mino aho fa tsy hiraviravy tanana ny @’izany.
    Dia aleo koa izy mba ahita e!!!sao mitetika n hangatsiatsiaka eo koa, ny tena hevitr’io dia mbola ho fanapenam-bava
    ihany e!!hoe: matiko ialahy raha miteniteny eo an!!dia toy ny mahazatra e!!manaraka ny sisa, dia jereo aiza izao i Deba???
    bla!bla!bla!!,tsy misy hatak’andro sns izao aiza ity Gadra???mbola any am-ponja nefa efa firy volana izy izay no tonga??dia toy
    izany hatrany.

  12. Iza ry rananvalona no : « efa firy volana izy izay no tonga » ?
    I Deba ve ?
    I Deba anie raha ny fahafantarako azy, tsy nijanona erinandro na roa tao Dago akory ê ! Raha ho faty aho, matesa rahavana !!! Nitsaok’izy, rehefa hitan’ny voamasony hoe bordela tsy misy toa izany ny fiainan’ny malagasy !! Tsy asiana resaka be !

  13. Aza adino fa ny t@ 2009 dia ny vahoaka no nitolona ka nahita izany ny miaramila dia nihetsika rehefa nahatsapa ny tsy rariny nataon’i Ra8.
    Fa ny @ ity kosa dia mbola ny fangatahana hamafana ny tsy rariny izay mbola nataon ndRavalomanana t@ karama ireo miaramila ireo ka no izany dia mangataka izy ireo mba hanafoanana io hetra napiakarina t@ tsy rariny ka tsy hisy korontana izany eto.

  14. Izahay tsy dia hoe marenina, na koa olona tsy nahita fianarana ry dagolahy !

    Fa mba fakafakao kely ny voalaza ato, dia mba mieritrereta ! Mba sokafy ihany koa ny sainareo ê !

    http://www.dailymotion.com/video/x86st5_discours-andry-28-01-09_news

    Passage 5.03
    « Tsy tombotsoan-tsika anefa ny korontana, koa aleo ao anatin’ny « filaminana tanteraka » no hakan-tsika ny Fahefàna » !!

    Tsy nisy ireny tranga tamin’ny 7 febroary 2009 teny Ambohitsirohitra ireny ; tsy nisy ihany koa ireny fanafihan-dàpa natao tamin’ny andro alina ireny ; ets…..

    Aminareo.
    Telo taona izao, milamina sy mandry tsara ny tany sy ny fanjakàna !! Miaina ao anatin’ny fahasambarana mbola tsy nisy toa izany, ny vahoaka malagasy !!!

    Milay ê !

  15. Tsotsa fotsiny eh ! dagolahy = dombolahy
    soa ihany fa mbola misy ny malakasina mahay amndinika ary mampiasa saina tsara na dia mafy aza ny fiainana ka tsy azo vokisan-dry DOMBOLAY resaka lainga fotsiny.

  16. Marina ny anao ry firenekou, tena dombolahy mihintsy io !!!
    Fa ny loza ary mampalahelo, dia hita mihintsy fa efa tena voa mihintsy ny sain’ny malagasy noho ny nataon’ireo tsy valahara ireo !
    Mbô sérieux ê, et « je ne ris pas le danger » !

    Tsara sy mahafinaritra koa ry Tananews ny zavatra ataonareo, fa mba jereo ihany ny zavatra avaoka ê !

    Miala tsiny aminareo ao amin’ny TANANEWS ; fantatra fa tsy nahy, na dia efa « lapsus révélateur » angamba !!

    Titra nivaoka androany dia hoe, « EDUCATION NATIONALE : PLUS DE 2000 « INSTRUCTEURS » EN GRÈVE ILLIMITEE » !!

    Voadona, simban’ireto miaramila ireto mihintsy ny vahoaka, any ka INSTITUTEURS lasa INSTRUCTEURS !! Mianatra mamaky teny sy manoratra no TADIAVINA amin’ny ankizy malagasy, MBA HO OLON-KENDRY SY VANONA INDRAY ANDRO ANY, fa tsy mitam-basy sy miady ê !
    Tsy hitovy amin’itony dagolahy itony !!!!

  17. Aoka ho tadidiantsika ireto zavatra ireto :
    – i lé Dolin dia Chef d’Etat-Major tamin’ny Août 1991. Mahafantatra tsara ny atao hoe zone rouge
    – Général Ranto Andrianina Rabarisoa no nitifitra ny olona ( mbola tsy jeneraly izy tamin’io )avy eny ambony hélicoptère tamin’ny 10 Août
    – i Lita be ( Vice Amiral Hyppolite ) dia nangataka ny avantages de Chef d’Etat, satria hono izy efa lehiben’ny Directoire na dia ora vitsy monja aza ;
    – Ry Alain Ramaroson sy ny olon-kafa rehetra miaraka amin-dRadomelina dia tsy nahita rirany mihitsy tamin-dRavalo; Ny anaram-bositr’i Alain Ramaroson eto Tana aza dia hoe : Bacc moins 2:
    – ny ankamaroan’ireo miaramila nampiakarina grady ireo dia ilay antsoina hoe SLE any amin’ny tafika ( Ndriarijaona, … sns … ), izany hoe Sait Lire et Ecrire.

    Raha fehezina dia nanongam-panjakana ry zareo mba hihinanana sy hamenoana paosy.
    Ampy izay ! Kely sisa ny hananana an’ireo.

  18. dé nankaiza anefa zao nareo???? nankaiza lé fikasan’ny lalimanga ravalonandra natao???? tô eo iany fa tsy lasa lavitra????? mampme! oaoaoa b nefa tsy mamokatra akory!!!!

  19. Indrisy, dia tena efa nisy lasa tokoa mantsy ireo tao amin’ny ATAUM, izay lasa SOLIKA !!
    1972 – 2012, 40 taona sahady !! Raha misy fankalazàna an’io faha 40 taona io, dia tokony ho fanomezam-boninahitra an’ireo nody mandry !
    Ho tsaroina mandrak’ariva ireo izay nandao, indrindra fa ianao ry Zaka izay vao tsy ela no lasa ! Mbola ao an-tsaina ireny fampisehoana tany Taomasina (1972) ireny !

  20. Ho aiza mou letsy fa tsy eto foana à ny aina no matezà fa ho hitantsika eto ny tohiny é! «  »efa fantatra f’izay miandoha dia mbola hisy farany koa » »

  21. Ho tsaroana tokoa ry KM @ faha 40 taona io ny vonomoka nataon-dRaosy t@ 7 Février. Ny mapme be de dombo saina sy tsy mahataka-javatra mihitsy ireto Zanakosy ireto, ka izay avoaky ny vava, de tsy avadibadika tsara aloha, zay vao miteny. Ahoana ndray Rana ty miaramila gasy malala ity a! nga Ramalala ndray hono e? fanina tanteraka ny ZANAKOSY, fa zay heverina ho afo kely hampisy fanantenana, de vonoin’ny pompier-n’i Zandry avy hatrany. Tena politiquement woa nareo sy ny Rainareo, vendrana sy tsy ampy solaitra minanakavy, hany ka mifandesoka ndray no atao eto. Mbola tsy mino an-dRabe foana ve e? na de aty an-tany lavitra aty aza izy, mahita volana alohan’i Habib.
    Simple io, ireo miaramila vazaha ireo, hiaro ny sezan’ny Zandrinay. Tsy azonareo kitikitihana izany io, na de ny besandry toa an-dry Bekintana aza, maika moa zay Raosy tsy ampy solaitra, marary fo amin’izany eto fotsiny ny Zanakosy rehetra e! lasa izao ny fifidianana. Tsisy fika e! mahaiza mifampionona tsara, fa MAMY R. no holasa filohan’ny assemblée aorian’ny fifidianana! contrat efa vita io e! aza manantena zay tafiditra ao fa ny sezany no nitolomany tao nampiasany ny anaran-drainareo, fa rainareo tsisy fotony aminy izany. Marina io an! efa ela ane woa za no nampilaza anareo e! Ny an’i Zo ihany mety. Mandehana mamory vahoaka, de mikomy, fa raha mahavita an’izany nareo, mbola malahelo an-dRainareo ny vahoaka, raha tsy izay, wawawawawa, marary fo lava eo! de iza no niharan’ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ry Solo Razafy ô? tsy Raosy very seza volamena, rava fananana, sady mbola manesy tany tena any an-tanin’olona any ve. De ny ahy ndray ry Solo R. de woe  » Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aoriana handatsa » de mahaiza mitsako kininina e!

  22. rabetapik’orona ô ! averino foana ilay tsianjery é ! azo ve aloha ilay RI ? avy eo isika miresaka ! ilay tsianjerianao tsy mila vakiana intsony fa efa fantaray ny HAINE nao amin’i R8 izay mbola eo alohanareo foana matoa mbola resahinareo. ny anay aloha izao dia IZAO FIRENENA RENDRIKA IZAO NO HITANAY, charbon avy ve hilaharana !! rapetapin’orona aloha tsy hilahatra an’izany satria an’isan’ny mihinam_be amin’izao fotoana izao. Ny 7 fév dia hiara mala ny nanao azy, ary nisy koa ny 26 janv ! Avadiky ny fouzan-drabetapin’orona foana ilay tantara he he he ! mbola hoavy ilay patsa be é !

  23. Patsa kely fa tsy omby vava!!!!!

    Kintana efa reko teto io fa noheveriko fa mivezivezy izy na nisy hadino tany ohatry??
    Hay ve ka tsy niverina intsony izy e!!dia maninona izy no tsy miteny intsony ??mbola mitady ilay 1millions
    kosa angamba izy e???dia izay vao hiverina amin’izay??sa ahoana ??
    Mankasitraka Kintana!
    Tiako be ilay Mpihira MITAFY LAMBA,mba nofinofiko izany hoe: hitafy lamba ,ary maninona raha haverina ilay
    zatovovavy mitafy lamba toy ny taloha e!!mba hamolahana ilay toe-tsainy aloha fa tena handevozin’ireto vazaha
    ireto isika dia hatomboka @ FOMBA FIAKANJONTSIKA ohatra, ny volo hatao TANAMIVOA halavaina daholo,
    indrisy ry IARIVOKO malalako izay nangihipotsy feno soa toavina !!!!feno FAHENDRENA!!!tsy ho afa-maina izay
    nahavanona izao fanapotehina sy fanimbazimbana izao.

  24. Nahazo vola ny CAPSAT dia nangina hono, fa haharitra hatramin’ny rahoviana izany? Amin’ny novambra indray ny fifidianana, mbola manam-poyoana tsara i Dada hodiana ary hiomana ny vahoaka handray azy satria izy ny ho anin’ny firenena ka aza ketraka:

    http://youtu.be/NBfrwn4EyYo

  25. endraso eo foana i dada ry Bemafohy sy ranavalona fa ho avy eo izy. Efa hela no nhenoina fa ho avy hono ravalo aiza kory izay eo ianareo no manaiky ho fitahiny fa zay kosa efa leo ny fitaka sy ny fanapotehana izay nataony nadritra ny 7 taoana be zao, raha tianareo ho fantatra dia izy no fototr’izao zavatra mahazo ny firenena malagasy izao. nopotehany ny fomba malagasy izay napetraka t@ fihavanana ka nahatonga azy niteny hoe raha tsy zahy no eo dia potika nareo na koa ny hoe tsapao aloha ny herinareo fa miady amiko ianareo. Misy lesona hampianaroka nareo kely ity:
    iza no nanao ny fanagadrana haingana sady maharitra?
    Iza no namono olona @ tsy hatony ary tsy mana tsiny?
    Izy no nanao ny sehatra ara economique teto madagasikara?
    Iza no naka ny tananan’olona sy nanototra ny tanimbarin’olona t@ hery?
    Iza no manondrana ny harena ny malgasy(vatosoa, volamena, handramena)?
    Iza no mivarotra an’i Madagasikara @ vahiny?
    Iza no naka mpikaramanady fa tsy matoky tafika malagasy?
    Iza no naka ny taolambalon’ ireo mpanjaka teny manjakamiadana izay manana ny hasina tokoa eo @ malagasy?
    VALINY: RAVALOMANANA MARC
    izay oloha ny lesona androany fa dia veloma daholo

  26. Mba aoka izay ity Fangatahana alalana amin’ny HAT ity ry Mouvance Ravalomanana, fa izay TOKONY ho atao atao raha mahay a !

    Teo nangataka alalana amin’ny HAT foana, izao indray mangataka alalana amin’ny OIF, satria :
    – TSY MANKATO na TSY MANAIKY ny Lalam-panorenana EFA LANY NY OIF !
    – Fa angaha la Frantsa no mitarika ny Lalam-panorenana malagasy ?


    Tena mahasorena be mihitsy ny mamaky an’itony :


    Envoyé par: IL EST FOUTU (Adresse IP journalisée)
    Date: jeu 8 mars 2012 09:12:01

    Nambaran’ireo ankolafy Ravalomanana izay anisany noraisin’ny vondrona OIF (Vondron-tany miteny frantsay) tao amin’ny Hotel Carlton omaly tolak’andro fa nanamafy ny OIF fa tsy mankatoa ary tsy mankasitraka ilay lalàm-panorenana izay lany tamin’ny volana Novambra 2010 izy ireo. Na izany aza anefa dia tsy mbola nandroso soso-kevitra izy ireo na mety hisy ny fanatanterahana fitsapakevi-bahoaka faharoa, na ihany koa entina eny amin’ireo fahefana mpanao lalàna io lalàm-panorenana izay efa lany io. Nandritra ny fandraisan’ireto OIF ireto ny ankolafy Ravalomanana izay notarihan’i Mamy Rakotoarivelo ihany koa, dia nisy ny tatitra ny resaka mikasika indrindra ny sori-dàlana. Nanome toky arak’izany ny OIF raha ny fantatra fa hanampy ny vondrona SADC amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana ny sori-dàlana.
    Tsy nanisy resaka mikasika ny fifidianana izay ho karakarana mihitsy ny OIF raha ny nambaran’ny ankolafy Ravalomanana, omaly. Na izany aza anefa dia nanipika mazava tsara ity ankolafy ity fa tsy nankasitrahan’ireto OIF ireto ny lalàm-panorenana izay lany tamin’ny 17 Novambra 2010. Raha ny tatitra izay nataon’ireto ankolafy Ravalomanana ireto ary dia sady tsy nanara-maso no tsy naniraka olona hanara-maso iny fifidianana iny ny OIF, noho izany dia tsy afaka ny hilaza ny heviny izy ireo manoloana iny fitsapakevi-bahoaka iny. Arak’izany dia nandroso soso-kevitra roa (2) ity ankolafy ity mikasika indrindra io fitsapakevi-bahoaka io. Nanambara arak’izany ny mpitarika ny ankolafy i Rakotoarivelo fa “na alefa ho laniana eny amin’ireo fahefana mpanao lalàna (CT sy CST) ilay lalàm-panorenana, na ihany koa miditra amin’ny fitsapakevi-bahoaka tena izy ny firenena”. Nambaran’ity mpanao politika ity mantsy fa mbola tsy tetezamita tena izy no nanao sy nikarakara iny fifidianana iny.
    OIF : “Io sori-dàlana io no vahaolana !”
    Nanamarika ny OIF raha ny nambaran’ny ankolafy Ravalomanana fa tokony harovana io sori-dàlana io satria io no lalana hafahan’ny firenena mivoaka amin’ny krizy. Arak’izany dia NAGATAKA 🙁 ireto vondrona OIF ireto ny ankolafy Ravalomanana raha ny fantatra amin’ny tokony hisian’ny fanaraha-maso izay ataon’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny sori-dàlana. Nanome toky moa iretsy farany raha ny fantatra fa hanampy ny vondrona SADC eo amin’izany fanaraha-maso izay.
    Liva R.


    Tsy misy Initiative mihitsy fa dia miandry izay avoakan’i Domelina sy ny OIF foana !


    Alefaso ny angaredona ry Miaramila tonga saina a! Avoay ny basinareo dia mba arovy ny vahoaka e !
    Ampy izay 3 taona izay hisainana !

  27. Ianareo MIARAMILA ihany no antony !
    Raha tianareo hiverina ny voninahitrareo dia

    TSY MAINTSY HARODANA NY HAT

    Izay mitady hanenjika na hanidry ny vahoaka dia

    TOKONY HO SAMBORINAREO AVY HATRANY ( risara baomba ohatra izay tsy misy maha-miaramila azy mihitsy, fa ny panda no betsaka )



    Izao mitokona indray ny Mpampianattra, dia ahaona ny ho avin’ireo zanatsika efa tsy afaka mandeha any am-pianarana akory ???
    Ny zanakin’ny Foza no be mandeha any an-tsekoly satria ny volanareo ihany ampiasainy.
    Ianareo no asiany mamono sy misambotra olona sy mamono, fa izy migilabona amin’ny 4×4. !

    TONGAVA SAINA E !

  28. Mahagaga ihany ny zavatra avaokan’ny « mpanao gazety » etsy sy eroa !

    Ao amin’ny Tananews dia misy lahan-tsoratra milaza hoe : « NON-RECONNAISSANCE DU REFERENDUM DE 2010, À QUOI JOUE L’OIF ? »
    Manontany ilay nanoratra hoe, teo lazaina fa manan-kery dia izao indray tsy manan-kery ?

    Ny zavatra tokony ho fantatra hatry ny ela, ary efa nolazaina foana, dia ny hoe TSY MANAN-KERY IO LAZAINA FA LALAM-PANORENANA MIFEHY NY REPOBLIKA FAHA EFATRA IO !!

    Fa nahoana ? Satria ARA-DALÀNA NY FOMBA NENTIN’NY MPANONGAM-PANJAKÀNA NANAOVANA AN’ILAY IZY !! CONSTITUTION ILLEGALE, INEXISTANTE !!
    Ny COMMUNAUTE INTERNATIONALE TSY MANAIKY AN’IO, ARY IO ANISAN’NY « TSY HISIAN’NY FANKATOAVANA IRAIM-PIRENENA » !

    DIKAN’IZANY, TSY MISY IZANY REPOBLIKA FAHA-EFATRA IZANY ! Ry Mamy Rakotoarivelo anefa dia nivohy ny fisian’io sy ny maha ara-dalàna an’io foana ; efa nampatsiahivina teto foana koa izany ary vao tsy ela !!

    Constitution illégale, izay manome vahana sy voninahitra ho an’ny Mpanongana sy jiolahy, dia ianao indray ve ry Mamy no « hi-valider » azy any amin’ny CT sy CST ??
    Tena hiomehezan’ny olona ianareo !!

    Mbola tsy tonga ao an-tsofinareo ihany ve ilay hoe : « Fa inona ity ataonareo ? Eo ianareo mitory dia izao manao sonia, kanefa izahay efa vonona ny hiaro anareo  » !

    RAHATOA KA HANAO FITSAPAKEVIM-BAHOAKA TENA IZY, DIA MIKASIKA NY HETAHETAM-BAHOAKA ATAO !!

    « MBOLA TIAN’NY MALAGASY VE NY HITONDRAN’NY FILOHA RAVALOMANANA NY FIRENENA ? »
    Dia hanome valiny ny TENA VAHOAKA, na ENY na TSIA !!

    Fehiny !

    Constitution et 4e République, illégales ! N’existent que dans les rêves des putschistes !!
    Feuille de route ! Non respectée ( et tant mieux ), donc SANS VALEUR AUCUNE !

    Madagascar vit dans un Etat de non-droit, dans l’anarchie totale !!

    Izany no izy ry MPAHAY LALÀNA ISANY !!!

  29. Nentin’ny fò dia nisy adino kely tery ambony ery !

    « Fa nahoana ? SATRIA « TSY » ARA-DALÀNA NY FOMBA…. »

    Miala tsiny indrindra !

  30. Tsy hainao Kintana! ekena tsy ekena satria iny lalampanorenana iny dia natao ho an’i
    domelina fa manantena izy ny hijanona mandrapahafatiny eo, SAINGY ?????efa fantany
    ihany koa fa efa MIAOKA azy daholo ny olona,dia mitranga-miemotra izy fa ho voa mafy izy raha tsy izy no hitondra
    eo intsony nanao io zavatra moramoraina (toy ny vary morasns e!), dia izao angamba izy efa tena fantany fa tsy izy
    intsony mihintsy dia aleo ho foanana miaraka aminy io tondrozotrany io sao mandrora mitsilany sy mikapa an-joro hoy
    ny manana eto.Asa raha azonao tsara ny tiany ahatongavana.
    Dia raha ny resaka mpanao Gazety efa nolazaiko koa io taloha fa efa namaly ahy ry zareo fa : Avelao hono izy hanao ny asany
    asany ireny izay hisariana ny mpamaky angamba no hatao fa azahidirana lalina izay voalaza eo.

  31. Io ary fa manomboka miseho tava ny jiodasy fa inona??
    Io izany no dikan’ilay fanomezana mariboninahitra an’i Mamy R?????
    hisolelaka sy hanadio an’i domelina ??sao dia mba fandranitana olona fotsiny koa aza io ry Njara
    io vao2 vao androany io,aza dia minomino fona ,fa raha tena marina io lahatsoratra io dia efa tena
    tsy izy intsony .Mbola miala nenina farany ihany aho fa enga anie ka vao2 tsy marina io voalaza io.
    Azafady aho ry dà fa tsy aminao aho no tezitra @’ilay lahatsoratra io a! Tena tsy mampino ahy io???

  32. Izay fieritreretanareo tsy haiko, fa raha ny tenako manokana, dia tsy ho haiko velively ny hizahozaho sy hampidera vola sy fanànana ary hiaina ao anatinin’ny LA MERDA !!!
    Fadin-drazanay izany, ary tokony ho fantatr’i Ratsitononina avy any Avaradrano !

  33. It’s not too late !
    I dedicated this song, to…my wife and, all the girls I’ve loved before !!

    Ladies of MyDago, I wish you a happy holiday ! I love you so much ! Baon’fety !
    I hope to see you here very often !!

  34. Fa nisy firy izy izany ? 😉
    Enga anie tsy ho hitan’ny vadinareo izany teny izany, fa nahoana no dia nafangaro ???
    Sa kosa mbola manimanina ny taloha ? 🙂

  35. Ianao koa ry Njara dia be fanontaniana laotra ! Misy hira aza manana lohan-teny hoe « Fitiavan’ankizy » !
    Dia ho tanisaina eto daholo ve, indrindra fa « plat tonique » ny sasany ???? Izay andraisanareo azy !!! MDr !!!

  36. Njara kosa e!ilay fitiavana anie mahafoaka be e!
    Tsy voatery hoe inona na manao inona vao afaka mitia ,
    afaka mitia ianao @ fitiavana madio mangaraara toa ny fifankatiavantsika eto ohatra,noho i dada,
    sa ahoana ry Kintana???

  37. Ekeko fa tsara ilay hira, fa itylahy antitra fozan’alika no halako !

    Mampatsiaro ny sipa kely tokoa ka !Tia an-tsokosoko aloha dia nivadika taty aoriana !Mba jereo anie ity hirako ho azy e ! 😉 Ilay mpihira koa tena mahay dia mahay ! Saingy ilay mpaka sary no midonaka fa ny micro no alainy sary 🙁

    Marina aloha ny anareo fa vitsy ny lehilahy no tena madio OMG !!! 🙂
    Soa ihany fa mbola tsy mitsingidina ! Mdr !

  38. Raha ‘lay io indray aloha dia toa ireny olona tsy nahita fianarana ireny, kanefa dia mba hoe injeniera démina ihany ! Tsy mahagaga koa aloha rahatoa ka nikatona ny CFM raha takak’ireny no mpiasa ê ; indrindra moa fa ilay « tena namotik’azy » tamin’ny 1997 !

    Na tamin’ny 9 na 8 na 6 na nème ve, dia tsy mba nisy « nahafatifaty » ry Njara ??

    Ireo « sipa » ireo koa anie dia torak’izany ê ! Anontanio i ranavalona fa mba nisy ihany tany ho any « naha varian’azy » !! Roa, telo na efatra ? Asa !! Aty aoriana ny sasany vao mitantara hoe « tahak’izay..hono » !! Sa tsy izany indray ry « N..o tao Ste-Marie Antaninandro » ? Lasan’ny olona ny fo vao hoe…. MDR !!

    Lalànam-piainana daholo izany, fa tsy dia hoe resaka madio na maloto !!

    Sérieux amin’izay ! Mba hitanareo ve ity kabarin’ilay foza vavy, mba miarahaba ny vehivavy ??

    Dia tena mampahonena !!

  39. Io anie raha vao misy kely fotsiny ilay hoe « azoazo » dia ……..tsenaina e ! …Mdr !
    Toy ny mihinana crevete …..
    QUOIIIIII????§§§§
    C’est quoi une cevette ??? C’est une petite bete qui sent la meuf !!!!
    Pardon à ttes les femmes ! elles ne sont pas ttes crevettieres ………
    …….Qd même !!! Mdr

  40. Fantatro anie ry KM ilay N…..o e ! i NiriLanto io ranavalona a! Hi hi hi hi !

    A quoi joue l’OIF ???
    Elle se comporte comme si les africains sont tous à ses bottes, et donc, ce sont eux qui ……CONVOQUENT….. les Mouvances, et celles ci viennent les ecouter ! Non seulement les ecouter mais , leur demandent….. AUTORISATION….. avant de faire quoi que ce soit !

  41. NY CAPSAT :

    Ny Sous Officiers no TOA tonga saina, fa ny Officiers Superieurs mbola mitarazoka milela-paladia ny vazaha satria vaovidy vola ny voninahiny ! 🙁

    « Ces sous-officiers réclament le respect de leur statut et des lois en vigueur. Selon leurs dires, ce sujet ne concerne pas uniquement les sous-officiers mais les officiers eux aussi. En tout cas, un sous-officier a déclaré que l’État leur avait promis le paiement de leurs retenues sur salaire, mais la réalité est décevante car il n’a honoré que 2 à 3 % de ses promesses selon les grades. Or d’après ce qu’on a compris, ces retenues datent de 2005 et elles s’élevaient pour certains entre 400 000 ariary et 600 000 ariary. D’après certains sous-officiers, ils ne vont plus céder et il n’est pas à écarter qu’ils exigent le limogeage du ministre des Forces armées et du ministre des Finances. »
    Mada Tribune : http://www.madagascar-tribune.com/Rassemblement-extraordinaire-des,17187.html

  42. Ny ahy indray dia :

    A quoi jouent-ils, ceux qui sont censés défendre la Population, la Démocratie, l’Etat de Droit, l’Indépendance du pays au sens large du terme ?

  43. Toa nahazo 500 milliards ry zalahy! Ary mba aiza ny any mpianatra sy ny mpitsara ary ny any mpampianatra? Tsy ho railkitra izany ny rombo raha marina izany?

  44. Efa ho amin’ny 11h30 ny ora, toa mbola tsy misy nifoha ? Reraky ny fankalazàna ny fetin’ny vehivavy omaly daholo sa…?

    Aiza ny vaovao ry MyDago ?? Miandry mafy dia mafy ny mpisera !! Efa hitanareo fa manao izay danin’ny kibony ny mpanongana, ary raha mangina ny mpanohana ny ara-dalàna, dia ho toy ny mpirai-tsikombakomba ihany koa !!

    Mila resahin’eto ny zava-misy sy tena marina mba ho fantatry ny « rehetra izay tokony atao », ho fiarovana sy fanavotana ny Firenena !!

    Ahoana izao izany zandary nahafaty olona izany indray ? Ahoana ity raharahan’ny Air Mad izay Fananam-pirenena ataon’ny sasany famenoana paosy ity fotsiny ?
    Liana dia liana izahay ê !

    Farany, mandeha ny resaka any ho any fa hoe miasa ho an’i Mamy Rakotoarivelo ianareo !
    Na marina izany na tsia, izahay tsy dia mivakila sy hiditra amin’izany ; fa rahatoa ka mbola anisan’ny mpiaro ny ara-dalàna ianareo, dia tokony hanoy an’izay efa natao !
    Ary matoa ny olona manakiana ny ataon-dry Mamy R. sy ireo namany, dia satria tsy azo atao no mijery arina an-tàva ; mifandray amin’ny voalazoka etsy ambony ihany izany !
    Tolom-piavotana no atao eto, ho fitsinjovana ny hoavin’ny Firenana malagasy sy ny Tanindrazana !

    Izay no mba tsy haritro, sy tiako ho lazaina kely, ka dia tohizo arak’izay tokony ho izy ny tolona ê !

  45. Ziry Onésime dit :
    6 mars 2012 à 22 h 54 min

    Dia ho hita eo indray izany ny fihetsik’ireo miaramila ireo!.. Raha izao manokana aloha dia tsy mila intsony n’ireo a ny azy izany dia ny VOLA fa TSY NY TANINDRAZANA!.. Dia raha hisy indray izany fitokonana any aoriana any ka omena vola ireo tsy tsy mataho-tody ireo dia hamono olona indray!

    Vao niteny enao ry Ziry,
    dia napoakany tokoa

    F’inona fa tsy manantsaina na fitiavana ny mpiara-belona aminy ireo miaramila manam-pahefana (amin’ny alalan’ny basy) mpanompon’ny putshistes ireo.

    Tsy mila miteny nareo (fa matahora fotsiny) hoy i couillonnel RICHARD RAV de réputation internationale connue « RICHARD BAOMBA »: olona mbola zatovo no novonoin’ny zandary eo ambany fitarian’i voalavo mpitsongo-dian’i Andry Rajoelina tany amin’ny faritr’Antsirabé
    http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/8-faits-divers/1724-faratsiho-raharaha-antsampanimahazo–mitantara-ny-nahazo-azy-ny-iray-taminireo-naratra
    .

    THE OVERTHROWERS-OUTLAWS Andry Rajoelina et sa junte militaire HAVE TO BE WIPED OUT OF OUR LIFE –> B Y…A N Y…M E A N S <– THEY DESERVE : these unlawfull rulers in Madagascar aren't good in anything except skills in killing with GUNS acting as TERRORISTS DEALERS

    .
    Miandradra ny kung-fu tarihin'i Maître Avoko, raha tany ty ka…
    mba hirotsaka an-tsehatra hiaro ny ain'ny vahoaka MANAN-SAFIDY SY ZO
    http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/3-politique/1744-kung-fu–grand-rassemblement-le-17-mars
    .

    MANAMPIA ANAY REHEFA MIPOAKA NY TAKO-BILANY

  46. Tsetsatsetsa tsy aritra fotsin an:

    [I dedicated this song, to… »my wife and, all the girls I’ve loved before » !!]

    Njara dit :
    8 mars 2012 à 16 h 56 min

    Fa nisy firy izy izany ? 😉
    Enga anie tsy ho hitan’ny vadinareo izany teny izany, fa nahoana no dia nafangaro ???
    Sa kosa mbola manimanina ny taloha ? 🙂 ]

    MDR ê

  47. HoAiza,
    Tsy voatery hoe….anie ê ! Efa voalazan’i ranavalona ny marina !! « Sa kosa manimanina ny taloha » ? Maninona moa rahatoa ka fahatsiarovana « tsara » ?? Sarotra ny hamafa an’izany !
    Mba andron’ny vehivavy ny 8 marsa dia nahatsiaro ireo lazain’ny malagasy hoe fanaka malemy, ary « tiana sy nankafihizina » rehetra, satria « na » na mahafinaritra ny fiarahana, na taloha na atramin’izao fotoana !! Ianao izao ao anatiny « atramin’izao » aloha ! Sa…diso toerana ilay « fitiavana sy fankasitrahana » ?
    Ilay teny gasy anie ka rehefa tsy mahafehy azy tsara, dia somary soratra ny milaza an’izay ao an-tsaina ê !
    Ohatra amin’ny teny frantsay misy ny hoe « apprécier » ; io no hitako mety, kanefa rehefa adika io, mety ho zavatra betsaka ary mifanipaka amin’ny eritreritro no handikàn’ny sasany azy !
    MDR !!!!
    Miresaka an’izany isika, fa io fahaizana mandika io,no anisan’ny mahatonga ny Firenena ao anatin’ny krizy koa, satria samy mandika amin’izay fomba fahitàny azy ilay FDR, dia izao voa mafy ny vahoaka !
    Faly ery ireto vahiny tsy valahara mampiady ny malagasy, satria hitany ireo be kilema, mpamadika tanindrazana, matimatim-bola ka mora vidiana !
    Tsetsatsetsa ihany koa ê !
    Mankasitraka !

  48. Ny trois points de suspension ange no eritreretiko fa lasa any aloha

    Should sound this way: « to my wife and … all the girls I’ve loved before » !!

    lol!! (eo no miainga ny interprétat° ny public az)
    sé ahoana?

  49. Ny … dia eny ihany !! Tsy voatery hoe girls koa !
    Aza dia alefa lavitra ny eritreritra na manahy koa, fa mba endry ihany ny aty ! Fa dia ilay wife indray ve no tsy ho tsaroina, amin’io vanin’andro io ? Tsy dia mety kosa ê ! « Ho an’ny rehetra hitako fa mendri-pideràna » indray izany ary ê !

    Ilay hira koa, mba anisan’ny mahafinaritr’ahy !!! Telo taona izao ny « relation virtuelle » eto, tsy hita intsony izay mba hanehoana ny hatezerana sy hahafaliana eto !

    Ny vahoaka mijaly, ny Firenena rendrika, NY FOTOANA MANDEHA, DIA NY SASANY MANARARAOTRA !!

  50. « Ho vetsovetsoina raha mahatsiahy, ary nofinofisina raha matory » !! Toa izay ‘lay fomba fiteny !!
    Izaho koa mba tia an’io hira io !

  51. Dedicated to all legalists, anti-putsh, …: « STAND BY ME » (se soutenir)
    http://www.youtube.com/watch?v=_tv-R8JN7Go&feature=related
    .
    Sometimes in our lives, (Parfois dans nos vies)
    We all have pain, we all have sorrow. (Nous avons tous mal, nous avons tous de la peine.)
    But if we are wise, (Mais si nous sommes sages,)
    We know that there’s always tomorrow. (Nous savons qu’il y a toujours un lendemain.)

    « LEAN ON ME » (repose-toi sur moi)
    http://www.youtube.com/watch?v=1-v4dkTJfc8&feature=related
    .

  52. Any izay ilay crevette kely izay – snif snif snif !!!
    Daomazy ilay mpaka sary fa ny micro no nalainy sary !!!grrrrrrr !!!

  53. Iza indray izany crevette kelinao izany ry Josefa??
    Mampalahelo be ilay hiranao ry Jojefa,io kosa fa hita iihany ilay tarehiny @ farany kah!
    tsara e!

    Somary nanao fety kely dia izao indray vao velona,fa tsy lasa lavitra akory ry zareo a!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *